Aoka isika hampiseho fanajana ny ra amim-pitiavam-pivavahana
“Koa manambara aminareo aho fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho.” — ASAN’NY APOSTOLY 20:26.
1. Ahoana moa no anomezan’ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:26 taratry ny fomba fiheveran’i Jehovah ny ra?
IREO teny ireo, notononin’ny apostoly Paoly, kristiana iray, dia taratry ny fanajany tsara ny ra, dia io ranon-javatra antoky ny aina io. Hodinihintsika any aoriana ny tian’i Paoly holazaina. Aoka hojerentsika aloha izay lazain’ilay Mpamorona fanahy biby sy olona ny amin’ny ra. Efa hitantsika fa heverin’i Jehovah ho masina ny ra, satria mampiseho ny aina izany. Izay mandatsa-dra tsy ara-drariny na ataotao foana, indrindra fa ny ran’olombelona, dia mivesatra trosan-dra eo anatrehan’Andriamanitra. Kanefa moa ve tsy misy fomba azo ampiasana ny ra mba hahasoa ny olombelona?
2. a) Nahoana moa, teo ambanin’ny lalàn’ny Isiraely, no heloka lehibe ny fandraisana ra? b) Inona no soa nentin’ny fitandremana an’io lalàna io ho an’ny Isiraelita?
2 Nanambara mazava dia mazava toy izao ny lalàna momba ny ra nomen’Andriamanitra ny Isiraely: “Aza mihinana ny ran’ny nofo [ny karaza-nofo rehetra, MN ]; fa ny rany no ain’ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.” Ho an’ny Isiraelita sy ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, dia heloka nahafaty ny fandraisan-dra, na dia mba hatao sakafo aza. Alohan’ny hihinanana nofom-biby, dia tokony halatsak’izy ireo ny rany ka hototofany, ka amin’izany no amerenany ara-panoharana io aina io ho an’Andriamanitra (Levitikosy 17:13, 14). Lalàn’Andriamanitra izany. Noho izy ireo nitandrina izany, ireny Isiraelita ireny dia nandray soa tamin’ny fifandraisana ara-panahy mafy tamin’i Jehovah, Loharanon’aina. Nifaly tamin’ny soa hafa koa izy ireo: voaro ny fahasalamany.
Ny ran’i Kristy
3. a) Nahoana moa no ‘sarobidy’ indrindra ny ran’i Jesosy? b) Ahoana moa no fomba nanambaran’ny Soratra hebreo ny soron’i Jesosy?
3 Nanomana fampiasana tena manokana ny ra anefa Jehovah: fanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana amin’ny alalan’ny “ra soan’i [sarobidin’i, MN ]” Kristy Jesosy. Fantatr’i Jehovah ny fomba hanafahany ny olombelona, talohan’ny “fanorenan’izao tontolo izao” aza, izany hoe talohan’ny nanomezan’i Adama sy Eva tonga mpanota taranaka azo navotana (I Petera 1:18-20; Romana 6:22, 23). “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra”. (I Jaona 1:7.) Lehibe tokoa izany fampiasana ny ra izany, hany ka nampanoratin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra hebreo ny tandindona sy aloky ny zavatra ho avy maro, manambara ny sorona tanterak’i Jesosy. — Hebreo 8:1, 4, 5; Romana 15:4.
4. Tandindon’ny inona moa ny fisehoan-javatra voatantara ao amin’ny Genesisy toko faha-22?
4 Taonjato maro talohan’ny hanomezana ny Lalàna ho an’ny Isiraely, dia nandidy an’i Abrahama Jehovah mba hanatitra an’Isaka ho sorona teo an-tendrombohitra Moria. Nasehon’Andriamanitra tamin’izany tamin’ny alalan’ny fanoharana ny fomba hanaovany sorona ny Zanany lahitokana, dia Jesosy. Ny faneken’Isaka tamin’io fisehoan-javatra nampihetsi-po io dia nampiseho ny fankatoavan’i Jesosy ny sitrapon’ny Rainy rehefa handatsaka ny rany ho sorona izy. — Genesisy 22:1-3, 9-14; Hebreo 11:17-19; Filipiana 2:8.
5. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ireo sorona voalazan’ny lalàn’i Mosesy dia nifono heviny ara-panahy lalina?
5 Ny lalàn’i Mosesy dia nanana “aloky ny zava-tsoa ho avy” koa ary nanambara ny soron’i Jesosy ho an’ny olombelona. Tokana ihany no fampiasana ny ra voalazan’ny Lalàna: tokony hararaka izany amin’ny fanatitra biby atolotra ho an’i Jehovah. Tsy fombafomba fotsiny akory ireny fanatitra ireny. Nifono heviny ara-panahy lalina izany. Tamin’ny antsipiriany madinika indrindra, izany dia tandindon’ny soron’i Jesosy sy izay rehetra hotanterahina noho izy. — Hebreo 10:1; Kolosiana 2:16, 17.
6. Ireo fanatitra naterina tamin’ny Andro Fanavotana dia tandindon’ny fanavotana antokon’olona roa: iza avy izany? Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoana izany ara-panoharana?
6 Ohatra, rehefa nanolotra fanatitra i Arona tamin’ny Andro Fanavotana, izany dia tandindon’ilay Mpisoronabe, Jesosy, nampiasa ny vidin’ny rany sarobidy mba hamonjena voalohany indrindra ny “ankohonany”, ny an’ireo mpisorona voaforon’ny kristiana voahosotra 144000 mba hoheverina fa marina izy ireny ka handray ho lova ny fisoronana sy ny fiandrianana miaraka aminy any an-danitra. Manaraka izany, ny fanatitra ho an’ny “olona” dia nampiseho ny avotra nalatsak’i Jesosy ho famonjena ny olombelona rehetra handova ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Dieny izao, ny “olona betsaka” voaforon’ireny olona ireny dia heverina ho marina ka ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe mananontanona izao. Ny antony dia satria “ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry”, ary mampiseho ny finoany izy ireo amin’ny fiasana ho an’Andriamanitra amin’ny fanompoana masina. — Levitikosy 16:6, 15, 18-22; Hebreo 9:11, 12; Apokalypsy 14:1, 4; 7:4, 9, 14, 15.
7. Nahoana moa isika no afaka mifaly noho ny fahatanterahan’ireo tandindona taloha ireo?
7 ‘Ao amin’ny ra ny aina.’ Tanteraka ny ran’i Jesosy. Noho izany, ny sorony dia mamela ny hanomezana fiainana tanteraka ho an’izay rehetra maneho finoana. Mahafaly antsika ny fahatanterahan’ireny tandindona fahiny ireny amin’ny soron’i Jesosy feno fitiavana. — Levitikosy 17:14; Asan’ny apostoly 20:28.
Ny ra: raharaha ara-pitondrantena
8, 9. a) Inona moa no sasany amin’ny asa mahatalanjona vitan’ny ra? b) Ahoana no azontsika, sahala amin’ny nataon’i Davida, anehoana fanajana amim-pitiavam-pivavahana noho ny fomba namoronana antsika?
8 Ny ra, araka ny namoronana azy, dia porofon’ny fahendrena mahagaga. Ireo evaolisionista izay efa sahirana mafy manazava ny niandohan’ny aina, dia ho tia ny hampino antsika fa nisy fomba nivoaran’ny ra miandalana. Tsy azo inoana izany.
