Fiteny Madio Iray Ho An’ny Firenena Rehetra
“Fa amin’izany, dia hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio Aho, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka”. — ZEFANIA 3:9, NW.
1, 2. a) Ho fahatanterahan’ny Zefania 3:9, dia eo am-panaovana inona i Jehovah amin’izao androntsika izao? b) Mba hahatakarana ny fomba ikasihan’ny faminanian’i Zefania antsika, dia fanontaniana inona avy no ilaina hovaliana?
EO AM-PANATANTERAHANA asa tena mahatalanjona i Jehovah Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Mampiray olona avy amin’ny firenena rehetra izy. Araka ny nambarany mialoha tao amin’ny Teniny masina, dia hanao izany izy amin’ny fampianarana azy ireo fiteny vaovao iray. — Zefania 3:9, NW.
2 Inona io fiteny io? Nahoana izy io no ilaina? Mitaky inona amintsika manokana ny fianarana azy io?
Ny fanomezana fahaizana miteny
3. a) Fanomezana mahatalanjona inona no azon’i Adama? b) Inona ilay fiteny nitenenan’i Adama?
3 Ny fahaizana mifandray amin’ny alalan’ny fitenenana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra izay mampiavaka ny olombelona amin’ny biby noforonina. Noforonina nanana saina afaka nieritreritra tamim-pahakingana i Adama, ilay olombelona voalohany. Nomena tadim-peo sy lela ary molotra izay azo nampiasaina ho amin’ny fitenenana izy, ary koa voambolana sy fahaizana mamorona teny vaovao. Rehefa niresaka taminy i Jehovah, dia afaka nahatakatra izany i Adama, ary, ho setriny, dia afaka namoaka tamin’ny alalan’ny teny ny eritreriny izy. (Genesisy 1:28-30; 2:16, 17, 19-23). Ilay fiteny nomena an’i Adama, dia niharihary fa ilay nanjary fantatra tatỳ aoriana hoe teny hebreo. Nandritra ireo 1 757 taona voalohany nisian’ny olombelona fara fahakeliny, dia niharihary fa nanohy niteny io fiteny tokana io ny taranak’olombelona. — Genesisy 11:1.
4. Tamin’ny ahoana ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Nimroda no nisy akony teo amin’ny fitenin’olombelona?
4 Avy eo, tamin’ny andron’i Nimroda, mba hisakanana ny ezaka nataon’ireo olona ratsy fanahy, dia nanorokoro ny fitenin’izay rehetra nanaiky handray anjara tamin’ny fanorenana ny tilikambon’i Babela i Jehovah. (Genesisy 11:3-9). Miharihary fa nesorin’i Jehovah tao amin’ny fitadidiany aloha ny fiteny nahazatra azy taloha, ary avy eo dia nampidirany fiteny vaovao tao an-tsainy. Izany dia tsy nahatafiditra voambolana vaovao fotsiny, fa fitsipi-pitenenana vaovao sy fomba fisaina vaovao koa. Avy amin’ireo fiteny izay nataon’i Jehovah niandoha tao Babela, dia nisy hafa nitombo tsikelikely mandraka androany; araka ny fitenin’ny akademia, dia fiteny eo amin’ny telo arivo eo ho eo no itenenana maneran-tany.
5. Ahoana no ahafahantsika mamaritra hoe inona no tafiditra amin’ny ‘fanovana ho amin’ny fiteny madio’?
5 Ho an’ireo olona izay miteny ireo fiteny rehetra ireo, moa ve ny “fanovana ho amin’ny fiteny madio” hitaky ny hamoizan’izy ireo ny fiteny nahabe azy, ka hianarany ilay fiteny tany am-boalohany nomen’Andriamanitra an’i Adama? Manampy antsika hamaly izany fanontaniana izany ireo toe-javatra nanodidina ny nanomezana ilay faminaniana.
Ny ilàna fiteny madio iray
6-8. a) Toe-javatra ara-pivavahana inona no nitombo teo amin’ny Joda talohan’ny nanomezana ilay faminaniana ao amin’ny Zefania 3:9? b) Inona no fihetsika fahita teo amin’ireo firenena nanodidina ny Joda?
6 Vao haingana ny fanjakan’ny Joda no teo ambany fanapahan’i Manase aloha, avy eo dia i Amona, izay nanangana alitara ho an’i Bala, nampiasa fankatovana, ary nampandroso ny fanaovana spiritisma. (2 Mpanjaka 21:1-6; 2 Tantara 33:21-23). Ho vokatr’izany, tamin’ny andro nanjakan’i Josia zanak’i Amona sady mpandimby azy, dia naniraka an’i Zefania mpaminaniny i Jehovah mba hampiomana fa hotanterahina eo amin’ilay tany ny didim-pitsaran’Andriamanitra. — Zefania 1:1, 2.
