“Araho ny Lalan’ny Fitiavana Mandray Vahiny”
“Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; [araho ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny, NW ].” — ROMANA 12:13.
1. Inona no zavatra fototra ilain’ny olombelona, ary ahoana no ihariharian’izany?
NY FANDEHANANA an-tongotra eo amin’ny arabe mangingina iray ao amin’ny manodidina tsy mahazatra amin’ny alina be, dia mety ho fanandraman-javatra mampiferinaina amin’izao fotoana izao. Mety hiteraka fihenjanana toy izany koa anefa ny maha-ao anaty vahoaka iray ny tena nefa tsy mahafantatra na iza na iza, na tsy fantatr’iza na iza. Amin’ny maha-olona ny olona tokoa dia mila fanehoana fiahiana sy fahatsapana fa irina sady tiana, ny tenany. Tsy misy olona na iza na iza tia ny hoentina toy ny vahiny na toy ny olona eny ivelany.
2. Inona no nomen’i Jehovah, noho isika mila fisakaizana?
2 I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanao sady Mpamorona ny zavatra rehetra, dia mahafantatra tsara fa mila fisakaizana ny olombelona. Tamin’ny naha-Mpamolavola ny zavaboariny olombelona an’Andriamanitra, dia fantany hatrany am-boalohany mihitsy fa “tsy tsara raha irery ralehilahy”, ary nanao zavatra momba izany izy. (Genesisy 2:18, 21, 22). Ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly dia feno ohatra ny amin’ny asa nanehoan’i Jehovah sy ireo mpanompony hatsaram-panahy tamin’ny olombelona. Izany dia mamela antsika hianatra ny fomba ‘hanarahana ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’, mba ho fifaliana sy fahafinaretan’ny hafa sady ho fahafaham-pon’ny tenantsika manokana. — Romana 12:13, NW.
Fitiavana ny olon-tsy fantatra
3. Hazavao ny hevitra fototra ny amin’ny hoe fitiavana mandray vahiny.
3 Ilay teny hoe “fitiavana mandray vahiny”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, dia nadika avy tamin’ilay teny grika hoe phi·lo·xe·niʹa, izay voaforon’ny fototeny roa midika hoe “fitiavana” sy “olon-tsy fantatra”. Araka izany, ny fitiavana mandray vahiny dia midika voalohany indrindra hoe “fitiavana ny olon-tsy fantatra”. Kanefa izany akory tsy fombafomba na raharaha mahakasika fahalalam-pomba fotsiny. Izany dia mahatafiditra ny fihetseham-po sy ny firaiketam-pon’ny tena. Ny matoanteny phi·leʹo, araka ny Exhaustive Concordance of the Bible nataon’i James Strong, dia midika hoe “sakaizan’ny (tia [olona iray na zavatra iray]), izany hoe, manana firaiketam-po amin’ny (fampisehoana fifikirana manokana, toy ny raharaha iray mahakasika fihetseham-po).” Noho izany, ny fitiavana mandray vahiny dia lasa lavitra kokoa noho ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika, izay angamba atosiky ny fahatsapana adidy na andraikitra. Io fitiavana mandray vahiny io mazàna dia fisehoan’ny tena fitiavana sy firaiketam-po ary fisakaizana marina.
4. Amin’iza no tokony hanehoana fitiavana mandray vahiny?
4 Ilay olona mahazo an’io fitiavana sy firaiketam-po io dia ny “olon-tsy fantatra” (Grika: xeʹnos). Mety ho iza izy io? Eto indray ny Concordance nataon’i Strong dia mamaritra ilay teny hoe xeʹnos ho ‘hafa firenena (ara-bakiteny hoe vahiny, na ara-panoharana vaovao); manondro tsy mivantana olona nasaina iray na (mifanohitra amin’izany) olon-tsy fantatra iray’. Koa ny fitiavana mandray vahiny, araka ny asehon’ny ohatra ao amin’ny Baiboly, dia afaka manome taratry ny hatsaram-panahy asehontsika amin’ny olona iray tiantsika, na amin’ny olon-tsy fantatsika mihitsy. Nanazava toy izao i Jesosy: “Raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?” (Matio 5:46, 47). Ny tena fitiavana mandray vahiny marina dia mandresy ny fisaratsarahana sy ny fanavakavahana ateraky ny faneren’ny fitsarana an-tendrony sy ny tahotra.
Jehovah, ilay mpandray vahiny tanteraka
5, 6. a) Inona no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nilaza toy izao izy: “Ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra”? b) Ahoana no ahitana ny fahalalahan-tanan’i Jehovah?
