Andriamanitra sy Kaisara
“Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” — LIOKA 20:25.
1. a) Inona no toerana ambony tanan’i Jehovah? b) Inona ilay tokony haloantsika amin’i Jehovah ka tsy azontsika omena mihitsy an’i Kaisara?
REHEFA nanome io toromarika io i Jesosy Kristy, dia tsy nisy fisalasalana tao an-tsainy fa izay takin’Andriamanitra amin’ireo mpanompony dia zava-dehibe kokoa noho izay rehetra mety hotakin’i Kaisara, na ny Fitondrana, amin’izy ireo. I Jesosy dia nahafantatra tsara kokoa noho ny hafa rehetra ny fahamarinan’ilay vavaky ny mpanao salamo tamin’i Jehovah nanao hoe: “Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao [fiandriananao]a.” (Salamo 145:13). Rehefa notoloran’ny Devoly fahefana teo amin’ireo fanjakana rehetra teto amin’ny tany onenana i Jesosy, dia namaly hoe: “Voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao’.” (Lioka 4:5-8). Ny fanompoam-pivavahana dia tsy azo omena mihitsy an’i “Kaisara”, na emperora romana i Kaisara, na mpanapaka olombelona hafa, na ny Fitondrana mihitsy aza.
2. a) Inona no toerana tanan’i Satana raha oharina amin’itỳ tontolo itỳ? b) Noho ny famelan’iza no mahatonga an’i Satana hitana ny toerany?
2 Tsy nolavin’i Jesosy ny naha-an’i Satana an’ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao. Tatỳ aoriana izy dia niantso an’i Satana ho “mpanapaka itỳ tontolo itỳ”. (Jaona 12:31; 16:11, NW ). Tany akaikin’ny faran’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19). Izany akory tsy midika hoe nafoin’i Jehovah ny fiandrianany amin’ny tany. Tadidio fa rehefa nanolotra an’i Jesosy ireo fanapahana teo amin’ireo fanjakana ara-politika i Satana, dia nilaza hoe: “Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao (...), fa efa natolotra ahy izany”. (Lioka 4:6). Mampihatra fahefana eo amin’ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao i Satana, noho ny famelan’Andriamanitra fotsiny.
3. a) Toerana manao ahoana no tanan’ireo fitondram-panjakan’ireo firenena eo anatrehan’i Jehovah? b) Ahoana no ahafahantsika milaza fa ny fanekena ireo fitondram-panjakana eo amin’itỳ tontolo itỳ dia tsy midika hoe fanekentsika an’i Satana, ilay andriamanitr’itỳ tontolo itỳ?
3 Toy izany koa, fa ny Fitondrana dia mampihatra ny fahefany satria mamela azy ireo hanao izany Andriamanitra, amin’ny maha-Mpanapaka Tompom-piandrianana azy. (Jaona 19:11). Araka izany, “ireo fahefana misy” dia azo lazaina hoe “napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy” (NW ). Raha ampifandraisina amin’ny fahefam-piandrianana fara tampony ananan’i Jehovah ny azy ireo, dia azo antoka fa fahefana latsa-danja kokoa. Kanefa dia “mpanompon’Andriamanitra” izy ireny, amin’ny heviny hoe manome ireo sampan’asa ilaina izy ireo, mitandro ny lalàna sy ny filaminana ary manasazy ireo mpanao ratsy. (Romana 13:1, 4, 6). Koa mila mahatakatra ny Kristiana fa na dia mpanapaka tsy hita mason’itỳ tontolo na fandehan-javatra itỳ, aza i Satana, dia tsy hoe manaiky azy akory izy ireo rehefa miaiky ny amin’ny fanekena voafetra omeny ny Fitondrana. Mankato an’Andriamanitra izy ireo. Amin’izao taona 1996 izao, ny Fitondrana ara-politika dia mbola tapany amin’ny “fandaharan’Andriamanitra” ihany, dia fandaharana vonjimaika izay avelan’Andriamanitra hisy, ary tokony heken’ireo mpanompon’i Jehovah eto an-tany ho toy izany izy io. — Romana 13:2, NW.
