Minisitra voatokana araka ny fomba itiavan’Andriamanitra azy
AZO INOANA fa ho velona eritreritra na ho sanganehana ny mpitsidika iray amin’ny fandrenesana izay nolazaina. Tao amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah no niseho ny tantara, tamin’ny lahateny notononina ho an’ny antokon’olona izay nivonona ny hatao batisa. Tsy araka ny niheverana azy fa nanazava toy izao tamin’izy ireo ilay mpandahateny: “Ny fahatongavanareo ato anatin’ity antokon’olona milatsaka hatao batisa ity dia mampiseho fa maniry ho tonga minisitra voatokan’ilay Fanjakana ianareo.”
‘Amin’ny fomba ahoana? hoy angamba ilay mpitsidika manontany tena. Moa ve ny batisa tsy voatokana ho an’ireo vao niova hanaraka ny kristianisma sy ho an’ny zaza vao teraka? Tsy ilaina ve ny taom-piofanana sy fampianarana lalina maro mba hanokanana ho minisitra?’ Mitovitovy amin’izany angamba ny fiheveranao. Raha izany no izy, dia ho gaga ianao amin’izay lazain’ny Baiboly indrindra ny amin’ny batisa sy ny fanokanana.
Izay mialoha ny batisa
Voalohany indrindra, ny batisa dia tsy mety amin’ireo olona zara raha mahalala ny hafatra kristiana. Araka ny lazain’ny Baiboly ao amin’ny Asan’ny apostoly 8:12, ireo natao batisa tamin’ny taonjato I dia natao toy izany “rehefa nino”. Asehon’ny Matio 28:19 koa fa ilaina ny hahatongavana ho “mpianatra”. Ahoana no hahatongavana ho ‘mpino’ na “mpianatra” (‘ampianarina’)? Amin’ny fianarana amim-paharisihana ny Baiboly. Amin’izany no ahazoana fahalalana marina an’i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra (Jaona 17:3). Aorian’izany ny mpianatra iray vao vonona ny hikasa ny hatao batisa. Toy izany ny toromarika nomen’ireo kristiana matotra tamin’ny taonjato I an’ireo vao niova. — Asan’ny apostoly 8:31, 35, 36.
Amin’izao andro izao, ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao fandaharana sahala amin’izany mba hahafahan’ny olona tia ny Soratra Masina mandray soa amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Rehefa voatohina ny fon’ilay olona, dia heveriny ho sarobidy tsikelikely izay ianarany. Voatosika izy hiresaka manodidina azy ny amin’ny zavatra inoany vaovao (Romana 10:8-10). Manomboka manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana izay mbola mampitombo kokoa ihany ny fahalalany araka ny Baiboly izy (Hebreo 10:24, 25). Rehefa afaka herinandro maromaro na volana maromaro amin’izany, ilay mpino vaovao dia mamelona faniriana ny hanaraka ny torohevitra araka ny Baiboly ao amin’ny Romana 12:1 manao hoe: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.”
Tsy manome fahafahana hanolo-tena ho an’Andriamanitra toy izany anefa ny fahalalana fotsiny. Ilaina koa ny hibebahana sy ny ‘hiverenana’. (Asan. 3:19.) Nahoana? Talohan’ny hahafantarana ireo lalàn’Andriamanitra, ny sasany dia nanana fitondrantena maloto. Ny hafa voatanan’ny fanatrarana zava-kendrena mampiseho fitiavan-tena. Kanefa, mba hisehoana eo anatrehan’Andriamanitra sady ‘masina no sitrak’Andriamanitra’, dia tokony hanenina noho ny nataony taloha izy ireny. Tokony hahatsiaro nenina noho ny nampiasana ny fianany, ny heriny sy ny fahaizany ho amin’ny zava-kendrena tsy mifanaraka amin’ny Baiboly izy ireny. Tokony harahin’ny fanaovan-javatra mifanaraka aminy izany nenina izany mba tena ‘hiverenana’ tokoa, raha lazaina amin’ny teny hafa dia mba hanovana ny fomba fiainan’ny tena.
