Deoteronomia
32 “Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho,
Ary aoka ny tany haheno an’izay lazain’ny vavako.
2 Hirotsaka toy ny orana ny fampianarako,
Hilatsaka tsikelikely hoatran’ny ando ny teniko,
Tahaka ny erika eny amin’ny ahitra,
Sy tahaka ny oram-be eny amin’ny zavamaniry.
3 Fa hilaza ny anaran’i Jehovah aho.+
Resaho hoe tena miavaka ilay Andriamanitsika!+
Andriamanitra mendri-pitokisana izy,+ ary sanatria azy ny hanao ny tsy rariny.+
Marina sy mahitsy izy.+
Tsy zanany ireny, fa ireny ihany no diso.+
Taranaka maditra sy ratsy fanahy ireny!+
Angaha tsy izy no Ray niteraka anao,+
Ilay nanao anao sy nahatonga anao ho lasa firenena?
7 Tsarovy ny andro fahiny.
Eritrereto ireo taona lasa niainan’ny taranaka taloha.
Anontanio ny rainao, fa afaka miteny aminao izy,+
Ary ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza an’izany aminao izy ireo.
8 Rehefa nanome lova ho an’ireo firenena ilay Avo Indrindra,+
Rehefa nozarazarainy ny taranak’i Adama,*+
Dia nofaritany ny sisin-tanin’ireo firenena,+
Ka nataony nifanaraka tamin’ny isan’ny zanak’Israely.+
10 Nahita azy tany an-tany efitra Izy,+
Tany amin’ny tany karakaina misy feon’ny bibidia minaonaona.+
11 Toy ny voromahery manaitaitra ny zanany ao amin’ny akaniny mba hianatra hanidina,
Ka manidintsidina eo ambonin’ireny zanany ireny,
Sy mamelatra ny elany ka mandray an’ireny,
Ary mitondra an’ireny eo ambony elany,+
12 Dia hoatr’izany no nitarihan’i Jehovah azy,* ary izy irery no nitarika azy,+
Fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.+
Nomeny sakafo izy, dia tantely avy amin’ny harambato,
Menaka avy amin’ny vatolampy,
14 Dibera vita amin’ny rononon’omby sy rononon’ondry,
Ny ondry tsara indrindra,*
Ondrilahy avy any Basana sy osilahy,
Ary varimbazaha faran’izay tsara.+
Nomeny divay avy amin’ny voaloboka nofiazana* koa izy hosotroiny.
15 Nikomy i Jesorona* ka nandaka rehefa nihanatavy.
—Ry Jesorona ô, lasa natavy sy dongadonga ianao sady lasa botrefona.+—
Dia nahafoy an’ilay Andriamanitra nanao azy izy,+
Ary nanao tsinontsinona an’ilay Vatolampy mpamonjy azy.
16 Nampisafoaka Azy izy ireo satria nivavaka tamin’ny andriamani-kafa,+
Ary nampahatezitra Azy tamin’ny zava-maharikoriko.+
17 Nanao sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra, izy ireo,+
Ho an’andriamanitra tsy fantatr’izy ireo,
Andriamanitra vaovao izay niseho vao haingana,
Sady tsy fantatry ny razambenareo.
19 Rehefa hitan’i Jehovah izany, dia nolaviny izy ireo,+
Satria nampahatezitra Azy ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
21 Nampisafoaka* ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ireo,+
Ary nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny tsy misy dikany.+
Koa hampiasa an’izay tsy vahoaka akory aho mba hahatonga azy ireo hialona,+
Ary hampiasa firenena adaladala mba hampahatezitra azy.+
22 Fa nandrehitra afo ny hatezerako.+
Dia hirehitra hatrany amin’ny Fasana* ilay afo,+
Ka handevona ny tany sy ny vokatra eo aminy,
Sady hampirehitra ny fototry ny tendrombohitra.
23 Hampitomboiko ny isan’ny loza mihatra aminy,
Ary hotaperiko aminy ny zana-tsipìkako.
24 Ho reraka be izy ireo fa noana,+
Ary ho lanin’ny fanaviana mahery sy ny fandringanana faran’izay mangidy.+
Halefako hanaikitra azy koa ny bibidia mpihaza,+
Sy ny biby mandady amin’ny vovoka sady misy poizina.
25 Ho fatin’ny sabatra ny zanak’izay eny ivelany,+
Ary hihorohoro ny ao an-trano.+
Izany no hanjo ny tovolahy sy ny virjiny,
Ary ny zazakely sy ny lehilahy fotsy volo.+
26 Saika hilaza aho hoe: “Haparitako izy ireo,
Ary hataoko tsy misy mahatsiaro azy intsony ny olona”,
27 Saingy nanahy momba izay holazain’ny fahavalo aho.+
Mety handika vilana an’izany mantsy ny mpanohitra azy,+
Ka hiteny hoe: “Isika no tena mahery.+
Tsy i Jehovah no nahavita an’izany rehetra izany.”