Ireo mpanompon’i Jehovah fahiny sy ny Fitondrana
4. Nahoana i Jehovah no namela an’i Josefa ho tonga olona nisongadina tao amin’ny fitondram-panjakan’i Egypta?
4 Tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma, dia navelan’i Jehovah hanana toerana ambony tao amin’ny Fitondram-panjakana ny sasany tamin’ireo mpanompony. Ohatra, tamin’ny taonjato faha-18 al.f.i., dia tonga praiminisitra tao Egypta i Josefa, nanaraka avy hatrany an’ilay Farao nanjaka. (Genesisy 41:39-43). Nahariharin’ireo zava-nitranga nanaraka izany fa i Jehovah dia nitarika tamim-pahakingana izany, mba hahafahan’i Josefa hiasa toy ny fitaovana ho fitsimbinana ilay ‘taranak’i Abrahama’, ireo taranany, ho fanatanterahana ny fikasany. Mazava ho azy fa tokony hotadidina fa namidy ho andevo tany Egypta i Josefa, ary niaina tamin’ny fotoana mbola tsy nananan’ny mpanompon’Andriamanitra na ny Lalàn’i Mosesy, na ny “lalàn’i Kristy”, izy. — Genesisy 15:5-7; 50:19-21; Galatiana 6:2.
5. Nahoana ireo Jiosy natao sesitany no nodidiana mba ‘hikatsaka izay hiadanan’i’ Babylona?
5 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nahazo tsindrimandry avy tamin’i Jehovah ny mpaminany nahatoky Jeremia, mba hilaza tamin’ireo Jiosy natao sesitany mba hanaiky ireo mpanapaka rehefa mby any an-tsesitany any Babylona, ka hivavaka mihitsy aza ho an’ny fiadanan’io tanàna io. Nanoratra toy izao ho azy ireo izy tao amin’ny taratasiny: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ny babo rehetra (...). Katsaho izay hiadanan’ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa hianareo.” (Jeremia 29:4, 7). Tamin’ny fotoana rehetra, ny vahoakan’i Jehovah dia nanana antony ‘hitadiavana fihavanana’ ho an’ny tenany sy ho an’ny firenena izay ipetrahany mba hananany fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. — 1 Petera 3:11.
6. Na dia nomena toerana ambony ara-pitondram-panjakana aza i Daniela sy ireo namany telo lahy, tamin’ny ahoana izy ireo no tsy nety nanaiky lembenana raha ny amin’ny Lalàn’i Jehovah?
6 Nandritra ny sesitany tany Babylona, i Daniela sy Jiosy nahatoky telo hafa izay babo nandevozina tany Babylona dia nanaiky ny fampiofanana nomen’ny Fitondrana, ka tonga mpiasam-panjakana ambony laharana tany Babylonia. (Daniela 1:3-7; 2:48, 49). Kanefa, na dia nandritra ilay fampiofanana azy ireo aza, dia nijoro mafy tamin’ny heviny izy ireo tamin’ny raharaha momba ny sakafo izay nety ho nitarika azy ireo handika ny Lalàna izay nomen’i Jehovah Andriamaniny tamin’ny alalan’i Mosesy. Noho io fanaovan-javatra io, dia notahina izy ireo. (Daniela 1:8-17). Rehefa nanangana ilay sariolon’ny Fitondrana ny Mpanjaka Nebokadnezara, ireo Hebreo telo lahy naman’i Daniela dia toa noterena hanatrika ilay fombafomba niaraka tamin’ireo komandy isan’antokony tahaka azy tao amin’ny Fitondrana. Na dia izany aza, dia tsy nety ‘niankohoka sy nivavaka’ tamin’ilay sampin’ny Fitondrana, izy ireo. Teo indray dia namaly soa ny tsy fivadihan’izy ireo, i Jehovah. (Daniela 3:1-6, 13-28). Toy izany koa amin’izao andro izao, fa manaja ny sainan’ilay firenena misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy hanao zavatra ho fanolorana fanompoam-pivavahana amin’izy io kosa. — Eksodosy 20:4, 5; 1 Jaona 5:21.
7. a) Toerana tsara dia tsara nanao ahoana no notanan’i Daniela na dia teo aza ny asa ambony nananany tao amin’ny rafi-pitondram-panjakan’i Babylona? b) Fiovana inona avy no nitranga tamin’ny andro kristiana?
7 Taorian’ny fianjeran’ny herim-panjakana babyloniana, dia nomena toerana ambony ara-panjakana i Daniela teo ambanin’ilay fitondrana vaovao mediana sy persiana izay nandimby azy io tao Babylona. (Daniela 5:30; 6:1-4). Tsy namela ny toerana ambony notanany hitarika azy hampanaiky lembenana ny tsy fivadihany anefa izy. Rehefa nitaky ny hanolorany fanompoam-pivavahana tamin’i Dariosy Mpanjaka fa tsy tamin’i Jehovah ny lalàn’ny Fitondrana, dia tsy nety izy. Noho io fanaovan-javatra io, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy, kanefa dia namonjy azy i Jehovah. (Daniela 6:5-25). Mazava ho azy fa izany dia tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma. Raha vantany vao niorina ny kongregasiona kristiana, dia tonga teo “ambanin’ny lalàn’i Kristy” ireo mpanompon’Andriamanitra. Zavatra maro navela hisy teo ambanin’ny fandehan-javatra jiosy no tokony hoheverina amin’ny fomba hafa, niorina tamin’ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny vahoakany izao. — 1 Korintiana 9:21; Matio 5:31, 32; 19:3-9.
Fihetsik’i Jesosy nanoloana ny Fitondrana
8. Zava-nitranga inona no mampiseho fa i Jesosy dia tapa-kevitra ny hanalavitra fitsabatsabahana amin’ny politika?
8 Fony i Jesosy Kristy teto an-tany, dia nanorina fari-pitsipika avo kokoa ho an’ireo mpanara-dia azy izy, ary nanda izay fitsabatsabahana rehetra tamin’ny raharaha ara-politika sy ara-tafika. Rehefa avy namahana tamin’ny fomba nahagaga olona an’arivony maromaro tamin’ny mofo vitsivitsy sy hazandrano kely roa i Jesosy, dia nitady haka azy an-keriny hataony mpanjaka ara-politika, ireo Jiosy. Nidify azy ireo anefa i Jesosy tamin’ny fialana haingana nankany an-tendrombohitra. (Jaona 6:5-15). Mahakasika io zava-nitranga io, dia nilaza toy izao ny The New International Commentary on the New Testament: “Nisy faniriana mafy feno fanindrahindram-pirenena nirehitra teo amin’ireo Jiosy tamin’izany vanim-potoana izany, ary tsy isalasalana fa maro tamin’ireo izay nahita ilay fahagagana no nihevitra fa indro nisy mpitarika iray nirahin’Andriamanitra, dia ilay tonga lafatra indrindra mba hitarika azy ireo hanohitra ny Romana. Koa tapa-kevitra ny hanao azy ho mpanjaka izy ireo.” Nanampy teny izy io fa “nanda tamim-pahatapahan-kevitra” io fanolorana ho tonga mpitarika ara-politika io, i Jesosy. Tsy nanohana mihitsy izay nety ho fikomiana nataon’ny Jiosy tamin’ny fanapahana romana, i Kristy. Raha ny marina, dia nambarany mialoha izay ho vokatr’ilay fikomiana hitranga taorian’ny nahafatesany — loza tsy hay lazaina ho an’ireo mponina tao Jerosalema sy fandravana io tanàna io. — Lioka 21:20-24.
