Vavolombelona be zotom-po ho an’i Jehovah miara-mandroso!
VAHOAKA niasa tamin-kerim-po sy zotom-po ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Nazoto izy ireo nanatanteraka ny baikon’i Jesosy hoe: “Koa mandehana (...) dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.” — Matio 28:19, 20.
Ahoana anefa no hahafantarantsika fa nihevitra ho zava-dehibe an’io baiko io ireo mpanara-dia an’i Kristy voalohany? Porofoin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly ao amin’ny Baiboly fa vavolombelona be zotom-po ho an’i Jehovah, tena nandroso izy ireo!
SOA SY TOETRA MAMPIAVAKA HAFA
Ny fitovian’ny fomba fitenenana sy ny angaly ao amin’ny Filazantsara fahatelo sy ny bokin’ny Asan’ny apostoly no manondro fa tokana ihany ny mpanoratra azy ireo: i Lioka, ‘mpanao fanafody [mpitsabo, MN ] malala’ (Kolosiana 4:14). Anisan’ny mampiavaka azy ny resaka sy vavaka voatahiry ao amin’ny Asan’ny apostoly. Tokony ho 20 isan-jaton’ilay boky no voaforon’ny lahateny, toy ireo nataon’i Petera sy Paoly ho fanohanana ny finoana marina.
Tokony hotany amin’ny taona 61 am.fan.ir. no nanoratana ny bokin’ny Asan’ny apostoly tany Roma. Toa izany no antony tsy niresahany ny amin’ny fisehoan’i Paoly teo anatrehan’i Kaisara na ny onjam-panenjehana nalefan’i Néron tamin’ireo kristiana tany amin’ny taona 64 am.fan.ir.. — 2 Timoty 4:11.
Samy nalefa ho an’i Teofilo na ny Filazantsaran’i Lioka na ny bokin’ny Asan’ny apostoly. Nosoratana mba hanohanana ny finoana sy mba hitantarana ny amin’ny fitaran’ny kristianisma izy io (Lioka 1:1-4; Asan’ny apostoly 1:1, 2) Porofoin’ilay boky fa teo amin’ireo mpanompony nahatoky ny tanan’i Jehovah. Mampahafantatra antsika ny amin’ny herin’ny fanahiny izany ary manamafy ny fatokiantsika ireo faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Manampy antsika hiaritra fanenjehana sy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah mahafoy tena, ary mampiorina ny finoantsika ny fanantenana an’ilay Fanjakana koa ny bokin’ny Asan’ny apostoly.
FAHAMARINANA ARA-TANTARA
Noho izy niara-niasa tamin’i Paoly, dia nitantara ny dian’izy ireo i Lioka. Niresaka tamina vavolombelona nahita maso koa izy. Ireo anton-javatra ireo sy ny fikarohana feno nataony no nahatonga ny taratasiny ho sangan’asa araka izay takin’ny fahamarinana ara-tantara.
Noho izany, dia afaka niteny toy izao i Willia Ramsay, mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly: “Mpanoratra tantara anisan’ireo nahay indrindra i Lioka: tsy hoe mendri-pitokiana fotsiny ny filazany ny zava-nitranga, fa nananany ny tena fahaizana nanoratra tantara (...) Tokony halahatra ho anisan’ireo mpanoratra tantara lehibe indrindra io mpanoratra io.”
PETERA — VAVOLOMBELONA TSY NIVADIKA
Ny asa nomen’Andriamanitra ho fanambarana ny vaovao tsara dia tsy azo tanterahina raha tsy noho ny herin’ny fanahy masin’i Jehovah. Noho izany, rehefa mahazo ny fanahy masina ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia ho tonga vavolombelony any Jerosalema sy Jodia sy Samaria ary “hatramin’ny faran’ny tany”. Feno ny fanahy masina izy ireo tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.. Koa satria vao tamin’ny 9 maraina tamin’izay, dia azo antoka fa tsy mamo araka izay niheveran’ny sasany azy akory izy. Nanao fanambarana nampientana i Petera, ary 3000 no natao batisa. Nanandrana nampangina ireo mpitory ny Fanjakana ny mpanohitra ara-pivavahana, nefa ho valim-bavaka, dia nataon’Andriamanitra izay hahaizan’ny vavolombelony hilaza ny teniny amim-pahasahiana. Rehefa norahonana indray izy ireo dia namaly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona”. Nandroso ny asa satria nanohy nitory isan-trano izy. — 1:1–5:42.
