Fahaiza-mambabo Olona — Dera ho An’ny Olona sa Voninahitra ho An’Andriamanitra?
“NY MPANAPAKA iray dia tokony ho ambony lavitra noho ny vahoakany, tsy eo amin’ny lafiny hoe tokony ho tena tsara noho izy ireo fotsiny, fa eo koa ny hoe tokony hanintona azy ireo izy”, hoy ny nosoratan’i Xénophon, jeneraly grika iray fanta-daza. Amin’izao andro izao, dia maro no hiantso izany ‘fanintonana’ izany hoe fahaiza-mambabo olona.
Mazava ho azy fa tsy ny mpanapaka olombelona rehetra no manana fahaiza-mambabo olona. Ireo izay manana izany anefa dia mampiasa ny fahaizany mba hanairana ny fifikiran’ny olona sy hifehezana ny sarambaben’olona, ho an’ny zava-kendren’izy ireo manokana. Angamba ny ohatra fantatra tsara vao haingana indrindra dia i Adolf Hitler. “[Tamin’ny 1933,] ho an’ny ankamaroan’ireo Alemà, i Hitler dia nanana — na tsy ho ela dia hanana — ny endriky ny tena mpitarika mahay mambabo olona”, hoy ny nosoratan’i William L. Shirer tao amin’ny bokiny hoe The Rise and Fall of the Third Reich. “Nanaraka azy an-jambany izy ireo, nandritra ireo roa ambin’ny folo taona nisamboaravoara nanapahany, toy ny hoe nanana ny fahaiza-mitsara zavatra avy amin’Andriamanitra izy.”
Ny tantara ara-pivavahana koa dia feno mpitarika mahay mambabo olona, izay nanaitra ny olona mba hifikitra amin’izy ireo, nefa nitondra loza ho an’ireo mpanara-dia azy. “Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo”, hoy i Jesosy nampitandrina, “fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.” (Matio 24:4, 5). Tsy tamin’ny taonjato voalohany ihany no nisy Kristy sandoka nahay nambabo olona. Nandritra ireo taona 1970, i Jim Jones dia nanambara ny tenany ho ny “mesian’ny Tempolin’ny Vahoaka”. Izy dia nolazalazaina ho “mpitondra fiangonana nahay nambabo olona”, nanana “hery hafahafa teo amin’ny olona”, ary tamin’ny 1978 izy dia nitarika ny famonoan-tena tambabe lehibe indrindra teo amin’ny tantara.a
Hita mazava fa afaka ny ho fanomezana mampidi-doza ny fahaiza-mambabo olona. Kanefa, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny karazana fanomezana hafa avy amin’Andriamanitra, mety ho azon’ny rehetra mba hahasoa ny rehetra. Ny teny grika niavian’io fanomezana io dia khaʹri·sma, ary mitranga in-17 ao amin’ny Baiboly izy io. Nofaritan’ny manam-pahaizana iray momba ny teny grika ho toy ny ‘fanomezana malalaka sy noho ny hatsaram-panahy, zavatra omena ny olona iray na dia tsy nokatsahiny sy tsy mendrika azy aza, zavatra avy amin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, ary tsy ho azo na hananana noho ny ezaka ataon’ny olona iray na oviana na oviana’.
Araka ny hevitry ny Soratra Masina àry, ny khaʹri·sma dia fanomezana azo noho ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Inona avy no sasany amin’ireny fanomezana nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy ireny? Ary ahoana no azontsika ampiasana azy ireny mba hanomezana fiderana azy? Andeha isika handinika ny telo amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo.
Fiainana mandrakizay
Ny fanomezana lehibe indrindra dia tsy isalasalana fa ny fanomezana fiainana mandrakizay. Nanoratra ho an’ny kongregasiona tany Roma i Paoly hoe: “Fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana [khaʹri·sma] avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23). Tsara homarihina fa ilay ‘tamby’ (fahafatesana) dia zavatra azontsika noho ny maha-mpanota antsika, na dia tsy an-tsitrapo aza. Etsy an-danin’izany kosa, ny fiainana mandrakizay izay omen’Andriamanitra antsika dia zavatra tsy mendrika ho antsika mihitsy ary tsy ananantsika zo noho ny fahamendrehantsika na oviana na oviana.