5 Rehefa avy nanintona ny saina ho amin’ny tsininy hita eo amin’ny fitiavana ifanehoan’ny samy olombelona i Jesosy, araka ny voalaza etsy aloha, dia nanampy izao fanamarihana izao: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:48). Mazava ho azy fa tanteraka eo amin’ny lafiny rehetra i Jehovah. (Deoteronomia 32:4). Nasongadin’i Jesosy anefa ny lafiny iray manokana amin’ny fahatanterahan’i Jehovah, tamin’ny filazana toy izao, taloha kokoa: “[Andriamanitra] mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45). Raha ny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy, dia tsy misy fizahan-tavan’olona amin’i Jehovah.
6 Amin’ny maha-Mpamorona an’i Jehovah, dia izy no tompon’ny zavatra rehetra. “Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra. Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha”, hoy i Jehovah. (Salamo 50:10, 11). Kanefa tsy manangon-javatra na inona na inona amim-pitiavan-tena izy. Noho ny fahalalahan-tanany dia manome izay ilain’ny zavaboariny rehetra izy. Hoy ny mpanao salamo momba an’i Jehovah: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” — Salamo 145:16.
7. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fomba itondran’i Jehovah ny olon-tsy fantatra sy ny sahirana?
7 Omen’i Jehovah izay ilainy ny olona — na dia ireo tsy mahalala azy aza, dia ireo olon-tsy fantany. Nampahatsiahy an’ireo mpanompo sampy tao an-tanànan’i Lystra i Paoly sy i Barnabasy, fa i Jehovah dia ‘tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona; fa nanao soa Izy, nampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho azy ireo sady nanome taon-jina ka nahavoky ny fon’izy ireo tamin’ny hanina sy ny fifaliana’. (Asan’ny Apostoly 14:17). Amin’ireo olona sahirana indrindra indrindra i Jehovah no tsara fanahy sy malala-tanana. (Deoteronomia 10:17, 18). Zavatra maro no azontsika ianarana avy amin’i Jehovah eo amin’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fahalalahan-tanana amin’ny hafa — dia ny ho tia mandray vahiny.
8. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fahalalahan-tanany teo amin’ny fikarakarana izay nilaintsika teo amin’ny ara-panahy?
8 Ho fanampin’ny fanomezana amin’ny fomba tondraka izay ilain’ny zavaboariny eo amin’ny ara-nofo, i Jehovah dia mikarakara izay ilain’izy ireo eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nanao zavatra tamim-pangoraham-po faran’izay lehibe i Jehovah ho tombontsoantsika ara-panahy, na dia fony mbola tsy nisy tamintsika aza nahatakatra fa tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy nampamoy fo isika. Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 5:8, 10: “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. (...) Fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny zanany”. Izany fandaharana izany no mahatonga hety ny fidiran’ny olombelona mpanota ao anatin’ny fifandraisam-pianakaviana mahasambatra amin’ilay Raintsika any an-danitra. (Romana 8:20, 21). Nataon’i Jehovah koa izay hahazoana antoka fa omena fitarihan-dalana sy toro lalana mety isika mba hahafahantsika hahomby eo amin’ny fiainana, na dia eo aza ny maha-mpanota sy ny maha-tsy tanteraka antsika. — Salamo 119:105; 2 Timoty 3:16.
9, 10. a) Nahoana isika no afaka milaza fa i Jehovah no ilay mpandray vahiny tanteraka? b) Ahoana no tokony hanahafan’ireo tena mpivavaka an’i Jehovah amin’io lafiny io?
9 Rehefa dinihina izany, dia afaka milaza isika fa i Jehovah marina tokoa no ilay mpandray vahiny tanteraka eo amin’ny lafiny maro aoka izany. Tsy manao tsinontsinona ny mahantra sy ny olona ambany saranga ary ny manetry tena, izy. Maneho tena fahalianana sy fiahiana marina an’ireo olon-tsy fantatra, na dia ireo fahavalony aza, izy, ary tsy mitady tambiny ara-nofo. Amin’izany rehetra izany, moa ve tsy izy no ohatra fara tampony ny amin’ny mpandray vahiny tanteraka?
10 Amin’ny maha-Andriamanitra manana hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahalalahan-tanana toy izany azy, i Jehovah dia maniry an’ireo mpivavaka aminy mba hanahaka azy. Manerana ny Baiboly manontolo, isika dia mahita ohatra miavaka ny amin’io toetra mahafinaritra io. Marihin’ny Encyclopaedia Judaica fa “teo amin’ny Isiraely fahiny, ny fitiavana mandray vahiny dia tsy raharaha nahakasika fahalalam-pomba fotsiny, fa fandaharana iray mahakasika ny fitondran-tena. (...) Ireo fomba araka ny Baiboly fandraisana tsara ny mpandeha iray trotraka sy ny fandraisana olon-tsy fantatra ao amin’ny tena, no lasitra nipoiran’ny fitiavana nandray vahiny mbamin’ireo lafiny rehetra nifandray tamin’izy io, izay nanjary hatsaran-toetra nankamamina aoka izany teo amin’ny fomban-drazana jiosy”. Ny fitiavana mandray vahiny dia mihoatra noho ny marika famantarana firenena, na antokom-pirazanana manokana iray; izy io dia tokony ho lafin-toetra iray mampiavaka an’ireo tena mpivavaka rehetra amin’i Jehovah.
Nandray anjely ho vahiny
11. Inona ilay ohatra miavaka mampiseho fa nitondra fitahiana tsy nampoizina ny fitiavana mandray vahiny? (Jereo koa ny Genesisy 19:1-3; Mpitsara 13:11-16.)
11 Iray amin’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly fantatra tsara indrindra momba ny fanehoana fitiavana mandray vahiny, dia ny amin’i Abrahama sy i Saraha fony izy ireo nitoby teo an-kazo terebintan’i Mamre, teo akaikin’i Hebrona. (Genesisy 18:1-10; 23:19). Tsy isalasalana fa io fisehoan-javatra io no tao an-tsain’ny apostoly Paoly fony izy nanome itỳ fananarana itỳ: “Aza manadino ny [fitiavana mandray vahiny, NW ]; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.” (Hebreo 13:2). Ny fandinihana an’io fitantarana io dia hanampy antsika hahita fa tsy raharaha mahakasika fomba, na fanabeazana fotsiny akory ny fitiavana mandray vahiny. Izy io kosa dia toetra araka an’Andriamanitra izay mitondra fitahiana mahatalanjona.
12. Ahoana no nampisehoan’i Abrahama ny fitiavany ny olon-tsy fantatra?
12 Ny Genesisy 18:1, 2 dia manondro fa sady tsy fantatr’i Abrahama no tsy nampoiziny ireo mpitsidika, toy ny hoe olon-tsy fantatra telo nandalo fotsiny. Ny fomba teo amin’ny Tatsinanana, araka ny filazan’ireo mpanome fanazavana, dia hoe nanana zo hanantena fandraisam-bahiny tsara ny mpandeha iray tonga any amin’ny tany hafa, na dia tsy nahalala olona tao aza izy. Tsy niandry ny hampiharan’ireo olon-tsy fantatra an’izany zony izany anefa i Abrahama; izy no nanao ny dingana voalohany. “Nihazakazaka” izy hitsena ireo vahiny ireo, izay somary lavidavitra azy — izany rehetra izany dia tamin’ny ‘hafanan’ny andro’, ary i Abrahama dia 99 taona! Moa ve izany tsy mampiseho ny antony niresahan’i Paoly tsy nivantana an’i Abrahama ho toy ny modely tokony hotahafintsika? Izany no votoatin’ny atao hoe fitiavana mampiantrano vahiny, ny fankamamiana na ny fitiavana ny vahiny, ny fiahiana ny amin’izay ilainy. Toetra manorina izy io.
13. Nahoana i Abrahama no “niankohoka” teo amin’ireo mpitsidika?
13 Ilay fitantarana koa dia milaza amintsika fa rehefa avy nitsena ireo olon-tsy fantatra i Abrahama dia “niankohoka tamin’ny tany”. Fiankohofana teo amin’ny olon-tsy fantatra mihitsy hoe? Ny fiankohofana tahaka ilay nataon’i Abrahama dia fomba iray fiarahabana olona nasaina manan-kaja, na olona mitana toerana ambony, izay tsy tokony hampifangaroina amin’ilay fihetsika natao hanolorana fanompoam-pivavahana izay voatokana ho an’Andriamanitra irery ihany. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:25, 26; Apokalypsy 19:10.) Tamin’ny fiankohofana, tsy hoe tamin’ny fihatoky ny loha fotsiny, fa tamin’ny fiankohofana “tamin’ny tany”, i Abrahama dia nanome an’ireo vahiny ireo ny voninahitra ho an’ny olona manana fahalehibeazana. Izy dia lohany tao amin’ny fianakaviana patriarika iray nisy mpikambana maro be sady nanankarena, kanefa noheveriny ho mendrika voninahitra lehibe kokoa noho ny tenany, ireo olon-tsy fantatra ireo. Toy inona moa ny fahasamihafan’izany amin’ny fiahiahiana mahazatra aseho amin’ny olon-tsy fantatra, dia ilay fihetsika maodimaody aseho amin’izy ireny! Nasehon’i Abrahama marina tokoa ny dikan’ilay filazana hoe: “Mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra.” — Romana 12:10.
14. Inona no ezaka sy sorona tafiditra tamin’ny fanehoan’i Abrahama fandraisana tsara ireo olon-tsy fantatra?
14 Ny tapany sisa amin’ilay fitantarana dia mampiseho fa feno fahatsorana ny fihetseham-pon’i Abrahama. Ilay sakafo mihitsy aza dia tsy araka ny nahazatra. Na dia ao amin’ny ankohonana lehibe iray izay manana biby fiompy maro aza, dia tsy sakafo mahazatra andavanandro ny “zanak’omby tanora sady tsara”. Mahakasika ireo fanao miely patrana ao amin’ilay faritra, dia manao izao fanamarihana izao ny Daily Bible Illustrations nataon’i John Kitto: “Tsy misy fanaranam-po mihitsy amin’ny haitraitra afa-tsy amin’ny andro firavoravoana sasany, na amin’ny fahatongavan’ny vahiny iray; ary amin’ny fotoana toy izany ihany no mba mihinan-kena, na dia ireo manana andiam-biby madinika sy vaventy maro be aza.” Ny toe-tany mafana dia tsy namela ny hitehirizana sakafo mora simba na inona izany na inona, koa mba hikarakarana ny sakafo toy izany, dia tsy maintsy natao teo no ho eo ny zavatra rehetra. Tsy mahagaga raha intelo ao amin’io fitantarana fohy io no isehoan’ilay teny hoe “faingàna”, na ilay hoe “faingana”, ary “nihazakazaka” ara-bakiteny i Abrahama mba hampanomana ilay sakafo! — Genesisy 18:6-8.
15. Inona no fomba fihevitra mety ny amin’ireo zavatra ara-nofo, eo amin’ny fanehoana fitiavana mandray vahiny araka ny ohatra navelan’i Abrahama?
15 Kanefa ny zava-kendrena dia tsy ny hanaovana fanasam-be mba hanairana ny sain’ny olona fotsiny. Na dia nanao izany ezaka rehetra izany mba hanomanana sy handrosoana ilay sakafo aza i Abrahama sy i Saraha, dia mariho ny fomba nilazan’i Abrahama azy io taloha kokoa: “Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo; dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo hianareo.” (Genesisy 18:4, 5). Izany “mofo kely” izany dia nanjary fanasana iray nisy zanak’omby nifahy nampiarahina tamin’ny mofo boribory vita tamin’ny koba tsara toto sy dibera ary ronono — dia hanim-pito loha. Inona no lesona avy amin’izany? Rehefa maneho fitiavana mandray vahiny, ny zava-dehibe, na ny zavatra tokony hoantitranterina dia tsy ny hoe ho lafo vidy be ve ny sakafo sy ny zava-pisotro, na ny hoe fandraisana be kojakojany inona no hatao, sy ny toy izany. Ny fitiavana mandray vahiny dia tsy miankina amin’ny hoe afaka manolotra zavatra lafo vidy ve ny tena sa tsia. Izy io kosa dia miorina amin’ny tena fiahiana marina ny amin’izay hahasambatra ny hafa, sy amin’ny faniriana hanao soa amin’ny hafa araka izay azon’ny tena atao. “Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asian-dromoromo”, hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly, ary izany no fanalahidin’ny tena fitiavana mandray vahiny marina. — Ohabolana 15:17.
16. Ahoana no nanehoan’i Abrahama fankasitrahana an’ireo zavatra ara-panahy teo amin’izay nataony ho an’ireo mpitsidika?
16 Tsy maintsy marihintsika anefa fa nisy heviny ara-panahy koa tao amin’ilay fisehoan-javatra manontolo. Nisy fomba nahitan’i Abrahama mazava tsara fa iraka avy tamin’i Jehovah ireo mpitsidika ireo. Izany no asehon’ny teniny fony izy niresaka tamin’izy ireo nanao hoe: “[Jehovah ô, NW ] raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna hianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.”a (Genesisy 18:3; ampitahao amin’ny Eksodosy 33:20.) Tsy fantatr’i Abrahama mialoha raha toa ka nanana hafatra ho azy izy ireo, na nandalo fotsiny. Na ahoana na ahoana, dia takany fa nisy fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah tamin’io. Nanatontosa asa nanirahana avy tamin’i Jehovah ireo olona ireo. Raha afaka nanao zavatra ho fandraisana anjara tamin’izany izy, dia ho nanao izany tamim-pifaliana. Takany fa mendrika ny tsara indrindra ny mpanompon’i Jehovah, koa homeny izay tsara indrindra nisy teo aminy. Amin’ny fanaovana toy izany, dia hisy fitahiana ara-panahy, na ho an’ny tenany izany na ho an’olon-kafa. Araka ny hita, dia nandray fitahiana lehibe i Abrahama sy i Saraha noho ny fitiavany nandray vahiny tamim-pahatsorana. — Genesisy 18:9-15; 21:1, 2.
