FANAMBADIANA
Fikambanan’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ho mpivady araka ny fitsipika napetrak’Andriamanitra. I Jehovah Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana, ary izy no nanome alalana ny olona hivady tany Edena. Ny fanambadiana no mampisy ny fianakaviana sy ny ankohonana. Ny hahazoana taranaka no tena nanaovana ny fanambadiana, mba hihamaro ny taranak’olombelona. Nataon’i Jehovah lahy sy vavy ny olona ary nataony lasa mpivady mba ho ny fanambadiana no ahafahana mampitombo isa ny taranak’olombelona. (Ge 1:27, 28) I Jehovah àry no nanatanteraka ny fampakaram-bady voalohany teo amin’ny olombelona, araka ny Genesisy 2:22-24.
Natao hampifamatotra ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanambadiana, mba hahafahan’izy ireo hifanampy. Tsy natao hisaraka mihitsy izy ireo. Miara-miaina sy mifankatia ary mifampatoky izy ireo ka sambatra erỳ. Noforonin’i Jehovah mba ho vadin’ny lehilahy ny vehivavy, satria taolan-tehezana avy tamin-dralehilahy no nanaovana azy. Ny vehivavy àry no havany akaiky indrindra eto an-tany, satria nofo iray aminy. (Ge 2:21) Nohazavain’i Jesosy fa Andriamanitra, fa tsy i Adama, no niteny hoe: “Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” Hita amin’izany fa vady iray no natao ho an’ny olona iray, ary izany no nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany.—Mt 19:4-6; Ge 2:24.
Nantenaina hanambady daholo ny Hebreo, ka tsy misy teny ilazana olona mpitovo ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny hiteraka no tena antony nanambadiana, ka izany no nahatonga ny havan’i Rebeka hitso-drano azy hoe: “Ho tonga an’alinalina inarivoarivo anie ianao!” (Ge 24:60) Niangavy an’i Jakoba koa i Rahely hoe: “Omeo zaza aho, fa raha tsy izany dia ho faty.”—Ge 30:1.
Nisy vokany teo amin’ny fianakaviana ny fanambadiana, ary tsy ny fianakaviana ihany fa ny foko sy ny fiaraha-monina manontolo koa. Miankina amin’izany mantsy ny tanjak’ilay foko sy ny toe-karenany. Ara-dalàna sy nety àry raha ny ray aman-dreny (na ny mpitaiza) no nifidy vady ho an-janany lahy sy nandamina ny fifanarahana sy ny resa-bola rehetra. Nanontaniana ihany anefa ny hevitr’ireo olon-droa hivady (Ge 24:8), ary matetika koa izy ireo no nifankatia. (Ge 29:20; 1Sa 18:20, 27, 28) Ny ray aman-drenin-drazazalahy matetika no nitady vady ho an-janany. Indraindray koa anefa dia ny rain-drazazavavy no nanao izany, indrindra raha tsy nitovy saranga taminy razazalahy.—Js 15:16, 17; 1Sa 18:20-27.
Toa teo amin’ny havany na ny fokony ihany matetika ny lehilahy no nitady vady. Manaporofo izany ilay tenin’i Labana tamin’i Jakoba hoe: “Aleoko homena anao [ny zanako vavy], toy izay homena olon-kafa.” (Ge 29:19) Ny mpanompon’i Jehovah no tena nanao izany. Naniraka olona nankany amin’ny havany tany amin’ny taniny, ohatra, i Abrahama mba hitady vady ho an’i Isaka zanany, fa tsy haka vady tamin’ireo Kananita niara-nonina taminy. (Ge 24:3, 4) Tsy nankasitrahana ny fanambadiana olona tsy mpanompon’i Jehovah, ary tena tsy nampirisihina mihitsy. Azo lazaina ho nivadika àry ny olona nanao izany. (Ge 26:34, 35) Voararan’ny Lalàn’i Mosesy ny nanambady olona anisan’ireo firenena kananita fito. (De 7:1-4) Nahazo nanambady virjiny babo avy tamin’ny firenen-kafa ihany anefa ny miaramila. Nila nanaraka fombafomba fidiovana aloha ilay virjiny, ka nisaona an-dray aman-dreniny sy nanaisotra an’izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahany taloha.—De 21:10-14.
