TOKO 13
“Tiako ny Ray”
1, 2. Inona no notantarain’ny apostoly Jaona momba ilay takariva farany niarahan’i Jesosy sy ny apostoliny?
NANISY ranomainty ny peniny ny zokiolona iray. Fahatsiarovana maro no nitamberina tao an-tsainy. Jaona no anarany, ary izy sisa no apostolin’i Jesosy Kristy mbola velona tamin’izay. Zato taona teo ho eo izy, ary namisavisa izay nitranga nandritra ny takariva iray tena niavaka, 70 taona lasa izay. Tamin’io no niaraka farany tamin’i Jesosy izy sy ny apostoly namany, talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Nanampy an’i Jaona ny fanahy masina, ka nahatadidy sy nanoratra tsipiriany maro momba izay nitranga tamin’iny takariva iny izy.
2 Nolazain’i Jesosy mazava tsara tamin’io alina io fa tsy ho ela izy dia hovonoina ho faty. I Jaona irery no nilaza ny antony naneken’i Jesosy hijaly mafy toy izany. Hoy i Jesosy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia izay nasain’ny Ray nataoko mihitsy no ataoko. Mitsangàna dia andao isika hiala eto.”—Jaona 14:31.
3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny Rainy?
3 “Tiako ny Ray.” Izany no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Marina fa tsy namerimberina nilaza izany izy. Ao amin’io Jaona 14:31 io ihany aza izy no milaza mivantana fa tiany ny Rainy. Noporofoiny tamin’ny fomba fiainany anefa fa tia an’i Jehovah izy. Hita taratra teo amin’ny fiainany isan’andro izany. Porofon’ny fitiavany an’Andriamanitra daholo ny herim-pony sy ny fankatoavany ary ny fiaretany. Io fitiavana io no nandrisika azy tamin’ny fanompoany rehetra.
4, 5. Karazana fitiavana manao ahoana no ampirisihan’ny Baiboly mba hananantsika? Inona no azo lazaina momba ny fitiavan’i Jesosy an’i Jehovah?
4 Rehefa mieritreritra ny hoe fitiavana ny olona sasany, dia tononkalo na hiram-pitiavana no mety ho tonga ao an-tsainy, na ireny olona mientanentana be ireny rehefa raiki-pitia. Miresaka momba ny fitiavan’olon-droa tokoa ny Baiboly, fa amin’ny fomba mihaja kokoa noho ny mahazatra ankehitriny. (Ohabolana 5:15-21) Karazana fitiavana hafa anefa no tena resahina betsaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy fihetseham-po miredareda na mihelina fotsiny izy io, nefa koa tsy zavatra any an-tsaina fotsiny. Samy tafiditra amin’izy io na ny fo na ny saina. Vokatry ny fo sy mifanaraka amin’ny torolalana mendri-kaja io fitiavana io, ary aseho amin’ny fanaovana zavatra tsara. Tsy mora lefy toy ny afo mololo izy io. “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana”, hoy ny Tenin’Andriamanitra.—1 Korintianina 13:8.
5 I Jesosy no olona tena tia an’i Jehovah indrindra. Mbola tsy nisy nahavita nanatanteraka tsara an’izao didy lehibe indrindra izao mihoatra noho izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Marka 12:30) Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho tia an’i Jehovah toy izany? Inona no nataony mba tsy ho lefy mihitsy io fitiavany io tamin’izy teto an-tany? Ahoana no azontsika anahafana azy?
Ny fifankatiavana lalina sy maharitra indrindra
6, 7. Inona no manaporofo fa ny Zanak’Andriamanitra no resahina ao amin’ny Ohabolana 8:22-31, fa tsy ny fahendrena fotsiny?
6 Asa ianao raha efa niara-nanao zavatra tamin’ny namana iray nandritra ny fotoana naharitraritra, ka lasa nifandray tsara kokoa sy niraiki-po kokoa ianareo. Mahafinaritra izany, ary manampy antsika hahafantatra hoe manao ahoana ny fifankatiavan’i Jehovah sy ilay Zanany lahitokana. Efa niresaka imbetsaka momba ny Ohabolana 8:30 isika, nefa tsara raha dinihintsika akaiky indray izy io sy ny andinin-teny miaraka aminy. Miresaka momba ny fahendrena izay oharina amin’ny olona ny andininy faha-22-31. Ahoana no ahafantarantsika fa ny Zanak’Andriamanitra no atao hoe fahendrena eo amin’ireo andininy ireo?
