FETIN’NY MOFO TSY MISY LALIVAY
Fety naharitra fito andro, nanomboka ny 15 Nisana, ny ampitson’ny Paska, ka hatramin’ny 21 Nisana. (Jereo PASKA.) Natao hoe Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ilay fety, satria mofo tsy misy lalivay (heb.: mats·tsôht) ihany no mofo azo nohanina tamin’izay. Natao tamin’ny lafarinina tsy nasiana leviora sy nafangaro rano ilay mofo, ary nokarakaraina haingana mba tsy hiotrika ka hitombo.
Fivoriambe nanetriketrika sady sabata ny andro voalohan’ilay fety. Nisy amboaran’ny voaloham-bokatra tamin’ny vary orza (vokatra niakatra voalohany tany Palestina) nentina tany amin’ny mpisorona ny andro faharoa, na 16 Nisana. Tsy nisy nahazo nihinana voa vaovao na mofo na voa natono avy tamin’ny orza vao nojinjaina, talohan’ilay fety. Ho an’i Jehovah mantsy ilay amboaran’ny voaloham-bokatra, ka nahetsiketsiky ny mpisorona teo anatrehany. Nisy ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona koa natao fanatitra dorana, nampiarahina tamin’ny fanatitra varimbazaha nafangaro menaka sy fanatitra zava-pisotro. (Le 23:6-14) Tsy nasaina nandoro vary orza na lafarinina teo amin’ny alitara ny mpisorona, toy ny nataon’izy ireo tatỳ aoriana. Tsy hoe ilay firenena ihany no nanolotra voaloham-bokatra nandritra ilay fety, fa afaka nanao sorona fisaorana koa izay fianakaviana na olona nanan-tany tany Israely.—Ek 23:19; De 26:1, 2; jereo VOALOHAM-BOKATRA.
Antony. Mofo tsy misy lalivay no nohanina nandritra ilay fety, araka ny toromarika nomen’i Jehovah an’i Mosesy. (Ek 12:14-20) Hentitra ilay didy ao amin’ny Eksodosy 12:19 hoe: “Tsy tokony hahitana lalivay ao an-tranonareo mandritra ny fito andro.” Natao koa hoe “mofom-pahoriana” ny mofo tsy misy lalivay. (De 16:3) Tsaroan’ny Jiosy isan-taona àry fa voatery niala haingana tany Ejipta izy ireo, ka tsy nanam-potoana hanisiana lalivay ny kobany. (Ek 12:34) Tsaroan’izy ireo koa fa ory sy andevo izy ireo tany nefa nafahana, araka ny tenin’i Jehovah hoe: “Amin’izay dia hotsaroanao mandritra ny androm-piainanao ny andro nivoahanao avy tany Ejipta.” Nety tsara ny nitadidian’izy ireo nandritra ilay fety fa firenena afaka izy ireo ary i Jehovah no nanafaka azy. Io no voalohany tamin’ireo fety lehibe telo nankalazain’ny Israelita isan-taona.—De 16:16.
Talohan’ny sesitany. Misy tantara telo ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny nankalazan’ny Israelita ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay tao amin’ny Tany Nampanantenaina, talohan’ny sesitany tany Babylona. Tsy midika anefa izany hoe intelo ihany no nankalazaina ilay fety. Miresaka momba ny nankalazan’i Solomona an’ireo fety rehetra ilay tantara voalohany.—2Ta 8:12, 13.
Miavaka kosa ny fankalazana resahin’ireo tantara roa hafa. Resahin’ilay iray fa nankalazaina indray ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Hezekia mpanjaka tsy nivadika, rehefa avy natao tsirambina elaela. Tsy ampy anefa ny fotoana niomanana ho amin’ilay fety fanao isaky ny 15 Nisana, satria ny 16 Nisana vao voadio sy voamboatra ny tempoly. Nankalazaina ny volana faharoa àry ilay izy, satria namela hanao izany ny Lalàna. (2Ta 29:17; 30:13, 21, 22; No 9:10, 11) Faly erỳ ny vahoaka sady lasa nafana fo tamin’ny fivavahana indray, ka nohalavaina fito andro ilay fety. Nanome ombilahy 2000 sy ondry 17 000 hatao sakafon’ireo olona maro be tonga tamin’izay i Hezekia Mpanjaka sy ny andrianany.—2Ta 30:23, 24.
Vao vita ilay fety, dia nanao ezaka be hanafoanana ny fivavahan-diso tany amin’ny tanàna maro ny Israelita, talohan’ny nodiany. (2Ta 31:1) Notahin’i Jehovah àry izy ireo ary nafahana tamin’ny fanompoana demonia. Anisan’ny soa noraisin’izy ireo tamin’ny fankalazana an’ilay fety izany.
Tamin’ny andron’i Josia mpanjaka be herim-po kosa ilay tantara farany momba ny fankalazana ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Niezaka namerina ny fivavahana marina tamin’i Jehovah tao Joda izy tamin’izay.—2Ta 35:1-19.
Na dia ireo telo ireo ihany aza no resahin’ny Baiboly, dia azo antoka fa nankalaza an’ilay fety koa ireo mpitsara sy mpisorona tsy nivadika tany Israely, talohan’ny andron’ny mpanjaka. Nisy lamina nataon’i Davida sy Solomona tatỳ aoriana mba ho afaka hanao tsara ny asany ny mpisorona, ary nisy mpanjakan’ny Joda nandrisika ny hankalazana foana an’ilay fety. Nankalazaina foana koa ilay fety, taorian’ny sesitany.
Taorian’ny sesitany. Voaorina indray ny tempoly noho ny fampirisihan’i Hagay sy Zakaria mpaminanin’i Jehovah, rehefa tafaverina tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Jiosy nafahana avy tany Babylona. (Ezr 5:1, 2) Faly be izy ireo nitokana an’ilay tranon’i Jehovah tamin’ny 515 T.K., sy nanolotra an’ireo sorona rehetra fanao rehefa Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Hoy ny Ezra 6:22: “Nankalazain’izy ireo tamim-pifaliana nandritra ny fito andro, ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay.”
Nazoto namerina ny fivavahana marina ireo nody avy tany Babylona, tamin’ny voalohany. Lasa nanao tsirambina ny asany sy nieboebo ary nihevi-tena ho marina anefa ny mpisorona, hoy ny bokin’i Malakia. Tsy nisy hasiny intsony ny fanompoana tao amin’ny tempoly ary lasa fahazarana fotsiny ny fankalazana an’ireo fety. (Ml 1:6-8, 12-14; 2:1-3; 3:8-10) Nitandrina fatratra an’ireo tsipirian’ny Lalàna sy ny fomban-drazany ny mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy. Nazoto nankalaza an’ireo fety toy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay izy ireo, nefa nomelohin’i Jesosy satria nihatsaravelatsihy. Hadinony mantsy hoe fandaharana nataon’i Jehovah hitahiana ny vahoakany ireo fety.—Mt 15:1-9; 23:23, 24; Lk 19:45, 46.
Heviny an’ohatra. Nohazavain’i Jesosy Kristy ny dikan’ny lalivay an’ohatra, rehefa nampitandrina ny mpianany izy hoe: “Aoka ho mailo hatrany ianareo, ary mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny Sadoseo.” Tsy azon’ny mpianany anefa ny tiany holazaina, ka hoy izy: “‘Nahoana no tsy takatrareo fa tsy mofo no noresahiko taminareo? Fa mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo sy ny Sadoseo.’ Ary azon’izy ireo izay nolazainy, dia ny hitandremana amin’ny fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.” (Mt 16:6, 11, 12) Hoy koa i Jesosy, indray mandeha: “Mitandrema amin’ny lalivain’ny Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.”—Lk 12:1.
Mitovy amin’izany koa ny tian’ny apostoly Paoly holazaina momba an’ilay lalivay tsy nampiasaina tamin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, rehefa nanoro hevitra ny Kristianina izy hoe: “Tsy fantatrareo ve fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo ny koba manontolo? Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska. Koa aoka isika hankalaza ilay fety, tsy amin’ny lalivay efa ela, na amin’ny lalivain’ny faharatsiana sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.”—1Ko 5:6-8.
Nahetsiketsiky ny mpisoronabe ny voaloham-bokatra tamin’ny vary orza ny 16 Nisana, andro faharoa tamin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Io no vokatra niakatra voalohany, ka azo nantsoina hoe ny voalohany tamin’ireo voaloham-bokatry ny tany. (Le 23:10, 11) Tsara homarihina fa ny 16 Nisana i Jesosy Kristy no natsangana tamin’ny maty, tamin’ny taona 33. Hoy i Paoly rehefa nampitaha azy tamin’ireo olon-kafa hatsangana amin’ny maty: ‘Efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry. Samy araka ny filaharany avy anefa: i Kristy no voaloham-bokatra, ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.’ I Kristy koa ilay “lahimatoa amin’ny rahalahy maro.”—1Ko 15:20-23; Ro 8:29.