Nahatanteraka ny Fanirian’ny Fony Izy
FANIRIAN’NY fonao ve ny hahita ilay Fanjakana Mesianika hanana fanapahana feno eo amin’ny tany manontolo? Raha izany no izy, dia maniry mafy sy mivavaka mba hahatongavan’ny fitahiana nampanantenaina eto an-tany eo ambanin’izany Fanjakana any an-danitra izany ianao. Manehoa àry faharetana satria “hazon’aina ny faniriana tanteraka”. — Ohabolana 13:12; Jakoba 5:7, 8.
Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nonina tao Jerosalema ilay lehilahy “marina sady mpivavaka tsara” atao hoe Simeona. Naneho finoana ireo faminaniana momba ny Mesia izy, ary “niandry ny fampiononana ny Isiraely” tamim-paharetana. — Lioka 2:25.
Manome fanantenana ireo faminaniana momba ny Mesia
I Jehovah no tompon’andraikitra tamin’ny faminaniana voalohany momba ny Mesia — faminaniana izay nanome fanantenana ny taranak’olombelona manota sy mety maty. Nanambara mialoha ny hahatongavan’ilay Taranaky ny “vehivavy” na ny fandaminany eo amin’izao rehetra izao Andriamanitra. — Genesisy 3:15.
Io no Ilay fantatra ho taranak’i Abrahama, ary nambaran’i Jakoba mialoha ny hahatongavany. (Genesisy 22:17, 18; 49:10). Nankalazaina tao amin’ireo salamo ny voninahitry ny Fanjakan’ny Mesia. (Salamo 72:1-20). Nanambara mialoha i Isaia fa hateraky ny virjiny iray ilay Taranaka ary naminany i Mika fa hitranga ao Betlehema ny fahaterahany. (Isaia 7:14; Mika 5:1). Vitsivitsy monja amin’ny faminaniana maro momba ny Mesia ireo.
Mbola tsy nisy Mesia ihany!
Eritrereto ny amin’ny lasa ary alao sary an-tsaina hoe manakaiky ny taonjato voalohany am.f.i. Efatra arivo taona izao no nilazana ny faminanian’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny Mesia. Ny Jiosy dia nahita ny fandravana ny tempolin’i Jehovah, ny fahafoanan’ny taniny sy ny sesitany 70 taona tany Babylona ary 500 taona fanampiny teo ambany fifehezan’ireo mpanapaka jentilisa. Mbola tsy nisy Mesia ihany!
Toy inona moa ny nanandrandran’ireo Jiosy matahotra an’Andriamanitra ny fahatongavan’ny Mesia! Ho tondraka ny fitahiana hoentiny ho azy ireo sy ho an’ny firenena rehetra.
Lehilahy iray mpivavaka tsara
Anisan’ireo Jiosy mpivavaka tsara naniry mafy ny fahatongavan’ny Mesia ary nivavaka ho an’izany i Simeona, mpanompon’i Jehovah mahatoky efa be taona ary nonina tao an-drenivohitr’i Jodia. Nisy zavatra manokana nitranga tamin’i Simeona.
Napetrak’Andriamanitra tao amin’i Simeona ny fanahiny masina ary novaliany soa tamin’ny fanambarana iray izy. Tsy ho faty i Simeona mandra-pahitany Ilay ho Mesia. Nandalo anefa ny andro sy ny volana. Nandroso fahanterana i Simeona ary zara raha afaka nanantena ny ho velona ela be kokoa. Ho tanteraka ve ny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy?
Indray andro (tamin’ny taona 2 al.f.i.), dia nisy mpivady tanora nitondra zazakely, tonga tao amin’ny tempoly, avy tany Betlehema. Nanambara tamin’i Simeona ny fanahy masina fa io ilay andro nandrasana hatry ny ela. Nandeha tany amin’ny tempoly izy mba hahita ao Ilay izay ny aminy no nanoratan’ny mpaminany. Nandeha haingana araka izay namelan’ny vatany efa antitra azy izy ary nahita an’i Josefa sy i Maria ary ilay zaza.
Hafaliana moa ny an’i Simeona nitrotro an’i Jesosy zaza! Io no Ilay ho Mesia nampanantenaina — “ny Kristin’ny Tompo [Jehovah]”. Teo amin’izany fahalehibeazany efa nandroso dia nandroso izany, i Simeona dia tsy afaka nanantena ny hijery an’i Jesosy hanatanteraka ny asa nanirahana azy eto an-tany. Kanefa dia nampitolagaga ny nahita azy zazakely. Nanomboka tanteraka ireo faminaniana momba ny Mesia. Toy inona moa ny hasambaran’i Simeona! Ho afa-po izy izao hatory ao amin’ny fahafatesana mandra-pahatongan’ny fitsanganana amin’ny maty. — Lioka 2:25-28.