7 Na dia fantatry ny Jodiana avy amin’ny tantarany manokana sy avy amin’ny Soratra ara-tsindrimandry aza fa i Jehovah no Andriamanitra marina, dia nanaram-po tamin’ireo fombafomba vetaveta amin’ny fanompoana an’i Bala izy ireo. Niankohoka tamin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana amin’ny Zodiaka, izay fandikana mivantana ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. (Deoteronomia 4:19; 2 Mpanjaka 23:5). Ambonin’izany rehetra izany, dia nandray anjara tamina karazana fampiraisam-pinoana izy ireo, nanao zavatra toy ny hoe mitovy avokoa ny fivavahana rehetra, tamin’ny fanaovana fianianana tamin’i Jehovah sady tamin’ny anaran’i Malkama, andriamani-diso. Ny fihetsiny dia hoe: “Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy”. (Zefania 1:4-6, 12). Raha ny amin’ireo firenena nanodidina an’i Joda, izy rehetra dia nanan-tantara tamin’ny fanoherana an’i Jehovah sy ny vahoakany, ka noho izany, izy ireo koa dia nalahatra mba hiharan’ny famalian’Andriamanitra. — Zefania 2:4-15.
8 Ho fanoherana ny fisehoan-javatra toy izany no nanambaran’i Jehovah fa ‘hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio izy, mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany azy amim-piaraha-miantsoroka’. (Zefania 3:9, NW). Inona àry izany fiteny madio izany?
9. a) Nahoana ny fiteny madio no tsy ny fiteny hebreo na ny Tenin’Andriamanitra voasoratra fotsiny? b) Inona io fiteny madio io, ary amin’ny ahoana izany no misy heriny eo amin’ny fiainan’izay miteny azy?
9 Moa ve izy io ny fiteny hebreo? Tsia; efa nanana izany ny vahoakan’ny Joda, kanefa izay nolazainy sy nataony dia niharihary fa tsy madio sy mahitsy teo imason’i Jehovah. Tsy ny Tenin’Andriamanitra voasoratra fotsiny koa akory ilay fiteny madio. Efa nanana izany koa izy. Izay nilainy anefa dia fahatakarana tsara ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, ary Jehovah irery ihany no afaka nanome izany tamin’ny alalan’ny fanahiny. Rehefa nianatra niteny izany fiteny madio izany izy ireo, ny fisainany sy ny fiteniny ary ny fitondrantenany dia hifantoka avokoa amin’ny fanekena fa Jehovah no hany Andriamanitra marina. (Zefania 2:3). Ho nametraka ny fitokiany taminy izy ireo ary ho nanohana tanteraka ny fiandrianany. Mahaliana antsika manokana izany amin’izao andro izao. Nahoana?
Ireo izay nomena ilay fiteny madio
10. Mandritra ny vanim-potoana inona no tokony hahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Zefania 3:9?
10 Hoy ny Zefania 3:9 (NW) nanondro ny fahatanterahan’ilay faminaniana ho amin’ny vanim-potoana manokana iray: “Fa amin’izany, dia hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio Aho”. Rahoviana izany? Mamaly ny andininy faha-8 fa mandritra ny fotoana ‘hamorian’i Jehovah firenena’, alohan’ny ‘hanidinany ny firehetan’ny fahatezerany aminy’, no anomezany ho an’ny mpandefitra eto an-tany ny fanovana ho amin’ny fiteny madio iray.
11. a) Fahatanterahana indroa inona avy no nananan’ny Zefania 3:9 talohan’ny andro ankehitriny? b) Amin’ny ahoana no hafa ny fahatanterahany amin’izao andro izao?
11 Nandritra ny andron’i Josia mpanjaka, talohan’ny namelan’i Jehovah ny tafika babyloniana hanatanteraka ny didim-pitsarana, dia nisy maro nandao ny fivavahan-diso, ary, ho solony, dia nanompo an’i Jehovah. (2 Tantara 34:3-33). Tamin’ny taonjato voalohany am.fan.ir. indray, talohan’ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema, dia nisy olona an’arivony maro nianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, ary nanjary tafaray tao amin’ny fanompoana azy. Tamin’izany fotoana izany, dia nohatsaraina be tokoa ny fitenin’ny fahamarinana tamin’ireo zavatra nataon’i Jesosy Kristy ho fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Kanefa dia amin’izao androntsika izao no ahatanterahan’ny faminanian’i Zefania eo amin’ny ambaratonga maneran-tany. Voangona ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha ao Haramagedona izao ny firenena rehetra. (Apokalypsy 16:14, 16). Efa an-dalana izany fanangonana izany hatramin’ny nahaterahan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914. Ary mandritra io vanim-potoana io ihany koa no anomezan’i Jehovah an’ireo firenena manerana izao tontolo izao ilay fiovana ho amin’ny fiteny madio iray ho fahatanterahan’io faminaniana io. Zava-dehibe iankinan’ny aina ny fianarana io fiteny io satria ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ho avy, dia ho olona izay nanao marina tokoa io fiteny madio io ho fiteniny. — Joela 3:5 [2:32, MN].