Tokony hankamamina sy hozaraina ilay fanomezana fiainana mandrakizay. Azontsika atao ny manampy ny olona ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah sy hanompo azy, ka noho izany, dia hahazo tombontsoa manokana, dia ny fanomezana fiainana mandrakizay. Hoy ny Apokalypsy 22:17: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.”
Ahoana no azontsika itarihana ny hafa ho amin’io rano manome fiainana io? Ny fomba lehibe indrindra, dia amin’ny fampiasana ny Baiboly mba hitondra vokatra tsara eo amin’ny fanompoantsika. Marina fa zara raha mamaky na mieritreritra ny amin’ny zavatra ara-panahy ny olona any amin’ny faritra sasany amin’ny tany; na izany aza, dia misy foana ny fahafahana ‘hampandre ny sofin’ny’ olona iray. (Isaia 50:4). Amin’io lafiny io, dia afaka matoky ny hery manosiky ny Baiboly isika, “fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Na ny fahendrena azo ampiharina ao amin’ny Baiboly no resahina, na ny fampiononana sy ny fanantenana atolony, na ny fanazavany momba ny zava-kendren’ny fiainana, ny Tenin’Andriamanitra dia afaka manohina ny fon’ny olona ka hahatonga azy hanomboka handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana. — 2 Timoty 3:16, 17.
Fanampin’izany, ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly dia afaka manampy antsika hilaza hoe “Avia”. Nilaza mialoha i Isaia mpaminany fa amin’ny vahoakany no “iposahan’i Jehovah”, amin’izao fotoan’ny haizina ara-panahy izao. (Isaia 60:2). Maneho taratr’io fitahiana avy amin’i Jehovah io ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, ary isan-taona izy ireny dia mitarika olona an’arivony maro ho amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahazavana ara-panahy. Ao anatin’ireo pejiny, dia tsy omena ny olona ny laza. Araka ny hazavain’ny teny fampidirana Ny Tilikambo Fiambenana, “ny zava-kendren’ny Tilikambo Fiambenana dia ny hanandratra an’i Jehovah Andriamanitra, amin’ny maha-Tompom-piandrianana azy eo amin’izao rehetra izao. (...) Mampirisika koa ny mpamaky azy Ny Tilikambo Fiambenana mba hino an’ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra efa nandray fiandrianana, dia Jesosy Kristy, ilay namoha ho an’ny olombelona ny lalan’ny fiainana mandrakizay, tamin’ny nandatsahany ny rany”.
Milaza ny heviny toy izao momba ny hasarobidin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, eo amin’ny fanampiany olona hanatona akaiky an’Andriamanitra, ny Kristiana mpanompo manontolo andro iray, izay nahita fahombiazana lehibe teo amin’ny fanompoany: “Rehefa manomboka mamaky sy mankafy Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ireo olona ampianariko Baiboly, dia manao fandrosoana haingana izy ireo. Hitako ho fitaovana sarobidy eo amin’ny fanampiana ny olona ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah, ireo gazety.”
Tombontsoam-panompoana
I Timoty dia mpianatra kristiana izay nahazo fanomezana hafa mendrika ny hodinihina manokana. Nilaza taminy ny apostoly Paoly hoe: “Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana [khaʹri·sma] izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona.” (1 Timoty 4:14). Inona io fanomezana io? Izany dia nahatafiditra ny fanendrena an’i Timoty ho mpiandraikitra mpitety faritany, tombontsoam-panompoana iray izay tsy maintsy niantsorohany tamim-pahaiza-mandray andraikitra. Tao amin’ireo andinin-teny ireo ihany, i Paoly dia nampirisika an’i Timoty hoe: “Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — 1 Timoty 4:13, 16.
