Miahy Anao Andriamanitra
NIJALY mafy teo amin’ny fiainany i Mary, vehivavy kristiana iray mananika ny faha-50 taonany. Ny fijangajangana nataon’ny vadiny dia nitarika ho amin’ny fisaraham-panambadiana, maherin’ny folo taona lasa izay. Taorian’izay i Mary dia niady mafy mba hanatanterahana ny anjara asany amin’ny maha-reny mitaiza irery ny zanany efatra. Mbola irery ihany anefa izy, ary indraindray dia toa tsy zaka ilay fahatsiarovan-tena ho manirery. Manontany tena i Mary hoe: ‘Midika ve izany fa tsy miahy ny amiko na ny amin’ireo zanako tsy manan-dray Andriamanitra?’
Na efa nandia fahoriana mitovy amin’izany ianao na tsia, dia azo antoka fa afaka miombom-pihetseham-po amin’i Mary ianao. Samy efa niaritra toe-javatra nisedra mafy isika rehetra, ary mety ho efa nanontany tena isika ny amin’ny fotoana sy ny fomba hanaovan’i Jehovah zavatra ho antsika. Ny sasany amin’ireny zavatra niainana ireny dia mety ho vokatra mivantana avy amin’ny fifikirantsika amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Matio 10:16-18; Asan’ny Apostoly 5:29). Ny hafa dia mety ho vokatry ny maha-olombelona tsy lavorary antsika miaina eo amin’ny tontolo iray tapahin’i Satana. (1 Jaona 5:19). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary”. — Romana 8:22.
Kanefa ny fiatrehanao fisedrana mafy dia tsy midika hoe nahafoy anao i Jehovah, na hoe tsy mihevitra ny amin’izay hahasambatra anao izy. Ahoana no ahafahanao mahazo antoka ny amin’izany? Inona no mampiseho fa miahy anao Andriamanitra?
Ohatra fahiny iray
Ny Baiboly dia manome porofo mazava ny amin’ny fiahian’i Jehovah ny olona amin’ny maha-isam-batan’olona azy. Diniho i Davida. Nanana fiheverana manokana an’io mpiandry ondry tanora io i Jehovah, nahita azy ho ‘lehilahy araka ny fony’. (1 Samoela 13:14). Tatỳ aoriana, rehefa nanapaka tamin’ny naha-mpanjaka i Davida, dia nampanantena azy toy izao i Jehovah: ‘Homba anao amin’izay halehanao rehetra Aho’. — 2 Samoela 7:9.
Midika ve izany fa nanana fiainana “voaro tamin’ny fahasahiranana rehetra”, afaka tamin’izay mety ho adim-piainana rehetra, i Davida? Tsia, niatrika fisedrana mafy i Davida, taloha sy nandritra ny nanjakany. Nandritra ny taona maromaro talohan’ny nahatongavany ho mpanjaka, dia nanenjika azy tsy nisy antra i Saoly Mpanjaka nifofo azy. Nandritra io vanim-potoana teo amin’ny fiainany io, dia nanoratra toy izao i Davida: “Ny fanahiko dia eo afovoan’ny liona (...) eo amin’ny zanak’olombelona, — lefona sy zana-tsipìka ny nifiny”. — Salamo 57:4.
Na dia izany aza, nandritra ny fahoriany rehetra i Davida dia niaiky mafy ny amin’ny fiahian’i Jehovah manokana. “Manisa ny firenireneko Hianao”, hoy ny nambarany tao amin’ny vavaka iray tamin’i Jehovah. Eny, tamin’i Davida dia toy ny hoe noraketin’i Jehovah an-tsoratra ilay fisedrana mafy manontolo. Avy eo i Davida dia nanampy teny toy izao: “Ataovy ao an-tavoahanginao [“tavoahangy hoditra”, NW ] ny ranomasoko; tsy eo amin’ny bokinao va ireny?”a (Salamo 56:8). Tamin’io fanoharana io no nilazan’i Davida ny fatokiany fa i Jehovah dia nahafantatra, tsy ilay tarehin-javatra fotsiny, fa ny fiantraikan’izany ara-pihetseham-po koa.
