Fiaretana “Tsilo Amin’ny Nofo”
“Ampy ho anao ny fahasoavako.”—2 KORINTIANA 12:9.
1, 2. a) Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika ireo fitsapana sy olana mihatra amintsika? b) Nahoana isika no tsy manahy rehefa miatrika fisedrana?
“IZAY rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:12) Nahoana? Satria manizingizina sy miezaka mafy i Satana mba hanaporofo fa fitiavan-tena fotsiny no manosika ny olona hanompo an’Andriamanitra. Nampitandrina ireo apostoliny nahatoky toy izao i Jesosy, indray mandeha: “Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.” (Lioka 22:31) Fantatr’i Jesosy tsara fa avelan’Andriamanitra hitsapa antsika amin’ny alalan’ny olana mampahory i Satana. Mazava ho azy fa tsy midika izany hoe i Satana na ny demoniany no mahatonga ny olana rehetra mianjady amintsika. (Mpitoriteny 9:11) Vonona hanao izay rehetra azony atao anefa i Satana mba hitarihana antsika hivadika.
2 Milaza amintsika ny Baiboly fa tsy tokony hahagaga antsika ny fisedrana. Sady tsy mahagaga no efa ampoizina ny zava-drehetra mety hihatra amintsika. (1 Petera 4:12) ‘Manjo ny rahalahintsika eran’izao tontolo izao tokoa izany fahoriana izany.’ (1 Petera 5:9) Manenjika mafy ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay mihitsy i Satana ankehitriny. Mahafinaritra ny Devoly ny mahita antsika mijaly noho ny olana toy ny tsilo faran’izay betsaka sady mampahory. Mampiasa ity tontolony ratsy ity izy, mba hahatonga ilay ‘tsilo amin’ny nofontsika’ hilentika kokoa. (2 Korintiana 12:7) Tsy voatery hahatonga antsika hivadika anefa ny famelezan’i Satana. ‘Manisy lalana hahafahantsika’ hiaritra fakam-panahy i Jehovah, ary hanao izany koa izy rehefa miatrika zava-manahirana toy ny tsilo amin’ny nofontsika isika.—1 Korintiana 10:13.
Ny fomba iaretana tsilo
3. Inona no navalin’i Jehovah, rehefa nangataka azy mba hanala ilay tsilo tamin’ny nofony i Paoly?
3 Niangavy an’Andriamanitra mba hanala ilay tsilo tamin’ny nofony ny apostoly Paoly. “Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo, mba hialan’izany amiko.” Inona no navalin’i Jehovah an’io fitalahoan’i Paoly io? “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” (2 Korintiana 12:8, 9) Andeha hofakafakaintsika io valin-teny io, ary hojerentsika ny fomba hanampian’izy io antsika mba hiaritra izay olana toy ny tsilo mampahory antsika.
4. Inona avy no soa azon’i Paoly avy tamin’ny fahasoavan’i Jehovah?
4 Mariho fa nampirisihin’Andriamanitra i Paoly mba hankasitraka ny fahasoavana efa naseho taminy tamin’ny alalan’i Kristy. Efa notahina tamin’ny fomba maro tokoa i Paoly. Tian’i Jehovah izy, ka nomeny tombontsoa manokana ho tonga mpianatr’i Jesosy, na dia mpanohitra mafy an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy aza izy taloha. (Asan’ny Apostoly 7:58; 8:3; 9:1-4) Tsara fanahy tamin’i Paoly koa i Jehovah, ka nanome azy asa sy tombontsoa maro tena nahafinaritra. Mazava ny lesona ho antsika: Mbola betsaka ny fitahiana tokony hankasitrahantsika, na dia ao anatin’ny fotoana mangidy indrindra aza. Tsy tokony hahatonga antsika hanadino ny zava-tsoa maro avy amin’i Jehovah mihitsy koa ny fisedrana.—Salamo 31:19.
