FIBEBAHANA
Ny matoanteny hoe “mibebaka” dia midika hoe “miova hevitra ny amin’izay efa natao (na nokasaina hatao), na miova hevitra ny amin’ny fitondran-tena efa narahina (na nokasaina harahina), satria manenina na tsy afa-po.” Midika koa izy io hoe “manenina, torotoro fo, na mahatsiaro ho meloka, noho ny zavatra natao na tokony ho natao fa tsy natao.” Izany no hevitr’ilay teny hebreo hoe naham ao amin’ny andinin-teny maro. Mety hidika koa izy io hoe “manenina, mitandrina fe-potoana fisaonana, mibebaka” (Ek 13:17; Ge 38:12; Jb 42:6), na koa “mampionon-tena” (2Sa 13:39; Ezk 5:13), “manaisotra” (ohatra hoe manaisotra fahavalo). (Is 1:24) Na nenina na fampiononana no andikana ny hoe naham, dia hita fa fiovan-kevitra na fiovan’ny fihetseham-po no tiana horesahina.
Amin’ny teny grika, dia ireto matoanteny roa ireto no ampiasaina mba hilazana olona mibebaka: metanôeô sy metamelômai. Fitambaran’ny meta sy ny nôeô ny hoe metanôeô. Midika hoe “aoriana” ny hoe meta, ary midika hoe “mahafantatra, mahazo hevitra, mahatakatra, mahalala” ny hoe nôeô, izay misy ifandraisany amin’ny hoe nos (izany hoe ny saina, na ny toe-tsaina, na ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy). Midika ara-bakiteny hoe fahalalana aoriana àry ny hoe metanôeô (mifanohitra amin’ny hoe fahalalana mialoha), ka milaza fiovan’ny hevitra na fihetsika na fikasana. Inona kosa no dikan’ny hoe metamelômai? Avy amin’ilay matoanteny hoe melô, izay midika hoe “miahy na liana amin’ny”, izy io. Misy an’ilay tovona hoe meta (izay midika hoe aoriana) io matoanteny io, ka lasa midika hoe ‘manenina’ (Mt 21:30; 2Ko 7:8), na ‘mibebaka.’
Ny metanôeô dia manasongadina ny fiovan’ny fomba fihevitra na ny toe-tsaina, izany hoe lasa heverina ho ratsy ka ialana ny zavatra efa natao (na nokasaina hatao), na ny fitondran-tena efa narahina (na nokasaina harahina). (Ap 2:5; 3:3) Ny metamelômai kosa manasongadina ny fihetseham-po, izany hoe ny nenina tsapa. (Mt 21:30) Manazava toy izao ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (nataon’i G. Kittel, Boky Faha-4, p. 629): “Rehefa avahan’ny Test[amenta] V[aovao] ny hevitr’[ireo teny ireo], dia midika izany fa samy manana ny heviny izy ireo. Matetika kosa anefa no tsy navahan’ny olona niteny grika ny hevitr’ireo teny roa ireo.”—Nadikan’i G. Bromiley, 1969.
Matetika tokoa no miova ny fihetseham-pon’ny olona, rehefa miova ny fomba fiheviny. Na, mety hanenina izy aloha, izay vao hiova tanteraka ny fomba fiheviny na ny zavatra tiany hatao. (1Sa 24:5-7) Mifandray akaiky àry ireo teny roa ireo, na dia samy manana ny heviny aza.
Fibebahana noho ny fahotana. Mila mibebaka ny olona satria manota. Manota ny olona iray rehefa tsy mahavita manaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra. (1Jn 5:17) Namidin’i Adama ho andevon’ny ota ny taranany rehetra, ka mila mibebaka daholo ny olombelona. (Sl 51:5; Ro 3:23; 5:12) Hazavain’ilay lahatsoratra hoe FAMPIHAVANANA fa tsy maintsy mibebaka ny olona iray (ary avy eo miova), raha te hihavana indray amin’Andriamanitra.
Mety ho noho ny fomba fiainany manontolo no ibebahan’ny olona iray, satria mifanipaka amin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony izany, fa mifanaraka kosa amin’ilay tontolo fehezin’i Satana fahavalon’Andriamanitra. (1Pe 4:3; 1Jn 2:15-17; 5:19) Mety ho noho ny lafiny iray amin’ny fiainany koa no ibebahany, ohatra hoe nanjary nanana fahazaran-dratsy iray izy, ka izany no nanimba ny fitondran-tenany izay azo lazaina hoe tsara amin’ny ankapobeny. Mety ho fahotana indray mandeha monja koa no ilana hibebahana, eny fa na dia ny fanirian-dratsy sy ny toe-tsaina ratsy fotsiny aza. (Sl 141:3, 4; Oh 6:16-19; Jk 2:9; 4:13-17; 1Jn 2:1) Mety ho fahadisoana maro àry no ilana hibebahana, nefa mety ho fahadisoana iray voafaritra tsara koa.
Samy hafa foana ny halehiben’ny fahotana. Arakaraka ny halehiben’ny fahotana nataon’ny olona iray àry no tokony ho halehiben’ny nenina tsapany. “Lehibe”, ohatra, ny fikomian’ny Israelita tamin’i Jehovah, ary “lany hery tanteraka” izy ireo noho ny fahadisoany. (Is 31:6; 64:5, 6; Ezk 33:10) Nilaza koa anefa ny apostoly Paoly fa mety hoe “sendra manao fahadisoana” ny olona iray nefa tsy mahatsapa izany akory. Nampirisihiny àry ny olona araka ny fanahy mba “hiezaka hanitsy [an’ilay olona] amim-pahalemem-panahy.” (Ga 6:1) Fantatr’i Jehovah ny fahalemen’ny mpanompony ka mamindra fo amin’izy ireo izy. Tsy voatery hanenina tsy misy farany àry izy ireo, noho ny fahadisoana nataony vokatry ny tsy fahalavorariany. (Sl 103:8-14; 130:3) Afaka ny ho faly foana izy ireo, rehefa miezaka manaraka tsara ny fitsipik’Andriamanitra.—Fi 4:4-6; 1Jn 3:19-22.
Mety ho olona efa nifandray tsara tamin’Andriamanitra no mila mibebaka. Nania mantsy izy ka tsy nahazo sitraka sy fitahiana taminy intsony. (1Pe 2:25) Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra, ohatra, ny Israely ka “vahoaka masina” nofidina avy tamin’ny firenena rehetra. (De 7:6; Ek 19:5, 6) Nanjary neken’Andriamanitra ho olo-marina koa ny Kristianina, noho ilay fifanekena vaovao natao tamin’ny alalan’i Kristy. (1Ko 11:25; 1Pe 2:9, 10) Ahoana anefa raha nisy nania tamin’izy ireo? Ny fibebahana no hahafahany hifandray tsara amin’Andriamanitra indray, ka handraisany soa sy fitahiana avy amin’izany. (Je 15:19-21; Jk 4:8-10) Mbola tsy nifandray tamin’Andriamanitra mihitsy kosa anefa ny olona sasany. Eo, ohatra, ireo mpanompo sampy tany amin’ireo firenena tsy israelita, tamin’ny fotoana mbola nampanan-kery ilay fifanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’ny Israely. (Ef 2:11, 12) Eo koa ireo olona samihafa foko sy fiaviana, izay tsy anisan’ny fiangonana kristianina. Tsy maintsy mibebaka daholo ireny olona ireny vao heken’Andriamanitra ho olo-marina sy ho afaka hiaina mandrakizay.—As 11:18; 17:30; 20:21.
