Ny fanekentsika voafetra an’ireo manam-pahefana ambony
“Koa tsy maintsy manaiky ny olona.” — ROMANA 13:5.
1. Zava-nihatra mafy inona no hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-tanan’ny manam-pahefana ambony nazia, ary moa ve izany noho ny ‘fanaovana izay ratsy’?
TAMIN’NY 7 Janoary 1940, dia novonoina tamin’ny fanapahan-doha i Franz Reiter sy ny tanora ôtrisiana dimy hafa. Izy ireo dia Bibelforscher, Vavolombelon’i Jehovah, ary maty izy ireo noho ny tsy namelan’ny fieritreretany azy handray fiadiana ho an’ny fitondran’i Hitler. Iray tamin’ireo Vavolombelona an’arivony maro izay maty noho ny finoany nandritra ny Ady lehibe faharoa i Reiter. Maro kokoa noho izany no niaritra an-taonany maro tany amin’ireo toby fitanana. Moa ve ireo rehetra ireo nijaly tamin’ny ‘sabatry’ ny manam-pahefana ambony nazia noho izy ireo ‘nanao ratsy’? (Romana 13:4). Tsia dia tsia! Asehon’ny tenin’i Paoly manaraka fa nankatò ny didin’Andriamanitra ao amin’ny Romana 13 ireo kristiana ireo, na dia nijaly teo an-tanan’ny fahefana aza izy ireo.
2. Inona ilay antony manery antsika hanaiky ireo manam-pahefana ambony?
2 Ao amin’ny Romana 13:5 dia nanoratra toy izao ilay apostoly: “Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.” Teo aloha i Paoly dia nilaza fa ny fitondran’ny fahefana “sabatra” dia antony tsara tokony hanekena azy. Izao anefa dia manome antony mahery kokoa izy: ny fieritreretana. Miezaka manompo an’Andriamanitra “amin’ny fieritreretana madio” isika. (2 Timoty 1:3). Asain’ny Baiboly manaiky ireo manam-pahefana ambony isika, ary mankatò isika satria irintsika ny hanao izay tsara eo imason’Andriamanitra. (Hebreo 5:14). Marina tokoa fa manosika antsika hankatò ny fahefana ny fieritreretantsika voavolavolan’ny Baiboly, na dia tsy misy olona manara-maso antsika aza. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 10:20.
“Noho izany no andoavanareo vola hetra”
3, 4. Malaza noho ny inona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana ny kristiana no tokony handoa hetra?
3 Tany Nigéria, taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy tabataba nikasika ny fandoavan-ketra. Aina maro no nafoy, ary niantso ny tafika ireo manam-pahefana. Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray nisy fivoriana ireo miaramila ary nanontany ny anton’ilay fivoriana. Rehefa hitan’ilay manamboninahitra niandraikitra fa fivoriana fianarana Baiboly nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy, dia nasainy nandeha ireo miaramila tamin’ny filazana hoe: “Tsy mpitabataba momba ny hetra ny Vavolombelon’i Jehovah”.
4 Ireo Vavolombelona nizeriana ireo dia nalaza ho niaina nifanaraka tamin’ny tenin’i Paoly hoe: “Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny”. (Romana 13:6). Fony izy nanome ilay fitsipika hoe: ‘Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’, dia niresaka ny amin’ny fandoavan-ketra i Jesosy. (Matio 22:21). Ireo manam-pahefana ivelan’ny fivavahana dia manome arabe, fiarovan’ny pôlisy, trano famakiam-boky, fandaharam-pitaterana, sekoly, asan’ny paositra, ary maro hafa koa. Mampiasa ireny zavatra omena ireny isika matetika. Rariny tsotra izao raha tokony handoa ny vidin’ireny isika amin’ny alalan’ny hetrantsika.
“Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy”
5. Inona no hevitry ny fitenenana hoe: “mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy”?
5 Nanohy ny teniny toy izao i Paoly: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy; vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina”. (Romana 13:7). Ny teny hoe “izy rehetra” dia mahafaoka ny fahefana ivelan’ny fivavahana rehetra izay mpiasa ho an’Andriamanitra. Tsy misy maningana mihitsy. Mandoa hetra isika, na dia miaina eo ambany fandaharana ara-politika izay tsy tian’ny tenantsika manokana aza. Raha tsy ampandoavina hetra ireo fivavahana eo amin’ny toerana misy antsika, dia afaka manararaotra izany koa ny kongregasiona. Ary sahala amin’ireo olom-pirenena hafa, ny kristiana dia afaka mampiasa izay zavatra omen’ny lalàna rehetra mba hamerana ny hetra aloany. Kanefa, dia tsy tokony hisy kristiana hiala amin’ny fandoavan-ketra amin’ny fomba tsy manara-dalàna. — Ampitahao amin’ny Matio 5:41, MN; 17:24-27.
6, 7. Nahoana isika no tokony handoa hetra na dia entina hikarakarana zavatra tsy ekentsika aza ilay vola hetra, na koa, na dia manenjika antsika aza ny fahefana?
6 Aoka anefa hataontsika hoe toa tsy ara-drariny ny hetra iray. Na, ahoana raha misy tapany amin’ny vola hetra ampiasaina hikarakarana zavatra tsy ekentsika toy ny fanalana zaza tsy andoavam-bola, foibe fanomezan-dra, na fandaharana izay mifanohitra amin’ny fialanalanantsika? Mbola mandoa ny hetrantsika rehetra ihany isika. Ny fahefana no tsy maintsy mandray andraikitra ny amin’ny fomba ampiasana ny vola hetra. Tsy notendrena hitsara ny fahefana isika. Andriamanitra no “Mpitsara ny tany”, ary amin’ny fotoana mety, dia hampamoaka ireo fitondram-panjakana sy ny fomba nampiasany ny fahefany izy. (Salamo 94:2; Jeremia 25:31). Mandra-pitrangan’izany dia mandoa ny hetrantsika isika.
7 Ahoana raha manenjika antsika ny fahefana? Mbola mandoa hetra isika noho ny asa ataony isan’andro. Momba ny Vavolombelona mijaly noho ny fanenjehana any amin’ny tany afrikana iray, dia hoy ny gazety Examiner any San Francisco: “Afaka mihevitra azy ireny ho olom-pirenena fakan-tahaka ianao. Mandoa hetra amim-pitandremana izy ireo, mikarakara ny marary, miady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra”. Eny, nandoa ny hetrany ireny Vavolombelona nenjehina ireny.
“Tahotra” sy “haja”
8. Inona ilay “tahotra” omentsika ny fahefana?
8 Ny “tahotra” voalaza ao amin’ny Romana 13:7, dia tsy hakanosana akory, fa fanajana ny fahefana ivelan’ny fivavahana kosa, tahotra sao mandika ny lalàny. Omena io fanajana io noho ilay toerana tanany, fa tsy noho ilay olona mitana ilay toerana foana akory. Rehefa miresaka ara-paminaniana ny amin’i Tiberio, emperora romana, ny Baiboly, dia miantso azy hoe: “olona famingavinga”. (Daniela 11:21). Kanefa dia izy no ilay emperora, ary tamin’ny naha-toy izany azy, dia tsy maintsy naneho taminy tahotra sy haja ny kristiana iray.
9. Inona no fomba sasany anomezantsika voninahitra ireo manam-pahefana olombelona?
9 Mikasika ny haja, dia manaraka ny baikon’i Jesosy tsy hanome anaram-boninahitra miorina amin’ny toerana ara-pivavahana isika. (Matio 23:8-10). Fa raha ny amin’ny manam-pahefana ivelan’ny fivavahana kosa, dia faly isika miantso azy ireny amin’izay rehetra mety ho anaram-boninahitra takina ho fanajana azy. Nampiasa ny fitenenana hoe “ry tsara indrindra” (Excellence), i Paoly rehefa niresaka tamin’ireo governora romana. (Asan’ny apostoly 26:25). Niantso an’i Nebokadnezara hoe “Tompokolahy” i Daniela (Daniela 4:16 [Da 4:19, MN]). Ankehitriny, ny kristiana dia mahazo mampiasa fitenenana toy ny hoe “Andriamatoa Minisitra” na “Ry Andriamanjaka”. Mahazo mitsangana izy ireo rehefa miditra ao amin’ny efitrano fitsarana ny mpitsara iray na miondrika amim-panajana eo anoloan’ny mpitondra iray raha izany no fomba fanao.
