FITSANGANANA AMIN’NY MATY
Avy amin’ny teny grika hoe anastasis, izay midika ara-bakiteny hoe “mitsangana; mijoro.” Ampiasaina matetika izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina mba hilazana ny fitsanganana amin’ny maty. Milaza ny Hosea 13:14, izay naverin’ny apostoly Paoly (1Ko 15:54, 55), fa hofoanana ny fahafatesana ary tsy hisy ho voagejan’ny Fasana (heb.: sheʼôhl; gr.: haides) intsony. Tsy afaka ny hangeja intsony ny Fasana rehefa atsangana daholo ireo maty ao. Misy Baiboly mandika ny sheʼôhl amin’ny hoe “fonenan’ny maty” sy “toeran’ny maty.” Mankany mantsy ny olona rehefa maty. (Ge 37:35; 1Mp 2:6; Mpto 9:10) Tsy ny fasan’ny olona iray na fasam-pianakaviana no atao hoe sheʼôhl na haides, fa ny fasana misy ny maty rehetra.—Ezk 32:21-32; Ap 20:13; jereo HAIDES; SHEÔL.
Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hitantsika tetsy ambony fa miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty ny Soratra Hebreo. I Jesosy Kristy anefa no “nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.” (2Ti 1:10) Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jn 14:6) Ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy no nahafantarana hoe ahoana no hahazoana ny fiainana mandrakizay, sy hoe hisy olona ho lasa tsy mety lo. Nohamafisin’i Paoly fa tena hitsangana ny maty. Hoy izy: “Raha i Kristy no torina fa efa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty? Raha tsy hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty, na i Kristy aza tsy natsangana. Fa raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina ny finoantsika. Ary ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra isika, satria manambara fa Andriamanitra efa nanangana an’i Kristy. Tsy ho natsangany anefa izy raha tsy hatsangana tokoa ny maty. ... Ankoatra izany, raha tsy natsangana i Kristy, dia zava-poana ny finoanareo, ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo. ... Efa natsangana tamin’ny maty tokoa anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry. Koa satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty.”—1Ko 15:12-21.
Nanangana ny maty i Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. (Lk 7:11-15; 8:49-56; Jn 11:38-44) Amin’ny alalany ihany no hananganana ny maty sy hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay.—Jn 5:26.
Fikasan’Andriamanitra azo antoka. Sekta tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty ny Sadoseo, nefa nilaza ho nino ny asa soratr’i Mosesy ao amin’ny Soratra Hebreo. Nolazain’i Jesosy Kristy tamin’izy ireo anefa fa miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty ireo asa soratra ireo. Matoa i Jehovah, hoy izy, nilaza ny tenany ho “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba” (efa maty izy telo mianaka ireo tamin’izay), dia toy ny hoe mbola velona izy ireo taminy satria mbola hatsangany. “Tsy mba Andriamanitry ny maty [mantsy] izy, fa an’ny velona.” Nilaza i Paoly rehefa niresaka momba ny finoan’i Abrahama, fa vitan’Andriamanitra ny “mamelona ny maty ary miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy.”—Mt 22:23, 31-33; Ro 4:17.
Hainy ny manangana ny maty. Hain’Andriamanitra sady vitany ny namorona olombelona araka ny endriny, dia olona nanana vatana lavorary sady afaka naneho toetra tsara maro be. Ho mora aminy àry ny hanangana ny maty. Ny manam-pahaizana aza mahavita mitahiry feo sy sary anaty video izay azo jerena indray atỳ aoriana, noho ny fampiasany ny lalàn’ny natiora nataon’Andriamanitra. Tsy ho sarotra amin’ilay Mpamorona sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao mihitsy àry ny hitadidy ny maha izy ny olona iray, ary avy eo hanangana azy amin’ny maty. Tsy hovany ny maha izy an’ilay olona, fa homeny vatana vaovao fotsiny izy. Hoy ny anjely iray tamin’i Saraha rehefa nilaza taminy fa afaka ny hanan-janaka izy na dia efa antitra aza: “Angaha misy zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah?”—Ge 18:14; Je 32:17, 27.
Antony ilana ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy nilaina izy io tany am-boalohany. Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra izy io, satria tsy noforoniny ho faty ny olona. Olona velona, fa tsy olona mihantitra ary avy eo ho faty no nokasainy hameno ny tany. Tonga lafatra ny zavatra noforoniny, ka tsy misy hokianina na tsininy na aretina. (De 32:4) Nitso-drano an’ilay mpivady voalohany i Jehovah hoe: “Mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Ge 1:28) Tsy nilaza izy hoe harary sy ho faty izy ireo, ary tsy noferany ny androm-piainan’ny olona. Nilazany anefa i Adama fa ho faty izy raha tsy mankatò. Tokony ho velona mandrakizay àry ny olona raha nankatò. Tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra intsony kosa izy raha tsy mankatò, ka tsy hotahiny fa ho voaozona.—Ge 2:17; 3:17-19.
Nandika lalàna i Adama ka maty ny olona. (Ro 5:12) Ota sy tsy fahalavorariana no nolovan’ny taranany taminy, fa tsy fiainana mandrakizay. Tsy afaka manantena ny ho velona mandrakizay akory aza izy ireo. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy.” (Mt 7:17, 18; Jb 14:1, 2) Natao àry izay hisian’ny fitsanganana amin’ny maty tatỳ aoriana, mba ho afaka ny hiaina mandrakizay ny taranak’i Adama maniry ny hankatò an’Andriamanitra.
Ny zava-kendren’izy io. Tsy manam-petra ny fahendren’i Jehovah sy ny heriny matoa mahavita manangana ny maty izy. Be fitiavana sy mamindra fo ary mitsimbina ny ain’ny mpanompony koa izy. (1Sa 2:6) Manan-kery hanangana ny maty izy, ka avelany ny mpanompony haneho tsy fivadihana mandra-pahafatiny. Afaka manaporofo àry izy hoe diso ity fiampangan’i Satana ity: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” (Jb 2:4) Avelany hitsapa ny mpanompony hatramin’ny fetra farany i Satana, ka hamono ny sasany ho faty mihitsy aza mba hanaporofoana ny fiampangany. (Mt 24:9; Ap 2:10; 6:11) Noho ny fitiavana fa tsy noho ny fitiavan-tena anefa no anompoan’izy ireo an’i Jehovah, matoa vonona hamoy ny ainy ho Azy izy ireo. (Ap 12:11) Eken’izy ireo koa fa Izy ilay Mahery Indrindra sy Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ary ilay Andriamanitra fitiavana izay mahay manangana azy ireo amin’ny maty. I Jehovah irery no tompoin’izy ireo satria tian’izy ireo ny toetrany, fa tsy hoe mitady tombony fotsiny izy ireo. (Mariho ny tenin’ny mpanompony sasany ao amin’ny Ro 11:33-36; Ap 4:11; 7:12.) Amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty koa no hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany momba ny tany nolazainy tamin’i Adama.—Ge 1:28.