Mila ny mankafy ny tombontsoam-panompoany koa ireo loholona amin’izao andro izao. Araka ny nomarihin’i Paoly, ny fomba iray azon’izy ireo anaovana izany dia ny ‘fitandremana ny fampianaran’izy ireo’. Tsy hanahaka ireo mpitarika mahay mambabo olona eo amin’izao tontolo izao izy ireo, fa hisarika ny saina kosa ho amin’Andriamanitra, fa tsy ho amin’ny tenany. Mpampianatra niavaka, izay tsy isalasalana fa nanana toetra nambabo, i Jesosy, ilay Modelin’izy ireo, nefa nanome tamim-panetren-tena ny voninahitra ho an’ny Rainy. “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy”, hoy ny nambarany. — Jaona 5:41; 7:16.
Nanome voninahitra ny Rainy any an-danitra i Jesosy, tamin’ny fampiasany ny Tenin’Andriamanitra ho fahefana teo amin’ny fampianarany. (Matio 19:4-6; 22:31, 32, 37-40). Nanamafy ny ilan’ireo mpiandraikitra ‘hitana mafy ny teny marina araka ny [fahaiza-mampianatra, NW ]’, toy izany koa, i Paoly. (Titosy 1:9). Amin’ny fampiorenana mafy ny lahatenin’izy ireo amin’ny Soratra Masina, ireo loholona, ho vokatr’izany, dia hilaza toy ny nataon’i Jesosy hoe: “Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany”. — Jaona 14:10.
Ahoana no ahafahan’ireo loholona “mitana mafy ny teny marina”? Amin’ny fampifantohana ny lahatenin’izy ireo sy ireo anjarany amin’ny fivoriana, amin’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fanazavana sy ny fanantitranterana ireo andinin-teny ampiasainy. Ireo fanoharana manaitra mafy na ireo tantara mampifalifaly, indrindra raha atao tafahoatra, dia mety hampiala ny sain’ny mpanatrika amin’ny Tenin’Andriamanitra ka hisarika ny saina ho amin’ny fahaizan’ilay mpandahateny. Etsy an-danin’izany kosa, dia ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly no hanohina ny fon’ny mpanatrika sy hanosika azy hanao zavatra. (Salamo 19:7-9; 119:40; ampitahao amin’ny Lioka 24:32.) Ny lahateny toy izany dia tsy dia misarika ny saina loatra ho amin’ny olona fa manome voninahitra bebe kokoa an’Andriamanitra.
Ny fomba iray hafa ahafahan’ireo loholona ho tonga mpampianatra mahay kokoa dia ny fianarana avy amin’izy samy izy. Toy ny nanampian’i Paoly an’i Timoty, dia afaka manampy loholona iray ny iray hafa. “Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” (Ohabolana 27:17; Filipiana 2:3). Mandray soa avy amin’ny fifampitana hevitra sy fanoloran-kevitra, ireo loholona. Nanazava ny loholona iray voatendry vao haingana hoe: “Naka fotoana mba hanehoana tamiko ny fomba hanomanany lahateny ampahibemaso iray, ny loholona mahay iray. Tao amin’ny fanomanany izy dia nampiditra fanontaniana tsy miandry valiny, fanoharana sy ohatra na fitantarana fohy, ary koa andininy ao amin’ny Soratra Masina, izay nanaovany fikarohana tamim-pitandremana. Nianatra avy taminy ny fomba hanampiana fiovaovana ao amin’ireo lahateniko aho, mba tsy hahatonga azy io handreraka sy tsy hiova mihitsy.”
