TRANO
Ireto avy no mety ho dikan’ny hoe “trano” (heb.: bayit; gr.: ôikôs na ôikia) ao amin’ny Baiboly: 1) Ankohonan’ny olona iray na ny taranany rehetra (Ge 12:1; 17:13, 23; Ob 17, 18; Mi 1:5); 2) trano fonenana (Ge 19:2-4); 3) fonja na tany nanompoan’ny olona nandevozina (Ge 40:3, 14; Ek 13:3); 4) fonenan’ny biby sy vorona (Jb 39:6; Sl 104:17); 5) tranonkala (Jb 8:14); 6) tranon’ny mpanjaka na lapa (2Sa 5:11; 7:2); 7) taranaky ny mpisorona (1Sa 2:35); 8) tarana-mpanjaka (1Sa 25:28; 2Sa 7:11); 9) tranolain’i Jehovah na tempoly ara-bakiteny sy an’ohatra (Ek 23:19; 34:26; 1Mp 6:1; 1Pe 2:5); 10) lanitra fonenan’i Jehovah (Jn 14:2); 11) toeram-pivavahana tamin’ny andriamani-diso (Mpts 9:27; 1Sa 5:2; 1Mp 16:32; 2Mp 5:18); 12) vatan’olombelona mety lo (Mpto 12:3; 2Ko 5:1-4); 13) vatana ara-panahy tsy mety lo (2Ko 5:1); 14) fasana misy ny maty rehetra (Jb 17:13; Mpto 12:5); 15) fikambanan’ireo mitovy asa (1Ta 4:21); ary 16) trano fitehirizana taratasim-panjakana (Ezr 6:1).
Ahitana endriny hafa amin’ilay teny hebreo (bayit) nadika hoe trano matetika ny anaran-tsamirery, toy ny hoe Betela (“Tranon’Andriamanitra”) sy Betlehema (“Tranon’ny Mofo”).
Fitaovana sy fomba fanorenana. Isan-karazany ny trano fahiny, toy ny ankehitriny ihany. Arakaraka ny vanim-potoana sy ny volan’ilay mpanorina ary ny fitaovana nisy, ny fomba nanorenana azy ireny. Biriky fa tsy vato, ohatra, no nampiasain’ireo nanorina an’i Babela, ary “godorao no nataony solon-drihitra.”—Ge 11:3.
Lasan’ny Israelita ny tranon’ireo Kananita noroahiny avy tao Kanana, ary azo inoana fa nalainy tahaka ny fomba fanorenan’izy ireny trano, tatỳ aoriana. (De 6:10, 11) Toa naleon’izy ireo trano vato toy izay trano biriky (Is 9:10; Am 5:11), satria mafy sy sarotra notafihina kokoa ny trano vato. Ny trano biriky mantsy mora nidiran’ny mpangalatra satria noloahany fotsiny ny rindrina. (Ampit. Jb 24:16.) Be vatosokay sy vatovary ny faritra iva nefa tsy dia tsara izy ireny, ka biriky nohamainina tamin’ny masoandro na nandrahoina tao anaty lafaoro indraindray no nanorenana trano. Aviavidia sy zenevrie ny tsivalan-kazo sy hazo nitondra ny tafo. Hazo sedera kosa ny an’ireo trano tsara kokoa.—To 1:17; Is 9:10.
Isan-karazany ny trano fahiny efa rava nofongarin’ny mpikaroka tany Palestina. Nisy lafaoro matetika teo an-tokotany ary indraindray nisy lavadrano na lavaka fanangonan-drano. (2Sa 17:18) Samy hafa be koa ny haben’ireo trano. Ny iray, ohatra, nirefy 5 m x 5 m teo ho eo monja, fa ny iray kosa 32 m x 30 m. Nirefy 3,5 m x 4,5 m teo ho eo ny efitra matetika.
Nisy trano naorina teo ambony manda (Js 2:15), nefa naleon’ny olona teo ambony vatolampy (Mt 7:24) ary nisy laharana roa na telo ny fototra vato vao natsangana ny rindrina biriky. Natao mafy tsara matetika ny fototr’ireo trano tsy azo naorina teo ambony vatolampy. Nampifanarahina tamin’ny haavon’ny rindrina vato ny halalin’ny fototra ambanin’ny tany. Vato voapaika na vato lehibe tsy voapaika nosisihana vatokely teny anelanelany no natao fototra indraindray. Nisy nahatratra 50 sm ny haavon’ny vato natao fototry ny trano biriky efa rava hitan’ny mpikaroka. Ny hafa kosa nahatratra 1 m teo ho eo. Tokotokony ho 1 m ny hatevin’ny rindrina sasany. Nolalorina fotsy ny rindrina ivelany matetika (Ezk 13:11, 15), ary nisy nopetahana vatokely ny rindrina biriky amoron-dalana mba hiarovana azy.
Nolamaina tsara sy nitovy habe ireo vato fehizoro, ary nalahatra hifanitsy tamin’izy ireny ireo vato nanorenana trano ka tsy mora nihetsiketsika. (Ampit. Sl 118:22; Is 28:16.) Tanimanga sy mololo no natao rihitra, ary nampiana sokay, lavenona, potika tanimanga sy akorandriaka, na vatosokay indraindray. Io no nanakambanana an’ireo biriky na vato, sady nandalorana ny aty rindrina. (Le 14:41, 42) Voapaika tsara erỳ anefa ireo vato indraindray, ka tsy nilana rihitra.
Ny ambany. Tany nodamaina, rarivato, biriky, na sokay ny ambany, anisan’izany ny tokotany. Lavaka teo amin’ny tany nasiana afo mazàna no nanafana ny trano, fa fatana kosa ny an’ireo trano tsara kokoa. (Je 36:22, 23) Nisy lavaka nivoahan’ny setroka teo amin’ny tafo. (Ho 13:3) Vita gorodona angamba ny efitr’ireo trano tsara tarehy, toy ny tempoly.—1Mp 6:15.
Varavarankely. Loaka mahitsizoro tamin’ny rindrina no natao varavarankely, ary antonona olona iray ny sasany. (Js 2:15; 1Sa 19:12; As 20:9) Ny varavarankely amoron-dalana no tena nasiana makarakara.—Mpts 5:28; Oh 7:6.
Varavarana. Vita tamin’ny hazo izy ireny matetika, ary nihodina tamin’ny savily (Oh 26:14) natsofoka tamin’ny tataom-baravarana sy tokonana hazo na vato. Hazo mahitsy roa no natao tolàna. (Ek 12:22, 23) Nisy fidirana roa ny trano sasany. Varavarana iray ihany anefa mazàna no nidiran’ny olona avy tany ivelany nankeo an-tokotany, ary avy teo indray izy no niditra nankany amin’ny efitra rehetra.
Haingon-trano sy fanaka. Nopetahana takelaka hazo sedera na hazo sarobidy hafa nolokoana mena volon-daoranjy ny rindrin’ny tranon’ny mpanankarena. (Je 22:14; Hg 1:4) Nopetahana takela-kazo voaravaka ivoara kosa ny an’ireo “trano ivoara” nipetrahan’ny mpanankarena sasany. (1Mp 22:39; Am 3:15) Fandriana, seza, latabatra, ary fitoeran-jiro angamba no fanaka tao an-trano, ankoatra ny kojakojan-dakozia sy harona ary sobika. (Ampit. 2Sa 4:11; 2Mp 4:10; Sl 41:3; Mt 5:15.) Nisy noravahana ivoara sy volamena ary volafotsy ny fanaky ny mpanankarena.—Ampit. Es 1:6; Am 3:12; 6:4.
Tafo sy efitra ambony. Marin-tampona ny ankamaroan’ny tafo, ka notakin’ny Lalàna ny hanasiana arofanina ho fisorohana loza. (De 22:8) Afaka nikoriana tsara ny ranonorana rehefa nisolampy kely ilay tafo. Hazo mafy tsara nampandrina izay natsofoka tao anaty rindrina no nanohana an’ilay tafo. Natsivalana teo ambonin’ireo ny hazo kely kokoa, izay norakofana rantsankazo, bararata, sy ny toy izany. Nasiana feta matevintevina teo amboniny avy eo, ary tanimanga na tanimanga sy sokay no nanaovana an’ilay feta. Mora noloahana ny tafo tanimanga toy izany, matoa nisy afaka nampidina olona malemy avy teo amin’ny tafo mba hositranin’i Jesosy. (Mr 2:4) Nanohana an’ireo hazo nipetrahan’ny tafo ny andry hazo maromaro nitsatoka tao anaty vato. Mety ho nanirian’ny ahitra ny tafo (Sl 129:6) ary mora nitete. (Oh 19:13; 27:15; Mpto 10:18) Toa namboarina sy nolamaina koa izy ireny talohan’ny fotoanan’ny orana, mba hikoriana tsara ny rano.
Nanao zavatra maro teny an-tampon-trano ny Israelita, na nilamina ny tany na tsia. (Is 22:1; Je 48:38) Nampandre vaovao avy teny, ohatra, izy ireo, na nanao zavatra teny mba ho fanta-bahoaka haingana ilay izy. (2Sa 16:22; Mt 10:27) Teny ny tahon-drongony no nohamainina. (Js 2:6) Teny koa ny olona no niresaka (1Sa 9:25), nandehandeha rehefa hariva (2Sa 11:2), nivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra na sampy (Je 19:13; Ze 1:5; As 10:9), ary natory (1Sa 9:26). Nasiana trano rantsankazo koa teny an-tampon-trano sy teny an-tokotany, rehefa Fetin’ny Fanangonam-bokatra.—Ne 8:16.
