Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Namaly ireo mpiampanga azy izy
SABATA ny andro. Nanasitrana lehilahy iray narary hatramin’ny 38 taona i Jesosy. Niampanga azy ho mandika ny sabata anefa ireo filoha ara-pivavahana. Namaly azy ireo toy izao i Jesosy: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.”
Na dia tao aza ny fanantitranteran’ireo Fariseo, ny asan’i Jesosy dia tsy nifanitsy tamin’izay nandraran’ny lalàna momba ny sabata. Andriamanitra no nanankina taminy ny adidy hitory sy hanasitrana, ary, sahala aminy, dia tsy nitsahatra ny nanatontosa izany isan’andro i Jesosy. Vao mainka nampirehitra ny fahatezeran’ny Jiosy anefa ny valinteniny, ka nitady izay hamonoana azy izy. Nahoana?
Satria tsy vitan’ny hoe nino izy ireo izao fa nandika ny sabata i Jesosy, fa nihevitra koa izy ireo hoe niteny ratsy izy rehefa nilaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra. Tsy taitra anefa i Jesosy fa nilaza zavatra nihoatra tamin’izy ireo ny amin’ny fifandraisana nisy tombontsoa nananany tamin’Andriamanitra. “Ny Ray tia ny Zanaka, hoy ny fanazavany, ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany.”
“Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany.” Ny Zanaka tokoa dia efa manangana ireo izay maty amin’ny heviny ara-panahy! ‘Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy, hoy ny nanampiny, ‘dia tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.’ Avy eo, dia nilaza mazava toy izao izy: “Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.”
Na dia tsy mbola nanangana olona tamin’ny heviny ara-bakiteny aza i Jesosy, dia nohazavainy tamin’ireo mpiampanga azy fa hitranga ny fananganana toy izany. “Aza gaga amin’izany, hoy izy; “fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.”
Hatreo i Jesosy dia toa tsy mbola nilazalaza ampahibemaso sy tamin’ny fomba hentitra mihitsy ny anjara asa tena lehibe noraisiny tao anatin’ny fikasan’Andriamanitra. Ireo mpiampanga azy anefa dia nahazo nihoatra noho ny fanambarany ny amin’izany raharaha izany. “Hianareo naniraka tany amin’i Jaona, ary nanambara ny marina izy”, hoy ny fampahatsiahivan’i Jesosy.
Zara raha nisy roa taona talohan’izay, Jaona Mpanao batisa dia niresaka tamin’ireny filoha ara-pivavahana jiosy ireny ny amin’Ilay ho tonga aoriany. Nampahatsiahy azy ireo i Jesosy fa taloha izy ireo dia nankasitraka tokoa an’i Jaona izay tany an-tranomaizina izao ka hoy izy taminy: “Nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ny fahazavany.” Nampahatsiahy azy ireo izany i Jesosy noho ny fanantenana ny hanampy azy, eny, ny hamonjy azy. Raha ny marina, dia tsy nila ny fanambaran’i Jaona izy.
“Fa ny asa nomen’ny Ray hovitaiko [anisan’izany ny fahagagana vao nataony indrindra], dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ny Ray.” Nanampy teny toy izao koa anefa izy: “Ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy.” Nanao fanambarana ny amin’i Jesosy Andriamanitra, ohatra tamin’ny batisany, rehefa nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako.”
Tena tsy afa-tsiny mihitsy ireo mpiampanga an’i Jesosy tamin’ny fandavana azy. Ny Soratra Masina nolazain’izy ireo fa nodinihina mihitsy no manambara ny aminy! “Fa raha mba nino an’i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, hoy ny famaranan’i Jesosy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?” Jaona 5:17-47; 1:19-27; Matio 3:17.
◆ Nahoana moa ny asan’i Jesosy no tsy fandikana ny sabata akory?
◆ Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny anjara asa tena lehibe noraisiny tao amin’ny fikasan’Andriamanitra?
◆ Mba hanaporofoana fa Zanak’Andriamanitra izy, vavolombelona inona no nampiasain’i Jesosy?