Hazony ny Firaisan-tsaina Amin’izao Andro Farany Izao
‘Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsara, maharitra amin’ny fanahy iray ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara.’ — FILIPIANA 1:27.
1. Inona no fifanoheran-javatra misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy izao tontolo izao?
“ANDRO farany” izao. Tsy isalasalana fa ankehitriny no “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Amin’izao “fotoan’ny farany” miaraka amin’ny fisafotofotoany eo amin’ny fitambaran’olona izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miharihary ho mifanohitra tanteraka amin’izany noho ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina eo aminy. (Daniela 12:4, NW ). Takina amin’ny isam-batan’olona ao amin’ny fianakaviana maneran-tanin’ny mpivavaka amin’i Jehovah anefa ny iezahany mafy mba hihazona an’io firaisan-tsaina io.
2. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fihazonana ny firaisan-tsaina, ary fanontaniana inona no hodinihintsika?
2 Ny apostoly Paoly dia nananatra mafy an’ireo Kristiana tahaka azy mba hihazona ny firaisan-tsaina. Izao no nosoratany: “Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin’ny fanahy iray hianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina hianareo na amin’inona na amin’inona; fa amin’ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra.” (Filipiana 1:27, 28). Ireo tenin’i Paoly ireo dia mampiseho mazava tsara fa tsy maintsy miara-miasa isika amin’ny maha-Kristiana antsika. Koa inona àry no hanampy antsika hihazona ny firaisan-tsaina kristiana eo amintsika amin’izao fotoam-pisedrana izao?
Maneke ny sitrapon’Andriamanitra
3. Oviana, ary tamin’ny fomba ahoana, no nahatongavan’ireo Jentilisa tsy voafora voalohany ho mpanara-dia an’i Kristy?
3 Ny fomba iray hihazonana ny firaisan-tsaina eo amintsika dia ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Mety hitaky fanitsiana ny fihevitsika izany. Hevero ireo Jiosy mpianatr’i Jesosy Kristy tany am-boalohany. Rehefa nitory voalohany tamin’ireo Jentilisa tsy voafora ny apostoly Petera tamin’ny 36 am.f.i., dia nanome ny fanahy masina an’ireo olona hafa firenena ireo Andriamanitra, ary natao batisa izy ireo. (Asan’ny Apostoly, toko faha-10). Hatreo, dia ny Jiosy sy ny proselyta nanaraka ny Jodaisma ary ny Samaritana ihany, no tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. — Asan’ny Apostoly 8:4-8, 26-38.
4. Rehefa avy nanazava izay nitranga nifandray tamin’i Kornelio i Petera, dia inona no nolazainy, ary nahatonga fitsapana inona ho an’ireo Jiosy mpianatr’i Jesosy izany?
4 Rehefa nahafantatra ny amin’ny fiovam-pinoan’i Kornelio mbamin’ireo Jentilisa hafa ny apostoly sy ny rahalahy hafa tany Jerosalema, dia liana ny handre ny tatitra nataon’i Petera. Rehefa avy nanazava izay zava-nitranga nifandray tamin’i Kornelio sy ny Jentilisa mpino hafa ilay apostoly, dia namarana ny teniny toy izao: “Koa raha mba homen’Andriamanitra azy [ireo Jentilisa mpino ireo] ny fanomezana [dia ny fanahy masina], tahaka antsika [Jiosy] fony isika vao nino an’i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?” (Asan’ny Apostoly 11:1-17). Nahatonga fitsapana ho an’ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izany zavatra izany. Hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra ve izy ireo ka handray an’ireo Jentilisa mpino ho toy ny mpiara-mivavaka aminy? Sa hotandindomin-doza ny firaisan-tsaina teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah eto an-tany?
5. Ahoana no nandraisan’ny apostoly sy ny rahalahy hafa ny nanomezan’Andriamanitra fibebahana ny Jentilisa, ary inona no azontsika ianarana avy amin’io fihetsika io?
