Mifanipaka ve Ireo Teny ao Amin’ny Baiboly?
NANORATRA toy izao indray andro ilay mpanoratra atao hoe Henry Van Dyke: “Teraka tany Atsinanana Afovoany, ary mitafy endrika sy hain-teny tatsinanana, ny Baiboly dia mandeha amin’ireo lalana manerana izao tontolo izao amin’ny tongotra za-dalana, ary mitety tany ka mahita ny taniny eny rehetra eny. Nianatra niteny tamin’ny fon’olombelona tamin’ny fiteny an-jatony maro izy. Ny ankizy dia mihaino amim-pahagagana sy amim-pahafinaretana ny tantara raketiny, ary ireo lehilahy hendry dia misaintsaina ireny toy ny fanoharana eo amin’ny fiainana. Mangovitra amin’ny fampitandremany ny ratsy fanahy sy ny mpiavonavona, fa ho an’ny mijaly noho ny ratram-po sy ireo manenina noho ny ratsy vitany kosa, izy io dia manana feon-dreny. (...) Tsy misy olona manana izany harena izany ho an’ny tenany ka mahantra na nafoy.”
Tsy azo lavina fa ny Baiboly dia ‘nianatra niteny tamin’ny fiteny an-jatony maro’. Fara faharatsiny, iray amin’ireo bokiny 66 no nadika tamin’ny fiteny 1 970. Olona an-tapitrisany maro no mihevitra ny Baiboly ho fanomezana avy amin’Andriamanitra ary mamaky azy amim-pahafinaretana sy mandray soa avy aminy. Milaza anefa ny hafa fa mirakitra teny mifanipaka izy io ary noho izany dia tsy azo ianteherana. Inona no ahariharin’ny fikarohana amim-pitandremana?
Araka ny asehon’ilay sary napetrakay eo amin’ny fonon’ity gazety ity, Andriamanitra dia nampiasa lehilahy nahatoky mba hanoratra ny Baiboly. Marina tokoa fa ny famakafakana amim-pitandremana ny Baiboly dia mampiharihary fa lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra azy nandritra ny vanim-potoana naharitra taonjato 16. Moa ve izy ireo mpanoratra nanao izany ho anton’asa? Tsia. Nahitana mpiandry ondry, mpanjono, mpamory hetra, mpitsabo, mpanao lay, mpisorona, mpaminany, ary mpanjaka teo amin’izy ireo. Ny boky nosoratan’izy ireo mazàna dia manisy fitenenana ny amin’ny olona sy fomba fanao tsy mahazatra antsika amin’izao taonjato faha-20 izao. Raha ny marina, na dia ireo mpanoratra ny Baiboly mihitsy aza dia tsy nahatakatra foana ny hevitr’izay nosoratany. (Daniela 12:8-10). Koa tsy tokony ho gaga isika raha mahita zavatra saro-takarina sasany rehefa mamaky ny Baiboly.
Azo atao ve ny mahita vahaolana amin’ny zavatra saro-takarina toy izany? Moa ve mifanipaka ny teny ao amin’ny Baiboly? Mba hahafantarana izany dia aoka isika haka ohatra vitsivitsy.
Zava-manahirana marina tokoa ve ireto?
▪ Taiza i Kaina no naka ny vadiny? (Genesisy 4:17)
Mety hihevitra ny olona iray fa taorian’ny namonoana an’i Abela, dia ilay rahalahiny meloka, i Kaina, sy ireo ray aman-dreniny, i Adama sy i Eva, sisa no hany tavela teto an-tany. Maro anaka anefa i Adama sy i Eva. Araka ny Genesisy 5:3, 4, dia nanan-janaka lahy nantsoina hoe Seta i Adama. Manampy teny toy izao ilay fitantarana: “Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona; ary [nandritra izany fotoana izany dia, “NW”] niteraka zazalahy sy zazavavy izy.” Koa nanambady ny anabaviny na angamba ny iray tamin’ireo zanakavavin’ny iray tam-po taminy àry i Kaina. Koa satria mbola akaikin’ny fahatanterahan’olombelona ny olona tamin’izany, dia miharihary fa ny fanambadiana toy izany dia tsy nametraka ireo loza ara-pahasalamana izay mety hananontanona ny taranaka avy amin’ny firaisana toy izany amin’izao andro izao.