Ireo teny ara-paminanian’i Simeona
Raha nanandratra ny feony hidera an’i Jehovah i Simeona dia mandre azy miteny toy izao isika: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana [hanaisotra ny fisalobonana eo amin’, NW ] ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.” Gaga tamin’ireo teny ireo i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, sy i Maria reniny. — Lioka 2:29-33.
Miramirana ny tarehin’i Simeona rehefa nitsodrano an’i Josefa sy Maria izy. Inoana fa nirary ny hahazoan’izy ireo ny fitahian’i Jehovah eo am-panatanterahana ny andraikiny amin’ilay zaza izy. Nanjary maotona avy eo ny endrik’ilay lehilahy be taona. Navantany tamin’i Maria irery ny fanamarihany ka izao ny teny nanampiny: “Indro, ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely ary ho famantarana holavina — ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra — mba haseho ny hevitry ny fo maro.” — Lioka 2:34, 35.
Filazan’i Simeona tamin’i Maria
Alao sary an-tsaina izay tsapan’i Maria. Inona no tian’i Simeona holazaina? Hisy sasany hanaiky an’i Kristy ary ho tafatsangana avy amin’ny fahalavoany rahateo. Ny hafa anefa dia handa azy sy ho tafintohina aminy ary ho lavo. Araka ny voalaza mialoha, i Jesosy dia hita fa vato nahatafintohina ho an’ny Jiosy maro. (Isaia 8:14; 28:16). Ny tenin’i Simeona dia tsy midika hoe ny Isiraelita isam-batan’olona dia ho latsaka ao amin’ny tsy finoana aloha ary hitsangana amin’ny finoana avy eo, amin’ny fanekena an’i Jesosy. Mifanohitra amin’izany fa hiovaova kosa ny fihetsiky ny olona samy hafa momba azy, ary izany dia hampiharihary ny fisainan’ny fo maro ka hitarika ho amin’ny fitsaran’Andriamanitra azy: na ho tsara na ho ratsy. Ho an’ny tsy mino, izy dia ho famantarana na fototry ny fanamavoana. Amin’ny fanehoana finoana azy, ny hafa dia ho tafatsangana amin’ny fahafatesana noho ny fahadisoana sy ny fahotana ka hanjary hanana ny toeran’ny olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra. Izay nataon’ny olona tamin’ny Mesia dia ho nampiseho ny tao am-pony.
Ahoana ny amin’ireo tenin’i Simeona manao hoe: “Ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra”? Tsy misy filazana araka ny Soratra Masina fa hoe tena notsatohana sabatra tokoa i Maria. Kanefa, ny fandavan’ny ankamaroan’ny olona an’i Jesosy dia ho nampahory azy. Ary nampanaintaina an’i Maria toy inona moa ny fahitana an’i Jesosy voafantsika teo amin’ny hazo! Izany dia toy ny hoe nisy sabatra natsatoka taminy.
Nampihatra ireo faminaniana momba ny Mesia i Simeona
Nanosika an’i Simeona hampihatra ireo faminaniana momba ny Mesia tamin’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra. Afaka nody mandry tamim-piadanana na tamim-pahatoniana i Simeona, satria ‘ny masony efa nahita ny famonjen’Andriamanitra, izay namboariny teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana [hanaisotra ny fisalobonana eo amin’, NW ] ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olony’. (Lioka 2:30-32). Tena nihatra tsara tamin’ny teny ara-paminanian’i Isaia io!
Nilaza mialoha toy izao io mpaminany io: “Hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany”. “Homeko [Jehovah] ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao [ny Mesia], mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Isaia 40:5; 42:6; 49:6; 52:10). Ny Soratra Grika Kristiana sy ny zava-misy hita maso dia manaporofo hatramin’izao fa ilay Mesia, Jesosy Kristy, no ilay tena fanazavana ireo firenena, Ilay hanaisotra ny fisalobonan’ny haizina ara-panahy sy hitondra famonjena ho an’ny olona.
Tsy milaza zavatra hafa momba an’i Simeona zokiolona ny Tenin’Andriamanitra. Voaporofo àry fa nody mandry talohan’ny nanokafan’i Kristy ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra izy. Tsy ho ela àry dia hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany i Simeona. Fifaliana toy inona moa no ho azony — sy ho azonao — ao amin’ilay tontolo vaovao, eo ambanin’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra!