Ny Fiheveran’ny Kristiana ny Fahefana
“Tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra”. — ROMANA 13:1.
1. Nahoana no azo lazaina fa i Jehovah no Fahefana Fara Tampony?
MIFAMATOTRA amin’ny maha-mpamorona ny fahefana. Ilay Fara Tampony izay nampisy ny zavatra noforonina rehetra, na ny misy aina na ny tsy misy aina, dia i Jehovah Andriamanitra. Tsy azo lavina fa izy no Fahefana Fara Tampony. Ny Kristiana marina dia miray fihetseham-po amin’ireo zavaboary any an-danitra izay manambara hoe: “Hianao Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” — Apokalypsy 4:11.
2. Tamin’ny lafiny iray, ahoana no nieken’ireo mpanapaka olombelona tany am-boalohany fa tsy nanana zo voajanahary hanapaka ny mpiara-belona taminy izy, ary inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Pontio Pilato?
2 Ny fisian’ireo mpanapaka olombelona tany am-boalohany nanandrana nanao izay haha-ara-dalàna ny fahefany tamin’ny filazana tena ho andriamanitra na ho solontenan’andriamanitra fotsiny, dia efa fiekena an-kolaka fa tsy misy olombelona manana zo voajanahary hanapaka ny olombelona hafa.a (Jeremia 10:23). Ny hany loharanom-pahefana ara-dalàna dia i Jehovah Andriamanitra. Nilaza toy izao tamin’i Pontio Pilato, governora romana tany Jodia, i Kristy: “Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”. — Jaona 19:11.
“Tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra”
3. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly mikasika ireo “manam-pahefana ambony”, ary fanontaniana inona avy no napoitran’ny filazana nataon’i Jesosy sy i Paoly?
3 Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana niaina teo ambanin’ny fanapahan’ny Empira Romana ny apostoly Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny [manam-pahefana ambony, NW ]. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.” (Romana 13:1). Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa nomena azy “avy any ambony” ny fahefan’i Pilato? Ary tamin’ny fomba ahoana no niheveran’i Paoly an’ireo manam-pahefana ara-politika tamin’ny androny ho voatendrin’Andriamanitra? Te hilaza ve izy ireo hoe ny tenan’i Jehovah manokana no tompon’andraikitra tamin’ny fanendrena ny mpanapaka ara-politika tsirairay eo amin’izao tontolo izao?
4. Ahoana no niantsoan’i Jesosy sy i Paoly an’i Satana, ary filazan’i Satana inona no tsy nolavin’i Jesosy?
4 Ahoana no hetezan’izany, satria i Jesosy dia niantso an’i Satana hoe “ny andrianan’izao tontolo izao”, ary ny apostoly Paoly nametaka anarana taminy hoe “ny andriamanitr’izao tontolo izao”? (Jaona 12:31; 16:11; 2 Korintiana 4:4). Ankoatra izany, rehefa naka fanahy an’i Jesosy i Satana dia nanolotra azy ny “fanapahana” na fahefana eo amin’ny “fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao”, tamin’ny filazana fa nomena azy izany fahefana izany. Nolavin’i Jesosy ny fanolorany, saingy tsy nolaviny kosa hoe an’i Satana izany fahefana izany ka azony omena. — Lioka 4:5-8.
5. a) Ahoana no tokony handraisantsika ny hevitry ny tenin’i Jesosy sy i Paoly mikasika ny fahefan’olombelona? b) Amin’ny heviny ahoana ireo manam-pahefana ambony no hoe “voatendrin’Andriamanitra”?
5 Nomen’i Jehovah an’i Satana ny fanapahana eo amin’itỳ tontolo itỳ tamin’ny famelana azy ho velona taorian’ny fikomiany sy taorian’ny nakany fanahy an’i Adama sy i Eva ka nanaovany izay hikomian’izy ireo tamin’ny fiandrianan’Andriamanitra. (Genesisy 3:1-6; ampitahao amin’ny Eksodosy 9:15, 16.) Noho izany, ny tenin’i Jesosy sy i Paoly dia tsy maintsy midika hoe: Taorian’ny nandavan’ireo olon-droa voalohany tao Edena ny teokrasia, na ny fanapahan’Andriamanitra, dia navelan’i Jehovah hanorina rafi-pahefana ireo olona nisaraka taminy, ka izany dia hamela azy ireo hiaina ao anatin’ny fiaraha-monina milamina. Indraindray, mba hanatanterahana ny fikasany, dia nataon’i Jehovah izay hianjeran’ny mpanapaka sasany na ny fitondrana sasany. (Daniela 2:19-21). Navelany hitoetra teo amin’ny fahefana ny hafa. Azo lazaina hoe “voatendrin’Andriamanitra” ireo mpanapaka izay noleferin’i Jehovah ny fisiany.
