Vavolombelona Kristiana Manana ny Maha-olom-pirenena Azy any An-danitra
“Fa ny [maha-olom-pirenena antsika, NW ] dia any an-danitra”. — FILIPIANA 3:20.
1. Inona no fikasan’i Jehovah mahatalanjona mikasika ny olombelona sasany?
HISY olona teraka teto an-tany hanapaka amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona any an-danitra, na dia eo amin’ireo anjely mihitsy aza. (1 Korintiana 6:2, 3; Apokalypsy 20:6). Fahamarinana mampitolagaga re izany! Kanefa, nikasa izany i Jehovah, ary hanatanteraka izany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany lahy tokana, izy. Nahoana ny Mpamorona antsika no hanao zavatra toy izany? Ary ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fahalalana izany eo amin’ny Kristiana iray amin’izao andro izao? Aoka hojerentsika ny fomba amalian’ny Baiboly ireo fanontaniana ireo.
2. Zava-baovao inona no nambaran’i Jaona Mpanao Batisa fa hataon’i Jesosy, ary nifandray tamin’inona izany zava-baovao izany?
2 Rehefa nanomana ny lalana ho an’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, dia nanambara izy fa hanao zava-baovao i Jesosy. Hoy ilay fitantarana: “Nitory [Jaona] ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.” (Marka 1:7, 8). Talohan’izay fotoana izay, dia tsy nisy olona natao batisa tamin’ny fanahy masina. Fandaharana vaovao nahatafiditra ny fanahy masina izany, ary nisy fifandraisany tamin’ny fikasan’i Jehovah nadiva haharihary, dia ny hanomanana olombelona ho amin’ny fanapahana any an-danitra.
“Ateraka indray”
3. Zava-baovao inona avy momba ny Fanjakan’ny lanitra no nohazavain’i Jesosy tamin’i Nikodemosy?
3 Tamin’ny fihaonana nangingina tamin’ny Fariseo fanta-daza iray, i Jesosy dia nampiharihary zavatra betsaka kokoa momba io fikasan’Andriamanitra io. Ilay Fariseo, i Nikodemosy, dia tonga tao amin’i Jesosy tamin’ny alina, ary hoy i Jesosy taminy: “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” (Jaona 3:3). Nahafantatra zavatra momba ny fahamarinana lehibe ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Nikodemosy, izay tsy maintsy ho nianatra ny Soratra Hebreo tamin’ny naha-Fariseo azy. Voalazan’ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela fa homena an’ilay “toy ny zanak’olona” sy “ny olo-masin’ny Avo Indrindra” ilay Fanjakana. (Daniela 7:13, 14, 27). Ilay Fanjakana dia ‘hanorotoro sy handevona’ ny fanjakana hafa rehetra ka hitoetra mandrakizay. (Daniela 2:44). Azo inoana fa nihevitra i Nikodemosy hoe ho tanteraka tamin’ny firenena jiosy ireo faminaniana ireo; kanefa nilaza i Jesosy fa mba hahitana ilay Fanjakana, dia tsy maintsy hateraka indray ny olona iray. Tsy nahatakatra izany i Nikodemosy, hany ka nanohy nilaza toy izao i Jesosy: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.” — Jaona 3:5.
4. Ho an’ireo izay ateraky ny fanahy masina, amin’ny ahoana no miova ny fifandraisany amin’i Jehovah?
4 Niresaka ny amin’ny batisa amin’ny fanahy masina i Jaona Mpanao Batisa. Izao dia manampy teny i Jesosy fa tsy maintsy ateraky ny fanahy masina ny olona iray raha tiany ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’io fahaterahana tsy manam-paharoa io, dia misy lehilahy sy vehivavy tsy tanteraka miditra ao amin’ny fifandraisana tena manokana amin’i Jehovah Andriamanitra. Tonga zanaka natsangany izy ireo. Izao no vakintsika: “Izay rehetra nandray [an’i Jesosy] dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” — Jaona 1:12, 13; Romana 8:15.