▪ Iza no nivarotra an’i Josefa ho any Egypta?
Milaza ny Genesisy 37:27 fa nanapa-kevitra ny hivarotra azy tamina Isimaelita ireo rahalahin’i Josefa. Milaza toy izao anefa ilay andininy manaraka: “Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ny Isimaelita; ary dia nitondra an’i Josefa ho any Egypta ireo.” Namidy tamin’ny Isimaelita ve sa tamin’ny Midianita i Josefa? Ireo Midianita dia angamba nantsoina koa hoe Isimaelita, satria mpihavana izy ireo tamin’ny alalan’i Abrahama razambeny. Na koa, mety ho niara-dia tamin’ny andiana Isimaelita mpandeha tany an’efitra ireo mpandranto Midianita. Na ahoana na ahoana, dia nanao ilay fivarotana ireo rahalahin’i Josefa, ary tatỳ aoriana dia afaka niteny tamin’izy ireo toy izao izy: “Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.” — Genesisy 45:4.
▪ Isiraelita firy no maty noho ny fijangajangana tamin’ny vehivavy moabita sy noho ny fanaovana fanompoam-pivavahana tamin’i Bala Peora?
Hoy ny Nomery 25:9: “Ary izay maty tamin’ny areti-mandringana [avy tamin’Andriamanitra noho ny fitondrantena ratsin’izy ireo] dia efatra arivo amby roa alina.” Izao anefa no nolazain’ny apostoly Paoly: “Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny [Isiraelita tany an’efitra], ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.” (1 Korintiana 10:8). Angamba ny isan’ireo maty novonoina dia teo anelanelan’ny 23 000 sy 24 000, ka noho izany dia samy mety ny iray amin’ireo isa ireo. Milaza manokana anefa ny bokin’ny Nomery fa “ny loholona rehetra” tafiditra tamin’io fahotana io dia novonoin’ireo mpitsara. (Nomery 25:4, 5). Mety ho nisy 1 000 ireo “loholona” meloka, ka manome fitambarany 24 000 rehefa ampiana ny 23 000 nambaran’i Paoly. Na dia 23 000 aza no toa niharam-pahavoazana nivantana tamin’ny loza avy tamin’i Jehovah, ny 24 000 rehetra dia niharan’ny loza avy tamin’i Jehovah avokoa satria ny tsirairay taminy dia maty teo ambanin’ny didy fanamelohana navoakany. — Deoteronomia 4:3.
▪ Koa satria i Agaga olona niara-belona tamin’i Saoly mpanjakan’ny Isiraely, moa ve ny nanisian’i Balama fitenenana taloha be ny amin’ny mpanjaka amalekita nanana izany anarana izany tsy fifanoheran-javatra?
Tany amin’ny taona 1473 al.f.i. tany ho any, i Balama dia nanambara mialoha fa hisy mpanjakan’ny Isiraely “hisandratra noho Agaga”. (Nomery 24:7). Tsy nisy fanisiana firesahana ny amin’i Agaga nanaraka izany mandra-pahatongan’ny fanjakan’i Saoly Mpanjaka (1117-1078 al.f.i.). (1 Samoela 15:8). Tsy fifanoheran-javatra anefa izany satria mety ho anaram-boninahitra amin’ny maha-mpanjaka ny hoe “Agaga” toy ilay an’ny Faraon’ny Egypta. Mety hitranga koa ny hoe anarana fampiasan’ireo mpanapaka amalekita miverimberina ny hoe Agaga.