Fanekena voafetra
10. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa misy fetra ny zavatra azon’ny fahefan’olombelona iray takina amin’ny kristiana?
10 Koa satria manaiky ny fahefan’olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah, nahoana àry i Franz Reiter sy ny hafa maro aoka izany no nijaly toy izany? Satria voafetra ny fanekentsika, ary tsy manaiky foana akory ny fahefana fa misy fetra omen’ny Baiboly ny amin’izay azony takina. Raha mitaky zavatra mandika ny fieritreretana kristiana voavolavola tsara iray ny fahefana, dia mihoatra ny fetra nomen’Andriamanitra azy izy. Nampahafantatra izany i Jesosy rehefa niteny hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara (...) izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”. (Matio 22:21). Rehefa mitaky izay an’Andriamanitra i Kaisara, dia tsy maintsy manaiky isika fa Andriamanitra no manana ny zo voalohany hitaky zavatra amintsika.
11. Fotopoto-pitsipika inona, mampiseho fa misy fetra ny zavatra azon’ny fahefan’olombelona iray takina, no ekena maneran-tany?
11 Moa ve izany fihetsika izany mampiseho fikasana hanongana na hamadika fanjakana? Tsy izany velively. Izy io kosa, raha ny marina, dia fanitarana ny fotopoto-pitsipika iray izay eken’ny ankabeazan’ny firenena mandroso. Tamin’ny taonjato faha-15, dia nampiakarina fitsarana ny lehilahy iray natao hoe Peter von Hagenbach noho izy nampanjaka fampihorohoroana tany amin’ny faritr’i Eoropa izay nananany fahefana. Nolavina ny fiarovan-tenany nilazany fa tsy nanao afa-tsy ny nanaraka ny baikon’ny tompony, ny Duc de Burgogne, izy. Ny fanambarana fa ny olona iray nahavita habibiana dia tsy tompon’andraikitra raha toa izy nanaraka ny baikon’ny fahefana ambony iray, dia naverimberina imbetsaka hatramin’izay — ary ireo mpanao heloka bevava an’ady nazia indrindra no tena nanao izany teo anatrehan’ny Fitsarana niraisam-pirenena tany Nuremberg. Nolavina mazàna io fanambarana io. Izao no nambaran’ilay Fitsarana niraisam-pirenena tao amin’ny didim-pitsarana navoakany: “Ny tsirairay dia manana andraikitra iraisam-pirenena izay mihoatra noho ny adidiny ara-pirenena hankatò izay angatahin’ny fanjakana aminy.”
12. Inona no ohatra sasany ao amin’ny Soratra masina ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra izay nanda ny hankatò fitakiana tafahoatra nataon’ny fahefana?
12 Ny mpanompon’Andriamanitra dia nanaiky foana fa misy fetra ny fanekena azony omena amim-pieritreretana an’ireo manam-pahefana ambony. Tany amin’ny fotoana nahaterahan’i Mosesy tany Egypta, i Farao dia nandidy mpampivelona hebreo roa hamono ny zazalahy hebreo vao teraka rehetra. Niaro ireo zazakely tsy ho faty anefa ireo mpampivelona. Diso ve izy ireo tsy nankatò an’i Farao? Tsia, fa nanaraka ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy izy, ary notahin’Andriamanitra noho izany. (Eksodosy 1:15-20). Fony babo tany Babylona ny Isiraely, i Nebokadnezara dia nitaky ny hiankohofan’ireo mpanao raharaham-panjakana teo aminy, anisan’izany ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ireo Hebreo, teo anatrehan’ny sary iray izay natsangany teo amin’ny tany lemaka Dora. Nanda ireo Hebreo telo lahy. Diso ve izy ireo? Tsia, satria ny fanarahana ny didin’ny mpanjaka dia ho nidika tsy fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. — Eksodosy 20:4, 5; Daniela 3:1-18.
“Andriamanitra no tokony hekena ho filoha”
13. Ohatra inona no nomen’ireo kristiana voalohany teo amin’ny raharaha nahakasika ny fankatoavana voafetra an’ireo manam-pahefana ambony?
