Fanontanian’ny Mpamaky
Iza no nijinja ny voaloham-bokatra tamin’ny orza, izay nentina tao amin’ny toerana masina? Nanatrika ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay mantsy ny lehilahy rehetra, tamin’ny fotoana nanombohan’ilay fijinjana.
Nandidy ny Israelita ny Lalàn’i Mosesy hoe: “Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny, dia amin’ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.” (Deoteronomia 16:16) Ny tempoly tao Jerosalema no nofidin’Andriamanitra hanaovana izany, nanomboka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.
Natao tamin’ny fiandohan’ny lohataona ny voalohany tamin’ireo fety telo. Antsoina hoe Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay izy io. Nanomboka ny ampitson’ny Paska ilay izy ary naharitra fito andro, izany hoe ny 15 ka hatramin’ny 21 Nisana. Tamin’ny 16 Nisana, andro faharoa, no nanomboka ny fijinjana voalohany amin’ny taona, araka ny kalandrie jiosy. Naka ‘amboara iray tamin’ny voaloham-bokatra’ avy amin’ny orza ny mpisoronabe, tamin’io andro io. ‘Nahevahevany teo anatrehan’i Jehovah’ tao amin’ny toerana masina izany. (Levitikosy 23:5-12) Iza anefa no nijinja an’io amboara natao fanatitra io, satria ny lehilahy rehetra samy tokony hanatrika ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay?
Ilay firenena manontolo no nodidiana hanolotra ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah, nandritra ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Tsy ny tsirairay anefa no nasaina nanomboka ny fijinjana, ka hoe samy hitondra voaloham-bokatra tany amin’ny toerana masina. Olona vitsivitsy nisolo tena an’ilay firenena kosa no tokony hanao izany. Solontena àry no nirahina hanapaka ilay amboara nilaina tamin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, angamba tany amin’ny saha tsy lavitra teo. Hoy ny Rakipahalalana Judaica (anglisy), momba izany: “Azo nalaina teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema ilay orza, raha efa nisy masaka teny. Azo nalaina tamin’ny faritra hafa teo amin’ny Israely koa anefa izy io. Lehilahy telo no naka izany, ary samy nitondra antsy fijinjana sy harona izy ireo.” Nentina tany amin’ny mpisoronabe ilay amboara taorian’izay, ka izy no nanolotra izany ho an’i Jehovah.
Andriamanitra no nitahy ny tanin’ny Israely sy ny fambolen’izy ireo. Afaka naneho tsara ny fankasitrahany an’izany àry ny Israelita, noho ilay didy momba ny fanolorana ny voaloham-bokatra. (Deoteronomia 8:6-10) Ambonin’izany anefa, dia “aloky ny zavatra tsara ho avy” ilay fanatitra. (Hebreo 10:1) Mifanitsy amin’ilay andro nanolorana ny voaloham-bokatra mantsy ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ny 16 Nisana taona 33. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly, momba an’i Jesosy: “Efa natsangana tamin’ny maty anefa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry. ... Samy araka ny filaharany avy anefa: i Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.” (1 Korintianina 15:20-23) Manondro an’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty, ilay amboara nahevahevan’ny mpisoronabe teo anatrehan’i Jehovah. Izy mantsy no olona voalohany natsangana tamin’ny maty ka ho velona mandrakizay. Ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona, noho i Jesosy.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
© 2003 BiblePlaces.com