Nasiana efitra teny an-tampon-trano matetika. Nangatsiatsiaka nahafinaritra erỳ izy ireny, ka mazàna natao efitranom-bahiny. (Mpts 3:20; 1Mp 17:19; 2Mp 1:2; 4:10) Nisy rihana toy ny mahazatra kosa ny trano sasany. Tao amin’ny efitra malalaka ambony rihana na efitra teny an-tampon-trano i Jesosy sy ny mpianany no nankalaza ny Paska farany sy nisantatra ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Lk 22:11, 12, 19, 20) Toa tao amin’ny efitra ambony rihana koa ny mpianatra 120 teo ho eo no nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra tany Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33.—As 1:13-15; 2:1-4.
Nisy tohatra (azo nobataina ny an’ny tokantrano nahantra) matetika avy teo an-tokotany nankeny an-tampon-trano. Tsy voatery nandalo tao an-trano àry izay olona teny rehefa hivoaka eny amin’ny arabe. Azo natao ny niampitampita avy teny ambony tafo, satria nifanakaiky ny ankamaroan’ny trano. Ireo antony ireo angamba no nahatonga an’i Jesosy hanome an’ilay torohevitra ao amin’ny Matio 24:17 sy Marka 13:15. Tao anatiny kosa ny tohatra nankany ambony rihana, tao amin’ny trano tsara kokoa.
Narovan’ny Lalàna ny zon’ny tompon-trano. Tian’i Jehovah samy hanana ny tranony ny olona mankatò azy. (Ampit. Is 65:21.) Ho voa mafy kosa izay tsy nankatò, satria olon-kafa no hipetraka ao amin’ny trano naoriny. (De 28:30; Ft 5:2) Tsy nantsoina hanao miaramila izay lehilahy mbola tsy nitokana ny tranony vaovao.—De 20:5, 6.
Niaro ny zon’ny tompon-trano tany Israely ny lalàn’Andriamanitra. Voarara ny nitsiriritra fananan’olona, anisan’izany ny tranony (Ek 20:17), ary nomelohin’ny mpaminanin’i Jehovah ireo naka an-keriny ny tranon’ny hafa. (Mi 2:2; ampit. Ne 5:1-5, 11.) Tsy nahazo niditra an-keriny tao an-tranon’ny mpitrosa mba haka zavatra hatao antoka ny tompon-trosa. (De 24:10, 11) Azon’ny Israelita navotana izay trano nohamasininy ho an’i Jehovah, raha nandoa 120 isan-jaton’ny vidiny nanombanana azy io ho an’ny toerana masina izy. (Le 27:14, 15) Nanan-jo hanavotra ny tranony koa ireo nivarotra izany. Raha tao amin’ny tanàna tsy nisy manda, ohatra, ilay tranony, dia azony navotana foana izy io na naverina taminy rehefa taon-jobily. Raha tao amin’ny tanàna nisy manda kosa ilay trano, dia lasa fananan’ilay nividy azy raha tsy navotan’ilay tompony tao anatin’ny herintaona. Azo navotana foana anefa izay trano tao amin’ny tanànan’ny Levita. Tsy maintsy naverina tamin’ny Levita ny tranony rehefa taon-jobily, raha tsy nisy nanavotra talohan’izay.—Le 25:29-33.
Toerana nianarana momba an’Andriamanitra. Efa hatry ny ela no azo lazaina ho toeram-pampianarana momba an’i Jehovah ny tranon’ny Israelita. Nodidiana hampianatra ny zanany, ohatra, ny ray rehefa nipetraka tao an-tranony sy tamin’ny fotoana hafa. (De 6:6, 7; 11:19) Tokony hosoratana teo amin’ny tolàm-baravarana an’ohatra koa ny lalàn’Andriamanitra (De 6:9; 11:20), ary tsy azo nasiana sampy tao an-trano. (De 7:26) Nampiasaina hanaovan-javatra masina àry ny trano, ka tsy maintsy noravana izay nisy “habokana mampidi-doza.” (Jereo HABOKANA.) Nampahatsiahy an’ireo Israelita ilay lalàna momba ny habokana fa trano madio eo imason’Andriamanitra ihany no azony nipetrahana.—Le 14:33-57.
Lasa zava-dehibe tamin’ny mpanompon’i Jehovah ny fitoriana sy fampianarana isan-trano, rehefa niforona ny Fivavahana Kristianina. (As 20:20) Nanaiky hivahiny tao an-tranon’ireo “mendrika” sy “zanaky ny fiadanana” ny mpianatr’i Jesosy, ary nijanona tao mandra-pahavitan’ny fanompoany tao amin’ilay tanàna. (Mt 10:11; Lk 10:6, 7; jereo FITORIANA, MPITORY [“Isan-trano”].) Nivory tsy tapaka tao an-tranon’olona ny Kristianina vitsivitsy na ny fiangonana mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. (Ro 16:5; 1Ko 16:19; Kl 4:15; Flm 2) Tsy nampiantrano an’ireo nanda ny fampianaran’i Kristy kosa ny Kristianina.—2Jn 10.