Zanak’Andriamanitra
5. Oviana no natao batisa tamin’ny fanahy masina ireo mpianatra nahatoky, ary inona avy no fiasan’ny fanahy masina nifandray tamin’izany nitranga tamin’io fotoana io ihany?
5 Rehefa niresaka tamin’i Nikodemosy i Jesosy, dia efa tonga tamin’i Jesosy ny fanahy masina, nanosorana azy ho mpanjaka amin’ny hoavy ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanaiky ampahibemaso an’i Jesosy ho Zanany Andriamanitra. (Matio 3:16, 17). Niteraka zanaka ara-panahy maro kokoa i Jehovah tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Natao batisa tamin’ny fanahy masina ireo mpianatra nahatoky nivory tao amin’ny efitrano ambony tany Jerosalema. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nateraka indray izy ireo, nateraky ny fanahy masina mba ho zanak’Andriamanitra ara-panahy. (Asan’ny Apostoly 2:2-4, 38; Romana 8:15). Ankoatra izany, dia nohosorana tamin’ny fanahy masina izy ireo mba handray lova any an-danitra amin’ny hoavy, ary nasiana tombo-kase tamin’ny fanahy masina aloha izy ireo mba ho mariky ny maha-azo antoka io fanantenana ho any an-danitra io. — 2 Korintiana 1:21, 22.
6. Inona no fikasan’i Jehovah mikasika ilay Fanjakana any an-danitra, ary nahoana no mifanentana ny hoe tokony hanana anjara amin’izany ny olombelona?
6 Izy ireo no olombelona tsy tanteraka voalohany nofidin’Andriamanitra mba hiditra ao amin’ilay Fanjakana. Milaza izany fa, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, izy ireo dia ho tonga anisan’ny rafi-pitondran’ilay Fanjakana any an-danitra izay hanapaka eo amin’ny olombelona sy ny anjely. Fikasan’i Jehovah ny hoe, amin’ny alalan’io Fanjakana io, dia hohamasinina ny anarany lehibe ary hohamarinina eo anatrehan’ny zavaboary rehetra ny fiandrianany. (Matio 6:9, 10; Jaona 12:28). Mifanentana toy inona moa ny ananan’ny olombelona anjara ao amin’io Fanjakana io! Nampiasa olombelona i Satana rehefa nampipoitra ny fihaikany voalohany ny fiandrianan’i Jehovah tao amin’ny sahan’i Edena, ary izao i Jehovah dia mikasa ny hisian’ny olombelona ho tafiditra amin’ny famaliana io fihaikana io. (Genesisy 3:1-6; Jaona 8:44). Nanoratra toy izao ho an’ireo olona voafidy hanapaka ao amin’io Fanjakana io ny apostoly Petera: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo”. — 1 Petera 1:3, 4.
7. Inona no fifandraisana tsy manam-paharoa amin’i Jesosy ananan’ireo izay natao batisa tamin’ny fanahy masina?
7 Amin’ny maha-zanaka natsangan’Andriamanitra azy, ireo Kristiana voafidy ireo dia tonga rahalahin’i Jesosy Kristy. (Romana 8:16, 17; 9:4, 26; Hebreo 2:11). Koa satria noporofoin’i Jesosy fa izy ilay Taranaka nampanantenaina an’i Abrahama, ireo Kristiana voahosotry ny fanahy ireo àry dia tapany fanampiny, na manarakaraka, amin’ilay Taranaka, izay hanome fitahiana ny olombelona mpino. (Genesisy 22:17, 18; Galatiana 3:16, 26, 29). Fitahiana inona? Ny fahafahana ho voavotra amin’ny ota sy hampihavanina amin’Andriamanitra ary hanompo azy dieny ankehitriny sy ho mandrakizay. (Matio 4:23; 20:28; Jaona 3:16, 36; 1 Jaona 2:1, 2). Mitarika ny olona mahitsy fo ho amin’io fitahiana io ny Kristiana voahosotra amin’ny fanaovana fanambarana momba an’i Jesosy Kristy, rahalahiny ara-panahy, sy momba an’i Jehovah Andriamanitra, Rainy nanangana azy. — Asan’ny Apostoly 1:8; Hebreo 13:15.
