Aoka Isika Hanao Ilay Fihazakazahana Amim-piaretana
“Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana [fiaretana, MN] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. — HEBREO 12:1.
1. a) Inona no napetraka teo anoloantsika rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra isika? b) Karazana hazakazaka inona no tsy maintsy iomanan’ny kristiana iray hatao?
REHEFA nanolotra ny tenantsika ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy isika, dia napetrak’Andriamanitra teo anoloantsika, raha lazaina ara-panoharana, ny hazakazaka iray. Amin’ny faran’ilay hazakazaka, dia hisy loka homena an’izay rehetra mamita izany amim-pahombiazana. Loka inona anefa? Fiainana mandrakizay! Mba hahazoana io loka kanto loatra io, ireo mpihazakazaka dia mila ny ho vonona, tsy ho amin’ny fifaninanana hafainganam-pandeha vetivety sady fohy fotsiny, fa ho amin’ny hazakazaka lavitra ezaka iray. Koa hila fiaretana àry izy. Tsy maintsy hiaritra ny havizanana aterak’ilay hazakazaka sy ireo fanakantsakana miseho mandritra izany izy.
2, 3. a) Inona no hanampy antsika hanao hatramin’ny farany ilay hazakazaka kristiana? b) Ahoana no nanampian’ny fifaliana an’i Jesosy hanao ilay hazakazaka tamim-piaretana?
2 Inona no hanampy antsika hanao izany hazakazaka izany hatramin’ny farany? Inona no nanampy an’i Jesosy hiaritra fony izy olombelona teto an-tany? Nanovo tanjaka anaty avy amin’ny fifaliana izy. Izao no vakina ao amin’ny Hebreo 12:1-3: “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika, mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana [fiaretana, MN] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra [niaritra, MN] ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay naharitra [niaritra, MN] ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.”
3 Nandritra ny fanompoany ampahibemaso manontolo, dia afaka nanohy ilay hazakazaka i Jesosy noho ny fifaliana avy amin’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Nehemia 8:10.) Nanampy azy hiaritra hatramin’ny fahafatesana nahafa-baraka teo amin’ny hazo fijaliana mihitsy ny fifaliany. Taorian’izany, dia nanandrana fifaliana tsy hay lazaina izy rehefa natsangana tamin’ny maty ary nakarina ho eo an-tanana ankavanan’ny Rainy mba hahita ny asan’Andriamanitra hatramin’ny farany. Noho ny fiaretany tamin’ny naha-olon’Andriamanitra azy, dia nitana hatrany ny zony hiaina mandrakizay izy. Eny, araka ny nambaran’ny Lioka 21:19 dia: “Amin’ny faharetanareo [fiaretanareo, MN] no hahatananareo ny ainareo”.
4. Karazana ohatra manao ahoana no navelan’i Jesosy ho an’ireo mpiara-mihazakazaka aminy, ary amin’inona no tokony hampifantohantsika ny saintsika?
4 Namela ny tsara indrindra amin’ny ohatra ho an’ireo mpiara-mihazakazaka aminy i Jesosy Kristy, ka izany dia manome antsika toky fa afaka ny ho mpandresy koa ny tenantsika. (1 Petera 2:21). Izay asain’i Jesosy ataontsika dia mety ho vitantsika. Toy ny niaretany dia afaka manao izany koa isika. Ary eo am-pikirizana manahaka azy amin’ny fomba tsy miovaova, dia tsy maintsy mampifantoka ny saintsika amin’ny antony mahatonga antsika hifaly isika. (Jaona 15:11, 20, 21). Ny fifaliana dia hanatanjaka antsika mba hikiry hanao ilay hazakazaka ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah mandra-pahatratrarana ilay loka be voninahitra, dia ny fiainana mandrakizay. — Kolosiana 1:10, 11.