9 Ny rantsika, be kojakojany aoka izany, dia tena mahavita asa mahatalanjona. Entiny any amin’ny faritra rehetra amin’ny tenantsika ny “oxygène” sy ny sakafo mitana ny ain’ireo sela. Esoriny ny loto. Ny gilaobilina fotsy ao aminy dia miady amin’ny aretina ary ny “plaquettes” aminy dia mitsabo izao karazana ratra rehetra izao. Mandray anjara amin’ny fanaovana izay haha-ara-dalàna ny hafanan’ny tena izy. Tsy mitovy ny ran’ny tsirairay avy amintsika; any Angletera dia misy manam-pahaizana manokana momba ny fandinihana ny fandovan-toetra tonga hatramin’ny fikasana ny hampiasa ny “ADN” voangona ao amin’ny santionan-dra mba hamantarana ireo mpanao heloka bevava. Ny ra dia faritra iray, tahaka ny faritra hafa amin’ny tena, izay nahatonga an’i Davida mpanjaka hilaza hoe: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.” — Salamo 139:1, 14.
10. a) Iza moa no manana zo hametra ny fomba mety hampiasana ny ra? b) Inona avy no toromarika hentitra nomen’Andriamanitra an’i Noa sy ny Isiraely? d) Ohatra inona no mampiseho fa masina ny ra, na dia rehefa misy fahadodonana mafy aza?
10 Moa ve ny Mpamorona ny olombelona sy ny ra, noho ny fanaovany ny rariny, tsy manana zo hametra ny fomba tsara hampiasana io ranon-javatra mampiseho ny aina io (Joba 36:3)? Izany no nataony tamin’ny fomba hentitra tanteraka. Izao no nambarany tamin’i Noa razambentsika: “Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:4). Rehefa nanome indray ny Lalàna ho an’ny Isiraely izy, dia nilaza mazava hoe: “Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny ra, fa ny ra no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ny hena hianao. Aza mihinana azy hianao, fa aidino amin’ny tany toy ny rano izy.” (Deoteronomia 12:23, 24). Tsy isalasalana mihitsy fa tsaroan’i Davida io didy io rehefa nanao vy very ny ainy ny telo tamin’ireo miaramilany mba hitondra rano kely ho azy avy any amin’ny fantsakan’i Betlehema. “Naidiny ho an’i Jehovah” izany, satria nampiseho ny ran’izy ireo (II Samoela 23:15-17). Na dia amin’ny toe-javatra mahadodona aoka izany aza, dia tokony hohajaina ny fahamasinan’ny ra. — Jereo I Samoela 14:31-34.
Ao anatin’ny kongregasiona kristiana
11, 12. a) Antokon’olona iza teo ambany fitarihan’ny fanahy masina no nanapa-kevitra ny amin’ireo raharaha ara-poto-pampianarana tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana? b) Tamin’ny fiheverana ara-pivavahana, nataon’ireny lehilahy ireny nitovy laharana tamin’inona moa ny ra? d) Nahoana moa ny fampidiran-dra no mitovy amin’ny fihinanan-dra amin’ny vava?
11 Eo amin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana isika izao, any Jerosalema. Tafavory ao amin’ny efitrano malalaka iray ireo apostolin’i Jesosy mbamin’ny loholona hafa tao amin’ny kongregasiona kristiana. Ny amin’inona no noresahin’izy ireo? Ny amin’ny famorana, satria Paoly sy Barnabasy dia nandeha avy any Antiokia mba hitondra eo amin’izy ireo ny zava-nanahirana naterak’io raharaha io tany. Nanapa-kevitra io konsily io fa tsy ilain’ny kristiana vao niova ny hoforana amin’ny nofo. — Asan’ny apostoly 15:1, 2, 6, 13, 14, 19, 20.
12 Rehefa hanonona izao fanapahan-kevitra izao i Jakoba, ilay loholona nitarika ny fivoriana, dia hamintina ireo fepetra mbola takina ihany amin’ny kristiana. Tononintsika toy izao izany: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina [satria mijanona ao amin’ilay biby ny ra] ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo”. (Asan’ny apostoly 15:28, 29). Amin’ny fiheverana ara-pivavahana àry, ny fanompoan-tsampy, ny fandraisana ra sy ny fijangajangana dia atao mitovy laharana. Raha tiany ny ho salama tsara hatrany, amin’ny heviny ara-panahy, sy hanana anjara amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra, ny kristiana dia tokony hifady izany zavatra rehetra izany. Na amin’ny vava no andraisana ny ra na amin’ny fampidirana azy amin’ny lalan-dra, dia mitovy ny kendrena, ny famelomana ny tena. Araka ny lazain’i Jakoba mazava, dia fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny tsy fifadiana ny ra.