5, 6. a) Ahoana no nampianaran’i Jehovah an’i Paoly fa “tanterahina amin’ny fahalemena” ny herin’Andriamanitra? b) Ahoana no nanaporofoan’i Paoly fa mpandainga i Satana?
5 Misy lafiny hafa koa maha ampy ny fahasoavan’i Jehovah. Ampy tsara mba hanampiana antsika hiaritra fisedrana ny herin’Andriamanitra. (Efesiana 3:20) Nampianarin’i Jehovah an’i Paoly fa “tanterahina amin’ny fahalemena” ny herin’Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Tiany i Paoly ka nomeny ny hery rehetra nilainy mba hiaretana ny fisedrana nihatra taminy. Ny fiaretan’i Paoly sy ny fatokisany tanteraka an’i Jehovah kosa, dia nampiharihary tamin’ny Kristianina rehetra, fa nisongadina teo amin’io lehilahy kely aina sady mpanota io ny herin’Andriamanitra. Diniho koa ny vokatr’izany teo amin’ny Devoly, izay milaza fa rehefa miadana sy milamina ihany ny fiainan’ny olona vao manompo an’Andriamanitra izy. Nampahatezitra an’io mpanendrikendrika io tokoa ny tsy fivadihan’i Paoly!
6 Naman’i Satana niady tamin’Andriamanitra i Paoly taloha, ary nanenjika sy nampahory ny Kristianina. Fariseo nafana fo koa izy, ary tsy isalasalana fa nisy fotoana naha mpanan-karena azy, satria nanankarena ny fianakaviany. Nanjary nanompo an’i Jehovah sy Kristy anefa i Paoly, ary lasa ny “ambany indrindra amin’ny Apostoly.” (1 Korintiana 15:9) Noho izany, dia nanetry tena izy ka nanaiky ny fahefan’ny filan-kevi-pitantanan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Niaritra tamim-pahatokiana koa izy, na dia nanana tsilo tamin’ny nofo aza. Tsy nampihena ny zotom-pon’i Paoly ny fisedrana, ka azo inoana fa nahasosotra an’i Satana izany. Nifantoka tamin’ny fanantenany hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra foana ny sain’i Paoly. (2 Timoty 2:12; 4:18) Tsy nisy tsilo afaka nampihena ny zotom-pony mihitsy, na dia nanindrona toy inona aza! Enga anie ka tsy hihena mihitsy koa ny zotom-pontsika! Manome voninahitra antsika i Jehovah rehefa manampy antsika hiaritra fisedrana, satria manome antsika ny tombontsoa hanaporofo fa mpandainga i Satana.—Ohabolana 27:11.
Tena ilaina ireo fandaharan’i Jehovah
7, 8. a) Inona avy no fomba anatanjahan’i Jehovah ny mpanompony ankehitriny? b) Nahoana no tena ilaina ny mamaky sy mianatra Baiboly mba hiaretana ny tsilo amin’ny nofontsika?
7 Manome ny fanahiny masina sy ny Teniny ary ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina i Jehovah, mba hanatanjahana an’ireo Kristianina mahatoky ankehitriny. Afaka mametraka ny entantsika amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, toy ny apostoly Paoly, isika. (Salamo 55:22) Mety tsy hanala ny fisedrana mahazo antsika Andriamanitra, nefa afaka manome fahendrena antsika mba hiaretantsika izany, na dia ireo mafy indrindra aza. Afaka manome antsika herin-tsaina, na ‘hery lehibe’ mihitsy aza i Jehovah, mba hanampiana antsika hiaritra.—2 Korintiana 4:7.
8 Ahoana no hahazoantsika izany fanampiana izany? Tsy maintsy mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, satria azo antoka fa misy fampiononana avy aminy ao. (Salamo 94:19) Vakintsika ao amin’ny Baiboly ireo teny mampihetsi-po nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra niangavy ny fanampiany. Mampisaintsaina ny valin-tenin’i Jehovah, ary mazàna no miampy teny mampionona izany. Hanatanjaka antsika ny fianarana Baiboly, mba ‘ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy amintsika.’ Mila misakafo isika isan’andro mba ho velona sy hatanjaka. Tsy maintsy mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra toy izany koa isika. Manao izany ve isika? Tena hahazo ‘hery lehibe’ isika, raha manao izany, ka ho afaka hiaritra izay olana toy ny tsilo mety hampahory antsika ankehitriny.
