Fanompoana Amin’ny Tsy Fivadihana Miaraka Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
“Amin’ny olona tsy mivadika no hanaovanao zavatra amim-panehoana tsy fivadihana”. — 2 SAMOELA 22:26, NW.
1, 2. Ohatra maneho tsy fivadihana inona avy no mety ho hitantsika rehetra ao anatin’ny kongregasiona?
INDRAY takariva efa nadiva ho alina, dia nanomana lahateny ho amin’ny fivoriana kristiana ny loholona iray. Efa te hijanona amin’izay izy ka hiala sasatra; tsy nitsahatra niasa kosa anefa izy, nitady ohatra sy fanoharana araka ny Soratra Masina izay hanohina ny fo sy handrisika ny andian’ondry. Tamin’ny alina nanaovana ilay fivoriana, dia nisy mpivady trotraka, tao amin’io kongregasiona io, ho finaritra raha nandany takariva iray tao an-trano; nanomana tamim-paharetana ireo zanany kosa anefa izy ka nandeha namonjy fivoriana. Taorian’ilay fivoriana, dia niresaka ny amin’ny anjaran’ilay loholona ny antokona Kristiana iray. Ny anabavy iray dia nalaim-panahy hiresaka hoe efa nandratra ny fihetseham-pony iny rahalahy iny taloha; niresaka tamin-kafanam-po ny amin’ny iray tamin’ireo hevitra novelabelarin’ilay rahalahy kosa anefa izy. Hitanao ve ny zavatra iombonan’ireo fisehoan-javatra telo ireo?
2 Tsy inona akory io zavatra iombonany io fa ny tsy fivadihana. Naneho tsy fivadihana ilay loholona tamin’ny fiasana mba hikarakarana ny andian’ondrin’Andriamanitra; naneho tsy fivadihana ireo ray aman-dreny tamin’ny nanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona; naneho tsy fivadihana ilay anabavy tamin’ny fanohanana an’ireo loholona. (Hebreo 10:24, 25; 13:17; 1 Petera 5:2). Eny, amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, dia hitantsika ho tapa-kevitra ny hanompo amin’ny tsy fivadihana miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah ny vahoakan’Andriamanitra.
3. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny hitoerantsika ho tsy mivadika amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany?
3 Rehefa miondrika mijery itỳ tontolo ratsy fitondran-tena itỳ i Jehovah, dia tena kely ny tsy fivadihana hitany. (Mika 7:2). Tsy maintsy ho faly toy inona moa ny fony rehefa mandinika ny tsy fivadihan’ny vahoakany izy! Eny, maharavoravo azy ny tsy fivadihan’ny tenanao. Maharomotra an’i Satana, ilay mpikomy voalohany, anefa izany, ary manaporofo azy ho mpandainga. (Ohabolana 27:11; Jaona 8:44). Aoka ianao hanampo fa hiezaka handrava ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah sy amin’ny fandaminany eto an-tany, i Satana. Andeha hodinihintsika ny fomba sasany anaovan’i Satana izany. Amin’izay mantsy dia ho azontsika atao ny hahita tsara kokoa ny fomba ahafahantsika mitoetra ho tsy mivadika hatramin’ny farany. — 2 Korintiana 2:11.
Afaka manimba tsikelikely ny tsy fivadihantsika ny fifantohana amin’ny tsy fahatanterahana
4. a) Nahoana no mora ny hananana fomba fijery manakiana raha ny amin’ireo manana fahefana? b) Ahoana no nivadihan’i Kora tamin’ny fandaminan’i Jehovah?
4 Rehefa eo amin’ny toerana misy andraikitra ny rahalahy iray, dia mety hanjary hiharihary kokoa ny kilemany. Mora erỳ ny manakiana ny ‘sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahintsika, kanefa etsy an-danin’izany dia iniantsika tsy jerena ny andry eo amin’ny an’ny tenantsika’! (Matio 7:1-5). Afaka mahatonga fivadihana anefa ny fifantohana amin’ny kileman’olona. Mba hanazavana izany amin’ny ohatra, dia diniho ny fifanoherana nisy teo amin’i Kora sy i Davida. Niantsoroka andraikitra lehibe i Kora, ary azo inoana fa tsy nivadika nandritra ny taona maro izy, kanefa dia nanjary naniry laza. Nanjary tsy nahafaly azy ny fahefana nampiharin’i Mosesy sy i Arona, zanak’olo-mpiray tam-po taminy. Na dia i Mosesy aza no olona nalemy fanahy indrindra, dia niharihary fa nanomboka nitady hirika hanakianana azy i Kora. Azo inoana fa nahita kilema teo amin’i Mosesy izy. Tsy nanamarina ny fivadihan’i Kora tamin’ny fandaminan’i Jehovah anefa ireny kilema ireny. Nofongorana tsy ho amin’ny kongregasiona izy. — Nomery 12:3; 16:11, 31-33.
5. Nahoana i Davida no nety ho nahatsiaro ho nalaim-panahy hikomy tamin’i Saoly?
5 I Davida kosa, tetsy an-danin’izany, dia nanompo teo ambany fahefan’i Saoly Mpanjaka. Efa naman’ny lasa ny naha-mpanjaka tsara an’i Saoly fa tena nanjary ratsy fanahy izy. Nila finoana sy fiaretana ary fahaiza-mamoron-kevitra mihitsy aza i Davida, mba hahatafita velona azy tamin’ny fanafihan’i Saoly velom-pialonana. Rehefa nanana fahafahana hamaly faty anefa i Davida, dia nilaza fa ‘sanatria azy teo anatrehan’i Jehovah’ ny hanao zavatra naneho fivadihana, tamin’ny olona iray izay nohosoran’i Jehovah. — 1 Samoela 26:11.
6. Na dia mahatsikaritra fahalemena sy kilema eo amin’ireo loholona aza isika, inona no tsy tokony hataontsika mihitsy?
6 Rehefa toa diso fitsara zavatra na miteny amin-kasiahana, na toa mampiseho fiangarana ny sasany izay mitari-dalana eo anivontsika, moa ve isika hitaraina momba azy ireo, ka angamba handray anjara amin’ny hisian’ny toe-tsaina tia fanakianana ao anatin’ny kongregasiona? Moa ve isika hitokona tsy hamonjy ireo fivoriana kristiana mba ho mariky ny fanoherana? Tsy izany velively! Toa an’i Davida, dia tsy havelantsika na oviana na oviana hanosika antsika hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany ny kileman’ny hafa! — Salamo 119:165.
7. Fanao feno faharatsiam-pitondran-tena inona avy, nifandray tamin’ny tempoly tao Jerosalema, no nahazo vahana, ary inona no tsapan’i Jesosy momba izany?
7 Ny olombelona nanome ohatra lehibe indrindra teo amin’ny tsy fivadihana dia i Jesosy Kristy, izay lazalazaina ara-paminaniana ho ilay ‘tsy mivadiki Jehovah’. (Salamo 16:10, NW ). Tsy maintsy ho nahatonga ny tsy fivadihana ho zava-tsarotra ny faharatsiam-pitondran-tena nifamatotra tamin’ny nampiasana tamin’ny fomba ratsy ny tempoly tao Jerosalema. Fantatr’i Jesosy fa ny asan’ny mpisoronabe sy ireo sorona natao dia tandindon’ny fanompoany sy ny fahafatesany ho sorona, ary fantany ny naha-zava-dehibe ny hakan’ny olona fianarana avy tamin’ireo. Koa feno fahatezerana ara-drariny àry izy rehefa nahita fa nanjary “zohy fieren’ny jiolahy” ny tempoly. Noho ny fahefana nomen’Andriamanitra azy, dia nandray fepetra indroa izy mba hanadiovana azy io.a — Matio 21:12, 13; Jaona 2:15-17.
8. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tsy fivadihana tamin’ny fandaharana natao momba ny tempoly? b) Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa ankasitrahantsika ny manolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah miaraka amin’ny fandaminany madio?
8 Na dia izany aza, dia naneho tsy fivadihana i Jesosy tamin’ny nanohanany ny fandaharana natao momba ny tempoly. Nanomboka tamin’ny fahazazany, dia nanatrika ireo andro firavoravoana tao amin’ny tempoly izy ary matetika izy no nampianatra tao. Nandoa ny hetran’ny tempoly mihitsy aza izy — na dia tsy tena voatery hanao izany aza ny tenany. (Matio 17:24-27). Nidera ilay mpitondratena nahantra noho ny nandatsahan’izy io ny “fivelomany rehetra” tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly, i Jesosy. Fotoana fohy taorian’izay, dia nolavin’i Jehovah tanteraka io tempoly io. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy nivadika tamin’izy io i Jesosy. (Marka 12:41-44; Matio 23:38). Ambony lavitra noho ilay rafitra jiosy niaraka tamin’ny tempoliny ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany amin’izao andro izao. Marina aloha fa tsy hoe tanteraka izy io; izany no antony anaovana fanitsiana tsindraindray. Sady tsy heniky ny faharatsiam-pitondran-tena anefa izy io no tsy hoe efa madiva hosoloan’i Jehovah Andriamanitra. Izay mety ho tsy fahatanterahana hitantsika ao anatin’izy io dia tsy tokony havelantsika na oviana na oviana hampahasosotra antsika na hanosika antsika hanana toe-tsaina tia fanakianana sy mijery lafy ratsin-javatra. Aoka kosa isika hanahaka ny tsy fivadihan’i Jesosy Kristy. — 1 Petera 2:21.
Ireo tsy fahatanterahan’ny tenantsika
9, 10. a) Ahoana no anararaotan’ny fandehan-javatr’i Satana ny tsy fahatanterahantsika mba hisarihana antsika ho amin’ny fitondran-tena maneho fivadihana? b) Inona no tokony hataon’ny olona iray izay nanao fahotana lehibe?
9 Miezaka hanome vahana ny fivadihana koa i Satana, amin’ny fanararaotana ny tsy fahatanterahantsika. Manararaotra ny fahalementsika itỳ fandehan-javany itỳ, ka maka fanahy antsika hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah. Mampalahelo fa isan-taona dia an’arivony maro no manaiky ho resin’ny fahalotoam-pitondran-tena. Manampy trotraka an’io fivadihana io ny sasany, amin’ny fananana fiainana roa sosona, ka sady manohy manaraka ny lalan’ny fanaovan-dratsy izy no mody mitoetra ho Kristiana mahatoky. Ho setrin’ireo lahatsoratra miresaka an’io loha hevitra io, tao amin’ilay fitohitohizan-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”, tao amin’ny gazety Mifohaza!, dia nanoratra toy izao ny tovovavy iray: “Ny tantaram-piainako mihitsy no noventesin’ireo lahatsoratra ireo.” Tamim-piafenana dia namboly fisakaizana tamin’ny tanora izay tsy nanam-pitiavana an’i Jehovah izy. Inona no vokany? Nanoratra toy izao izy: “Nikororosy tanteraka ny fiainako, ary voarohirohy tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena aho ka tsy maintsy nomena fananarana. Simba ny fifandraisako tamin’i Jehovah, ary very teo ny fatokian’ireo ray aman-dreniko sy ireo loholona ahy.”b
10 Nahazo fanampiana avy tamin’ireo loholona io tovovavy io ary tafaverina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah tamin’ny tsy fivadihana. Ny mampalahelo anefa dia maro no mizaka vokany ratsy kokoa, ary ny sasany dia tena tsy miverina intsony ao am-bala. Tsara lavitra toy inona moa ny tsy mivadika sy manohitra fakam-panahy eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ! Araho ireo fampitandremana avy amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, momba ny raharaha toy ny fifaneraserana amin’izao tontolo izao sy ny fialam-boly mampietry. Enga anie ianao ka tsy ho latsaka na oviana na oviana ao amin’ny fitondran-tena maneho fivadihana. Raha sanatria ka latsaka anefa ianao, dia fadio ny mody miseho ho hafa tsy araka ny tena izy. (Salamo 26:4). Mitadiava kosa fanampiana. Izany no antony maha-eo ireo ray aman-dreny sy loholona kristiana. — Jakoba 5:14.
11. Nahoana no tsy hety ny hiheverantsika hoe efa tsy misy fanafany intsony ny faharatsian’ny tenantsika, ary ohatra ao amin’ny Baiboly inona no afaka manampy antsika hanitsy ny fomba fijerintsika?