13. a) Noho izy ireo mifady ny ra, fiarovana fanampiny inona moa no andraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah soa? b) Ahoana moa no niantohan’ny lalàn’Andriamanitra hafa ny fiarovana ny olon’Andriamanitra?
13 Ny fahatsapantsika amin’izao andro izao, fitomboan’ny aretina toy ny SIDA, ny “hépatite virale” sy ny hafa koa, amin’ny alalan’ny fampidiran-dra dia mampiseho koa fa ny fanajana ireo lalàn’Andriamanitra dia matetika no manampy amin’ny fahasalamana tsara ara-batana. Tamin’ny andron’ny Baiboly, Andriamanitra dia nanome ho an’ny Isiraelita, lalàna hentitra tsara momba ny sakafo, ny fanokanan-toerana ny voan’ny areti-mifindra, ny fitandreman-pahasalaman’ny isam-batan’olona sy ny vahoaka izay nifanaraka tanteraka tamin’ny fiainan’izy ireny tany an’efitra (Levitikosy 11:2-8; 13:2-5; Deoteronomia 23:10-13). Tamin’ny fitandremana ireny fitsipika ireny, dia tsy vitan’ny hoe nitana fifandraisana ara-panahy akaiky tamin’ny Andriamaniny ny Isiraelita, fa voaro koa izy ireny tamin’ireo aretina nianjady tamin’ny manodidina azy. Tamin’ny taonjato lasa teo ny fitsaboana vao nanomboka nanombana fa mampiseho fahendrena ny fampiharana ny sasany amin’ireny lalàna ireny. Maro koa no manjary mahatakatra fa feno fahendrena ny lalàn’Andriamanitra ny amin’ny ra.
14. Rehefa nankatò ny Isiraely, fanasitranana inona sy fitahiana inona moa no nananany?
14 Rehefa nanaraka ireny lalàna ireny ny Isiraely, dia notanterahin’Andriamanitra izao fampanantenana izao: “Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.” Ary ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, noho ny fankatoavana, ny Isiraely dia nanantena ny hahazo ireo fitahiana mifamatotra amin’ilay Fanjakana. — Eksodosy 15:26; 19:5, 6.
15. Ohatra vao haingana inona no manazava ny fitahiana raisin’ireo izay manaraka ny fitsipik’Andriamanitra?
15 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mankasitraka ireo soa maro entin’ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny. Ohatra, tamin’ny taona lasa, tany Sydney, any Aostralia, rehefa ravan’ny baomban’ny mpampihorohoro ny Efitrano Fanjakana iray, dia Vavolombelona naratra 50 no nentina haingana dia haingana nankany amin’ny hopitaly. Ireo mpitsabo dia nanana tao amin’ny tahiry, ranon-javatra tsy nisy ra be dia be, ka niseho ho velom-pankasitrahana noho izany ireo Vavolombelona. Tsy nisy maty izy rehetra noho ireny zavatra nampidirina nifanaraka tamin’ny fitsipik’i Jehovah ireny. Ary ambonin’izany, dia tsy nisy na dia iray monja taminy aza nety ho voan’ny aretina mifindra amin’ny lalan-dra.
‘Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra’.