Tany amin’ny faramparan’ny androm-piainany, dia afaka nanoratra toy izao avy amin’ny zavatra niainany manokana i Davida: “Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny làlany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.” (Salamo 37:23, 24). Ianao koa dia afaka matoky fa na dia misy hatrany sy mitohy aza ireo fisedrana mahazo anao, dia mahamarika sy mihevitra ho sarobidy ny fiaretanao i Jehovah. Nanoratra toy izao i Paoly: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.” — Hebreo 6:10.
Ankoatra izany, dia afaka manao zavatra ho anao i Jehovah amin’ny fanomezana anao ilay tanjaka mba hiaretana na inona na inona vato misakana apetraka eo amin’ny lalanao. “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19). Ny Baiboly tokoa dia milaza amintsika fa ny mason’i Jehovah dia “mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. — 2 Tantara 16:9.
Nitaona anao i Jehovah
Misy porofo fanampiny ny amin’ny fiahian’i Jehovah manokana, hita ao amin’ireo teny nataon’i Jesosy. “Tsy misy olona mahay manatona Ahy”, hoy izy, “raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy”. (Jaona 6:44). Eny, i Jehovah dia manampy ny olona isam-batan’olona mba hanararaotra an’ireo soa avy amin’ny soron’i Kristy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny ampahany lehibe, izany dia amin’ny alalan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Marina fa io asa io dia natao ho “vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, kanefa dia mahatratra ny olona isam-batan’olona izy io. Ny fihainoanao sy ny fandraisanao ilay hafatra momba ny vaovao tsara dia porofon’ny fiahian’i Jehovah manokana anao. — Matio 24:14, NW.
Amin’ny alalan’ny fanahy masina no itaoman’i Jehovah isam-batan’olona ho amin’ny Zanany sy ho amin’ilay fanantenana fiainana mandrakizay. Izy io dia mahatonga ny olona tsirairay hahatakatra ny hevitr’ireo fahamarinana ara-panahy sy hampihatra izany, na dia eo aza izay mety ho fetra sy tsy fahatanterahana raiki-tampisaka. Marina tokoa fa tsy afaka mahatakatra ny hevitry ny fikasan’Andriamanitra ny tena raha tsy misy ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. (1 Korintiana 2:11, 12, NW ). Araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana, dia “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”. (2 Tesaloniana 3:2). Tsy manome ny fanahiny afa-tsy ho an’ireo izay mampiseho fahavononana hotaominy ihany i Jehovah.
Mitaona ny olona i Jehovah noho izy tia azy ireo amin’ny maha-singan’olona ary maniry ny hahazoan’izy ireo famonjena. Porofo mafy orina ny amin’ny fiahian’i Jehovah manokana re izany! Hoy i Jesosy: “Tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.” (Matio 18:14). Eny, eo imason’Andriamanitra ny olon-drehetra dia zava-dehibe amin’ny maha-singan’olona miavaka azy. Izany no antony nahafahan’i Paoly nanoratra toy izao: “Hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy [Izy]”. (Romana 2:6). Ary hoy ny apostoly Petera hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona [ny olona tsirairay] matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
Ireo fahagagana nataon’i Jesosy
Ny fiheveran’Andriamanitra manokana ny olombelona dia miseho amin’ny fomba mampangorakoraka amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy Zanany. Ireny fanasitranana ireny dia narahim-pihetseham-po lalina. (Marka 1:40, 41). Koa satria i Jesosy “tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray”, ny fangoraham-pony dia mampiseho sary mampihetsi-po ny amin’ny fiahian’i Jehovah ny tsirairay amin’ireo mpanompony. — Jaona 5:19.
Diniho ilay fitantarana momba ny fahagagana iray nataon’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Marka 7:31-37. Eto i Jesosy dia nanasitrana lehilahy iray marenina sy nijaly noho izy raiki-dela. “Nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ny vahoaka Izy”, hoy ny fitantaran’ny Baiboly. Avy eo, dia “niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia”.
