Nomery
1 Ary niresaka tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay+ i Jehovah, tao amin’ny tranolay fihaonana,+ tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa nivoahan’izy ireo avy tany Ejipta.+ Hoy izy: 2 “Isao+ ny vahoaka manontolo, dia ny Israelita,* ka isao tsirairay* araka ny fianakaviany, sy araka ny fianakaviambeny, ary araka ny lisitry ny anaran’ny lehilahy rehetra. 3 Soraty arakaraka ny antokony* ny anaran’izay 20 taona no ho miakatra+ ka afaka manompo ao amin’ny tafika eo amin’ny Israely. Ianao sy Arona no hanao an’izany.
4 “Makà lehilahy iray isaky ny foko mba hiaraka aminareo. Tokony ho lohan’ny fianakaviambe+ daholo izy ireo. 5 Ireto avy ny anaran’ireo lehilahy hanampy anareo: I Elizora+ zanak’i Sedeora no avy amin’i Robena; 6 Selomiela+ zanak’i Zorisaday no avy amin’i Simeona; 7 Nasona+ zanak’i Aminadaba no avy amin’i Joda; 8 Netanela+ zanak’i Zoara no avy amin’i Isakara; 9 Eliaba+ zanak’i Helona no avy amin’i Zebolona; 10 Elisama zanak’i Amihoda no avy amin’i Efraima;+ Gamaliela zanak’i Pedazora no avy amin’i Manase, ary samy taranak’i Josefa ireo; 11 Abidana+ zanak’i Gideony no avy amin’i Benjamina; 12 Ahiezera+ zanak’i Amisaday no avy amin’i Dana; 13 Pagiela+ zanak’i Okrana no avy amin’i Asera; 14 Eliasafa+ zanak’i Doela no avy amin’i Gada; 15 ary Ahira+ zanak’i Enana no avy amin’i Naftaly. 16 Ireo no voantso avy amin’ny vahoaka. Samy mpiadidy+ eo amin’ny fokon’ny rainy izy ireo, sady mpifehy ny arivo eo amin’ny Israely.”+
17 Nalain’i Mosesy sy Arona àry ireo lehilahy voatonona anarana ireo. 18 Dia novorin’izy ireo daholo ny vahoaka manontolo, tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, mba hosoratana anarana tsirairay isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny. Ny anaran’izay 20 taona no ho miakatra+ no nosoratan’izy ireo, 19 araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. Nosoratany tany an-tany efitr’i Sinay+ àry ny anaran’izy ireny.
20 Ny taranak’i Robena lahimatoan’i Israely,+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 21 ka 46 500 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Robena.
22 Ny taranak’i Simeona+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 23 ka 59 300 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Simeona.
24 Ny taranak’i Gada+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 25 ka 45 650 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Gada.
26 Ny taranak’i Joda+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 27 ka 74 600 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Joda.
28 Ny taranak’i Isakara+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 29 ka 54 400 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Isakara.
30 Ny taranak’i Zebolona+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 31 ka 57 400 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Zebolona.
32 Ny taranak’i Josefa avy amin’i Efraima,+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 33 ka 40 500 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Efraima.
34 Ny taranak’i Manase+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 35 ka 32 200 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Manase.
36 Ny taranak’i Benjamina+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 37 ka 35 400 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Benjamina.
38 Ny taranak’i Dana+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 39 ka 62 700 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Dana.
40 Ny taranak’i Asera+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 41 ka 41 500 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Asera.
42 Ny taranak’i Naftaly+ dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika, 43 ka 53 400 ny isan’ny voasoratra anarana tamin’ny fokon’i Naftaly.
44 Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy 12 lahy teo amin’ny Israely no nanoratra ny anarany. Samy nisolo tena ny fianakaviambeny daholo izy 12 lahy ireo. 45 Nosoratana isaky ny fianakaviambe daholo ny anaran’izay Israelita rehetra 20 taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin’ny tafika teo amin’ny Israely. 46 Ny isan’ny voasoratra anarana rehetra dia 603 550.+
47 Ny fianakaviamben’ny fokon’ny Levita+ kosa tsy mba nosoratana anarana niaraka tamin’izy ireo.+ 48 Niteny tamin’i Mosesy àry i Jehovah hoe: 49 “Ny fokon’i Levy ihany no tsy tokony hosoratana anarana, ary tsy tokony hakambanao amin’ny isan’ny Israelita hafa ny isan-dry zareo.+ 50 Tokony hotendrenao hiandraikitra ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona+ ny Levita, sady hiandraikitra ny fitaovana rehetra sy ny zava-drehetra miaraka amin’ilay izy.+ Izy ireo no hitondra ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ao,+ ary izy ireo no hanompo ao.+ Ary tokony hitoby manodidina ny tranolay+ izy ireo. 51 Isaky ny hafindra ny tranolay, dia ny Levita no tokony handrava azy,+ ary isaky ny haverina hatsangana ny tranolay, dia ny Levita no hanangana azy. Tokony hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana* nefa manakaiky eo.+
52 “Tokony hanangana ny tranolainy ao amin’izay toby nanendrena azy ny Israelita tsirairay, ka ny lehilahy tsirairay hitoby ao amin’ny fizarana* misy azy,*+ arakaraka ny antokony.* 53 Ny Levita kosa tokony hitoby manodidina ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona, mba tsy ho tezitra amin’ny vahoakan’Israely+ aho. Ary andraikitry ny Levita ny mikarakara ny* tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona.”+
54 Dia nanao araka ny didy rehetra nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny vahoakan’Israely. Izany mihitsy no nataon’izy ireo.