Mety ho olona maro no indray mibebaka, na koa olon-tokana. Noho ny fitorian’i Jona, ohatra, dia nibebaka ny tanànan’i Ninive manontolo, hatramin’ny mpanjaka ka hatramin’ny “kely indrindra”, satria samy meloka teo anatrehan’Andriamanitra izy rehetra. (Jo 3:5-9; ampit. Je 18:7, 8.) Nanaraka ny fampirisihan’i Ezra koa ny Israelita rehetra avy tany an-tsesitany, ka niaiky ny heloka niombonan’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra. Nibebaka àry izy ireo, ary ny andrianan’izy ireo no nisolo tena azy tamin’izany. (Ezr 10:7-14; ampit. 2Ta 29:1, 10; 30:1-15; 31:1, 2.) Nibebaka toy izany koa ny fiangonan’i Korinto, noho izy ireo nilefitra tamin’ny fahotana lehibe nataon’ny olona iray teo anivony. (Ampit. 2Ko 7:8-11; 1Ko 5:1-5.) Na i Jeremia sy Daniela mpaminany aza nihevitra ny tenany ho nanan-keloka koa, rehefa niaiky hoe nanota ny firenen’ny Joda ka resy.—Ft 3:40-42; Da 9:4, 5.
Ny tena fibebahana. Ny fo sy ny saina no tokony handrisika ny olona hibebaka. Tsy maintsy miaiky izy hoe tsy nety ny nataony. Tsy hiaiky izany anefa izy raha tsy manaiky hoe marina ny fitsipik’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsy hibebaka ny olona iray raha manadino na tsy mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitsipiny. (2Mp 22:10, 11, 18, 19; Jo 1:1, 2; 4:11; Ro 10:2, 3) Izany no nahatonga an’i Jehovah haniraka mpaminany sy mpitory mba hitaona ny olona hibebaka, satria be famindram-po izy. (Je 7:13; 25:4-6; Mr 1:14, 15; 6:12; Lk 24:27) Amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina kosa ankehitriny no ilazan’Andriamanitra hoe “tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza.” Ampiasain’Andriamanitra hanambara izany ny fiangonana rehefa mitory ny vaovao tsara, indrindra taorian’ny niovan’i Kornelio. (As 17:22, 23, 29-31; 13:38, 39) Ny Tenin’Andriamanitra an-tsoratra na am-bava no ‘andresen-dahatra’ ny olona, ka hahatonga azy ireo hiaiky hoe mety ny ataon’Andriamanitra, fa tsy mety kosa ny ataon’izy ireo. (Ampit. Lk 16:30, 31; 1Ko 14:24, 25; He 4:12, 13.) “Tonga lafatra” ny lalàn’Andriamanitra, “sady mamelombelona.”—Sl 19:7.
Hoy i Davida Mpanjaka: ‘Hampianariko ny lalan’Andriamanitra ny mpandika lalàna, mba hiverina aminy ny mpanota’, izay azo inoana fa Israelita toa azy ihany. (Sl 51:13) Nomena toromarika i Timoty mba tsy hiady amin’ireo Kristianina teo anivon’ny fiangonana notsidihiny, fa “halemy paika” kosa ‘rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky, fa angamba Andriamanitra hamela azy ireny hibebaka, ka hahalala marina tsara ny fahamarinana izy ireny. Dia ho tonga saina izy ireny ka ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly.’ (2Ti 2:23-26) Mety ho olona eo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra àry no asaina mibebaka, nefa mety ho olona tsy anisan’ny fiangonana koa.
Tokony heken’ilay olona hoe nanota tamin’Andriamanitra izy. (Sl 51:3, 4; Je 3:25) Azo lazaina hoe miharihary be izany raha nanevateva an’Andriamanitra an-karihary na mivantana ilay olona, na naniratsira ny anaran’Andriamanitra, na nivavaka tamin’andriamani-kafa, ohatra hoe sarivongana. (Ek 20:2-7) Kanefa na dia ny zava-dratsy mety hoheverin’ny olona hoe tsy mahakasika afa-tsy ny tenany irery aza, na koa tsy mahakasika afa-tsy izy sy ny olon-kafa iray, dia tokony hekena koa hoe fahotana amin’Andriamanitra, izany hoe fanaovana tsinontsinona an’i Jehovah. (Ampit. 2Sa 12:7-14; Sl 51:4; Lk 15:21.) Mety ho fahadisoana tsy nahy na vokatry ny tsy fahalalana no nataon’ny olona iray. Na izany aza, dia tokony hekeny hoe meloka eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra Mpanjakan’izao rehetra izao izy.—Ampit. Le 5:17-19; Sl 51:5, 6; 119:67; 1Ti 1:13-16.
Ny asa tena nimasoan’ny mpaminany dia ny hampiaiky an’ireo Israelita hoe nanota izy ireo (Is 58:1, 2; Mi 3:8-11), ohatra hoe nanompo sampy (Ezk 14:6), na nanao ny tsy rariny, na nampahory ny hafa (Je 34:14-16; Is 1:16, 17), na naloto fitondran-tena (Je 5:7-9), na tsy natoky an’i Jehovah Andriamanitra fa nitoky kosa tamin’olombelona sy ny tafika maherin’ireo firenena (1Sa 12:19-21; Je 2:35-37; Ho 12:6; 14:1-3). Nitaona ny Jiosy hibebaka ny hafatra notorin’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy Kristy. (Mt 3:1, 2, 7, 8; 4:17) Nahariharin’i Jaona sy Jesosy hoe nihevi-tena ho marina ny vahoaka sy ireo mpitondra fivavahana teo aminy, sady nihatsaravelatsihy sy nitandrina an’ireo fomban-drazana noforonin’olombelona. Nabaribarin’i Jaona sy Jesosy àry fa mpanota izy ireo, raha ny marina.—Lk 3:7, 8; Mt 15:1-9; 23:1-39; Jn 8:31-47; 9:40, 41.
