“Voaomana toy ny Emboka Manitra” ve ny Vavakao?
“Enga anie ny vavaka ataoko ho voaomana toy ny emboka manitra eo anatrehanao”. — SALAMO 141:2, NW.
1, 2. Sary mampiseho inona ny fandoroana emboka manitra?
NANDIDY an’i Mosesy mpaminaniny i Jehovah Andriamanitra mba hanasa olona hanomana emboka manitra masina, hampiasaina tao amin’ny tabernakely fanaovan’ny Isiraely fanompoam-pivavahana. Zava-manitra efatra karazana no nilaina nafangaro mba hanamboarana azy io, araka ny natoron’Andriamanitra. (Eksodosy 30:34-38). Namerovero tokoa ny hanitr’izy io.
2 Ny faneken’ny Lalàna izay nidiran’ny firenen’ny Isiraely, dia nitaky ny handoroana emboka manitra isan’andro. (Eksodosy 30:7, 8). Nisy heviny manokana ve ilay fampiasana emboka manitra? Eny, satria nihira toy izao ny mpanao salamo: ‘[Enga anie ny vavaka ataoko ho voaomana toy ny emboka manitra eo anatrehanao, NW ] Jehovah Andriamanitra, ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tànako.’ (Salamo 141:2). Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia lazalazain’ny apostoly Jaona ho manana lovia volamena feno ditin-kazo manitra na emboka manitra, ireo eo amin’ny manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra. Ny “ditin-kazo manitra”, hoy ny fitantarana ara-tsindrimandry, “dia vavaka ataon’ny olona masina”. (Apokalypsy 5:8). Ny fandoroana emboka manitra namerovero àry dia sary nampiseho ny vavaka ankasitrahana ataon’ireo mpanompon’i Jehovah, na andro na alina anaovan’izy ireo izany. — 1 Tesaloniana 3:10; Hebreo 5:7.
3. Inona no tokony hanampy antsika mba ‘hanomana ny vavaka ataontsika ho toy ny emboka manitra’ eo anatrehan’Andriamanitra?
3 Raha tiantsika heken’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny anaran’i Jesosy Kristy isika. (Jaona 16:23, 24). Ahoana anefa no azontsika ampitomboana ny hatsaran’ny vavaka ataontsika? Ny fandinihana ohatra sasany ao amin’ny Soratra Masina dia tokony hanampy antsika hanomana ny vavaka ataontsika ho toy ny emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah. — Ohabolana 15:8.
Ataovy amim-pinoana ny vavakao
4. Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny vavaka ankasitrahana?
4 Tsy maintsy mivavaka amim-pinoana isika raha tiantsika hiakatra any amin’Andriamanitra toy ny emboka manitra mamerovero ny vavaka ataontsika. (Hebreo 11:6). Rehefa hitan’ireo loholona kristianina fa mandray tsara ny fanampiana araka ny Soratra Masina omena azy ny olona iray marary ara-panahy, dia ‘hamonjy ilay marary ny vavaky ny finoana’ ataon’izy ireo. (Jakoba 5:15). Mahafaly an’ilay Raintsika any an-danitra ny vavaka atao amim-pinoana, ary mahafaly azy toy izany koa ny vavaka ataontsika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika. Nampiseho fihetsika tsara dia tsara tokoa ny mpanao salamo rehefa nihira hoe: “Hasandratro ny tànako ho amin’ny didinao, satria tiako ireny; hosaintsainiko ny didinao. Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, fa matoky ny didinao aho.” (Salamo 119:48, 66). Aoka isika ‘hamelatra ny tanantsika’ eo am-pivavahana amim-panetren-tena, ka haneho finoana amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra.
5. Inona no tokony hataontsika raha tsy manana fahendrena isika?
5 Aoka hatao hoe tsy manana ny fahendrena ilaina mba hiatrehana fisedrana iray ianao. Angamba tsy azontsika antoka fa tanteraka amin’izao fotoana izao ny faminaniana iray manokana ao amin’ny Baiboly. Aoka isika hivavaka mba hahazoana fahendrena fa tsy hamela izany kosa hanozongozona antsika ara-panahy. (Galatiana 5:7, 8; Jakoba 1:5-8). Mazava ho azy fa tsy afaka manantena ny hovalian’Andriamanitra amin’ny fomba mahagaga isika. Mila mampiseho isika fa tamim-pahatsorana no nanaovantsika ilay vavaka, amin’ny fanefantsika izay zavatra antenainy hataon’ny vahoakany rehetra. Ilaina ny hanaovantsika fianarana mampitombo finoana, izany hoe fianarana ny Soratra Masina amin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra omena amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW; Josoa 1:7, 8). Mila manao fandrosoana eo amin’ny fahalalana koa isika, amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ireo fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra. — Hebreo 10:24, 25.