8. Inona moa ilay “fampiharihariana” ny zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy?
8 Miresaka ny amin’ny “fampiharihariana” an’ireo zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy ireo, ny Baiboly. (Romana 8:19, NW ). Rehefa miditra ao amin’ilay Fanjakana amin’ny maha-mpiara-manjaka amin’i Jesosy azy izy ireo, dia handray anjara amin’ny fandravana ny fandehan-javatry ny tontolon’i Satana. Aorian’izay, mandritra ny arivo taona, dia hanampy amin’ny fitarihana ny soa azo avy amin’ny sorom-panavotana ho amin’ny olombelona izy ireo ka hanandratra amin’izany ny taranak’olombelona ho amin’ny fahatanterahana izay narian’i Adama. (2 Tesaloniana 1:8-10; Apokalypsy 2:26, 27; 20:6; 22:1, 2). Mahafaoka izany rehetra izany ny fampiharihariana azy ireo. Zavatra andrasan’ny zavaboary olombelona mpino amim-pahadodonana izany.
9. Ahoana no iresahan’ny Baiboly ny amin’ilay fitambaran’ny Kristiana voahosotra maneran-tany?
9 Ny fitambaran’ny Kristiana voahosotra maneran-tany no “fiangonan’ny [“kongregasionan’ny”, NW ] lahimatoa voasoratra any an-danitra”. (Hebreo 12:23). Izy ireo no voalohany mandray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. Izy ireo koa no “tenan’i Kristy”, ka asehon’izany ny fifandraisany akaiky dia akaiky amin’izy samy izy sy amin’i Jesosy. (1 Korintiana 12:27). Nanoratra toy izao i Paoly: “Tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.” — 1 Korintiana 12:12, 13; Romana 12:5; Efesiana 1:22, 23; 3:6.
“Ny Isiraelin’Andriamanitra”
10, 11. Tamin’ny taonjato voalohany, nahoana no nilaina ny Isiraely vaovao iray, ary iza no nahaforona io firenena vaovao io?
10 Nandritra ny 1 500 taona mahery, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia nampanantenaina azy, dia vahoaka manokan’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely ara-nofo. Na dia teo aza ny fampahatsiahivana tsy tapaka, dia noporofoin’ilay firenena tamin’ny fitambarany fa tsy nahatoky izy. Rehefa niseho i Jesosy, dia nanda azy ilay firenena. (Jaona 1:11). Noho izany, dia hoy i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” (Matio 21:43). Tena zava-dehibe ny hanekena io “firenena mahavokatra ny voan[’ilay Fanjakana]” io mba hahazoana famonjena.
11 Ilay firenena vaovao dia ny kongregasiona kristiana voahosotra, teraka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Ny mpikambana voalohany tao aminy dia ireo mpianatr’i Jesosy jiosy izay nanaiky azy ho Mpanjakan’izy ireo any an-danitra. (Asan’ny Apostoly 2:5, 32-36). Kanefa, mpikambana amin’ilay firenena vaovaon’Andriamanitra izy ireo, tsy hoe niorina tamin’ny firazanany jiosy akory, fa niorina tamin’ny finoana an’i Jesosy kosa. Noho izany, io Isiraelin’Andriamanitra vaovao io dia zavatra tsy manam-paharoa — firenena ara-panahy iray. Rehefa tsy nety nanaiky an’i Jesosy ny ankamaroan’ireo Jiosy, dia natolotra an’ireo Samaritana ary avy eo an’ireo Jentilisa ny fanasana ho tonga anisan’ilay firenena vaovao. Nantsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ilay firenena vaovao. — Galatiana 6:16.