Mba hanampiana misimisy kokoa ilay mpino vaovao, dia loholona ao anatin’ny kongregasiona dia manao fandaharana mba hihaonana aminy sy hiaraha-mijery aminy indray ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly. Izany famerenana izany dia mampiseho sahady amin’ireo loholona raha nahazo fahalalana marina ireo fikasan’Andriamanitra ilay ho tonga kristiana. Mazava ho azy fa tena ilaina koa izany ho an’ny mpianatra izay afaka mahazo, raha ilaina izany, fanazavana hentitra ny amin’ny foto-kevitra tsy azony tanteraka.
Mandrakariva, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manomana fanaovam-batisa amin’ireo fivoriambeny. Misy lahateny atao manokana ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa. Izany dia mampahatsiahy azy ireo fa rehefa atao batisa izy dia tsy miaraka amin’ny fivavahana vaovao iray fotsiny. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Ahy.” — Matio 16:24.
Mampahatsiahy an’ireo mpilatsaka ny hevi-dalin’ny batisa ny tohin’ny lahateny. Vakina matetika ny teny ao amin’ny 1 Petera 3:21: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io, — tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” Ao amin’io andininy io i Petera dia mampitaha ny batisa amin’ny famakivakiana ny ranon’ny safodrano araka ny hita tamin’i Noa. Rah nilaza fahafatesana ho an’ny mponina ratsy fanahy teto an-tany izany rano izany, dia nilaza fiainana ho an’i Noa kosa satria nitondra ny sambo fiara nahitany filaminana. Toy izany koa, ny batisa dia “mamonjy” ny kristiana amin’izao tontolo izao ratsy. Mifototra amin’ny finoany ny soa nentin’ny fahafatesana sy ny fananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, rehefa atao batisa ny olona iray, amin’ny heviny iray dia ao anatin’ny toeran’ny ‘voavonjy’ eo anatrehan’Andriamanitra izy. Tsy heverina intsony ho anisan’ny taranaka ratsy fanahy voatokana ho amin’ny fandringanana izy. — Jereo Asa. 2:40.
Noho izany, ny batisa dia tsy dingana tokony hatao noho ny fihetseham-po velively, araka ny fahita matetika tokoa amin’ireo fivoriana ho fanavaozam-pinoana. Porofon’izany, alohan’ny handentehana azy ao anaty rano, ireo hatao batisa dia tokony hamaly fanontaniana mety anankiroa apetrak’ilay mitarika ny fotoan-dehibe aminy. Ny famaliany hoe eny dia “fanambarana ampahibemaso” ny finoany ny avotra sy ny nanolorany tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah (Romana 10:9, 10). Amin’izay ihany izy no vonona ny hatao batisa ao anaty rano.
Voatokana ho minisitr’ilay Fanjakana
Ny fandrobohana azy tanteraka ao anaty rano dia mampiseho tsara tokoa fa manolo-tena ho an’Andriamanitra izy ireo. Rehefa alentika ao anaty rano izy ireo, dia toy ny maty raha ny amin’ny fomba fiainany tamin’ny lasa. Rehefa mipoitra avy ao anaty rano izy, dia azo lazaina hoe velona hatramin’izao ho amin’ny fiainana vaovao, fiainana misy fahafoizan-tena amin’ny asan’Andriamanitra. — Jereo Romana 6:2-4.
Fa amin’ny ahoana ny fanokanana no mifanitsy amin’ny batisa? Izao no nolazain’ny firaketana iray (Cyclopœdia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i MM. M’Clintock sy Strong, 1877, boky faha-7 pejy faha-411): “Ny fanokanana dia fanendrena na fametrahana olona iray hanana andraikitra ara-pivavahana, misy na tsy misy fombafomba fankalazana.” (Izahay no manipika.) Ekeny fa mba hahatongavana ho minisitra kristiana dia azo atao ny tsy mampiasa fombafomba be kojakojany na diplaoma fanokanana.
Mampianatra izany anefa ve ny Baiboly? Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’i Jesosy Kristy. Tsy azo lavina fa izy no minisitr’Andriamanitra lehibe indrindra. Kanefa moa ve izy nanaraka fomba fanokanana be kojakojany talohan’ny hanombohana hitory? Nahazo diplaoma nahatonga azy ho minisitra ve izy? Mifanohitra amin’izany aza no izy; taorian’ny fanaovana batisa azy tao anaty rano fotsiny no nampahafantaran’Andriamanitra fa nankasitraka azy io tamin’ny naha-Zanany azy izy, ary nanokana azy ho minisitra. — Marka 1:9-11; Lioka 4:18-21.