Ny fo mihitsy no tokony hahazo ny hevitry ny hoe mibebaka. Tsy maintsy mahazo ny hevitr’izay reny sy hitany ny olona vao ho voatosika hibebaka, raha tsy donto ny fony. (Ampit. Is 6:9, 10; Mt 13:13-15; As 28:26, 27.) Tsy ny sain’ilay olona fotsiny no mahatakatra ny hevitr’izay ren’ny sofiny sy hitan’ny masony, fa ny zava-dehibe kokoa dia hoe ‘mahazo ny hevitr’izany [koa] ny fony.’ (Mt 13:15; Jn 12:40; As 28:27) Tsy ny sainy olona fotsiny no manaiky hoe ratsy ny nataony, fa ny fony mihitsy koa no tokony hiaiky izany. Ahoana raha efa mahalala an’Andriamanitra ny olona iray mila mibebaka? Mila ‘raketiny ao am-pony’ ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny didiny (De 4:39; ampit. Oh 24:32; Is 44:18-20) mba ho “tonga saina” izy. (1Mp 8:47) Raha tena mibebaka amin’ny fo madio izy, dia ‘hanavao ny sainy, mba handinihany tsara ka hamantarany ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’—Ro 12:2.
Hanenina sy halahelo amim-pahatsorana noho ny ratsy nataony ilay olona, raha manam-pinoana sy tia an’Andriamanitra ao am-pony ao. Raha tsapan’ireo nandika lalàna hoe tsara toetra sy be voninahitra Andriamanitra, dia hanenina mafy izy noho ny nanalany baraka ny anaran’Andriamanitra. (Ampit. Jb 42:1-6.) Raha tia ny mpiara-belona aminy koa izy, dia hanenina noho ny ratsy nataony tamin’ny hafa, sy ny ohatra ratsy nomeny, ary angamba noho ny nandotoany ny lazan’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny olona eny ivelany. Mangataka famelan-keloka izy satria te hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra sy te hanasoa ny mpiara-belona aminy. (1Mp 8:33, 34; Sl 25:7-11; 51:11-15; Da 9:18, 19) Mibebaka izy ka “torotoro fo” sy “manetry tena” (Sl 34:18; 51:17; Is 57:15), sady ‘mangovitra noho ny tenin’Andriamanitra’ izay mitaky ny hibebahany (Is 66:2). ‘Mangovitra [koa izy] hanatona an’i Jehovah sy ny hatsaran-toetrany.’ (Ho 3:5) “Nanameloka an’i Davida”, ohatra, “ny fony” tamin’izy nanisa ny vahoaka, satria hadalana izany.—2Sa 24:10.
Tsy maintsy miala tanteraka amin’ilay fanao ratsy àry ilay olona. Tokony ho tena halany sy maharikoriko azy koa ilay izy. (Sl 97:10; 101:3; 119:104; Ro 12:9; ampit. He 1:9; Jd 23.) “Ny fahatahorana an’i Jehovah” mantsy “midika ho fankahalana ny ratsy”, anisan’izany ny fanambonian-tena, sy ny fireharehana, sy ny fanao ratsy, ary ny vava fandainga. (Oh 8:13; 4:24) Tsy maintsy tia fahitsiana koa anefa ilay olona, ary tapa-kevitra mafy ny tsy hiala amin’ny lala-mahitsy, manomboka eo. Tsy tena voatosika hibebaka sy hiova izy, raha tsy mankahala ny ratsy sy tia fahitsiana. Nanetry tena, ohatra, i Rehoboama Mpanjaka rehefa tezitra taminy i Jehovah. “Nanao izay ratsy anefa i Rehoboama” tatỳ aoriana, “satria tsy tena tapa-kevitra tamin’ny fony manontolo ny hitady an’i Jehovah.”—2Ta 12:12-14; ampit. Ho 6:4-6.
Alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy alahelon’izao tontolo izao. Niresaka momba ny “alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra” ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina. Nalahelo mantsy ireo Korintianina, satria nanarin’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany. (2Ko 7:8-13) “Nanenina” (metamelômai) i Paoly tamin’ny voalohany noho izy voatery niteny mafy azy ireo ka nampalahelo azy ireo. Tsy nanenina intsony anefa izy rehefa hitany hoe alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra no tsapan’izy ireo vokatry ny nitenenany mafy azy. Nibebaka (metanôia) tamim-pahatsorana ireo Korintianina noho ny nananany toe-tsaina ratsy sy noho ny zava-dratsy nataony. Marina fa nampitondra alahelo azy ireo i Paoly, nefa fantany hoe nahasoa azy ireo izany, sady ‘tsy namoizan’izy ireo na inona na inona.’ Nahatonga azy ireo hibebaka ilay alahelon’izy ireo, ary tsy tokony hanenenany satria nanampy azy tsy hiala tamin’ny lalan’ny famonjena, sy niaro azy tsy hiverina tamin’ny zava-dratsy fanaony na hivadi-pinoana, ary nanome azy fanantenana hiaina mandrakizay. Nampifanoherin’i Paoly ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny “alahelon’izao tontolo izao” izay “mitondra fahafatesana.” Tsy noho ny finoana na noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahitsiana mantsy ny “alahelon’izao tontolo izao”, fa noho ny tsy fahombiazana, fahadisoam-panantenana, famoizan-javatra, sazy, ary henatra. (Ampit. Oh 5:3-14, 22, 23; 25:8-10.) Matetika koa izy io no mahatonga an’ilay olona ho sosotra sy hitana lolompo ary hialona. Tsy mitondra soa maharitra koa izy io, ary tsy mahatonga an’ilay olona hihatsara toetra na hanana ny tena fanantenana. (Ampit. Oh 1:24-32; 1Te 4:13, 14.) Misy voka-dratsiny ny fahotana, ary izany no mampalahelo ny olona manana ny alahelon’izao tontolo izao, fa tsy ilay fahotana nataony sy ny fahafaham-baraka naterak’izany teo amin’ny anaran’Andriamanitra.—Is 65:13-15; Je 6:13-15, 22-26; Ap 18:9-11, 15, 17-19; ampifan. Ezk 9:4.
Hita izany tamin’i Kaina. Izy no olona voalohany nasain’Andriamanitra nibebaka. Nampitandreman’Andriamanitra izy mba ‘hiova ka hanao ny tsara.’ Tsy ho resin’ny ota mantsy izy amin’izay. Tsy nibebaka tamin’ilay fankahalany anefa izy fa namela izany hitombo kosa ka nahatonga azy hamono ny rahalahiny. Nanontany azy Andriamanitra nefa tsy namaly mivantana izy. Tsy hita hoe nanenina izy raha tsy efa namoaka didim-pitsarana Andriamanitra. Tsy nenina noho ny ratsy nataony anefa izany, fa nenina noho ny sazy henjana nomena azy. (Ge 4:5-14) Nasehony tamin’izany fa “avy tamin’ilay ratsy” izy.—1Jn 3:12.
