Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra
“Manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny [fironan’ny, MN] fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” — I TANTARA 28:9.
1. Inona avy moa no fanontaniana mipetraka rehefa mamaky ny I Tantara 28:9?
EO am-pamakiana ny tenin’ny Soratra Masina voatonona eo ambony, dia misy fanontaniana vitsivitsy tonga ao an-tsaintsika momba ny fo. Raha fo ara-bakiteny no resahina eo, ahoana no mety hahavelona amin’ny fo iray tsy feno? Ho azo atao ve ny ho velona amin’ny antsasaky ny fo, ohatra? Moa ve Jehovah mamantatra ireo aretim-po toy ny hataon’ny manam-pahaizana manokana iray amin’izao androntsika izao? Miresaka ny amin’ny fironan’ny fieritreretana koa io andinin-teny io. Mitoetra ao amin’ny fo ve izany? Ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly dia toa mampiseho fa izany no izy, satria resahiny ny amin’ny ‘fironan’ny fisainan’ny fo’. (Genesisy 6:5; I Tantara 29:18.) Moa àry ve Jehovah mandinika ny fontsika ara-batana mba hamantarana ny fisainantsika? Inona marina tokoa moa no dikan’ny hoe ‘manompo azy amin’ny fo rehetra’?
2. Inona avy moa no zavatra ninoan’ny Egyptiana, ny Babyloniana sy Aristote filozofa grika taloha momba ny fo?
2 Fahizay, ny Egyptiana dia nino fa ny fo ara-batana no fitoeran’ny saina sy ny fihetseham-po. Nieritreritra koa izy ireny fa nanana sitrapo manokana io faritra io. Ny Babyloniana kosa anefa dia nilaza fa nirakitra ny saina sy ny fitiavana ny fo. Ary ilay filozofa grika atao hoe Aristote dia nampianatra fa ny fo no foiben’ny fahatsapan-javatra sy fitoeran’ny fanahy (âme). Rehefa nandeha anefa ny fotoana ka nitatra ny fahalalana, dia nailika izany fiheverana izany. Hita tamin’ny farany ny tena atao hoe fo: paompy mampikoriana ny ra ao amin’ny tena.
3. Inona no mahatonga ny fo ho faritra miavaka aoka izany?
3 Marina tokoa fa alohan’ny zavatra rehetra dia paompy ny fo, paompy mahagaga iray, izay mampiboiboika tsy miova, isaky ny segondra ahavelomantsika, ny riaka mena mitana ny aintsika. Zara raha lehibe kokoa noho ny totohondry ny fon’olombelona, latsaka ny 500 grama ny lanjany, ary mitepo in-100 000 isan’andro izy io, ka isan’andro dia mampikoriana ra eo amin’ny 7 500 litatra izy — am-polony tapitrisa litatra maro ao anatin’ny androm-piainana iray — ao amin’ny sampantsampan-dalan-dra amin’ny tena, tokony ho 100 000 kilaometatra ny halavany. Ny fitepon’ny fo dia avy amin’ny fihandronan’ny sela manao ny anjara asan’ny mpanaitaitra amin’ny fandefasana fanosehan’ny herimbaratra mibaiko ny fitepon’ny fo. Tsy misy mihitsy nofo aman-kozatra amin’ny tena miasa mafy kokoa, maharitra kokoa, ara-dalàna kokoa, am-polony taona misesy, noho ny fo. Ny fikorontanana ara-pihetseham-po na ny fampiasan-tena mahery vaika dia mety hampitombo avo dimy heny ny fitepon’ny fo. Rehefa avoaka avy ao an-tratra ny fo, dia manohy mitepo kelikely. Na dia ny sela nalaina avy teo amin’ny fo aza dia manohy manao toy izany raha atao ao anatin’ny toe-javatra mety. Ny atidoha ihany no mitaky foto-javatra ivelomana sy “oxygène” betsaka kokoa noho ny an’ny fo.
4, 5. a) Inona avy no asan’ny fo araka ny filazan’ny Tenin’Andriamanitra? b) Araka ny voalazan’ny Soratra Masina, mety hirakitra fihetseham-po sy antony manosika inona avy moa ny fo?