7 Hoy ny fahendrena eo amin’ny andininy faha-22: “Izaho no noforonin’i Jehovah voalohany. Izaho no voalohany indrindra amin’ny zava-bitany fahiny.” Tsy ny fahendrena fotsiny no resahina eo, satria tsy ‘noforonina’ ny fahendrena. Tsy nanam-piandohana mihitsy io toetra io, satria efa nisy foana i Jehovah, sady efa hendry foana izy hatramin’izay. (Salamo 90:2) Ny Zanak’Andriamanitra kosa anefa no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Noforonina izy, ary izy no voalohany indrindra amin’izay rehetra nataon’i Jehovah. (Kolosianina 1:15) Efa nisy talohan’ny tany sy ny lanitra ny Zanak’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny bokin’ny Ohabolana. Koa satria izy no Teny, izany hoe Mpitondra Tenin’Andriamanitra, dia nanome taratry ny fahendren’i Jehovah tamin’ny fomba tonga lafatra izy.—Jaona 1:1.
8. Inona no nataon’ny Zanak’Andriamanitra talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany? Inona no tsara hotadidintsika rehefa misy zavaboary mahatalanjona antsika?
8 Inona no nataon’ny Zanak’Andriamanitra nandritra ilay fotoana lava be, talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany? Milaza ny andininy faha-30 fa “mpiasa tena mahay” teo akaikin’Andriamanitra izy. Inona no dikan’izany? Manazava toy izao ny Kolosianina 1:16: “Izy ... no nampiasain’Andriamanitra rehefa noforonina ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. ... Izy no nampiasaina mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra, ary noforonina mba ho azy izany.” Asehon’izany fa nampiasa ny Zanany i Jehovah mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. Anisan’izany ny anjely, izao rehetra izao midadasika, ny tany sy ny zavamaniry sy ny biby maro mahavariana, ary ny tsara indrindra amin’ny zavaboary eto an-tany, dia ny olombelona. Niara-niasa toy ny mpanao mari-trano sy ny mpanao trano izy mianaka. I Jehovah ilay mpanao mari-trano, izay namorona ny drafitra. Ny Zanany kosa ilay Mpiasa Tena Mahay nanatanteraka an’ilay izy. Isaky ny talanjona amin’ny zavaboary isika, dia efa fiderana an’ilay Mpamorona izany. (Salamo 19:1) Tsara hotadidintsika koa anefa ilay fiaraha-miasa naharitra sy nahafinaritra teo amin’ny Mpamorona sy ilay ‘mpiasany tena mahay.’
9, 10. a) Inona no nahatonga an’i Jehovah sy ny Zanany hiraiki-po be? b) Inona no hampisy firaiketam-po bebe kokoa eo aminao sy ilay Rainao any an-danitra?
9 Tsy mora amin’ny olona tsy lavorary ny mifanaraka indraindray, rehefa miara-miasa akaiky izy ireo. Tsy mba toy izany i Jehovah sy ny Zanany! Niara-niasa tamin’ny Rainy nandritra ny taona maro tsy hita isa ilay Zanaka. Izao no nolazainy: “Falifaly foana aho teo anatrehany.” (Ohabolana 8:30) Finaritra tokoa izy niaraka tamin’ny Rainy, ary faly koa ny Rainy niaraka taminy. Vao mainka izy nihananahaka ny Rainy, izany hoe naka tahaka ny toetrany. Tsy mahagaga àry raha lasa niraiki-po be izy mianaka! Mbola tsy nisy fifankatiavana lalina sy naharitra toy izany tokoa hatramin’izay.
10 Inona anefa no dikan’izany ho antsika? Mety hieritreritra ianao hoe tsy mba hisy firaiketam-po lalina toy izany mihitsy eo aminao sy Jehovah. Marina fa tsy misy manana toerana ambony toy ny an’ny Zanany isika. Manana tombontsoa miavaka anefa isika. Tadidio fa lasa nifandray akaiky kokoa tamin’ny Rainy i Jesosy, rehefa niara-niasa taminy. Tia antsika i Jehovah, ka manasa antsika ho “mpiara-miasa” aminy koa. (1 Korintianina 3:9) Tokony hotsaroantsika foana fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika, rehefa manaraka ny modely nomen’i Jesosy eo amin’ny fanompoana. Amin’izay dia hisy firaiketam-po bebe kokoa eo amintsika sy Jehovah. Aiza no hisy voninahitra lehibe noho ny hoe miara-miasa amin’Andriamanitra?