5 Milaza toy izao ny fitantarana: “Ary rehefa nandre izany ireo [ny apostoly sy ny rahalahy hafa], dia [nanaiky, NW ] sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.” (Asan’ny Apostoly 11:18). Nitsimbina sy nampandroso ny firaisan-tsaina teo amin’ny mpanara-dia an’i Jesosy izany fihetsika izany. Tao anatin’ny fotoana fohy monja, dia nandroso ny asa fitoriana teo anivon’ny Jentilisa na ireo hafa firenena, ary nomban’ny fitahian’i Jehovah ny asa toy izany. Ny tenantsika koa dia tokony hanaiky rehefa takina ny fiaraha-miasantsika mifandray amin’ny famoronana kongregasiona vaovao iray, na rehefa atao eo ambany fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra ny fanitsiana teokratika sasany. Hampifaly an’i Jehovah ny fiaraha-miasantsika amin’ny fo manontolo, sady hanampy antsika hihazona ny firaisan-tsaina eo amintsika amin’izao andro farany izao.
Mifikira amin’ny fahamarinana
6. Inona no akon’ny fahamarinana eo amin’ny firaisan-tsaina misy eo amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah?
6 Amin’ny maha-anisan’ilay fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah antsika, isika rehetra dia mihazona ny firaisan-tsaina satria ‘ampianarin’i Jehovah’ ary mitana mafy ny fahamarinany naharihary. (Jaona 6:45; Salamo 43:3). Koa satria miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarantsika, dia miray teny isika rehetra. Ekentsika amim-pifaliana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Manampy antsika mba hihazona ny firaisan-tsaina eo amintsika maneran-tany ny fampianarana mitovy toy izany.
7. Raha sahirana isika manokana, eo amin’ny fahazoana hevitra sasany, inona no tokony hataontsika, ary inona no tsy tokony hataontsika?
7 Ahoana raha sahirana isika manokana, eo amin’ny fahazoana na fanekena hevitra sasany? Tokony hivavaka isika mba hahazoana fahendrena ary hanao fikarohana ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana. (Ohabolana 2:4, 5; Jakoba 1:5-8). Mety hanampy ny fiaraha-midinika amin’ny loholona iray. Raha mbola tsy azo ihany ilay hevitra, dia ho tsara indrindra ny hamelana an’ilay raharaha hijanona eo. Angamba hisy fanazavana bebe kokoa momba ilay foto-kevitra havoaka, ka amin’izay dia hiitatra kokoa ny fahazoantsika hevi-javatra. Ho ratsy anefa ny hanandramana hampiaiky ny hafa ao amin’ny kongregasiona mba hanaiky ilay fomba fihevitsika maningana. Izany dia hamafy tsy fifanarahana, fa tsy hiasa ho fitsimbinana ny firaisan-tsaina. Tsara lavitra toy inona moa ny ‘mandeha araka ny fahamarinana’ sy ny mampahery ny hafa mba hanao toy izany koa! — 3 Jaona 4.
8. Inona no fihetsika mety manoloana ny fahamarinana?
8 Tamin’ny taonjato voalohany dia nilaza toy izao i Paoly: “Ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.” (1 Korintiana 13:12). Na dia tsy nahay nanavaka ny tsipiriany rehetra aza ny Kristiana tany am-boalohany, dia nitoetra ho niray saina izy ireo. Isika kosa ankehitriny dia manana fahazoana hevi-javatra mazava kokoa ny amin’ny fikasan’i Jehovah sy ny Teny fahamarinany. Koa aoka àry isika ho velom-pankasitrahana noho ny fahamarinana izay noraisintsika tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”. Ary aoka isika ho velom-pisaorana satria notarihin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany. Na dia tsy nanana foana ambaratongam-pahalalana nitovy aza isika, dia tsy noana na nangetaheta teo amin’ny lafiny ara-panahy. Fa i Jehovah, ilay Mpiandry antsika, kosa dia nitana antsika hiray saina ary nikarakara tsara antsika. — Salamo 23:1-3.
