‘Fanoherana izay lazaina hoe Fahalalana — Kanjo tsy izy’
HATRAIZA ny fahamarinana no zava-dehibe aminao? Mampikorontan-tsaina anao ve ny nanolanan’ny lainga, na ny nanafenany mihitsy aza ny fahamarinana momba ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany? Izany dia nampikorontan-tsaina mafy an’i Irénée, olona nilaza ny tenany ho kristiana tamin’ny taonjato faharoa amin’ny fanisan-taona iraisana. Niezaka nanazava ny tsy fahamarinana mampidi-dozan’ny Gnôstisisma [filôzôfia ara-pivavahana, izay ny mpanaraka azy dia mihambo ho manana fahalalana feno sy tanteraka ny amin’ny zava-drehetra], endri-pivadiham-pinoana iray amin’ny kristianisma. Taloha kokoa, dia nampitandrina an’i Timoty ny apostoly Paoly mba hiala amin’izay ‘antsoina hoe fahalalana kanjo tsy izy’. — 1 Timoty 6:20, 21.
Nanohitra tamim-pahasahiana sy tamim-pahatsorana ny fampianaran-diso i Irénée. Diniho ohatra, izay nolazainy ao amin’ny fampidiran-dresaka ao amin’ny asa haisoratra goavana nataony mitondra ny lohateny hoe “Ny fanoherana sy fandrodanana izay antsoina amin’ny fomba diso hoe Fahalalana”. Izao no nosoratany: “Misy olona sasany, izay mandà ny fahamarinana, mampiditra eto amintsika tantara lainga sy filazana firazanana tsy misy fotony, izay mitondra ho amin’ny ady hevitra, araka ny nambaran’ny apostoly [1 Timoty 1:3, 4], fa tsy ho amin’ny asan’Andriamanitra ho fampiorenana ho amin’ny finoana. Amin’ny fahaizany mandaha-teny voarafitra amin’ny fomba mamitaka, dia mitarika ny sain’ny tsy ampy fanandraman-javatra hivaona izy ireo ary mamabo azy, manimba ny tenin’ny Tompo, ary tonga mpandika vilana izay voalaza tamin’ny fomba tsara.
Ny gnôstika (avy amin’ny teny grika gnôsis midika hoe “fahalalana”) dia nihambo ho nahazo fahalalana ambony avy amin’ny fanambarana miafina ary nirehareha ho “mpanitsy ny apostoly”. Ny gnôstisisma dia nampifamatotra ny filôzôfia sy ny tombantombana ary ny fampianarana mifono zava-miafin’ny mpanompo sampy, tamin’ny kristianisma nivadi-pinoana. Tsy nety nandray anjara tamin’izany i Irénée. Nanomboka nanao ady naharitra tamin’ny fampianaran-diso kosa izy. Tsy isalasalana fa fantany tsara ny ilàna ampiharana ny fampitandreman’ny apostoly Paoly hoe: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy”. — Kolosiana 2:8; 1 Timoty 4:7.
Fahazazana sy fanompoana
Zavatra kely no fantatra mikasika ny fahazazana sy ny tantaram-piainan’i Irénée manokana. Heverina saiky mandrakariva fa teratanin’i Azia Minora izy, teraka teo anelanelan’ny taona 120 am.fan.ir. sy 140 am.fan.ir. tao amin’ny tanànan’i Smyrna na teo akaikiny. Ambaran’ny tenan’i Irénée mihitsy fa, tamin’ny fahazazany, dia nifankahalala manokana tamin’i Polycarpe, mpiandraikitra tao amin’ny kongregasionan’i Smyrna izy.
Raha mbola nianatra teo ambany fitarihan’i Polycarpe i Irénée, dia toa nanana an’i Florinus ho namana izy. Nifandray akaiky tamin’ireo apostoly i Polycarpe. Nohazavainy betsaka ny Soratra masina ary nampirisika mafy ny fifikirana tamin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny izy. Na dia teo aza anefa io fampiofanana tena tsara avy amin’ny Soratra masina io, tatỳ aoriana i Florinus dia latsaka tao amin’ny fampianaran’i Valentin, ilay mpitarika malaza indrindra amin’ny fihetsiketsehana gnôstika!
Nirin’i Irénée ny hamerina indray an’i Florinus sakaizany sady mpiara-miasa taminy taloha ho amin’ny fampianarana mahasoan’ny Soratra masina ka ho afaka amin’ny fampianaran’i Valentin. Noho izany, dia voatosika hanoratra taratasy ho an’i Florinus i Irénée nanao hoe: “Ireo fampianarana ireo, ry Florinus, (. . .) dia tsy fahatakaran-javatra mahasoa; tsy mifanaraka amin’ny fiangonana ireo fampianarana ireo, ary mampiditra izay manaraka izany ao amin’ny tsy finoana an’Andriamanitra faran’izay lehibe; (. . .) ireny fampianarana ireny, ireo presbitera ireo izay talohantsika sady nahalala ireo apostoly dia tsy nampita izany taminao.”