Vodiondry. Tsy maintsy nanome vodiondry ho an’ny rain-drazazavavy aloha ilay zazalahy na ny rainy, vao raikitra ny fanambadiana. (Ge 34:11, 12; Ek 22:16; 1Sa 18:23, 25) Nomena ny vodiondry mba hanonerana ny asa tokony ho nataon-drazazavavy, ary ho fanonerana ny ezaka sy ny vola lanin’ny ray aman-dreniny nikarakarana sy nampianarana azy. Asa natao ho an’ny rain-drazazavavy koa ny vodiondry, indraindray. (Ge 29:18, 20, 27; 31:15) Nofaritan’ny Lalàna ny vola natao vodiondry ho an’ny virjiny mbola tsy nanana fofombady nefa naolan’ny lehilahy iray.—Ek 22:16.
Fampakaram-bady. Ny tena votoatin’ny fampakaram-bady dia ny lanonana fitondrana an-drazazavavy niainga avy tao an-tranon-drainy hankany an-tranon-drazazalahy, tamin’ny daty nifanarahana. Io lanonam-panambadiana io no midika fa efa lasa anisan’ny fianakavian-drazazalahy razazavavy. (Mt 1:24) Toy izany ny fampakaram-bady, talohan’ny nanomezana ny Lalàna. Tsy nisy lanonana ara-pivavahana, na mpisorona na mpitondra fivavahana nampanan-kery an’ilay fanambadiana. Nentin-drazazalahy tao an-tranony na tao amin’ny tranolay na tranon-dray aman-dreniny ilay zazavavy. Nampahafantarina ny besinimaro sy neken’ny fiaraha-monina izany, ary natao an-tsoratra. Ara-dalàna ilay fanambadiana.—Ge 24:67.
Noheverina hoe efa mpivady anefa ilay lehilahy sy ilay vehivavy raha vao vita ny fifanarahana sy ny fifamofoana. Mbola tao an-tranon’i Lota rainy sy teo ambany fahefany ireo zanany vavy, nefa ny fofombadin’izy roa vavy efa nantsoina hoe ‘vinantolahin’i Lota izay efa haka vady an’ireo zanany vavy.’ (Ge 19:14) Voalaza koa hoe vadin’i Samsona ny vehivavy filistinina iray, na dia tsy nanambady azy mihitsy aza izy fa nifamofo taminy fotsiny. (Mpts 14:10, 17, 20) Nilaza ny Lalàna fa raha nijangajanga ny zazavavy efa fofombadin’olona, dia hovonoina ho faty izy sy ilay lehilahy nijangajanga taminy. Ahoana kosa raha nisy nanolana izy? Ilay lehilahy no hovonoina ho faty raha izany. Hafa kosa ny lalàna raha tsy fofombadin’olona ilay zazavavy.—De 22:22-27.
Noraketina an-tsoratra ny fanambadiana. Teo ambanin’ny Lalàna, dia nosoratana ara-dalàna tao amin’ny antontan-taratasin’ilay firenena ny fanambadiana sy izay zaza teraka. Izany no nahalalantsika izay tena tetirazan’i Jesosy Kristy.—Mt 1:1-16; Lk 3:23-38; ampit. Lk 2:1-5.
Fankalazana. Tsy nisy fombafomba ny fampakaram-bady teo amin’ny Israely, nefa nisy fankalazana tena nahafaly kosa. Mazàna razazavavy no niomana fatratra tao an-tranony, tamin’ny andron’ny fampakaram-bady. Nandro izy aloha, ary nihosotra menaka manitra. (Ampit. Rt 3:3; Ezk 23:40.) Nanao akanjo fotsy sy fehikibo izy, ary indraindray nisy mpanompovavy nampiakanjo azy. Matetika no nisy peta-kofehy be dia be ilay akanjo, arakaraka izay nananany. (Je 2:32; Ap 19:7, 8; Sl 45:13, 14) Nihaingo be sy nanao firavaka koa izy, raha nanan-katao. (Is 49:18; 61:10; Ap 21:2) Nisarona lamba manify toy ny voaly izy, hatrany amin’ny tongony. (Is 3:19, 23) Izany no nahafahan’i Labana namitaka mora foana an’i Jakoba, hany ka tsy fantatr’i Jakoba hoe i Lea no nomeny azy, fa tsy i Rahely. (Ge 29:23, 25) Nosaronan’i Rebeka ny lohany rehefa nanatona an’i Isaka izy. (Ge 24:65) Midika izany fa nanaiky ny fahefan’ilay mpampakatra ilay ampakarina.—1Ko 11:5, 10.