Isika rehetra izay manana tombontsoam-panompoana, na loholona isika na mpanampy amin’ny fanompoana na mpisava lalana, dia mila mankafy ny fanomezana ananantsika. Tsy ela talohan’ny nahafatesany, dia nampahatsiahy an’i Timoty i Paoly mba ‘hamelona [toy ny afo, NW ] ny fanomezam-pahasoavana [khaʹri·sma] avy amin’Andriamanitra, izay tao anatiny’, izay, tamin’ny tarehin-javatra nisy an’i Timoty, dia nahatafiditra fanomezana manokana sasany avy tamin’ny fanahy. (2 Timoty 1:6). Tao amin’ireo tokantrano isiraelita, ny afo dia matetika no arina nirehitra fotsiny. Azo natao ny ‘namelona’ azy ireny mba hiterahany lelafo sy hafanana bebe kokoa. Noho izany, dia ampirisihina isika mba hanatontosa ny fanendrena antsika amin’ny fontsika sy ny herintsika, hamelona toy ny afo izay fanomezana ara-panahy rehetra nomena antsika.
Fanomezana ara-panahy tokony hozaraina
Ny fitiavan’i Paoly an’ireo rahalahiny tany Roma dia nanosika azy hanoratra hoe: “Maniry hahita anareo aho hanomezako [fanomezana ara-panahy, NW ] [khaʹri·sma] ho anareo, mba hampaherezina hianareo, izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.” (Romana 1:11, 12). Nihevitra ny fahaizantsika manatanjaka ny finoan’ny hafa amin’ny firesahantsika amin’izy ireo, ho fanomezana ara-panahy, i Paoly. Ny fifanakalozana fanomezana ara-panahy toy izany dia hiteraka fanohanana ny finoana sy fifampaherezana.
Ary tena ilaina tokoa izany. Eto amin’itỳ fandehan-javatra ratsy iainantsika itỳ, isika rehetra dia miatrika fihenjanana, na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ny fifanakalozana fampaherezana tsy tapaka anefa, dia afaka manampy antsika hiaritra. Ilay hevitra ny amin’ny fifanakalozana — sady fanomezana no fandraisana — dia zava-dehibe amin’ny fihazonana tanjaka ara-panahy. Marina fa mila fampaherezana isika rehetra indraindray, nefa isika rehetra dia afaka mifampahery koa.
Raha mailo isika manamarika ireo mpiray finoana amintsika kivy, dia mety ‘hahay hampionona izay rehetra mitondra fahoriana, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika’. (2 Korintiana 1:3-5). Ilay teny grika niavian’ny hoe fampiononana (pa·raʹkle·sis) dia midika ara-bakiteny hoe “fiantsoana ho eo akaikin’ny tena”. Raha eo akaikin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika mba hanome fanampiana azy ireo, rehefa ilaina izany, dia tsy isalasalana fa hahazo ny fanohanana amim-pitiavana mitovy amin’izany isika, rehefa mila izany. — Mpitoriteny 4:9, 10; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:36-41.
Andraisan-tsoa betsaka koa ny fitsidihan’ny mpiandry ataon’ireo loholona. Na dia misy aza fotoana anaovana fitsidihana mba hanomezana torohevitra araka ny Soratra Masina ny amin’ny raharaha iray ilana fiheverana, ny ankamaroan’ireo fitsidihan’ny mpiandry dia fotoana ho an’ny fampaherezana, ‘mampifaly ny fo’. (Kolosiana 2:2). Rehefa manao ireny fitsidihana manatanjaka finoana ireny ireo mpiandraikitra, dia tena mizara fanomezana ara-panahy tokoa. Toa an’i Paoly, dia ho hitan’izy ireo fa ahitan-tsoa io endrika tsy manam-paharoan’ny fanomezana io, ary hampitombo ny ‘faniriana hahita’ ireo rahalahiny. — Romana 1:11.
