“Mampiasa Tsara ny Teny Fahamarinana”
NY TENIN’ANDRIAMANITRA dia loharanon’ny fotopoto-pitsipika maro be izay tena ilaina ho an’ny fiainana ahitam-pahombiazana. Afaka manampy ny mpanompo iray hampianatra sy hananatra ary hanitsy, izy io. (2 Timoty 3:16, 17, NW ). Kanefa, mba handraisan-tsoa feno avy amin’io fitarihana omen’Andriamanitra io, dia tsy maintsy arahintsika ilay torohevitry ny apostoly Paoly ho an’i Timoty manao hoe: “Ataovy izay farany azonao atao mba hampisehoana ny tenanao ho ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, ho mpiasa tsy manana na inona na inona tokony hahamenatra azy, mampiasa tsara ny teny fahamarinana.” — 2 Timoty 2:15, NW.
Ny Tenin’Andriamanitra dia ampitovina, ankoatra ny zavatra hafa, amin’ny ronono mahavelona, amin’ny ventin-kanina, amin’ny rano mamelombelona sy manadio, amin’ny fitaratra sy amin’ny sabatra maranitra iray. Ny fahazoana ny hevitr’izay tiana holazaina amin’ireny fitenenana ireny dia manampy ny mpanompo iray mba hampiasa ny Baiboly amim-pahakingana.
Fanomezana rononon’ny Tenin’Andriamanitra
Ny ronono no sakafo ilain’ny zaza vao teraka. Arakaraka ny itomboan’ilay zaza, dia ampidirina tsikelikely ao amin’ny sakafony ny ventin-kanina, kanefa amin’ny voalohany, dia tsy afaka mandevona afa-tsy ronono izy. Amin’ny lafiny maro, dia mitovy amin’ny zaza ireo izay tsy mahafantatra firy ny amin’ny Tenin’Andriamanitra. Na liana vao haingana amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona iray, na efa nisy fotoana nifankazarany tamin’izy io, raha tsy manana afa-tsy fahatakarana tsotsotra fotsiny ny amin’izay lazain’ny Baiboly izy, dia zaza ara-panahy ny tenany ka mila sakafo mora levonina — “ronono” ara-panahy. Mbola tsy afaka mandevona “ventin-kanina”, dia ireo zava-dalin’ny Tenin’Andriamanitra, izy. — Hebreo 5:12.
Izany no tarehin-javatra tao amin’ilay kongregasiona vao niforona tao Korinto, rehefa nanoratra ho azy ireo toy izao i Paoly: “Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka hianareo”. (1 Korintiana 3:2). Nila nianatra ireo “abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra” aloha ireo Korintiana. (Hebreo 5:12). Tsy ho afaka nandevona ireo “zavatra lalin’Andriamanitra” izy ireo raha teo amin’ilay ambaratongam-pitomboana nisy azy. — 1 Korintiana 2:10, NW.
Sahala amin’i Paoly, ireo mpanompo kristiana amin’izao andro izao, dia mampiseho ny fiahiany an’ireo zaza ara-panahy amin’ny fanomezana azy ireny “ronono”, izany hoe, amin’ny fanampiana azy ireo hanjary hiorina mafy amin’ireo fampianarana kristiana fototra. Mampirisika ny vaovao na tsy matotra toy izany izy ireo, mba ‘hampitombo faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny’. (1 Petera 2:2, NW ). Nasehon’ny apostoly Paoly fa nahamarika ilay fiheverana manokana ilain’ireo vaovao izy rehefa nanoratra hoe: “Izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana satria mbola zaza-bodo.” (Hebreo 5:13). Takina amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ny faharetana, ny fiheverana, sy ny fahazoana ny fihevitry ny hafa ary ny fahalemem-panahy, rehefa mizara amin’ireo vaovao sy tsy ampy fanandraman-javatra ny rononon’ny Teny tsy mitapoka amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano sy any amin’ny kongregasiona.
Fampiasana ny ventin-kanin’ny Tenin’Andriamanitra
Mba hitomboana ho amin’ny famonjena, dia mila zavatra bebe kokoa noho ny “ronono” ny Kristiana. Raha vao azo mazava tsara sy ekena ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly, dia vonona ny hifindra eo amin’ny ‘ventin-kanina ho an’izay efa lehibe’ izy. (Hebreo 5:14). Ahoana no ahafahany manao izany? Amin’ny fotony, dia amin’ny alalan’ny fahazarana tsy tapaka eo amin’ny fianarana manokana sy amin’ny fifaneraserana any amin’ireo fivoriana kristiana. Ny fahazarana tsara toy izany dia hanampy mba hahatonga Kristiana iray hatanjaka ara-panahy sy ho matotra ary hahita vokatra eo amin’ny fanompoana. (2 Petera 1:8). Tsy tokony hohadinointsika fa ho fanampin’ny fahalalana, dia mahaforona sakafo ara-panahy koa ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah. — Jaona 4:34.