Niezaka nampahatsiaro an’i Florinus ny amin’ny fampiofanana tena tsara azo teo an-tongotr’i Polycarpe, olo-nalaza, i Irénée ka nanohy hoe: “Tsaroako ny zava-niseho tamin’izany fotoana izany (. . .) ka azoko lazaina na dia ny toerana fipetrahana sy fanaovana lahateny nahazatra an’i Polycarpe voatahy aza. Ary koa ny fomba niresahany ny amin’ny fifandraisany akaiky tamin’i Jaona sy ny sisa tamin’ireo izay nahita ny Tompo; toy inona koa ny fahazarany nitanisa indray ny tenin’izy ireo.”
Nampahatsiarovina an’i Florinus fa i Polycarpe dia nampianatra izay noraisiny “avy tamin’ireo vavolombelona nahita maso ny Tenin’ny fiainana, [ary] nitantara azy rehetra nifanaraka tamin’ny Soratra masina. Ireo zavatra ireo àry, izay nomena ahy noho ny indrafon’Andriamanitra, dia reko, nomarihiko an-tsoratra, tsy teo amin’ny taratasy anefa fa tao am-poko; ary mbola noho ny indrafon’Andriamanitra ihany dia averiko ao an-tsaiko amim-pahamarinana ireo zavatra ireo. Ary afaka manao fanambarana eo imason’Andriamanitra aho [ny amin’ny fampianaran’i Valentin] fa raha nandre izany io presbitera apostolika voatahy io [i Polycarpe], dia ho nikiakiaka mafy izy ary ho nanampin-tsofina (. . .) Ho nandositra niala avy teo amin’izay toerana nipetrahany na nijoroany ka nandrenesany teny toy izany izy.”
Tsy misy fitantarana milaza fa nisy akony teo amin’i Florinus ny taratasy nanohina ny fo sady nahery nalefan’i Irénée. Ireo tenin’i Irénée anefa dia mampiharihary fiahiana marina ny sakaiza tiana iray izay nandao ny lalan’ny fahamarinana ary latsaka tao anatin’ny fivadiham-pinoana. — Ampitahao amin’ny 2 Tesaloniana 2:3, 7-12.
Tsy fantatra hoe oviana i Irénée no nanomboka nipetraka tany Gaule (Frantsa). Tamin’ny taona 177 am.fan.ir. izy dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona tao Lyon. Voalaza fa tena namokatra tokoa ny fanompoany tany. Raha ny marina, dia nilaza i Gregoire avy any Tours izay mpanoratra tantara fa, tao anatin’ny fotoana fohy i Irénée dia nahavita nampiova an’i Lyon iray manontolo tamin’ny kristianisma. Tsy isalasalana fa laza masaka izany.
Fanoherana ny finoana diso
Ny asan’i Irénée lehibe indrindra, “Ny fanoherana sy fandrodanana izay antsoina amin’ny fomba diso hoe Fahalalana”, dia mazàna nantsoina tamin’ny anarana hoe “Fanoherana ny finoana diso”. Voazarazara ho boky efatra izy io. Ny roa voalohany dia mirakitra filazalazana mitsikera ny zavatra inoan’ny antokom-pivavahan-diso samihafa, indrindra ny fampianaran-dison’i Valentin. Ao amin’ireo boky telo sisa, i Irénée dia manandrana manazava tsara ny “fanaporofoan-kevitra avy ao amin’ny Soratra masina.”
Ao amin’ny fampidiran-dresaky ny bokiny fahatelo hoe “Fanoherana ny finoana diso”, dia nanoratra toy izao i Irénée: “Tadidio ao an-tsaina àry izay voalazako tao amin’ireo boky roa teo aloha; ary amin’ny fanampiana izany amin’ity dia hahazo valinteny feno avy atỳ amiko ianao ho enti-manohitra ireo olona mitana finoana diso rehetra, ary ho afaka hanohitra azy ireo amim-pahatokiana sy amin-pahasahiana ho an’ilay finoana marina tokana sady manome fiainana, izay noraisin’ny Fiangonana avy tamin’ny apostoly ary nampandovany ireo zanany. Ny Tompon’ny zava-drehetra dia nanome ho an’ny apostoliny ny fahefana hitory ny filazantsara, ary tamin’izy ireo koa no nianarantsika ny fahamarinana, izany hoe ny fampianaran’ny Zanak’Andriamanitra — araka ny nambaran’ny Tompo taminy hoe ‘Izay mihaino anareo dia mihaino ahy, ary izay manao tsinontsinona anareo dia manao tsinontsinona ahy sy izay naniraka ahy.’”
Na dia niaiky aza i Irénée fa tsy mpanoratra nahay ny tenany, dia tapa-kevitra izy ny hampiharihary ny lafiny rehetra amin’ny “fampianarana manimban’ny” Gnôstisisma. Naka teny sy nanazava andininy maro tao amin’ny Soratra masina izy, ary niady hevitra tamim-pahefana nanohitra ny ‘mpampianatra sandoky’ ny “sain-diso [fitokoana] mahavery ”. (2 Petera 2:1-3.) Miharihary fa nahita fahasahiranana i Irénée tamin’ny fanangonana ny asany mba hananany endriny mahafapo. Nahoana? Satria nanangona fitaovana amin’ny ampahany makadiry izy.
Ny famelabelaran’i Irénée dia miharihary fa vita taorian’ny fahasahiranana lehibe sy fianarana be. Ny fanaporofoan-kevitra lava nataony dia manolotra harem-pahalalana ny amin’ny fiavian’ny Gnôstisisma sy ny zava-mitranga azo dinihina aminy. Ireo soratra nataon’i Irénée dia indeksa tsy hay tombanana fara faharatsiny ny amin’ny fomba fijerin’ny Soratra masina sasany izay mbola notanan’izay nilaza ho nanaraka ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny faran’ny taonjato faharoa am.fan.ir.
Imbetsaka i Irénée no namerina nilaza marimarina ny finoana “an’Andriamanitra tokana, ny Ray Tsitoha, izay nanao ny lanitra, sy ny tany, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, sy an’i Jesosy Kristy tokana, ilay zanak’Andriamanitra, izay tonga nofo ho famonjena antsika”. Ireo zava-misy ireo no nolavin’ireo Gnôstika!
Raha niresaka nanohitra ny Gnôstika Dôsetisma (ny fampianarana fa tsy tonga tamin’ny endrik’olombelona mihitsy i Kristy) i Irénée dia nanoratra toy izao: “Tsy maintsy ho olona tahaka antsika i Kristy, raha ta hanavotra antsika avy amin’ny fahalovana izy ka hahatonga antsika ho tanteraka. Satria tonga teo amin’izao tontolo izao noho ny olona iray ny ota sy ny fahafatesana, izy ireo àry dia azo foanana ara-dalàna ary ho tombontsoantsika noho ny olona iray ihany; mazava ho azy, na dia izany aza, fa tsy avy amin’izay ho taranak’i Adama ihany ka araka izany dia mbola mila fanavotana ho an’ny tenany, fa avy amina Adama faharoa, nozanahana tamin’ny fomba mahagaga, taranaka vaovao avy amin’ny karazantsika.” (1 Korintiana 15:45) Tetsy an-kilany, ny Gnôstika dia “dualistes”, nino fa tsara ny zavatra ara-panahy fa ny zavatra azo tsapaina sy ara-nofo rehetra dia ratsy. Noho izany, dia laviny i Jesosy Kristy izay olona.
Noho ny fiheverany fa ratsy ny nofo rehetra, dia lavin’ireo Gnôstika koa ny fanambadiana sy ny fiterahana, amin’ny fanantitranterana fa avy amin’i Satana izany. Tonga hatramin’ny filazana mihitsy aza izy ireo fa avy tamin’ilay menarana tany Edena ny fahendren’Andriamanitra! Io fomba fijery io dia vokatry ny fomba fiaina tafahoatra, na ny fampijalian-tena na fampanaranam-po ny nofo. Noho ny fihamboana fa ny famonjena dia avy amin’ny Gnôstisisma miafina ihany, na ny fahalalana ny tena, dia tsy namela toerana ho an’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.
Mifanohitra amin’izany, ny fanaporofoan-kevitr’i Irénée dia nahatafiditra finoana ny amin’ny Fanjakana arivo taona ary nanondro fahatakarana sasany ny amin’ny fahatsinjovana fiainan-ko avy handry fahizay eto an-tany. Niezaka nampiray ny tsy fifanarahana nitombo tamin’ny androny izy tamin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra mahery. Ary mazàna izy no tsaroana noho ny fisainany mazava, ny fahakingan-tsainy, ary ny fomba fitsarany zavatra ara-dalàna.
Na dia misy aza milaza an’i Irénée (izay maty tany amin’ny taona 200 am.fan.ir. tany ho any) ho mpiaro ny fampianarana marin’ny finoana kristiana, dia tsy maintsy tadidina fa ny androny dia fotoan’ny fiovana sy fivadiham-pinoana voambara mialoha. Indraindray ny fanaporofoan-kevitra nataony dia saika tsy mazava, mifanohitra mihitsy aza. Na dia izany aza, dia heverintsika ho sarobidy tokoa ny fanambarana nataon’olona izay niaro tamim-pahasahiana ny Teny voasoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra fa tsy ny lovantsofin’olombelona.