Mandraisa Fahalalana Dieny Izao sy Mandrakizay
NANORATRA boky maromaro mitondra ny lohateny hoe Tanora Lalandava i Ulrich Strunz, Alemà mpahay fizika. Hazavainy ao fa salama kokoa ny olona, rehefa manao fanatanjahan-tena sy mihinana sakafo mahasalama ary manana fomba fiaina tsara. Nolazainy koa fa mety hahaela velona izany. Tsy nampanantena anefa izy fa hiaina mandrakizay izay manaraka ny toroheviny.
Misy anefa karazana fahalalana ahazoana fiainana mandrakizay. Ary raha velona mandrakizay ianao, dia afaka handray fahalalana mahasoa mandritra ny mandrakizay. Hoy i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Hofaritantsika aloha ny atao hoe “fiainana mandrakizay.” Hojerentsika avy eo hoe inona ilay fahalalana resahina eo, ary ahoana no ahazoanao azy io.
Milaza ny Baiboly fa madiva hanova ny tany ho paradisa ara-bakiteny ny Mpamorona, ka ho ela velona ny olona ao amin’izy io. Hisy fandringanana toy ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa anefa alohan’izay. Nampitovin’i Jesosy tamin’ny “andron’i Noa” ny androntsika, ao amin’ny Matio 24:37-39. “Tsy niraharaha” ny loza hihatra aminy sy ny hafatra notorin’i Noa ny olona. Tonga àry “ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo fiara”, ka matin’ny Safodrano daholo izay tsy nety nandray ilay fahalalana nampitainy. Voatsimbina kosa anefa ny ain’i Noa sy ireo niaraka taminy tao amin’ilay sambo fiara.
Nilaza i Jesosy fa hisy “andro” toy izany koa ankehitriny. Raha miezaka hahalala ny tokony hataony ny olona iray sady manao izany, dia ho voavonjy izy sady ho afaka hiaina mandrakizay. Hatsangana amin’ny maty koa ny olona ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, ary mety tsy ho faty intsony. (Jaona 5:28, 29) Mariho ny fomba nilazan’i Jesosy ireo hevitra roa ireo. Hoy izy, rehefa niresaka tamin’i Marta momba ny fitsanganana amin’ny maty: “Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.” Voaporofo fa efa antomotra io “andro” io, izany hoe mety “tsy ho faty mihitsy” ianao.—Jaona 11:25-27.
Nanontany an’i Marta i Jesosy hoe: “Mino izany ve ianao?” Hoy izy: “Eny, Tompo ô.” Inona no havalinao, raha manontany izany anao i Jesosy? Sarotra aminao angamba ny hino hoe afaka ny tsy ho faty mihitsy ianao. Azo antoka anefa fa ho tianao ny hino izany. Alao sary an-tsaina ange ny habetsahan’ny zavatra azonao ianarana, raha “tsy ho faty mihitsy” ianao e! Hanam-potoana hianarana sy hanaovana ny zava-drehetra tsy vitanao amin’izao fotoana izao ianao. Tsy hahafinaritra anao koa ve ny hihaona indray amin’ny havanao efa maty? Fahalalana inona àry no ahazoana izany rehetra izany, ary inona no tokony hatao mba handraisana azy io?
Afaka mahazo ilay fahalalana manome fiainana ianao
Sarotra loatra ve ny mianatra momba an’Andriamanitra sy Kristy? Tsia. Marina fa tsy ho tapitra mihitsy ny zavatra azo ianarana momba izay nataon’ny Mpamorona. Tsy ny astronomia na ny lafiny hafa amin’ny siansa anefa no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa niresaka momba ny ‘fahalalana ahazoana fiainana mandrakizay’ izy. Asehon’ny Ohabolana 2:1, 5 fa ireo ‘teny’ sy ‘didy’ ao amin’ny Baiboly no ilaina hofantarina, mba hahazoana “ny fahalalana an’Andriamanitra.” Raha ny fahalalana an’i Jesosy indray no resahina, dia milaza ny Jaona 20:30, 31 fa ampy ‘hahazoana ny fiainana’ ny zavatra voasoratra ao amin’ny Baiboly.
Ampy ahafantaranao ny fomba ahazoana fiainana mandrakizay àry, ny zavatra lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Boky miavaka ny Baiboly. Noho ny fomba nampanoratan’ny Mpamorona azy io, dia afaka mandray ny fahalalana ahazoana fiainana mandrakizay ny olona, na dia tsy nahita fianarana firy aza. Afaka mianatra zava-baovao avy amin’ny Soratra Masina foana koa anefa, ny olona mahira-tsaina sy manam-potoana ary ampy fitaovana. Afaka mianatra ianao, matoa afaka mamaky ity lahatsoratra ity. Ahoana anefa no tokony hampiasanao izany fahaizana izany?