5. Ahoana no ahafahantsika mifaly sy mahazo tanjaka amin’ilay hazakazaka eo anoloantsika?
5 Mba hanampiana antsika hanana fikirizana amin’ilay hazakazaka, dia manome hery mihoatra noho ny mahazatra i Jehovah. Rehefa enjehina isika, dia manatanjaka antsika io hery io sy ny fahafantarana ny antony mahatonga antsika hanana tombontsoa handalo fanenjehana. (2 Korintiana 4:7-9). Izay rehetra zakaintsika ho fanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra sy ho fanandratana ny fiandrianany dia antony mahafaly izay tsy azon’ny olona esorina amintsika. (Jaona 16:22). Izany dia manazava ny antony nahatonga ireo apostoly hifaly, rehefa avy nokapohina noho ny baikon’ny Synedriona jiosy, satria nanao fanambarana ny amin’ireo zavatra nahatalanjona nataon’i Jehovah Andriamanitra nifandray tamin’i Jesosy izy ireo. Faly izy ireo “satria natao miendrika [mendrika, MN] hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany”. (Asan’ny apostoly 5:41, 42). Tsy avy amin’ilay fanenjehana mihitsy akory ny fifalian’izy ireo, fa avy amin’ny fahafaham-po lalina anaty kosa noho ny fahafantarana fa nampifaly an’i Jehovah sy Jesosy izy ireo.
6, 7. Nahoana ny mpihazakazaka kristiana no afaka mifaly na dia manam-pahoriana aza, ary inona no vokany?
6 Ny fanantenana napetrak’Andriamanitra eo anoloantsika dia hery manohana hafa iray eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny nambaran’i Paoly: “Aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay tamin’ny alalany no nahazoantsika nanatona tamim-pinoana an’io fahasoavana ho an’ny tsy mendrika akory io izay itoerantsika izao; ary aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ny fahoriana, noho ny fahafantarana fa ny fahoriana dia miteraka fiaretana, ary ny fiaretana miteraka toetra ankasitrahana, ary ny toetra ankasitrahana miteraka fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mahatonga fahadisoam-panantenana”. — Romana 5:1-5, MN.
7 Tsy ny fahoriana mihitsy akory no mahafaly, fa ny vokatra mitondra fiadanana entiny avy eo. Izany vokatra izany dia ny fiaretana, ny toetra ankasitrahana, ny fanantenana, ary ny fahatanterahan’izany fanantenana izany. Ny fiaretantsika dia hahatonga antsika hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Rehefa mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, dia afaka manantena amim-pitokiana ny fahatanterahan’ilay fampanantenana nomeny. Mitana antsika eo amin’ny lalana mety sady mampahery antsika amin’ny fahoriana io fanantenana io mandra-pahatanterany. — 2 Korintiana 4:16-18.
Sambatra izay miaritra
8. Nahoana no tsy fotoana lanilany foana ho antsika io vanim-potoana fiandrasana io?
8 Eo am-piandrasana ny fotoana voatendrin’Andriamanitra hizarana ny loka amin’ireo mpihazakazaka, dia misy fiovana lalovantsika. Izany dia fanatsarana ara-panahy ao anatintsika izay ateraky ny fandalovana fitsapana amim-pahombiazana, ka izany dia mahatonga antsika hahazo fankasitrahana lehibe avy amin’Andriamanitra. Ireo fanatsarana ara-panahy ireo dia mampahafantatra ny maha-isika antsika ary manome antsika fahafahana hampiasa ireo toetra tsara dia tsara nasehon’ny olona nahatoky fahiny, indrindra fa i Jesosy Kristy, ilay môdelintsika tsara indrindra. Hoy i Jakoba mpianatra: “Hevero ho fifaliana tsotra izao, ry rahalahiko, rehefa miatrika fitsapana isan-karazany ianareo, noho ny fahafantarana fa ny hasarobidin’ny finoanareo voazaha toetra dia mitondra fiaretana. Nefa aoka ny fiaretana hanana asa feno, mba ho feno sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona”. (Jakoba 1:2-4, MN). Eny, mety hanampo ny hahita fitsapana isan-karazany isika, kanefa izany dia natao mba hitanana antsika hamboly hatrany ireo toetra mety. Amin’izany dia hasehontsika fa haharitra ao amin’io hazakazaka io isika mandra-pahazoana ny loka, na inona na inona fanakantsakanana hitantsika.
9, 10. a) Nahoana no sambatra ireo miaritra fitsapana, ary ahoana no tokony hiatrehantsika ny fitsapana? b) Iza moa ireo olona sambatra fahiny, ary ahoana no ahafahantsika ho tonga anisan’izy ireo?
9 Tsy mahagaga àry raha niteny toy izao i Jakoba: “Sambatra ny olona izay miaritra fitsapana, satria rehefa ho tonga olona mahazo sitraka izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana izay nampanantenain’Andriamanitra an’izay tia azy hatrany”! (Jakoba 1:12, MN). Aoka isika hiatrika amin’ny fomba tsy miovaova ireo fitsapana, mitafy ireo toetra tsara araka an’Andriamanitra izay hanatanjaka antsika mba handresy izany. — 2 Petera 1:5-8.