Amin’izao andro izao, dia misy “mpanompo mahatoky sy malina” voatendry hanome an’ireo mpanompon’Andriamanitra sakafo amin’ny fotoana mety sy hanampy azy ireo hahazo ny hevitr’ireo “fahendrena maro karazana tokoa ananan’Andriamanitra”. Amin’ny alalan’ny fanahiny, dia ahariharin’i Jehovah ireo fahamarinana lalina araka ny Soratra Masina amin’ny alalan’io mpanompo mahatoky io izay mamoaka amim-pahatokiana sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45-47; Efesiana 3:10, 11, NW; ampitahao amin’ny Apokalypsy 1:1, 2.) Ny Kristiana isam-batan’olona dia tompon’andraikitra amin’ny fampiasana amin’ny fomba feno izany tahirin-tsakafo navoaka izany. — Apokalypsy 1:3.
Mazava ho azy fa misy zavatra sasany ao amin’ny Baiboly “saro-pantarina” na dia ho an’ireo Kristiana matotra aza. (2 Petera 3:16). Misy fitenenana sy faminaniana ary fanoharana tsy mora azo, izay mitaky fianarana sy fisaintsainana betsaka. Noho izany, dia mahafaoka fihadiana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fianarana manokana. (Ohabolana 1:5, 6; 2:1-5). Ireo loholona indrindra indrindra no manana andraikitra amin’io lafiny io rehefa mampianatra ny kongregasiona. Na rehefa mitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izany, na ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na rehefa manao lahateny ampahibemaso na manompo amin’izay mety ho asa fampianarana, ireo loholona dia tokony hahafantatra tanteraka ilay foto-kevitra horesahiny ka ho vonona ny hanisy fiheverana ny “fahaiza-mampianatra” ananany rehefa mampita ventin-kanina ara-panahy amin’ny kongregasiona izy ireo. — 2 Timoty 4:2, NW.
Rano izay mamelombelona sy manadio
Nilaza tamin’ilay vehivavy samaritana teo am-pantsakana i Jesosy, fa izy dia hanome azy zavatra hosotroina izay hanjary “loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay”. (Jaona 4:13, 14; 17:3). Io rano manome fiainana io dia mahafaoka ireo fandaharana rehetra nataon’Andriamanitra mba hahazoana fiainana amin’ny alalan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, ary voazava ao amin’ny Baiboly izany fandaharana izany. Amin’ny maha-olona mangetaheta an’izany “rano” izany antsika, dia ekentsika ilay fanasana omen’ny fanahy sy ny ampakarin’i Kristy mba “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. (Apokalypsy 22:17). Mety hidika ho fiainana mandrakizay ny fisotroana amin’io rano io.
Ankoatra izany, ny Baiboly dia mametra ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy ho an’ny Kristiana marina. Arakaraka ny ampiharantsika an’ireny fari-pitsipika noferan’Andriamanitra ireny no mahatonga antsika hodiovin’ny Tenin’i Jehovah, ho “voasasa” amin’ireo fanao rehetra ankahalain’i Jehovah Andriamanitra. (1 Korintiana 6:9-11). Noho izany antony izany no iantsoana ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Teny ara-tsindrimandry hoe “rano fanasana”. (Efesiana 5:26). Raha tsy mamela ny fahamarinan’Andriamanitra hanadio antsika amin’izany fomba izany isika, dia tsy ho azo ekena eo imasony ny fanompoam-pivavahantsika.