Tsy navelan’i Jesosy ho lefy mihitsy ny fitiavany an’i Jehovah
11-13. a) Nahoana no tsara raha heverina ho toy ny zavamaniry ny fitiavana? Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’izy mbola kely, mba tsy ho lefy mihitsy ny fitiavany an’i Jehovah? b) Inona no mampiseho fa nazoto nianatra tamin’i Jehovah ny Zanany talohan’ny nankanesany tetỳ, sy rehefa lasa olombelona?
11 Tsara raha heverintsika ho toy ny zavamaniry ilay fitiavana ao am-pontsika. Toy ny voninkazo tsara tarehy mantsy ny fitiavana, ka mila kolokoloina mba haniry sy handrobona. Mihamalazo kosa izy io ary maty, raha tsy voakarakara tsara. Tsy noheverin’i Jesosy ho mandeha ho azy ny fitiavany an’i Jehovah. Nataony kosa izay tsy hahalefy azy io mihitsy fa hiredareda foana, tamin’izy tetỳ an-tany. Hojerentsika ny fomba nanaovany izany.
12 Eritrereto indray izay nitranga, rehefa nandray fitenenana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy, tamin’izy mbola kely. Hoy izy tamin’ireo ray aman-dreniny efa nitebiteby mafy: “Fa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” (Lioka 2:49) Mbola ankizy i Jesosy tamin’izay, ka azo inoana fa mbola tsy nahatsiaro ny fiainany tany an-danitra. Efa tena tia an’i Jehovah Rainy anefa izy. Fantany fa voajanahary ao amin’ny olona tia an’i Jehovah ny mampiseho izany amin’ny fanompoana azy. Noho izany, dia tsy nisy toerana nahafinaritra an’i Jesosy mihoatra noho ny trano fivavahana tamin’ny Rainy. Tena tiany ny nankany, ary tsy te hiala tao mihitsy izy. Tsy mpitazana fotsiny koa izy rehefa tonga tao. Nazoto nianatra momba an’i Jehovah sy niresaka momba ny zavatra fantany izy. Tsy tamin’izy 12 taona anefa izany vao nanomboka, ary tsy nifarana tamin’izay koa.
13 Efa nazoto nianatra tamin’ny Rainy io Zanaka io, tamin’izy tany an-danitra. Voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 50:4-6 fa nomen’i Jehovah fampiofanana manokana momba ny andraikitry ny Mesia izy. Anisan’ilay fampiofanana ny fampiomanana azy hiatrika zava-tsarotra amin’ny maha Voahosotr’i Jehovah azy. Nazoto nianatra foana anefa izy na izany aza. Rehefa nidina tetỳ an-tany izy tatỳ aoriana ary nihalehibe, dia narisika nankany an-tranon’ny Rainy foana, sady nafana fo tamin’ny fanompoana sy ny fampianarana nasain’i Jehovah natao tao. Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly fa nandeha tsy tapaka tany amin’ny tempoly sy ny synagoga i Jesosy. (Lioka 4:16; 19:47) Mila mazoto mamonjy fivoriana koa isika, raha tsy tiantsika ho faty ny fitiavantsika an’i Jehovah fa hiredareda foana. Any isika no manompo azy, sady mampitombo ny fahalalantsika azy sy ny fankasitrahantsika azy.
14, 15. a) Nahoana i Jesosy no naniry hitoetra ho irery indraindray? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny vavaka nataony, fa niraiki-po tamin’ny Rainy izy sady nanaja azy?
14 Nivavaka tsy tapaka koa i Jesosy, mba tsy ho lefy ny fitiavany an’i Jehovah. Tia nifandray tamin’olona izy, nefa mahavariana fa tiany koa ny nitoetra ho irery. Milaza, ohatra, ny Lioka 5:16 hoe: ‘Matetika izy no nankany amin’ny toerana mitokana mba hivavaka.’ Hoy koa ny Matio 14:23: “Rehefa avy nandrava ny vahoaka izy, dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Dia izy irery no tany rehefa maizina ny andro.” Tsy hoe tia nitokantokana na tsy tia niaraka tamin’ny olona i Jesosy, matoa nitoetra ho irery tamin’ireo fotoana ireo sy ny fotoana hafa. Nanao izany kosa izy, satria te ho irery niaraka tamin’ny Rainy, ka afaka nivavaka sy niresaka malalaka taminy.