13 Toy izany koa, rehefa nandidy an’i Petera sy Jaona hitsahatra tsy hitory an’i Jesosy ireo manam-pahefana jiosy, dia izao no navalin’izy ireo: “Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra”. (Asan’ny apostoly 4:19; 5:29, MN). Tsy afaka ny hangina izy ireo. Ilay gazety hoe Ny Taonjato Kristiana (anglisy) dia manintona ny saina ho amin’ny fihetsika miorina amin’ny fieritreretana iray hafa notanan’ireo kristiana voalohany rehefa nilaza hoe: “Ireo kristiana tany am-boaloany dia tsy nanompo tao amin’ny tafika. Marihin’i Roland Bainton fa ‘nanomboka tamin’ny faran’ny vanim-potoanan’ny Testamenta Vaovao ka hatramin’ireo folo taona A.D 170-180, dia tsy nisy fampiharihariana mihitsy ny amin’ny kristiana tao amin’ny tafika’. (Fihetsika Kristiana teo anatrehan’ny Ady sy ny fandriampahalemana (anglisy) [Abingdon, 1960], pp 67-8). (...) Nilaza i Swift fa i Justin le Martyr dia ‘mihevitra fa fomba fanaon’ny kristiana ny mifehy tena tsy hanao asa feno herisetra.’ ”
14, 15. Inona no fotopoto-pitsipika sasany ao amin’ny Baiboly izay nifehy ny fankatoavana voafetra nasehon’ireo kristiana voalohany tamin’ireo manam-pahefana olombelona?
14 Nahoana ny kristiana voalohany no tsy nanao ny raharaha miaramila? Tsy isalasalana fa, ny tsirairay dia nianatra tamim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra sy ny lalàny ary nanao ny fanapahan-keviny manokana niorina tamin’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly. Nialanalana izy ireo, “tsy naman’izao tontolo izao”, ary ny fialanalanany dia nandrara azy tsy homba ny atsy na ny aroa tamin’ireo adin’ity tontolo ity. (Jaona 17:16; 18:36). Fanampin’izany, dia an’Andriamanitra izy ireo. (2 Timoty 2:19). Ny famoizana ny aina ho an’ny Firenena dia ho nidika fanomezana ho an’i Kaisara izay an’Andriamanitra. Ambonin’izany, izy ireo dia anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena ampiraisin’ny fatoran’ny fitiavana. (Jaona 13:34, 35; Kolosiana 3:14; 1 Petera 4:8; 5:9). Tsy afaka nandray fiadiana tamim-pieritreretana madio izy ireo ka nety ho namono ny kristiana toa azy.
15 Fanampin’izany, ireo kristiana dia tsy afaka nanaraka ireo fombafomba ara-pivavahana fanaom-bahoaka, toy ny fanolorana fankalazana ny emperora. Vokatr’izany, izy ireo dia noheverina ho “vahoaka hafahafa sy nety hampidi-doza, ary tonga ho azy ny fiahiahian’ny sisa tamin’ny mponina azy ireo.” (Mbola miteny ny Baiboly, [angl.] nataon’i W. A. Smart). Na dia nanoratra aza i Paoly fa tokony ‘handoa tahotra ho an’izay tokony hatahorana’ ny kristiana, dia tsy hadinon’izy ireo akory ny tahotra, na ny fanajana lehibe kokoa tokony homeny an’i Jehovah. (Romana 13:7; Salamo 86:11). I Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery [mandringana, MN] ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo.” — Matio 10:28.
16. a) Amin’ny lafiny inona avy ny kristiana no tsy maintsy mandanja amim-pitandremana ny fanekeny ireo manam-pahefana ambony? b) Mampiseho inona ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-27?
16 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia miatrika zava-tsarotra tsy maintsy resena toy izany isika ankehitriny. Tsy afaka mandray anjara amin’izay mety ho endrika araka ny isehoan’ny fanompoan-tsampy amin’izao andro izao isika — na fihetsehana mampiseho fankalazana sary na famantarana iray izany, na filazana fa avy amin’ny olona iray na fandaminana iray ny famonjena. (1 Korintiana 10:14; 1 Jaona 5:21). Ary sahala amin’ireo kristiana voalohany, dia tsy azontsika ampandeferina ny fialanalanana kristiana tanantsika. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:4.