9. Ahoana no hanampian’ny anti-panahy an’ireo manan-java-manahirana?
9 Afaka ny ho ‘fierena amin’ny rivotry’ ny fahoriana sy ho ‘fialofana amin’ny ranonoram-baratry’ ny zava-manahirana ny anti-panahy matahotra an’Andriamanitra. Manetry tena ireo anti-panahy maniry ho toy izany, ka mangataka an’i Jehovah mba hanome azy ny “lelan’ny efa mahay”, hahaizany hifidy ny teny mety hatao amin’ireo olona mijaly. Mety ho toy ny orana malefaka mangatsiatsiaka ny teny ataon’ny anti-panahy, ka hampitony sy hampionona antsika, rehefa mafy ny manjo antsika. Mety ho reraka na kivy noho ny tsilo amin’ny nofony ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy. Tena manampy azy ireny ireo anti-panahy, rehefa ‘mampahery ny reraka.’—Isaia 32:2; 50:4; 1 Tesaloniana 5:14.
10, 11. Ahoana no ahafahan’ny mpanompon’Andriamanitra mampahery an’ireo iharan’ny fitsapana mafy?
10 Tafaray ao anatin’ny fianakaviana kristianina ny mpanompon’i Jehovah rehetra. “Samy miara-momba ny tena” tokoa isika rehetra, ka “tokony hifankatia.” (Romana 12:5; 1 Jaona 4:11) Ahoana no hifankatiavantsika? Mifankatia isika, rehefa ‘miaraka ory sy mifankatia tahaka ny mpirahalahy ary mamindra fo’ amin’ireo mpiray finoana amintsika, araka ny 1 Petera 3:8. Azontsika rehetra heverina manokana koa ireo miaritra tsilo tena mampanaintaina amin’ny nofony, na tanora izy na antitra. Amin’ny fomba ahoana?
11 Tokony hiezaka mafy isika mba hamantatra ny fahorian’izy ireo. Mety hanampy trotraka ny fahoriany isika, raha tsy miara-ory aminy na tsy miraika, na dia tsy manao fanahy iniana aza. Tokony hitandrina ny zavatra lazaintsika sy ny fomba ilazantsika azy ary ny fihetsitsika isika, rehefa fantatsika ny zavatra misedra azy ireo. Mety hampihena ny fanaintainana mafy tsapan’izy ireo noho ny tsilo manindrona azy isika, raha mifantoka amin-javatra tsara sady mampahery azy ireo. Mety hitondra fampiononana ho azy ireo isika amin’izay.—Kolosiana 4:11.
Ahoana no niaretan’izy ireo?
12-14. a) Inona no nataon’ny Kristianina iray mba hiaretana ny kansera? b) Inona no nataon’ireo anadahy sy rahavaviny ara-panahy mba hanampiana sy hampaherezana azy?
12 Mitombo isan’andro ny “fahoriana”, satria efa hifarana ny andro farany. (Matio 24:8) Azo inoana àry fa hiharan’ny fisedrana ny olon-drehetra, indrindra fa ny mpanompon’i Jehovah mahatoky sy miezaka manao ny sitrapony. Diniho, ohatra, ny Kristianina iray mpanompo manontolo andro. Voan’ny kansera izy, ka tsy maintsy nanaovana fandidiana tena sarotra. Nitalaho tamin’i Jehovah avy hatrany izy sy ny vadiny, raha vao nahafantatra fa voan’io aretina io izy, ka nanao vavaka lava be. Nilaza izy tatỳ aoriana fa nanjary tony tsy nisy toy izany izy mivady. Afaka niaritra koa izy na dia niovaova aza ny toe-pahasalamany, indrindra fa rehefa niteraka vokany hafa ny fitsaboana narahiny.