4 Hita eo amin’ny inarivo ny teny hoe fo ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’ny andinin-teny sasany izy io dia manondro ny fo ara-batana, ary ao amin’ny hafa koa, ny foibe na ny afovoan’ny zavatra izay, toy ny ao amin’ny fitenenana hoe “ao am-pon’ny ranomasina miakatra” sy “ao am-pon’ny tany”. (Ezekiela 27:25-27, MN; Matio 12:40, MN.) Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa izy io dia ampiasaina amin’ny heviny ara-panoharana. Ny Diksionera ara-teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataon’i Kittel dia mandahatra eo am-panombohana ny hoe “fo”, teny maro avy ao amin’ny Soratra Masina eo ambanin’ny tsirairay avy amin’ireto fizarana manaraka ireto: “Ny fo dia mirakitra ny fihetseham-po, ny faniriana sy ny fahamaimaizana.” “Ny fo no foiben’ny saina, loharanon’ny hevitra sy ny eritreritra.” “Ny fo no itoeran’ny sitrapo, loharanon’ny fanapahan-kevitra.” “Ny fo àry ao amin’ny olombelona no foibe ambony indrindra itodihan’Andriamanitra, amakan’ny fiainana ara-pivavahana sy mametra ny toe-pitondrantena.”
5 Ny fo ara-panoharana dia mirakitra ny fihetseham-pontsika sy ny antony manosika antsika hanao zavatra. Araka ny asehon’ny teny maro ao amin’ny Baiboly, dia mety ho falifaly izy, malahelo, maizina, mazava, tsy azo sitranina, osa na mafy. Mety hirehitra noho ny fahatezerana izy io, halemin’ny tahotra, hieboebo sy hiavonavona na halemy fanahy sy hanetry tena, ho safononoky ny fitiavana na ho feno fankahalana, madio na meloka ho mijangajanga. Ratsy ny fironany, nefa mety hanosika antsika hanao ny tsara izy.
Aoka isika tsy hanana fo tsy mety tapa-kevitra na fo miroa
6, 7. a) Karazan’olona manao ahoana no halan’ny mpanao salamo, ary inona no nataon’ny mponina teo amin’ny Isiraely sy Joda manazava ny toeran’ireny olona ireny? Ahoana moa no nanasoritan’i Jesosy fa tsy tsara ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo tsy mety tapa-kevitra?
6 Tokony ho feno ny fo ara-batana mba hahafahany hiasa, nefa kosa mety ho voazarazara ny fo ara-panoharana. Ny mpanao salamo, izay miharihary tokoa fa olona araka ny fon’Andriamanitra, dia nanoratra toy izao ara-tsindrimandriny: “Halako ny mpiroa saina.” (Salamo 119:113). Ao anatin’io sokajin’olona io ireo Isiraelita napetrak’i Elia teo anoloan’ny fisafidianana tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” (I Mpanjaka 18:21). Tsy tapa-kevitra izy ireo fa ‘niroa saina’.
7 Toy izany koa, tantarain’ny Baiboly izay nataon’ny mponin’ny Joda rehefa avy niverina kely tamin’i Jehovah izy ireo: “Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an’i Jehovah Andriamaniny ihany.” (II Tantara 33:17). Nanana fo voazarazara izy ka nihambo ho nivavaka tamin’i Jehovah, kanefa tamin’ny fomba nifanohitra tamin’ny sitrapony no nanaovany izany ary teo amin’ny toerana nivavahany tamin’i Bala teo aloha. Izao no nambaran’i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa.” (Matio 6:24). Tamin’ny androny, ny mpanompo dia noheverina ho fananan’ny tompony. Niasa ho azy 24 ora tao anatin’ny 24 ora izy ireo. Tsy afaka nizara ny fotoanany ho an’ny tompo roa izy ireny — tamin’ny fanokanana ny antsasany ho an’ny anankiray ary ny antsasany ho an’ny faharoa. Izao àry no nosoritan’i Jesosy: tsy mety ny manompo an’i Jehovah amin’ny fo tsy mety tapa-kevitra.
8. Raha lazaina ara-panoharana, ahoana no mety hananan’ny olona iray fo roa, ary inona avy no teny ao amin’ny Baiboly mampiseho ny fomba fisehoan’izany?
8 Iray monja ny fo ara-batan’ny olona rehetra, kanefa, raha lazaina ara-panoharana, ny sasany dia manana roa. Izao no nolazain’i Davida ny amin’ireny olona ireny: “Fo mamorom-pitaka [“amin’ny fo iray sy fo iray”, NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy] no itenenany.” (Salamo 12:2). Raha mbola manaraka fihetsika ivelany fotsiny ny anankiray amin’ireo fony, ny anankiray hafa kosa dia miray tetika mangingina hikatsaka tombontsoa mampiseho fitiavan-tena. Lazalazaina toy izao ao amin’ny Soratra Masina ny fihatsarambelatsihin’ireny olona manana fo miroa ireny: “Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna; misotroa; kanjo tsy sitrany hianao.” “Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; fa fahavetavetana fito no ao am-pony.” — Ohabolana 23:7; 26:25; Salamo 28:3.
9. Inona avy moa no fanambarana mampiseho fa ny mpiara-belona sasany tamin’i Jeremia sy Jesosy dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny fo niroa?
9 Rehefa manjaka eo amin’ny fifandraisan’olombelona ny fihatsarambelatsihy toy izany, dia mampahonena, fa rehefa tafiditra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah izany dia mitera-doza. “Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah ity. He! hianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany. Hay! Hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va hianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo? Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany hianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay — mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!” (Jeremia 7:4, 8-10). Nomelohin’i Jesosy io fihatsarambelatsihy io izay niharihary teo amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo niroa fo. Hoy ny nambarany tamin’izy ireo: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy.’ ” — Matio 15:7, 8.
10, 11. Inona moa no jeren’i Jehovah sy Jesosy Kristy rehefa mitsara olona izy ireo, ary nahoana?
10 Izay rehetra voalaza eo aloha dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra mazava hoe nahoana Jehovah no nanambara toy izao tamin’i Samoela: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (I Samoela 16:7). Araka izany, rehefa mamantatra ny hasarobidin’ny olona iray Jehovah, dia tsy mifototra amin’ny fisehoana ivelany; lasa hatrany amin’ny fototry ny zavatra izy. Jesosy Kristy dia manondro ny fo ho ny hery izay manosika ny fitondrantenantsika ho tsara na ho ratsy. Izao no nambarany: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony.” Ary koa: “Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy.” — Lioka 6:45; Matio 15:19.
11 Jesosy Kristy, ilay nametrahana ny fitsarana, dia mijery izay jeren’i Jehovah. Mampahafantatra ny tenany toy izao izy: “Izaho no mandinika ny voa [ny fihetseham-po lalina indrindra”, NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy] sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.” (Apokalypsy 2:23). Noho izany, dia ho tsara ny hanarahantsika izao torohevitra izao: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” — Ohabolana 4:23.
12. Nahoana moa no ilaintsika ny manao fiezahana amim-paharisihana mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo rehetra?
12 Tsy tokony hivavaka amin’i Jehovah na amin’ny fo tsy mety tapa-kevitra na amin’ny fo miroa isika, fa amin’ny fo rehetra. Tsy maintsy manao fiezahana amim-paharisihana isika amin’izany. Inona no antony? Satria mamadika ny fontsika ary mety ho faran’izay mamitaka. Maharaiki-tahotra ny mahatsapa ny fahakingany hanamarina ny zava-dratsy izay manintona ny nofontsika ratsy. Na dia mety hamitaka antsika aza izy ka hanafina amintsika ny tena antony manosika antsika, Jehovah kosa dia mahita azy araka ny maha-izy azy. Manintona ny saintsika ho amin’izany hevitra izany amin’izao teny izao Andriamanitra: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany.” — Jeremia 17:9, 10.
Aoka isika hahazo fo manontolo
13. Ahoana no nambaran’i Jesosy ny amin’ny olona niseho ho mpivavaka sasany tamin’ny androny, ary inona no vokatry ny fitondrantenan’izy ireo?
13 Raha niresaka ny amin’ireo olona niseho ho mpivavaka tamin’ny androny i Jesosy, dia nanambara toy izao: “Fa efa adala ny fon’izao olona izao, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho.” (Matio 13:15). Noho ny fitompoany tena fantatra ara-pivavahana, ireny olona ireny dia nanakimpy ny masony, nanentsina ny sofiny sy nanamafy ny fony teo anoloan’ny fampianaran’i Jesosy. Noho izy nanda ny fananarana, dia tsy afaka nahazo fo feno antony tsara manosika izy ireny, satria voasoratra hoe: “Izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana [“mahazo antony tsara manosika”, NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy].” (Ohabolana 15:32). Nihambo ho nivavaka tamin’Andriamanitra izy ireo, nefa raha ny marina dia nanao ny ‘fahamarinany’ mba ho itan’ny olona. — Matio 6:1, 2, 5, 16.
14. Noho ny inona moa no mety hahatonga ny fahamarinana ho tafalatsaka lalina ao amintsika sy hitoetra ao? Manonòna ohatra.