6. a) Inona no tokony ho takatsika rehetra, raha ny amin’ny androntsika sy ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly? b) Ankoatra ny fangatahantsika amin’ny vavaka mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah, dia inona koa no tokony hataontsika?
6 Amin’izao andro izao, dia revo amin’ny fikatsahana zava-mahaliana sy fototr’asa ny Kristianina sasany. Toa milaza izany fa tsy takatr’izy ireny intsony hoe efa lasa lavitra amin’ny “andro farany” isika izao. (Daniela 12:4). Azon’ireo mpiray finoana atao tsara ny mivavaka mba hahatonga azy ireny hamelona indray na hanamafy ny finoany ny porofo araka ny Soratra Masina fa nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehan’i Kristy, fony nametraka azy ho Mpanjaka any an-danitra i Jehovah, ary efa manapaka eo amin’ny fahavalony i Kristy ankehitriny. (Salamo 110:1, 2; Matio 24:3, NW ). Tokony ho takatsika rehetra fa ireo fisehoan-javatra nambara mialoha, toy ny fandringanana ny fivavahan-diso, izany hoe “Babylona lehibe”, sy ny fanafihan’i Satana (Goga avy any Magoga) ny vahoakan’i Jehovah, ary ny famonjen’ilay Andriamanitra Tsitoha ny vahoakany amin’ny adin’ny Haramagedona, dia mety hamely tampoka amin’ny fomba tsy ampoizina ary samy mety hitranga ao anatin’ny fe-potoana somary fohy ihany. (Apokalypsy 16:14, 16; 18:1-5; Ezekiela 38:18-23). Aoka àry isika hangataka amin’ny vavaka ny fanampian’Andriamanitra mba hitoerana ho mifoha ara-panahy. Enga anie isika rehetra ka hivavaka amim-pahatsorana mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah, hahatongavan’ny Fanjakany, sy hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Eny, enga anie isika hanohy haneho finoana sy hanaporofo fa tamim-pahatsorana no nanaovantsika vavaka. (Matio 6:9, 10). Enga anie ireo rehetra tia an’i Jehovah mba hikatsaka ilay Fanjakana sy ny fahamarinany aloha, ka handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, alohan’ny hahatongavan’ny farany. — Matio 6:33; 24:14.
Derao sy isaory i Jehovah
7. Inona no manaitra anao momba ny vavak’i Davida, izay voarakitra ao amin’ny 1 Tantara 29:10-13 ny ampahany aminy?
7 Ny fomba lehibe iray ‘hanomanana ny vavaka ataontsika ho toy ny emboka manitra’, dia amin’ny fanaovantsika teny fiderana sy fankasitrahana an’Andriamanitra amim-pahatsorana. Nanao vavaka toy izany i Davida Mpanjaka fony nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah ny tenany sy ny vahoakan’ny Isiraely. Nivavaka toy izao i Davida: “Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” — 1 Tantara 29:10-13.
8. a) Teny fiderana inona avy, ao amin’ny Salamo 148 ka hatramin’ny 150, no manohina indrindra ny fonao? b) Inona no hataontsika raha miombom-pihetseham-po amin’ny voalazan’ny Salamo 27:4 isika?
8 Hakanton’izay teny fiderana sy fankasitrahana re izany! Mety tsy hampiseho fahaiza-miteny toy izany ny vavaka ataontsika, saingy azo atao amim-pahatsorana tsy misy hafa amin’izy io kosa. Feno vavaka fisaorana sy fiderana ny bokin’ny Salamo. Teny fiderana faran’izay kanto no hita ao amin’ny Salamo 148 ka hatramin’ny 150. Teny fankasitrahana an’Andriamanitra no aseho ao amin’ny salamo maro. “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah”, hoy ny hiran’i Davida. “Izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.” (Salamo 27:4). Aoka isika hanao zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany, amin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny zavatra rehetra ataon’ny vahoakan’i Jehovah tafavory. (Salamo 26:12). Ny fanaovana izany sy ny fisaintsainana isan’andro ny Tenin’Andriamanitra dia hanome antsika antony maro hanatonana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny fiderana sy fankasitrahana amim-pahatsorana.