Nanao akanjo faran’izay tsara koa ny mpampakatra, ary matetika no nanao fehiloha tsara tarehy. (To 3:11; Is 61:10) Notronin’ny namany izy ary niainga avy tao an-tranony tamin’ny takariva mba hankany an-tranon’ny ray aman-drenin’ilay ho vadiny. (Mt 9:15) Avy teo indray izy ireo no niverina tany an-tranon’ilay mpampakatra, na koa nankany an-tranon-drainy. Narahin’ny mpitendry zavamaneno sy mpihira izy ireo, ary matetika no nisy olona nitondra jiro.
Tomefy olona ny lalana nolalovan’izy ireo. Falifaly erỳ ny ampakarina sy ny mpampakatra, ka re hatrany lavitra ny feony. Nihamaro ny olona nitandahatra nanaraka azy ireo, ary tovovavy nitondra jiro ny maro taminy. (Je 7:34; 16:9; Is 62:5; Mt 25:1) Mety ho elaela ny mpampakatra vao nivoaka ny tranony, ary avy eo mety ho mbola elaela koa vao niala tany an-tranon’ny ampakarina. Mety ho efa alina ihany àry vao nandalo teny an-dalana ny mpanambady sy ny mpanotrona azy, ka mety ho efa rendremana sy ho resin-tory ny olona sasany niandry teny. Izany no nanjo an’ireo virjiny folo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Mety ho re lavitra ny hira sy feo falifaly, ka niantsoantso izay nandre izany hoe: ‘Injay ny mpampakatra!’ Raha vao tonga ny mpampakatra, dia efa vonona hiarahaba azy ny mpanompo. Mandroso ao an-trano ireo nasaina mba hisakafo hariva. Nohidiana ny varavarana rehefa tafiditra tao an-trano ny mpampakatra sy ny mpanotrona, ka tsy afaka niditra intsony ireo tara. (Mt 25:1-12; 22:1-3; Ge 29:22) Toy ny nanao tsinontsinona an’ilay tompom-panasana ny nanda fanasana ho amin’ny fampakaram-bady. (Mt 22:8) Toa nisy akanjo nomena hanaovan’ireo nasaina (Mt 22:11), ary matetika koa no efa voatondron’ilay nanasa ny toerana hisy azy ireo.—Lk 14:8-10.
Naman’ny mpampakatra. Nikarakara zavatra maro ny “naman’ny mpampakatra”, ary izy no noheverina ho nampikambana ny ampakarina sy ny mpampakatra. Faly izy nandre ny feon’ny mpampakatra niresaka tamin’ny ampakarina, ary afa-po koa izy satria tontosa an-tsakany sy an-davany ny andraikiny.—Jn 3:29.
Porofo hoe virjiny. Nentin’ny mpampakatra tao amin’ny efitranony ny vadiny rehefa vita ny sakafo hariva. (Sl 19:5; Jl 2:16) Nisy lamba nampiasaina ny alin’ny fampakaram-bady, ary notehirizina izy io, na nomena ny ray aman-drenin-drazazavavy. Ny ra teo amin’izy io no porofo hoe virjiny razazavavy. Izy io no niaro azy teo anatrehan’ny lalàna, raha nampangaina hoe efa tsy virjiny intsony izy na hoe nivaro-tena talohan’ny nampakarana azy. Notoraham-bato ho faty kosa izy raha marina ilay fiampangana, satria nilaza izy hoe virjiny tamin’ny nampakarana azy ka nanala baraka ny ankohonan-drainy. (De 22:13-21) Tsy ela izay dia mbola nisy nanaraka io fanao io tany Israely sy ny manodidina.