▪ Iza no nahatonga an’i Davida hanisa ny Isiraelita?
Hoy ny 2 Samoela 24:1: “Ary ny fahatezeran’i Jehovah nirehitra indray tamin’ny Isiraely, ka dia nanome saina an’i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.” Kanefa dia tsy i Jehovah no nanosika an’i Davida Mpanjaka hanota, satria ny 1 Tantara 21:1 dia milaza hoe: “Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ny Isiraely ka nanome saina an’i Davida hanisa ny Isiraely.” Tsy faly tamin’ireo Isiraelita Andriamanitra ka noho izany, dia namela an’i Satana Devoly hitondra fahotana teo amin’izy ireo. Noho izany antony izany no amakiana ao amin’ny 2 Samoela 24:1 toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no nanao izany. Mahaliana ny mamaky ao amin’ny fandikan-tenin’i Joseph B. Rotherham hoe: “Nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Yahweh, ka navelany ho voatosika hanao izay hampidi-doza azy ireo i Davida tamin’ny filazana hoe: Mandehana manisa ny Isiraely sy ny Joda.”
▪ Ahoana no ahafahana mampifandrindra ireo tarehimarika samy hafa nomena mikasika ny Isiraelita sy ny Jodiana tao amin’ny fanisana nataon’i Davida?
Ao amin’ny 2 Samoela 24:9, ny tarehimarika dia 800 000 ho an’ny Isiraelita ary 500 000 ho an’ny Jodiana, kanefa ny 1 Tantara 21:5 dia manome ny isan’ireo lehilahin’ny Isiraely afaka niady ho 1 100 000 ary ny an’ny Joda ho 470 000. Nisy miaramila 288 000 nilatsaka tsy tapaka teo amin’ny fanompoana ny mpanjaka, ka izy ireo dia nozaraina ho andiany 12 misy olona 24 000 avy, ka ny andiany tsirairay dia nanompo iray volana nandritra ny taona. Nisy mpifehy 12 000 fanampiny izay andriandahy 12 teo amin’ireo foko, ka nahatonga ilay isa ho feno 300 000. Ireo 1 100 000 ao amin’ny 1 Tantara 21:5 dia toa nahafaoka io 300 000 efa nilatsaka io, fa tsy nanao izany kosa ny 2 Samoela 24:9. (Nomery 1:16; Deoteronomia 1:15; 1 Tantara 27:1-22). Raha ny amin’ny Joda indray, dia toa nahafaoka ireo 30 000 lahy tao amin’ny tafika mpanara-maso nitoby teo amin’ny sisin-tanin’ny Filistina ny 2 Samoela 24:9, isa izay tsy tafiditra tao amin’ilay tarehimarika ao amin’ny 1 Tantara 21:5. (2 Samoela 6:1). Raha tadidintsika fa ny 2 Samoela sy ny 1 Tantara dia nosoratan’olona roa izay nanana fomba fijery zavatra sy zava-nokendrena tsy nitovy, dia ho azontsika atao mora foana ny hampifandrindra ireo tarehimarika.
▪ Iza no rain’i Sealtiela?
Misy andininy sasany milaza fa i Jekonia (i Joiakina Mpanjaka) no rain’i Sealtiela ara-nofo. (1 Tantara 3:16-18; Matio 1:12). I Lioka mpanoratra ny Filazantsara anefa dia niantso an’i Sealtiela ho “zanak’i Nery”. (Lioka 3:27). Toa nanome ny zanany vavy an’i Sealtiela ho vady i Nery. Koa satria ny Hebreo zatra niantso ny vinantolahy toy ny zanaka lahy, indrindra teo amin’ny fitanisana tetirazana, dia afaka tsara niantso an’i Sealtiela ho zanak’i Nery i Lioka. Mitovy amin’izany koa, i Lioka dia nanisy fitenenana ny amin’i Josefa ho toy ny zanak’i Hely, izay raha ny marina, dia rain’i Maria vadin’i Josefa. — Lioka 3:23.
