Mitondra Fifaliana ny Fahafahana avy Amin’Andriamanitra
“Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” — NEHEMIA 8:10.
1. Inona no atao hoe fifaliana, ary nahoana ireo nanolo-tena ho an’Andriamanitra no afaka manana azy io?
MAMENO fifaliana ny fon’ny vahoakany i Jehovah. Io fahatsapana fahasambarana na faharavoana lehibe io dia vokatry ny fahazoana na ny fiandrasana zavatra tsara. Afaka mahatsapa izany fihetseham-po izany ireo olombelona nanolo-tena ho an’Andriamanitra satria vokatry ny fanahiny masina, na heriny miasa, ny fifaliana. (Galatiana 5:22, 23). Koa na dia mamely antsika aza ny fitsapana mahaketraka, dia afaka ny ho faly isika amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah izay tarihin’ny fanahiny.
2. Nahoana ireo Jiosy no nifaly tamin’ny toe-javatra manokana iray tamin’ny andron’i Ezra?
2 Tamin’ny toe-javatra manokana iray tamin’ny taonjato fahadimy al.fan.ir., dia nampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy ireo Jiosy mba hankalazana Andro Firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo feno hafaliana iray tany Jerosalema. Rehefa avy namaky sy nanazava ny Lalàn’Andriamanitra taminy i Ezra sy ireo Levita hafa, dia “nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.” — Nehemia 8:5-12.
Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho antsika
3. Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana ny “fifalian’i Jehovah” no afaka ny ho fiarovana mafy ho antsika?
3 Nandritra izany andro firavoravoana izany, dia takatr’ireo Jiosy ny fahamarinan’ireto teny ireto: “Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8:10). Fiarovana mafy ho antsika koa io fifaliana io raha miorina mafy ao amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra isika, amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa antsika. Nahazo fanosoran’ny fanahy masina sy fananganana ho zanaka anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, mba ho mpiara-mandova amin’i Kristy any an-danitra, ny sasany amintsika. (Romana 8:15-23). Ny ankamaroantsika amin’izao andro izao kosa dia manana ny fahatsinjovana hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Lioka 23:43, MN). Tokony ho faly toy inona moa isika!
4. Nahoana ny kristiana no afaka miaritra fijaliana sy fanenjehana?
4 Na dia manana fahatsinjovan-javatra mahatalanjona aza isika, dia tsy mora ny miaritra fijaliana sy fanenjehana. Azontsika atao anefa izany satria manome antsika ny fanahiny masina Andriamanitra. Noho izy io, dia manana fifaliana sy fiekena mafy isika fa tsy misy na inona na inona afaka manala amintsika ny fanantenantsika na ny fitiavan’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia afaka mahazo antoka isika fa ho fiarovana mafy ho antsika i Jehovah raha mbola tia azy amin’ny fontsika, ny fanahintsika, ny herintsika ary ny saintsika rehetra, foana isika. — Lioka 10:27.
5. Aiza no mety hahitantsika antony tokony hifaliana?
5 Manana fitahiana tondraka ny vahoakan’i Jehovah sady manana antony maro tokony hifaliana. Voatonona ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ireo Galatiana ny antony sasany mahafaly. Ny hafa dia voalaza any amin’ny toerana hafa amin’ny Soratra masina. Hampahery antsika ny fandinihana ireny fitahiana mahafaly ireny.
Raiso ho sarobidy ny fahafahana avy amin’Andriamanitra
6. Nahoana i Paoly no nampirisika ireo kristiana tany Galatia mba hiorina mafy?
6 Amin’ny maha-kristiana antsika, dia manana ny fitahiana mahafaly noho ny fananana laza tsara eken’Andriamanitra isika. Koa satria i Kristy nanafaka ny mpanara-dia azy avy tamin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nampirisihina ireo Galatiana mba hiorina mafy fa tsy ho voahidy ao amin’ny “zioga fanandevozana”. Ahoana ny amintsika? Raha toa ka miezaka ny hohamarinina amin’ny fanarahana ny Lalàna isika, dia ho tafasaraka amin’i Kristy. Ampian’ny fanahin’Andriamanitra anefa isika, ka miandry ny fanamarinana antenaintsika, avy amin’ny finoana izay miasa noho ny fitiavana, fa tsy avy amin’ny famorana ara-nofo na ny asa hafan’ny Lalàna akory. — Galatiana 5:1-6, MN.