Tombontsoa sy adidy. Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ary izy no tompon’ny teny farany momba izay hahasoa ny ankohonany sy ny toe-bolan’ny fianakaviany. Afaka manafoana ny voady nataon’ny vadiny na ny zanany vavy mihitsy aza izy, raha hitany hoe hisy voka-dratsiny eo amin’ny mpianakavy izany. Nanana izany fahefana izany koa ny lehilahy nanana fofombady. (No 30:3-8, 10-15) Ny lehilahy no masi-mandidy amin’ny ankohonany, ary izy no noheverina ho tompon’ny (heb.: baʽal) vehivavy.—De 22:22.
Resahin’ny Ohabolana 31 ny sasany amin’ny adidin’ny vehivavy amin’ny vadiny na tompony, anisan’izany ny raharaha ao an-trano, ny fikarakarana ny fitafiana, ny fividianana sy fivarotana zavatra sasany, ary ny fikarakarana tokantrano tamin’ny ankapobeny. Marina fa tokony hanaiky ny vadiny ny vehivavy, ary toy ny hoe fananan’ny vadiny, nefa tsy noheverina ho ambany izy fa nanana tombontsoa maro. Tokony ho tia azy ny vadiny, na dia vadikely na olona azo babo aza ilay vehivavy. Tsy tokony hampijalina izy fa tokony homena sakafo sy fitafiana ary fonenana. Tsy tokony hahena koa ny adidy amim-bady ataon’ny vadiny aminy. Tsy azon’ny lehilahy iray atao lahimatoa ny zanak’ilay vadiny tiany ho solon’ny zanak’ilay vadiny “halany” (tsy dia tiany). (Ek 21:7-11; De 21:11, 14-17) Tia vady ny lehilahy hebreo tsy nivadika. Matetika izy no nihaino ny hevitry ny vadiny na nankasitraka ny nataon’izy io, indrindra raha vady hendry sy nankatò ny lalàn’Andriamanitra ravehivavy.—Ge 21:8-14; 27:41-46; 28:1-4.
Narovan’ny lalàna na dia ny zazavavy virjiny mbola tsy fofombadin’olona aza. Raha nisy lehilahy mpitovo nanolana azy, dia tsy maintsy nanambady azy ilay lehilahy raha neken’ny rain-drazazavavy. Tsy nahazo nisaraka taminy ilay lehilahy nandritra ny androm-piainany. (De 22:28, 29) Ahoana raha nisy lehilahy niampanga ny vadiny hoe tsy virjiny tamin’ny andro nampakarana azy? Nandoa onitra ilay lehilahy raha diso ilay fiampangana, ary tsy nahazo nisaraka tamin’ny vadiny mihitsy. (De 22:17-19) Raha nampangaina ho nanitsakitsa-bady mangingina ny vehivavy iray nefa diso ilay fiampangana, dia tsy maintsy nanao izay hahabevohoka azy ny vadiny mba hiterahany ka ho hitan’ny besinimaro fa tsy meloka izy. Nohajaina ny fahamendrehan’ny vehivavy manambady. Voarara ny nanao firaisana taminy raha mbola tonga fotoana izy.—Le 18:19; No 5:12-28.
Fanambadiana norarana. Voarara ny nanambady olona tsy mpanompon’i Jehovah, indrindra fa ireo anisan’ny firenena kananita fito. (Ek 34:14-16; De 7:1-4) Voarara koa ny nanambady olona iray ra amin’ny tena na havana akaiky.—Le 18:6-17.
Tsy azon’ny mpisoronabe natao ny nanambady vehivavy mpitondratena, na nisarahan’ny vadiny, na nisy nanolana, na mpivaro-tena. Virjiny teo amin’ny fireneny ihany no tokony halainy. (Le 21:10, 13, 14) Tsy afaka nanambady vehivavy mpivaro-tena, na nisy nanolana, na nisarahan’ny vadiny ny mpisorona hafa. (Le 21:1, 7) Virjiny teo amin’ny Israely na vady navelan’ny mpisorona efa maty ihany no azony nalaina ho vady.—Ezk 44:22.
Raha zanakavavy no mpandova, dia olona anisan’ny fokony ihany no tokony ho vadiny. Tsy hifindrafindra foko ny lova amin’izay.—No 36:8, 9.