Ampiasao amin’ny fomba tsara ny lela!
9. Ahoana no azo ampiasana ny lela mba hampandrosoana ny firaisan-tsaina?
9 Fomba lehibe iray hampandrosoana ny firaisan-tsaina sy ny toe-tsaim-pirahalahiana ny fampiasana ny lela mba hampaherezana ny hafa. Ilay taratasy izay nandamina ilay raharaha niadian-kevitra momba ny famorana, araka ny nandefasan’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany azy, dia loharanom-pampaherezana. Rehefa avy novakina ilay izy, dia “nifaly noho ny fampaherezana” ny mpianatra jentilisa tany Antiokia. I Joda sy i Silasy, izay nirahina avy tany Jerosalema hitondra ilay taratasy, dia “nampahery ny rahalahy tamin’ny lahateny maro ka nanatanjaka azy”. Tsy isalasalana fa nampahery sy nanatanjaka ireo mpiray finoana tany Antiokia koa ny fanatrehan’i Paoly sy i Barnabasy. (Asan’ny Apostoly 15:1-3, 23-32, NW ). Afaka manao zavatra betsaka toy izany koa isika rehefa miaraka any amin’ireo fivoriana kristiana ka ‘mifampahery’ amin’ny alalan’ny fanatrehantsika sy ny valin-tenintsika mampandroso. — Hebreo 10:24, 25.
10. Mba hihazonana ny firaisan-tsaina, inona no mety ho tsy maintsy hatao raha mipoitra ny fanaratsiana?
10 Kanefa, afaka mandrahona ny firaisan-tsaina eo amintsika ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny lela. “Ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. “Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!” (Jakoba 3:5). Mankahala an’ireo izay mahatonga ady i Jehovah. (Ohabolana 6:16-19). Mety hahatonga fisaratsarahana ny resaka toy izany. Koa ahoana àry raha misy ny fanaratsiana, izany hoe fanalam-baraka atototra olona iray na famelezana azy amin’ny teny famingavingana? Hiezaka hanampy ilay nanao ratsy ny loholona. Kanefa, ny mpanaratsy tsy mibebaka dia tokony horoahina mba hahazoana mihazona ny fiadanana sy ny filaminana ary ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona. Raha dinihina tokoa, dia nanoratra toy izao i Paoly: ‘Aza miharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy nefa mpanaratsy, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany’. — 1 Korintiana 5:11.
11. Nahoana no zava-dehibe ny fanetren-tena raha nilaza zavatra izay niteraka fihenjanana teo amintsika sy ny mpiray finoana, isika?
11 Ny fifehezana ny lela dia manampy antsika hihazona ny firaisan-tsaina. (Jakoba 3:10-18). Aoka anefa hatao hoe niteraka fihenjanana teo amintsika sy ny Kristiana iray tahaka antsika ny zavatra nolazaintsika. Moa ve tsy hety ny hanombohana hanao zavatra amin’ny famitranana fihavanana amin’ilay rahalahintsika, ka hiala tsiny raha ilaina izany? (Matio 5:23, 24). Marina fa izany dia mitaky fanetren-tena, na saina tsy manambony tena, kanefa nanoratra toy izao i Petera: “Samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa ‘Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena’ ”. (1 Petera 5:5). Ny fanetren-tena dia hanosika antsika “hitady fihavanana” amin’ny rahalahintsika, amin’ny fiekena ny fahadisoantsika sy amin’ny fanaovana fialan-tsiny mifanentana. Izany dia manampy amin’ny fihazonana ny firaisan-tsaina ao amin’ny fianakavian’i Jehovah. — 1 Petera 3:10, 11.
12. Ahoana no azontsika ampiasana ny lela mba hampandrosoana sy hihazonana ny firaisan-tsaina eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?