7. Ahoana no tokony handraisantsika ny fanompoana masina amin’i Jehovah?
7 Fitahiana ny mampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika mba ‘hanompoana an’i Jehovah amin’ny fifaliana’. (Salamo 100:2). Tena tombontsoa tsy hay tombanana tokoa ny manolotra fanompoana masina ho an’i “Jehovah Andriamanitra Tsitoha”, dia ilay “Mpanjaka mandrakizay” mihitsy! (Apokalypsy 15:3). Raha mamely anao ny fahatsapan-tena ho tsy misy vidiny, dia mety hanampy anao ny fahatakarana fa nitaona anao ho any aminy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Andriamanitra ary nanome anao anjara horaisina ao amin’ny “asa masin’ny vaovao tsaran’Andriamanitra”. (Romana 15:16, MN; Jaona 6:44; 14:6). Antony maro tokony hifaliana sy hahavelom-pankasitrahana an’Andriamanitra re izany!
8. Raha ny amin’i Babylona lehibe, antom-pifaliana inona no ananan’ny vahoakan’Andriamanitra?
8 Ny antony hafa iray tokony hifaliana dia ny fahafahana avy ao amin’i Babylona lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, fahafahana izay nomen’Andriamanitra antsika. (Apokalypsy 18:2, 4, 5). Na dia mipetraka amin’ny heviny ara-panoharana “eny ambonin’ny rano maro”, izany hoe eo ambonin’ny “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”, aza io vehivavy janga ara-pivavahana io, dia tsy mipetraka, na koa hoe tsy manan-kery na mifehy ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny lafiny ara-pivavahana. (Apokalypsy 17:1, 15). Mifaly ao anatin’ny fahazavan’Andriamanitra mahatalanjona isika, fa ireo mpanohana an’i Babylona lehibe kosa dia ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy. (1 Petera 2:9). Eny, mety ho sarotra ny hahatakatra ny “zavatra lalin’Andriamanitra” sasany. (1 Korintiana 2:10, MN). Ny fanaovana vavaka mba hahazoana fahendrena sy fanampiana avy amin’ny fanahy masina anefa dia manampy antsika hahazo ny fahamarinana araka ny Soratra masina izay manafaka ireo manana azy eo amin’ny lafiny ara-panahy. — Jaona 8:31, 32, MN; Jakoba 1:5-8.
9. Raha tiantsika ny hankafy ny fitahiana avy amin’ny fahafahana mitohy hatrany amin’ny fahadisoana ara-pivavahana, dia inona no tsy maintsy ataontsika?
9 Mankafy ny fitahiana avy amin’ny fahafahana mitohy hatrany amin’ny fahadisoana ara-pivavahana isika, nefa mba hihazonana izany fahafahana izany, dia tsy maintsy mandà ny fivadiham-pinoana isika. Nanao ny fihazakazahana kristiana tsara ireo Galatiana, nefa nisy olona nanakantsakana azy ireo tsy hankatò ny fahamarinana. Tsy avy tamin’Andriamanitra izany fandresen-dahatra feno faharatsiana izany ka tsy maintsy notoherina. Toy ny masirasira kely mahatonga ny vongana rehetra hasirasira avokoa, ireo mpampianatra sandoka, na ny fironana ho amin’ny fivadiham-pinoana, dia afaka mandoto ny kongregasiona manontolo. Naniry i Paoly, tsy ny hamorana fotsiny an’ireo izay nanohana ny famorana ka nitady hanimba ny finoan’ireo Galatiana, fa ny hanaovana izay hahakilemaina azy ireo teo amin’ny filahiany mihitsy. Fiteny mahery tokoa izany! Kanefa tsy maintsy ho hentitra tsy misy hafa amin’izany isika raha ny amin’ny fandavana ny fivadiham-pinoana, raha tiantsika ny hihazona ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika amin’ny fahadisoana ara-pivavahana. — Galatiana 5:7-12, MN.
Mifanompoa amim-pitiavana
10. Inona no andraikitsika amin’ny maha-anisan’ilay fianakavian’ny mpirahalahy kristiana antsika?
10 Nitondra antsika hifanerasera amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy feno fitiavana ny fahafahana avy amin’Andriamanitra, nefa tsy maintsy manao ny anjarantsika isika amin’ny fampisehoana fitiavana. Tsy natao hampiasa ny fahafahany ‘hanarahana ny nofo’, na ho fialan-tsiny ho amin’ny fitiavan-tena tsy maneho fitiavana, ireo Galatiana. Natao hifanompo izy ireo ka ny fitiavana no ho antony hanosika azy amin’izany. (Levitikosy 19:18; Jaona 13:35). Tsy maintsy manalavitra ny hoso-dratsy sy ny fankahalana izay mety hitarika ho amin’ny fifandringanana, koa isika. Mazava ho azy fa tsy hitranga ny toy izany, raha maneho fifankatiavan’ny mpirahalahy isika. — Galatiana 5:13-15, MN.
11. Ahoana no ahafahantsika ho fitahiana ho an’ny hafa, ary ahoana no mety hitondran’izy ireo “fitahiana” ho antsika?
11 Amin’ny fampiasantsika ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika mifanaraka amin’ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, dia haneho fitiavana isika ka ho fitahiana ho an’ny hafa. Tokony ho fahazarana ny famelantsika ny tenantsika ho voafehin’ny fanahy masina sy hotarihiny. Amin’izay isika dia tsy hirona hanome fahafaham-po amim-pitiavan-tena ny nofontsika mpanota izay “manohitra ny Fanahy [raha ny amin’ny faniriany, MN]”. Raha tarihin’ny fanahin’Andriamanitra isika, dia hanao izay zavatra mampiseho fitiavana, fa tsy noho ireo fitsipika mitaky fankatoavana sy mampihatra sazy amin’ireo mpanao ratsy akory. Ny fitiavana, ohatra, fa tsy ny lalàna iray, dia hisakana antsika tsy hanendrikendrika ny hafa. (Levitikosy 19:16). Hanosika antsika hiteny sy hanao zavatra amin’ny fomba feno hatsaram-panahy ny fitiavana. Noho isika maneho fitiavana, izay vokatry ny fanahy, dia hitondra “fitahiana” ho antsika ny hafa, na koa hoe hiteny zavatra tsara momba antsika. (Ohabolana 10:6). Ambonin’izany, ny fifaneraseran’ny hafa amintsika dia ho fitahiana ho azy ireo. — Galatiana 5:16-18.
Fampitahana ireo vokatra
12. Inona avy no sasany amin’ireo fitahiana mifandray amin’ny fanalavirana ny “asan’ny nofo” feno fahotana?
12 Hitondra fitahiana maro mifandray amin’ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika ny fanalavirantsika ny “asan’ny nofo” feno fahotana. Amin’ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika, amin’ny ankapobeny isika dia misoroka fahoriana be satria tsy manao fijangajangana, fahalotoana ary fitondrantena tsy voafehy isika. Amin’ny fifadiantsika ny fanompoan-tsampy, dia manana ny fifaliana izay vokatry ny fanaovana izay sitrak’i Jehovah amin’io lafiny io isika. (1 Jaona 5:21). Koa satria tsy manao fanompoan-tsampy isika, dia afaka amin’ny fifehezan’ireo demonia. Tsy voarotidrotiky ny fandrafiana, ny fifandirana, ny ady lahy, ny fiafonafonana, ny fifampiandaniana, ny fisarahana, ny fitokoana ary ny fialonana, ny firahalahiantsika kristiana. Ary ny fifaliantsika dia tsy ho very noho ny fahamamoana sy ny filalaovan-dratsy. Nampitandrina i Paoly fa ireo izay manao ny asan’ny nofo dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho isika mitandrina ireo teniny ireo anefa, dia afaka mifikitra amin’ny fanantenan’ilay Fanjakana mahafaly isika. — Galatiana 5:19-21.
13. Mamokatra vokatra inona avy ny fanahy masin’i Jehovah?
13 Mitondra fifaliana ho antsika ny fahafahana avy amin’Andriamanitra satria maneho ny vokatry ny fanahin’i Jehovah ny kristiana. Avy amin’ireo tenin’i Paoly ho an’ny Galatiana ireo, dia mora hita fa toy ny tsilo ireo asan’ny nofo mpanota, raha ampitahaina amin’ny vokatry ny fanahy mahatalanjona, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena izay voavoly ao am-pon’ireo fo araka an’Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hiaina mifanohitra amin’ny fanirian’ny nofo mpanota isika ka maniry ny hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra ary ny hiaina amin’ny alalany. Mahatonga antsika hanetry tena sy ho tia fihavanana ny fanahy, fa tsy ho “tia tena ka hampipoitra fifaninanana eo amintsika samy isika ary hifampialona”. Tsy mahagaga raha fifaliana ny mifanerasera amin’ireo izay maneho ny vokatry ny fanahy! — Galatiana 5:22-26, MN.
Antony hafa hifaliana
14. Fiadiana inona no ilaintsika eo amin’ny ady ataontsika amin’ny hery ara-panahy ratsy?
14 Mifandray amin’ny fahafahana ara-panahy nomen’Andriamanitra antsika ny fitahiana noho ny fiarovana amin’i Satana sy ireo demonia. Mba hahombiazantsika amin’ny ady ataontsika amin’ny hery ara-panahy ratsy, dia tsy maintsy mitafy “ny fiadiana hiarovan-tena manontolo izay avy amin’Andriamanitra” isika. Mila ny misikina fahamarinana sy mitafy ny rariny ho fiarovan-doha isika. Tsy maintsy mikiraro ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotsika. Ilaina koa ny ampinga lehiben’ny finoana mba hamonoana ireo fitaovam-piadiana mirehitra alefan’ilay ratsy. Tsy maintsy mitafy ny fiarovan-dohan’ny famonjena ary mandray ny “sabatry ny Fanahy”, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, isika. Aoka koa isika “hivavaka mandrakariva ao amin’ny fanahy amin’ny toe-javatra rehetra”. (Efesiana 6:11-18, MN). Raha mitafy ny fiadiana ara-panahy isika ka mandà ny demonisma, dia afaka ny tsy hanan-tahotra sy ho faly. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 19:18-20.
15. Fitahiana mahafaly inona no ho azontsika satria mitondra tena mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra isika?
15 Manana fifaliana isika satria mifanaraka tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fitondrantenantsika, ary afaka amin’ny fahatsapana ho meloka mamely ny mpanao ratsy maro isika. ‘Mikely aina isika mba hanana fieritreretana tsy manameloka antsika na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva.’ (Asan’ny apostoly 24:16). Noho izany, dia tsy mila ny matahotra ny famalian’Andriamanitra izay tsy maintsy hanjo an’ireo mpanota an-tsitrapo tsy mibebaka, isika. (Matio 12:22-32; Hebreo 10:26-31). Raha mampihatra ny torohevitry ny Ohabolana 3:21-26 isika, dia hahita ny fahatanterahan’ireo teny hita ao manao hoe: “Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao, dia handroso aman-toky hianao, ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. Tsy hatahotra hianao, raha mandry; eny, handry hianao, ary ho mamy ny torimasonao. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; fa Jehovah no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.”
16. Amin’ny ahoana ny vavaka no antom-pifaliana, ary inona no anjara asan’ny fanahin’i Jehovah amin’io lafiny io?
16 Antony hafa iray hifaliana ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika hanatona an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka noho ny fatokiana fa hohenoina isika. Eny, mahazo valiny ny vavaka ataontsika satria manana ilay “fahatahorana an’i Jehovah” feno fanajana isika. (Ohabolana 1:7). Ambonin’izany, dia ampiana isika mba hitahiry ny tenantsika ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny ‘fivavahana ao amin’ny fanahy masina’. (Joda 20, 21). Manao izany isika amin’ny fanehoana toetran’ny fo azo ekena eo anatrehan’i Jehovah ary amin’ny fivavahana eo ambany herin’ny fanahy mba hahazo zavatra mifanaraka amin’ny sitrapony sy ny Teniny, izay mampiseho amintsika ny fomba tokony hivavahana sy izay tokony hangatahina amin’ny vavaka. (1 Jaona 5:13-15). Raha iharan’ny fitsapana mafy isika ka tsy mahafantatra izay tokony hangatahina amin’ny vavaka, ‘ny fanahy no mamonjy ny fahalementsika ka mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina’. Mamaly ny vavaka toy izany Andriamanitra. (Romana 8:26, 27). Aoka isika hivavaka mba hahazo ny fanahy masina ary hamela azy io hamokatra ao amintsika ireo vokatra avy aminy izay ilaintsika indrindra mba hiatrehana fitsapana manokana iray. (Lioka 11:13). Hampitombo ny fifaliantsika koa isika raha mianatra amim-bavaka sy amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra nomen’ny fanahy tamin’ny tsindrimandry ary koa ireo zavatra vita an-tsoratra kristiana nomanina teo ambany fitarihan’ny fanahy.
Tahina amin’ny fanampiana azo raisina mandrakariva
17. Ahoana no ampisehoan’ireo zava-nitranga tamin’i Mosesy sy ireo tenin’i Davida fa momba ny vahoakany i Jehovah?
17 Amin’ny fampiasantsika tsara ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika, dia manana ny fifaliana isika mahalala fa momba antsika i Jehovah. Rehefa nahatonga an’i Mosesy handao an’i Egypta ny toe-javatra feno fisedrana, tamim-pinoana dia “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy”. (Hebreo 11:27). Tsy nandeha irery i Mosesy; fantany fa nomba azy i Jehovah. Toy izany koa, ireo zanak’i Kora dia nihira hoe: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.” (Salamo 46:1-3). Raha manana finoana an’Andriamanitra toy izany ianao, dia tsy handao anao na oviana na oviana izy. Hoy i Davida: “Na dia handao ahy aza ny raiko sy ny reniko niteraka ahy, i Jehovah kosa dia handray ahy.” (Salamo 27:10, MN). Fifaliana toy inona moa ny mahalala fa miahy ny mpanompony aoka izany Andriamanitra! — 1 Petera 5:6, 7.
18. Nahoana ireo izay manana ny fifalian’i Jehovah no manana fahafahana avy amin’Andriamanitra amin’ny fitebitebena manafotra?
18 Noho isika manana ny fifalian’i Jehovah, dia manana ny fahafahana avy amin’Andriamanitra amin’ny fitebitebena manafotra isika. “Aza manahy na inona na inona”, hoy i Paoly, “fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo [hery ara-tsainareo, MN] ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Ny fiadanan’Andriamanitra dia fahatoniana tsy manan-tsahala na dia amin’ny toe-javatra misedra indrindra aza. Noho izy io, dia mitoetra ho tony ny fontsika — zavatra izay tsara ho antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-pihetseham-po ary ara-batana. (Ohabolana 14:30). Manampy antsika hihazona ny fahaiza-mandanjalanja ara-tsaina koa izy io, satria fantatsika fa, na inona na inona avelan’Andriamanitra hitranga, dia tsy afaka ny hitondra fahavoazana maharitra ho antsika. (Matio 10:28). Manana io fiadanana avy amin’ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy io, isika, satria nanolo-tena ho an’i Jehovah ary manaiky ny fitarihan’ny fanahiny, izay mamokatra vokatra toy ny fifaliana sy ny fiadanana.
19. Ny fihazonana ny fontsika hifikitra amin’inona no hanampy antsika ho faly?
19 Ny fihazonantsika ny fontsika hifikitra hatrany amin’ny fahafahana nomen’Andriamanitra antsika sy amin’ny fanantenana ilay Fanjakana dia hanampy antsika ho falifaly. Ohatra, indraindray dia tsy misy zavatra firy azontsika atao handresena ny tsy fahasalamana, nefa afaka mivavaka isika mba hahazoana fahendrena sy fahatanjahan-tsaina hiaritra izany ary mety hahita fampiononana amin’ny fieritreretana momba ny fahasalamana ara-panahy ananantsika ankehitriny sy ireo fahasitranana ara-batana ho azontsika eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. (Salamo 41:1-3; Isaia 33:24). Na dia mety ho voatery hiaritra fihafiana aza isika amin’izao andro izao, ao amin’ny tany tonga paradisa efa antomotra aoka izany, dia tsy hisy tsy fahampian’ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. (Salamo 72:14, 16; Isaia 65:21-23). Eny, ilay Raintsika any an-danitra dia hanohana antsika ankehitriny ary amin’ny farany dia hahatonga ny fifaliantsika ho feno. — Salamo 145:14-21.
Ankamamio ny fahafahana nomen’Andriamanitra anao
20. Araka ny Salamo 100:1-5, amin’ny fomba ahoana no tokony hisehoantsika eo anatrehan’i Jehovah?
20 Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah antsika, dia azo antoka fa tokony hankamamy ny fahafahana avy amin’Andriamanitra izay nitondra fifaliana sy fitahiana maro be aoka izany ho antsika isika. Tsy mahagaga raha mampirisika antsika hankeo anatrehan’Andriamanitra “amin’ny fihobiana” ny Salamo 100:1-5. An’i Jehovah isika ary miahy antsika toy ny Mpiandry be fitiavana izy. Eny, “olony sy ondry fiandriny” isika. Ny maha-Mpamorona azy ary ireo toetrany lehibe dia mandrisika antsika hiditra ao amin’ny kianjan’ny tempoliny amin’ny fiderana sy fisaorana. Voatosika ‘hankalaza ny anarany’ isika, hilaza zavatra tsara momba an’i Jehovah Andriamanitra. Fanampin’izany, dia afaka matoky ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, na ny fiheverany feno fangoraham-po, asehony amintsika foana isika. Mahatoky i Jehovah hatramin’ny “taranaka fara mandimby”, ka tsy miovaova raha ny amin’ny fanehoana fitiavana amin’ireo izay manao ny sitrapony.
21. Fampirisihana inona no natolotra tao amin’ny nomerao voalohany amin’ity gazety ity, ary inona no tokony hataontsika momba ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
21 Amin’ny maha-olombelona tsy tanteraka antsika, dia tsy afaka ny handositra ny fitsapana rehetra ankehitriny isika. Noho ny fanampian’Andriamanitra anefa dia afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah feno herim-po sy fifaliana isika. Mendrika homarihina amin’io lafiny io ireto teny ireto, hita tao amin’ny nomerao voalohany amin’ity gazety ity (Jolay 1879, anglisy): “Manàna herim-po (...) ry rahalahiko sy anabaviko kristiana, izay miezaka ny hidina haingana amin’ilay lalana ety, amin’ny dia an-tongotra mampiseho faharerahana. Aza miraharaha ilay lalana mikitoantoana; nataon’ny tongotra masin’ny Tompo ho voatokana sy masina avokoa izy io. Raiso ho toy ny voninkazo ny tsilo tsirairay; ho toy ny dingana lehibe iray mitondra anao haingana ho any amin’ny tanjona ny vato maranitra tsirairay. (...) Abanjino amin’ny loka ny masonao.” An-tapitrisany maro manompo an’i Jehovah ankehitriny no mampibanjina ny masony amin’ny loka ary manana antony maro tokony hananana herim-po sy fifaliana. Miaraka amin’izy ireo, dia miorena mafy ao amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra. Aza diso ny zava-kendren’izy io, ary enga anie ny fifaliana avy amin’i Jehovah ho fiarovana mafy ho anao foana.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ahafahan’ny “fifaliana avy amin’i Jehovah” ho fiarovana mafy ho antsika?
◻ Eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, fitahiana inona avy no nentin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ho an’ny vahoakan’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no tokony hifanompo amin’ny fitiavana?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo fitahiana mifandray amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ahafahan’ny vahoakan’Andriamanitra hitoetra ho faly?
[Sary, pejy 30]
“Raiso ho toy ny voninkazo ny tsilo tsirairay; ho toy ny dingana lehibe iray mitondra anao haingana ho any amin’ny tanjona ny vato maranitra tsirairay.”