Fisaraham-panambadiana. Tsy nataon’ny Mpamorona hisaraka ny mpivady, tamin’izy nanorina ny fanambadiana. Tokony hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy, ary “ho nofo iray ihany izy ireo.” (Ge 2:24) Iray ihany àry ny vadin’ny lehilahy iray, ary nofo iray aminy izy io. Tsy nisy ny fisaraham-panambadiana raha tsy nanota ny olona, ka lasa tsy lavorary sy niharatsy toetra.
Tsy noteren’Andriamanitra hanaraka ny fitsipiny tany am-boalohany momba ny fanambadiana ny Israelita, tamin’izy nanome ny Lalàna. Nasiany lalàna kosa nifehy ny fisaraham-panambadiana mba tsy hampisy olana be, ary mba tsy ho foana ny fianakaviana tany Israely. Tamin’ny fotoana nety taminy anefa, dia naverin’Andriamanitra indray ilay fitsipiny tany am-boalohany. Nambaran’i Jesosy ilay fitsipika tokony harahin’ny fiangonana kristianina, dia ny hoe ny “fijangajangana” (gr.: pôrneia) ihany no ahafahana misaraka. Nilaza izy fa tsy nanery an’ireo Israelita hanaraka an’io fitsipika io Andriamanitra tamin’ny andron’i Mosesy, noho ny hamafin’ny fon’ny Israelita.—Mt 19:3-9; Mr 10:1-11.
Ny “fijangajangana” ihany àry no antony tokana manapaka ny fatoram-panambadiana eo amin’ny Kristianina, ankoatra ny fahafatesana izay manafoana ho azy ny fanambadiana. Lasa nofo iray amin’ny olona nijangajangany mantsy ilay nijangajanga. Afaka manafoana an’ilay fanambadiana ilay vady tsy diso, raha tiany. Afaka manambady indray izy avy eo. (Mt 5:32; Ro 7:2, 3) Marina fa mamela ny Kristianina hisara-panambadiana noho ny “fijangajangana” (gr.: pôrneia) ny Soratra Grika, nefa koa mananatra azy ireo mba tsy hisintaka na hiala amin’ny vadiny, na mpino izy io na tsia. Raha manapa-kevitra ny hisintaka ihany anefa izy, dia mandrara azy tsy hanao firaisana amin’olon-kafa ny Soratra Grika.—1Ko 7:10, 11; Mt 19:9.
Navelan’ny Lalàna hisaraka tamin’ny vadiny ny lehilahy, raha toa ilay vehivavy ka nahitany “zavatra manafintohina.” Tsy anisan’izany ny fanitsakitsaham-bady, satria fahafatesana no sazy raha izany. Mety ho tena tsy fanajana an’ilay lehilahy na ny ankohonan-drain’ilay lehilahy ilay izy, na fanalam-baraka ny ankohonan-dralehilahy. Tsy maintsy nanome taratasy fisaraham-panambadiana ho an’ny vadiny anefa ilay lehilahy. Nidika izany fa nanana antony marim-pototra isarahana izy, teo imason’ny fiaraha-monina. Taratasy ara-dalàna ilay izy, ka azo inoana fa niresaka tamin’ny anti-panahy na ny manam-pahefana teo amin’ny tanànany aloha ilay lehilahy. Afaka nanambady indray ilay vehivavy, ary niaro azy ilay taratasy raha nampangaina ho nanitsakitsa-bady izy taorian’izany. Raha nanolana zazavavy ny lehilahy iray ka nanambady azy, dia tsy azony nisarahana mihitsy io vadiny io. Tsy azon’ny lehilahy nisarahana koa ny vadiny raha nampangainy hoe tsy virjiny tamin’ny andro nampakarana azy, nefa diso ilay fiampangana.—De 22:13-19, 28, 29.
Raha nanambady indray ny vehivavy nisarahan’ny vadiny, ary nisarahan’io vadiny faharoa io koa izy, na maty io vadiny io, dia tsy afaka nanambady azy intsony ilay vadiny voalohany. Natao izany mba tsy hisy hanao tetika hisarahana amin’ny vadiny faharoa, na angamba hahafaty azy io mihitsy, mba hiverenany amin’ilay vadiny voalohany.—De 24:1-4.