Mahaliana fa ireo loholona izay “mampiasa tsara ny teny fahamarinana” dia ampitovina koa amin’ny rano. Nilaza i Isaia fa izy ireny dia toy ny “ranovelona amin’ny tany karankaina”. (Isaia 32:1, 2). Manatanteraka io filazalazana io ireo loholona be fitiavana, rehefa mitsidika ireo rahalahiny amin’ny maha-mpiandry ara-panahy azy, mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mamelombelona mba hizarana fanazavana ara-panahy mampahery sy mampionona izay manatanjaka sy manamafy. — Ampitahao amin’ny Matio 11:28, 29.a
Miandrandra ny fitsidihan’ireo loholona ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona. “Fantatro fa afaka mampitony tokoa ireo loholona, ary faly aoka izany aho fa nanao io fandaharana io i Jehovah”, hoy i Bonnie. Nanoratra toy izao i Lynda, reny mitaiza irery ny zanany: “Tamin’ireo fampaherezana araka ny Soratra Masina, dia nanampy ahy hiezaka handresy, ireo loholona. Nihaino sy nampiseho fangorahana izy ireo.” Hoy i Michael: “Nataon’izy ireo izay hahatsapako tena ho anisan’ny fandaminana iray izay miahy.” “Ireo fitsidihan’ny loholona dia nanampy ahy handresy ireo fe-potoana nisian’ny fahaketrahana mafy”, hoy ny hafa iray. Ny fitsidihana iray mampahery ara-panahy ataon’ny loholona, dia toy ny zava-pisotro mangatsiatsiaka mamelombelona. Mahazo fampiononana ireo olona toy ny ondry arakaraka ny anampian’ireo loholona be fitiavana azy ireo hahita ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina amin’ny tarehin-javatra misy azy ireo. — Romana 1:11, 12; Jakoba 5:14.
Ampiasao ho toy ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra
Rehefa mihinana ventin-kanina ny olona iray, ny zava-kendrena dia tsy hoe mba hankafizana ny tsirony fotsiny. Manantena kosa izy fa hahazo sakafo izay hahatonga azy ho afaka hiasa. Raha ankizy ny tenany, dia antenainy fa ilay sakafo dia hanampy azy hitombo ka ho tonga olon-dehibe. Mitovy amin’izany ny amin’ny sakafo ara-panahy. Afaka mitondra fahafinaretana ny fianarana manokana ny Baiboly, saingy tsy izany no hany antony anaovana azy io. Tokony hanova antsika ny sakafo ara-panahy. Manampy antsika izy io mba hamantatra sy hamokatra ny vokatry ny fanahy, ary manampy antsika mba hitafy “ilay toetra vaovao izay havaozina, amin’ny alalan’ny fahalalana araka ny marina, araka ny endrik’Ilay nahary azy”. (Kolosiana 3:10, NW; Galatiana 5:22-24). Ny sakafo ara-panahy koa dia manampy antsika hitombo ho amin’ny fahamatorana, mahatonga antsika ho afaka hampihatra tsara kokoa ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina eo amin’ny fandaminantsika ireo zava-manahirana antsika sy eo amin’ny fanampiana ny hafa handamina ny azy.
Ahoana no ahafahantsika milaza raha manana izany vokany izany eo amintsika ny Baiboly? Mampiasa ny Baiboly ho toy ny fitaratra isika. Hoy i Jakoba: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany (...). Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany.” — Jakoba 1:22-25.
‘Mandinika’ ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa mandinika akaiky azy io ka mampitaha ilay maha-isika antsika ankehitriny amin’izay tokony ho isika araka ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Amin’ny fanaovana toy izany no hahatongavantsika ho ‘mpankatò ny teny, fa tsy mpihaino fotsiny ihany’. Hisy vokany tsara dia tsara eo amin’ny fiainantsika ny Baiboly.
Ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny sabatra
Farany, dia manampy antsika ny apostoly Paoly mba hahita ny fomba ahazoantsika mampiasa ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny sabatra. Rehefa nampitandrina antsika ny “amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”, izy, dia nampirisika mafy antsika mba ‘handray ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy’. (Efesiana 6:12, 17). Ny Tenin’Andriamanitra dia fiadiana tena ilaina, izay azontsika ampiasaina mba hanesorana izay mety ho hevitra “atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra”. — 2 Korintiana 10:3-5.
Tsy misy isalasalana fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Miresaka amin’ny olombelona amin’ny alalan’ireo pejin’ny Teniny ara-tsindrimandry i Jehovah. Ampiasao tsara izy io eo amin’ny fampianarana ny hafa sy eo amin’ny fampiharihariana ireo fampianaran-diso. Ampiasao izy io mba hampaherezana, mba hampandrosoana, mba hamelombelomana, mba hampiononana sy mba hanosehana hanao asa ary mba hanatanjahana ara-panahy ny hafa. Ary enga anie i Jehovah “hahatanteraka ana[o] amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony” mba hanaovanao izay “ankasitrahana eo imasony” mandrakariva. — Hebreo 13:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana mitondra ny lohateny hoe “Miandry Amim-pangorahana ny Ondry Kely Izy Ireo”, tamin’ny 15 Septambra 1993, pejy faha-20-23.
[Sary, pejy 31]
Mampahery ny hafa ireo loholona, “mampiasa tsara ny teny fahamarinana”