15 Nilaza hoe: “Aba, Ray ô”, i Jesosy indraindray, rehefa nivavaka. (Marka 14:36) Teny maneho firaiketam-po ny hoe “Aba” ary midika hoe “ray.” Fampiasan’ny mpianakavy izy io, ary io matetika no teny voalohany hain’ny zazakely. Maneho fanajana koa anefa io teny io. Sady naneho ny firaiketam-pon’i Jesosy tamin’i Jehovah Ray malalany àry izy io, no nampiseho ny fanajany lalina ny fahefany. Hita tamin’ny vavaka rehetra nataon’i Jesosy ao amin’ny Baiboly, fa niraiki-po tamin’i Jehovah sy nanaja azy izy. Ao amin’ny Jaona toko faha-17, ohatra, no misy an’ilay vavaka naharitra sy vokatry ny fo, nataon’i Jesosy ny alina farany niainany. Mampihetsi-po tokoa ny mandinika an’io vavaka io. Tokony hataontsika modely koa izy io, nefa tsy ny teny ao no haverintsika. Vavaka vokatry ny fo kosa no hataontsika amin’ilay Raintsika any an-danitra, ary hiresaka aminy matetika araka izay azo atao isika. Tsy ho lefy na ho faty mihitsy ny fitiavantsika azy amin’izay.
16, 17. a) Ahoana no fomba niresahan’i Jesosy momba ny fitiavany ny Rainy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa malala-tanana ny Rainy?
16 Hitantsika teo aloha fa tsy namerimberina nilaza i Jesosy hoe: “Tiako ny Ray.” Nisy fomba hafa maro anefa niresahany momba ny fitiavany ny Rainy. Ahoana no nanaovany izany? Hoy izy: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao eto imason’ny olona rehetra aho.” (Matio 11:25) Tena tia nidera ny Rainy i Jesosy, ka nanampy ny olona hahafantatra Azy, araka ny hitantsika tao amin’ny Fizarana faha-2. Nampitahainy tamin’ny ray vonona hamela ny heloky ny zanany naditra, ohatra, i Jehovah indray mandeha. Nibebaka ilay zanany ka niverina. Efa nandrasany izy io, ka raha vao tazany avy lavitra, dia nihazakazaka izy nitsena azy ary namihina azy. (Lioka 15:20) Mampihetsi-po tokoa ny fomba nilazan’i Jesosy ny fitiavan’i Jehovah sy ny famelany heloka!
17 Matetika i Jesosy no nidera ny Rainy, noho izy malala-tanana. Niresaka momba ny ray aman-dreny tsy lavorary izy, ohatra, mba hampisehoana fa azo antoka hoe hanome antsika be dia be amin’ny fanahiny masina ny Raintsika. (Lioka 11:13) Niresaka momba ny fanantenana omen’ilay Rainy noho ny fahalalahan-tanany koa i Jesosy. Anisan’izany ilay fanantenany hoe ho tafaraka indray amin’ny Rainy any an-danitra izy. Hita tamin’ny fomba firesany fa niriny mafy ho tanteraka izany. (Jaona 14:28; 17:5) Noresahin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy koa ny fanantenana omen’i Jehovah ny “ondry vitsy.” Tsy inona izany fa ny hiaina any an-danitra sy hiara-manjaka amin’ny Mesia. (Lioka 12:32; Jaona 14:2) Ny fanantenana fiainana ao amin’ny Paradisa koa no nentiny nampaherezana ny mpanao ratsy iray efa ho faty. (Lioka 23:43) Azo antoka fa nahatonga ny fitiavan’i Jesosy ny Rainy tsy ho lefy mihitsy, ny firesahany an’ireny porofon’ny fahalalahan-tanany ireny. Maro koa ny mpanara-dia an’i Kristy no mahatsapa fa ny firesahana momba an’i Jehovah sy ny fanantenana omeny, no fomba tsara indrindra hampitomboana ny fitiavany azy sy ny finoany azy.