Tadiavo amim-panetren-tena ny fanampian’i Jehovah
9. Nanao ahoana ny vavaka nataon’i Asa Mpanjaka, ary inona no vokany?
9 Raha manompo an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika amin’ny maha Vavolombelony antsika, dia afaka mahazo antoka fa handre ny vavaka ataontsika mba hahazoana fanampiana izy. (Isaia 43:10-12). Diniho izay nitranga tamin’i Asa, mpanjakan’i Joda. Nanjaka nandritra ny 41 taona (977-937 al.f.i.) izy, ary feno fiadanana ireo 10 taona voalohany nanjakany. Avy eo ny Joda dia notafihin’ny tafika iray nisy vatan-dehilahy iray tapitrisa, teo ambany fifehezan’i Zera etiopianina. Na dia tena vitsy an’isa aza i Asa sy ny miaramilany, dia nandeha nivoaka hifanandrina tamin’ireo mpanafika izy ireo. Nivavaka tamin-kafanam-po anefa i Asa talohan’ilay ady. Nekeny fa manana ny hery hoenti-mamonjy i Jehovah. Hoy ilay mpanjaka rehefa nitalaho fanampiana: “Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. Jehovah ô, Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.” Fandresena tanteraka no vokany, rehefa namonjy ny Joda i Jehovah, noho ny anarany lehibe. (2 Tantara 13:23–14:14). Na mamonjy antsika amin’ny fisedrana Andriamanitra na manatanjaka antsika hiaritra ilay izy, dia azo antoka fa mandre ny fitalahoantsika fanampiana izy.
10. Amin’ny ahoana no afaka manampy antsika ny vavaka nataon’i Josafata Mpanjaka, rehefa tsy fantatsika ny fomba hiatrehana zava-tsarotra iray?
10 Raha tsy fantatsika ny fomba hiatrehana zava-tsarotra iray, dia afaka matoky isika fa handre ny fangatahantsika fanampiana i Jehovah. Niharihary izany tamin’ny andron’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Nanomboka nanjaka tamin’ny 936 al.f.i. izy, ary naharitra 25 taona ny fanjakany. Nitalaho toy izao i Josafata, rehefa notandindomin-doza ny Joda noho ny angaredona nataon’ireo andian-tafika avy any Moaba sy Amona ary ny tendrombohitra Seïra: “Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ny masonay.” Novalian’i Jehovah izany vavaka tamim-panetren-tena izany, ka niady ho an’ny Joda izy, tamin’ny nampisavorovoroany ny fahavalon’ny Joda mba hifamonoan’izy ireo. Vokatr’izany, dia nanjary azon-tahotra ny firenena manodidina, ary nanjaka tao Joda ny fiadanana. (2 Tantara 20:1-30). Rehefa tsy manana ny fahendrena ilaina mba hiatrehana zava-tsarotra iray isika, dia afaka mivavaka toy izao, sahala amin’i Josafata: ‘Tsy hitanay izay tokony hataonay, fa ianao no andrandrain’ny masonay, Jehovah ô!’ Mety hataon’ny fanahy masina izay hahatsiarovantsika ireo hevitra araka ny Soratra Masina ilaina mba hamahana ilay olana, na mety hampiasa fomba tsy takatry ny sain’olombelona Andriamanitra mba hanampiana antsika. — Romana 8:26, 27.
11. Inona no azontsika ianarana momba ny vavaka, raha ny zavatra nataon’i Nehemia mahakasika ny mandan’i Jerosalema no jerena?
11 Mety ho voatery haharitra amin’ny vavaka isika mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra. Nalahelo sy nitomany sy nifady hanina ary nivavaka nandritra ny andro maro i Nehemia, noho ny faharavan’ny mandan’i Jerosalema sy ny toe-piainana nampamoy fo nisy an’ireo mponin’i Joda. (Nehemia 1:1-11). Niharihary fa niakatra tany amin’Andriamanitra toy ny emboka manitra namerovero ny vavaka nataony. Indray andro dia nanontany an’i Nehemia izay efa nivalaketraka, i Artaksersesy mpanjakan’i Persia: “Inona ary no angatahinao?” “Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha”, hoy i Nehemia. Nisy valiny izany vavaka fohy anakampo izany, satria nomen-dalana hanatanteraka ny fanirian’ny fony izy ka nankany Jerosalema mba hanorina indray ilay mandany rava. — Nehemia 2:1-8.
Aoka i Jesosy no hampianatra anao ny fomba fivavaka
12. Ahoana no hamintinanao ireo hevi-dehibe ao amin’ilay vavaka modely nataon’i Jesosy, raha lazaina amin’ny fomba fiteninao manokana?