Alahelon’izao tontolo izao koa no nasehon’i Esao rehefa fantany fa nahazo an’ilay fitahiana ho an’ny lahimatoa i Jakoba rahalahiny. Efa namidiny tamin’i Jakoba anefa io zon’ny lahimatoa io ary tsy noraharahainy. (Ge 25:29-34) “Niantsoantso faran’izay mafy sy tamin’alahelo” i Esao, ka nitomany niangavy ‘fibebahana’ (metanôia), tsy ny hibebahan’ny tenany akory, fa ny “hiovan-drainy hevitra.” (Ge 27:34; He 12:17, Prot.) Nanenina noho ny zavatra nafoiny izy, fa tsy noho ilay toe-tsaina araka ny nofo izay nahatonga azy ‘hanao tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa.’—Ge 25:34.
“Nanenina [endriny hafa amin’ny hoe metamelômai]” i Jodasy rehefa avy namadika an’i Jesosy, ka niezaka namerina an’ilay tsolotra efa niadiany varotra. Namono tena izy avy eo, ka nananton-tena. (Mt 27:3-5) Azo inoana fa tsy zakany intsony ny nieritreritra hoe nahavita heloka lehibe izy, ka azo antoka koa fa homelohin’Andriamanitra. (Ampit. He 10:26, 27, 31; Jk 2:19.) Nanenina sy nahatsiaro ho meloka sy kivy ary namoy fo izy, nefa tsy naneho mihitsy an’ilay alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra, izay mahatonga ny olona hibebaka (metanôia). Tsy nitady an’Andriamanitra izy, fa ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy kosa no notadiaviny mba hiekeny ny fahotany. Namerina an’ilay vola izy, satria noeritreretiny angamba fa ho afaka hikosoka kely ny heloka vitany izany. Diso hevitra anefa izy. (Ampit. Jk 5:3, 4; Ezk 7:19.) Efa heloka ho an’i Jodasy ny namadika an’i Jesosy sy niray tsikombakomba tamin’ny nahafatesan’io olona tsy nanan-tsiny io, nefa mbola meloka ho namono tena koa izy. Nifanohitra tamin’ny fihetsik’i Petera izany nataony izany. Nibebaka tamim-pahatsorana mantsy i Petera ka nitomany tamin’alahelo be taorian’ny nandavany an’ilay Tompony. Izany no nahatafarina azy.—Mt 26:75; ampit. Lk 22:31, 32.
Tsy ny nenina sy ny ranomaso àry no amantarana hoe tena mibebaka ny olona iray, fa izay tena ao am-pony ka mahatonga azy hanenina na hitomany. Nilaza i Hosea fa nomelohin’i Jehovah ny Israely satria rehefa tojo fahoriana izy ireo dia ‘tsy tena vokatry ny fo no niantsoany vonjy taminy, na dia nidradradradra teo am-pandrianany aza’ izy ireo. “Nandany andro fotsiny tamin’ny fihinanan-kanina sy ny fisotroana divay mamy” izy ireo. “Niverina izy ireo, nefa tsy niverina ho amin’izay avo.” Fitiavan-tena fotsiny no nahatonga azy hangataka fanafahana rehefa tojo fahoriana. Na nafahana aza anefa izy ireo, dia tsy nohararaotiny hanatsarana ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izany, ary tsy nahatonga azy ireo hanaraka akaiky kokoa ny fitsipika ambony napetrak’Andriamanitra (ampit. Is 55:8-11.). “Toy ny tsipìka migoragora” izy ireo, ka tsy hahavoa mihitsy an’izay kendreny. (Ho 7:14-16; ampit. Sl 78:57; Jk 4:3.) Mety ny mifady hanina sy mitomany ary midradradradra, saingy tsy hisy dikany izany raha tsy ny fon’ireo mibebaka mihitsy no rovitiny fa tsy ny akanjony fotsiny.—Jl 2:12, 13; jereo FIFADIAN-KANINA; FISAONANA.
Fiekena ny ratsy natao. Manetry tena sy mitady an’Andriamanitra àry ny olona mibebaka (2Ta 7:13, 14; 33:10-13; Jk 4:6-10), ka mitalaho mba havelany heloka. (Mt 6:12) Tsy toa an’ilay Fariseo nihevi-tena ho marina tao amin’ny fanoharan’i Jesosy ilay olona, fa toa an’ilay mpamory hetra izay nolazain’i Jesosy hoe nikapo-tratra sady niteny hoe: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” (Lk 18:9-14) Hoy ny apostoly Jaona: “Raha hoy isika: ‘Tsy manana ota isika’, dia mamita-tena sady tsy ao amintsika ny fahamarinana. Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika, dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.”—1Jn 1:8, 9.
Asehon’i Davida, ao amin’ny Salamo 32:1-5, fa sambatra ny olona voavela heloka, fa ory kosa ny olona raha mbola tsy miaiky heloka sy mbola tsy mahazo famelana. Nanenjika an’i Davida ny eritreriny, tamin’izy niezaka nanafina ny fahotany fa mbola tsy niaiky heloka. Hoy izy: “Ritra toy ny rano azon’ny hafanana migaingaina amin’ny main-tany ny heriko.” Nijaly izy tamin’izy nitady hampangina ny feon’ny fieritreretany. Nitebiteby izy ka nihena ny heriny, ary lasa toy ny hazo tratran’ny hain-tany izy, ary toy ny hazo tsy misy hamandoana mahavelona intsony rehefa migaingaina ny andro. Toa te hilaza i Davida fa noho izy tsy niaiky fahotana, dia tsy ny sainy ihany no nijaly fa ny vatany koa na, fara faharatsiny, tsy falifaly intsony izy. Rehefa miaiky heloka amin’i Jehovah ihany ny olona vao ho voavela heloka sy ho maivamaivana. “Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.”—Oh 28:13; ampit. Js 7:19-26; 1Ti 5:24.
Modely amin’ny fieken-keloka amim-pahatsorana ny vavak’i Daniela ao amin’ny Daniela 9:15-19. Ny anaran’Andriamanitra mantsy no noeritreretiny voalohany indrindra. Rehefa nitalaho tamin’Andriamanitra koa izy, dia “tsy noho ny fahamarinanay”, hoy izy, “no italahoanay ... fa noho ny famindram-ponao lehibe.” Hita amin’ny tenin’ilay zanaka adala koa hoe niaiky ny helony tamim-panetren-tena izy. (Lk 15:17-21) ‘Manandratra ny fony sy ny tanany amin’Andriamanitra’ ny olona mibebaka amim-pahatsorana, ka miaiky ny fahotany sy mangataka famelan-keloka.—Ft 3:40-42.
