Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fandehanana mangingina ho any Jerosalema
EO amin’ny fararanon’ny taona 32 isika izao, antomotra ny andro firavoravoana momba ny Tabernakely. Hatramin’ny fotoana nanandraman’ny Jiosy namono azy, tamin’ny Paska taona 31, dia nampifantoka indrindra ny asany tamin’i Galilia i Jesosy. Azo inoana fa tsy niverina ho any Jerosalema izy, raha tsy hoe mba hanatrehana ireo andro firavoravoana telo fanaon’ny Jiosy angaha.
Nandodona azy izao ireo rahalahiny: “Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia.” Jerosalema no tanàna lehibe indrindra tao amin’ilay tany ary foibeny ara-pivavahana. Nihevitra toy izao ireo rahalahiny: “Tsy misy olona manao zavatra amin’ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary.”
Na dia tsy nino aza ny tenan’izy ireo fa Jesosy no Mesia, dia tian’i Jakoba sy Simona ary Josefa sy Jodasy ny handehanan’ny zokiny lahy hampiseho ny fahefany mahagaga amin’ireo olona maro ho any amin’ny andro firavoravoana. Tsapan’i Jesosy anefa ny loza. “Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.” Noho izany, dia nilaza toy izao tamin’ireo rahalahiny i Jesosy: “Miakara ho amin’ny andro firavoravoana hianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ity andro firavoravoana ity.”
Naharitra hafitoana ny andro firavoravoana momba ny Tabernakely ary nifarana tamin’ny fomba nalaza tamin’ny andro fahavalo. Namarana ny taom-pambolena izany; fotoam-piravoravoana lehibe sy fisaorana tamin’izay. Andro maromaro tatỳ aoriana, rehefa lasa niaraka tamin’ny ankamaroan’ny mpandeha ireo rahalahiny, dia lasa mangingina Jesosy sy ny mpianany ary tsy hitan’ny olona. Tsy nanaraka ny lalana be mpandeha izay teo amoron’i Jordana izy ireo fa namakivaky an’i Samaria.
Koa satria izy ireo tokony hijanona tao amin’ny vohitra samaritana iray, Jesosy dia naniraka mpitondra hafatra hialoha azy mba hanao fiomanana sasany. Tsy nety nanao na inona na inona ho azy anefa ny olona rehefa reny fa ho any Jerosalema izy. Sosotra Jakoba sy Jaona ka nanontany an’i jesosy hoe: “Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?” Niteny mafy azy ireo anefa i Jesosy ary dia nankany amin’ny vohitra hafa iray izy ireo.
Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia niteny tamin’i Jesosy toy izao ny mpanora-dalàna iray: “Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.”
“Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana, hoy ny fanazavan’i Jesosy taminy, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” Nasehon’i Jesosy tamin’izany tamin’io mpanora-dalàna io ireo fahasahiranana miandry azy raha tonga mpianany izy. Toa nieboebo loatra àry io lehilahy io ka tsy afaka hanaiky izany karazam-piainana izany.
Niantso lehilahy hafa iray i Jesosy: “Manaraha Ahy.”
“Aoka aho aloha handeha handevina ny raiko”, hoy ny navaliny azy.
“Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy, hoy Jesosy, fa hianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.’ Azo antoka fa tsy maty akory ny rain’io lehilahy io, satria raha izany no izy dia tsy azo inoana loatra hoe ho eo ny zanany lahy, teo am-pihainoana an’i Jesosy. Toa nangata-dalana tamin’i Jesosy kosa izy mba hiandry ny hahafatesan’ny rainy. Tsy vonona ny hanome ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany izy.
Nanohy ny diany ho any Jerosalema Jesosy sy ireo mpianany. Nanatona azy ny lehilahy hafa iray: “Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.”
Ho valiny, dia hoy Jesosy taminy: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Izay maniry ho tonga mpianatr’i Jesosy dia tokony hibanjina hatrany ny asan’ilay Fanjakana. Toy ny mpamboly iray mety hanao soritra miolakolaka raha mitsahatra tsy mijery mahitsy eo anoloany, izay miherika any amin’ny fandehan-javatra tonta, dia mety hihataka mora foana amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana. Jaona 7:2-10; Lioka 9:51-62; Matio 8:19-22.
◆ Iza avy moa no rahalahin’i Jesosy, ary ahoana ny hevitr’izy ireo ny aminy?
◆ Nahoana moa ny Samaritana no niseho ho tsy tia nandray vahiny firy, ary inona no notadiavin’i Jakoba sy Jaona hatao?
◆ Inona moa no resaka nifamaly telo nataon’i Jesosy teny an-dalana, ary ahoana no nanipihan’i Kristy ny ilàna hiasa amin’ny fanehoana fitiavana fahafaoizan-tena?