Ny fiankinana amin’ny fanahin’i Jehovah no mahatonga ny vavolombelona ho afaka hiaritra fanenjehana. Noho izany, taorian’ny nitoraham-bato an’i Stefana, vavolombelona tsy nivadika, dia naely ireo mpanara-dia an’i Jesosy, nefa tsy nanao afa-tsy ny nampiely ny teny izany. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra tany Samaria i Filipo evanjelisitra. Tamin’ny fomba nahagaga dia lasa mpino i Saoly avy any Tarsisy, ilay mpanenjika nahery setra. Tamin’ny naha-apostoly Paoly azy, dia tsapany ny hafanan’ny fanenjehana tao Damaskosy, nefa dia afa-niala tamin’ny tetika famonoana nataon’ny Jiosy izy. Tsy ela, dia niaraka tamin’ireo apostoly tany Jerosalema i Paoly ary avy eo dia nanohy ny fanompoany. — 6:1-9:31.
Teo amin’ny vavolombelony ny tanan’i Jehovah, araka ny asehon’ny Asan’ny apostoly hatrany. Nanangana an’i Dorkasy (Tabita) tamin’ny maty i Petera. Tamin’ny famaliana antso iray, dia nambarany tamin’i Kornelio sy ny ankohonany ary ny namany tany Kaisaria ny vaovao tsara. Natao batisa tamin’ny naha-jentilisa voalohany tonga mpianatr’i Jesosy izy ireo. Nifarana àry ny “herinandro fitopolo”, ka izany dia mitondra antsika any amin’ny taona 36 am.fan.ir. (Daniela 9:24). Fotoana fohy taorian’izay, dia novonoin’i Heroda Agripa I ny apostoly Jakoba ary nosamboriny i Petera. Nahatsapa ny famonjen’ny anjely avy tao an-tranomaizina anefa ilay apostoly, “ary nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra” − 9:32–12:25.
DIA MISIONERA TELO NATAON’I PAOLY
Nirotsaka teo amin’ireo izay nandany hery tao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra toy ny nataon’i Paoly ny fitahiana. Nanomboka tany Antiokia any Syria ny dia misionera voalohany nataony. Tao amin’ny nosy Kyprosy, dia tonga mpino i Sergio Paolo governoran’ny tany sy ny maro hafa. Avy tany Perga any Pamfylia, dia nankany Jerosalema i Jaona Marka, fa i Paoly sy Barnabasy kosa dia nandroso hatrany Antiokia any Pisidia. Nikotrika fanenjehana ny Jiosy tany Lystra. Na dia nokapohina sy noheverina ho efa maty aza i Paoly dia sitrana indray ary nanohy ny fanompoana. Farany, dia niverina tany Antiokia any Syria izy sy i Barnabasy namarana ny diany voalohany. — 13:1-14:28.
Sahala amin’izay mifanitsy aminy tamin’ny taonjato voalohany, ny Kolejy foibe ankehitriny dia mandamina raharaha eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Ny famorana dia tsy anisan’ny zavatra “tsy maintsy hotandremana” izay mahatafiditra ‘fifadiana ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.’ (15:28, 29). Raha nanomboka ny dia faharoa i Paoly sy Barnabasy, dia niaraka taminy i Timoty. Nisy asa natao faingana taorian’ny antso hankany Makedonia. Tany Filipy, dia nisy fanambarana vokatry ny tabataba sy ny fanaovana an-tranomaizina. Afaka noho ny horohorontany anefa i Paoly sy Barnabasy ary nitory tamin’ny mpiambina sy ny ankohonany izay tonga mpino vita batisa. — 15:1-16:40.
Tokony ho mpianatra marisika ny Tenin’i Jehovah ireo mpanompony, sahala amin’i Paoly sy ireo Beriana mpandinika ny Soratra masina. Tao amin’ny Areopago tany Atena no nanaovany fanambarana ny amin’ny maha-Mpamorona an’i Jehovah, ka tonga mpino ny sasany. Betsaka aoka izany ny fahalianana hita tao Korinto ka nijanona tao amin’io tanàna io nandritra ny 18 volana izy. Raha mbola tany izy, dia nanoratra ny taratasy voalohany sy faharoa ho an’ny Tesaloniana. Nisaraka tamin’i Silasy sy Timoty ilay apostoly ka nandeha an-tsambo nankany Efesosy, avy eo dia niondrana ho any Kaisaria, ary nanohy ny diany hatrany Jerosalema. Rehefa niverina tany Antiokia any Syria izy, dia nifarana ny diany misionera faharoa. — 17:1-18:22.