Mifampiaiky heloka. Nanoro hevitra toy izao i Jakoba mpianatr’i Jesosy: ‘Aoka ianareo hifampiaiky heloka imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.’ (Jk 5:16) Ilay hoe “mifampiaiky heloka” akory tsy midika hoe misy olombelona afaka ny ho “mpanampy [“mpisolo vava”, Kat.]” olon-kafa any amin’ny Ray, satria i Kristy irery no afaka manao izany noho ny sorona fampihavanana nataony. (1Jn 2:1, 2) Tsy afaka manonitra ny fahadisoany eo anatrehan’Andriamanitra raha ny olombelona fotsiny, na fahadisoan’ny tenany izany na fahadisoan’olon-kafa, satria tsy misy olona afaka manome ny vidim-panavotana ilaina ho fandrakofam-pahotana. (Sl 49:7, 8) Afaka mifanampy anefa ny Kristianina, ary tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny vavaka ataon’izy ireo ho an’ireo rahalahiny, na dia tsy miankina amin’izany aza ny fomba hampiharan’Andriamanitra ny rariny. Ny vidim-panavotan’i Kristy ihany mantsy no ahazoana famelan-keloka. Zava-dehibe amin’Andriamanitra tokoa ny vavaky ny Kristianina hafa, rehefa mitalaho aminy izy ireo mba hanampy sy hampahery an’ilay nanota sy mila ampiana.—Jereo VAVAKA (Valim-bavaka).
Miova na miverina. Mitsahatra amin’ny ratsy nataony ny olona iray rehefa mibebaka. Miala tanteraka amin’ilay zava-dratsy izy ary tapa-kevitra ny hanao ny tsara. Hiova ilay olona raha tena vokatry ny fony izany, ka ‘hitodika amin’Andriamanitra’ izy. (As 15:3) Midika fotsiny hoe ‘miverina’ na ‘miova hevitra’ ireo matoanteny hebreo sy grika mifandray amin’ny fiovana (heb.: shov; gr.: strefô; epistrefô). (Ge 18:10; Je 18:4; Jn 12:40; As 15:36) Mandray roa ny heviny eo amin’ny lafiny ara-panahy. Eo ilay heviny hoe miala amin’Andriamanitra, izany hoe miverina amin’ny fahotana (No 14:43: “niala” [a.b.t.: niverina]; De 30:17: “mivily” [a.b.t.: miverina]). Eo koa anefa ilay heviny hoe miverina amin’Andriamanitra ka miala amin’ny ratsy.—1Mp 8:33.
Tsy ny toe-tsaina na ny zavatra lazaina fotsiny no ahitana hoe niova ny olona iray, fa tokony hiseho ‘amin’ny ataony’ koa izany ka ho hita hoe mibebaka izy. (As 26:20; Mt 3:8) ‘Mitady’ mafy an’i Jehovah amin’ny fony manontolo sy ny heriny manontolo ny olona rehefa miova. (De 4:29; 1Mp 8:48; Je 29:12-14) Midika izany fa mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ka ‘mihaino ny feony’, araka izay voalaza ao amin’ny Teniny (De 4:30; 30:2, 8); miezaka koa izy hahalala sy hankasitraka an’izay ataon’Andriamanitra sy ny sitrapony ka ‘avelany hisy heriny eo amin’ny fiainany ny fahalalana fa tia ny fahamarinana’ Andriamanitra (Da 9:13); mitandrina sy ‘manatanteraka’ ny didiny izy (Ne 1:9; De 30:10; 2Mp 23:24, 25); ‘maneho hatsaram-panahy feno fitiavana ary manao ny rariny’, sady ‘manantena foana an’Andriamanitra’ (Ho 12:6); tsy mampiasa sarivongana na sampy, ary tsy manindrahindra olona na zavatra, satria tiany ‘hitodika amin’i Jehovah ny fony ka [tsy] avelany hiovaova’, ary izy irery ihany no tiany hotompoina (1Sa 7:3; As 14:11-15; 1Te 1:9, 10); manaraka ny lalana atoron’Andriamanitra izy fa tsy manao toa an’ireo firenena (Le 20:23) na manao izay mahafinaritra azy fotsiny (Is 55:6-8). Mety hivavaka sy hanao sorona sy hifady hanina ary hitandrina fety masina ny olona iray. Tsy hisy dikany amin’Andriamanitra anefa izany raha tsy manao ny tsara sy manao ny rariny izy, ary tsy mampahory olona na tia herisetra fa mamindra fo kosa.—Is 1:10-19; 58:3-7; Je 18:11.
Tsy hisy olona hahavita izany raha tsy efa “fo vaovao sy toe-tsaina vaovao” no ao aminy. (Ezk 18:31) Inona àry no vokany rehefa manova ny fisainany sy ny tanjony ary ny antony anaovany zavatra ny olona iray? Lasa manana fomba fisaina sy toe-tsaina vaovao izy, ary manjary manana hery hanaovana ny tsara. Rehefa miezaka ny hiova ny olona, dia manjary mitafy ny “toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Ef 4:17-24) Tsy maloto fitondran-tena intsony koa izy, ary tsy mitsiriritra na manao teny henjana na mahery setra. (Kl 3:5-10; ampifan. Ho 5:4-6.) Ataon’Andriamanitra “miboiboika” ao anatin’izany olona izany ny heriny, na ny fanahiny izay manome fahendrena, ka hampahafantariny azy ny teniny.—Oh 1:23; ampit. 2Ti 2:25.
Misy vokany tokoa, araka izany, ny tena fibebahana. Mampisy hery vaovao ao amin’ilay olona mibebaka izany, ary mahatonga azy ‘hiverina’ amin’ny lala-mahitsy. (As 3:19) Afaka nilaza toy izao tamin’ny Kristianina tany Laodikia àry i Jesosy: “Aoka ianao hafana fo sy hibebaka.” (Ap 3:19; ampit. Ap 2:5; 3:2, 3.) Tokony ho hita hoe lasa ‘mazoto be’ ilay olona, ary ‘miezaka ho afa-tsiny, matahotra an’Andriamanitra, maniry mafy [hiova], ary manaporofo fa tsy manan-tsiny’ intsony. (2Ko 7:10, 11) Tsy azo lazaina hoe tena mibebaka izy raha tsy miezaka manonitra ny tsy nety nataony.—Ampit. Ezk 33:14, 15; Lk 19:8.
“Zazavao amin’ny finoana” na “kristianina zazavao” (DIEM), izany hoe vao niova finoana, no andikana an’ilay teny grika hoe neôfytôs, izay midika ara-bakiteny hoe “vao nambolena” na “vao nitsiry.” (1Ti 3:6) Tsy tokony hotendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny lehilahy toy izany, sao “hirehareha ka hihatra aminy koa ny fanamelohana azon’ny Devoly.”
Inona avy ireo “asa maty” tokony hibebahan’ny Kristianina?
Resahin’ny Hebreo 6:1, 2 fa anisan’ny “fampianarana fototra” ny “fibebahana amin’ny asa maty” sy ny “finoana an’Andriamanitra”, mbamin’ny fampianarana ny amin’ny batisa samihafa, sy fametrahan-tanana, sy fitsanganana amin’ny maty, ary fitsarana mandrakizay. Tsy misy andininy hafa ahitana ny teny hoe “asa maty”, afa-tsy ao amin’ny Hebreo 9:14. Inona avy àry no atao hoe “asa maty”? Azo inoana fa anisan’izany ny fahotana, sy ny fanaovan-dratsy, ary ny asan’ny nofo izay mitarika ho amin’ny fahafatesana. Tsy ireo fotsiny anefa, fa anisany koa izay rehetra ataon’ny olona ka manimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra, na izay zavatra hafa ataony nefa zava-poana sy tsy mitera-boka-tsoa eo amin’ny lafiny ara-panahy.—Ro 8:6; Ga 6:8.