Halan’i Jehovah ny fisaraham-panambadiana tsy ara-drariny, indrindra raha mpanompony tsy mivadika no nofitahin’ny vadiny, mba hanambadiana vehivavy mpanompo sampy tsy anisan’ny vahoakan’Andriamanitra.—Ml 2:14-16; jereo FISARAHAM-PANAMBADIANA.
Vady maro. Fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny hoe ho nofo iray ny lehilahy iray sy vehivavy iray rehefa lasa mpivady. Tsy natao hanana vady maro àry ny olona, ka voarara izany eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tokony ho modely amin’io lafiny io ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, ka tsy hanana vady afa-tsy iray ihany raha mbola velona ny vadiny. (1Ti 3:2, 12; Tit 1:5, 6) Tsy mahagaga àry raha oharina amin’ny fanambadiana ara-dalàna ny fifandraisan’i Jesosy Kristy sy ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. Io fiangonana io ihany mantsy no toy ny hoe vadin’i Jesosy.—Ef 5:21-33.
Tsy fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny fananana vady maro, ary toy izany koa ny fisaraham-panambadiana. Noleferiny anefa izy io mandra-pahatongan’ny fotoana nisian’ny fiangonana kristianina. Tsy ela taorian’ny nikomian’i Adama no nisy olona voalohany nanana vady maro. I Lameka, taranak’i Kaina, no olona voalohany resahin’ny Baiboly hoe nampirafy. Voalaza fa “naka vady roa i Lameka.” (Ge 4:19) Miresaka ny zavatra nataon’ny anjely sasany talohan’ny Safodrano ny Baiboly, ka milaza fa naka vady maro araka izay nofidiny ireo zanak’Andriamanitra ireo.—Ge 6:2.
Afaka nanana vadikely ny loham-pianakaviana fahiny sy ny Israelita teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna. Vady ara-dalàna izy ireny, ary tsy noheverina hoe nijangajanga na nanitsakitsa-bady izay olona nanana vadikely. Voalazan’ny Lalàna fa raha ny vadikelin’ny lehilahy iray no tera-dahy voalohany, dia iny zanany iny no hahazo ny lovan’ny lahimatoa.—De 21:15-17.
Azo antoka fa nitombo haingana be ny isan’ny Israelita noho ny fananana vady maro na vadikely. Nisy nilana azy izany tamin’izay fotoana izay, na dia tsy avy tamin’Andriamanitra aza. Namela izany hisy fotsiny izy, ary nanome lalàna momba izany. (Ek 1:7) Nofitahin’ny rafozandahiny i Jakoba ka lasa nampirafy, nefa mbola notahin’Andriamanitra ihany izy ka nanan-janakalahy 12 sy zanakavavy maromaro, avy tamin’ireo vadiny roa sy ireo mpanompovavy izay lasa vadikeliny.—Ge 29:23-29; 46:7-25.
Fanambadiana eo amin’ny Kristianina. Nankasitraka ny fanambadiana i Jesosy Kristy matoa nanatrika fampakaram-bady tao Kana, tany Galilia. (Jn 2:1, 2) Efa voalaza fa vady iray ihany no nataon’Andriamanitra ho an’ny olona iray, tany am-boalohany. Nohamafisin’i Jesosy Kristy fa tokony hiverina amin’izany ny fiangonana kristianina. (Ge 2:24; Mt 19:4-8; Mr 10:2-9) Noforonina mba ho afaka haneho fitiavana ny lehilahy sy ny vehivavy, ka tokony ho faly sy ho sambatra ary hifankahazo am-po izy ireo rehefa mivady. Toy ny hoe vadin’i Kristy no nilazan’ny apostoly Paoly ny fiangonana, izay i Kristy no lohany. Tena tia sy tsara fanahy amin’ny fiangonana i Kristy sady tena miahy azy io, ka izany koa no tokony hataon’ny lehilahy amin’ny vadiny. Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany àry izy. Nasehon’i Paoly koa fa tokony hanaja fatratra ny vadiny ny vehivavy. (Ef 5:21-33) Nampirisihin’ny apostoly Petera ny vehivavy mba hanaiky ny vadiny, ka hiezaka hadio fitondran-tena sy ho feno fanajana ary hanana toetra tony sy malemy paika, mba hitaomana ny vadiny. Nilaza koa i Petera fa modely i Saraha, izay niantso an’i Abrahama vadiny hoe “tompo.”—1Pe 3:1-6.