11 Mety hahatandindomin-doza antsika amin’ny fomba hafa ny tsy fahatanterahantsika. Ny sasany izay nahavita zavatra maneho fivadihana dia milavo lefona, ka tsy miezaka intsony hampifaly an’i Jehovah. Tadidio fa nanao fahotana tena lehibe i Davida. Kanefa, ela be tatỳ aorian’ny nahafatesan’i Davida, dia mpanompo nahatoky no nahatadidian’i Jehovah azy. (Hebreo 11:32; 12:1). Nahoana? Satria tsy nitsahatra niezaka hampifaly an’i Jehovah mihitsy izy. Hoy ny Ohabolana 24:16: “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany”. Azo antoka fa raha latsaka indray amin’ny fahotana madinika isika — na dia miverimberina aza — noho ny fahalemena izay iadiantsika, dia mety ho mbola marina eo imason’i Jehovah isika raha ‘miarina’ hatrany — izany hoe, mibebaka amim-pahatsorana sy manaraka indray ny lalan’ny fanompoana amin’ny tsy fivadihana. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:7.
Mitandrema amin’ny endrika an-kolaka isehoan’ny fivadihana!
12. Raha ny amin’ny Fariseo, tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’ny fomba fijery henjana sy nanizingizina ny lalàna, ho amin’ny fivadihana?
12 Misy amin’ny endriny an-kolaka kokoa ny fivadihana. Mety haka endriky ny tsy fivadihana aza izy io! Ohatra, ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy dia azo inoana fa nihevi-tena ho tsy nivadika tamin’ny fomba niavaka.c Tsy hitan’izy ireo anefa ny fahasamihafan’ny hoe tsy mivadika sy ny hoe mifikitra tsy misy fileferana amin’ny fitsipika nataon’olombelona, satria henjana sy nitsara tamin-kasiahana izy ireo. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:16.) Tamin’io lafiny io izy ireo dia tena nivadika — tamin’ny olona tokony ho nokarakarainy, tamin’ny tena hevitry ny Lalàna izay nolazainy fa nampianariny, ary tamin’i Jehovah mihitsy. Mifanohitra amin’izany kosa fa tsy nivadika tamin’ny tena hevitry ny Lalàna, izay niorina tamin’ny fitiavana, i Jesosy. Noho izany, dia nankahery sy nandrisika ny olona izy, tsy nisy hafa tamin’ny nambara mialoha tao amin’ireo faminaniana momba ny Mesia. — Isaia 42:3; 50:4; 61:1, 2.
13. a) Amin’ny ahoana ireo ray aman-dreny kristiana no mety hivadika? b) Nahoana no tokony hohalavirin’ny ray aman-dreny ny hoe henjana loatra, be fanakianana na fitsikerana tafahoatra, rehefa mifehy ny zanany?
13 Ireo Kristiana manana fahefana sasany dia mandray soa be dia be avy amin’ny modely navelan’i Jesosy amin’io lafiny io. Ohatra, ireo ray aman-dreny tsy mivadika dia mahalala fa tsy maintsy mifehy ny zanany izy ireo. (Ohabolana 13:24). Ataon’izy ireo kosa anefa izay ahazoana antoka fa tsy mampahasosotra ny zanany amin’ny lalàm-pifehezana henjana atao amin-katezerana izy ireo na mampahasosotra azy amin’ny fanakianana vary raraka. Ny ankizy izay mihevitra fa tsy mba afaka mampifaly ny ray aman-dreniny mihitsy, na ireo izay mihevitra fa ny fanompoam-pivavahan’ireo ray aman-dreniny dia toa mahatonga azy ireo ho be fitsikerana sy fanakianana fotsiny, dia mety ho tena hanjary ho kivy, ka ho vokany dia hihataka amin’ny tena finoana izy ireo amin’ny farany. — Kolosiana 3:21.
14. Ahoana no ahafahan’ny mpiandry kristiana mampiseho tsy fivadihana amin’ny andian’ondry karakarainy?
14 Mitovy amin’izany koa fa manisy fiheverana ireo zava-manahirana sy loza izay mety hatrehin’ny andian’ondry ireo loholona kristiana sy mpiandraikitra mpitety faritany. Amin’ny maha-mpiandry tsy mivadika azy ireo, dia manome torohevitra izy rehefa ilaina izany, ka ataony izay ahazoana antoka fa eo am-pelatanany avokoa aloha ny zava-misy rehetra ary mitandrina izy ireo mba hiorina amin’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ny zavatra lazainy. (Salamo 119:105; Ohabolana 18:13). Fantatr’izy ireo koa fa miankina amin’izy ireo ny ondry mba hahazoana fankaherezana sy famahanana ara-panahy. Koa miezaka hanahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, izy ireo. Maneho tsy fivadihana izy ireo amin’ny fikarakarana ny ondry isan-kerinandro isan-kerinandro, any amin’ireo fivoriana kristiana — tsy amin’ny fanabantiana azy ireo, fa amin’ny fankaherezana azy ireo kosa sy amin’ny fanatanjahana ny finoan’izy ireo. — Matio 20:28; Efesiana 4:11, 12; Hebreo 13:20, 21.
15. Ahoana no nampisehoan’ny sasany tamin’ny taonjato voalohany fa diso toerana ny tsy fivadihan’izy ireo?
15 Ny endriny an-kolaka hafa iray amin’ny fivadihana dia ny tsy fivadihana diso toerana. Ny tena tsy fivadihana araka ny heviny ao amin’ny Baiboly dia tsy mamela ny hoe ataontsika misongona ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah Andriamanitra ny fifikirantsika amin-javatra na inona na inona. Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany no nikiry hifikitra tamin’ny Lalàn’i Mosesy sy ny fandehan-javatra jiosy. Tonga anefa ny fotoana nanalan’i Jehovah ny fitahiany tao amin’io firenena mpikomy io ka namindrany izany ho amin’ilay firenena voaforon’ny Isiraely ara-panahy. Tsy nisy afa-tsy vitsivitsy monja no tsy nivadika tamin’i Jehovah ka nanao zavatra nifanaraka tamin’io fiovana lehibe io. Na dia teo anivon’ireo Kristiana marina aza, ny sasany tamin’ireo Mpomba ny Jodaisma dia nisisika hiverina tamin’ny “abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona” tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay efa tanteraka tao amin’i Kristy. — Galatiana 4:9; 5:6-12; Filipiana 3:2, 3.
16. Manao ahoana ny fihetsik’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, eo anoloan’ny fanitsiana?
16 Mifanohitra amin’izany fa ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro maoderina dia nanaporofo ny tenany ho tsy nivadika nandritra ireo fotoana nisian’ny fanovana. Arakaraka ny mampahazava hatrany ny fahazavan’ny fahamarinana naharihary no anaovana fanitsiana. (Ohabolana 4:18). Vao haingana izay, “ny mpanompo mahatoky sy malina” dia nanampy antsika hanatsara ny fahazoantsika ny hevitry ny teny hoe “taranaka”, ampiasaina ao amin’ny Matio 24:34, sy ny fotoam-pitsarana “ny ondry” sy “ny osy”, voalaza ao amin’ny Matio 25:31-46, ary koa ny fomba fijerintsika ny karazana fanompoana sivily sasany. (Matio 24:45, NW ). Tsy isalasalana fa ho ravoravo ny mpivadi-pinoana sasany raha toa ny maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka mikiribiby mifikitra amin’ny fomba nandraisana ny hevitr’ireo foto-kevitra ireo teo aloha, ka mandà tsy handroso. Tsy nisy karazan-javatra toy izany nitranga. Nahoana? Satria tsy mivadika ny vahoakan’i Jehovah.
17. Amin’ny ahoana no mety hizaha toetra ny tsy fivadihantsika ireo olon-tiantsika, indraindray?
17 Mety hahakasika ny tenantsika manokana anefa ny raharaha momba ny tsy fivadihana diso toerana. Rehefa mifidy ny hanaraka fitondran-tena izay mandika ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny namana tiana iray na ny mpianakavy iray mihitsy aza, dia mety hihevitra isika fa ifandroritan’ny tsy fivadihana roa ny tenantsika. Ara-dalàna raha tsy mivadika amin’ny mpianakavintsika isika. Tsy tokony hasongontsika na oviana na oviana ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah anefa ny fifikirantsika amin’izy ireo! (Ampitahao amin’ny 1 Samoela 23:16-18.) Tsy hanampy ny mpanao ratsy hanafina fahotana lehibe isika na hiandany amin’izy ireo ka hanohitra ireo loholona izay miezaka ‘hanarina azy ireo amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy’. (Galatiana 6:1, NW ). Ny fanaovana izany dia ho fivadihana amin’i Jehovah sy ny fandaminany ary amin’ny olon-tiana iray. Rehefa dinihina tokoa, ny fanakanana ny mpanota iray tsy hahazo ny fifehezana ilainy dia fanakanana ny fanehoan’i Jehovah fitiavana tsy hahatratra azy, raha ny marina. (Hebreo 12:5-7). Tadidio koa fa “azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza”. (Ohabolana 27:6). Ny torohevitra feno fahatsorana sy fitiavana izay miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mety handratra ny hambom-pon’ny olon-tiana iray naniasia, kanefa dia mety hamonjy aina izy io amin’ny farany!
Mahatanty fanenjehana ny tsy fivadihana
18, 19. a) Tian’i Ahaba hanao inona i Nabota, ary nahoana i Nabota no nanda? b) Nahaleo ny sarany ve ny vidin’ny tsy fivadihan’i Nabota? Hazavao.
18 Indraindray dia mivantana ny famelezan’i Satana ny tsy fivadihantsika. Diniho ny nanjo an’i Nabota. Rehefa nanery azy hivarotra ny tanimboalobony i Ahaba Mpanjaka, dia hoy ny navaliny: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah izany! fa tsy homeko anao [ny] tanin-drazako.” (1 Mpanjaka 21:3). Tsy olona be di-doha akory i Nabota; tsy nivadika kosa izy. Ny Lalàn’i Mosesy dia nandidy fa tsy misy Isiraelita mahazo manao varo-maty ny tany lova. (Levitikosy 25:23-28). Azo antoka fa fantatr’i Nabota hoe afaka nampamono azy io mpanjaka lozabe io, satria efa namela an’i Jezebela vadiny hamono mpaminanin’i Jehovah maro i Ahaba! Niorina mafy anefa i Nabota. — 1 Mpanjaka 18:4.
19 Indraindray dia mitaky vidiny ny tsy fivadihana. Nahavita namorona porofo sandoka hanamelohana an’i Nabota ho nanao heloka bevava tsy nataony akory i Jezebela, rehefa nampian’ny ‘olona tena ratsy fanahy’. Ho vokany, dia novonoina ho faty izy sy ireo zanany. (1 Mpanjaka 21:7-16; 2 Mpanjaka 9:26). Midika ve izany fa diso i Nabota noho izy tsy nivadika? Tsia! I Nabota dia anisan’ireo lehilahy sy vehivavy maro tsy nivadika izay “velona” ao amin’ny fitadidian’i Jehovah mandraka ankehitriny, matory tsy manana ahiahy ao am-pasana mandra-pahatongan’ny fotoana hitsanganany amin’ny maty. — Lioka 20:38; Asan’ny Apostoly 24:15.
20. Amin’ny fomba ahoana ny fanantenana no afaka manampy antsika hihazona ny tsy fivadihantsika?
20 Manome toky an’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah amin’izao andro izao izany fampanantenana izany. Fantatsika fa mety hovidintsika lafo ny tsy fivadihantsika eo amin’itỳ tontolo itỳ. Ny ainy no nandoavan’i Jesosy Kristy ny vidin’ny tsy fivadihany, ary nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy izy fa tsy ho tsara kokoa noho izany akory no hitondrana azy ireo. (Jaona 15:20). Koa satria nanohana azy ny fanantenany ny hoavy, dia tohanan’ny antsika isika. (Hebreo 12:2). Noho izany, dia afaka mitoetra ho tsy mivadika eo anoloan’ny endri-panenjehana rehetra isika.