Fampifanarahana ireo andinin-teny mahakasika an’i Jesosy
▪ Olona firy no namoahan’i Jesosy ireo demonia izay niditra tao amin’ny kisoa maro andiany iray?
I Matio mpanoratra ny Filazantsara dia nanonona roa lahy, kanefa i Marka sy i Lioka dia tsy nanisy fitenenana afa-tsy ny amin’ny iray ihany. (Matio 8:28; Marka 5:2; Lioka 8:27). Araka ny fahitana azy dia toa tsy nanintona ny saina afa-tsy ho amin’ny olona iray nipetrahan’ny demonia i Marka sy i Lioka satria niresaka tamin’io i Jesosy, ary niavaka kokoa ny toe-javatra nisy azy. Nety ho naherisetra kokoa na nijaly teo ambany fahefan’ny demonia ela kokoa io lehilahy io. Taorian’izay, dia angamba io lehilahy io ihany no naniry hanaraka an’i Jesosy. (Marka 5:18-20). Tamin’ny toe-javatra nifanitsinitsy tamin’izany, i Matio dia niresaka ny amin’ny jamba roa lahy nositranin’i Jesosy, fa i Marka sy i Lioka kosa dia tsy nanonona afa-tsy iray ihany. (Matio 20:29-34; Marka 10:46; Lioka 18:35). Izany dia tsy mifanohitra, satria fara faharatsiny dia nisy lehilahy iray toy izany teo.
▪ Inona no lokon’ny akanjo nanaovan’i Jesosy tamin’ny andro nahafatesany?
Araka ny nambaran’i Marka (15:17) sy i Jaona (19:2), ireo miaramila dia nampitafy an’i Jesosy akanjo volomparasy. I Matio (27:28) kosa anefa dia niantso izany ho “lamba jaky”, ka nanantitrantitra ny naha-mena azy. Koa satria ny atao hoe volomparasy dia izay mety ho loko ifangaroan’ny mena sy ny manga, dia niray hevitra i Marka sy i Jaona fa ilay lamba dia nanopy mena. Ny fitarafan’ny hazavana sy izay tany an-damosiny dia nety ho nanome aloka samy hafa an’ilay akanjo, ary ireo mpanoratra ny Filazantsara dia nanonona izay loko mahery indrindra tazan’izy ireo, na tazan’ireo izay nahazoany fanazavana. Ireo tsy fitoviana kely madinidinika ireo dia mampiseho ny fahasamihafana mampiavaka ny mpanoratra ary manaporofo fa tsy nisy firaisana tsikombakomba mba hamitahana tao.
▪ Iza no nitondra ny hazo fijalian’i Jesosy?
Hoy i Jaona (19:17): “Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota.” I Matio (27:32) sy i Marka (15:21) ary i Lioka (23:26) kosa anefa dia nilaza fa ‘raha nandeha izy dia notereny hitondra ny hazo fijaliana i Simona avy any Kyrena’. Nitondra ny hazo fijaliany i Jesosy araka ny nambaran’i Jaona. Tao amin’ny fitantarana voafintina nataony anefa dia tsy nampidirin’i Jaona ilay hevitra hoe, tatỳ aoriana dia noterena hitondra ilay hazo fijaliana i Simona. Noho izany, ny fitantaran’ny Filazantsara dia mifandrindra amin’io lafiny io.
▪ Ahoana no nahafatesan’i Jodasy Isikariota?
