Tadidinao Ve?
Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:
• Inona no azon’ny Kristianina atao raha kivy izy na sasatry ny manompo an’i Jehovah?
Mila jerentsika ny antony mahatonga ilay izy. Mety hahasoa antsika ny mandinika ny fahazarantsika sy ny fananantsika, ary azontsika esorina izay rehetra manavesatra sy tsy ilaina. Azontsika ampifanarahina amin’ny toe-javatra misy antsika ny tanjona tiantsika hotratrarina. Ilaina ny manolokolo ny fihavanantsika amin’i Jehovah Andriamanitra, ka mivavaka aminy tsy tapaka sy misaintsaina.—15/8, pejy 23-26.
• Nahoana no raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ara-bakiteny ny isa 144 000?
Nahita “vahoaka be tsy tambo isaina” ny apostoly Jaona, rehefa avy nahazo fahitana momba ireo 144 000. (Apokalypsy 7:4, 9) Hitovy ihany io andininy io sy ilay miresaka momba ny 144 000, raha toa ka raisina an’ohatra ny 144 000. Nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” ireo hiara-manjaka aminy. (Lioka 12:32)—1/9, pejy 30.
• Nahoana ny Israelita no afaka nivarotra henam-biby tsy nalatsa-dra tamin’ny vahiny?
Tsy teo ambanin’ny Lalàna ny vahiny na ny mpila ravin’ahitra. Azon’ny Israelita natao àry ny nanome na nivarotra ireny biby ireny taminy. (Deoteronomia 14:21) Voafehin’ny Lalàna kosa ny olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy, ka tsy nahazo nihinana henam-biby tsy nalatsa-dra. (Levitikosy 17:10)—15/9, pejy 26.
• Inona no zavatra sasany nalaina tahaka avy amin’ny zavaboary, ary nahoana izany no mety hahaliana ny Kristianina?
Matetika ny olona no maka tahaka ny zavaboary. Nanamboatra fiaramanidina, ohatra, ry Wright mirahalahy, rehefa avy nandinika vorona lehibe nanidina. Manosika ny Kristianina hanome voninahitra ny Mpamorona àry izany rehetra izany.—1/10, pejy 9.
• Iza no resahin’ny 2 Korintianina 12:2-4 fa nentina ho any amin’ny paradisa?
Vao avy nanaporofo ny maha apostoly azy i Paoly tao amin’ny andininy talohan’io. Tsy milaza ny Baiboly fa nisy olon-kafa nentina ho any amin’ny paradisa. I Paoly irery ihany koa no niresaka momba izany. Azo inoana àry fa izy no nahazo io fahitana io.—15/10, pejy 8.
• Inona no toetra sasany nananan’i Jesosy, ka mahatonga azy ho tena mendrika ny ho Mpitondra nofidin’Andriamanitra?
Tsy nivadika mihitsy i Jesosy, ary nanao ny marina sy tsara fitondran-tena foana. Nanokan-tena tanteraka ho an’Andriamanitra izy, niahy fatratra ny olona, ary vonona hiasa.—1/11, pejy 6-7.
• Aiza no hisy ny demonia mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?
Afaka manatsoaka hevitra isika fa hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka miaraka amin’i Satana izy ireo. (Apokalypsy 20:1-3) Milaza mialoha ny Genesisy 3:15, fa hotorotoroina eo amin’ny lohany ilay menarana. Tafiditra amin’izany ny fanipazana azy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Anisan’ny taranany ireo anjely ratsy fanahy na demonia. Matoa izy ireo natahotra mafy an’io lavaka io, dia fantany fa hogadraina ao koa izy. (Lioka 8:31)—15/11, pejy 30-31.
• Nahoana ny olona iray no tokony handanjalanja rehefa misotro, na dia mitandrina tsara aza izy mba tsy ho hita hoe mamo?
Tsy hita hoe mamo ny olona sasany, na dia efa nisotro betsaka ihany aza. Mety hanomboka hiankin-doha tsikelikely amin’ny alkaola anefa izy, ary lasa “handevozin’ny divay be” amin’ny farany. (Titosy 2:3) Nampitandrina antsika i Jesosy mba tsy “hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka.” (Lioka 21:34, 35) Mety ho lasa rendremana sy kamo eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ny olona manaram-po amin’ny fisotroana, na dia mbola tsy mamo aza.—1/12, pejy 19-21.