12, 13. Tamin’ny ahoana no nanjary mazava fa tsy antokom-pivavahana iray avy tamin’ny Jodaisma fotsiny akory ilay Isiraely vaovao?
12 Teo amin’ny Isiraely fahiny, rehefa nisy olona tsy Jiosy tonga proselyta, dia tsy maintsy nanaiky ny Lalàn’i Mosesy izy ireo, ary tsy maintsy nampiseho izany ireo lehilahy tamin’ny fanekena hoforana. (Eksodosy 12:48, 49). Nihevitra ny Kristiana jiosy sasany fa tokony hampiharina tamin’ireo tsy Jiosy tao amin’ny Isiraelin’Andriamanitra koa izany. Kanefa, zavatra hafa no tao an-tsain’i Jehovah. Nitarika ny apostoly Petera ho any an-tranon’ilay Jentilisa atao hoe Kornelio ny fanahy masina. Rehefa nandray tsara ny fitorian’i Petera i Kornelio sy ny fianakaviany, dia nahazo ny fanahy masina izy ireo — talohan’ny nanaovana batisa azy tao anaty rano mihitsy aza. Nasehon’izany mazava fa nanaiky an’ireo Jentilisa ireo ho mpikambana ao amin’ny Isiraelin’Andriamanitra i Jehovah, sady tsy nitaky ny hitandremany ny Lalàn’i Mosesy. — Asan’ny Apostoly 10:21-48.
13 Hitan’ny mpino maromaro ho sarotra nekena izany, ary tsy ela dia voatery nodinihin’ireo apostoly sy loholona tany Jerosalema ilay raharaha manontolo. Nihaino ny teny fanamarinana nilaza tamin’ny an-tsipiriany ny fomba niasan’ny fanahy masina teo amin’ireo mpino tsy jiosy, io fitambaran’olona nanam-pahefana io. Nasehon’ny fikarohana tao amin’ny Baiboly fa izany dia fahatanterahan’ny faminaniana ara-tsindrimandry. (Isaia 55:5; Amosa 9:11, 12). Noraisina ny fanapahan-kevitra mety: Tsy voatery hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ireo Kristiana tsy jiosy. (Asan’ny Apostoly 15:1, 6-29). Noho izany, ny Isiraely ara-panahy dia tena firenena vaovao tokoa, fa tsy antokom-pivavahana iray avy tamin’ny Jodaisma fotsiny akory.
14. Inona no tiana holazaina tamin’ny fiantsoan’i Jakoba an’ilay kongregasiona kristiana hoe “foko roa ambin’ny folo monina any am-pielezana”?
14 Nifanaraka tamin’izany, rehefa nanoratra ho an’ireo Kristiana voahosotra tamin’ny taonjato voalohany i Jakoba mpianatra, dia nandefa ny taratasiny ho an’ny “[foko, NW ] roa ambin’ny folo monina any am-pielezana”. (Jakoba 1:1; Apokalypsy 7:3-8). Mazava ho azy fa tsy notendrena ho foko voafaritra tsara ny olom-pirenen’ilay Isiraely vaovao. Tsy nisy fizarana ho foko 12 niavaka teo amin’ny Isiraely ara-panahy, toy izay nisy teo amin’ny Isiraely ara-nofo. Na dia izany aza, dia tondroin’ny tenin’i Jakoba ara-tsindrimandry fa eo imason’i Jehovah, ny Isiraelin’Andriamanitra dia nisolo tanteraka ny foko 12-n’ny Isiraely ara-nofo. Raha tonga anisan’ilay firenena vaovao ny olona teraka Isiraelita iray, ny firazanany ara-nofo — na dia avy tamin’ny fokon’i Joda na Levy aza izy — dia tsy nisy heviny. — Galatiana 3:28; Filipiana 3:5, 6.
Fanekena vaovao
15, 16. a) Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo mpikambana tsy jiosy amin’ny Isiraelin’Andriamanitra? b) Teo amin’ny fototra ara-dalàna inona no nanorenana ilay Isiraely vaovao?
15 Eo imason’i Jehovah, ireo mpikambana tsy isiraelita amin’io firenena vaovao io dia Jiosy ara-panahy amin’ny heviny feno! Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “Tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin’ny nofo no famorana; fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.” (Romana 2:28, 29). Jentilisa maro no namaly ilay fanasana ho anisan’ny Isiraelin’Andriamanitra, ary nahatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly izany fisehoan-javatra izany. Ohatra, nanoratra toy izao i Hosea mpaminany: ‘Ary hamindra fo amin’izay tsy namindrana fo Aho sady hanao amin’ny tsy oloko hoe: Oloko hianao; ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.’ — Hosea 2:25; Romana 11:25, 26.
16 Raha tsy teo ambanin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy àry ny Isiraelita ara-panahy, niorina tamin’inona moa ny naha-anisan’ilay firenena vaovao azy ireo? Nanao fanekena vaovao tamin’io firenena ara-panahy io tamin’ny alalan’i Jesosy i Jehovah. (Hebreo 9:15). Rehefa nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy, tamin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., dia nampandalo mofo sy divay tamin’ireo apostoly nahatoky 11 izy ka nilaza fa nampiseho ny ‘ran’ny fanekena’ ilay divay. (Matio 26:28; Jeremia 31:31-34). Araka ny voalaza ao amin’ny fitantaran’i Lioka, dia nilaza i Jesosy fa nampiseho ny “fanekena vaovao” ilay kapoaka nisy divay. (Lioka 22:20). Ho fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy, rehefa nalatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta, ka teraka ilay Isiraelin’Andriamanitra, dia nesorina tamin’ny Isiraely ara-nofo ilay Fanjakana ka nomena an’ilay firenena vaovao, ara-panahy. Ho solon’ny Isiraely ara-nofo, dia io firenena vaovao izao no mpanompon’i Jehovah, voaforon’ireo vavolombelony. — Isaia 43:10, 11.
“Jerosalema vaovao”
17, 18. Filazalazana inona avy no omena ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy momba ny voninahitra izay miandry an’ireo Kristiana voahosotra?
17 Toy inona moa ny voninahitra miandry an’ireo izay nomena tombontsoa hiombona amin’io fiantsoana any an-danitra io! Ary maharavo toy inona moa ny mianatra momba ireo zava-mahatalanjona izay miandry azy ireo! Mamela antsika hanao topy maso mampientana eo amin’ny lovany any an-danitra ny bokin’ny Apokalypsy. Ohatra, ao amin’ny Apokalypsy 4:4, dia izao no vakintsika: “Manodidina ilay seza fiandrianana iray [ny an’i Jehovah] dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.” Kristiana voahosotra ireo loholona 24 ireo, tafatsangana tamin’ny maty ary ankehitriny dia mitana ny toerana any an-danitra nampanantenain’i Jehovah azy. Mampahatsiaro antsika ny maha-mpanjaka azy ny satroboninahiny sy ny seza fiandrianany. Hevero koa ny tombontsoany ambony mahavariana manompo manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah!
18 Ao amin’ny Apokalypsy 14:1, dia manao topy maso hafa eo amin’izy ireo isika: “Hitako fa, indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny.” Eto isika dia mahita ny isan’ireo voahosotra ireo voafetra — 144 000. Fantatra ny maha-mpanjaka azy ireo amin’izy mitsangana miaraka amin’ilay Mpanjaka nomen’i Jehovah seza fiandrianana, dia i Jesosy, “ny Zanak’ondry”. Ary eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra izy ireo. Toerana nisy an’i Jerosalema, tanànan’ny mpanjakan’ny Isiraely, ny Tendrombohitra Ziona teto an-tany. Ilay Tendrombohitra Ziona any an-danitra dia mampiseho ny toerana misandratr’i Jesosy sy ireo mpiara-mandova aminy, izay mahaforona an’i Jerosalema any an-danitra. — 2 Tantara 5:2; Salamo 2:6.