9. a) Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny fifandraisan’ny Fanjakany sy izao tontolo izao? b) Tari-dalana inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy raha ny amin’ny fifampiraharahan’izy ireo amin’ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao?
9 Taloha kelin’ny nahafatesany, i Jesosy dia nilaza tamin’ilay solontena manokan’ny emperora romana tao Jodia nanao hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 18:36). Mandra-pamaranan’ny Fanjakan’i Kristy ny fanapahan’ireo fitondram-panjakana ara-politika, dia manaraka ny ohatra nomeny ireo mpianany. Mankato an’ireny fahefana efa miorina ireny izy ireo, saingy tsy mitsabaka amin’ireo raharahany ara-politika. (Daniela 2:44; Matio 4:8-10). Namela toro lalana ho an’ireo mpianany i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21). Tany aloha, tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy: “Na zovy na zovy no [manam-pahefana, NW ] hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.” (Matio 5:41). Tao amin’ny teny manodidina an’io toriteny io, i Jesosy dia nanazava tamin’ny ohatra ilay fotopoto-pitsipika momba ny fanekena an-tsitrapo an’ireo fitakiana ara-dalàna, na eo amin’ny fifandraisan’ny olombelona izany na eo amin’ireo fepetra takin’ny fitondram-panjakana, ka mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. — Lioka 6:27-31; Jaona 17:14, 15.
Ireo Kristiana sy Kaisara
10. Araka ny voalazan’ny mpanoratra tantara iray, toerana manao ahoana no notanan’ireo Kristiana tany am-boalohany noho ny feon’ny fieritreretana, raha ny amin’i Kaisara?
10 Ireo toro lalana fohy ireo dia natao mba hifehy ny fifandraisana eo amin’ny Kristiana sy ny Fitondrana. Ao amin’ilay bokiny hoe The Rise of Christianity, dia nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe E. W. Barnes: “Nandritra ireo taonjato nanaraka izany, isaky ny nisalasala ny Kristiana iray momba ny adidiny amin’ny Fitondrana, dia nitodika tany amin’ny fampianarana ofisialy nomen’i Kristy izy. Handoa hetra izy: nety ho navesatra ireo zavatra notakina haloa — nanjary tsy zaka izy ireny talohan’ny nianjeran’ilay Empira Tandrefana — kanefa dia ho niaritra izany ny Kristiana. Ho nanaiky toy izany koa ireo adidy hafa rehetra tamin’ny Fitondrana izy, raha toa ka tsy notakina taminy ny hanomezana an’i Kaisara ireo zavatra izay an’Andriamanitra.”
11. Ahoana no nanoroan’i Paoly hevitra an’ireo Kristiana mba hifampiraharahana amin’ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao?
11 Nifanaraka tamin’izany no nilazan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana tany Roma toy izao, 20 taona mahery kely taorian’ny nahafatesan’i Kristy: “Aoka ny fanahy rehetra samy hanaiky ireo fahefana ambony”. (Romana 13:1, NW ). Tokony ho folo taona tatỳ aoriana, fotoana fohy talohan’ny nanaovana an-tranomaizina azy fanindroany sy ny namonoana azy ho faty tany Roma, dia nanoratra toy izao ho an’i Titosy i Paoly: “Mampahatsiarova azy [ireo Kristiana tany Kreta] hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.” — Titosy 3:1, 2.
Fahatakarana tsikelikely ny hevitry ny hoe “ireo fahefana ambony”
12. a) Inona no noheverin’i Charles Taze Russell fa toerana araka ny tokony ho izy tanan’ny Kristiana iray mifandray amin’ireo fahefana ara-pitondram-panjakana? b) Mahakasika ny fanompoana tao amin’ny tafika, fomba fiheverana samy hafa inona avy no nananan’ireo Kristiana voahosotra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany?
12 Taloha be, tany amin’ny 1886, i Charles Taze Russell dia nanoratra toy izao tao amin’ilay boky hoe Le Plan des Âges: “Na i Jesosy, na ireo Apostoliny, dia samy tsy nanakantsakana ireo mpanapaka teto an-tany na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana. (...) Nampianatra ny Fiangonana izy ireo mba hankato ny lalàna sy hanaja ireo manam-pahefana noho ny asan’izy ireo, (...) mba handoa ireo hetra voatondro haloany, ary mba tsy hanohitra izay mety ho lalàna efa miorina (Rom. 13:1-7; Matio 22:21), raha tsy hoe mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra angaha izy ireo (Asa. 4:19; 5:29). Nanara-dalàna avokoa i Jesosy sy ireo Apostoliny ary ny fiangonana tany am-boalohany, na dia tafasaraka sy tsy nandray anjara tamin’ireo fitondram-panjakana eo amin’itỳ tontolo itỳ aza izy ireo.” Io boky io dia nampahafantatra marina tsara “ireo hery ambony kokoa” na “ireo fahefana ambony” voalazan’ny apostoly Paoly, ho fahefana ara-pitondram-panjakan’olombelona. (Romana 13:1, King James Version). Tamin’ny 1904, ilay boky hoe La nouvelle création dia nilaza fa ny Kristiana marina dia “tokony ho hita eo anivon’ireo olona mpanara-dalàna indrindra amin’izao fotoana izao — tsy ho mpanakorontana, na ho mpila ady, na ho be fanakianana”. Ny fahatakaran’ny sasany ny hevitr’izany dia hoe fanekena tanteraka an’ireo hery ara-pitondram-panjakana misy, hatramin’ny fanekena hanao fanompoana ao amin’ny tafika mihitsy aza nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Ny hafa anefa dia nihevitra izany ho nifanohitra tamin’ilay filazan’i Jesosy hoe: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Miharihary fa nilaina ny fahatakarana mazava kokoa ny hevitry ny hoe faneken’ny Kristiana an’ireo fahefana ambony.
13. Fiovana inona teo amin’ny fahatakarana hoe iza ireo hery ambony kokoa no naseho tamin’ny 1929, ary tamin’ny ahoana izany no nahasoa?
13 Tamin’ny 1929, tamin’ny fotoana nanombohan’ny lalàn’ireo fitondram-panjakana maro samihafa nandrara zavatra izay andidian’Andriamanitra na nitaky zavatra izay andraran’ny lalàn’Andriamanitra, dia ninoana fa tsy maintsy ho i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ireo hery ambony kokoa.b Izany no fahatakarana hevi-javatra nananan’ny mpanompon’i Jehovah nandritra ireo vanim-potoana tena lehibe taloha sy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ary nitohy tamin’ny Ady Mangatsiaka nisian’ny fifandanjan’ny tahotra sy ireo fiomanany ara-tafika. Raha atao ny jery todika, dia miharihary fa io fomba fijery zavatra izay nanandratra ny maha-fahefana fara tampony an’i Jehovah sy ny Kristiny io, dia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra hitana toerana nialanalana tsy nisy fanekena lembenana nandritra io vanim-potoana sarotra manontolo io.
Fanekena voafetra
14. Ahoana no nandefasana fahazavana nitombo tamin’ny Romana 13:1, 2 sy tamin’ireo andinin-teny mifandray aminy, tamin’ny 1962?