Ho tia an’i Jehovah toa an’i Jesosy ve ianao?
18. Inona no fomba tsara indrindra tokony hanahafantsika an’i Jesosy, ary nahoana?
18 Betsaka ny fomba azo anahafana an’i Jesosy, fa ny lehibe indrindra dia ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny fo sy ny tena sy ny saina ary ny hery manontolo. (Lioka 10:27) Tsy ny halalin’ny fihetseham-po tsapantsika fotsiny no amantarana fa tia an’i Jehovah isika. Tokony ho hita amin’ny ataontsika koa izany. Nahatsapa fitiavana ny Rainy i Jesosy, nefa tsy nianina tamin’izany na nilaza fotsiny hoe: “Tiako ny Ray.” Hoy mihitsy izy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia izay nasain’ny Ray nataoko mihitsy no ataoko.” (Jaona 14:31) Nilaza i Satana fa tsy misy olona manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana, fa noho ny fitadiavana tombony. (Joba 2:4, 5) Mba hanomezana ny porofo lehibe indrindra fa diso izany fanendrikendrehana mahatsiravina izany, dia nisikina herim-po i Jesosy ary nampiharihary tamin’izao tontolo izao fa tena tiany ny Rainy. Nahafoy ny ainy mihitsy izy, mba hankatoavana an’i Jehovah. Hanahaka azy ve ianao, ka hampiharihary amin’izao tontolo izao fa tena tianao i Jehovah Andriamanitra?
19, 20. a) Inona avy no antony lehibe tokony hamonjentsika fivoriana tsy tapaka? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fianarana samirery sy ny fisaintsainana ary ny vavaka?
19 Efa voajanahary ao amintsika ny faniriana lalina haneho fitiavana an’ilay Raintsika. Nataony àry izay hahafahantsika hanompo azy, mba ho voakolokolo sy hitombo ny fitiavantsika azy. Tadidio rehefa any am-pivoriana ianao, fa ny hanompo ny Andriamanitrao no ankanesanao any. Anisan’io fanompoana io ny vavaka amin-kafanam-po, ny fihirana hira fiderana, ny fihainoana tsara, ary ny fandraisana anjara rehefa azo atao izany. Afaka mampahery ny Kristianina hafa koa ianao any. (Hebreo 10:24, 25) Hitombo hatrany ny fitiavanao an’i Jehovah, raha manompo azy tsy tapaka any am-pivoriana ianao.
20 Hampitombo ny fitiavanao an’i Jehovah koa ny fianarana samirery sy ny fisaintsainana ary ny vavaka. Hevero ho toy ny miaraka irery amin’i Jehovah ianao, rehefa manao an’ireo. Mampita ny heviny aminao i Jehovah, rehefa mianatra ny Teniny sy misaintsaina azy io ianao. Mamboraka izay ao am-ponao aminy kosa ianao, rehefa mivavaka. Tadidio anefa fa tsy vitan’ny hoe mangata-javatra amin’Andriamanitra ny hoe mivavaka. Afaka misaotra an’i Jehovah noho ny fitahiana nomeny sy midera azy noho ny asany mahagaga koa ianao, rehefa mivavaka. (Salamo 146:1) Ankoatra izany, dia ny fiderana an’i Jehovah amim-pifaliana sy amin-kafanam-po eo imason’ny olona, no fomba tsara indrindra hisaorana azy sy hanehoana ny fitiavana azy.
21. Nahoana no zava-dehibe ny fitiavana an’i Jehovah, ary inona no hodinihintsika ato amin’ity fizarana ity?
21 Ny fitiavana an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra ilainao, mba hahasambatra anao mandrakizay. Io no tena nilain’i Adama sy Eva mba tsy hivadihana tamin’i Jehovah, saingy tsy nananany. Io koa no zava-dehibe indrindra ilainao mba tsy hivadihana rehefa misy fitsapam-pinoana, sy hanoherana fakam-panahy, ary hiaretana zava-tsarotra, na inona izany na inona. Io no tena ilainao mba hanarahana ny dian’i Jesosy. Misy ifandraisany koa anefa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-belona. (1 Jaona 4:20) Hodinihintsika ato amin’ity fizarana ity ny fomba nanehoan’i Jesosy fitiavana ny olona. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka aloha hoe nahoana izy no tena mora nohatonina.