Asongadin’ny Soratra Grika Kristianina fa tsy tokony hisy fanao maloto ifanaovan’ny mpivady ary tsy tokony hivadika amin’ny vadiny izy ireo. Hoy i Paoly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (He 13:4) Notoroany hevitra ny mpivady mba hifanaja sy hanao ny adidy amim-bady.
Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina mba ‘hanambady ao amin’ny Tompo.’ (1Ko 7:39) Izany rahateo no fanaon’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, izay tsy nanambady afa-tsy mpivavaka tamin’i Jehovah. Nanoro hevitra an’ireo mpitovo koa anefa i Paoly hoe afaka manompo ny Tompo tsy misy fieritreretana zavatra hafa izy ireo, raha mijanona ho mpitovo. Efa kely sisa ny fotoana tavela, ka hoy izy: “Aoka izay manambady ho toy ny tsy manana.” Midika izany fa tsy tokony ho variana tanteraka amin’ny tombontsoa sy andraikitra entin’ny fanambadiana izy ireo, ka ho revo tanteraka amin’izany. Tokony hampandroso ny asan’ilay Fanjakana kosa izy ireo, nefa koa tsy hanao tsirambina ny andraikiny amin’ny vadiny.—1Ko 7:29-38.
Nilaza i Paoly fa tsy tokony hampidirina ao amin’ny lisitry ny olona tokony hampian’ny fiangonana ny vehivavy mpitondratena tanora, satria fotsiny hoe nilaza ny fikasany hifantoka tanteraka amin’ny fanompoana. Tsara kokoa raha nanambady izy ireny, satria mety hahatonga azy hiova hevitra ny filan’ny nofony, na dia efa nilaza aza izy hoe hijanona ho mpitovo, ka nanaiky handray ny vola fanampiana omen’ny fiangonana ho an’ireo miasa mafy. Mety hitady vady indray anefa izy, ary tsy hanao na inona na inona fa hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona. Nahatonga fanamelohana ho an’ny tenany izy noho izany. Raha manam-bady aman-janaka sy mitondra tokantrano ary manao ny adidiny amin’ny maha Kristianina azy izy, dia ho be atao ka tsy hanam-potoana hifosafosana na hiresadresahana zavatra tsy tokony horesahina. Ho afaka hanampy an’ireo tena mpitondratena mendrika ny hampiana ny fiangonana amin’izay.—1Ti 5:9-16; 2:15.
Fandrarana tsy hanambady. Nilaza mialoha i Paoly fa anisan’ny mampiavaka an’ilay fivadiham-pinoana ho avy, ny fanerena na ‘fandrarana tsy hanambady.’ (1Ti 4:1, 3) Nanambady ny apostoly sasany. (1Ko 9:5; Lk 4:38) Rehefa nitanisa ny fepetra takina amin’ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana i Paoly, dia nilaza fa tokony hanana vady tokana izy ireo (raha manambady).—1Ti 3:1, 2, 12; Tit 1:5, 6.
Ny Kristianina sy ny lalàna. Mamoaka lalàna mifehy ny fanambadiana ny manam-pahefana (“Kaisara”) any amin’ny firenena maro ankehitriny, ary tokony hankatò an’ireny lalàna ireny ny Kristianina. (Mt 22:21) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe tokony hanaovana fotoam-pivavahana na hohamasinin’ny mpitondra fivavahana ny fanambadiana. Toy ny nataon’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, dia tokony hatao araka ny lalàna foana ny fanambadiana, ka tokony hosoratana ny fanambadiana sy ny zaza teraka, raha mitaky izany ny lalàna. Namoaka lalàna momba ny fanambadiana ny mpitondra fanjakana, na “Kaisara”, ka tsy maintsy manatona azy ireny ny Kristianina mba ho ara-dalàna ny fanambadiany. Raha nanitsakitsaka an’ilay Kristianina ny vadiny ka te hisaraka araka ny Soratra Masina izy, dia tsy maintsy mangataka fisaraham-panambadiana ara-dalàna koa, raha azo atao. Mandika ny lalàn’Andriamanitra àry ny Kristianina raha manambady indray, nefa tsy miraharaha izay takin’ny Soratra Masina sy ny lalàna.—Mt 19:9; Ro 13:1.
Fanambadiana sy fitsanganana amin’ny maty. Nametraka fanontaniana natao hahasanganehana an’i Jesosy ireo mpanohitra tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty. Namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina kosa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty.”—Lk 20:34, 35; Mt 22:30.
Heviny an’ohatra. Miresaka ny tenany ho toy ny lehilahy manambady i Jehovah, ao amin’ny Soratra Masina. Nihevitra ny tenany ho vadin’ny firenen’Israely izy. (Is 54:1, 5, 6; 62:4) Nikomy tamin’i Jehovah anefa ny Israely satria nanompo sampy sy nanao fahotana hafa. Lazaina hoe nivaro-tena toy ny vehivavy nanitsakitsa-bady ny Israely, ka afaka nisaraka taminy ny vadiny.—Is 1:21; Je 3:1-20; Ho 2.
Noharin’ny apostoly Paoly tamin’i Hagara mpanompovavy sady vadikelin’i Abrahama ny firenen’Israely, ao amin’ny Galatianina toko faha-4. Nohariny tamin’i Ismaela zanakalahin’i Hagara ny Jiosy. Zanaky ny vadin’i Abrahama hafa i Ismaela, ka azo lazaina koa hoe zanaky ny vadin’i Jehovah hafa ny Jiosy. Ny fifaneken’ny Lalàna no nampifamatotra ny Israely tamin’i Jehovah. Noharin’i Paoly tamin’i Saraha, vehivavy afaka sady vadin’i Abrahama, ilay “Jerosalema any ambony” na ilay vehivavy vadin’i Jehovah. Olona afaka ny Kristianina satria nateraky ny fanahy ary zanak’ilay vehivavy afaka, dia ilay “Jerosalema any ambony.”—Ga 4:21-31; ampit. Is 54:1-6.
I Jehovah Ray no mandray an-tanana ny fifidianana an’ilay ampakarin’i Jesosy Kristy zanany, toy ny nataon’i Abrahama. Tsy vehivavy teto an-tany no nofidiny, fa ny fiangonana kristianina. (Ge 24:1-4; 2Te 2:13; 1Pe 2:5) Natolotr’i Jaona Mpanao Batisa an’i Jesosy ireo olona voalohany anisan’io fiangonana io. I Jaona mantsy no nirahin’i Jehovah hialoha an’ilay Zanany mba ho “naman’ny mpampakatra.” (Jn 3:28, 29) “Iray saina” amin’i Kristy ny fiangonana satria vatany ihany. (1Ko 6:17; Ef 1:22, 23; 5:22, 23) Nandro sy nihaingo ny ampakarina teo amin’ny Israely, ka nataon’i Jesosy Kristy azo antoka koa hoe nandro ilay ampakariny mba hiomanana ho amin’ny fampakaram-bady. Hadio tsara sy tsy hisy pentina na tsiny mantsy izy io amin’izay. (Ef 5:25-27) Lazaina ho mihaingo tsara sy vonona ho amin’ny fampakaram-bady izy io, ao amin’ny Salamo 45 sy Apokalypsy 21.
Nilaza koa i Jehovah ao amin’ny Apokalypsy fa efa manakaiky ny fampakaram-badin’ny Zanany, ary efa voaomana ilay ampakarina, manao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio. Nilaza koa izy fa sambatra ireo nasaina ho amin’ny sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. (Ap 19:7-9; 21:2, 9-21) Nanomboka nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo (Fahatsiarovana ny nahafatesany) i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany, ary nandidy ny mpianany mba hankalaza azy io foana “mandra-piaviny.” (Lk 22:19; 1Ko 11:26) Tonga tao an-tranon’ilay ampakarina ny mpampakatra fahiny mba haka azy tao an-tranon-dray aman-dreniny ho any amin’ilay trano efa nomaniny ho azy tao an-tranon-drainy. Tonga tetỳ an-tany fonenan’ireo voahosotra mpanara-dia azy koa i Kristy mba haka azy ireo, ka izay misy azy no hisy azy ireo, izany hoe ho ao an-tranon’ny Rainy any an-danitra.—Jn 14:1-3.
Jereo LOLOHA.