16. Toy ny nataon’i Paoly, fihetsika manao ahoana no tokony hasehontsika eo anoloan’ny asa masina?
16 Aoka anefa isika hitodika ny lasa, any amin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana. Eo amin’ny fito taona no lasa hatramin’ny nandrenesan’i Paoly sy Barnabasy an’i Jakoba nanonona ilay fandrarana ny amin’ny fanompoan-tsampy sy ny ra ary ny fijangajangana. Nandritra izany fotoana izany i Paoly dia nanao dia misionera roa izay nitarika azy hamakivaky an’i Azia Minora sy hitsidika an’i Makedonia sy Grisia. Rehefa teny an-dalana hody izy izao, dia nijanona tao Mileto, ka izany dia nahatonga azy ho afaka hiresaka tamin’ireo loholona tany Efesosy izay nangatahiny ho tonga hihaona taminy. Nampahatsiahy azy ireo izy fa tsy nitsitsy fahasahiranana ny tenany fony niaraka tamin’izy ireo ka ‘nanompo ny Tompo tamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy’. Ny tenantsika amin’izao andro izao, moa ve isika mampiseho fitiavana fahafoizan-tena toy izany amin’ny fanaovana izay rehetra azontsika atao eo amin’ny asan’i Jehovah? Tokony ho toy izany isika. — Asan’ny apostoly 20:17-19.
17. Sahala amin’i Paoly, ahoana no tokony hanatontosantsika ny fanompoantsika?
17 Ahoana no nanatanterahan’i Paoly izany asa izany? Nanao fanambarana izy na taiza na taiza nahitany olona, indrindra fa tany an-tranon’izy ireny, ary izany dia na inona na inona fivavahan’izy ireny. Tsy voatana tsy hampianatra ireny loholona ireny izy, ary tsy isalasalana fa niaraka taminy izy ireo rehefa nampianatra “teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano” izy. Tsy izy ireo ihany akory no nandray soa tamin’ny fanompoan’i Paoly tamin-jotom-po, satria ‘nambaran’i Paoly [tamin’ny fomba feno, MN ] tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika”. Mariho ny fampiasana ny teny hoe “tamin’ny fomba feno”. Ny tenantsika koa, amin’izao andro izao, moa ve isika miahy ny amin’ny hahatonga ny karazan-olona rehetra, ny antokom-poko rehetra, hahazo fanambarana feno? — Asan’ny apostoly 20:20, 21; Apokalypsy 14:6, 7.
18. a) Toy ny nataon’i Paoly, ahoana no tokony hampiasantsika ny fanahintsika amin’ny asan’Andriamanitra? b) Tsy misy hafa amin’i Paoly, ahoana no tokony hitondrantsika tena eo anoloan’ireo fanerena mihamavesatra hatrany?
18 Ao amin’ny tohin’ny fanambarana nataony, dia ampiasain’i Paoly indray ny teny hoe “amin’ny fomba feno”: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara [amin’ny fomba feno, MN ] ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 20:24). Tsy ho tsara kokoa ny fanahiny, ny ainy, raha tsy nanatontosa ny fanompoany toy ny nanaovany izany izy. Toy izany ve no fiheverantsika ny fanompoantsika? Rehefa ho tapitra izao andro farany izao ka mitambesatra amintsika ny famelezan’izao tontolo izao, ny fanenjehana, ny aretina na ny fahanterana, moa ve isika mbola maneho foana, toe-tsaina sahala amin’ny an’i Paoly amin’ny fiasana “amin’ny fomba feno” mba hitadiavana ireo trano ‘mendrika izany’? — Matio 10:12, 13; II Timoty 2:3, 4; 4:5, 7.
19. Nahoana moa i Paoly no afaka nilaza hoe: “Afaka amin’ny ranareo rehetra aho?”
19 Tsy nieritreritra ny hahita indray ireny loholona tany Efesosy ireny i Paoly. Afaka nilaza tamin’izy ireny ara-drariny toy izao anefa izy: “Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ny ranareo rehetra aho.” Fa nahoana? Satria i Paoly tsy nandray anjara tamin’ny ady ary tsy nandatsa-dra. Tsy nandray ra koa izy. Izy kosa dia nihevitra ny ain’ny hafa, dia aina nasehon’ny ra. Tsy tiany ny hahita azy ireny mamoy izany aina izany amin’ny Andro fitsaran’Andriamanitra noho ny tenany tsy ho nanao fanambarana feno. Tsy voasakana tsy hanambara tamin’ireny loholona ireny sy ny olon-kafa “ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra” izy. — Asan’ny apostoly 20:26, 27.