21. Fanomezan-toky inona avy no atolotr’i Jehovah an’ireo tsy mivadika aminy?
21 Marina aloha fa somary vitsy amintsika amin’izao andro izao no mizaka famelezana mivantana ny tsy fivadihantsika toy izany. Kanefa dia tena mety hiatrika fanenjehana bebe kokoa ny vahoakan’Andriamanitra alohan’ny hahatongavan’ny farany. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa hahazona ny tsy fivadihantsika isika? Amin’ny fihazonantsika ny tsy fivadihantsika ankehitriny. I Jehovah dia nanome antsika fanirahana lehibe — fitoriana sy fampianarana momba ny Fanjakany. Aoka isika haneho ny tsy fivadihantsika amin’ny fitozoana amin’io asa tena lehibe io. (1 Korintiana 15:58). Raha mandà tsy hamela ny tsy fahatanterahan’olombelona hanimba tsikelikely ny tsy fivadihantsika amin’ny fandaminan’i Jehovah isika ary raha mitandrin-tena amin’ireo endriny an-kolaka isehoan’ny fivadihana, toy ny tsy fivadihana diso toerana, amin’izay isika dia ho voaomana tsara kokoa raha toa ka hiharam-pitsapana mafy kokoa ny tsy fivadihantsika. Na ahoana na ahoana, dia azontsika atao mandrakariva ny ho feno toky hatrany fa tsy hivadika na oviana na oviana amin’ny mpanompony tsy mivadika aminy i Jehovah. (2 Samoela 22:26, NW ). Eny, hiambina an’ireo tsy mivadika aminy izy! — Salamo 97:10, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Be herim-po i Jesosy matoa sahy namely fikambanam-barotra nahazoana tombony be toy izany. Araka ny mpahay tantara iray, dia tsy maintsy vola madinika jiosy tranainy iray voafaritra tsara no nandoavana ny hetran’ny tempoly. Nila nanakalo ny volany, araka izany, ny mpitsidika maro tao amin’ny tempoly mba handoavany ilay hetra. Ireo mpanakalo vola dia nomen-dalana hitaky sarany raikitra noho ilay fanakalozana, ary nampidi-bola tsy toko tsy forohana izany.
b Jereo ny Mifohaza! Aprily-Jona 1994.
c Ny firahalahian’izy ireo dia avy tamin’ny an’ny Hasidima, antokon’olona iray izay natsangana taonjato maro talohan’izy ireo mba hiady tamin’ny hery fitaoman’ny Grika. Ny Hasidima dia naka ny anarany avy tamin’ny teny hebreo hoe chasi·dhimʹ, na “ireo tsy mivadika”. Nihevitra angamba izy ireo fa nihatra tamin’izy ireo tamin’ny fomba manokana ireo andinin-teny miresaka ny amin’ireo ‘tsy mivadik’i Jehovah’. (Salamo 50:5, NW ). Izy ireo, sy ny Fariseo tatỳ aoriany, dia nirehitra tafahoatra, nanendry tena ho mpiaro ny Lalàna, dia ny Lalàna araka ny heviny ara-bakiteny.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny hoe avelantsika hitarika antsika ho amin’ny fivadihana ny tsy fahatanterahan’ny hafa?
◻ Amin’ny fomba ahoana no mety hitarihan’ny tsy fahatanterahan’ny tenantsika antsika ho amin’ny fitondran-tena maneho fivadihana?
◻ Ahoana no ahafahantsika manohitra ny fironana haneho tsy fivadihana diso toerana?
◻ Inona no hanampy antsika hihazona ny tsy fivadihantsika, na dia amin’ny fotoam-panenjehana aza?
[Efajoro, pejy 9]
Fanompoana Amin’ny Tsy Fivadihana ao Amin’ny Betela
“Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” Izany no nosoratan’ny apostoly Paoly. (1 Korintiana 14:40). Fantatr’i Paoly fa mba hampandeha ny kongregasiona iray, dia hilaina ny “filaminana” sy ny fandaminana. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo loholona dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra ny amin’ireo raharaha mahakasika fanaovan-javatra, toy ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona ho amin’ny toerana maro samihafa anaovana fianarana ny boky, fandaminana fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, sy ny fanamarinana ny famitana ny faritany. Indraindray dia mety hisedra ny tsy fivadihantsika ny fandaharana toy izany. Tsy didy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra akory izy ireny ary tsy afaka ny hanome fahafaham-po izay tian’ny tsirairay.
Hitanao ho zava-tsarotra ve indraindray ny tsy mivadika amin’ny sasany amin’ireo fandaharana atao ao anatin’ny kongregasiona kristiana? Raha izany no izy, dia mety ho hitanao fa manampy ny ohatra omen’ny ao amin’ny Betela. Ny hoe Betela, teny hebreo midika hoe “Tranon’Andriamanitra”, no anarana omena ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower rehetra miisa 104, anisan’izany ny foibe any Etazonia.d Ireo mpiasa an-tsitrapo izay mipetraka sy miasa ao amin’ireo fitambaran-tranon’ny Betela dia maniry ny hanomezan’ireny toerana ireny taratry ny fanajana ara-pivavahana sy ny tahotra an’i Jehovah. Mitaky tsy fivadihana avy amin’ny tsirairay izany.