12 Afaka mampandroso ny toe-tsaim-pianakaviana eo anivon’ireo izay ao amin’ny fandaminan’i Jehovah isika, raha mampiasa amin’ny fomba tsara ny lelantsika. Koa satria izany no nataon’i Paoly, dia afaka nampahatsiahy toy izao an’ireo Tesaloniana izy: “Toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra”. (1 Tesaloniana 2:11, 12). Noho i Paoly namela ohatra tsara dia tsara tamin’io lafiny io, dia afaka nampirisika mafy an’ireo Kristiana tahaka azy izy mba ‘hiresaka amin’ny fomba mampionona amin’ireo fanahy ketraka’. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Saintsaino hoe zavatra tsara toy inona no azontsika atao amin’ny fampiasana ny lela mba hampiononana, hampaherezana sy hampandrosoana ny hafa. Eny, “endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” (Ohabolana 15:23). Ankoatra izany, ny teny toy izany dia manampy mba hampandroso sy hihazona ny firaisan-tsaina eo amin’ny vahoakan’i Jehovah.
Aoka hamela heloka!
13. Nahoana isika no tokony hamela heloka?
13 Tena ilaina ny famelana ny helok’ilay nanafintohina ka nanao fialan-tsiny, raha tiantsika ny hihazona ny firaisan-tsaina kristiana. Ary impiry isika no tokony hamela heloka? Nilaza toy izao tamin’i Petera i Jesosy: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:22). Raha tsy mamela heloka isika dia manao zavatra manohitra ny tombontsoan’ny tenantsika. Ahoana izany? Ny fankahalana sy ny fanolokoloana lolompo dia hanaisotra amintsika ny fiadanan-tsaina. Ary raha manjary malaza isika noho ireo fombantsika lozabe sy tsy mamela heloka, dia mety hotodin’ny halozantsika ihany isika. (Ohabolana 11:17). Tsy mampifaly an’Andriamanitra ary afaka mitarika ho amin’ny fahotana lehibe ny fihazonana lolompo. (Levitikosy 19:18). Tadidio fa i Jaona Mpanao batisa dia notapahin-doha noho ny teti-dratsy novolavolain’i Herodiasy ratsy fanahy, izay “nanao otri-po” taminy. — Marka 6:19-28.
14. a) Inona no ampianarin’ny Matio 6:14, 15 antsika momba ny famelan-keloka? b) Tsy maintsy miandry fialan-tsiny foana ve isika vao hamela heloka?
14 Misy an’izao teny izao ny vavaka modely nataon’i Jesosy: “Mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay.” (Lioka 11:4). Raha tsy mamela heloka isika dia mety tsy havelan’i Jehovah Andriamanitra intsony ny helotsika indray andro any, satria nilaza toy izao i Jesosy: “Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” (Matio 6:14, 15). Koa raha tena maniry hanao ny anjarantsika isika eo amin’ny fihazonana ny firaisan-tsaina ao amin’ilay fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah, dia hamela heloka isika, angamba amin’ny fanadinoana fotsiny ny fahatafintohinana mety ho nateraky ny tsy fieritreretana ary tsy nisy fikasan-dratsy. Nilaza toy izao i Paoly: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.” (Kolosiana 3:13). Rehefa mamela heloka isika dia manampy mba hihazona ny firaisan-tsaina sarobidy ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.