13 Nitady fanazavana betsaka araka izay azony natao momba ny kansera io anabavy io, mba hiadiana tamin’ny aretiny. Niresaka tamin’ireo dokoterany izy. Novakiny koa ny tantaram-piainan’ny olona niaritra ireo fihetseham-po vokatr’io aretina io, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary boky kristianina hafa. Novakiny koa ny andinin-teny nampiseho fa afaka manampy ny vahoakany i Jehovah, rehefa sendra zava-manahirana izy ireo. Nisy fanazavana nahasoa hafa koa tao amin’izy ireny.
14 Nisy lahatsoratra iray momba ny fahakiviana namerina ireto teny feno fahendrena ireto: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany.” (Ohabolana 18:1) Nanoro hevitra àry io lahatsoratra io hoe aza mitokantokana.a Hoy ilay anabavy: “Maro no nilaza tamiko fa nivavaka ho ahy, ary nisy nitelefaonina ho ahy. Nisy anti-panahy roa nitelefaonina ho ahy matetika, mba hanontaniana ny toe-pahasalamako. Nahazo voninkazo sy taratasy be dia be koa aho. Nisy nahandro sakafo ho ahy mihitsy aza. Maro koa no nanolo-tena mba hitondra ahy tany amin’ny toeram-pitsaboana.”
15-17. a) Inona no nataon’ny Kristianina iray mba hiaretana ny zava-nanahirana azy vokatry ny lozam-piarakodia? b) Ahoana no nanampian’ny mpiray finoana azy?
15 Tratran’ny lozam-piarakodia indroa ny mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela, tany Nouveau-Mexique, any Etazonia. Naratra ny tendany sy ny sorony, ka vao mainka niharatsy ilay aretin’ny vanin-taolana nahazo azy efa hatramin’ny 25 taona. Hoy izy: “Sahirana be aho vao nahavita nampitraka ny lohako sy nitondra entana mihoatra ny roa kilao. Tena nanampy ahy anefa ny fivavahana mafy tamin’i Jehovah. Nanampy ahy koa ireo lahatsoratra nianarantsika tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Nisy lahatsoratra iray nanazava ny Mika 6:8, ary nilaza fa mahafantatra ny fetran’ny mety ho vitany ny olona miara-mandeha amin’Andriamanitra. Nanampy ahy izany mba hahatakatra fa tsy tokony ho kivy aho na dia marary aza, ary na dia kely tsy araka ny nitiavako azy aza ny fotoana nanompoako. Ny manompo azy amin’ny fo madio no tena zava-dehibe.”
16 Nilaza toy izao koa io anabavy io: “Nidera ahy foana ireo anti-panahy, noho ny fiezahako manatrika fivoriana sy mandeha mitory. Namihina ahy ny tanora rehefa niarahaba ahy. Tena nandefitra tamiko koa ireo mpisava lalana, ary matetika izy ireo no nanamboatra ny fandaharany, rehefa tsy afaka aho. Tsara fanahy erỳ izy ireo, rehefa ratsy ny andro, satria nentiny nanao fiverenana mitsidika aho, na nasainy nampianatra Baiboly niaraka taminy. Tsy afaka nitondra kitapo koa aho, ka nataon’ny mpitory tao anatin’ny kitapon’izy ireo ny boky sy gazetiko, rehefa nandeha nitory aho.”
17 Mariho ny fomba nanampian’ny anti-panahy sy ny mpiray finoana an’ireo anabavy roa ireo, mba hiaretany ny aretiny toy ny tsilo. Tsara fanahy izy ireo, ka nanao izay hahazoan’ireo anabavy ireo izay tena nilainy teo amin’ny ara-panahy sy ara-nofo ary ara-pihetseham-po. Tsy mampirisika anao mba hanampy rahalahy na anabavy manan-java-manahirana ve izany? Afaka manampy ireo manana tsilo amin’ny nofony, eo anivon’ny fiangonanareo, koa ianareo tanora.—Ohabolana 20:29.
18. Inona no fampaherezana mety ho azontsika avy amin’ireo tantaram-piainana, nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!?
18 Maro ny lahatsoratra navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mirakitra tantaram-piainan’ny Vavolombelona efa niaritra sy mbola miaritra zava-manahirana. Rehefa mamaky tsy tapaka ireny lahatsoratra ireny ianao, dia ho hitanao fa maro ireo rahalahy sy anabavinao ara-panahy maneran-tany niaritra olana ara-bola sy fahafatesan’ny havan-tiana tamin’ny loza, ary toe-javatra mampidi-doza vokatry ny ady. Ny hafa indray manana aretina miteraka kilema. Maro no tsy afaka manao ireo zavatra tsotra sy mandeha ho azy ho an’ny olona salama. Tena misedra azy ireo mafy ny aretiny, indrindra fa satria tsy afaka manao fanompoana kristianina betsaka araka ny itiavany azy izy. Ankasitrahan’izy ireo amin’ny fony manontolo ny fanampiana sy fampaherezana avy amin’ireo rahalahy sy anabaviny, na ny tanora izany na ny be taona!
Sambatra ny miaritra
19. Nahoana i Paoly no faly, na dia teo aza ny fisedrana sy ny fahalemena toy ny tsilo?
19 Faly i Paoly rehefa nahatsapa fa nanatanjaka azy Andriamanitra. Hoy izy: “Mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:9, 10) Afaka nilaza toy izao tsara i Paoly, noho ny zavatra niainany: “Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”—Filipiana 4:11-13.
20, 21. a) Nahoana isika no mety ho faly rehefa misaintsaina ireo zavatra “tsy hita”? b) Inona no anisan’ny zavatra “tsy hita” antenainao ho hita ao amin’ilay Paradisa an-tany?
20 Ho sambatra tokoa àry isika, rehefa miaritra izay tsilo rehetra amin’ny nofontsika, satria mampiseho amin’ny olon-drehetra fa tanterahina amin’ny fahalementsika ny herin’i Jehovah. Hoy i Paoly: “Tsy ketraka izahay; fa ... havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ... fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.”—2 Korintiana 4:16-18.
21 Manantena hiaina ao amin’ny Paradisa an-tany sy hahazo ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah ny ankamaroan’ny vahoakany ankehitriny. Azo lazaina hoe ‘tsy hitantsika’ ireny fitahiana ireny ankehitriny. Kely anefa sisa dia ho hitan’ny masontsika tsara ireny fitahiana ireny, sady tena hankafizintsika mandrakizay. Ho anisan’izany ny hoe ho afaka amin’ny zava-manahirana rehetra mitovy amin’ny tsilo isika! “Handrava ny asan’ny devoly” ny Zanak’Andriamanitra, ary ‘handringana amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana.’—1 Jaona 3:8; Hebreo 2:14.
22. Inona no tokony ho azontsika antoka, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
22 Aoka àry isika hiaritra hatrany izay tsilo amin’ny nofontsika, ka mampijaly antsika ankehitriny. Hahazo hery hanaovana izany toa an’i Paoly isika, satria hanome antsika hery be i Jehovah. Hidera an’i Jehovah Andriamanitsika isan’andro isika ao amin’ilay Paradisa an-tany, noho ny fitahiana rehetra narotsany tamintsika.—Salamo 103:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fomba Iatrehana Famoizam-po”, ao amin’ny Mifohaza! 8 May 2000.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no miezaka hitarika ny Kristianina marina mba hivadika ny Devoly, ary amin’ny fomba ahoana no anaovany izany?
• Amin’ny fomba ahoana no “tanterahina amin’ny fahalemena” ny herin’i Jehovah?
• Ahoana no ahafahan’ny anti-panahy sy ny hafa hampahery ny olona ory noho ny zava-manahirana?
[Sary, pejy 18]
Intelo i Paoly no nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanalany ilay tsilo tamin’ny nofony