Miteraka firehetana tafahoatra ve ny kristianisma marina?
NANANA ny olona nirehitra tafahoatra tao aminy ny fivavahana lazaina fa kristiana, nanomboka tamin’ny olona nanao sorona ny tenany tamin’ny afo hampisehoana fanoherana ara-politika ka hatramin’ireo izay tsy nilefitra tamin’ny olona tsy nitovy hevitra ara-pivavahana tamin’ny azy ireo. Ohatra, ny kroazada voalohany dia natao teo ambany fitarihan’ny Eglizy katolika noho ny fikendrena ny hanafaka an’i Jerosalema amin’ny tanan’ireo izay noheveriny ho nivadika. Teo am-piandohany, dia nilatsaka ny andian-tafika telo tsy voafehy izay, ankoatra ny herisetra hafa, dia nandripaka mponina jiosy tany Rhénanie. Rehefa nahazo an’i Jerosalema ireo miaramilan’ny tafika tamin’io kroazada io, ireny miaramila nilaza ho kristiana ireny dia nanova ireo arabe ho reniranon-dra.
Tao amin’ny bokiny hoe Esquisse de l’Histoire universelle, dia izao no nolazain’i H. G. Wells ny amin’ny kroazada voalohany: “Nahatsiravina ny fandripahana lehibe, nikoriana teny amin’ny arabe ny ran’ireo resy mandra-pifantsitsitran’izany teo amin’ireo miaramila. Rehefa nilatsaka ny alina, ireo mpiady tamin’ny kroazada, ‘izay nitomanin-kafaliana tafahoatra’, sasatra noho izany anjara asan’ny famiazana izany, dia niseho teo anoloan’ny Fasana Masina (toerana nisy ny fasan’i Jesosy) ary nanakamban-tanana feno ra nitete mba hivavaka.”
Tamin’ny kroazada iray natao tatỳ aoriana araka ny baikon’ny papa Innocent III, dia ringana ny “Albigeois” sy ny “Vaudois” tia filaminana izay tsy nanaiky ny fampianaran’i Roma sy ny fanao tsy mety narahin’ny klerjy. Izao no nosoratan’i Wells ny amin’ny firehetana tafahoatra ho fanoherana azy ireny: “Izany dia ampy hampihetsi-po ny tao Latran (lapa any Roma nonenan’ireo papa nandritra ny taonjato folo), ary tsy ela dia hitanay ny fisehoan’i Innocent III nitory ny kroazada ho fanoherana ireny mpisaraka nampalahelo ireny ary nanome lalana ny hiantsoana ho miaramila ny olona tsy manjary rehetra sy ny mpirenireny rehetra tsy manana asa atao tsy tapaka, mba handeha hitondra vy, afo, fisavihana any an-tranon’ireo vahoakan’ny mpanjakan’i Frantsa tia filaminana indrindra. Toa zavatra kely ny fampijaliana mafy nampiharin’ny mpanompo sampy tamin’ireo kristiana voalohany raha oharina amin’ny fanaovan-javatra tamim-pahasiahana sy ny zavatra maharikoriko natao tamin’io kroazada io.”
Feno fitantarana momba ny olona nirehitra tafahoatra izay mandrakariva niteraka herisetra, ny tantaran’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Afaka manatsoaka hevitra avy amin’izany àry isika fa tsy manome vokatra tsara ny firehetana tafahoatra. Milaza ny dikan’ny teny hoe firehetana tafahoatra (fanatisme) amin’izao teny izao ny diksionera iray: “Zotom-po tafahoatra na mirehitra.” Ary hazavainy toy izao izany filazana hevi-teny izany: “Tsy nisy mihitsy vanim-potoana teo amin’ny Tantara niavaka noho ny fahasiahana, ny filalaovan-dratsy sy ny firehetana tafahoatra noho ny an’ny kroazada.”
Mahaliana koa ny mandinika ny hevitry ny teny hoe “fanatique” (mirehitra loatra) omen’ny Le Grand Robert de la langue française. Izao no ambarany: ‘Fanatique — latina “tsindrian-javatra, mirediredy”. Mirehitra amin’ny fivavahana iray, ary, raha itarina, amin’ny karazam-pampianarana, raharaha na olona rehetra, manana finoana tsy azo atao ahoana sy zotom-po jamba sy tia ady.’ Ary tononiny ho mitovy hevitra aminy ny hoe: ‘mafana fo, maimay, romotra, adala.’ Raha itokiana izany filazana mazava izany, azo atao ve ny milaza fa mirehitra loatra ny kristiana marina?
