Ny fiheveranao ve no zava-dehibe kokoa?
“PRETRA lehilahy mandry amin’ny lehilahy: voazarazara indray ny Fiangonana”, izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray izay nampiseho ireo tsy fifanarahana lalina misy ao amin’ny Fiangonan’i Angletera mikasika ireo pretra lehilahy mandry amin’ny lehilahy.
“Misy toerana ho an’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy ao amin’ny Fiangonana”, hoy ny nambaran’ny filoham-pivavahana iray izay mikarakara an’ireo fiantsoana vaovao. Araka ny heviny, ny lehilahy iray mandry amin’ny lehilahy ‘manao ny marina sy maotina’ amin’ny fifandraisany amin’ny lehilahy hafa iray dia manana zo hiditra ho pretra.
Tamin’ny filazana fiheverana mifanohitra amin’izany, dia nanoratra toy izao ny pastora iray: “Ireo mpikambana amin’ny klerjy izay lehilahy mandry amin’ny lehilahy dia miaina ao anatin’ny fahotana ka tokony hiala.” Araka ny heviny, ny mpitondra fivavahana iray dia tokony ho ohatra tanteraka amin’ny fitondrantena. — The Sunday Times, Londres, 8 novambra 1987.
Tsy isalasalana fa ny tsirairay avy amin’ireo lehilahy ireo dia samy mino fa manana ny marina. Kanefa, rehefa mikasika ireo raharaha lehibe indrindra, moa ve ny fiheverantsika no tokony hoheverina kokoa? Izany no fieritreretan’ny sasany, amin’ny fiheverana fa ny tsirairay avy dia manana zo hanana ny heviny.
Kanefa, aoka hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly ny amin’izany: “Koa aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, (...) mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” — Romana 14:19; 1 Korintiana 1:10.
Noho izany, mba hiarovana ireo zavatra misy vidiny dia ny filaminana sy ny firaisan-tsaina, inona no azon’ny kristiana iray atao raha sarotra aminy ny hanaiky ireo hevitry ny kongregasiona mikasika ny raharaha lehibe iray? — Matio 5:9; 1 Petera 3:11.
Aoka hoheverintsika izay nitranga teo anivon’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, satria ny sasany dia tsy nihevitra afa-tsy ny fiheverany manokana. Aoka hojerentsika ny vokatr’izany toe-tsaina izany ary aoka isika hanontany tena hoe: ‘Inona no ho nataoko raha tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ny tenako?’
Mikasika ny famorana
Tamin’ny 36 amin’ny fanisan-taona iraisana no nandraisana an’ireo tsy voafora voalohany tao amin’ny kongregasiona kristiana. Na dia nampiomanin’Andriamanitra mialoha aza i Petera, dia talanjona izy sy ireo niaraka taminy rehefa nahita ny fanahy masina nilatsaka tamin’ireo tsy voafora (Asan’ny apostoly 10:1-6, 34-38). Sarotra tamin’ireo Jiosy maro hafa nanaiky izany tarehin-javatra izany, hany ka nanakiana an’i Petera ho mifanerasera amin’ny tsy voafora ny sasany tamin’izy ireo, “mpanohana ny famorana, [MN ]”. — Asan’ny apostoly 11:2, 3.
Nahoana no nanembantsembana an’ireo Jiosy ireo izany raharaha izany? Satria efa ho hatramin’ny 2 000 taona dia mariky ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny famorana. Rehefa nandidy an’i Abrahama Jehovah Andriamanitra mba hoforana ny lehilahy rehetra ao an-tranony, dia hoy Izy: “Ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany (...) mandrakizay.” (Genesisy 17:10-13). Fantatra àry izao hoe nahoana, no nitafy endriny lehibe foana teo imason’ireo Jiosy ny famorana, taonjato maro tatỳ aoriana. Maro tamin’izy ireo no nihevitra fa ny tsy famorana dia midika hoe maloto (Isaia 52:1). Nihevitra izy ireo fa ny vahoakan’Andriamanitra izay masina dia tsy tokony hifanerasera amin’ny Jentilisa, tsy voafora sy maloto.
Tamin’ny 49, ny apostoly Paoly izay nahavita ny diany misionera voalohany dia tsy maintsy nanandrina ny sasantsasany tamin’ireo “mpanohana ny famorana” ireo. Noho izy tany Antiokian’i Syria, dia voatarika hitantara tamin’ny kongregasiona izy hoe tamin’ny fomba ahoana no “namoahany [Andriamanitra] varavaram-pinoana ho an’ny jentilisa [tsy voafora]”. Nazava taminy fa ireny olon’ny jentilisa ireny dia tsy nila ny hoforana. Kanefa, ny olona sasany tany Jodia dia nanana fiheverana hafa. “Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy hianareo, dia tsy azo vonjena” hoy izy ireny. Nihevitra izy ireo fa ny famorana dia tena ilaina ho amin’ny famonjena ary ny Jentilisa rehetra nanaiky ny kristianisma dia tokony hoforana. — Asan’ny Apostoly 14:26 ka hatramin’ny 15:1.