Nahoana i Jesosy no nitondra io lehilahy io nitanila niala teo amin’ny vahoaka? Azo inoana fa ho nahatsiaro tena ho saikatsaikatra teo anatrehan’ny mpitazana maro io olona marenina izay zara raha afaka niteny io. Mety ho nahamarika ny fahasanganehan’io lehilahy io i Jesosy, ka izany no nifidianany ny hanasitrana azy mitokana. “Ilay tantara manontolo”, hoy ny fanamarihan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, “dia mampiseho amintsika amin’ny fomba toy ny hitan’ny maso erỳ fa tsy nihevitra ilay lehilahy ho fisehoan’aretina iray fotsiny i Jesosy; nihevitra azy ho singan’olona manokana izy. Nanan-javatra nilainy manokana sy nanahirana azy manokana ilay lehilahy, ary tamin’ny fanehoam-piheverana faran’izay feno fitiavana no nitondran’i Jesosy azy tamin’ny fomba izay nitsimbina ny fihetseham-pony sy tamin’ny fomba takatry ny sainy.”
Asehon’io fitantarana io fa nihevitra manokana ny olona i Jesosy. Afaka mahazo antoka ianao fa mihevitra ny aminao tsy misy hafa amin’izany izy. Marina fa ny fahafatesany ho sorona dia fampisehoam-pitiavana an’izao tontolo izaon’olombelona azo avotana manontolo. Na dia izany aza, dia afaka mihevitra io fanaovan-javatra io ho an’ny tenanao manokana ianao, toy ny nataon’i Paoly izay nanoratra hoe: “Ny Zanak’Andriamanitra (...) tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.” (Galatiana 2:20, izahay no manao sora-mandry.) Ary satria i Jesosy nanamarika hoe ‘izay nahita Azy dia nahita ny Ray’, dia afaka mahazo antoka isika fa manana izany fiheverana izany i Jehovah amin’ny tsirairay amin’ireo mpanompony. — Jaona 14:9.
Tonga mpamaly soa i Jehovah
Ny fahazoana fahalalana an’Andriamanitra dia mahafaoka ny hoe manjary mahafantatra ny lafiny tsirairay amin’ny toetra maha-izy azy araka ny aharihary ao amin’ny Baiboly. Ilay anarana mihitsy hoe Jehovah dia midika hoe “Mahatonga Izy”, ka toa milaza fa i Jehovah dia afaka ny ho tonga izay rehetra mety hofidiny mba hanatanterahana ny sitrapony. Nandritra ny tantara manontolo, dia nanao anjara asa maro samihafa izy, anisan’izany ny an’ny Mpamorona sy Ray sy Tompo Manam-piandrianana, Mpiandry, Jehovah-n’ireo tafika, Mpihaino vavaka, Mpitsara sy Mpampianatra Lehibe ary Mpanavotra.b
Mba hahatakarana ny hevitra fenon’ilay anaran’Andriamanitra, dia tsy maintsy manjary mahafantatra an’i Jehovah amin’ny maha-Mpamaly soa azy koa isika. Nanoratra toy izao i Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” — Hebreo 11:6.
Nampanantena fiainana mandrakizay eo amin’ny tany paradisa i Jehovah ho an’izay mifidy ny hanompo azy amin’ny fo manontolo amin’izao andro izao. Tsy fitiavan-tena akory ny miandrandra ny fahatanterahan’izany fampanantenana lehibe izany, ary tsy fahasahisahian-dratsy koa ny maka sary an-tsaina ny tena ho miaina ao amin’izany. “Nibanjina tamim-pitandremana ny fandoavana ny valisoa” i Mosesy. (Hebreo 11:26, NW ). Niandrandra fatratra toy izany koa ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ireo Kristiana voahosotra mahatoky, i Paoly. Nanoratra toy izao izy: “Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 3:14.
Afaka miandrandra ilay valisoa ampanantenain’i Jehovah an’ireo izay miaritra koa ianao. Ny fiandrandrana izany valisoa izany dia tapany tsy misaraka amin’ny fahalalanao an’Andriamanitra sy ny fiaretanao eo amin’ny fanompoana azy. Koa saintsaino isan’andro ireo fitahiana izay tahirizin’i Jehovah ho anao. Nanao ezaka manokana mba hanaovana izany i Mary izay voatonona etsy am-piandohana. “Sambany teo amin’ny fiainako”, hoy izy, “no nanekeko vao haingana fa mihatra amiko ny sorom-panavotan’i Jesosy. Manomboka tsapako fa miahy ahy amin’ny maha-izaho ahy, i Jehovah. Kristiana efa hatramin’ny 20 taona mahery aho, kanefa dia vao haingana mihitsy aho no tena nanomboka nino izany.”