Mbola anisan’ny “asa maty” koa ny fanamarinan-tena, izany hoe ny ezaka ataon’ny olona hanaporofoana fa olo-marina, hono, izy na dia tsy teo aza i Kristy Jesosy sy ny sorom-panavotany. Anisan’ny “asa maty”, ohatra, ny nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy sy ny olon-kafa, satria nitandrina ny Lalàna noho ny fombafomba fotsiny izy ireo, fa tsy noho ny finoana, nefa ny finoana aza no tena zava-dehibe. (Ro 9:30-33; 10:2-4) Izany no nahatonga azy ireo ho tafintohina noho ny amin’i Kristy Jesosy, ilay notendren’Andriamanitra ho ‘Mpitarika Lehibe Indrindra hahafahan’ny Israely hibebaka sy hahazo famelan-keloka.’ Tokony ho nibebaka anefa izy ireo, raha ny marina. (As 5:31-33; 10:43; 20:21) Lasa “asa maty” koa ny fitandremana ny Lalàna, raha noheverina ho mbola nanan-kery izy io nefa efa notanterahin’i Kristy Jesosy. (Ga 2:16) Lasa “asa maty” koa izay rehetra ataon’ny olona, na dia izay mety ho zava-dehibe aza, raha tsy noho ny fitiavana (fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny mpiara-belona) no anaovana izany. (1Ko 13:1-3) Tokony haseho “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana” ny fitiavana, ary ampifanarahina amin’ny sitrapon’Andriamanitra ambarany ao amin’ny Teniny. (1Jn 3:18; 5:2, 3; Mt 7:21-23; 15:6-9; He 4:12) Mibebaka amin’izay rehetra mety ho “asa maty” ny olona manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ary miala amin’ireny “asa maty” ireny ka madio ny feon’ny fieritreretany.—He 9:14.
Ny batisa (fandrobohana ao anaty rano) no nataon’Andriamanitra ho mariky ny fibebahana. Ny batisan’i Jesosy ihany no tsy toy izany. Nila natao batisa ho mariky ny fibebahana, ohatra, ny Jiosy satria tsy nankatò an’ilay fifanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra, fony mbola nanan-kery io fifanekena io. Nila natao batisa tahaka izany koa ny hafa firenena izay ‘niverina’ mba hanao fanompoana masina ho an’Andriamanitra.—Mt 3:11; As 2:38; 10:45-48; 13:23, 24; 19:4; jereo BATISA.
Tsy nibebaka. Tsy tena nibebaka ny Israely sy ny Joda. Inona no vokany? Lasa babo izy ireo, noravana indroa i Jerosalema, ary nolavin’Andriamanitra tanteraka ilay firenena tamin’ny farany. Tsy tena niverina tamin’Andriamanitra izy ireo rehefa nanarina, fa vao mainka kosa ‘niverina nanao ny fanaon’ny besinimaro, toy ny soavaly miriotra ho any an’ady.’ (Je 8:4-6; 2Mp 17:12-23; 2Ta 36:11-21; Lk 19:41-44; Mt 21:33-43; 23:37, 38) Ny fon’izy ireo mihitsy no tsy te hibebaka sy ‘hiverina.’ Tsy azon’izy ireo ny hevitr’izay zavatra reny sy hitany, ary tsy nanam-pahalalana izy ireo. Nisy ‘lamba nanarona’ ny fony. (Is 6:9, 10; 2Ko 3:12-18; 4:3, 4) Anisan’ny nahatonga izany ireo mpitondra fivavahana sy mpaminany nivadika tamin’Andriamanitra, ary koa ny vehivavy mpaminany sandoka. Vao mainka nampirisika ny olona hanao ratsy mantsy izy ireny. (Je 23:14; Ezk 13:17, 22, 23; Mt 23:13, 15) Nisy Kristianina koa naminany fa olona maro no handa rehefa hananatra sy hitaona ny olona hibebaka Andriamanitra amin’ny hoavy. Voalazan’izany faminaniana izany fa vao mainka ho mafy fo sy ho sosotra izy ireny noho ny fahoriana hanjo azy, ka hanevateva an’Andriamanitra mihitsy. Ny fandavan’izy ireny ny lala-mahitsy natoron’Andriamanitra anefa no tena nahatonga ny olana sy loza rehetra nanjo azy. (Ap 9:20, 21; 16:9, 11) ‘Manangona fahatezerana’ ho an’ny tenany izy ireny, ‘ho amin’ny andro fampiharihariana ny fitsaran’Andriamanitra.’—Ro 2:5.
Tsy afaka mibebaka intsony. ‘Minia manota’ ny olona sasany nefa efa mahalala marina tsara ny fahamarinana. Tsy afaka mibebaka intsony ny olona toy izany. Ny antony nahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy mantsy no nolaviny, ary lasa anisan’ireo nanameloka azy ho faty koa izy ireo. Toy ny hoe ‘nofantsihan’izy ireo tamin’ny hazo fijaliana indray ny Zanak’Andriamanitra, ka nalany baraka ampahibemaso.’ (He 6:4-8; 10:26-29) Fahotana tsy ahazoana famelan-keloka àry izany. (Mr 3:28, 29) Aleo aza “tsy nahalala marina tsara ny lalan’ny fahamarinana, toy izay nahalala marina tsara izany kanefa miala amin’ilay didy masina natolotra azy.”—2Pe 2:20-22.
Azo antoka fa fahotana an-tsitrapo no nataon’i Adama sy Eva satria olona lavorary izy ireo no nanota, ary nazava taminy ny didin’Andriamanitra sady azony tsara. Tsy azo alan-tsiny izy ireo, satria tsy vokatry ny fahalemen’olombelona na noho ny tsy fahalavorariana ny fahotany. Tsy nitaona azy ireo hibebaka àry Andriamanitra taorian’izay. (Ge 3:16-24) Toy izany koa no nataon’Andriamanitra tamin’ilay anjely nitarika azy mivady hanota. Fandringanana mandrakizay no hiafaran’izy io sy ireo anjely hafa nanaraka azy. (Ge 3:14, 15; Mt 25:41) Tsy lavorary kosa i Jodasy. Niaraka akaiky tamin’ilay Zanak’Andriamanitra izy nefa namadika azy. Nolazain’i Jesosy hoe “zanaky ny fandringanana” izy. (Jn 17:12) Lazaina koa hoe “zanaky ny fandringanana” “ilay lehilahy mpandika lalàna” sy mpivadi-pinoana. (2Te 2:3; jereo ANTIKRISTY; FIVADIHAM-PINOANA; LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.) “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay” ny olona rehetra voasokajy ho “osy” an’ohatra, amin’ny fotoana hitsaran’i Jesosy Mpanjaka ny olombelona. Tsy taomina hibebaka koa izy ireo.—Mt 25:33, 41-46.