Milaza ny Matio 27:5 fa nananton-tena i Jodasy, kanefa ny Asan’ny Apostoly 1:18 dia milaza fa “potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.” Raha toa ka mivaofy ny amin’ny fomba nanandraman’i Jodasy namono tena i Matio, ny Asan’ny Apostoly kosa dia milazalaza ny vokatr’izany. Toa namatotra tady teo amin’ny rantsan-kazo i Jodasy, nanao tadivavarana teo amin’ny tendany, ary nanandrana nananton-tena tamin’ny fitsambikinana avy teo amin’ny havoana nisy hantsana. Toa tapaka na ilay tady na ilay rantsan-kazo ka niankarapoka sy nipoaka tamin’ny vato teo ambany izy. Ny toetran’ny vohon-tany manodidina an’i Jerosalema dia mahatonga izany fanatsoahan-kevitra izany ho azo ekena.
Ahoana no hijerenao ny zavatra?
Raha mifanehatra amin’ny toa fifanoheran-javatra ao amin’ny Baiboly ianao, dia tsara ny mahatakatra fa mazàna ny olona no milaza zavatra toa mifanohitra nefa azo hazavaina na azo takarina mora foana ny heviny. Ny mpanao raharaham-barotra iray, ohatra, dia mety hanoratra any amin’olona iray amin’ny fampanaovana soratononina taratasy iray ny mpitantsorany. Raha anontaniana izy, dia hamaly fa izy no nandefa ilay taratasy. Koa satria anefa ilay mpitantsorany no nitendry ilay taratasy sy nandefa izany tany amin’ny paositra, dia afaka milaza izy fa ny tenany no nandefa azy io. Toy izany koa fa tsy mifanohitra akory ny nilazan’i Matio (8:5) hoe nisy manamboninahitra tao amin’ny tafika tonga nitaraina tamin’i Jesosy, sy ny nilazan’i Lioka (7:2, 3) fa nandefa solontena ilay lehilahy.
Ireo ohatra voalaza teo aloha dia mampiseho fa ireo zavatra saro-takarina ao amin’ny Baiboly dia mety hahitana vahaolana. Noho izany, dia misy antony tsara hananana fihetsika manorina mikasika ny Soratra Masina. Ny toe-tsaina toy izany dia nampirisihana tao amin’ireto teny miseho ao amin’ny Baibolim-pianakaviana navoaka tamin’ny taona 1876 ireto:
“Ny toe-tsaina mety mba hamoaboasana ireny zavatra saro-takarina ireny dia ny fanilihana azy ireny lavitra araka izay azo atao, ary ny mifikitra sy manaiky ny fahamarinana, na dia rehefa tsy azo atao aza ny mampisava ny rahona tsirairay eo aminy. Tokony hotahafintsika ny ohatr’ireo apostoly. Rehefa nisy mpianatra sasany tafintohina tamin’izay nantsoin’izy ireo hoe ‘teny sarotra’ mba handaozana an’i Kristy, ireo apostoly dia nampangina ny fanoherana rehetra tamin’izao teny izao: ‘Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra.’ (...) Rehefa hitantsika fa toa misy fahamarinana iray mifanohitra amin’ny fahamarinana iray hafa, dia aoka isika hanandrana hampifanaraka azy ireo, ka hampiseho azy ireo mifanaraka toy izany amin’ny rehetra.” — Jaona 6:60-69.
Hitana toerana toy izany ve ianao? Rehefa avy nandinika ohatra vitsivitsy monja izay mampiseho ny firindran’ny Soratra Masina ianao dia antenaina fa hiray hevitra amin’ny mpanao salamo izay nilaza ny amin’Andriamanitra hoe: “Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao”. (Salamo 119:160). Manana fomba fiheverana toy izany ny amin’ny Baiboly iray manontolo ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ho faly izy ireo hanome ny anton’ny finoan’izy ireo azy io. Nahoana no tsy miara-midinika aminy ny amin’io boky tsy manan-tsahala io? Ny hafatra mampahery raketiny dia mety hameno fanantenana sy hasambarana marina anao.
[Sary, pejy 7]
Efa nanontany ny Vavolombelon’i Jehovah ny antony inoany ny Baiboly ve ianao?