12 Amin’ny vavaka rehetra voarakitra ao amin’ny Soratra Masina, dia ahitana fianarana indrindra ilay vavaka modely natolotr’i Jesosy ho toy ny emboka manitra mamerovero. Hoy ny Filazantsaran’i Lioka: “Hoy ny mpiana[tr’i Jesosy] anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’i Jaona ny mpianany. Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka hianareo, dia ataovy hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.” (Lioka 11:1-4; Matio 6:9-13). Andeha hodinihintsika io vavaka io, izay tsy nokendrena hatao tsianjery akory, fa mba ho tari-dalana kosa.
13. Ahoana no hanazavanao ny hevitry ny hoe: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao”?
13 “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao.” Tombontsoa manokana ananan’ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ny milaza an’i Jehovah ho Rainy rehefa miresaka aminy. Toy ny zanaka izay tsy misalasala manatona ny ray be famindram-po rehefa misy mampanahy azy, dia tokony handany fotoana hivavahana amin’Andriamanitra amim-pahamendrehana sy amim-panajana isika. (Salamo 103:13, 14). Tokony ho hita taratra ao amin’ny vavaka ataontsika fa miahy ny hanamasinana ny anaran’i Jehovah isika, satria irintsika mafy ny hahita azy io ho afaka amin’ny fanalam-baraka rehetra natototra azy. Eny, irintsika hiavaka sy hohamasinina na hasiana hasiny ny anaran’i Jehovah. — Salamo 5:11; 63:3, 4; 148:12, 13; Ezekiela 38:23.
14. Midika ho inona ny fivavahana hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”?
14 “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Ny fanjakan’i Jehovah io Fanjakana io, ka ny endrika isehoan’izy io dia ny fitondram-panjakana mesianika any an-danitra, izay eo ambany fitantanan’ny Zanany sy ireo ‘olo-masina’ mpiara-miasa amin’i Jesosy. (Daniela 7:13, 14, 18, 27; Apokalypsy 20:6). Ho “tonga” tsy ho ela mba hamely ireo mpanohitra ny fiandrianan’Andriamanitra rehetra izy io, ka hofongorany tanteraka izy ireny. (Daniela 2:44). Amin’izay dia hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’i Jehovah. (Matio 6:10). Toy inona moa ny fifaliana hoentin’izany ho an’ny zavaboary rehetra, izay maneho tsy fivadihana amin’ny fanompoana an’ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao!
15. Manondro inona ny fangatahana amin’i Jehovah ny ‘hanina sahaza isan’andro’?
15 “Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.” Ny fangatahana amin’i Jehovah ny hanina “isan-andro” dia manondro fa tsy mangataka tahirin-tsakafo tondraka isika, fa izay ilaintsika isan’andro ihany. Na dia matoky aza isika fa mamelona antsika Andriamanitra, dia miasa koa isika ka mampiasa izay fomba mety rehetra mba hahazoantsika ny sakafo sy ny zavatra hafa ilaintsika. (2 Tesaloniana 3:7-10). Mazava ho azy fa tokony hisaotra an’ilay Mpamelona antsika any an-danitra isika, satria ny fitiavany sy ny fahendreny ary ny heriny no ao ambadik’ireny fanomezana ireny. — Asan’ny Apostoly 14:15-17.
16. Ahoana no ahafahantsika mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra?
16 “Mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.” Koa satria tsy lavorary sy mpanota isika dia tsy afaka mahatratra amin’ny fomba feno ireo fari-pitsipika tonga lafatr’i Jehovah. Mila mivavaka isika, noho izany, mba hamelany ny helotsika, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Raha tiantsika anefa ny hampiasan’ilay “Mpihaino vavaka” ny vidin’ny soron’i Jesosy mba hamelana ny fahotantsika, dia tsy maintsy mibebaka sy vonona ny handray izay fifehezana rehetra omeny antsika isika. (Salamo 65:2; Romana 5:8; 6:23; Hebreo 12:4-11). Ankoatra izany, dia tsy afaka manantena ny hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika raha tsy “mamela izay rehetra meloka” amintsika, izany hoe ireo nanota tamintsika. — Matio 6:12, 14, 15.