10 Tsarovy fa ny fomba ifandraisan’Andriamanitra amintsika dia tsy vaovao akory na hafa dia hafa. Nentina tamin’ny fomba mitovy amin’izany koa ireo “vavolombelona toy ny rahona” nahatoky fahiny rehefa nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra. (Hebreo 12:1). Ny fankasitrahan’Andriamanitra azy ireo dia voasoratra ao amin’ny Teniny, ary mihevitra azy rehetra ireo ho sambatra isika noho izy tsy nanaiky ho resy teo amin’ny fitsapana. Hoy i Jakoba: “Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana [fiaretana, MN]. Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra [niaritra, MN]. Efa renareo ny faharetan’i [fiaretan’i, MN] Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo [Jehovah, MN] taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo”. (Jakoba 5:10, 11). Efa nambara mialoha fa, mandritra izao andro farany sarotra izao, dia hiseho eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao ny olona sasany izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana, sahala amin’ny nataon’ireo mpaminany tamin’ny taonjato fahiny. Tsy sambatra ve isika mba anisan’ireo manao izany? — Daniela 12:3; Apokalypsy 7:9.
Mahazo fanohanana avy amin’ny Tenin’i Jehovah mampahery
11. Ahoana no ahafahan’ny Tenin’Andriamanitra manampy antsika hiaritra, ary nahoana isika no tsy tokony ho sahala amin’ilay toerana misy vatolampy ao amin’ny fanoharan’i Jesosy?
11 Nanondro fanampiana hafa iray mba hiaretana i Paoly rehefa nilaza fa “amin’ny fiaretana amim-paharetana, sy amin’ny fampaherezana avy amin’ny Soratra masina, no ahafahantsika mihazona mafy ny fanantenantsika.” (Romana 15:4, The Twentieth Century New Testament). Tsy maintsy mamaka lalina ao anatintsika ny fahamarinana, ny Tenin’Andriamanitra, mba hahaizany mamoaka avy ao amintsika fihetsika mety amin’ny fotoana rehetra. Tsy mandray soa mihitsy isika raha mitovy amin’ilay tany misy vatolampy voalazalaza ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy: “Ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy”. (Marka 4:16, 17). Tsy mamaka lalina ao amin’ny olona toy izany ny fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra; noho izany, amin’ny fotoam-pahoriana, dia tsy afaka mandray fanohanana avy amin’izany toy ny tena loharanon-kery sy fanantenana izy.
12. Ny amin’inona no tsy tokony hahavoafitaka antsika rehefa manaiky ny vaovao tsara?
12 Na iza na iza manaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, dia tsy tokony hamita-tena ny amin’izay hitranga manaraka izany. Miditra amin’ny lalam-piainana iray izay hitondra fahoriana na fanenjehana ho an’ny tenany izy. (2 Timoty 3:12). Kanefa dia tokony horaisiny ho “fifaliana avokoa” ny tombontsoa handalo fitsapana isan-karazany noho ny fifikirana mafy amin’ny tenin’Andriamanitra sy noho ny firesahana ny amin’izany amin’ny hafa. — Jakoba 1:2, 3.
13. Tamin’ny fomba ahoana ary nahoana i Paoly no nifaly noho ny amin’ireo kristiana tany Tesalonika?
13 Tamin’ny taonjato voalohany, dia namelona tabataba ireo mpanohitra tany Tesalonika noho ny fitoriana nataon’i Paoly. Rehefa nankany Beria i Paoly, dia nanaraka azy tany ireo mpanenjika ireo mba hanetsika fikorontanana bebe kokoa. Ho an’ireo nahatoky izay tavela tany Tesalonika, dia nanoratra toy izao ilay apostoly nenjehina: “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, ka reharehan’ny tenanay hianareo eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra noho ny faharetanareo [fiaretanareo, MN] sy ny finoanareo amin’ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo — famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra izany — mba hatao ho miendrika ny fanjakan’Andriamanitra hianareo sady izany koa no iaretanareo”. (2 Tesaloniana 1:3-5). Na dia teo aza ny fijaliany avy tamin’ireo fahavalo, ireo kristiana tany Tesalonika dia nandroso teo amin’ny fanahafana an’i Kristy ary nitombo isa. Ahoana no netezan’izany? Satria izy ireo nanovo tanjaka avy tamin’ny Tenin’i Jehovah mampahery. Nankatò ny baikon’ny Tompo izy ireo ary nihazakazaka tamim-piaretana. — 2 Tesaloniana 2:13-17.