“Fahalemem-panahy sy fanajana lalina”
17. Torohevitra inona no nomen’i Petera an’ireo mijaly noho ny amin’ny fieritreretana?
17 Nanoratra ny amin’ny fihetsitsika miorina amin’ny fieritreretana tsara ny apostoly Petera ka nilaza hoe: “Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra [eo anatrehan’Andriamanitra, MN]”. (1 Petera 2:19). Eny, ankasitrahan’Andriamanitra rehefa miorina mafy ny kristiana iray na dia misy fanenjehana aza, ary misy soa fanampiny satria mihamatanjaka sy mihatsara ny finoan’ilay kristiana. (Jakoba 1:2-4; 1 Petera 1:6, 7; 5:8-10). Nanoratra toy izao i Petera: “Raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo; fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana [lalina, MN].” (1 Petera 3:14, 15). Torohevitra mahasoa tokoa izany!
18, 19. Amin’ny ahoana ny fihetsika feno fanajana lalina sy fahendrena no manampy raha manisy fetra ny fahafahantsika manompo ny fahefana?
18 Rehefa mitranga ny fanenjehana satria tsy takatry ny fahefana ny fihetsika kristiana na satria nasehon’ireo filohan’ny fivavahana lazaina fa kristiana tamin’ny fomba diso tamin’ny fahefana ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fanazavana ny zava-misy amin’ny fahefana dia mety hiteraka fanalefahana ny fanerena. Amin’ny fananana fahalemem-panahy sy fanajana lalina, ny kristiana iray dia tsy mamaly ara-batana ireo mpanenjika azy. Mampiasa ny fomba ara-dalàna azo ampiasaina rehetra anefa izy mba hiarovana ny finoany. Avy eo dia apetrany eo an-tanan’i Jehovah ny raharaha. — Filipiana 1:7; Kolosiana 4:5, 6.
19 Ny fanajana lalina koa dia mitarika ny kristiana iray hankatò ny fahefana araka izay farany azony atao, tsy misy fandikana ny fieritreretany. Raha voarara, ohatra, ny fivorian’ny kongregasiona, dia hahita fomba tsy miharihary kokoa mba hanohizana hisakafo eo amin’ny latabatr’i Jehovah ny kristiana. Milaza amintsika amin’ny alalan’i Paoly i Jehovah Andriamanitra, ilay Fahefana Tampony, hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany.” (Hebreo 10:24, 25). Azo atao amin’ny fomba tsy misehoseho anefa ny fivoriana toy izany. Na dia vitsy monja aza no manatrika, dia afaka matoky isika fa tahin’Andriamanitra ny fandaharana toy izany. — Ampitahao amin’ny Matio 18:20.
20. Raha voarara ny fitoriana ampahibemaso, ahoana no mety hiatrehan’ny kristiana ilay toe-javatra?
20 Toy izany koa, nisy manam-pahefana sasany nandrara ny fitoriana ny vaovao tsara ampahibemaso. Tsaroan’ny kristiana miaina eo ambany fanapahan’izy ireny fa, tamin’ny alalan’i Jesosy mihitsy, ilay Fahefana Tampony dia nilaza hoe: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha”. (Marka 13:10). Noho izany, dia mankatò ilay Fahefana Tampony izy ireo na toy inona na toy inona mety ho vidin’izany ho an’ny tenany. Tany amin’izay azo nanaovana izany, ireo apostoly dia nitory ampahibemaso sy isan-trano, kanefa dia misy fomba hafa ahatratrarana ny olona, toy ny fitoriana tampotampoka. (Jaona 4:7-15; Asan’ny apostoly 5:42, MN; 20:20, MN). Matetika no tsy hisakana ny asa fitoriana ny manam-pahefana raha ny Baiboly ihany no ampiasaina — ka izay no mampisongadina ny ilàn’ny Vavolombelona rehetra ho tsara ofana amin’ny fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra masina. (Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 17:2, 17, MN.) Amin’ny fisehoana ho sahy, nefa feno fanajana, matetika ny kristiana dia mety hahita fomba ankatoavana an’i Jehovah tsy misy fanairana ny fahatezeran’ireo manam-pahefana ambony. — Titosy 3:1,2.
21. Raha tsy maneho indrafo amin’ny fanenjehana i Kaisara, inona no lalana tsy maintsy fidin’ny kristiana?
21 Indraindray anefa, dia tsy miantra amin’ny fanenjehana ireo kristiana ny fahefana. Amin’izay, amin’ny fieritreretana madio dia azontsika atao fotsiny ny miaritra amin’ny fanaovana izay tsara. Niatrika safidy i Franz Reiter tanora: na hampandefitra ny finoany na ho faty. Koa satria tsy afaka ny hitsahatra tsy hanompo an’Andriamanitra izy, dia nizotra tamin-kerim-po ho amin’ny fahafatesany. Ny alina talohan’ny nahafatesany, dia nanoratra tany amin’ny reniny toy izao i Franz: “Hovonoina rahampitso maraina aho. Avy amin’Andriamanitra no ananako ny heriko, mitovy amin’izay nitranga mandrakariva tamin’ny kristiana marina rehetra fahiny ela be. (...) Raha miorina mafy hatramin’ny fahafatesana ianao, dia hifankahita indray isika amin’ny fitsanganan’ny maty.”
22. Inona no fanantenana ananantsika, ary ahoana no tokony hataontsika mandra-pahatongan’izany?
22 Hisy andro hahatonga ny taranak’olombelona iray manontolo ho eo ambany lalàna iray monja, ny an’i Jehovah Andriamanitra. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy maintsy mankatò ny fandaharan’Andriamanitra amin’ny fieritreretana tsara isika, ary mitana ny fanekentsika voafetra an’ireo manam-pahefana ambony, sady, amin’izany fotoana izany ihany, mankatò an’i Jehovah Mpanjaka Tompontsika amin’ny zavatra rehetra. — Filipiana 4:5-7.
Tadidinao ve?
◻ Inona ilay antony manery antsika hanaiky ireo manam-pahefana ambony?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hisalasala handoa ny hetra feran’i Kaisara?
◻ Karazana haja inona no tokony homentsika ny fahefana?
◻ Nahoana ny fanekentsika an’i Kaisara no voafetra ihany?
◻ Raha enjehina isika satria i Kaisara mitaky izay an’Andriamanitra, ahoana no tokony ho fihetsitsika?
[Efajoro, pejy 27]
Fanajana, fa tsy fanolorana fankalazana
Indray maraina, nandritra ny fotoam-pianarana, dia nomarihin’i Terra, Vavolombelon’i Jehovah tanora kanadiana iray, fa nentin’ny mpampianatra tany ivelan’ny lakilasy ny mpiara-mianatra iray nandritra ny fotoana fohy. Tsy ela taorian’izay, dia nangataka moramora an’i Terra mba hanaraka azy ho any amin’ny biraon’ny talen-tsekoly ilay mpampianatra.
Rehefa tonga tany, dia nomarihin’i Terra ny saina kanadiana nivelatra nanapaka teo ambonin’ny biraon’ny tale. Nasain’ilay mpampianatra nandrora teo amin’ilay saina i Terra! Nanipy hevitra izy hoe, satria i Terra tsy nihira ny hiram-pirenena na niarahaba saina, dia tsy nisy antony tsy hahafahany hanao zavatra toy izany. Nanda i Terra tamin’ny fanazavana fa, na dia tsy manolotra fankalazana ho an’ny saina aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manaja azy io izy ireo.
Rehefa tafaverina tany an-dakilasy, dia nambaran’ilay mpampianatra fa vao avy nanao fanandraman-javatra izy. Naka mpianatra roa nentina tsirairay tao amin’ny biraon’ny tale izy ary nilaza taminy mba handrora teo amin’ilay saina. Ilay voalohany dia nandray anjara tamin’ny fombafomba mampiseho fitiavan-tanindrazana nefa nandrora teo amin’ilay saina rehefa nasaina nanao izany. Nifanohitra tamin’izany, i Terra dia tsy nihira ny hiram-pirenena na niarahaba ilay saina; na dia izany aza, dia tsy nety nanevateva ny saina tamin’izany fomba izany izy. Nomarihin’ilay mpampianatra fa i Terra no naneho ny fanajana nety. — Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1990 (frantsay).
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Ambasady frantsay, biraon’ny filazam-baovao sy ny gazety
Solontenan’ny Firaisana Sovietika any amin’ny Firenena Mikambana