Firaisan-tsaina sy fanapahan-kevitra manokana
15. Inona no manampy ny vahoakan’i Jehovah hihazona ny firaisan-tsaina rehefa manao fanapahan-kevitra manokana?
15 Andriamanitra dia nanao antsika ho olona afaka manao izay tiany hatao, miaraka amin’ny tombontsoa sy andraikitra hanao fanapahan-kevitra manokana. (Deoteronomia 30:19, 20; Galatiana 6:5). Kanefa dia afaka mihazona ny firaisan-tsaina eo amintsika isika, satria manaraka ireo lalàna sy fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Asiantsika fiheverana izy ireny rehefa manao fanapahan-kevitra manokana isika. (Asan’ny Apostoly 5:29; 1 Jaona 5:3). Aoka hatao hoe mipoitra ny raharaha iadian-kevitra momba ny fialanalanana. Afaka manao fanapahan-kevitra manokana mampiseho fananana fahalalana isika amin’ny fitadidiana fa “tsy naman’izao tontolo izao” isika sady efa ‘nanefy ny sabatsika ho fangady’. (Jaona 17:16; Isaia 2:2-4). Toy izany koa, rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra manokana mahakasika ny fifandraisantsika amin’ny Fitondrana isika, dia heverintsika izay lazain’ny Baiboly momba ny fandoavana “ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”, ary etsy an-danin’izany dia ekentsika ny “fahefana lehibe” amin’ireo raharaha tsy ara-pivavahana. (Lioka 20:25; Romana 13:1-7; Titosy 3:1, 2). Eny, ny fanisiana fiheverana an’ireo lalàna sy fotopoto-pitsipiky ny Baiboly rehefa mandray fanapahan-kevitra, dia manampy amin’ny fihazonana ny firaisan-tsaina kristiana eo amintsika.
16. Ahoana no azontsika itondrana fanampiana amin’ny fihazonana ny firaisan-tsaina rehefa manao fanapahan-kevitra izay tsy mahatafiditra lalàna na fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina isika? Hazavao amin’ny ohatra.
16 Afaka manampy mba hihazona ny firaisan-tsaina kristiana isika, na dia rehefa manao fanapahan-kevitra tena manokana aza, izay tsy mahatafiditra lalàna na fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina. Ahoana izany? Amin’ny fanehoana fiahiana feno fitiavana an’ireo hafa izay mety ho tafintohina noho ilay fanapahan-kevitsika. Indro misy ohatra: Tao amin’ny kongregasionan’i Korinto fahiny, dia nipoitra ny raharaha niadian-kevitra momba ny hena naterina tamin’ny sampy. Mazava ho azy fa ny Kristiana dia tsy handray anjara amin’ny fombafomba misy fanompoan-tsampy. Kanefa tsy fahotana ny fihinanana ny hena nalatsa-dra tsara sisa tavela tamin’izany, ka namidy teny an-tsena. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 1 Korintiana 10:25). Na dia izany aza, dia voakorontana ny fieritreretan’ny Kristiana sasany raha ny amin’ny fihinanana izany hena izany. Noho izany, i Paoly dia nampirisika mafy an’ireo Kristiana hafa mba hisoroka ny tsy hanafintohina azy ireny. Raha ny marina dia nanoratra toy izao izy: “Raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.” (1 Korintiana 8:13). Koa na dia tsy misy lalàna na fotopoto-pitsipiky ny Baiboly tafiditra aza, dia ho fanehoam-pitiavana toy inona moa ny hiheverana ny hafa rehefa manao fanapahan-kevitra manokana izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra!
17. Inona no tsara hatao rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra manokana isika?
17 Raha tsy azontsika antoka hoe inona no lalam-pitondran-tena tokony harahina, dia fahendrena ny hanaovana fanapahan-kevitra amin’ny fomba izay hamela antsika hanana feon’ny fieritreretana madio, ka tokony hanaja ny fanapahan-kevitsika ny hafa. (Romana 14:10-12). Mazava ho azy, fa rehefa tsy maintsy manao fanapahan-kevitra manokana isika dia tokony hitady ny fitarihan’i Jehovah amim-bavaka. Sahala amin’ny mpanao salamo dia afaka mivavaka amim-pitokiana toy izao isika: “Atongilano amiko ny sofinao; (...) fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy.” — Salamo 31:2, 3.