19, 20. a) Ho anisan’ny rafi-pitondrana any an-danitra inona moa ireo Kristiana voahosotra? b) Naharitra hafiriana no nifidianan’i Jehovah an’ireo izay manana ny maha-olom-pirenena azy any an-danitra?
19 Mifanaraka amin’izany, ireo voahosotra ao amin’ny voninahiny any an-danitra dia resahina koa hoe “Jerosalema vaovao”. (Apokalypsy 21:2). Ilay Jerosalema eto an-tany dia “tanànan’ny Mpanjaka lehibe” taloha sady toerana nisy ny tempoly koa. (Matio 5:35). Ilay Jerosalema Vaovao any an-danitra dia ny rafi-pitondran’ilay Fanjakana voaforona mpanjaka, izay amin’ny alalany no anapahan’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana lehibe, sy i Jesosy, ilay Mpanjaka voatendriny, ankehitriny ary ao aminy no anatontosana ny fanompoan’ny mpisorona, arakaraka ny ikorianan’ny fitahiana tondraka avy amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ho fanasitranana ny olombelona. (Apokalypsy 21:10, 11; 22:1-5). Tao amin’ny fahitana hafa, i Jaona dia nahare ny firesahana ireo Kristiana voahosotra mahatoky sy tafatsangana tamin’ny maty, ho ‘vadin’ny Zanak’ondry’. Filazalazana mafana re izany momba ny fifandraisana akaiky dia akaiky hananan’izy ireo amin’i Jesosy sy momba ny faneken’izy ireo azy an-tsitrapo! Alao sary an-tsaina ny fifaliana any an-danitra rehefa hahazo ny lovany any an-danitra ny farany amin’izy ireo amin’ny farany. Amin’izay, rehefa ela ny ela, dia ho azo atao ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”! Ho feno amin’izay io rafi-pitondrana any an-danitra voaforona mpanjaka io. — Apokalypsy 19:6-8.
20 Eny, fitahiana mahatalanjona no miandry an’ireo izay nolazain’ny apostoly Paoly hoe: “Fa ny [maha-olom-pirenena antsika, NW ] dia any an-danitra”. (Filipiana 3:20). Nandritra ny efa ho roa arivo taona, i Jehovah dia nifidy an’ireo zanany ara-panahy ka nanomana azy ireo ho amin’ny lova any an-danitra. Araka ny porofo rehetra, izany asa fifidianana sy fanomanana izany dia efa ho vita. Kanefa mbola hisy zavatra fanampiny hanaraka izany, araka ny naharihary tamin’i Jaona tao amin’ny fahitany voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7. Koa izao dia misy antokona Kristiana hafa tokony hampifantohantsika ny saintsika, ary handinika momba io antokon’olona io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Inona avy ireo fiasan’ny fanahy masina samy hafa eo amin’ireo izay manana lova any an-danitra?
◻ Fifandraisana akaiky dia akaiky inona no ananan’ireo voahosotra amin’i Jehovah? amin’i Jesosy?
◻ Ahoana no ilazalazana ao amin’ny Baiboly ny kongregasionan’ny Kristiana voahosotra?
◻ Teo amin’ny fototra ara-dalàna inona no nanorenana ny Isiraelin’Andriamanitra?
◻ Tombontsoa any an-danitra inona avy no miandry an’ireo Kristiana voahosotra?
[Sary, pejy 10]
Nandritra ny efa ho roa arivo taona, i Jehovah dia nifidy an’ireo izay hanapaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra