Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Zanaky ny fampanantenana
TSY niverina tany Nazareta Josefa sy Maria fa nijanona tany Betlehema. Rehefa ho feno valo andro ny zanany kely dia hoforany, araka ny lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Araka ny tena hita, dia fanao koa ny nanome anarana ny zazalahy kely rehefa feno havaloana izy. Koa hiantso azy hoe Jesosy i Josefa sy Maria, araka ny baikon’ny anjely Gabriela.
Lasa ny iray volana mahery. Feno efapolo andro izao i Jesosy. Nentin’ireo ray aman-dreniny ho aiza izy? Ho any amin’ny tempoly tany Jerosalema tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy monja avy eo amin’ny toerana nonenan’izy ireo. Araka ny lalàna nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, ny vehivavy rehetra tera-dahy dia tokony ho any amin’ny tempoly rehefa afaka efapolo andro taorian’ny niterahany, mba hitondra fanati-panadiovana tany.
Izany no hataon’i Maria. Voronkely roa no nentiny ho fanatitra. Izany antsipiriany izany dia mahatonga antsika hahazo an-tsaina ny amin’ny toeran’i Josefa sy Maria ara-bola. Nilaza mazava tokoa ny lalàn’i Mosesy fa tamin’io toe-javatra io dia nilaina ny hanolorana ondrilahy kely, ka lafo kokoa izany noho ny vorona roa. Kanefa raha tsy afaka nanao fandaniana toy izany ilay reny, dia afaka nitondra domohina roa na voromailala roa izy ho solony.
Tao amin’ny tempoly, ny zokiolona iray natao hoe Simeona dia nitrotro an’i Jesosy. Nanambara taminy Andriamanitra fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita ny Kristy, ny Mesia nolazaina ara-paminaniana ny hahatongavany. Koa rehefa tonga tao amin’ny tempoly i Simeona tamin’io andro io, ny fanahy masina dia nitarika azy hanatona ilay zaza nentin’i Josefa sy Maria.
Sady nitana an’i Jesosy i Simeona no nisaotra an’Andriamanitra. ‘Notanterahinao ny fampanantenanao, hoy izy, satria ny masoko no mahita ny fomba famonjena nomaninao.’ Gaga i Josefa sy Maria. Nitso-drano azy ireo i Simeona, avy eo dia nanambara tamin’i Maria fa ny zanany dia “voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely”. Nampiomana azy koa anefa izy fa ny alahelo, sahala amin’ny sabatra lehibe, dia hitsatoka amin’ny fanahiny.
Teo amin’ny toerana teo koa tamin’izay Ana mpaminanivavy efa 84 taona. Tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy koa izy. Tamin’izay ora izay indrindra dia nanatona izy ka nanomboka nisaotra an’Andriamanitra sy niresaka ny amin’i Jesosy tamin’izay rehetra naniry hihaino azy.
Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsy maintsy ho tsapan’i Josefa sy Maria teo am-pifaranan’io andro feno fisehoan-javatra io! Izany rehetra izany dia nanamarina fa tena ilay zaza nampanantenain’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Lioka 2:21-38; Levitikosy 12:1-8.
◆ Araka ny fanao, tamin’ny fotoana toy inona moa ireo zazalahy kely isiraelita no azo inoana fa nandray ny anarany?
◆ Inona no tokony hataon’ny reny isiraelita rehetra rehefa feno efapolo andro ny zanany lahy? Ahoana no ahazoantsika an-tsaina ny amin’ny toerany ara-bola tamin’ny fomba namenoan’i Maria an’io fepetra io?
◆ Iza no nahafantatra an’i Jesosy tamin’io fotoana io? Tamin’ny fomba ahoana?