Tsy isalasalana fa ny tsirairay avy dia samy nino mafy fa nanana ny marina ary afaka nampiseho fanaporofoan-kevitra misy lanjany ho fanohanana ireo heviny; nefa amin’ny fomba ahoana, ao anatin’ny toe-javatra toy izany, no hiarovana ny filaminana sy ny firaisan-tsain’ny kongregasiona? Rehefa avy nodinihina malalaka tsara ilay raharaha dia “nifanarahana [ny kongregasion’i Antiokia] ny hiakaran’izy roa lahy [Paoly sy Barnabasy] sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.” (Asan’ny Apostoly 15:2). Satria zava-dehibe ilay foto-kevitra, dia tsy nety mihitsy raha samy nijanona tamin’ny heviny ny tsirairay. Ampy fanetren-tena sy fanekena ny fandaharana teokratika ireny kristiana ireny mba hiandry fanapahan-kevitry ny antokon’olona voatendry hampianatra azy ireny. — 1 Korintiana 14:33, 40; Jakoba 3:17, 18; 1 Petera 5:5, 6.
Noraisina ny fanapahan-kevitra
Ny apostoly sy ny loholona tao Jerosalema (izay miharihary fa nekena ho mahaforona ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany) dia nandinika tamim-pitandremana ny Soratra Masina — azo tamin’ny tsindrimandry tamin’ny alalan’ny fanahy; nosaintsaininy koa ny fomba nitarihan’ny fanahy masina an’ireo fisehoan-javatra nandritra ny 13 taona nialoha. Inona no fanapahan-keviny? Tsy nilaina, mba hahavoavonjy, ny hamorana an’ireo Jentilisa nanaiky ny kristianisma (Asan’ny Apostoly 15:6-29). Noho izany, dia nisy fitarihana mazava tsara nisolo fiheverana manokana.
Ny kongregasiona izay nanaiky an’io toro lalana io dia “nihanahery finoana (...) sady nihamaro isan’andro”. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5). Ny sasany anefa dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny kolejy foibe. Nino ny amin’ny fahamarinan’ny fiheverany izy ireo: araka ny heviny, dia tena ilaina ny mitandrina ny Lalàn’i Mosesy mba hahavoavonjy. Inona no ho nataontsika tamin’izany fisehoan-javatra izany? Nanomboka nampihatra fitaomana mampidi-doza ireny olona ireny; nitondra fisaratsarahana teo amin’ny kristiana izy ireny. Aoka hodinihintsika ireo torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo kristiana nahatoky, nandritra ireo 15 taona nanaraka, mba hiarovana azy ireo amin’ny fitaoman’ireny olona tery saina ireny.
Tany Galatia, Azia Minora, tokony ho tany amin’ny 50-52 amin’ny fanisan-taona iraisana. Notandindomin-doza ny fahafahana azon’ireo kristiana tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. Satria natahotra ny henjehin’ireo fahavalony jiosy ny kristiana sasany dia ta-hampihatra ny fitsipiky ny Lalàn’i Mosesy tamin’ireo namany ao amin’ny finoana izy ireo. (Galatiana 6:12, 13). Nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo mpianatra fa amin’ny fanarahana fombafomba jiosy toy ny famorana dia manaiky “hohazonin’ny zioga fanandevozana” izy ireo. Tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza, noho izy mpanota, afaka hitandrina tanteraka ny Lalàna; homelohin’ny Lalàna tahaka an’ireo Jiosy koa àry izy ireo. Ny soron’i Jesosy ihany no afaka hanadio sy hamonjy azy ireo. “Raha mety hoforana hianareo [ary dia voatery hanatanteraka ny Lalàna rehetra àry hianareo], hoy i Paoly taminy, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.” — Galatiana 5:1-4; Asan’ny Apostoly 15:8-11.