Ho famonjena ny hafa
14. a) Noho ny antony inona avy no aharetantsika amim-pifaliana ao amin’ny fanompoana na dia misy zava-tsarotra aza? b) Inona no angatahintsika amin’ny vavaka, ary nahoana?
14 Miaritra zava-tsarotra sy fanenjehana amim-pahatokiana sy tsy misy fitarainana isika, noho ny fanamarinana an’Andriamanitra, voalohany indrindra. Misy anefa antony tsy mampiseho fitiavan-tena hafa iray mahatonga antsika hanaiky zavatra toy izany: mba hahafahantsika hampita amin’ny hafa ny vaovaon’ilay Fanjakana ka hisian’ny mpitory ilay Fanjakana misimisy kokoa hanao “fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena”. (Romana 10:10, MN). Ireo izay miasa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia tokony hivavaka mba hitahian’ny Tompon’ny vokatra ny asan’izy ireo amin’ny fanomezana mpitory ilay Fanjakana misimisy kokoa. (Matio 9:38). Nanoratra ho an’i Timoty toy izao i Paoly: “Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”. — 2 Timoty 2:2, 3.
15. Nahoana isika no tsy maintsy mitondra tena toy ny miaramila sy mpifaninana “amin’ny filalaovana”?
15 Ny miaramila iray dia mihataka amin’ny fiainana tsy dia misy fifehezana loatra ananan’ny olon-tsotra tsy miaramila. Toy izany koa, isika dia tsy tokony haningo-tena amin’ny raharahan’ireo izay tsy ao anatin’ny tafiky ny Tompo fa ao amin’ilay andaniny fahavalo, raha ny marina. Noho izany, dia nanoratra toy izao ho an’i Timoty i Paoly ho fanampin’izany: “Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila — Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna”. (2 Timoty 2:4, 5). Rehefa mikely aina mba hahazo fandresena ao amin’ny hazakazaka ho amin’ny “satroboninahitry ny fiainana” ireo mpihazakazaka, dia tsy maintsy mizatra mifehy tena ary manary izay manavesatra tsy amin’ny antony sy izay mamatopatotra. Amin’izany fomba izany no ahafahany mifantoka amin’ny fitondrana ny vaovao tsaran’ny famonjena any amin’ny hafa. — Jakoba 1:12, MN; ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:24, 25.
16. Inona no tsy azo fehezina, ary ho tombontsoan’iza no iaretantsika?
16 Koa satria tiantsika Andriamanitra sy ireo olona toy ny ondry mitady Azy, dia miaritra amim-pifaliana zavatra maro isika mba hanohinana ny hafa amin’ny vaovao tsaran’ny famonjena. Mety hamatotra antsika noho ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra ny fahavalo. Tsy azo fehezina anefa ny Tenin’Andriamanitra, ary ny firesahana izany ho famonjena ny hafa dia tsy azo fatorana amin’ny rojo vy. Nilazalaza tamin’i Timoty ny anton’ny nahatonga azy ho vonona aoka izany hisetra fitsapana i Paoly: “Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako, izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy, mbamin’ny voninahitra mandrakizay”. (2 Timoty 2:8-10). Amin’izao fotoana izao, dia tsy ny sisa vitsy dia vitsy amin’ireo mendrika ny Fanjakana any an-danitra ihany no eritreretintsika fa ny olona betsaka amin’ny ondry hafan’ilay Mpiandry tsara, dia i Jesosy Kristy, koa. Hahazo ny paradisa eto an-tany eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy izy ireo. — Apokalypsy 7:9-17.
17. Nahoana isika no tsy tokony halaky hiala amin’ny hazakazaka, ary inona no vokany raha manohy ilay hazakazaka hatramin’ny farany isika?
17 Raha olona mora miala isika, dia tsy hanampy ny tenantsika, na ny olon-kafa, ho amin’ny famonjena. Rehefa miaritra eo amin’ny hazakazaka kristiana isika, na inona na inona fanakantsakanana hitantsika, dia mitana ny tenantsika ho mendrika hahazo ny loka foana isika ary afaka manampy mivantana ny hafa ho amin’ny famonjena, amin’ny fisehoana ho ohatra mahery ho an’ny hafa eo amin’ny tanjaka. Na inona na inona fanantenantsika, na ho any an-danitra na ho eto an-tany, dia fihetsika tsara dia tsara hotahafina ilay nananan’i Paoly rehefa ‘niezaka nanatratra ny marika izy mba hahazoany ny loka’. — Filipiana 3:14, 15.
Fiaretana tsy azo hozongozonina eo amin’ilay hazakazaka
18. Miankina amin’inona ny fahazoana ny loka, kanefa mba hiadiana hatramin’ny farany, dia inona no tsy maintsy halavirintsika?
18 Ny famitantsika ny hazakazaka kristiana amim-pandresena ho fanamarinana an’i Jehovah, ary ny fahazoantsika ny loka nomaniny ho antsika, dia miankina amin’ny fiaretantsika tsy azo hozongozonina mandritra ny halaviran-dalana manontolon’ilay hazakazaka. Noho izany àry, dia tsy afaka hiady hatramin’ny farany isika raha manavesa-tena amin-javatra tsy miasa ho an’ny fahamarinana. Na dia esorina aza ireo zavatra ireo, dia mbola mitaky be amintsika ihany ireo fepetra, ka mandany ny herin-tsaina rehetra azontsika aseho. Noho izany, dia nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana [fiaretana, MN] amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao”. (Hebreo 12:1). Sahala amin’i Jesosy, dia tsy tokony hanantitrantitra be loatra ny amin’ireo fahoriana zakaina isika fa hihevitra azy ireny kosa ho vidiny kely aloa mba hahazoana ilay loka mahafaly. — Ampitahao amin’ny Romana 8:18.
19. a) Fatokiana inona no nambaran’i Paoly rehefa nadiva hifarana ny fiainany? b) Raha manakaiky ny fifaranan’ilay hazakazaka isika, toky inona no tokony hananantsika mikasika ilay valisoa nampanantenaina?
19 Rehefa nadiva hifarana ny fiainan’i Paoly, dia afaka niteny toy izao izy: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana”. (2 Timoty 4:7, 8). Ao anatin’io hazakazaka mitaky fiaretana io isika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay ho loka. Raha tsy miaritra intsony isika satria fotsiny hoe somary lava kokoa tsy araka ny nanampoizantsika azy tany am-piandohany ilay hazakazaka, dia tsy hahomby isika rehefa madiva hahazo ny valisoa nampanantenaina. Mahazo matoky ianao. Azo antoka fa ao ilay valisoa.
20. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika mandra-pahatongantsika any amin’ny faran’ilay hazakazaka?
20 Koa enga anie ny masontsika tsy hovalalanina eo am-piandrasana ny fanombohan’ny fahoriana lehibe izay hitondra ny fandravana an’i Babylona Lehibe aloha, ary avy eo dia ny an’ny sisa amin’ny fandaminan’ny Devoly. (2 Petera 3:11, 12). Noho ireo famantarana rehetra milaza zavatra manodidina antsika, dia enga anie isika hibanjina ny hoavy amim-pinoana. Enga anie isika ka hisikina ny hery fiaretana rehetra ananantsika, ary hanohy amin-kerim-po ilay hazakazaka napetrak’i Jehovah Andriamanitra eo anoloantsika, mandra-pahatonga any amin’ny farany ka ho azo ilay loka mahafaly, ho fanamarinana an’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Ahoana no Havalinao?
◻ Tsy maintsy miomana ho amin’ny karazana hazakazaka inona ny kristiana?
◻ Nahoana ny fifaliana no zava-dehibe aoka izany eo amin’ny fanaovana hazakazaka?
◻ Noho ny antony lehibe inona avy no aharetantsika ao amin’ny fanompoana na dia eo aza ireo zava-tsarotra?
◻ Nahoana isika no tsy tokony halaky hiala amin’ilay hazakazaka napetrak’Andriamanitra eo anoloantsika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 15]
Toy ny amin’ny hazakazaka lavitra ezaka iray, ny kristiana dia tsy maintsy miaritra
[Sary, pejy 17]
Eo amin’ny fiezahany hahazo ny “satroboninahitry ny fiainana”, dia tsy maintsy mizatra mifehy tena ireo mpihazakazaka