Mpitsara
13 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny Israelita,+ ka navelan’i Jehovah hifehy azy ireo nandritra ny 40 taona ny Filistinina.+
2 Tamin’izany fotoana izany, dia nisy lehilahy atao hoe Manoa+ tany Zora.+ Anisan’ny fianakavian’ny Danita+ izy, ary momba ny vadiny ka tsy nanan-janaka izy.+ 3 Indray andro, dia nisy anjelin’i Jehovah niseho tamin’ilay vehivavy, ka niteny taminy hoe: “Momba ianao ka tsy manan-janaka. Hitoe-jaza anefa ianao ka hitera-dahy.+ 4 Koa mitandrema ianao sao misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola,+ ary aza mihinana zavatra tsy madio.+ 5 Fa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy. Ary tsy hotapahina mihitsy ny volon-dohany,*+ satria ho Nazirita ho an’Andriamanitra ilay zaza raha vao teraka.* Ary izy no hamonjy ny Israely amin’ny Filistinina.”+
6 Dia lasa ilay vehivavy nitantara tamin’ny vadiny hoe: “Nisy lehilahin’Andriamanitra nanatona ahy. Hoatran’ny anjelin’ilay tena Andriamanitra no fahitako azy, sady tena mahatalanjona. Tsy nanontaniako hoe avy aiza izy, dia izy koa tsy nilaza ny anarany.+ 7 Fa niteny tamiko izy hoe: ‘Hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy. Dia aza misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola, ary aza mihinana zavatra tsy madio. Ho Nazirita ho an’Andriamanitra mantsy ilay zaza raha vao teraka* ka mandra-pahafatiny.’”
8 Ary nitalaho tamin’i Jehovah i Manoa hoe: “Mba misy zavatra tiako hangatahina aminao Jehovah ô! Mba asaivo mankatỳ aminay indray, azafady, ilay lehilahin’Andriamanitra vao nirahinao iny, mba hampianatra anay an’izay tokony hataonay amin’ilay zaza ho teraka.” 9 Dia nohenoin’ilay tena Andriamanitra ny fangatahan’i Manoa, ka nankany amin’ny vadiny indray ny anjelin’ilay tena Andriamanitra, raha mbola nipetrapetraka tany an-tsaha ilay vehivavy. Tsy niaraka taminy anefa i Manoa vadiny tamin’izay. 10 Dia nihazakazaka haingana nankany amin’ny vadiny ilay vehivavy, ka niteny hoe: “Niseho tamiko ilay lehilahy nanatona ahy indray andro iny.”+
11 Ary nitsangana i Manoa, dia niaraka tamin’ny vadiny nankany amin’ilay lehilahy. Hoy i Manoa taminy: “Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin’ny vadiko?” Dia hoy ilay anjely: “Ie, izaho.” 12 Dia hoy i Manoa: “Ho tanteraka anie ny teninao! Hanao ahoana ny fiainan’ilay zaza, ary inona no hataony?”+ 13 Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Manoa: “Tokony hotandreman’ny vadinao izay rehetra efa noteneniko azy.+ 14 Tsy tokony hihinana zavatra vita amin’ny voaloboka izy, ary tsy tokony hisotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola,+ na hihinana zavatra tsy madio.+ Tokony hotandremany izay rehetra efa noteneniko azy.”
15 Ary hoy i Manoa tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Mba mijanòna kely aloha fa hikarakara zanak’osy ho anao izahay.”+ 16 Fa hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Manoa: “Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana amin’ny sakafo arosonao. Fa raha te hanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah ianao, dia afaka manolotra.” Tsy fantatr’i Manoa hoe anjelin’i Jehovah izy. 17 Dia hoy i Manoa tamin’ilay anjelin’i Jehovah: “Iza moa no anaranao,+ mba hanomezanay voninahitra anao rehefa tanteraka ny teninao?” 18 Fa hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Fa maninona ianao no manontany ny anarako? Anarana tena miavaka izany.”
19 Dia nalain’i Manoa ilay zanak’osy sy ny fanatitra varimbazaha, ka nataony teo ambonin’ilay vatolampy ary natolony ho an’i Jehovah. Ary nanao zava-mahagaga Izy, raha mbola nijery teo ry Manoa mivady. 20 Rehefa niakatra ho eny amin’ny lanitra ny lelafo teo amin’ny alitara, dia nankao anatin’ilay lelafo ilay anjelin’i Jehovah. Tonga dia niankohoka tamin’ny tany ry Manoa mivady rehefa nahita an’izany. 21 Ary tsy niseho tamin-dry Manoa mivady intsony ilay anjelin’i Jehovah. Dia fantatr’i Manoa fa anjelin’i Jehovah ilay izy.+ 22 Dia hoy i Manoa tamin’ny vadiny: “Tena ho faty isika, satria nahita an’Andriamanitra.”+ 23 Fa hoy ny vadiny: “Raha tian’i Jehovah ho faty isika, dia tsy ho nekeny ny fanatitra dorana+ sy fanatitra varimbazaha nomentsika. Tsy ho nampiseho tamintsika an’ireny rehetra ireny koa izy, sady tsy ho nilaza tamintsika an’ireny mihitsy.”
24 Nitera-dahy ilay vehivavy tatỳ aoriana, ka nataony hoe Samsona ny anarany.+ Nihalehibe ilay zaza, ary nitahy azy foana i Jehovah. 25 Rehefa nandeha ny fotoana, dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah,+ tamin’izy tany Mahane-dana,+ teo anelanelan’i Zora sy Estaola.+