Tany Grisia, any Korinto, tokony ho tany amin’ny 55 amin’ny fanisan-taona iraisana. Nisy fifandirana ny amin’ny famorana nampisaratsaraka ny kongregasiona. Fantatr’i Paoly fa tsy misy maha-ratsy azy akory ny famorana, satria notakin’ny Lalàn’Andriamanitra lavorary izy io taloha (Salamo 19:7; Romana 7:12). Ny tenan’i Paoly mihitsy no nampamora an’i Timoty, namany tanora, izay Jiosy ny reniny. Tsy hoe tsy maintsy natao akory izany nefa tsy ta-hanafintohina ny Jiosy izy noho ny vaovao tsara (Asan’ny Apostoly 16:3). Nampirisika an’ireo kristiana ilay apostoly mba tsy hiraharaha ny amin’ny ady hevitra izay niteraka ny fisarahana. “Misy nantsoina voafora va? hoy ny fanontaniany. Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Nisy nantsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana [amin’ny fiheverana fa ilaina amin’ny famonjena azy izany].” Ny zava-dehibe àry dia ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra izay nazava sy mora azo, anisan’izany ireo nampitaina tamin’ny alalan’ny kongregasiona kristiana. — 1 Korintiana 7:18-20; Hebreo 13:17.
Tany Grisia, any Filipia, tokony ho tany amin’ny 60-61 amin’ny fanisan-taona iraisana. Ireo izay nihevitra fa mbola teo ambanin’ny lalàn’ny jiosy ny kristiana dia tsy nety nanaiky foana ny zava-nisy; nitahy ny kongregasiona kristiana Jehovah ary nisy tsy voafora betsaka tao anatiny izao. Nanimba ny ara-panahin’ireo namany ny mpanohana ny famorana tamin’ny fametrahana tamin’ny toerana voalohany ny fiheverany manokana. Izany no nahatonga ny tenin’i Paoly ho henjankenjana kokoa: “Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa [biby noheverin’ny Jiosy ho maloto araka ny Lalàna], tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ny voakilema?” — Filipiana 3:2.
Tany Kreta, tokony ho tany amin’ny 61-64 amin’ny fanisan-taona iraisana. Namela an’i Titosy tany Kreta i Paoly mba hikarakara ny asa nataon’ny kristiana tao. Marihina fa i Titosy, izay tsy Jiosy, dia tsy noterena hoforana (Galatiana 2:3). Nangataka an’i Titosy àry i Paoly mba ho hentitra amin’ireo mpanohana ny famorana izay tonga fahavalon’ny fahamarinana. Tokony horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona mihitsy aza izy ireny raha mbola mikiry mampitranga fisaratsarahana amin’ny fampielezana ny fiheverany manokana amin’ny manodidina azy. Ilay apostoly dia niresaka ny amin’ny “maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ny voafora”. Noho izany dia hoy izy: “Tsy maintsy hotampenam-bava ireo — izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.” — Titosy 1:10, 11; 3:10, 11; 1 Timoty 1:3, 7.
Fatiantoka re izany! Nirehareha loatra ny amin’ny fiheverany manokana ireny olona ireny ka tsy nety nanaiky ny fitarihan’ny kongregasiona kristiana; mifanohitra amin’izany, dia nanakorontana ny finoan’ireo namany sy nanimba ny fifandraisany tsara tamin’Andriamanitra izy ireny. — Jereo Nomery 16:1-3, 12-14, 31-35.
Inona no hatao?
Azontsika atao ve ny tsy ho tafalatsaka ao amin’ny fahadisoana tahaka ny an’ireny olona ireny? Eny, raha miahy voalohany indrindra isika mba tsy hifanoheran’ny fiheverantsika manokana amin’ny fampianaran’ny Baiboly, rehefa mazava tsara izany. Raha ny amin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ohatra, dia hoy ny Baiboly: “Tsy hisy lovan’ilay fanjakana mihitsy ho an’ny ratsy fitondrantena, ny (...) lehilahy mandry amin’ny lehilahy.” (1 Korintiana 6:9, 10, Teny velona). Avy eo, raha toa ny torolalana iray ao amin’ny Soratra Masina ka sahala amin’ny mamela fandraisana samihafa ny heviny, dia tokony hampiseho fanetren-tena sy fanoavana tahaka an’ireo kristiana voalohany isika ka hifanaraka amin’ireo fanapahan-kevitra sy fitarihana avy amin’ny kongregasionan’Andriamanitra. Farany, amin’ireo lafiny izay amelana hanapahana hevitra manokana — raha sady tsy tsara no tsy ratsy ilay zavatra, araka ny Soratra Masina — dia tokony hohajaintsika voalohany indrindra ny filaminana ary, matetika, dia tokony ho vonona hamoy zavatra isika.
Vonona hampiseho toe-tsaina toy izany ve isika? Raha eny, dia asehontsika fa mahay mandanjalanja isika, satria mahatsapa fa ny filaminana sy ny firaisan-tsaina dia sarobidy lavitra noho ny fiheverantsika manokana.