20. a) Mifanaraka amin’ny fampitandremana naverimberin’i Jehovah tamin’i Ezekiela, andraikitra inona moa no tokony hiantsorohantsika amin’izao andro izao? b) Inona no ho vokany ho antsika sy ho an’ireo izay mihaino antsika?
20 Rehefa manatona ny “fahoriana lehibe”, dia manjary mahadodona kokoa ihany ny ilàna hanambara ny torohevitr’Andriamanitra rehetra. Ny tarehin-javatra dia sahala amin’izay nisy, 2600 taona teo ho eo izay; nananontanona ny fandravana an’i Jerosalema tamin’izay. Tonga tamin’i Ezekiela mpaminany ny tenin’i Jehovah nanao hoe: “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy. Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao! ary tsy mananatra azy hianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ny làlany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tànanao ny rany.” (Ezekiela 3:17-21; 33:7-9). Manana andraikitra sahala amin’izany amin’izao andro izao ireo mpanompon’i Jehovah nahazo ny hosotra sy ny “olona betsaka” namany. Tokony hanao fanambarana feno isika mba hahavonjy antsika sy ireo mihaino antsika amin’ny andro famalian’Andriamanitra. — Isaia 26:20, 21; I Timoty 4:16; Apokalypsy 7:9, 14, 15.
21. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ampisehoana fanajana ny ra amim-pitiavam-pivavahana, ary hanao ahoana ny ho fiafarany?
21 Na ny fialanalanana kristiana no resahina, na ny fifadiana ny ra, ny fanaovana fanambarana amin’ny fomba feno na ny fanehoana finoana ny soron’i Kristy sarobidy, amin’ireo lafiny samihafa ireo dia ho tsara ny hanarahan’ny tsirairay avy amintsika amim-pahavononana ny torohevitr’Andriamanitra rehetra. Araka izany dia ho azontsika atao ny hanana anjara amin’ny fahatanterahana mahafinaritry ny Salamo 33:10-12 manao hoe: “Jehovah mahafoana ny fisainan’ny firenen-tsamy hafa; mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy. Ny fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay (...). Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no hany fampiasana ny ra mitondra fitahiana maharitra?
◻ Soa inona no raisin’ireo izay mifady ny ra?
◻ Ahoana no azontsika itoerana ho ‘afaka amin’ny ran’ny olona rehetra’?
◻ Raha ny amin’ny fiasana amin’ny fomba feno, ohatra inona no tokony harahintsika?
[Teny notsongaina, pejy 26]
Hita tao amin’ny Wall Street Journal tamin’ny 20 martsa 1986 ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe: “Tsy voaro amin’ny SIDA ireo fitehirizan-dra.” Izao no azo novakina tao amin’ny fehintsoratra voalohany: “Tsy tsara araka ny ho tian’ireo fitehirizan-dra hampinoana antsika ireo tahirin-dra any Etazonia. Ny fampidiran-dra dia mandrahona ny ho tonga fomba lehibe iray mety hifindran’ny “syndrome immunodéficitaire acquis” avy amin’ny antokon’olona misetra izany iaraha-mahafantatra, ho amin’ny mponina manontolo. Ireo fitsapana fanaovana fikarohana ampiharina amin’ny mpanome ra mba hahitana ny “anticorps” amin’ny SIDA dia tsy afaka miantoka fa ho fantatra daholo ny tavoahangin-dra voaloto rehetra. Ary ny mbola ratsy kokoa ihany, ireny fitehirizan-dra ireny dia tsy vonona ny hanao ireo fandaharana izay hahatonga ny fampidiran-dra ho azo antoka kokoa.”