Hainao ve ny mamakafaka amin’ny fomba mandaitra avy amin’ny Soratra Masina?
“Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ny Soratra Masina tamin’ny olona tao.” — ASAN’NY APOSTOLY 17:2.
1. Nahoana no heverintsika ho sarobidy tokoa ny Baiboly?
SAROBIDY tokoa ny Tenin’Andriamanitra! Izy, dia izy irery ihany, no manome valin’ireo fanontaniana lehibe apetraky ny olona amin’ny tenany. Izay velabelariny, dia tsy fanazavana amboniny ny amin’ny fiainana, fa ny fahamarinana. Ao amin’ny Teniny, dia ampahafantarin’i Jehovah antsika izay antenainy amintsika; ny fepetra takiny rehetra anefa dia natao hahasoa antsika. — Salamo 19:7-11; Isaia 8:17.
2. a) Rehefa manao fanambarana amin’ny mpiara-belona amintsika isika, ahoana no azontsika anampiana azy ireny hahatakatra ny loharanon’ny hafatra entintsika? b) Fanontaniana inona avy no amporisihana antsika manokana mba hoheverina?
2 Mino mafy ny Vavolombelon’i Jehovah fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly ary mety hanan-kery tsara eo amin’ny olona ny hafatra raketiny; koa nanoro hevitra mafy ny namany izy mba handinika izany (Hebreo 4:12). Rehefa mandray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso izy ireo, dia iriny ny hahatakaran’ny olona fa tsy ny fiheveran’ny tenany ihany no nampianariny, fa ny an’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany antony izany no ampiasan’izy ireo mivantana ny Baiboly sy amakiany andininy amin’izany mihitsy aza amin’ny olona iresahany, isaky ny azo atao izany. Izany ve no ataon’ny tenanao manokana? Hainao ve ny mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina miaraka amin’ny olona tso-po iray mba hanampiana azy hahatakatra sy hanaiky ny hafatra raketiny? — II Timoty 2:15.
3, 4. a) Ahoana no nanasoritana ny ilàna hampita ny tenin’Andriamanitra tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany? b) Ho amin’iza sy ho amin’inona moa no tiantsika hitarihana ny olona ampianarintsika?
3 Tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany, dia nasehon’i Jehovah tsara fa ireo solontenany dia tokony hampita ireo fanambarany fa tsy hamelabelatra ny fiheveran’ny tenany. Izany vanim-potoana teo amin’ny Tantara izany dia sary ara-paminaniana mampiseho ny antsika. Tamin’izany fotoana izany, ny ankamaroan’ny mpaminany tany Jerosalema dia nanambara izay nirin’ny olona ho re araka ny heviny fa tsy nampita tamim-pahatokiana ny tenin’i Jehovah izy ireo. Koa nanambara toy izao ny amin’izy ireny Jehovah: “Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah.” Avy eo, dia tamin-kery no nanampiany hoe: “Ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko.” — Jeremia 23:16-28.
4 ‘Nanambara marina ny tenin’i Jehovah’ i Jeremia. Isika koa dia tokony hahatsiaro ho voatery hanaraka akaiky ny Soratra Masina rehefa mampianatra ny namantsika. Tsy tiantsika ho tonga mpianatsika ny olona. Irintsika ny hivavahany amin’i Jehovah, ny hanarahany ny dian’i Jesosy Kristy sy ny hahatsapany fankasitrahana ny fandaminana itarihan’i Jehovah ireo mpanompony amin’izao andro izao. — Jereo I Korintiana 1:11-13; 3:5-7.
5. Fianarana inona no misongadina amin’ny Jaona 7:16-18 a) ho an’ireo loholona? b) ho an’izay rehetra mandray anjara amin’ny fitoriana?