17. Inona no hevitry ny hoe: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”?
17 “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.” Lazain’ny Baiboly indraindray fa i Jehovah no manao ny zavatra iray rehefa mamela fotsiny ny hisian’izany izy. (Rota 1:20, 21). Tsy maka fanahy antsika mba hanota Andriamanitra. (Jakoba 1:13). Avy amin’ny Devoly sy ny nofontsika mpanota ary ity tontolo ity, ny fakam-panahy hanao ratsy. I Satana no Mpaka fanahy izay mitady hamitaka antsika mba hanotantsika amin’Andriamanitra. (Matio 4:3; 1 Tesaloniana 3:5). Rehefa mangataka isika hoe “aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy”, dia mangataka amin’Andriamanitra isika izany mba tsy hamelany antsika ho lavo, rehefa alaim-panahy tsy hankato azy isika. Afaka mitarika antsika izy mba tsy hahatonga antsika ho sodoka ka ho resin’ilay “ratsy”, dia i Satana. — Matio 6:13; 1 Korintiana 10:13.
Manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavakao
18. Ahoana no ahafahantsika manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, raha mivavaka mba hanana fanambadiana sy fiainam-pianakaviana sambatra isika?
18 Hevitra fototra no voafaoka ao anatin’ilay vavaka modely nataon’i Jesosy. Na inona na inona anefa dia azontsika atao antom-bavaka. Azontsika atao, ohatra, ny mivavaka momba ny faniriantsika hanana fanambadiana sambatra. Mba hihazonana fahadiovana mandra-pahatongan’ny fanambadiana, dia azontsika atao ny mivavaka mba hananana fifehezan-tena. Amin’izay anefa, dia aoka isika hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, ka hanalavitra ny boky aman-gazety tsy mendrika, mbamin’ny fialam-boly maloto. Aoka koa isika ho tapa-kevitra ny ‘tsy hanambady afa-tsy ao amin’ny Tompo ihany’. (1 Korintiana 7:39; Deoteronomia 7:3, 4). Noho isika nangataka fahasambarana tao amin’ny vavaka, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izany isika rehefa tonga tokoa ao anatin’ny fanambadiana, ka hampihatra ireo torohevitr’Andriamanitra. Ary raha manan-janaka isika, dia tsy ampy fotsiny ny mivavaka mba hahatongavan’izy ireny ho mpanompo mahatokin’i Jehovah. Tsy maintsy manao izay rehetra azontsika atao isika mba handentehana ao an-tsainy ireo fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanaovana fianarana Baiboly sy amin’ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, miaraka amin’izy ireo. — Deoteronomia 6:5-9; 31:12; Ohabolana 22:6.
19. Inona no tokony hataontsika raha mivavaka momba fanompoantsika isika?
19 Mivavaka mba hahazo fitahiana eo amin’ny fanompoana ve isika? Raha izany no izy, dia aoka isika hanao zavatra mifanaraka amin’izany vavaka izany, ka tsy hanao kitoatoa fa tena handray anjara feno amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Raha toa isika ka mivavaka mba hanana fahafahana hanampy ny hafa handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay, dia mila mandray an-tsoratra tsara ny mombamomba ireo olona liana isika, ary ho vonona hampiditra ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano ho ao anatin’ny fandaharam-potoanantsika. Ahoana raha maniry hirotsaka ho mpisava lalana mitory manontolo andro isika? Raha izany no izy, dia aoka isika hanao dingana mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika, ka hampitombo ny asa fitoriantsika sy hiara-miasa amin’ireo mpisava lalana eny amin’ny fanompoana. Ny fanaovana izany dingana izany dia hampiseho fa manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika isika.
20. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Afaka matoky isika fa hovalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika mifanaraka amin’ny sitrapony, raha manompo azy amim-pahatokiana isika. (1 Jaona 5:14, 15). Azo antoka fa misy hevitra mahasoa azo notsimponina avy tamin’ny fandinihana ny sasany amin’ireo vavaka raketin’ny Baiboly. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika ireo tari-dalana hafa araka ny Soratra Masina, ho an’ireo izay maniry ‘hanomana ny vavaka ataony ho toy ny emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah’.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana isika no tokony hivavaka amim-pinoana?
◻ Inona no tokony ho anjara asan’ny fiderana sy ny fisaorana, ao amin’ny vavaka ataontsika?
◻ Nahoana isika no afaka mitady amin-toky ny fanampian’i Jehovah, ao anatin’ny vavaka?
◻ Inona no sasany amin’ireo hevi-dehibe amin’ilay vavaka modely?
◻ Ahoana no azontsika anaovan-javatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika?
[Sary, pejy 12]
Sahala amin’i Josafata Mpanjaka, dia mety hila hivavaka toy izao isika indraindray: ‘Tsy hitanay izay tokony hataonay, fa ianao no andrandrain’ny masonay, Jehovah ô!’
[Sary, pejy 13]
Mivavaka mifanaraka amin’ilay vavaka modely nataon’i Jesosy ve ianao?