14 Vita ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny 1961. Ny fanomanana azy io dia nitaky fandinihana tamim-pitandremana lalina ny fitenenana araka ny Soratra Masina. Ny fandikana marina tsara an’ireo teny nampiasaina, tsy ao amin’ny Romana toko faha-13 ihany fa ao amin’ny andalan-teny toy ny Titosy 3:1, 2 sy ny 1 Petera 2:13, 17 koa, dia nampiharihary fa ilay fitenenana hoe “fahefana ambony” dia tsy nanondro an’i Jehovah, ilay Fahefana Fara Tampony, na an’i Jesosy Zanany akory, fa ireo fahefana ara-pitondram-panjakan’olombelona. Tamin’ny faran’ny 1962, dia nisy lahatsoratra navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izay nanome fanazavana araka ny marina momba ny Romana toko faha-13 ary koa nanome fomba fijery nazava kokoa noho ilay nananana tamin’ny andron’i C. T. Russell. Ireo lahatsoratra ireo dia nanazava fa ny faneken’ny Kristiana an’ireo fahefana dia tsy afaka ny ho fanekena feno. Tsy maintsy voafetra izy io, miankina amin’ny tsy fanaovany izay hampifanohitra ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Nisy lahatsoratra fanampiny tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana nanantitrantitra io hevi-dehibe io.c
15, 16. a) Nitarika ho amin’ny fahaiza-mandanjalanja tsara kokoa inona ny fahatakarana vaovao ny hevitry ny Romana toko faha-13? b) Fanontaniana inona avy no mbola tokony hovaliana?
15 Io fanalahidin’ny fahatakarana marina tsara ny hevitry ny Romana toko faha-13 io no nahatonga ny vahoakan’i Jehovah hampifandanja ny fanajana sahaza an’ireo fahefana ara-politika sy ny toerana tsy misy fanekena lembenana tanana momba ireo fotopoto-pitsipika tena lehibe ao amin’ny Soratra Masina. (Salamo 97:11; Jeremia 3:15). Izy io dia nahatonga azy ireo hanana fijery araka ny tokony ho izy ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra sy ny fifampiraharahany tamin’ny Fitondrana. Izy io dia niantoka fa na dia mandoa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara aza izy ireo, dia tsy manao tsirambina ny fandoavany amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
16 Inona marina anefa ireo zavatra izay an’i Kaisara? Fitakiana ara-dalàna inona avy no azon’ny Fitondrana atao amin’ny Kristiana iray? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Salamo 103:22, NW, fanamarihana ambany pejy.
b Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 sy 15 Jona 1929.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1963 (frantsay); 1 sy 15 Martsa 1963 (frantsay); 1 Febroary 1991; 1 Febroary 1993; 1 Jolay 1994.
Mahaliana fa, ao amin’ny fanazavany momba ny Romana toko faha-13, ny Profesora F. F. Bruce dia nanoratra toy izao: “Miharihary avy amin’ireo teny manodidina akaiky azy indrindra, toy ny avy amin’ireo teny manodidina ankapoben’ny asa soratra apostolika, fa ny fitondrana dia afaka mandidy ara-drariny ny fankatoavana ao anatin’ilay faritr’ilay fikasana nanorenan’Andriamanitra azy ihany — tsy vitan’ny hoe mety hotoherina ny fitondrana, fa tsy maintsy toherina izy io, indrindra indrindra rehefa mitaky ny hahazo ilay fifikirana izay tokony ho an’Andriamanitra irery ihany.”
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana ny fanekena an’ireo fahefana ambony no tsy midika hoe fanekena an’i Satana?
◻ Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy nanoloana ny politika tamin’ny androny?
◻ Torohevitra inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy raha ny amin’ny fifampiraharahany amin’i Kaisara?
◻ Ahoana no nanoroan’i Paoly hevitra an’ireo Kristiana mba hifampiraharahana amin’ireo mpanapaka eo amin’ireo firenena?
◻ Ahoana no nitomboan’ny fahatakarana ny hoe iza ireo fahefana ambony, nandritra ireo taona?
[Sary, pejy 10]
Rehefa nanolotra azy hery ara-politika i Satana, dia nanda izany i Jesosy
[Sary, pejy 13]
Nanoratra i Russell fa “tokony ho hita eo anivon’ireo olona mpanara-dalàna indrindra amin’izao fotoana izao” ny Kristiana