14 Aleo lavitra manahaka an’i Josafata, mpanjakan’ny Joda, izay ‘nampiomana ny fony hitady an’Andriamanitra’. (II Tantara 19:3.) Ny fomba tsara indrindra fiomanana mba hitady an’Andriamanitra dia ny fivavahana aminy amin’ny fon’ny tena rehetra. Rehefa tao anatin’ny fahoriana i Hana, dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin-kafanam-po. “Niteny anakampo” izy, ary nohenoina ny vavaka nataony. Ilaina koa ny ho vonona ny hihaino. Toy izany ny renin’i Jesosy, satria izao no nolazaina ny aminy: “Ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.” ‘Nieritreritra tao am-pony’ izy ary tonga mpianatr’i Jesosy nahatoky. Manampy ireo izay mitady azy amim-pahatsorana Jehovah. Lydia, vehivavy iray natahotra an’Andriamanitra, dia nihaino an’i Paoly. Noho izany antony izany, “ny Tompo [Jehovah, MN] nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly”. Taorian’izany dia natao batisa izy (I Samoela 1:12, 13; Lioka 2:19, 51; Asan’ny apostoly 16:14, 15). Noho ny fony ara-panoharana — ny fihetseham-pony sy ny antony tsara manosika azy — foana àry no aneken’ny olona iray sy itanany ny fahamarinana.
15. Tokony ho vonona ny hanao inona isika raha tiantsika ny hahazo fo feno?
15 Mba hahazoana fo manontolo, dia tokony ho vonona isika hanilika ny hevitra itompoantsika ka hanaiky fa marina Andriamanitra, na dia mandrodana ny sasany amin’ireo hevitra na fampianarana mamintsika aza izany (Romana 3:4). Ilaintsika ny hanilihana ireo antony mampiseho fitiavan-tena manosika ny fontsika mba hahatonga azy ho mora handray ny sitrapo sy ny lalan’i Jehovah. Nisy fotoana nanoratan’i Jehovah ireo lalàny teo amin’ny vato fisaka, kanefa taty aoriana dia teo amin’ny fon’olombelona no nanoratany izany. Nanoratra teo amin’ny fo koa ny apostoly Paoly. Ny tenanao koa dia afaka ‘manoratra ny famindrampo sy ny fahamarinana eo amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka’. — Ohabolana 3:3; Hebreo 10:16; II Korintiana 3:3.
16. Inona avy no fanontaniana manipika ireo dingana tokony hataon’ny olona iray mba hananana fo manontolo ho an’i Jehovah?
16 Moa ve ny fonao manolotra velaran-toerana tsara azo anoratana ireo fotopoto-pitsipika sy fitsipik’i Jehovah? Hanadio azy amin’ny fitompoan-teny fantatra ve ianao mba hahafahan’ny fahamarinan’Andriamanitra hiditra ao? Rehefa avy eo ve ianao dia hanohy hianatra, hanavao ny sainao, hanary ny toetra taloha sy hitafy ny vaovao izay namboarina araka ny endrik’Andriamanitra? Hanao izay rehetra azonao atao ve ianao mba ho mpiasa tsy mahazo henatra mihitsy, izay mampiasa tsara ny teny fahamarinana? — Romana 12:2; Kolosiana 3:9, 10; II Timoty 2:15.
Tano ny fo manontolo
17. Inona moa no fananarana nataon’i Davida ho an’i Solomona, ary nahoana io no tsy nanaraka izany?
17 Nananatra an’i Solomona tamin’izao teny izao i Davida: “Ary hianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa.” Teo amin’ny voalohandohany i Solomona dia tena nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo rehetra tokoa, kanefa rehefa nandeha ny fotoana dia tsy nanao toy izany intsony izy. Izao no vakintsika: “Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’i Davida rainy.” — I Tantara 28:9; I Mpanjaka 11:4.
18, 19. a) Amin’ny fomba ahoana avy moa no hanandraman’i Satana hampanary anao ny fonao manontolo? b) Raha tsy tonga amin’ny zava-kendreny amin’ny alalan’izany fomba ankolaka izany Satana, dia tetikady hafa inona avy no hampiasainy?
18 Hahomby ve ianao ao amin’izay tsy nahombiazan’i Solomona? Angamba ianao nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho tonga anankiray amin’ireo vavolombelony, angamba ianao miahy ny amin’ny tsy hivavahana aminy amin’ny fo miroa sy voazarazara amin’ny ‘fitiavana an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra’, mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy. Kanefa moa ve ianao tapa-kevitra ny hiaro ny fonao hanana fandavan-tena feno ho amin’ny asan’i Jehovah (Matio 22:37)? Raha izany no izy, dia tsy ho faly ny amin’izany Satana fahavalonao, ary noho izy fetsy, dia hifidy ny fonao ho fikendry izy. Fantany tokoa fa mirona ho amin’ny fahotana ny fonao, ka raha tsy mitandrina hatrany ianao, dia mety haka azy am-pitaka izy. Moa ve tsy ‘nomeny saina Jodasy Isikariota mba hamadika an’i Jesosy’? (Jaona 13:2.) Fantany ny zavatra mampahalemy antsika — ny vola, ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso, ny fialam-boly, ny avonavona, ny raharaha tsy ara-pivavahana, ny fampideraderana ny fananantsika na ny filan’ny nofo — ka eo amin’izany no andefasany ny zana-tsipikany mirehitra. Ho afaka hamono azy rehetra amin’ny ampingan’ny finoana ve ianao? — Efesiana 6:16; I Jaona 2:15-17.
19 Rehefa tsy tonga amin’ny zava-kendreny amin’ny alalan’izany fomba isan-karazany izany Satana, dia tsy hoe manaiky ho resy izy akory. Miova ho liona mierona mitady izay handrapahana ireo vavolombelon’i Jehovah mahatoky izy amin’ny fanaovana izay hampiharana fitondrana ratsy aminy avy amin’ny vahoaka, fikapohana, fanaovana an-tranomaizina sy fahafatesana mihitsy aza. Amin’izany fitsapana rehetra izany anefa Jehovah dia tsy maintsy manatanjaka ireo manana fo manontolo ho azy. — Jakoba 4:7; I Petera 5:8-10; Apokalypsy 2:10.
20, 21. a) Fanontaniana inona avy no mahatonga ho afaka hanao fandinihana ny fo ara-batana? b) Fanontaniana inona avy sahalahala amin’izany no ampiasaina hanaovana fandinihana ny fahasalaman’ny fo ara-panoharana?
20 Ilaina indraindray ny hanaovana fandinihana ny fahasalaman’ny fontsika ara-batana. Moa ve izy mahazo sakafo tsara, ampy sy mielanelana ara-dalàna. Mitepo ara-dalàna sy amim-pahatanjahana ve izy, sa moramora sy amim-pahosana. Mitana tosidra ara-dalàna ao amin’ny tenantsika ve izy? Ampy ve ny fiasany? (Mba hahasalama azy, ny fo dia mila ny mitepo mafy mandritra ny vanim-potoana lava.) Moa ve ny fitepony mifanaraka amin’ny ilain’ny tena miovaova? Iharam-pihenjanana mafy ve izy noho ny manodidina antsika ara-pihetseham-po?
21 Raha ilaina ny manara-maso ny toetry ny fontsika ara-batana, dia vao mainka toy izany ny an’ny fontsika ara-panoharana! Mandinika izany Jehovah, ary tokony hanao toy izany isika. Manome azy sakafo ara-panahy ampy ve isika noho ny fianarana manokana tsy tapaka sy ny famonjena ireo fivoriana (Salamo 1:1, 2; Ohabolana 15:28; Hebreo 10:24, 25)? Moa ve ny fihetsehany lalina manosika antsika handray anjara amin-jotom-po amin’ny fitoriana, angamba aza indraindray amin’ny fanaovana fiezahana mafy mba hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy (Jeremia 20:9; Lioka 13:24; I Korintiana 9:16)? Inona no holazaina ny amin’ny manodidina azy? Moa ve izy voahodidin’ny fo hafa miray sy feno izay mirakitra fihetseham-po sy antony manosika sahala amin’ny azy? — II Mpanjaka 10:15, 16; Salamo 86:11; Ohabolana 13:20; I Korintiana 15:33.
22. Inona no hiantoka ny fahombiazantsika eo amin’ny fahatapahan-kevitsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra?
22 Raha mitarika anao hamaly hoe eny an’ireo fanontaniana apetraka eo ambony izany fandinihana fahasalamana ara-panahy izany, dia miaro ny fonao ara-panoharana ianao. Amin’izany ianao dia hahomby amin’ny fahavononanao hanompo an’i Jehovah amin’ny fo rehetra eo anilan’ny Vavolombelona mahatoky an-tapitrisany maro hafa izay omena toky toy izao daholo: “Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:7.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa ireo toetoetra maro ananan’ny fo ara-panoharana?
◻ Ahoana no azontsika analavirana ny fananana fo tsy mety tapa-kevitra na fo miroa?
◻ Rehefa mitsara olona Jehovah sy Jesosy Kristy, nahoana izy ireo no mandinika ny fo?
◻ Ahoana no mety hahazoantsika sy hitanantsika fo manontolo?
[Sary, pejy 17]
Manana endrika roa ve ianao?
[Sary, pejy 18]
Lydia
Josafata
Hana
Maria