Hita eran-tany fa ny fomba tsara indrindra ahazoana io fahalalana io, dia ny fianarana ny Baiboly miaraka amin’ny olona efa mahalala azy io tsara. Vonona hiara-midinika ny Baiboly aminao any an-tranonao ny Vavolombelon’i Jehovah, toa an’i Noa izay niezaka nampita fahalalana tamin’ny mpiara-belona taminy. Mety hampiasainy amin’izany ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, na ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.a Mety ho sarotra aminao ny hino hoe “tsy ho faty mihitsy” ny olo-mahatoky ao amin’ny Paradisa an-tany. Hino izany anefa ianao, rehefa mandinika ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Inona àry no tokony hataonao raha te hiaina mandrakizay ianao, na te hahafantatra fotsiny raha azo inoana izany? Mianara Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Haharitra hafiriana ilay fianarana? Ahitana lesona fohifohy 16 ao amin’ilay bokikely 32 pejy noresahintsika teo, izay misy amin’ny fiteny an-jatony. Raha afaka manokana adiny iray isan-kerinandro kosa ianao, dia afaka mianatra amin’ilay boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ho voadinikao ao anatin’ny volana vitsivitsy ireo foto-kevitra lehibe ao amin’ny Baiboly amin’izay. Maro no niana-javatra betsaka tamin’ireo boky ireo, ka nanjary tia lalina an’Andriamanitra. Hamaly soa ny olona tena tia azy ny Mpamorona, ka hanome azy ireo fiainana mandrakizay.
Afaka mandray ilay fahalalana manome fiainana tokoa isika, ary mora ny mahita azy io. Voadika amin’ny fiteny 2 000 mahery mantsy ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Faly manampy ny tsirairay ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235. Faly koa izy ireo mizara boky ara-baiboly izay hampitombo ny fahalalanao.
Fianarana samirery
Miankina aminao irery sy ny Mpamorona ny fifandraisanareo. Miankina amin’ny ezaka ataonao samirery no hahatonga anao hifandray aminy hatrany sy ho akaiky azy. Ary izy ihany no afaka manome anao ny fiainana mandrakizay. Noho izany, dia tokony hanohy hianatra ny Teniny ianao. Mety ho mora kokoa aminao ny hanokana fotoana hianarana, raha misy olona tonga mampianatra anao tsy tapaka.
Tena tokony hokajinao tsara ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly, satria mirakitra “ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:5) Haharitra aman-taonany izy ireo amin’izay. Mety ho tsy nisy boky firy tany am-pianaranao, ka nihaino sy nandinika tsara fotsiny ianao mba hianaran-javatra. Misy fiteny 50 mahery, ohatra, any Bénin. Matetika ny olona any no mahay fiteny efatra na dimy, na dia mbola tsy namaky boky tamin’ireo fiteny ireo mihitsy aza. Tombony lehibe ho anao ny fahaizana miana-javatra avy amin’ny fihainoana sy ny fandinihana ary ny fifantohana. Vao mainka hanampy anao anefa ny boky.
Na tery aza ny tranonao, dia asio toerana mety tsara hametrahana ny Baibolinao sy ny boky ara-baiboly. Ataovy mora raisina izy ireo, nefa ataovy koa izay tsy hahasimba azy.
Fianaram-pianakaviana
Raha manan-janaka ianao, dia tokony hampitainao aminy ny zavatra nianaranao. Matetika ny ray aman-dreny no mampianatra ny zanany mba hahay zavatra maro ilainy eo amin’ny fiainana. Mety hampianariny hahandro izy ireo, na haka kitay, hantsaka, hamboly, hiompy, hanjono, ary hiantsena. Marina fa tena ilaina izany mba hivelomana. Maro anefa no tsy manampy ny zanany mba handray ny fahalalana ahazoana fiainana mandrakizay.
Mety hilaza angamba ianao hoe: ‘Tsy manam-potoana firy ange aho e!’ Fantatry ny Mpamorona izany. Efa hatry ny ela izy no nanoro ny fomba ampianarana ny ankizy ny fitsipiny. Hoy izy: “Ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:7) Nahoana raha ampiharinao io torohevitra io, ka manao fandaharam-pampianarana mety aminao? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:
1. Rehefa “mipetraka ao an-tranonao hianao”: Miezaha hiara-midinika ny Baiboly amin’ny zanakao, indray mandeha isan-kerinandro ao an-tranonareo, toy ny natao taminao ihany. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamoaka boky mety tsara hampianarana ny ankizy, na firy taona izy na firy taona.
2. Rehefa “mandeha any an-dàlana”: Miresaha aminy momba an’i Jehovah, na dia tsy mandritra ny fianaranareo Baiboly aza. Ataovy toy ny resadresaka fanaonareo andavanandro ilay izy, na toy ny rehefa manoro azy ny fomba fanaovana raharaha ianao.
3. Rehefa “mandry”: Miaraha mivavaka aminy isan-kariva.
4. Rehefa “mifoha”: Fianakaviana maro no nahita vokatra tsara, rehefa nandinika andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly isa-maraina. Ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’androb no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany.
Mifofotra erỳ ny ray aman-dreny maro, mba hahafahan’ny iray amin’ireo zanany hanao fianarana ambony. Ny zanany mantsy no antenainy hikarakara azy, rehefa antitra izy. Raha mianatra ny Baiboly anefa ianao sady manampy ny zanakao mba hianatra azy io koa, dia hanana ny fahalalana ahazoana ny fiainana mandrakizay ianareo mianakavy.
Hahalala ny zava-drehetra àry ve isika indray andro any? Tsia. Hiana-javatra foana isika, raha mbola mihodina koa ny tany. Hoy ny Mpitoriteny 3:11: “Ny zavatra rehetra samy nataon[’Andriamanitra] ho miendrika amin’ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” Hahafinaritra foana ny fianarana, ary tsy hitsahatra mihitsy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Samy navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 5]
“Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra...”
[Sary, pejy 7]
Ampio ny fianakavianao mba handray fahalalana dieny izao sy mandrakizay