Tena ilaina mba hahasambatra ny olona. Fisehoan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ny fitsanganana amin’ny maty, ary tena ilaina izy io mba hahasambatra ny olona. Rehefa atsangana ny maty, dia ho foana ny fijaliana sy fampahoriana vokatry ny tsy fahalavorariana, ny aretina, ny ady, ny vonoan’olona, ary ny habibiana ataon’ny ratsy fanahy noho ny fitaoman’i Satana Devoly. Tsy afaka ny ho tena sambatra isika raha tsy mino hoe hitsangana ny maty. Hoy mantsy i Paoly: “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra.”—1Ko 15:19.
Oviana no niresahana voalohany momba ny fitsanganana amin’ny maty? Hoy Andriamanitra tamin’ilay menarana rehefa avy nanota i Adama ka voaheloka ho faty izy sy ny taranany: “Hataoko mifandrafy ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io, ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Ge 3:15.
Hofoanana ilay nahatonga ny fahafatesana. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy nanohitra azy: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao. Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina.” (Jn 8:44) Ny Devoly àry no nampiteny an’ilay menarana, ary lasa mpamono olona izy rehefa nanomboka nandainga sy nanendrikendrika. Nilaza tamin’ny apostoly Jaona i Kristy fa antsoina koa hoe “ilay menarana tany am-boalohany” i Satana Devoly. (Ap 12:9) Lasa nifehy ny olombelona taranak’i Adama i Satana, rehefa nitarika an’i Adama hikomy tamin’Andriamanitra. Nampanantena àry i Jehovah ao amin’ny Genesisy 3:15 (faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly), fa haringana ilay Menarana. (Ampit. Ro 16:20.) Tsy hoe ny lohan’i Satana fotsiny no hotorotoroina, fa horavana na hofoanana koa ny asany rehetra. (1Jn 3:8) Mba hahatanteraka izany, dia tsy maintsy hofoanana ny fahafatesana ary hatsangana ny taranak’i Adama nandova ota, izay lasa any amin’ny Fasana (Sheôl na Haides).—1Ko 15:26.
Fanantenana fahafahana. Noresahin’i Paoly ny toe-piainana navelan’Andriamanitra hisy taorian’ny nanotan’ny olona, sy ny antony namelany izany hisy. Hoy izy: “Fa navela ho tonga zava-poana [teraka mpanota sady ho faty] ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony [tsy nanan-tsafidy ny taranak’i Adama sady tsy afaka nisakana an’i Adama tsy hanota] fa noho ny sitrapon’ilay [Andriamanitra faran’izay hendry] namela izany hitranga. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:20, 21; Sl 51:5) Tsy maintsy hatsangana ny maty vao afaka ny hahazo izany fahafahana be voninahitra izany. Tsy maintsy hafahana amin’ny fahafatesana sy havoaka avy ao am-pasana izy ireo. Nanome fanantenana tena tsara ho an’ny olombelona àry Andriamanitra, rehefa nampanantena fa hotorotoroin’ilay ‘taranaka’ ny lohan’ilay menarana.—Jereo TARANAKA No. 2.
Fototry ny finoan’i Abrahama. Nino i Abrahama hoe hain’Andriamanitra sady fikasany ny hanangana ny maty, matoa izy nanolotra an’i Isaka zanany ho sorona. Milaza tokoa ny Hebreo 11:17-19 fa “tandindon-javatra” ny nandraisany an’i Isaka avy tamin’ny fahafatesana. (Ge 22:1-3, 10-13) Ny fampanantenana ny amin’ilay ‘taranaka’ no nahatonga an’i Abrahama hino hoe hatsangana ny maty. (Ge 3:15) Toy ny hoe novelomina indray ny vatan’izy sy Saraha, rehefa afaka niteraka izy mivady na dia efa antitra aza. (Ge 18:9-11; 21:1, 2, 12; Ro 4:19-21) Nino koa i Joba fa hitsangana ny maty. Hoy izy rehefa nijaly mafy: “Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao ... ary manome ahy fe-potoana, dia hahatsiaro ahy! Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? ... Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Jb 14:13-15.
Talohan’ny nanomezana ny vidim-panavotana. Nanangana olona tamin’ny maty i Elia sy Elisa mpaminany. (1Mp 17:17-24; 2Mp 4:32-37; 13:20, 21) Maty indray anefa ireny olona ireny tatỳ aoriana, toa an’ireo natsangan’i Jesosy sy ny apostoly ihany. Tsy voatery hiaina mandrakizay foana àry izay hatsangana amin’ny maty.
Natsangan’i Jesosy tamin’ny maty i Lazarosy namany. Azo inoana àry fa mbola velona izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka lasa anisan’ireo voahosotra nateraky ny fanahy, nantsoina voalohany ho any an-danitra. (He 3:1; As 2:1-4, 33, 38) Mbola maty toy ireo natsangan’i Elia sy Elisa ihany i Lazarosy. Tsy afaka ny hanantena hahazo fitsanganana toy ny an’i Kristy anefa izy, raha tsy natsangana tamin’ny maty. Tena tian’i Jesosy tokoa izy!—Jn 11:38-44.
“Fitsanganana tsara kokoa.” Hoy i Paoly momba ireo olona fahiny tsy nivadika: “Nisy vehivavy nandray ny havany efa maty, izay natsangana. Fa ny hafa indray nampijalijalina noho izy ireo tsy nanaiky hafahana tamin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hahazoany fitsanganana tsara kokoa.” (He 11:35) Nino izy ireo fa hitsangana ny maty, ary fantany fa mbola hisy fiainana tsara kokoa noho ny fiainany tamin’izany. Aorian’ny hanomezan’i Kristy ny vidim-panavotana sy ny hananganana azy ary ny hisehoany eo anatrehan-dRainy, vao hatsangana izy ireo sy ny hafa. Lasa nanan-jo hanome fiainana ho an’ny olona i Kristy, ka antsoina hoe “Ray Mandrakizay.” (He 9:11, 12, 24; Is 9:6) “Fanahy mahavelona” izy. (1Ko 15:45) Ananany “ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana.” (Ap 1:18) Manana fahefana hanome fiainana mandrakizay izy izao, ka ho “fitsanganana tsara kokoa” ny an’ireo hatsangany amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Ho afaka ny hiaina mandrakizay mantsy izy ireo, ary tsy voatery ho faty intsony raha mankatò.
Fitsanganana ho any an-danitra. I Jesosy Kristy no “lahimatoa amin’ny maty.” (Kl 1:18) Izy mantsy no voalohany natsangana mba hiaina mandrakizay. “Fanahy” izy rehefa natsangana ho any an-danitra. (1Pe 3:18) Lasa tsy mety maty sy tsy mety lo izy (tsy misy olona toy izany mihitsy). Nomena toerana ambony kokoa noho ny talohan’ny nidinany tetỳ an-tany koa izy. Natao “avo noho ny lanitra” mantsy izy, satria izy no manarakaraka an’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. (He 7:26; 1Ti 6:14-16; Fi 2:9-11; As 2:34; 1Ko 15:27) I Jehovah mihitsy no nanangana azy tamin’ny maty.—As 3:15; 5:30; Ro 4:24; 10:9.
Niseho imbetsaka tamin’ny mpianany i Jesosy nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany. Afaka nitafy vatana samy hafa izy, toy ny nataon’ireo anjely taloha ihany, mba hanaporofoana fa nitsangana tamin’ny maty. Levona indray ilay vatana avy eo, rehefa tsy nilainy. (Mt 28:8-10, 16-20; Lk 24:13-32, 36-43; Jn 20:14-29; Ge 18:1, 2; 19:1; Js 5:13-15; Mpts 6:11, 12; 13:3, 13) Niseho tamin’olona maherin’ny 500 mihitsy aza izy, indray mandeha. Porofo tsy azo lavina izany fa tena nitsangana izy. (1Ko 15:3-8) Ny fitsanganany no “antoka” ho an’ny “olona rehetra” fa hisy tokoa ny andro fitsarana.—As 17:31.
Hatsangana ireo ‘rahalahin’i’ Kristy. Nampanantenaina fitsanganana toy ny an’i Kristy ireo mpianany “voantso sy voafidy ary tsy mivadika”, dia ireo ‘rahalahiny’ nateraky ny fanahy mba ho “zanak’Andriamanitra.” (Ap 17:14; Ro 6:5; 8:15, 16; He 2:11) Hoy ny apostoly Petera tamin’ny mpiray finoana taminy: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo.”—1Pe 1:3, 4.
Nomena “fampanantenana sarobidy sady tena lehibe” ny rahalahin’i Kristy, ‘mba ho amin’ny alalan’izany no hahatongavany ho fanahy tahaka an’Andriamanitra.’ (2Pe 1:4) Tsy maintsy afoin’izy ireo ny maha olombelona azy, mba hahafahany ho lasa “fanahy” tahaka an’Andriamanitra ka hiara-manam-boninahitra amin’i Kristy. Tsy maintsy mandia fahafatesana toy ny an’i Kristy izy ireo, izany hoe tsy mivadika mandra-pahafatiny ary mahafoy mandrakizay ny fiainana eto an-tany. Ho lasa tsy mety maty sy tsy mety lo toa an’i Kristy izy ireo, rehefa atsangana amin’ny maty. (Ro 6:3-5; 1Ko 15:50-57; 2Ko 5:1-3) Nilaza i Paoly fa tsy ilay vatana no hatsangana. Naka ohatra ny amin’ny voa afafy sy mitsimoka izy, mba hanazavana ny fitsanganana amin’ny maty. Hoy izy: ‘Omen’Andriamanitra vatana araka izay tiany ilay voa.’ (1Ko 15:35-40) Ilay olona mihitsy no hatsangana, ary omen’Andriamanitra vatana mifanentana amin’ny toerana hisy azy.
Nafoin’i Jesosy Kristy ny ain’olombelona nananany mba ho sorom-panavotana. Tanteraka taminy ny Salamo faha-40, rehefa jerena ny bokin’ny Hebreo. Voalaza ao fa nilaza toy izao izy rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao”: “Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao.” (He 10:5) Hoy koa izy: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jn 6:51) Tsy afaka ny hanana an’ilay vatany taloha intsony àry i Kristy rehefa natsangana. Efa natolony ho sorona ho an’Andriamanitra mantsy ilay izy, ka tsy azony alaina intsony. Tsy hipetraka eto an-tany intsony koa izy, satria hipetraka any an-danitra miaraka amin’ny Rainy izay fanahy. (Jn 14:3; 4:24) Nomena vatana be voninahitra izay tsy mety maty sy tsy mety lo àry i Jesosy Kristy, satria “izy no taratry ny [voninahitr’i Jehovah], ary mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy azy. Ny tenin’ny heriny no anohanany ny zava-drehetra, ary rehefa avy nanao fanadiovana hahafaka ny fahotantsika izy, dia nipetraka eo ankavanan’ny Lehibe, any amin’ny avo. Koa tonga ambony noho ny anjely [izay zavaboary mahery] izy, satria nandova anarana tsara lavitra noho ny an’ireo.”—He 1:3, 4; 10:12, 13.
Tsy maintsy mahafoy ny fiainana eto an-tany ireo rahalahin’i Kristy tsy mivadika hiaraka aminy any an-danitra. Nilaza i Paoly fa hovana ny vatan’izy ireo mba hifanentana amin’ny toerana vaovao hisy azy. Hoy izy: “Fa isika kosa dia olom-pirenen’ny lanitra, ary avy any koa no iandrasantsika fatratra ny mpamonjy, dia i Jesosy Kristy Tompo, izay hanova ny vatantsika nambanina mba hitovy endrika amin’ny vatany be voninahitra, araka ny fiasan’ny heriny, dia ilay hery hahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy.”—Fi 3:20, 21.
Fotoana ananganana an’ireo ho any an-danitra. Nanomboka izy io rehefa niverina i Jesosy Kristy Mpanjaka, mba hikarakara an’ireo rahalahiny. I Kristy no “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.” Nilaza i Paoly fa hatsangana araka ny filaharany avy ny tsirairay avy eo. Hoy izy: “I Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.” (1Ko 15:20, 23) Nanomboka notsaraina ireo Kristianina anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra” tamin’ny Pentekosta. Mitohy ny fitsarana azy ireo, raha mbola eto an-tany izy. (1Pe 4:17) “Anisan’ny voaloham-bokatra” izy ireo. (Jk 1:18; Ap 14:4) Oharina amin’ny voaloham-bokatra amin’ny vary orza natolotry ny Israelita tamin’ny 16 Nisana i Jesosy Kristy (“i Kristy no voaloham-bokatra”), ary ny rahalahiny (“anisan’ny voaloham-bokatra”) kosa oharina amin’ny voaloham-bokatra amin’ny varimbazaha natolotra tamin’ny Pentekosta, 50 andro taorian’izay.—Le 23:4-12, 15-20.
Tsaraina ireo voahosotra, ka mahazo valisoa izay tsy mivadika rehefa miverina i Kristy. Efa nampanantena an’ireo apostoliny 11 tsy nivadika mantsy izy ny alina talohan’ny nahafatesany hoe: “Handeha hanomana toerana ho anareo aho. Ary ... ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”—Jn 14:2, 3; Lk 19:12-23; ampit. 2Ti 4:1, 8; Ap 11:17, 18.
“Ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” Ho lasa ‘vadin’i’ (Ap 21:9) Kristy ireo voahosotra. Natolotra ho fofombadiny izy ireo, ka tsy maintsy hatsangana ho any an-danitra mba handray anjara amin’ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” (2Ko 11:2; Ap 19:7, 8) Tsy andrin’i Paoly ny hananganana azy ho any an-danitra. (2Ti 4:8) Mbola hisy eto an-tany ireo ‘asaina ho amin’ny sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry’, rehefa ‘manatrika’ i Kristy. Ireo efa nodimandry kosa tonga dia hatsangana. (Ap 19:9) Hoy mantsy ny 1 Tesalonianina 4:15, 16: “Fa izao no lazainay aminareo araka ny tenin’i Jehovah: Isika izay velona ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo, dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra. Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.”
Hoy koa i Paoly: “Aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika.” (1Te 4:17) Tonga dia hatsangana mba hiaraka amin’ireo anisan’ny ampakarina efa any an-danitra àry ny sisa amin’ireo nasaina ho amin’ny “sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”, raha vao vita ny fanompoany eto an-tany. Tsy “hodimandry” izy ireo, izany hoe tsy hiandry ela ao am-pasana toa an’ireo apostoly, fa “hovana [kosa] ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany. Fa haneno ny trompetra, dia hatsangana ny maty ka hanjary tsy mety lo, ary hovana” izy ireo. (1Ko 15:51, 52) Tsy hatao anefa “ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”, raha tsy efa nampiharana didim-pitsarana i “Babylona Lehibe.” (Ap 18) Ho tanteraka ny voalazan’ny Apokalypsy 19:7 rehefa ringana io “mpivaro-tena lehibe” io: “Aoka isika hifaly sy hiravoravo, ary aoka isika hanome voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny.” Hanomboka ilay fampakaram-bady rehefa nankasitrahana sy “voaisy tombo-kase” ary natsangana ho any an-danitra daholo ireo 144 000 tsy nivadika.
Fitsanganana voalohany. “Fitsanganana voalohany” no ilazan’ny Apokalypsy 20:5, 6 ny fitsanganan’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. Nantsoin’i Paoly koa izy io hoe “fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa [a.b.t.: fitsanganana avy any amin’ny maty].” (Fi 3:11) Hoy i Robertson momba an’ilay teny nampiasain’i Paoly: “Ny fitsanganan’ireo mpino amin’ny maty ihany angamba no tao an-tsain’i Paoly teto, matoa izy nampiasa indroa an’ilay hoe ex (ten exanastasin ten ek nekron). Tsy nilaza akory i Paoly hoe tsy hitsangana ny ankamaroan’ny olona, fa ny fitsanganan’ny mpino no nasongadiny teto.” (Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, 1931, Boky Faha-4, p. 454) Hoy ny Fanazavana Hevi-teny (1865, Boky II, p. 87) nataon’i Charles Ellicott momba ny Filipianina 3:11: “‘Ny fitsanganana amin’ny maty’ eto dia ny fitsanganana voalohany, rehefa jerena ny teny manodidina. (Ap 20:5) Hitsangana aloha ireo maty ao amin’ny Tompo rehefa ho avy Izy (1 Tesalon. 4:16), ary hoentina hihaona aminy eny amin’ny rahona ireo velona (1 Tesa. 4:17); ampitahao amin’ny Lioka 20:35. Ireo tena mpino ihany no hatsangana voalohany, vao hatsangana angamba ireo tsy mpino sy mandà ny finoana ... Tsy resaka fihatsaran’ny fitondran-tena (Cocceius) mihitsy ilay fitsanganana amin’ny maty eto.” Midika koa hoe mifoha maraina avy ao am-pandriana ny hoe eksanastasis, ka mety tsara hilazana ny fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa na ny “fitsanganana voalohany.” Hoy ny fandikan-tenin’i Rotherham: “Mba hahazoako ny fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa, na amin’ny fomba ahoana na ahoana.”—Fi 3:11.
Fitsanganana ho eto an-tany. Niaiky ny iray tamin’ireo jiolahy nofantsihana teo akaikin’i Jesosy fa tsy mendrika ny ho faty i Jesosy, ka hoy izy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” Namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lk 23:42, 43) Toy ny nilaza izy hoe: ‘Mbola mino ahy ihany ianao amin’ity andro manjombona ity, na dia hoatran’ny tsy ho tanteraka aza ny teniko hoe ho lasa mpanjaka aho. Hotsaroako tokoa ianao rehefa tonga any amin’ny fanjakako aho.’ (Jereo PARADISA.) Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty àry ilay jiolahy. Tsy mpianatr’i Jesosy Kristy tsy nivadika anefa izy, fa nandika lalàna ka mendrika ny ho faty. (Lk 23:40, 41) Tsy anisan’ireo hahazo ny fitsanganana voalohany àry izy. Maty 40 andro talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra koa izy, izany hoe talohan’ny Pentekosta (10 andro taorian’ny niakaran’i Jesosy). Tamin’ny Pentekosta anefa Andriamanitra vao nampiasa an’i Jesosy mba hanosotra an’ireo voalohany hatsangana ho any an-danitra.—As 1:3; 2:1-4, 33.
Nilaza i Jesosy fa ho any amin’ny Paradisa (midika hoe “zaridaina na toerana mahafinaritra”) ilay jiolahy. Ny teny grika hoe paradeisôs no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay teny hebreo hoe gan nadika hoe “zaridaina”, toy ny ao amin’ny Genesisy 2:8. Tsy ilay “paradisan’Andriamanitra” nampanantenaina an’izay “mandresy” (Ap 2:7) anefa izy io, satria tsy naharesy an’izao tontolo izao ilay jiolahy, tsy mba toa an’i Jesosy Kristy. (Jn 16:33) Tsy ho anisan’ny mpitondra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra àry izy (Lk 22:28-30) fa ho olom-pehezin’izy io kosa, rehefa miara-manjaka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona ireo nahazo ny “fitsanganana voalohany.”—Ap 20:4, 6.
“Ny marina sy ny tsy marina.” Hoy i Paoly tamin’ireo Jiosy nanantena fa hitsangana ny maty: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—As 24:15.
Resahin’ny Baiboly mazava hoe iza ireo “marina.” Ambara ho marina ireo hatsangana ho any an-danitra.—Ro 8:28-30.
Anisan’ny olo-marina koa ireo tsy nivadika fahiny, toa an’i Abrahama. (Ge 15:6; Jk 2:21) Voatanisa ao amin’ny Hebreo toko faha-11 ny ankamaroany, ary hoy i Paoly momba azy ireo: “Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana anefa izy rehetra ireo, na dia nahazo porofo aza fa nankasitrahana satria nanam-pinoana. Fa Andriamanitra efa nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika [Kristianina voahosotra nateraky ny fanahy] mba tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy eo isika.” (He 11:39, 40) Hatao lavorary àry izy ireo rehefa avy natao lavorary ireo mahazo ny “fitsanganana voalohany.”
Olo-marina koa “ny vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy toko faha-7. Tsy anisan’ireo 144 000 ‘nasiana tombo-kase’ izy ireo, ka tsy nomena ny fanahy masina ho “antoka” hoe nateraky ny fanahy. (Ef 1:13, 14; 2Ko 5:5) “Avy tamin’ny fahoriana lehibe” kosa izy ireo, izany hoe ho tafavoaka velona amin’izy io. Toa mandritra ny andro farany, aloha kelin’ny fahoriana lehibe, àry no anangonana azy ireo. Manam-pinoana izy ireo, satria voalaza fa manao akanjo fotsy lava nosasana tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. (Ap 7:1, 9-17) Tsy mila hatsangana amin’ny maty izy ireo amin’ny fitambarany. Raha misy anefa maty tsy mivadika alohan’ny fahoriana lehibe, dia hatsangan’Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony.
Misy “tsy marina” maro be any amin’ny Sheôl (Haides) na ny fasana misy ny maty rehetra, sy any ‘an-dranomasina.’ Hotsaraina izy ireo sy ny “marina” natsangana tamin’ny maty, araka ny voalaza hoe: “Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.”—Ap 20:12, 13.
Fotoana hananganana an’ireo ho eto an-tany. Hitantsika ao amin’io fitantarana io fa mandritra ny arivo taona hanjakan’i Kristy sy ireo mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy, no hatao ilay fitsarana. Nilaza i Paoly fa “hitsara an’izao tontolo” izy ireo. (1Ko 6:2) Hotsaraina ara-drariny “na ny lehibe na ny kely”, izany hoe ny olona avy amin’ny fari-piainana rehetra. Hovelarina ny horonam-boky ary ‘hotsaraina araka izay voasoratra ao’ izy ireo. Tsy ny fiainany talohan’ny nahafatesany akory no voasoratra ao, na ny fitsipika hitsarana azy araka izay nataony taloha. Efa naloan’izy ireo mantsy ny tambin’ny ota rehefa maty izy, satria ny “fahafatesana no tambin’ny ota.” (Ro 6:7, 23) Hatsangana amin’ny maty izy ireo mba hahafahany hanaporofo hoe te hifandray amin’Andriamanitra izy ireo, sady mankasitraka ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izay nomena ho an’ny rehetra. (Mt 20:28; Jn 3:16) Tsy hampamoahina noho ny fahotany taloha izy ireo, nefa hilainy ny vidim-panavotana mba hahafahany ho lasa lavorary. Tsy maintsy manova ny fomba fiainany sy ny fisainany izy ireo, ka hampifanaraka izany amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitsipiny mifehy ny tany sy ny mponina eo. Azo inoana àry fa ny sitrapon’Andriamanitra sy izay takiny mandritra ny Andro Fitsarana no raketin’ireo “horonam-boky.” Miankina amin’ny finoan’ilay olona sy ny fankatoavany an’izay voalaza ao no hitsarana azy. Mety ho voasoratra ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anarany, ka tsy ho voafafa intsony.
Fitsanganana ho amin’ny fiainana sy ny fanamelohana. Nanome toky i Jesosy hoe: “Ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino. ... Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”—Jn 5:25-29.
Ho amin’ny fanamelohana. Nadika avy amin’ny teny grika hoe krisis ilay teny hoe “fanamelohana.” Ireto avy no nolazain’i Parkhurst fa hevitr’io teny io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina: “I. Fitsarana.... II. Fitsarana, rariny. Mat. 23:23. Ampit. 12:20. ... III. Fanamelohana, fahaverezana. Mar. 3:29. Jaona 5:24, 29. ... IV. Antony anamelohana na anasaziana. Jaona 3:19. V. Fitsarana nandamina ny adin’ny Jiosy, ... Mat. 5:21, 22.”—Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1845, p. 342.
Misy Baiboly mandika an’ilay ‘fitsanganana ho amin’ny fanamelohana’ amin’ny hoe “fitsanganana ho fitsarana” (Prot., f.a.p.). Tsy hifanohitra amin’ilay hoe “hatsangana ho amin’ny fiainana” anefa izany, raha hahazo fiainana ilay olona tsaraina. Marina kokoa àry ilay dikan-teny hoe “fanamelohana” satria izay no tian’i Jesosy holazaina, rehefa jerena ny teny manodidina.
Ireo “maty” nandre ny feon’i Jesosy. Nilaza i Jesosy tamin’izy teto an-tany fa nisy “maty” nandre ny feony. Nilaza teny mitovitovy amin’izany koa i Petera hoe: “Noho izao indrindra no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ireo maty: Mba hotsaraina amin’ny nofo izy ireo, araka ny fomba fihevitr’olombelona, fa ho velona kosa amin’ny fanahy, araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.” (1Pe 4:6) ‘Maty tao amin’ny helony sy ny fahotany’ ireo olona ireo talohan’ny nandrenesany an’i Kristy, fa lasa “velona” kosa rehefa nino ny vaovao tsara.—Ef 2:1; ampit. Mt 8:22; 1Ti 5:6.
Miresaka momba ny faran’ny fotoam-pitsarana ny Jaona 5:29. Manampy antsika hahalala ny fotoana hitrangan’ilay ‘fitsanganana ho amin’ny fiainana sy fitsanganana ho amin’ny fanamelohana’ ny tenin’i Jesosy eo aloha kokoa. Niresaka momba an’ireo olona velona nefa maty ara-panahy mantsy izy (hazavaina eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”), manao hoe: “Ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino.” (Jn 5:25) Sady nandre ny feon’i Jesosy ireo olona ireo no “nihaino” azy koa, izany hoe nanaraka ny teniny. Matetika no midika hoe “mankatò” ny hoe “mihaino” na “mandre” ao amin’ny Baiboly. (Jereo FANKATOAVANA.) Ho velona izay mankatò. (Ampitahao amin’ny nampiasana ny teny grika hoe akoô midika hoe “mihaino na mandre”, ao amin’ny Jn 6:60; 8:43, 47; 10:3, 27.) Tsy izay nataon’izy ireo talohan’ny nandrenesany an’i Jesosy àry no hitsarana azy, fa izay ataony aorian’izay.
Azo inoana fa mitovitovy amin’izany no tian’i Jesosy holazaina rehefa niresaka ny amin’ireo “nanao ny tsara” sy “zatra nanao ratsy” izy. Mbola homena fotoana mantsy ireo hatsangana amin’ny maty mba hahitana raha hankatò an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’ izy ireo na tsia. Izay hataon’izy ireo aorian’izay no hitsarana azy. Rehefa mifarana àry ny fotoam-pitsarana vao ho hita hoe iza no nanao tsara na nanao ratsy. Hahazo ny fiainana “izay nanao ny tsara” (araka izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’), fa homelohina kosa “izay zatra nanao ratsy.” Izany no hevitr’ilay hoe hatsangana ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fanamelohana.
Tsy mahalana ny Baiboly no milaza zavatra mbola ho avy ho toy ny efa nitranga. “Manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany” mantsy Andriamanitra, “sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Is 46:10) Nilaza zavatra mbola ho avy ho toy ny efa nitranga koa ny mpaminany sasany. (Ampit. Is 40:1, 2; 46:1; Je 48:1-4.) Nanao toy izany koa i Joda. Hoy izy momba ireo ratsy fanahy nitsofoka mangingina teo anivon’ny fiangonana: “Lozan’ireny, fa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina izy, niolomay hanaraka ny lalan-dison’i Balama mba hahazoana karama, ary efa matin’ny [a.b.t.: nandringana ny tenany tamin’ny] teny fikomian’i Kora!”—Jd 11.
Samy hafa àry ny hevitry ny Jaona 5:29 sy ny Asan’ny Apostoly 24:15. Ireo nanao ny “marina” na “ny tsy marina” teo anatrehan’Andriamanitra fony fahavelon’izy ireo no noresahin’i Paoly fa hatsangana amin’ny maty. Ao amin’ny “fasana atao ho fahatsiarovana” izy ireo. (Jn 5:28, f.a.p.; jereo FASANA.) Ny Jaona 5:29 kosa miresaka momba an’izay hataon’ireo olona ireo aorian’ny hananganana azy sy mandritra ny fanjakan’i Jesosy Kristy sy ireo mpanjaka sy mpisorona hiaraka aminy. Hahazo ny “fiainana” ho valisoany izy ireo raha mankatò, fa ‘homelohin’Andriamanitra’ kosa raha tsy mankatò.
Hivoaka avy ao amin’ny Sheôl. Hoy i Davida mpanjakan’ny Israely: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako. ... Handry feizay koa ny nofoko. Fa tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana [Sheôl] aho [“ny aiko”, Prot.]. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.” (Sl 16:8-11) Nilaza tamin’ny Jiosy i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, fa tanteraka tamin’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty io salamo io. (As 2:25-31) Ny ain’i Jesosy àry no naverina taminy rehefa natsangana izy, araka ny asehon’ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika. “Nofo” i Jesosy Kristy “rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1Pe 3:18) Hoy mantsy i Paoly: “Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra” (1Ko 15:50), na ny nofo sy taolana. Tsy maintsy misy ra ny nofo sy taolan’ny zavaboary iray vao velona izy, satria ao amin’ny ra no misy ny “aina.”—Ge 9:4.
“Nanolotra ny ainy ho faty” i Jesosy Kristy. Tany amin’ny Sheôl izy na ny ainy, fa tsy hoe mbola velona tany ho any. (Is 53:12; As 2:27, Prot.; jereo ZAVAMANANAINA.) Tsy marina àry ny hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, ka hoe mbola velona any ho any iny rehefa maty izy ary iny indray no hakambana amin’ny vatany rehefa atsangana izy. Tsy maintsy manana vatana anefa na ireo ho any an-danitra na ireo ho eto an-tany, satria manana vatana daholo na Andriamanitra na ny anjely na ny olona. Tsy maintsy omena vatana ara-nofo na ara-panahy ny olona hatsangana amin’ny maty. Hoy ny Baiboly: “Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa ara-panahy.”—1Ko 15:44.
Ny vatan’ilay olona efa maty ve no hatsangana? Sa izy homena vatana vaovao mitovy tanteraka amin’ilay nananany tamin’izy maty? Tsia. Hoy mantsy ny Baiboly momba ny fitsanganan’ireo voahosotra rahalahin’i Kristy izay ho any an-danitra: “Na izany aza, dia misy hilaza hoe: ‘Hatao ahoana no fanangana ny maty? Eny, vatana manao ahoana izy rehefa tonga?’ Ry tsy misaina, tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha. Ary tsy ilay zavamaniry hipoitra no afafinao, fa voa fotsiny ihany, na voa inona izany na voa inona. Omen’Andriamanitra vatana araka izay tiany anefa ilay voa, ary ny voa tsirairay samy omeny ny vatany avy.”—1Ko 15:35-38.
Hahazo vatana ara-panahy ireo hiaina any an-danitra, satria tian’Andriamanitra homena vatana mety amin’ny fiainana any izy ireo. Ary ireo hatsangana eto an-tany? Tsy ho ilay vatany taloha mihitsy no homena azy. Ataoma maro be mitambatra ny vatan’ny olombelona. Rehefa maty sy alevina anefa ny olona iray, dia mihalò ny vatany ka lasa zavatra simika ampiasain’ny zavamaniry. Mety hihinana an’iny zavamaniry iny ny olona maromaro, ka ho lasa any anaty vatan’izy ireo ny ataoma avy tamin’ilay olona nodimandry. Tsy hety àry raha ireo ataoma ireo ihany no hatambatra rehefa atsangana ilay olona, satria misy amin’izy ireo efa lasa any anaty vatan’olon-kafa.
Tsy voatery hitovy tanteraka amin’ny vatan’ilay olona talohan’ny nahafatesany koa ny vatany, rehefa atsangana izy. Raha nanan-takaitra, ohatra, izy fony fahavelony, dia tsy iny vatany iny mihitsy no homena azy. Mety tsy ho afaka handre sy hanaraka an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’ mantsy izy. (Ap 20:12) Na aoka hatao hoe maty ny olona iray satria very ra be. Tsy ho vatana tsy misy ra mihitsy no homena azy, satria tsy afaka ny ho velona izy raha izany. (Le 17:11, 14) Homen’Andriamanitra vatana araka izay tiany kosa ilay olona. Vatana salama sy tomady no homeny azy, satria tiany hankatò an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky’ izy. (Efa nisy lo ny vatan’i Lazarosy, kanefa vatana salama sy tsy nisy nandrombinana no natsangan’i Jesosy. [Jn 11:39]) Azo ampamoahina ny amin’izay hataony mandritra ny fotoam-pitsarana àry ilay olona, ary ho ara-drariny izany. Tsy mbola ho lavorary anefa izy. Tsy maintsy mino ny vidim-panavotana mantsy izy, ary tsy maintsy mila ny fanampian’i Kristy Mpisoronabe sy ireo “mpisorona” lefitra hiara-manjaka aminy.—1Pe 2:9; Ap 5:10; 20:6.
“Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.” Nilaza i Jesosy fa “manana fiainana mandrakizay” ireo mandre ny teniny ka mino sy mankatò izany ary mino an’ilay Rainy naniraka azy. Hoy izy momba azy ireo: “Tsy melohina izy fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ho avy ny fotoana, eny, tonga ankehitriny ny fotoana handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ary ho velona izay nihaino.”—Jn 5:24, 25.
Tsy olona maty any am-pasana akory ireo olona ankehitriny “niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.” Mbola voaheloka ho faty teo anatrehan’Andriamanitra Mpitsara mantsy ny olona rehetra, tamin’i Jesosy nilaza an’ireo teny ireo. Azo inoana àry fa fahafatesana ara-panahy no noresahiny. Olona maty ara-panahy koa no tao an-tsainy, tamin’izy nilaza toy izao tamin’ilay tovolahy jiosy naniry ny handevina an-drainy aloha: “Manaraha ahy foana ianao, fa avelao ny maty handevina ny maty eo aminy.”—Mt 8:21, 22.
Maty ara-panahy toy ny olona eto amin’ity tontolo ity ny olona iray, talohan’ny niovany ho tena Kristianina. Hoy i Paoly: “Ianareo no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza. Tao amin’izany mantsy no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity ... Fa manankarena famindram-po Andriamanitra, ary noho ny fitiavany lehibe izay nitiavany antsika no namelomany antsika niaraka tamin’i Kristy, na dia fony mbola maty tao amin’ny helotsika aza isika.—Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no namonjena anareo.—Ary niara-natsangany sy niara-napetrany teo amin’ny toerana tanantsika any amin’ny faritry ny lanitra isika, noho isika tafaray amin’i Kristy Jesosy.”—Ef 2:1, 2, 4-6.
Tsy melohin’i Jehovah ho faty intsony ireo olona maty tao amin’ny helony sy ny fahotany taloha ireo, satria efa niova sy mino an’i Kristy. Novelominy indray izy ireo ary nampanantenainy fiainana mandrakizay. (1Pe 4:3-6) Hoy i Jaona: “Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo. Fantatsika fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, noho isika tia ny rahalahintsika.”—1Jn 3:13, 14.
Hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no mahatonga an’i Jehovah hanangana ny maty, satria tsy voatery hanao izany izy raha ny marina. Tiany ny olombelona ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba ho afaka hahalala sy ho tia Azy ny olona maty an’arivony tapitrisa tsy nahalala azy. Afaka manantena ny hatsangana amin’ny maty koa ireo tia sy manompo Azy, ary mahazo hery hiaretana hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza. (Jn 3:16) Nampahery an’ireo Kristianina tany Tesalonika i Paoly fa mbola hitsangana ny maty. Hoy izy momba ireo nodimandry sy nanantena ny ho any an-danitra: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo koa, ry rahalahy, ny amin’ireo nodimandry, mba tsy halahelovanareo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana. Fa raha mino isika fa maty i Jesosy ary efa nitsangana, dia mino koa isika fa hoentin’Andriamanitra hiaraka amin’i Jesosy ireo nodimandry ao aminy.”—1Te 4:13, 14.
Tsy tokony halahelo toy ny hafa tsy manana fanantenana ny Kristianina, raha misy maty ireo Kristianina tsy mivadika manantena ny hatsangana eto an-tany eo ambany fitondran’ny Mesia, na raha misy maty ireo tsy mahalala an’Andriamanitra. Hosokafana mantsy ny Sheôl (Haides), ka hivoaka avy any ireo maty. Maro no resahin’ny Baiboly hoe nankany, toa an’ireo olona tany Ejipta fahiny sy tany Asyria, Elama, Meseka, Tobala, Edoma, ary Sidona. (Ezk 32:18-31) Nilaza koa i Jesosy fa ho velona ny olona sasany tsy nibebaka tany Betsaida sy Korazina ary Kapernaomy, rehefa tonga ny Andro Fitsarana. Ho afaka ny hibebaka izy ireo, na dia mety ho sarotra aminy aza izany rehefa jerena ny fihetsiny taloha.—Mt 11:20-24; Lk 10:13-15.
Olon-kafa handray soa amin’ny vidim-panavotana. Be fitiavana sy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa Andriamanitra, ka nomeny ny Zanany lahy mba ‘hahazo fiainana izay mino azy.’ Tsy ireo nofidiny ho any an-danitra ihany àry no handray soa amin’ilay vidim-panavotana. (Jn 3:16) Nisy zava-kendrena Andriamanitra tamin’izy nanome azy io. Tsy ho tratra anefa izany raha noferana ho an’ireo hanjaka any an-danitra ihany ny soa hoentin’izy io. Fikasany koa mantsy ny hisian’ny vahoaka eto an-tany hofehezin’ilay Fanjakana. Tsy Mpisoronabe ho an’ireo mpisorona lefitra fotsiny i Jesosy Kristy fa ho an’ireo hiaina eto an-tany koa, rehefa ho mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy ny voahosotra. (Ap 20:4, 6) “Efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa [an’ireo rahalahiny ara-panahy]” i Jesosy, “nefa tsy nanota.” Hainy àry ny mangoraka an’ireo miezaka ny hanompo an’Andriamanitra nefa manana fahalemena. Efa notsapaina toa azy koa ireo mpanjaka sy mpisorona hiaraka aminy. (He 4:15, 16; 1Pe 4:12, 13) Ho mpisorona ho an’iza izy ireo? Ho an’ny olombelona, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty mandritra ny Fanjakana Arivo Taona sy ny fotoam-pitsarana.
Tsy andrin’ny mpanompon’Andriamanitra ny hananganana ny maty. Efa nofaritan’Andriamanitra ny fotoana mety tsara hanaovany izany, ka ho voamarina fa hendry sy mahari-po izy. (Mpto 3:1-8) Samy mahavita manangana ny maty Izy sy ny Zanany, sady tena maniry hanao izany. Hanangana azy ireo amin’io fotoana io àry izy mianaka.
Tsy andrin’i Jehovah ny hananganana ny maty. Tsy andrin’i Jehovah sy ny Zanany ny hananganana ny maty. Vonona sy maniry hanao izany i Jesosy, rehefa dinihina izay nataony tamin’ilay boka niangavy azy hoe: “‘Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.’ Koa nangoraka azy [i Jesosy] ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: ‘Sitrako tokoa. Madiova ianao.’ Koa afaka taminy avy hatrany ny habokana, ka nanjary nadio izy.” Telo tamin’ireo mpanoratra ny Filazantsara no nitantara an’io zava-nitranga mampihetsi-po io. Be hatsaram-panahy feno fitiavana tokoa i Jesosy! (Mr 1:40-42; Mt 8:2, 3; Lk 5:12, 13) Be fitiavana sy vonon-kanampy koa i Jehovah araka ny tenin’i Joba, lehilahy tsy nivadika, hoe: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy? ... Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.”—Jb 14:14, 15.
Ireo tsy hatsangana. Marina fa nomena ho an’ny olombelona ny sorom-panavotan’i Kristy, kanefa tsy ny rehetra no handray soa amin’izy io. Hoy mantsy i Jesosy: “Toy izany koa ny Zanak’olona: Tsy tonga mba hotompoina izy fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Mt 20:28) Zon’i Jehovah ny mandà tsy hanavotra an’izay heveriny fa tsy mendrika. Manarona ny fahotan’ny taranak’i Adama mpanota ny vidim-panavotan’i Kristy. Tsy voasaron’izy io anefa ny fahotan’izay minia manota, satria mampitombo ny fahotany izy. Izany àry no mety hahafaty azy.
Manota amin’ny fanahy masina. Nilaza i Jesosy Kristy fa tsy hahazo famelan-keloka, na eto amin’ity tontolo ity na any amin’ilay ho avy, ny olona manota amin’ny fanahy masina. (Mt 12:31, 32) Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona toy izany ka tsy hatsangana, satria tsy ho voavela mihitsy ny helony. Nomelohin’i Jesosy i Jodasy Iskariota rehefa nantsoiny hoe “zanaky ny fandringanana.” Tsy handray soa amin’ny vidim-panavotana izy ary tsy hatsangana amin’ny maty, satria efa voaheloka haringana.—Jn 17:12.
Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana jiosy nanohitra azy: “Hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena [na fandringanana mandrakizay]?” (Mt 23:33; jereo GEHENA.) Homelohina ireo olona ireo ka tsy hatsangana amin’ny maty, raha tsy mitady an’Andriamanitra alohan’ny hahafatesany. Izany koa no hanjo an’ilay “lehilahy mpandika lalàna.”—2Te 2:3, 8; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.
Nilaza i Paoly fa “tsy azo velomina indray ho amin’ny fibebahana” ireo efa nahalala ny fahamarinana sy nahazo ny fanahy masina nefa nihemotra, “satria mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.” Tsy hanarona ny fahotany ny vidim-panavotana, ka tsy hatsangana amin’ny maty izy ireo. Noharin’ilay apostoly tamin’ny tany mamokatra tsilo sy ahidratsy izy ireo. Tsy misy ilana azy ny tany toy izany ka hodorana. Midika izany fa ho ringana mandrakizay ireo olona ireo.—He 6:4-8.
Nilaza koa i Paoly fa raha misy “minia manota rehefa avy nahalala marina tsara ny fahamarinana, dia tsy misy sorona noho ny ota intsony, fa fiandrasana amin-tahotra ny fanamelohana kosa, ary fahatezerana mirehitra izay handevona an’ireo manohitra.” Hoy izy: “Izay olona tsy niraharaha ny lalàn’i Mosesy dia novonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, ka tsy nanehoana fangorahana. Koa tsy vao mainka ve ho mafy kokoa, araka ny hevitrareo, ny sazy ho mendrika an’izay manitsaka ny Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa tsy dia manao ahoana ny ran’ny fifanekena nanamasinana azy, ary maniratsira ny fanahin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? ... Zavatra mampahatahotra ny ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona.” Mafy kokoa ny sazin’izy ireo satria halefa any amin’ny Gehena izy ireo ka tsy hatsangana amin’ny maty, fa tsy hoe hovonoina sy halefa any amin’ny Sheôl fotsiny toa an’ireo nandika ny Lalàn’i Mosesy.—He 10:26-31.
Nilaza i Petera fa hotsaraina ireo rahalahiny anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra.” Naka teny tao amin’ny Ohabolana 11:31 (LXX) izy ary nampitandrina fa hahita loza ireo tsy mankatò. Sahala amin’i Paoly, dia nilaza izy fa mety hiafara amin’ny fanamelohana ny fitsarana azy ireo ankehitriny, ka ho ringana mandrakizay izy ireo.—1Pe 4:17, 18.
Nilaza koa i Paoly fa hisy ‘hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, rehefa tonga izy mba homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina.’ (2Te 1:9, 10) Tsy ho eo àry izy ireo mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ary tsy hatsangana amin’ny maty satria haringana “mandrakizay.”
Fitsanganana mandritra ny 1 000 taona. Tsy fantatra hoe firy marina ny olona efa niaina teto an-tany. Raha hanangana olona 20 000 tapitrisa (200 000 00 000) anefa i Jehovah, ohatra, dia mbola ho ampy tsara ny toerana sy ny sakafo. Mirefy 148 000 000 km2 na 148 000 00 000 ha eo ho eo mantsy ny velaran’ny tany maina. Na dia hatokana ho amin-javatra hafa aza ny antsasak’izy io, dia mbola hanana ampahatelon’ny hektara mahery ny olona tsirairay. Hahavokatra mihoatra noho izay ilainy io ampahany io, indrindra rehefa handrotsaka fitahiana Andriamanitra toy ny teo amin’ny firenen’Israely.—1Mp 4:20; Ezk 34:27.
Nilaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena tamin’ny 1984, fa raha ampitomboina avo sivy heny ny isan’ny mponina eran-tany amin’ny taona 2000, dia mbola hahavokatra sakafo ampy tsara ny tany, na dia any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana aza raha hatsaraina kely fotsiny ny fomba fambolena.—Tany sy Sakafo ary Olona, Roma, p. 16, 17.
Ahoana no hikarakarana an’ireo olona an’arivony tapitrisa ireo, nefa mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ny ankamaroany ka tsy maintsy hampianarina ny lalàny? Milaza ny Baiboly fa efa “lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny” ny fanjakan’izao tontolo izao, “ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Ap 11:15) “Rehefa mitsara ny tany” koa i Jehovah, “dia hianatra fahamarinana ny mponina eto an-tany.” (Is 26:9) Hampahafantariny amin’ny mpanompony amin’ny fotoana mety àry hoe ahoana no hikarakarana an’ireo olona ireo.—Am 3:7.
Ahoana no hahafahana hanangana sy hampianatra olona an’arivony tapitrisa mandritra ny 1 000 taona monja?
Haka ohatra isika hampisehoana fa mora amin’i Jehovah ny hanatanteraka ny zavatra kasainy ho an’ny olombelona. Aoka hatao hoe 7 500 000 eo ho eo (1⁄1000 eo ho eo amin’ny isan’ny mponina eran-tany) ny olo-marina na “vahoaka be” ho tafavoaka velona ‘amin’ny fahoriana lehibe.’ (Ap 7:9, 14) Mandritra ny 100 taona izy ireo, ohatra, no hiofana sy ‘hanjaka’ amin’ny ampahany amin’ny tany. (Ge 1:28) Raha ny telo isan-jaton’ilay 7 500 000 no hatsangan’Andriamanitra, dia hikarakara olona iray avy ny olona voaofana 33. Ho lasa avo roa heny isaky ny 24 taona ny isan’ireo hatsangana, raha ampiana telo isan-jato ny tontalin’ireo mitsangana isan-taona. Tsy ho ampy 400 taona akory dia ho efa tafatsangana daholo ireo 20 000 tapitrisa (200 000 00 000). Ho ampy tsara ny fotoana hampiofanana sy hitsarana azy ireo mandra-pahatapitry ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Tsy hiteraka korontana eto an-tany izany. Mahery indrindra sy hendry Andriamanitra ka ho afaka hanatanteraka ny fikasany, araka ny lalàna sy ny fandaharana nataony ho an’ny olombelona hatrany am-boalohany. Haneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa koa izy rehefa hanangana ny maty.—Ro 11:33-36.