Araka ny nasehon’i Paoly, dia tapany tena lehibe amin’ny fanompoana kristiana ny fitoriana isan-trano. Ny fihodinana fahatelo (52-56 am.fan.ir.) nataon’ilay apostoly dia nanaraka akaiky ny lalany tamin’ny diany faharoa. Ny fanompoan’i Paoly dia nahatonga fanoherana tany Efesosy izay nanoratany ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana. Tany Mileto dia nivory niaraka tamin’ireo loholon’i Efesosy i Paoly, ary niresaka ny amin’ny nampianarany azy ireo ampahibemaso sy tao amin’ny isan-trano izy. Nifarana teo amin’ny fahatongavany tany Jerosalema ny diany fahatelo. — 18:23–21:14.
FANENJEHANA TSY NANDAITRA
Tsy nampikombona ny vavan’ny Vavolombelon’i Jehovah nahatoky akory ny fanenjehana. Noho izany, rehefa nirongatra tampoka namely an’i Paoly ny vahoaka nahery setra tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, dia nanao fanambarana tamin-kasahiana tamin’ireo mpitabataba nisamboaravoara izy. Nandamoka ny teti-dratsy hamonoana azy rehefa nalefa tany amin’i Feliksa governora any Kaisaria niaraka tamina miaramila mpiambina i Paoly. Notanana am-ponja roa taona i Paoly satria niandry kolikoly izay tsy tonga mihitsy i Feliksa. Ren’i Festosy mpandimby azy fa nangataka hiseho eo anatrehan’i Kaisara i Paoly. Talohan’ny nitodihany loha hankany Roma anefa, dia nanao fiarovan-tena nampientana ny fo teo anatrehan’ny mpanjaka Agripa izy. — 21:15–26:32.
Tsy matahotra ny fitsapana ireo mpanompon’i Jehovah ka mitory hatrany. Azo antoka fa marina izany raha ny amin’i Paoly. Noho izy nangataka hiseho teo anatrehan’i Kaisara, dia nanomboka nankany Roma niaraka tamin’i Lioka izy tany amin’ny taona 58 am.fa.ir.. Tany Myra, any Lykia, dia nifindra sambo hafa izy ireo. Na dia vaky sambo sy nipetraka tao amin’ny nosy Melta aza izy ireo, dia nisy sambo hafa nitondra azy ireo nankany Italia tatỳ aoriana kokoa. Na dia teo ambany fiambenan’ny miaramila aza izy tany Roma, dia niantso ny vahoaka ho ao aminy i Paoly ary nanambara taminy ny vaovao tsara. Nandritra io fanaovana azy an-tranomaizina io no nanoratany ny taratasy ho an’ny Efesiana, sy ny Filipiana, ho an’ny Kolosiana sy Filemona ary ho an’ny Hebreo. — 27:1–28:31.
MANDROSO MANDRAKARIVA
Ahariharin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly fa nanohy tamim-pahatokiana ny asa natomboky ny Zanak’Andriamanitra ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Eny, teo ambany herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, dia nanao fanambarana tamin-jotom-po izy ireo.
Noho ireo mpanara-dia an’i Jesosy voalohany niankina tamim-bavaka tamin’Andriamanitra, dia nomba azy ireo ny tanany. An’arivony maro àry no tonga mpino, ary ‘notorina teny ambanin’ny lanitra rehetra teny ny filazantsara’ (Kolosiana 1:23). Marina tokoa fa na tamin’izany na amin’izao, dia niseho ho Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po miara-mandroso ny kristiana marina.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
KORNELIO ILAY KAPITENY: Miaramila manamboninahitra, na kapiteny tamin’ny antokon’ny tafika i Kornelio (10:1). Avo dimy heny eo ho eo noho ny an’ny miaramila an-tongotra ny karaman’ny kapiteny isan-taona, na denaria 1200, nefa mety ho be kokoa noho izany aza. Ambonin’ny fisotroana ronono, dia nahazo fanomezana vola na tany izy. Narevaka ny fanamiany, nanomboka tamin’ny fiarovan-doha volafotsy ka hatramin’ny fitafiana sahala amin’ny zipo, kapaoty volonondry tsara tarehy, ary fiarovan-dranjo nisy haingony. Amin’ny ankapobeny dia voaforon’ny lehilahy zato ny antokona miaramila fehezin’ny kapiteny iray, nefa indraindray dia 80 monja no mitovitovy amin’izany. Toa avy tamin’ireo olom-pirenena romana sy ireo olona afaka tao Italia ireo vao nilatsaka tao amin’ilay “antokon’ny miaramila atao hoe Italiana”.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
VAVAKA TAO AN-TAMPON-TRANO: Tsy nirehareha akory i Petera rehefa nivavaka irery teny an-tampon-trano (10:9). Nety ho nanakona azy tsy ho tazana ny arofanina nanodidina ilay tafo marin-tampona (Deoteronomia 22:8). Toeram-pialan-tsasatra sy fialana amin’ny tabataba eny amin’ny arabe ny takariva koa ny tampon-trano.