Fantatra amin’ny voany
Toy ny fahalalana ny hazo iray amin’ny voany, ny vokatry ny ataon’olombelona dia amantarana ny karazan’olona manao izany. Nanipika izany hevitra izany i Jesosy Kristy, Mpanorina ny kristianisma, tamin’ny filazana hoe: “Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” — Matio 7:18, 20.
Fony naorin’i Jesosy ny kristianisma marina dia hazo tsara. Tamin’izany izy io dia tsy afaka namoa ireo voa ratsy entin’ny firehetana tafahoatra. Tsy mbola nitaona ireo mpianany mihitsy hanao herisetra i Jesosy, na teo amin’ny tenan’izy ireo na teo amin’ny an’ny hafa. Izao kosa aza no nambarany raha nanonona ny anankiray tamin’ireo didy roa lehibe indrindra izy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Tokony hampiseho hatsaram-po ireo mpianany na dia amin’ny fahavalon’izy ireo aza, satria nandidy azy ireo toy izao i Jesosy: “Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.” — Lioka 6:27, 28.
Ireo tena mpianatr’i Jesosy dia nankany amin’ny olona avy amin’ny firenena maro samy hafa, tsy nirongo afo sy sabatra akory, fa nitondra ny Tenin’Andriamanitra sy fanaporofoan-kevitra milamina. Tsy nisy mihitsy andian-tafika niaraka tamin’izy ireny tany amin’ny tany hafa mba hamono, hampijaly sy hisavika ireo tsy nety nandray ny batisa kristiana. Nanaraka ny ohatra tsy nisy ady nomeny kosa ireo mpianatr’i Jesosy ka nitory tamin’ny olona rehetra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy namporisika ny tsirairay avy hanjohy hevitra avy amin’ny fanaporofoan-kevitra nalaina avy ao amin’ny Soratra Masina nasehon’izy ireny. Anisan’ny voa avy amin’ny asan’izy ireny ny an’ny fanahin’Andriamanitra, dia: “Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po.” — Galatiana 5:22, 23.
Toy izany koa amin’izao andro izao. Mamoa voa tsara foana ny kristianisma marina. Tsara ary mbola tsara ihany ny hazo, ny fandaminana kristiana nambolen’i Jesosy, taonjato 19 lasa izay. Noho izany, dia tsy afaka mamoa voa ratsy, tsy milefitra sy mahery vaika ateraky ny firehetana tafahoatra izy. Raha izany no izy, nahoana no niely aoka izany ny firehetana tafahoatra tao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
Nanambara ny apostoly Paoly fa hisy fotoana hisehoan’ny kristiana anarana. Hitondra ny anarana hoe kristiana izy ireny, kanefa tsy hiaina mifanaraka amin’ny kristianisma ary tsy hamoa voa tsara. Izao no nolazain’i Paoly tamin’ireo loholona tany Efesosy: “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny apostoly 20:29, 30). Anisan’ireny mpivadi-pinoana ireny, dia teraka ny fivavahana lazaina fa kristiana misy fandaminana ara-pivavahana an-jatony maro mifanohitra izay mampianatra zavatra lazaina fa kristiana. Raha ny marina, izany dia “teny tsy marina”, hevitr’olombelona, fa tsy ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. Teo amin’ireny kristiana sandoka ireny no niseho ireo voka-dratsin’ny firehetana tafahoatra.
Firehetana loatra ve ny zotom-po kristiana?
Marina fa ny firehetana tafahoatra dia karazan-jotom-po, nefa “zotom-po tafahoatra na mirehitra”, zotom-po “maimay”. Ireo filazan-toetra ireo anefa dia tsy mifanitsy amin’ny zotom-pon’ny kristiana marina.
Imbetsaka ny Baiboly no manasa ny kristiana mba hiseho hahalala ny antonony. Milaza toy izao ohatra ny Filipiana 4:5: “Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo [ny fanaovanareo zavatra amin’ny maha-olona mahalala ny antonony, MN ].” Any amin’ny toeran-kafa, dia toroana hevitra ny kristiana mba “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”. — Titosy 3:2.
Noho ny Vavolombelon’i Jehovah mitsidika ny olona any an-tranony mba hiara-midinika ny amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izy ireny dia hafa noho ny ankamaroan’ireo milaza ho kristiana. Ny zotom-pon’izy ireo eo amin’ny fanompoana kristiana dia tsy antony tokony hiheverana azy ireny ho mirehitra loatra. Izany dia zotom-po araka ny antonony ho amin’ny asa iray notanterahin’i Jesosy sy nandidiany ireo mpianany mba hotontosaina (Matio 24:14; 28:19, 20). Tsy hoe mirehitra loatra akory ny olona iray satria mamela raharaha manokana maro maka fotoana mba hanokanam-potoana betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Porofoiny kosa fa tsapany ny maha-zava-dehibe ny hanampiana ny hafa hianatra ireo fahamarinana mamelombelona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ao anatin’ny fotoana kely sisa tavela mba hamitana an’io asa io. Mety sy mahasoa ny fihetsika toy izany.