Ho afaka hibebaka rehefa hatsangana amin’ny maty. Nilaza tamin’ny tanàna jiosy vitsivitsy tamin’ny taonjato voalohany i Jesosy fa hotsaraina izy ireo amin’ilay andro fitsarana ho avy. (Mt 10:14, 15; 11:20-24) Toa midika izany fa hatsangana amin’ny maty ny mponina sasany tao amin’ireny tanàna ireny. Ho afaka hanetry tena sy hibebaka izy ireo amin’izay, ka ‘hiverina’ sy hiova ary hanatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy, na dia tena sarotra tamin’izy ireo aza taloha ny nibebaka noho ny toetrany. Haringana mandrakizay ireo tsy mety miova. (Ampit. Ap 20:11-15; jereo ANDRO FITSARANA.) Ahoana kosa ny amin’ireo manahaka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, izay ninia nanohitra ny fanahin’Andriamanitra niasa tamin’ny alalan’i Kristy? Tsy hatsangana amin’ny maty izy ireo, ary tsy ho azony andosirana ny “fanamelohana ho any amin’ny Gehena.”—Mt 23:13, 33; Mr 3:22-30.
Jiolahy teo amin’ny hazo fijaliana. Azo lazaina hoe naneho finoana an’i Jesosy ilay jiolahy teo anilany, teo amin’ny hazo fijaliana. Nampanantena azy àry i Jesosy fa ho ao amin’ny Paradisa izy. (Lk 23:39-43; jereo PARADISA.) Misy mihevitra fa io fampanantenan’i Jesosy io, hono, no antoka fa hahazo fiainana mandrakizay io jiolahy io. Porofoin’ireo andinin-teny maro efa hitantsika teo aloha anefa fa tsy izany no izy. Marina fa niaiky izy hoe nanao ratsy, fa tsy mba toa an’i Jesosy izay tsy nanan-tsiny. (Lk 23:41) Tsy misy porofo anefa hoe efa ‘nankahala ny ratsy sy tia fahitsiana’ izy tamin’izay. Efa ho faty koa izy ka tsy afaka ‘niverina’ sy ‘nampiseho tamin’ny nataony hoe nibebaka.’ Tsy natao batisa koa izy. (As 3:19; 26:20) Azo inoana àry fa ho afaka hanao izany rehetra izany izy rehefa hatsangana amin’ny maty.—Ampit. Ap 20:12, 13.
Nahoana Andriamanitra no lazaina fa “manenina”, nefa izy lavorary?
Saika i Jehovah Andriamanitra foana no resahina amin’ilay teny hebreo hoe naham, rehefa ilay heviny hoe “manenina” no ampiasana azy io. Lazain’ny Genesisy 6:6, 7, ohatra, fa “nanenina i Jehovah noho ny nanaovany ny olona ambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” Tena ratsy ny zavatra nataon’ny olona ka tapa-kevitra Andriamanitra fa ‘horinganiny tsy ho eny ambonin’ny tany ny olona noforoniny.’ Notanterahiny izany rehefa nahatonga an’ilay Safodrano naneran-tany izy. Marina fa voalaza hoe “nanenina” Andriamanitra, nefa tsy midika izany hoe nanenina izy satria nanao fahadisoana tamin’izy namorona. “Tonga lafatra” mantsy izay rehetra ataony. (De 32:4, 5) Ny hoe manenina dia ny mifanohitra amin’ny hoe afa-po sy faly. Nanenina àry Andriamanitra, satria nanjary nahavita zavatra tena ratsy ny olombelona taorian’ny namoronany azy, ka voatery izy handringana azy rehetra (afa-tsy ry Noa mianakavy), ary rariny izany. ‘Tsy sitrany [mantsy] ny hahafatesan’ny ratsy fanahy.’—Ezk 33:11.
Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong: “Lazaina hoe mibebaka [naham, manenina] Andriamanitra. Izao ihany anefa no tokony handraisana an’io teny io: Manova ny fomba itondrany ny zavaboariny Andriamanitra, ka manjary manao soa na mahatonga fahoriana amin’izy ireo. Niova ny zavaboariny matoa miova Andriamanitra. Teny fampiasan’olombelona àry no ampiasaina eo ka lazaina fa mibebaka Andriamanitra.” (1894, Boky Faha-8, p. 1042) Namaritra fitsipika momba ny atao hoe tsara na ratsy Andriamanitra. Azo antoka sy marina ary tsy miovaova mihitsy ireny fitsipika ireny. (Ml 3:6; Jk 1:17) Tsy manova na miala amin’izy ireny mihitsy Andriamanitra, na inona na inona mitranga. Marina fa tonga lafatra ireny fitsipika ireny, ary manana ny fomba ampiharany azy ireny koa Andriamanitra, nefa mety ho tsara na ratsy ny fiheveran’ny zavaboariny an’ireny fitsipika ireny, sy ny fihetsiny manoloana azy ireny. Faly Andriamanitra raha tsara ny fihetsik’izy ireo manoloana azy ireny, fa manenina kosa izy raha ratsy izany. Mety hiova ho ratsy na ho tsara ny fihetsiky ny zavaboariny. Tsy manova ny fitsipiny arakaraka izany kosa Andriamanitra. Midika izany fa mety hiova ho nenina (sy famaizana na sazy vokatr’izany) ny fifaliany (sy ny fitahiana aterak’izany). Mety ho ny mifanohitra amin’izany koa no mitranga. Tsy miovaova sy azo antoka ary tsy mety diso, araka izany, ny fitsarany sy ny didim-pitsarany. Tsy ataony araka izay itiavany azy fotsiny koa izany. Tsy Andriamanitra mivadibadika àry izy.—Ezk 18:21-30; 33:7-20.
Mety hanomboka hanao vilany iray ny mpanefy tanimanga, nefa hanova azy io ho zavatra hafa raha ‘simban’ny tanany’ ilay izy. (Je 18:3, 4) Tsy te hilaza akory i Jehovah tao amin’io fanoharana io hoe mitovy amin’ny olombelona mpanefy tanimanga izy, ka ‘simban’ny tanany’ ny zavatra nataony. Ny tiany holazaina kosa dia hoe manana fahefana amin’ny olombelona izy, izany hoe manana fahefana hanova ny fifandraisany amin’ny olona arakaraka ny fihetsiky ny olona manoloana ny fahamarinany sy ny famindram-pony. (Ampit. Is 45:9; Ro 9:19-21.) Mety ‘hanenenan’i Jehovah ny loza noeritreretiny hamelezana’ firenena iray, na koa ‘hanenenany ny soa noeritreretiny hanasoavana azy’, arakaraka ny fihetsik’ilay firenena manoloana an’izay nataon’Andriamanitra ho azy talohan’izay. (Je 18:5-10) Tsy i Jehovah Mpanefy Tanimanga Lehibe àry no diso fa ny olombelona, izany hoe ilay “tanimanga.” Ny olona mantsy no nanova ny toe-pony, hany ka nanenina i Jehovah na niova ny fihetseham-pony.