Vahoaka iray tia mandray vahiny
17. Inona no notakin’i Jehovah tamin’ny Isiraelita momba ireo olon-tsy fantatra sy sahirana teo anivony?
17 Tsy tokony ho nohadinoin’ilay firenena nipoitra avy tamin’i Abrahama ilay ohatra niavaka navelany. Ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraelita dia nahatafiditra fandaharana momba ny fanehoana fitiavana nandray ireo olon-tsy fantatra teo amin’izy ireo. “Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenana[o]; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” (Levitikosy 19:34). Ilay vahoaka dia tokony hanome fiheverana manokana an’ireo nila fanampiana ara-nofo fa tsy hanilika azy ireny mora foana. Rehefa nitahy an’ilay vahoaka tamin’ny fanomezana vokatra tondraka i Jehovah, rehefa nifaly tamin’ny andro firavoravoany izy ireo, rehefa nitsahatra tamin’ny asa nisasarany nandritra ireo taona Sabata izy ireo, ary tamin’ny fotoana hafa koa, dia tsy maintsy nahatsiaro an’ireo tsy nambinina firy izy ireo — dia ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny vahiny. — Deoteronomia 16:9-14; 24:19-21; 26:12, 13.
18. Zava-dehibe ve ny fitiavana mandray vahiny raha ampifandraisina amin’ny fahazoana sitraka sy fitahiana amin’i Jehovah?
18 Ny maha-zava-dehibe ny hatsaram-panahy sy ny fahalalahan-tanana ary ny fitiavana mandray vahiny aseho amin’ny hafa, indrindra indrindra fa amin’ireo sahirana, dia hita amin’ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraelita rehefa nanao tsirambina ny fanehoana ireo toetra tsara ireo, izy ireo. Nasehon’i Jehovah mazava tsara fa ny hatsaram-panahy sy ny fahalalahan-tanana aseho amin’ny olon-tsy fantatra sy ny mahantra dia anisan’ny zavatra notakiny tamin’ny vahoakany mba handraisana tsy tapaka ireo fitahiany. (Salamo 82:2, 3; Isaia 1:17; Jeremia 7:5-7; Ezekiela 22:7; Zakaria 7:9-11). Rehefa nazoto teo amin’ny fanatontosana an’ireo zavatra notakina ireo sy ny hafa koa ilay firenena, dia nambinina sady nahazo zavatra ara-nofo sy ara-panahy tondraka. Rehefa nanjary revo tamin’ny fikatsahan-javatra nampiseho fitiavan-tena, ho an’ny tenany manokana izy ireo, ka nanao tsirambina ny fanehoana ireo toetra mahafinaritra ireo tamin’ny sahirana, dia nomelohin’i Jehovah izy ireo, ary tamin’ny farany dia navoaka ny didim-pitsarana ho fanamelohana azy ireo. — Deoteronomia 27:19; 28:15, 45.
19. Inona no tsy maintsy dinihintsika bebe kokoa?
19 Koa zava-dehibe toy inona àry ny handinihantsika tena mba hahitana raha miaina mifanaraka amin’ireo zavatra antenain’i Jehovah amintsika isika amin’io lafiny io! Izany indrindra no izy amin’izao andro izao, rehefa heverina ny toe-tsaina feno fitiavan-tena sy tia fisaratsarahana eo amin’izao tontolo izao. Ahoana no azontsika ampisehoana ny fitiavana mandray vahiny mampiavaka ny Kristiana eo amin’ny tontolo iray voazarazara? Izany no foto-kevitra hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hanaovana dinika feno kokoa momba an’io hevi-dehibe io, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Efa Nisy Nahita An’Andriamanitra Ve?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 15 Aogositra 1988, pejy 21-23.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly nadika hoe “fitiavana mandray vahiny”?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy i Jehovah no ohatra tanteraka eo amin’ny fitiavana mandray vahiny?
◻ Tonga hatramin’ny fanaovana inona i Abrahama mba hanehoana fitiavana mandray vahiny?
◻ Nahoana ireo tena mpivavaka rehetra no tsy maintsy “manaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny”?