Tsy asa mampiseho firehetana loatra manimba ny olombelona velively io asa io fa mampitombo ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny Teniny. Omeny fanantenana izay tsy manana izany, afahany ireo izay andevozin’ny finoanoampoana sy ny tsy fahalalana ara-pivavahana, ary manova olona ratsy fitondrantena sy maherisetra tsy tambo isaina ho kristiana madio sy tsy tia ady izany. Mariky ny fandaminana tsara izany vokatra tsara izany.
Any amin’ny tany maherin’ny 200, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mivadika hatrany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia mandrara azy ireny aza ny fitondram-panjakana maro. Ny tsy fivadihan’izy ireny amin’Andriamanitra Tompom-piandrianana tampony dia sarotra ampitovina amin’ny firehetana tafahoatra. Koa satria Andriamanitra no Fahefana ambony indrindra, rehefa misy fifanolanana mampifanohitra Ireo Lalàny amin’ny an’ny fitondram-panjakan’olombelona iray, ny kristiana marina iray dia manana adidy hankatò Azy. Ao amin’ny fitondram-panjakan’olombelona sasany, dia misy lalàna eo an-toerana foanana indraindray satria mifanohitra amin’ireo lalàn’ilay fanjakana. Toy izany koa, ny kristiana marina dia mihevitra ho tsy misy antony ireo lalàn’olombelona raha mifanohitra amin’ny an’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra, izany. Koa satria ny kristiana marina tsy afaka manara-dalàna roa mifanipaka, dia manaraka ny ohatra nomen’ireo apostoly izy. Izao no nambaran’ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny apostoly 5:29). Araka ny mety izany fisafidianana izany.
Manaraka fihetsika araka ny mety toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ireo fetim-pirenena sy fety ara-pivavahana mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy firehetana tafahoatra akory ny fandavana tsy handray anjara amin’ny fisehoan-javatra iray ankalazain’ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny tany iray. Amin’ny fivavahana noho ny fieritreretan’izy ireo ara-pivavahana, ny Vavolombelona dia milahatra ho sokajin’olona sahala amin’ireo kristiana voalohany izay tsy nitandrina ireo fombafomba fanaom-bahoaka tamin’ny androny. Ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia faly manazava ny antony araka ny Baiboly andavany tsy handray anjara amin’ny fety sasany. — I Petera 3:15.
Ny sasany angamba hiampanga ny Vavolombelona ho mirehitra loatra noho izy ireny tsy mety mandray ra, dia fomba fitsaboana asain’ny ankamaroan’ny mpitsabo atao. Izany koa dia raharaha momba ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra. Ireo tena mpianatr’i Jesosy tokoa dia nahazo baiko ‘hifady ny ra’. — Asan’ny apostoly 15:28, 29.
Mirehitra loatra ve ny olona iray satria tsy mety manaraka fomba fitsaboana iray fatra-piely noho ny fieritreretana? Misy olona tsy Vavolombelon’i Jehovah tsy manaiky ny hampidiran-dra noho ny tahotra ny ho voan’ny SIDA na aretina hafa. Koa mampiseho hadalana ve ny Vavolombelona raha mitaky fitsaboana tsy mandika ny fieritreretany?
Inona no tokony ho fanatsoahan-kevitra avy amin’izany rehetra izany? Ny hoe tsy mirehitra loatra akory ny Vavolombelon’i Jehovah satria hafa noho ny ankamaroan’olona ary mifikitra amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Na dia be zotom-po ho an’Andriamanitra aza izy ireny, ny zotom-pony dia tsy “tafahoatra na mirehitra”; tsy hita ho “maimay, romotra” na “adala” koa izy ireny. Na oviana na oviana, noho ny zotom-po ara-pivavahana, dia tsy mamely mafy ny hafa na ny tenany izy ireo. Mifanohitra amin’izany, araka ny lazain’ny Baiboly ny amin’ny kristiana marina, izy ireny dia ‘mihavana amin’ny olona rehetra’. — Romana 12:18.
Araka izany, ny fandaminana kristiana natsangan’i Jesosy tamin’ny taonjato I toy ny hazo tsara dia mbola tsy mamoa afa-tsy voa tsara ihany ankehitriny. Tsy mety hiteraka firehetana tafahoatra àry ny kristianisma marina.
[Teny notsongaina, pejy 30]
Tsy misy mihitsy antony tokony hiheverana ny Vavolombelon’i Jehovah ho mirehitra loatra noho izy ireny be zotom-po eo amin’ny fanompoana kristiana.