Matetika ireo mpitsidika ny Betela no mahamarika ny filaminana sy ny fahadiovana hitany any. Voalamina sy faly ireo mpiasa; manome taratry ny feon’ny fieritreretana kristiana matotra sy voavolavolan’ny Baiboly ny tenin’izy ireo sy ny fihetsiny, ary na dia ny fisehoany ivelany aza. Ny mpikambana rehetra ao amin’ny fianakavian’ny Betela iray dia maneho tsy fivadihana, amin’ny fifikirana amin’ireo fari-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra.
Fanampin’izany, ny Fitambara-mpitantana dia manome azy ireo boky iray mitondra ny lohateny hoe Fiaraha-monina ao Anatin’ny Firaisan-tsaina, izay milazalaza amin-katsaram-panahy ireo fandaharana sasany mifanentana amin’izay ilain’ny fianakaviambe toy izany mba hiarahany miasa tsara. (Salamo 133:1). Ohatra, izy io dia miresaka ny amin’ny efitrano ipetrahana, ny sakafo, ny fahadiovana, ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe ary raharaha mitovy amin’izany. Maneho tsy fivadihana ireo mpianakavin’ny Betela, amin’ny fanohanana sy amin’ny fifikirana amin’ireny fandaharana ireny, na dia rehefa mety hitarika azy ireo ho amin’ny lalan-kafa aza ny fitiavan-javatra manokana ananan’izy ireo. Tsy fitsipika sy fameperana henjana no iheveran’izy ireo an’io boky io, fa fitambarana toro lalana mahasoa, izay natao mba hampiroboroboana ny firaisan-tsaina sy ny firindrana. Maneho tsy fivadihana ireo mpiandraikitra ao, amin’ny fanohanana ireny fomba fanaovan-javatra miorina amin’ny Baiboly ireny, ary mampiasa azy ireny amin’ny fomba tsara izy mba hankaherezana sy hampirisihana ny fianakavian’ny Betela mba hanohy hatrany ny fanompoany masina ao amin’ny Betela.
[Fanamarihana ambany pejy]
d Tsy mahaforona tempoly na trano ara-panahy lehiben’Andriamanitra akory ireny orinasa sy birao ary fitambaran-trano fonenana ireny. Ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra dia ny fandaharana ataony ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio. (Mika 4:1). Amin’ny maha-izany azy, dia tsy voafetra ho trano ara-bakiteny eto an-tany izy io.
[Efajoro, pejy 10]
Ny Olona Tsy Mivadika sy ny Mpanizingizina ny Lalàna
Tamin’ny 1916, dia nanamarika ny Encyclopædia of Religion and Ethics fa “io fahasamihafana misy eo amin’ny olona tsy mivadika sy ny mpanizingizina ny lalàna io dia mety ho hita tamin’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra”. Hoy ny fanazavany: “Ao ny mpanizingizina ny lalàna izay manao izay asaina ataony, tsy mandika fitsipika; mifikitra amin’ny teny voasoratra sy azo vakina, izy. Ao ny olona tsy mivadika izay manao izany, saingy azo (...) ianteherana amin-javatra maro kokoa, izay mampifantoka ny sainy manontolo amin’ny adidiny, izay mamolavola ny toe-tsainy hifanaraka amin’ny tena hevitr’ilay zava-kendrena tokony hotratrarina.” Tatỳ aoriana, dia nanamarika toy izao io asa soratra io: “Ny hoe tsy mivadika dia mihoatra lavitra noho ny fankatoavana lalàna. (...) Samy hafa amin’ny olona mankatò lalàna ny olona tsy mivadika, noho izy manompo amin’ny sainy sy ny fony manontolo (...). Tsy mamela ny tenany ho azon’ny ota an-tsitrapo izy, na ota noho ny zavatra nataony izany, na noho ny tsy nanaovany zavatra, na noho ny tsy fahalalany.”