Ary ireo kristiana tamin’ny taonjato I? Tsy misy mihitsy soratra manonona fanokanana makotroka an’ireny minisitra kristiana taloha ireny. Ny bokin’ny Asan’ny apostoly dia mitantara fotoana maromaro nanaovana batisa ny mpino fotsiny, rehefa avy eo izy ireny dia nilatsaka tamin-jotom-po hanao ny fanompoana ampahibemaso. — Jereo Asan’ny apostoly 2:41-47; 8:36-39; 22:14-16.
Ahoana no nahafan’ireny minisitra ireny nanaporofo ny fanokanana azy? Izao no lazain’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 3:1-3: “Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.” Koa satria niasa teo amin’ny fon’izy ireny ny fanahin’Andriamanitra, ireny mpianatra vaovao ireny dia nahazo toetra kristiana vaovao azon’ny olona rehetra ‘vakina’, porofo ampy fa tena voatokan’Andriamanitra tokoa ireo mpampianatra azy.
Aoka isika hiady eo amin’ny fanompoana
Toy izany koa amin’izao andro izao, fantatra amin’ny asany ny minisitra. ‘Miady mafy’ izy eo amin’ny fanompoany (Lioka 13:24, MN ). Heveriny ho tombontsoa lehibe raisina avy amin’Andriamanitra izany, ary tsy hamaivaniny. — 1 Timoty 1:12-16.
Ny fitoriana ilay Fanjakana no adidy voalohan’io minisitra io. Tokony hoferany ny asany hafa rehetra mba ‘hanatanterahana ny fanompoany amin’ny fomba feno’. (2 Timoty 4:2, 5, MN.) Mazava ho azy fa tokony hamelona ny tenany sy ny ankohonany izy, kanefa ‘mianina amin’ny fananana sakafo sy fitafiana izy’. Tsy mamela ny asany na ny faniriany manokana hampiala azy amin’ny fanompoany izy (1 Timoty 5:8; 6:7, 8; Filipiana 2:20-22). Vonto tsaran’ny “zavatra lehibe indrindra” izy. (Filipiana 1:10, MN.) Miezaka izy mba hitanana eo anoloany ny ohatra tsara nomen’i Jesosy Kristy, izay ny fiainany dia nifantoka tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana. — Lioka 4:43; Jaona 18:36, 37.
Na dia izany aza, izay atao batisa mba hatokana ho minisitra dia vao eo am-panombohan’ny asany ho an’Andriamanitra. Marina fa nahazo fahalalana an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Andriamanitra izy ireny, nanao fiovana maro teo amin’ny fiainany mba tsy hahitana hokianina amin’ny fanompoany (2 Korintiana 6:3). Tokony mbola handroso dia handroso koa ilay kristiana vao vita batisa. Ny batisany, izany hoe ny fanokanana azy, dia dingana iray monja, marina fa lehibe tokoa, eo amin’ny fandrosoany amin’ny maha-kristiana (Filipiana 3:16). Noho izany, ny minisitra voatokana rehetra, dia tokony hanohy hamboly fitiavana amim-pahatsorana ny zavatra ara-panahy. Tokony hanokana fotoana mba hianarana manokana ny Baiboly izy, handray soa amin’ny fivoriana rehetra omanin’ny kongregasiona ary hanatsara ny fomba fivavany mba hanamafisana ny fifamatorany amin’Andriamanitra. — Lioka 6:45; 1 Tesaloniana 5:11; 1 Petera 4:7.
Irinay ny hanampian’ireo fanazavana araka ny Baiboly ireo anareo hahatakatra hoe nahoana izay maniry ho minisitr’Andriamanitra no tsy mila diplaoman’ny oniversite. Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny telo tapitrisa no manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana amin’ny maha-minisitra, ka mampahafantatra ireo fahamarinana voambara ao amin’ny Teniny. Nahoana no tsy manaiky ny hanampian’ny anankiray amin’izy ireny anao hahazo ny fahalalana ny Baiboly?
[Sary, pejy 29]
Araka ny filazan’ny Baiboly, dia voatokana ho minisitra kristiana ny tena amin’ny fotoan’ny batisa.