Kristiana tany am-boalohany sy ireo manam-pahefana romana
6. Ahoana no niheveran’ireo Kristiana tany am-boalohany an’ireo manam-pahefana romana, ary nahoana?
6 Ny Kristiana tany am-boalohany dia tsy nilatsaka tao amin’ny tafika niaraka tamin’ireo antokom-pivavahana jiosy izay nioko sy niady tamin’ny Romana izay nibodo ny tanin’ny Isiraely. Nihevitra ireo manam-pahefana romana ho ‘mpanompon’Andriamanitra hahatsara azy’ ny Kristiana, raha mbola nitana ny filaminana teo an-tanety sy an-dranomasina koa izy ireo, tamin’ireo rafitra ara-pitsarana nisy fehezan-dalàna nananany, ka nanorina lakan-drano sy arabe ary tetezana maro nilaina, ary nanao zavatra ho fanasoavana ny besinimaro tamin’ny ankapobeny. (Romana 13:3, 4). Ny lalàna sy ny filaminana dia niteraka tontolo iainana iray izay namela ireo Kristiana hitory ny vaovao tsara na taiza na taiza, araka ny nandidian’i Jesosy. (Matio 28:19, 20). Tamim-pieritreretana madio, dia afaka nandoa ny hetra izay naneren’ny Romana azy izy ireo, na dia nisy aza sasany tamin’ilay vola nampiasaina tamin-java-kendrena tsy nankasitrahan’Andriamanitra. — Romana 13:5-7.
7, 8. a) Mampiharihary inona ny famakiana amim-pitandremana ny Romana 13:1-7, ary inona no asehon’ny teny manodidina? b) Tao anatin’ny toe-javatra inona avy ireo manam-pahefana romana no tsy niasa tamin’ny naha-“mpanompon’Andriamanitra”, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo Kristiana tany am-boalohany tamin’izany?
7 Ny famakiana amim-pitandremana ireo andininy fito voalohany amin’ny Romana toko faha-13 dia mampiharihary fa ireo “manam-pahefana ambony” ara-politika dia “mpanompon’Andriamanitra” mba hidera ireo izay manao ny tsara sy mba hanafay ny mpanao ratsy. Asehon’ny teny manodidina fa Andriamanitra no mamaritra izay atao hoe tsara sy izay atao hoe ratsy, fa tsy ireo manam-pahefana ambony. Noho izany, raha toa ny emperora romana na izay mety ho fahefana ara-politika hafa ka nitaky zavatra izay nandraran’Andriamanitra, na mifanohitra amin’izany, nandrara zavatra izay notakin’Andriamanitra, dia tsy niasa tamin’ny naha-mpanompon’Andriamanitra intsony izy. Izao no nolazain’i Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara (...) izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Matio 22:21). Raha toa ny Fanjakana Romana ka nangataka zavatra izay an’Andriamanitra, toy ny fanompoam-pivavahana na ny ain’ny olona iray, dia narahin’ireo Kristiana marina ilay torohevitry ny apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny Apostoly 5:29.
8 Nitondra fanenjehana ny tsy fetezan’ireo Kristiana tany am-boalohany hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora, sy ny tsy fetezany hahafoy ireo fivoriana kristiana ary ny tsy fetezany hampitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsara. Ninoana, tamin’ny ankapobeny, fa ny apostoly Paoly dia novonoina ho faty noho ny baikon’ny Emperora Néron. Nanenjika ireo Kristiana tany am-boalohany koa ireo emperora hafa, indrindra fa i Domitien, i Marc Aurèle, i Septime Sévère, i Décius, ary i Dioclétien. Rehefa nanenjika ny Kristiana ireny emperora ireny mbamin’ireo manam-pahefana lefiny, dia azo antoka fa tsy niasa toy ny “mpanompon’Andriamanitra” izy ireo.
9. a) Inona no mitoetra ho marina mikasika ireo manam-pahefana ambony ara-politika, ary avy tamin’iza no nandraisan’ilay biby ara-politika hery sy fahefana? b) Inona, araka ny fandrindran-kevitra, no azo lazaina mikasika ny faneken’ny Kristiana ny manam-pahefana ambony?
9 Izany rehetra izany dia natao mba hanazavana fa, na dia miasa amin’ny lafiny sasany ho an’ny “fandaharan’Andriamanitra” (DIEM ) mba hitanana ny filaminana eo amin’ny fiaraha-monina misy ny olombelona aza ireo manam-pahefana ambony ara-politika, dia mitoetra ho anisan’ny fandehan-javatr’izao tontolo izao izay manana an’i Satana ho andriamanitra, izy ireo. (1 Jaona 5:19). Izy ireo dia anisan’ilay fandaminana ara-politika maneran-tany izay asehon’ilay “bibi-dia” an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy 13:1, 2. Io biby io dia nandray ny heriny sy ny fahefany avy tamin’ilay “dragona”, dia i Satana Devoly. (Apokalypsy 12:9). Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hoe: Voafetra fa tsy tanteraka ny faneken’ny Kristiana ny manam-pahefana toy izany. — Ampitahao amin’ny Daniela 3:16-18.
Fanajana araka ny tokony ho izy ny fahefana
10, 11. a) Ahoana no nanehoan’i Paoly fa tokony ho feno fanajana an’ireo lehilahy manam-pahefana isika? b) Amin’ny fomba ahoana ary nahoana no azo atao ny mivavaka “ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana”?
10 Izany anefa tsy midika hoe tokony hanana fihetsika sahisahy ratsy sy mihantsy amin’ireo manam-pahefana ambony ara-politika, ny Kristiana. Marina fa maro amin’ireny lehilahy ireny no tsy dia tena mendri-panajana loatra eo amin’ny fiainany manokana, na eo amin’ny fiainany ampahibemaso mihitsy aza. Kanefa dia nasehon’ireo apostoly tamin’ny ohatra sy tamin’ny torohevitra nomeny fa tokony hoentina amim-panajana ireny lehilahy manam-pahefana ireny. Rehefa niseho teo anatrehan’ny Mpanjaka Heroda Agripa II, izay nandry tamin’ny havany akaiky, i Paoly dia niteny taminy tamim-panajana araka ny tokony ho izy. — Asan’ny Apostoly 26:2, 3, 25.
11 Nilaza mihitsy aza i Paoly fa mety ny manonona ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao ao amin’ny vavaka ataontsika, indrindra fa rehefa angatahina hanao fanapahan-kevitra izay misy akony eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny asa kristiana izy ireny. Nanoratra toy izao izy: “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toepanahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” (1 Timoty 2:1-4). Ny fihetsitsika feno fanajana eo anoloan’izany manam-pahefana izany dia mety hitarika ho amin’ny famelany antsika hanohy amim-pahalalahana kokoa ny asa fiezahantsika hamonjy “ny olona rehetra”.
12, 13. a) Torohevitra voalanjalanja inona mikasika ny fahefana no nomen’i Petera? b) Ahoana no ahafahantsika manohitra “ny tsi-fahalalan’ny olona adala” izay mamorona fitsarana an-tendrony momba ny Vavolombelon’i Jehovah?
12 Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa; fa olona afaka hianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra. Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.” (1 Petera 2:13-17). Torohevitra voalanjalanja re izany! Tsy maintsy maneho fanekena tanteraka an’Andriamanitra toy ny mpanompony isika, ary fanekena feno fanajana voafetra no omentsika an’ireo manam-pahefana ara-politika nirahina mba hamaly ireo mpanao ratsy.
13 Hita fa manam-pahefana tsy ara-pivavahana maro no manana fiheveran-diso faran’izay hafahafa mikasika ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no izy mazàna, satria nanoro vohony azy ireo ny fahavalo sompatra izay manohitra ny vahoakan’Andriamanitra. Na koa, izay hany fantatr’izy ireo mikasika antsika dia nianarany avy tamin’ireo fampahalalam-baovao izay manavakavaka matetika eo amin’ny tatitra ataony. Indraindray dia azontsika arodana io fitsarana an-tendrony io amin’ny fihetsika feno fanajana asehontsika sy, rehefa azo atao izany, amin’ny fanomezana an’ireo manam-pahefana filazalazana araka ny marina momba ny asa sy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho an’ireo mpanao fanjakana be raharaha, dia manome fanazavana voafintina ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato faha-20. Mba hahazoana fanazavana feno kokoa, dia azo omena azy ireo ilay boky hoe Les Témoins de Jéhovah: Proclamateurs du Royaume de Dieu, izay fitaovana tsara dia tsara mendrika ny hahazo toerana eo amin’ny talantalam-bokin’ny tranomboky eo an-toerana sy ny tranombokim-pirenena.
Fahefana ao anatin’ny tokantrano kristiana
14, 15. a) Inona no fototry ny fahefana ao anatin’ny ankohonana kristiana? b) Ahoana no tokony ho fihetsiky ny vehivavy kristiana eo anoloan’ny vadiny, ary nahoana?
14 Miharihary fa raha takin’Andriamanitra amin’ny Kristiana ny hanehoany fanajana sahaza an’ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao, dia tokony hohajainy toy izany koa ny rafi-pahefana naorin’Andriamanitra ao anatin’ny ankohonana kristiana. Nolazain’i Paoly tamin’ny ambangovangony tamin’ny teny voafintina ilay fotopoto-pitsipika momba izay lohany, dia fotopoto-pitsipika manjaka eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. Nanoratra toy izao izy: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (1 Korintiana 11:3). Izany no fotopoto-pitsipiky ny teokrasia, na fanapahan’Andriamanitra. Mahafaoka inona izany?
15 Manomboka ao an-trano ny fanajana ny teokrasia. Ny vehivavy kristiana iray izay tsy maneho fanajana sahaza ny fahefan’ny vadiny — na mpiray finoana aminy izy io na tsia — dia tsy teokratika. Nanoro hevitra ny Kristiana toy izao i Paoly: “[Mifaneke] amin’ny fahatahorana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra.” (Efesiana 5:21-24). Toy ny aneken’ny lehilahy kristiana ny maha-lohany an’i Kristy, no tokony hampiaiky ny vehivavy kristiana fa fanehoam-pahendrena ny fanekena ny fahefana nomen’Andriamanitra ny vadiny. Izany dia hitondra ho azy ireo fahafaham-po lalina anaty, sy, mbola zava-dehibe kokoa, ny fitahian’i Jehovah.
16, 17. a) Ahoana no ahafahan’ireo ankizy notezaina tao amin’ny tokantrano kristiana mampiavaka ny tenany amin’ireo tanora maro amin’izao andro izao, ary inona no antony manosika azy ireo? b) Amin’ny ahoana i Jesosy no ohatra tsara dia tsara ho an’ireo tanora amin’izao andro izao, ary ampirisihina hanao inona izy ireo?
16 Faly ireo ankizy teokratika maneho fanajana araka ny tokony ho izy ny ray aman-dreniny. Voalaza mialoha fa “tsy manoa ray sy reny” ny taranaka mbola tanora amin’ny andro farany. (2 Timoty 3:1, 2). Izao anefa no lazain’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ho an’ny ankizy kristiana: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” (Kolosiana 3:20). Ny fanajana ny fahefan’ny ray aman-dreny dia ankasitrahan’i Jehovah ary mitondra ny fitahiany.
17 Izany dia voazava amin’izay nitranga tamin’i Jesosy. Milaza toy izao ny fitantaran’i Lioka: “Niara-nidina taminy [ny ray aman-dreniny] nankany Nazareta Izy ka [nanohy, NW ] nanoa azy. (...) Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” (Lioka 2:51, 52). Roa ambin’ny folo taona i Jesosy tamin’izay, ary ny endriky ny matoanteny grika nampiasaina eto dia manantitrantitra fa ‘nanohy nanoa’ ny ray aman-dreniny izy. Koa ny fanekeny àry dia tsy nifarana rehefa niditra tamin’ny fotoana naha-zatovo azy izy. Raha maniry ny handroso eo amin’ny ara-panahy sy handroso fitia amin’i Jehovah sy ny olona tia an’Andriamanitra ianareo ry tanora, dia haneho fanajana ny fahefana ao an-tokantrano sy any ivelany.
Fahefana ao anatin’ny kongregasiona
18. Iza no Lohan’ny kongregasiona kristiana, ary iza no nanankinany fahefana?
18 Raha niresaka momba ny ilana filaminana ao anatin’ny kongregasiona kristiana i Paoly, dia nanoratra toy izao: “Andriamanitra tsy tompon’ny [fikorontanana, DIEM ], fa tompon’ny fiadanana. (...) Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” (1 Korintiana 14:33, 40). Mba hahatonga ny zava-drehetra hizotra amin’ny fomba milamina, dia nanankina fahefana tamina lehilahy mahatoky i Kristy, ilay Lohan’ny kongregasiona kristiana. Izao no vakintsika: “Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana (...) mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana [isika] ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy”. — Efesiana 4:11, 12, 15.
19. a) Iza no notendren’i Kristy ho mpanapaka ny fananany rehetra eto an-tany, ary iza no nomeny fahefana manokana? b) Fanankinam-pahefana inona no mitranga ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ary mitaky inona avy amintsika izany?
19 Amin’izao fotoan’ny farany izao, i Kristy dia nanendry ilay fitambaran’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho mpanapaka ny “fananany rehetra”, na ireo tombontsoan’ilay Fanjakana eto an-tany. (Matio 24:45-47, NW ). Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, io mpanompo io dia asehon’ny fitambara-mpitantana iray voaforona lehilahy kristiana voahosotra izay nomen’i Kristy fahefana hanao fanapahan-kevitra sy hanendry mpiandraikitra hafa. (Asan’ny Apostoly 6:2, 3; 15:2). Ny Fitambara-mpitantana indray kosa dia manankina fahefana amin’ny Komitin’ny Sampana, sy ny mpiandraikitra ny distrika sy ny fizaran-tany, ary ireo loholona ao amin’ny tsirairay amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 73 000 maneran-tany. Mendrika ny fanohanantsika sy ny fanajantsika ireo lehilahy kristiana be fandavan-tena rehetra ireo. — 1 Timoty 5:17.
20. Ohatra inona no mampiseho fa i Jehovah dia tsy faly amin’ireo izay tsy ampy fanajana an’ireo Kristiana namany izay manam-pahefana?
20 Mikasika ny fanajana tokony homentsika an’ireo izay manam-pahefana ao anatin’ny kongregasiona kristiana, dia misy fampitahana mahaliana iray azo atao amin’ny fanekena tokony hasehontsika amin’ireo manam-pahefana tsy ara-pivavahana. Rehefa misy olona mandika ny lalàn’olombelona izay ankasitrahan’Andriamanitra, ny famaizana avoakan’ireo “mpanapaka”, raha ny marina, dia fisehoan’ny fahatezeran’Andriamanitra eo “amin’izay manao ratsy”. (Romana 13:3, 4). Raha tezitra i Jehovah rehefa misy olona mandika lalàn’olombelona sy tsy ampy fanajana araka ny tokony ho izy an’ireo manam-pahefana eo amin’izao tontolo izao, vao mainka tsy faly kokoa toy inona moa izy raha misy Kristiana vita fanoloran-tena iray manivaiva ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly sy mampiseho tsy fanajana an’ireo Kristiana namany izay eo amin’ny fahefana!
21. Torohevitra araka ny Soratra Masina inona no hahafaly antsika ny hanaraka azy, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Toy izay hankahatra ny tsy fahafalian’Andriamanitra amin’ny fananana fihetsika feno fikomiana na tsy tia fiankinana, dia aleontsika manaraka ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny Kristiana tany Filipy manao hoe: “Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”. (Filipiana 2:12-15). Tsy sahala amin’ny firenena meloka sy maditra ankehitriny izay nitondra ho an’ny tenany fahasahiranana lehibe eo amin’ny fahefana, ny vahoakan’i Jehovah fa vonona ny hanaiky fahefana. Araka izany, dia tsy maintsy mijinja soa lehibe izy ireo, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra teo aloha.
Ho Famerenana
◻ Iza ilay Fahefana Fara Tampony, ary nahoana ny fahefany no ara-dalàna?
◻ Amin’ny heviny ahoana ireo manam-pahefana ambony no hoe “voatendrin’Andriamanitra”?
◻ Oviana ny manam-pahefana ambony no mitsahatra tsy ho “mpanompon’Andriamanitra”?
◻ Rafi-pahefana inona no misy ao anatin’ny fianakaviana kristiana?
◻ Fanankinam-pahefana inona no misy ao anatin’ny kongregasiona kristiana?
[Sary, pejy 18]
Izao no nolazain’i Jesosy: ‘Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’