Marina izany ny amin’ny tarehin-javatra nisy ny loholona iray tany Espaina, izay nitantara itỳ fanandraman-javatra itỳ: “Toa tsy dia liana loatra tamin’ireo fivoriana sy tamin’ny kongregasiona amin’ny ankapobeny i Ricardo, zazalahy iray, 11 taona. Noho izany, dia nangataka lalana tamin’ny ray aman-drenin’i Ricardo aho mba hitsidika ny zanak’izy ireo, ka neken’izy ireo avy hatrany izany. Nipetraka tany amin’ireo tendrombohitra, tokony ho adiny iray amin’ny fiarakodia avy eo an-tranoko, izy ireo. Hita fa faly i Ricardo nahita ny fiahiako azy, ka naneho fihetsika tsara avy hatrany izy. Tsy ela izy dia tonga mpitory tsy vita batisa ary mpikambana mazoto tao amin’ny kongregasiona. Nosoloan’ny toetra mahafinaritra mahay mifandray amin’olona ny toetrany mimpirimpirina. Maro tao amin’ny kongregasiona no nanontany hoe: ‘Fa naninona i Ricardo e?’ Toy ny hoe vao voalohany i Ricardo no voamarik’izy ireo. Rehefa mandinika io fitsidihan’ny mpiandry tena lehibe io aho, dia mihevitra fa nahazo betsaka noho i Ricardo ny tenako. Rehefa miditra ny Efitrano Fanjakana izy, dia feno tsiky ny tarehiny ka mihazakazaka izy mba hiarahaba ahy. Fifaliana ny nahita ny fandrosoany ara-panahy.”
Tsy isalasalana fa voatahy be dia be ny fitsidihan’ny mpiandry toy io. Ny fitsidihana toy ireny dia mifanaraka amin’ny fiangavian’i Jesosy hoe: ‘Andraso ny ondriko’. (Jaona 21:16). Mazava ho azy fa tsy ny loholona ihany no afaka mizara fanomezana ara-panahy toy izany. Ny tsirairay ao amin’ny kongregasiona dia afaka mampirisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. (Hebreo 10:23, 24). Toy ireo mpananika tendrombohitra mifatotra amin’ny tady iray ihany, isika rehetra dia tafakamban’ny fifamatorana ara-panahy. Izay rehetra ataontsika sy lazaintsika dia misy vokany tsy azo ialana eo amin’ny hafa. Ny fanamarihana manindrona na ny fanakianana amin-kasiahana dia afaka ny hampahalemy ny fifamatorana mampiray antsika. (Efesiana 4:29; Jakoba 3:8). Etsy an-danin’izany, ireo teny fampaherezana noeritreretina tsara sy ny fanohanana amim-pitiavana dia afaka manampy ireo rahalahintsika handresy ny zava-tsarotra setrain’izy ireo. Amin’izany fomba izany no hizarantsika fanomezana ara-panahy misy vokany maharitra. — Ohabolana 12:25.
Fanehoana taratry ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa
Mazava fa manana fahaiza-mambabo olona amin’ny fetrany sasany ny Kristiana tsirairay. Nomena ny fanantenana fiainana mandrakizay tsy voavidim-bola aman-karena isika. Manana fanomezana ara-panahy azontsika ifampizarana koa isika. Ary afaka miezaka mafy isika mba hanairana na hanosehana ny hafa ho amin’ny zava-kendrena mety. Ny sasany dia manana fanomezana fanampiny amin’ny endriky ny tombontsoam-panompoana. Ireny fanomezana rehetra ireny dia porofon’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory. Koa satria izay fanomezana rehetra mety hananantsika dia zavatra noraisintsika avy tamin’Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy manana antony tokony hireharehana mihitsy isika. — 1 Korintiana 4:7.
Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia ho tsara ny hanontaniantsika tena hoe: ‘Hampiasaiko mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay Mpanome ny “fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” ve izay mety ho fahaiza-mambabo olona mety hananako? (Jakoba 1:17). Hanahaka an’i Jesosy sy hanompo ny hafa mifanaraka amin’ny fahaizako sy ny tarehin-javatra misy ahy ve aho?’
Namintina toy izao ny andraikitsika eo amin’io lafiny io ny apostoly Petera: “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana [khaʹri·sma] izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra. Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. — 1 Petera 4:10, 11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Olona 913 tamin’ny fitambarany no maty, anisan’izany ny tenan’i Jim Jones.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Corbis-Bettmann
UPI/Corbis-Bettmann