29 Raha mba hendry mantsy izy ireo,+ dia ho nisaintsaina momba an’izany,+
Ka ho nieritreritra an’izay hiafarany!+
Raha tsy hoe nafoin’ny Vatolampiny angaha izy ireny,+
Ary nataon’i Jehovah resin’ny fahavalony.
31 Tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika mantsy ny vatolampin’ireny,+
Ary na ny fahavalontsika aza niaiky an’izany.+
32 Fa avy amin’ny voalobok’i Sodoma ny voalobok’izy ireo,
Dia avy amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Gomora.+
Misy poizina ny voalobok’izy ireo,
Ary mangidy ny voaloboka amin’ny tangozany.+
33 Poizin’ny bibilava ny divainy,
Dia poizina mahafaty avy amin’ny kôbrà.
34 Angaha tsy notehirizina atỳ amiko izany,
Sady nasiana tombo-kase ao amin’ny trano fitehirizako entana?+
35 Ahy ny famaliana ary izaho no hamaly+
Amin’ny fotoana voatondro, rehefa mibolisatra ny tongony.+
Efa akaiky mantsy ny andro hahitany loza,
Ary ho tonga haingana ny zavatra efa miandry azy.’
36 Fa hitsara ny vahoakany i Jehovah,+
Ary hiantra ny* mpanompony izy,+
Rehefa hitany fa mihareraka izy ireo,
Ary ny tsy misy mpiaro sy ny malemy sisa no tavela.
37 Dia hilaza izy hoe: ‘Aiza izao ireny andriamaniny ireny,+
Dia ny vatolampy nialokalofany,
38 Izay nihinana ny tavin’ny sorona* natolotr’izy ireo,
Ary nisotro ny divay nateriny ho fanatitra zava-pisotro?+
Aleo ireny hitsangana hanampy anareo.
Aleo ireny ho lasa toerana ialokalofanareo.
Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona.+
Izaho no mandratra mafy,+ ary izaho no hanasitrana.+
Tsy misy mahavita mamonjy an’izay etỳ an-tanako.+
41 Rehefa mandranitra ny sabatro manjelanjelatra aho,
Ary miomana hampihatra didim-pitsarana,+
Dia hamaly faty ny fahavaloko aho,+
Sy hamaly an’ireo mankahala ahy.
42 Hataoko mamon’ny ra ny zana-tsipìkako,
Ary hihinana nofo ny sabatro,
Ka ho mamon’ny ran’izay novonoina ho faty sy ny ran’ny babo.
Ho lanin’ny sabatro koa ny lohan’ny mpitarika an’ireo fahavalo.’
43 Mifalia miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra ianareo hafa firenena!+
Fa hamaly ny ran’ny mpanompony Izy,+
Ary hamaly ny nataon’ny fahavalony,+
Sy handrakotra ny fahotan’ilay* tanin’ny vahoakany.”
44 Tonga i Mosesy avy eo, ka nilaza an’ilay tononkira manontolo izy sy Hosea*+ zanak’i Nona mba ho henon’ny vahoaka.+ 45 Rehefa avy nilaza an’ilay tononkira manontolo tamin’ny Israely rehetra i Mosesy, 46 dia hoy izy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra ampitandremako anareo androany.+ Amin’izay dia ho afaka hiteny amin’ny zanakareo ianareo hoe ankatoavy ny teny rehetra ato amin’ity Lalàna ity.+ 47 Tsy hoe teny tsy misy dikany mantsy ireo aminareo, fa iankinan’ny ainareo.+ Ireo teny ireo koa no hahela velona anareo, eo amin’ilay tany halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana.”
48 Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy tamin’iny andro iny: 49 “Miakara eo amin’io tendrombohitr’i Abarima io,+ dia ny Tendrombohitra Nebo+ ao Moaba, izay tandrifin’i Jeriko. Dia tazano ilay tany Kanana homeko ho fananan’ny Israelita.+ 50 Ary ho faty eo amin’io tendrombohitra hiakaranao io ianao, ka hangonina any amin’ny razambenao,* hoatran’i Arona rahalahinao izay maty teo amin’ny Tendrombohitra Hora+ ka nangonina tany amin’ny razambeny. 51 Nivadika tamiko teo imason’ny Israelita mantsy ianareo roa lahy, teo amin’ilay rano tao Meriba+ any Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina, sady tsy nanamasina ahy teo anatrehan’ny vahoakan’Israely.+ 52 Hitazana an’ilay tany avy eny lavitra ianao, saingy tsy hiditra ao amin’ilay tany homeko ny vahoakan’Israely.”+