Tamin’ny alalan’ny fianarana sy ny fisaintsainana lalina ny Baiboly, dia afaka nahafantatra i Mary, miaraka amin’olona an-tapitrisany maro hafa, fa miahy ny vahoakany i Jehovah, tsy amin’ny maha-antokon’olona fotsiny, fa isam-batan’olona koa. Niaiky mafy ny amin’izany ny apostoly Petera ka nanoratra toy izao: “Apetraho [amin’Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:7). Eny, miahy anao Andriamanitra!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny tavoahangy hoditra dia fasian-javatra vita tamin’ny hodi-biby izay nampiasaina mba hitahirizan-javatra toy ny rano, menaka, ronono, divay, dibera sy foromazy. Samihafa aoka izany teo amin’ny habeny sy ny bikany ireo tavoahangy fahiny, ka ny sasany tamin’izy ireo dia kitapo hoditra ary ny hafa fasian-javatra tery vava nisy tsentsina.
b Jereo ny Mpitsara 11:27; Salamo 23:1; 65:2; 73:28 (NW ); 89:26; Isaia 8:13 (NW ); 30:20 (NW ); 40:28; 41:14; jereo koa ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao — Misy Fakan-teny (anglisy), Appendice 1J, pejy faha-1568, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 6]
Ny Fananganana ny Maty — Porofo fa Miahy Andriamanitra
HITA ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Jaona 5:28, 29 (NW ) ny porofo mampiaiky fa mihevitra ny olona tsirairay Andriamanitra: “Avy ny ora handrenesan’izay rehetra any amin’ny fasam-pahatsiarovana ny feony [ny an’i Jesosy] dia hivoaka izy”.
Mahaliana fa ilay teny grika hoe mne·meiʹon (fasam-pahatsiarovana) no ampiasaina eto fa tsy hoe taʹphos (fasana) kosa. Ilay teny hoe taʹphos dia mampita hevitra ny amin’ny fandevenana iray fotsiny. Ny mne·meiʹon anefa dia toa manondro fa tsaroana ny tantaram-piainan’ilay olona maty.
Amin’io lafiny io, dia eritrereto fotsiny hoe hitaky inona amin’i Jehovah Andriamanitra ny fananganana ny maty. Mba hamerenana olona iray ho amin’ny fiainana indray, dia tsy maintsy fantany ny zava-drehetra momba io olona io — tafiditra amin’izany ireo lafin-toetra nolovany sy ny fitadidiany manontolo. Amin’izay ihany izany olona izany vao azo averina amin’ny toetra maha-izy azy, mitovy amin’ilay teo aloha.
Mazava ho azy fa tsy ho azo atao izany araka ny fiheveran’olombelona, kanefa “ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra”. (Marka 10:27). Afaka mahafantatra marimarina izay ao am-pon’ny olona iray mihitsy aza izy. Na dia efa maty hatramin’ny taonjato maro aza ny olona iray, dia tsy mety lefy ny fitadidian’Andriamanitra azy; tsy mihamanjavozavo izany. (Joba 14:13-15). Araka izany, rehefa nanonona an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba i Jesosy, na dia taonjato maro taorian’ny nahafatesan’izy ireo aza, dia afaka nilaza fa i Jehovah dia “tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra”. — Lioka 20:38, izahay no manao sora-mandry.
Araka izany, dia olona an’arivo tapitrisany maro izay efa maty no ao anatin’ny fitadidian’i Jehovah Andriamanitra amin’ny tsipiriany feno. Izany ka porofo mampitolagaga fa miahy ny olombelona eo amin’ny lafiny isam-batan’olona Andriamanitra!
[Sary, pejy 7]
Nanisy fiheverana manokana an’ireo izay nositraniny i Jesosy