Hazony foana ny firaisan-tsaina kristiana
18. Ahoana no nanazavan’i Paoly tamin’ny ohatra ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona kristiana?
18 Ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-12, i Paoly dia nampiasa ny vatan’olombelona mba hanazavana amin’ny ohatra ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona kristiana. Nanantitrantitra izy ny amin’ny fifampiankinana sy ny maha-sarobidy ny mpikambana tsirairay. “Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?” hoy i Paoly nanontany. “Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany. Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.” (1 Korintiana 12:19-21). Toy izany koa, isika rehetra ao amin’ny fianakavian’ny mpivavaka amin’i Jehovah dia tsy manatontosa asa mitovy. Kanefa miray saina isika ary samy mila ny hafa.
19. Ahoana no azontsika andraisan-tsoa avy amin’ny fandaharana ara-panahy ataon’Andriamanitra, ary inona no nolazain’ny rahalahy iray efa be taona momba izany?
19 Toy ny ilan’ny vatana hanina sy fikarakarana ary fitarihana, isika koa dia mila ny fandaharana ara-panahy izay omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany. Mba handraisan-tsoa avy amin’ireny fandaharana ireny, dia tsy maintsy ho anisan’ilay fianakavian’i Jehovah eto an-tany isika. Taorian’ny taona maro nanompoana an’Andriamanitra, dia nanoratra toy izao ny rahalahy iray: “Velom-pisaorana aoka izany aho fa niaina tao anatin’ny fahalalana ny fikasan’i Jehovah, nanomboka tamin’ireny andro tany am-boalohany nialoha indrindra ny 1914 ireny, fony mbola tsy nazava tsara ny zava-drehetra, (...) ka mandraka androany izay amirapiratan’ny fahamarinana tahaka ny masoandro amin’ny mitataovovonana. Raha nisy zavatra faran’izay lehibe tamiko, izany dia ny raharaha ny amin’ny fitoerana ho akaiky ny fandaminana hita mason’i Jehovah hatrany. Ny fanandraman-javatra hitako tany am-boalohany dia nampianatra ahy fa hadalana ny miantehitra amin’ny fisainan’olombelona. Raha vao niaiky mafy ny amin’io hevitra io ny saiko, dia tapa-kevitra aho ny hitoetra ho akaiky an’ilay fandaminana mahatoky. Amin’ny fomba hafa inona indray moa no ahafahan’ny olona mahazo sitraka sy fitahiana avy amin’i Jehovah?”
20. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika momba ny firaisan-tsaina eo amintsika amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika?
20 I Jehovah dia niantso ny vahoakany hiala tamin’ny haizina sy ny fisaratsarahana eo amin’izao tontolo izao. (1 Petera 2:9). Izy no nitondra antsika ho ao anatin’ny firaisan-tsaina mitondra fahafaham-po amin’ny tenany sy amin’ireo mpiray finoana amintsika. Io firaisan-tsaina io dia hisy ao amin’ilay fandehan-javatra vaovao efa akaiky aoka izany ankehitriny. Noho izany, amin’izao andro farany sy sarotra izao, dia aoka isika hanohy ‘hitafy fitiavana’ ary hanao izay rehetra azontsika atao mba hampandrosoana sy hihazonana ilay firaisan-tsaina sarobidy eo amintsika. — Kolosiana 3:14, NW.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fifikirana amin’ny fahamarinana no afaka manampy antsika hihazona ny firaisan-tsaina?
◻ Ahoana no ifandraisan’ny firaisan-tsaina sy ny fampiasana tsara ny lela?
◻ Inona no tafiditra amin’ny hoe mamela heloka?
◻ Ahoana no azontsika ihazonana ny firaisan-tsaina rehefa mandray fanapan-kevitra manokana?
◻ Nahoana no mihazona ny firaisan-tsaina kristiana?
[Sary, pejy 16]
Tahaka ny ihazonan’itỳ mpiandry ondry itỳ ny andian’ondriny hiaraka, dia toy izany koa no ihazonan’i Jehovah ny vahoakany hiray saina
[Sary, pejy 18]
Amin’ny fialana tsiny amim-panetren-tena rehefa nahatonga fanafintohinana isika, no itondrantsika fanampiana ho amin’ny fampandrosoana ny firaisan-tsaina