Izany no tsapan’i Jehovah Andriamanitra, na olona na firenena no ifandraisany. Voalaza koa fa ‘nanenina’ i Jehovah rehefa tsy nahitsy fo taminy intsony ny mpanompony sasany, toa an’i Saoly Mpanjaka. Matoa i Jehovah manenina, dia porofo izany fa tsy mandahatra mialoha ny hoavin’ny olona izy. (Jereo FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA.) Nania i Saoly ka nanenina Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe diso izy rehefa nifidy azy ho mpanjaka, ka tokony hanenenany ny safidy nataony. Nanenina kosa izy noho i Saoly tsy nahay nanararaotra ny tombontsoa miavaka nomena azy, na dia tena afaka nanao safidy tsara aza izy. Nanenina Andriamanitra satria niova i Saoly ka voatery nanova ny fifandraisany taminy koa Izy.—1Sa 15:10, 11, 26.
Nanambara ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Saoly i Samoela mpaminany, ka nilaza hoe: “Tsy handainga ilay Hajaina Indrindra eo amin’ny Israely, sady tsy hanenina, satria tsy olombelona izy ka hanenina.” (1Sa 15:28, 29) Matetika ny olombelona no tsy mitana ny teny nataony, sy tsy manatanteraka ny fampanantenany, ary tsy manaja fifanarahana. Tsy lavorary izy ireo ka mety ho diso hevitra ary manenina avy eo. Tsy mba toy izany mihitsy kosa Andriamanitra.—Sl 132:11; Is 45:23, 24; 55:10, 11.
Nanao fifanekena tamin’ny “nofo rehetra”, ohatra, Andriamanitra taorian’ny Safodrano. Io fifanekena io no antoka fa tsy hahatonga safodrano maneran-tany intsony izy. (Ge 9:8-17) Tsy azo eritreretina mihitsy àry hoe hiova hevitra izy ka tsy hohajainy io fifanekena io, na hoe ‘hanenenany.’ Nanao fifanekena tamin’i Abrahama koa izy ka “nianiana.” Ilay fianianana nataony no “antoka ara-dalàna” ‘hampisehoana mazava kokoa amin’ireo mpandova ny fampanantenana fa tsy miova ny fikasany.’ Ilay fampanantenany sy ilay fianianana nataony no “zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana.” (He 6:13-18) Nanao fifanekena tamin’ilay Zanany koa izy ka nianiana fa ho mpisorona tahaka an’i Melkizedeka izy io. ‘Tsy hanenenany’ koa io fifanekena io.—He 7:20, 21; Sl 110:4; ampit. Ro 11:29.
Rehefa manome fampanantenana na manao fifanekena amin’ny olona anefa Andriamanitra, dia mety holazainy koa ireo fepetra tsy maintsy fenoin’izy ireo. Nampanantena an’ireo Israelita, ohatra, izy fa ho lasa ‘fananany manokana’ izy ireo, ary ho lasa “fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina”, raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniny ka manaja ny fifanekena ataony amin’izy ireo. (Ek 19:5, 6) Nanaja an’ilay fifanekena Andriamanitra, fa ny Israelita kosa tsy nanaja. Matetika izy ireo no nivadika tamin’ilay fifanekena. (Ml 3:6, 7; ampit. Ne 9:16-19, 26-31.) Nofoanan’Andriamanitra àry io fifanekena io tamin’ny farany, ary rariny tokoa ny azy. Marina fa tsy tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra, nefa ny Israelita no tompon’andraikitra feno tamin’izany satria nandika lalàna.—Mt 21:43; He 8:7-9.
Mety “hanenina” koa Andriamanitra ary tsy hanasazy an’ireo nanao ratsy, raha miova izy ireo rehefa nahazo fampitandremana. (De 13:17; Sl 90:13) Niverina tamin’Andriamanitra izy ireo, ka ‘niverina’ tamin’izy ireo koa izy. (Za 8:3; Ml 3:7) Tsy malahelo izy fa faly kosa, satria tsy sitrany ny handringana ny mpanota. (Lk 15:10; Ezk 18:32) Tsy mivaona amin’ireo fitsipiny marina mihitsy Andriamanitra, nefa manampy kosa izy mba hiverenan’ny olona aminy. Ampirisihina hiverina aminy izy ireo. Tsara fanahy Andriamanitra ka manasa azy ireo hiverina aminy. Toy ny hoe ‘mamelatra ny tanany’ izy ka milaza toy izao amin’ny alalan’ireo solontenany: ‘Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo ianareo e, sao hahatonga loza aminareo aho.’ “Aza dia manao an’izao zava-maharikoriko halako izao re ianareo e!” (Is 65:1, 2; Je 25:5, 6; 44:4, 5) Omeny fotoana ampy tsara izy ireo mba hiovana (Ne 9:30; ampit. Ap 2:20-23), ary tena mahari-po sy mandefitra izy, satria “tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2Pe 3:8, 9; Ro 2:4, 5) Tsara fanahy izy ka nasainy nanao fahagagana indraindray ireo olona nirahiny hanambara ny hafany, mba ho azo antoka fa Andriamanitra no naniraka azy ireo, ary mba hatanjaka ny finoan’ireo mihaino. (As 9:32-35) Manafay izy rehefa tsy mihaino ny hafany ny olona. Tsy ankasitrahany sy tsy arovany intsony ilay olona tsy mibebaka, ka avelany hihafy sy ho mosarena ary hiaritra fampahoriana ataon’ny fahavalo. Mety ho tonga saina izy ireo noho izany, ka hatahotra an’Andriamanitra indray, na hahatsapa fa nanao hadalana, na koa hiaiky fa zavatra tsinontsinona no nataony ho zava-dehibe.—2Ta 33:10-13; Ne 9:28, 29; Am 4:6-11.
Manam-petra anefa ny faharetany. Rehefa tonga izay fotoana izay, dia “sasatry ny manenina” izy, ka tsy miova hevitra intsony fa efa tapa-kevitra ny hanasazy. (Je 15:6, 7; 23:19, 20; Le 26:14-33) Tsy ‘eritreritra’ na ‘fikasana’ (Je 18:11; 26:3-6) intsony àry amin’izay ny hoe hanasazy, fa efa tena fanapahan-kevitra tsy azo ivalozana.—2Mp 23:24-27; Is 43:13; Je 4:28; Ze 3:8; Ap 11:17, 18.
Modely ho an’ny mpanompony rehetra Andriamanitra, satria sady vonona hamela ny helok’ireo mibebaka izy no mamindra fo. Ataony izay hahazoan’izy ireo famelan-keloka, na dia nanao fahadisoana miverimberina aza izy ireo.—Mt 18:21, 22; Mr 3:28; Lk 17:3, 4; 1Jn 1:9; jereo FAMELAN-KELOKA.