5 Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho. Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany.” (Jaona 7:16-18). Na dia ny Zanak’Andriamanitra tanteraka aza dia nanalavitra tamim-pitandremana ny firesahana ho azy. Vao mainka isika tokony hanao toy izany! Rariny àry raha tokony ‘hitana mafy ny teny marina’ ireo loholona raha ny amin’ny fahaizany mampianatra (Titosy 1:9). Ny torohevitra hafa iray mety dia mety dia voasoratra ao amin’ny II Timoty 4:2, izay ilazana toy izao: “Mitoria ny teny.” Na eo anivon’ny kongregasiona na amin’ny fitoriana, dia tokony hifikitra amin’io fitsipika io isika.
6. Rehefa naseho ny olona iray ny andininy iray ao amin’ny Soratra Masina, inona mandrakariva no ilaina hatao? Manomeza ohatra.
6 Tsy milaza anefa akory izany hoe afaka mianina amin’ny famakiana andininy sasany ao amin’ny Soratra Masina isika nefa tsy hanazava izany. Mba hahazoan’ny olona tsara ny heviny, dia tena ilaina ny hanavahany ny fampiharana azy. Voamarina izany araka ny hita tamin’ilay ionoka etiopiana resahina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26-38. Io lehilahy io dia namaky ny faminanian’Isaia nefa tsy nahazo ny heviny. Kanefa, rehefa avy nahazo valin’ireo fanontaniany izy, rehefa avy nahatakatra ny dikan’izay novakiny sy nahita ny fomba nahakasihan’izany azy, dia tonga kristiana izy. Tokony hampiantsika toy izany amin’izao androntsika izao ireo izay mikatsaka ny fahamarinana ka hiahy amim-pitandremana ny amin’ny hampiasana tsara foana ny teny fahamarinana isika.
Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny Soratra masina?
7. Ohatra miavaka inona no mety hamela antsika hanatsara ny fahaizantsika mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina?
7 Namela ho antsika ny ohatra tsara indrindra eo amin’ny fahaiza-mampiasa amin’ny fomba mandaitra ny Soratra Masina i Jesosy Kristy (Matio 7:28, 29; Jaona 7:45, 46). Aoka hofakafakaintsika ny fomba fampianany; izany dia hahatonga antsika ho afaka hanatsara ny fahaizantsika manjohy hevitra avy amin’ny Soratra Masina. Hevero ireto ohatra manaraka ireto:
8. a) Fanontaniana inona no napetraky ny “mpahay lalàna anankiray” tamin’i Jesosy? b) Ahoana no navalin’i Jesosy an’io fanontaniana io, ary nahoana?
8 Ao amin’ny Lioka toko faha-10, andininy faha-25 ka hatramin’ny faha-28, dia misy firesahana ny amin’ny “mpahay lalàna anankiray” izay nitsapa an’i Jesosy tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Inona no ho navalinao teo amin’ny toerany? Inona no nataon’i Jesosy? Mety ho azony natao tokoa ny nanome nivantana ny valiny, kanefa tsikariny fa efa nanan-kevitra hentitra tsara ny amin’ilay raharaha io lehilahy io. Koa nanontaniany azy izay heviny, ny azy, tamin’izao teny izao: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakianao azy?” Hoy ny navalin’ilay lehilahy: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’; ary ‘tiava ny namanao tahaka ny tenanao’.” Hoy Jesosy taminy: “Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona hianao.” Tamin’ny toe-javatra hafa iray ny tenan’i Jesosy dia nanonona ireo didy roa ireo mba hamaliana fanontaniana iray (Marka 12:28-31). Tamin’io indray mandeha io anefa ilay lehilahy niresahany dia nahalala ny lalàn’i Mosesy ary toa ta-hahafantatra raha nanaiky izay nampianarina azy ny amin’izany i Jesosy. Navelan’i Jesosy hanana fahafahampo hanome ny valiny ny tenany.
9. a) Inona no nataon’i Jesosy mba hanampiana ny olona niresahany hahazo ny hevitry ny anankiray tamin’ireo andinin-teny notononiny? b) Nahoana no niharihary fa nandaitra io fomba io?
9 Tsy azon’io lehilahy io tsara anefa ny hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina notononiny. Koa ‘ta-hanamarina ny tenany izy ka nanao tamin’i Jesosy hoe: “Iza ary no namako?” ’ Mba hamaliana azy, dia tsy nanonona ny Baiboly indray i Jesosy. Tsy nianina tamin’ny fanomezana filazana hevi-teny ho azon’ilay niresaka taminy kianina angamba. Tsia, nampiasainy anefa ny fanoharana iray voafidy tsara sy mifanaraka tanteraka amin’izay ilain’io lehilahy io. Hanampy azy io hieritreritra ny amin’ny hevitry ny Soratra Masina io fanazavana io. Notantarain’i Jesosy taminy ny tantaran’ny Samaritana be fangoraham-po iray izay, tsy mba sahala amin’ny mpisorona iray sy ny Levita iray, fa namonjy ny mpandeha iray norobain’ny jiolahy sy nokapohiny. Noho io fanoharana natao hanohinana ny fony io, ny teny hoe ‘namana’ dia hifono ho an’io lehilahy io, heviny mbola tsy noeritreretiny mihitsy. Avy eo, ho famaranana, dia nametrahan’i Jesosy fanontaniana ilay mpihaino azy mba hahazoana antoka raha takany tsara ny hevitra vao naseho, ary nanasa azy izy mba hampihatra izany teo amin’ny fiainany. — Lioka 10:29-37.
10. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’io fomba fampianaran’i Jesosy io? b) Ahoana no hahafahantsika mampihatra izany hevitra izany rehefa mamelabelatra eny am-pitoriana ny foto-dresaka omena isika?
10 Inona no azontsika ianarana avy amin’izany fomba fampianatra izany? Voamarikao ve ireto hevitra manaraka ireto: 1) Mba hamaliana ny fanontaniana voalohany napetrak’ilay niresahany, dia nampitodika ny sainy ho amin’ny Soratra Masina i Jesosy. 2) Nanasa ilay mpahay lalàna izy mba hilaza hevitra ary nidera azy tamin-kafanam-po noho ny teniny feno fahendrena. 3) Araka ny asehon’ny andininy faha-28, dia nofantariny raha azon’ilay niresahany tsara ny fifandraisana nisy tamin’io raharaha io sy ireo andinin-tenin’ny Baiboly. 4) Notononiny ny fanoharana iray natao hanohinana ny fo mba hahazoana antoka fa azon’io lehilahy io tsara ny valiny. Raha manaraka an’io ohatra io isika, dia ho afaka hiara-hamakafaka mora kokoa amin’ny hafa avy amin’ny Soratra Masina.
“Mpampianatra ô, marina izay nolazainao”
11. a) Rehefa nametraka tamin’i Jesosy fanontaniana iray ny amin’ny fanambadiana sy ny fananganana ny maty ny Sadoseo, valinteny hentitra inona no nomeny azy ireo? b) Nahoana no tsy nijanona tamin’io valinteny io izy?
11 Ao amin’ny Lioka toko faha-20, andininy faha-27 ka hatramin’ny faha-40, dia hitantsika ny ohatra miavaka hafa iray ny amin’ny fomba azo ampiasana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba mandaitra. Nanatona an’i Jesosy ny Sadoseo sasany mba hametraka fanontaniana taminy. Nihevitra izy ireo fa hampiseho toe-javatra iray izay hanaporofo fa hadalana ny finoana ny fananganana ny maty. Ny vehivavy iray dia nanambady impito nisesy, hoy ny fanazavan’izy ireo. “Amin’ny fitsanganan’ny maty ho vadin’iza moa ravehivavy?” Niharihary fa nanampoka azy ireo ny valintenin’i Jesosy. Toa tsy noheveriny ny fetezan’ny hatsangana amin’ny maty tsy hanambady ka ho tahaka ny anjely amin’io lafiny io. Nilaina anefa ny fanaporofoan-kevitra hafa koa mba hampiaikena azy ireo ny amin’izany.
12. a) Inona no famakafakana novelabelarin’i Jesosy mba hanaporofoana ny fananganana ny maty? b) Nahoana moa izany no nety tsara indrindra tamin’ireo Sadoseo?
12 Fantatr’i Jesosy fa ny naha-sarotra ilay zava-nanahirana dia noho izy ireo nanda ny fananganana amin’ny maty. Koa nampifantoka ny sainy rehetra ho amin’io hevitra io izy. Nanovo ny fanaporofoan-keviny avy amin’ny teny nosoratan’i Mosesy (ao amin’ny Eksodosy 3:6) izay nolazain’ireo Sadoseo fa ninoana izy. Toy izao ny fanjohin-keviny: “Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’.” Afaka nanavaka fanasiana fitenenana ny amin’ny fananganana ny maty tamin’izany resaka izany anefa ve ny Sadoseo? Tsia, raha tsy efa nampian’i Jesosy hoe: “Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” Mazava izany: Manana Mpamorona ny zavatra tsy manana aina sy olona; kanefa ny olona velona ihany no afaka manana Andriamanitra ivavahana sy tompoiny. Raha maty sy nalevina Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia izay ihany, raha tsy nisy fanantenana fananganana amin’ny maty mihitsy ho azy ireo, dia tsy isalasalana fa ho nilaza toy izao tamin’i Mosesy i Jehovah: ‘Andriamanitr’izy ireo aho tamin’izany.’ Tsy izany anefa no hita. Tsy mahagaga àry raha toa, rehefa avy nandre an’i Jesosy namakafaka io foto-kevitra io avy amin’ny Soratra Masina ny mpanora-dalàna sasany, dia niaiky hoe: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.”
13. Manomeza fanipazan-kevitra vitsivitsy mety hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina. Hazavao ny hoe nahoana ny tsirairay avy amin’izy ireny no hitanao ho zava-dehibe.
13 Ahoana no mety hahazoanao na hampitomboanao fahaiza-mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina? Misy zava-dehibe maromaro: 1) Tokony hanana fahalalana tsara ny Soratra Masina ianao. Ny fianarana manokana tsy tapaka sy ny famonjena ireo fivoriana dia anton-javatra tena lehibe mahatonga ho afaka hahazo izany fahalalana izany. 2) Tena ilaina ny hanokananao fotoana mba hisaintsainana, izany hoe handinihana ao an-tsaina ireo fahamarinana araka ny Baiboly amin’ny lafiny isan-karazany mba hankamamiana izany bebe kokoa. 3) Rehefa mampianatra ianao, dia aza mitady fotsiny ny fanazavana ireo andininy, fa ireo antony araka ny Baiboly anaovana izany fanazavana izany koa. Avy eo, dia mariho eo anilan’ireo andininy tianao hampiasaina izany. 4) Eritrereto ny fomba hamohana ny hevitry ny andinin-teny sasany amin’ny olona isan-karazany. 5) Eritrereto ny fomba hahafahanao hanazava hevitra sasany. Lehibe ireo zavatra rehetra ireo rehefa tiana ny hamboly fahaiza-mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina.
Ampifanaraho amin’ny mpihaino ny famakafakana
14. Zavatra niavaka mahaliana inona tamin’ny fomba fampianarana nampiasain’i Paoly no miharihary ao amin’ny Asan’ny apostoly 17:2, 3?
14 Mpampianatra tsara dia tsara koa ny apostoly Paoly, ary azontsika atao ny mianatra zavatra be dia be amin’ny fomba fanaony. Nisy fotoana niarahan’i Lioka mpitsabo taminy tamin’ny diany, ary mendrika ny hoheverintsika ny fitantarany ny asan’i Paoly. Izao no tantarainy: “Dia tonga tao Tesalonika (izy ireo), ary nisy synagogan’ny Jiosy tao. Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra [namakafakany, MN] avy amin’ny Soratra Masina tamin’olona tao. Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy. Inona no vokatra azon’i Paoly? Nitahy ny fiezahany Andriamanitra. “Ary ny sasany tamin’ireo [ny Jiosy] dia nino (...) ary maro be koa tamin’ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja.” Tena mendrika ny hoheverina tokoa ny fomba fampianarana nampiasain’i Paoly: Tsy nianina tamin’ny famakiana ny Soratra Masina izy; namakafaka avy amin’izany izy, sady nampifanaraka ny fampianarany tamin’ireo mpihaino azy. Tsy nambarany tamin’izy ireo fotsiny ny vaovao tsara, fa nohazavainy tamin’izy ireo tamin’ny fiankinana tamin’ny porofo notsoahina avy ao amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 17:1-4). Aoka hojerentsika ny ohatra roa amin’ny fomba fampianarany:
15. a) Raha mbola niteny tamin’ny mpihaino Jiosy tany Antiokia any Pisidia i Paoly, ahoana no niezahany nanao izay hifanarahana tamin’izy ireo? b) Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe ny hanaovana izay hifanarahana amin’ny olona iresahanao eny am-pitoriana?
15 Ao amin’ny Asan’ny apostoly 13:16-41 no ahitantsika ny voalazan’ny lahateny iray notononin’i Paoly teo anoloan’ny mpihaino voaforon’ny Jiosy, tany Antiokia any Pisidia. Niezaka i Paoly mba hamorona zavatra ifanarahana tamin’ireo mpihaino azy aloha (jereo As 13 andininy faha-16 sy 17). Nahoana? Satria izany hanampy azy ireny hanaiky ny hamakafaka sy amin’ny foto-kevitra iomanany hatao. Tsy niseho ho toy ny mpikambana iray tao amin’ny kongregasiona kristiana izay tonga mba hiresaka tamin’izy ireo ny amin’i Jesosy Kristy izy. Niteny tamin’ny Jiosy izy, ka noho izany dia nihevitra ny fomba fisainany. Fantany fa ny mpihaino azy dia voaforon’ny olona matahotra an’Andriamanitra ary lazainy mazava fa ny tenany koa dia hebreo araka ny nofo, tahaka ny ankamaroan’izy ireo. Ampahatsiaroviny koa ny sasany amin’ny fisehoan-javatra lehibe teo amin’ny tantaran’ny Isiraely. Fa ahoana no ahafahany mifanaraka amin’ny mpihaino azy hatrany rehefa miresaka amin’izy ireo ny amin’i Jesosy Kristy?
16. Ahoana no nahafahan’i Paoly nanao izay hifanarahana hatrany tamin’ny Jiosy rehefa niresaka tamin’izy ireo ny amin’i Kristy izy?
16 Paoly dia mampiseho an’i Jesosy ho taranak’i Davida, ho olona nampahafantarin’i Jaona Mpanao batisa, eken’ny vahoaka amin’ny ankapobeny ho mpaminanin’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 13:22-25; Lioka 20:4-6). Fantatr’i Paoly anefa ny nahalalan’ny mpihaino azy ny fomba nandavan’ireo filoha tao Jerosalema an’i Jesosy; koa ny tenany mihitsy no nanonona izany toe-javatra izany tamin’ny fanazavana fa ny nandavana sy namonoana an’i Jesosy dia fahatanterahan’ny faminaniana indrindra (Asan’ny apostoly 13:27-29). Nasehony fa nandray anjara ny tenan’Andriamanitra ho fanohanana an’i Jesosy tamin’ny fananganana azy tamin’ny maty, ka vavolombelon’izany ny Jiosy sasany (Asan’ny apostoly 13:30, 31). Tsy niafina tamin’i Paoly fa nety ho tsy nandray tsara an’io hevitra io ny maro tamin’ny mpihaino azy; nohazavainy tamin’izy ireo àry fa nambarany ‘ny vaovao tsara ny amin’ny fampanantenana natao tamin’ny razamben’izy ireo’. Niezaka izy hanaporofo ny fanantitranterany tamin’ny fanononana voalohany indrindra ny Salamo 2:7, avy eo dia ny Isaia 55:3 ary farany dia ny Salamo 16:10. Namakafaka nifototra tamin’ity andininy farany izy ka nampiseho fa tsy nety ho tanteraka tamin’ny tenan’i Davida io, satria “tratry ny lo” izy io. Io faminaniana io àry dia tokony hihatra amin’ilay “tsy mba tratry ny lo” satria Andriamanitra nanangana azy tamin’ny maty (Asan’ny apostoly 13:31-37). Rehefa avy namelabelatra an’io hevitra io i Paoly dia namarana ny teniny tamin’ny fanosehana ny mpihaino azy hiasa. Fantany tokoa fa zava-dehibe dia lehibe ny tsy hanaovan’ireny olona ireny ho tsinontsinona ny teny nolazainy tamin’izy ireo. Be dia be tamin’izy ireny no nandray tsara ny fahamarinana. — Asan’ny apostoly 13:38-43.
17. a) Nahoana moa i Paoly no nampiseho ny fahamarinana tamin’ny fomba hafa tany Atena? b) Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny fomba narahiny tamin’izay?
17 Rehefa voatery niresaka tamin’ny mpihaino tsy Jiosy i Paoly dia nitandrina izany fotopoto-pitsipika momba ny fampianarana izany koa. Araka izany, tao amin’ny Areopago tany Atena, any Grisia, dia nampifanaraka ny fampisehoany tamin’ny toe-javatra niseho sy tamin’ny fomba fisainan’ny Ateniana izy. Naniry ny hanao izay hifanarahana tamin’ireo mpihaino azy i Paoly ka nidera azy ireo noho ny hafanam-pony ara-pivavahana. Nasiany fitenenana ny amin’ny alitara iray tao an-tanàna izay mitondra ny soratra hoe: “Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra.” Io Andriamanitra io, hoy ny nanampiny, no nambarany azy ireo (Asan’ny apostoly 17:22, 23). Manomboka eo izy dia manazava tapany amin’ny Soratra ara-tsindrimandry ary manomboka miara-mamakafaka amin’izy ireo eo amin’izany fototra izany. Noho izy manana fahalalana sasany ny literatiora grika, dia naka tenin’ireo poetan’izy ireo koa i Paoly, tsy hoe satria nanaiky azy ireny ho manam-pahefana izy, fa satria tiany ny hampiseho tamin’ireo mpihaino azy fa ny mpanoratra teo amin’izy ireo mihitsy aza dia nanaiky ny sasany tamin’ireo hevitra nasehony. Taty aoriana, dia tonga mpino ny maromaro tamin’ireo nihaino azy. — Asan’ny apostoly 17:24-31, 34.
18. Inona no mety hanampy antsika hahazo vokatra tsara rehefa miezaka hiara-hamakafaka amin’ny olona avy amin’ny Soratra Masina isika?
18 Ny vaovao tsara notorin’i Paoly tany Atena dia sahala amin’ny nambarany tany Antiokia. Matoa hafa ny fomba nampisehoany azy, dia satria hainy ny nanavaka izay tokony holazaina mba hamakafakana miaraka amin’ny olona. Ampy fiheverana azy ireny izy mba hanao ny fiezahana fanampiny, ka niteraka vokany tsara izany. Aoka koa isika hiezaka mba hamakafaka miaraka amin’ny mpiara-belona amintsika avy amin’ny Soratra Masina ary aoka isika hitady ny fitahian’i Jehovah, mba hahafahantsika hampita ny vaovao tsara amin’olona isan-karazany. — I Korintiana 9:19-23.
Inona no nianarantsika?
◻ Nahoana moa no zava-dehibe ny hampiasana mivantana ny Baiboly amin’ny fitoriana?
◻ Fotopoto-pitsipi-pampianarana tsara dia tsara inona no azo tsoahina avy amin’ny Lioka 10:25-37?
◻ Fomba fanao inona no mety hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika mamakafaka avy amin’ny Soratra Masina?
◻ Manao ahoana ny tokony hiankinan’ny fomba fiezahantsika hiara-hamakafaka amin’ny olona, amin’ny toerana iainany?