[Efajoro, pejy 25]
NOHEVERINA HO ANDRIAMANITRA NAKA ENDRIK’OLOMBELONA: Ny fanasitranan’i Paoly ny lehilahy nalemy tongotra iray no nahatonga ny mponina tany Lystra hihevitra fa niseho ho olona ny andriamanitra (14:8-18). Nanana tempoly tao amin’io tanàna io i Zeosy, filohan’ny andriamanitra grika, ary nalaza noho ny fahaiza-mandaha-teny i Hermesy zanany, ilay mpitondra hafatr’ireo andriamanitra. Noho izany dia nihevitra an’i Paoly ho Hermesy ny olona satria izy no nitarika ny fitenenana, ary nanao an’i Barnabasy ho Zeosy. Fanao ny manisy fehiloha ny sampy natao hivavahana amin’ny voninkazo na amin’ny ravina kipreso na kesika, nefa nanda ny fomba fitondra feno fanompoan-tsampy toy izany i Paoly sy Barnabasy.
[Efajoro/Sary, pejy 25]
NINO ILAY MPIAMBINA: Rehefa namoa ny varavaran’ny tranomaizina ny horohorontany iray ka namaha ny fatoran’ireo mpigadra, dia nitady hamono tena ilay mpiambina filipiana (16:25-27). Nahoana? Satria nilaza ny lalàna romana fa tsy maintsy hiharan’ny sazin’ny mpigadra afa-nandositra ny mpiambina. Niharihary fa toa naleon’ilay mpiambina maty namono tena toy izay hanandrana fahafatesana avy amin’ny fampijaliana, izay azo antoka fa niandry ny sasany tamin’ireo mpigadra. Nanaiky ny vaovao tsara anefa izy, ary “natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra”. — 16:28-34.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
FANGATAHANA HOTSARAIN’I KAISARA: Tamin’ny naha-olom-pirenena romana azy hatramin’ny nahaterahana dia nanana zo hangataka hotsarain’i Kaisara sy hotsaraina any Roma i Paoly (25:10-12). Tsy azo afatotra na kapohina na sazina tsy nandalo fitsarana ny olom-pirenena romana iray. 16:35-40; 22:22-29; 26:32.
[Sary nahazoan-dalana]
Musei Capitolini, Rome
[Efajoro/Sary, pejy 26]
MPIKARAKARA NY TEMPOLIN’I ARTEMISY: Nikorontan-tsaina tamin’ny fitoriana nataon’i Paoly i Demetrio mpanefy volafotsy ka nampirisika ny hisian’ny tabataba. Noravan’ny mpitahiry ny didy tao Filipia anefa ny vahoaka (19:23-41). Ireo mpanefy volafotsy dia nanao sary volafotsy kely nampiseho ny faritra masina indrindra amin’ny tempoly izay nisy ny tsangambaton’i Artemisy, ilay andriamani-bavin’ny fahavokarana nanana nono maro be. Nifaninana tamin’izy samy izy ireo tanàna mba hahazoana ny voninahitra ho tonga ny ne·o·koʹros, na “mpikarakara ny tempoliny”.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
LOZA TANY AN-DRANOMASINA: Rehefa namely mafy ny sambo nitondra an’i Paoly ny tafio-drivotra mahery natao hoe Eorakylona, “dia saiky tsy nahazo ny salopy” izy ireo (27:15, 16). Sambo kely izay mazàna mifatotra amin’ny sambo ny salopy. Ny sambo dia nitondra tady mahazaka be izay azo ahodidina ny vatan-tsambo mba hiarovana azy sy mba tsy hanimba azy amin’ny fisintonana vokatry ny fiasan’ny andrin-tsambo mandritra ny tafio-drivotra (27:17). Nandatsaka vatofantsika efatra ireo tantsambo ary novahany ny fatoran’ny fivoy familian-tsambo, na fivoy entina amiliana ny sambo (27:29, 40). Ny lohasambon’i Aleksandria dia nanana sarin’ny “Zanak’i Zeosy” — Kastora sy Poloksa, noheverina ho mpiaro ny tantsambo. — 28:11.