12. a) Fifandraisana inona no misy eo amin’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Isaia toko faha-6 sy ny faminaniana ny amin’ny fiteny madio? b) Nahoana ny sisa voahosotra no mila fanampiana mba ho azo ekena hatrany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
12 Mifanaraka amin’izany, dia teo am-piandohan’ireo taona nanaraka ny Ady Lehibe voalohany i Jehovah no nanomboka nanokatra ny mason’ny fahatakaran’ireo mpanompony voahosotra ho amin’ny fahitana mahatalanjona voarakitra ao amin’ny Isaia toko faha-6. (Andininy 1-4). Manamafy ny maha-zava-dehibe ny hananana molotra madio mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba azo ekena io fahitana io. Asehony fa masina amin’ny heviny fara tampony i Jehovah. Tsy maintsy manome taratr’izany toetra izany koa ireo mpanompony. (1 Petera 1:15, 16). Nila fanampiana tamin’izany lafiny izany anefa ireo sisa voahosotra. Nandritra ny Ady Lehibe voalohany, tamin’ny ambaratonga sasany izy ireo dia namela ny tenany hisy pentimpentina tamin’ny fitsabahana tao amin’ny raharahan’izao tontolo izao. “Madio ny fahatahorana an’i Jehovah”, kanefa dia navelan’izy ireo hisy heriny teo amin’ny molony ny tahotra olona sy fandaminan’olombelona, ka nampangininy tamin’ny ampahany betsaka ny fanambarany ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 19:9). Noho ny fifampikasohany tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny sisa dia mbola voaloton’ny lovantsofiny sy fanaony sasany.
13, 14. a) Ahoana no nanehoan’ny sisa ny fihetsika mety, ary inona no nataon’i Jehovah ho azy ireo? b) Tamin’ny heviny ahoana i Jehovah no nanome fiteny madio ho an’ny sisa?
13 Rehefa nahatakatra ny toerana nisy azy ny sisa dia niteny toy ny nataon’ny mpaminany Isaia hoe: “Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko”. (Isaia 6:5). Niaiky izy ireo fa tsy azo nekena ny toe-javatra nisy azy. Tsy naharitra tao amin’ny lalan-dratsy tamim-pahalemena izy ireo na nikiry tsy nety nandray ny fanomezan-tsiny nataon’i Jehovah. Tsy niaraka tamin’ny klerjy izy ireo rehefa nanohana tamin’ny molotra fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra ireo, ary avy eo dia nilaza niharihary ny fanohanany ny Fikambanam-pirenena toy ny hoe io izany Fanjakana izany.
14 Noho ny fihetsika feno fibebahana nasehon’io sisa nanetry tena io, dia nanao izay hanadiovana ny molony i Jehovah noho ny hatsaram-pony amin’izay tsy mendrika akory. Hoy ny Isaia 6:6, 7: “Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vainafo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao”. Ny hafatra manadio avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no nandrava toy ny tamin’ny afo ireo lovantsofina sy fampianaran’olombelona. Nanala avy tao am-pony ny tahotra olona izy io ary nanolo izany tamin’ny zotom-po niredareda hampiasa ny lelany hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Tamin’izany, i Jehovah dia nanatanteraka ny fampanantenany “hanome ho an’ireo firenena fanovana ho amin’ny fiteny madio [ara-bakiteny: molotra madio] (...), mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah”. — Zefania 3:9, NW.
15. Nanao ahoana ny fihetsika navalin’ny sisa, mifanaraka amin’ny antony nanomezan’i Jehovah azy ireo ny fiteny madio?
15 Koa rehefa nanomboka nandre ny feon’i Jehovah nanontany ny kilasin’i Isaia amin’ny andro ankehitriny, araka izay voarakitra ao amin’ny Isaia 6:8 hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” dia namaly tamim-pifaliana izy ireo hoe: “Inty aho, iraho aho”. Tsy mora tamin’izy rehetra akory ny nanomboka ny fanompoana ampahibemaso, kanefa dia naniry ny hampiasain’Andriamanitra toy ny vahoaka ho an’ny anarany izy ireo. Nanatanjaka azy ireo ny fanahiny. Nitombo ny isan’izy ireo.
16. a) Vokatra tsy nampoizina inona no nentin’ny fitorian’ireo sisa? b) Ahoana no anehoan’ny olona betsaka fa miteny ny fiteny madio koa izy ireo ankehitriny?
16 Rehefa afaka kelikely, dia nanjary niharihary fa nitondra vokatra tsy nampoizina ny fitorian’izy ireo. Tamin’ny alalan’izy ireo, i Jehovah dia nanampy antokon’olona hafa hianatra ny fiteny madio. (Isaia 55:5). Tsy manana anjara amin’ny fanantenana fiainana any an-danitra akory ireo, fa heveriny ho tombontsoa ny ho naman’ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakana sy ny hiara-miantsoroka amin’izy ireo ny fanompoana amin’ny maha-mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Nivoaka tsikelikely avy tamin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo mandra-pahatongany ho “olona betsaka” miisa ho an-tapitrisany maro izao. Ny fitenenana izay mivoaka avy ao am-bavany dia tsy ilay karazany izay mampitovy azy amin’ireo antoko mitondra fisaratsarahana eo amin’izao tontolo izao. Tsy mametraka ny fanantenany amin’olona na fandaminan’olombelona izy ireo. Ho solony kosa, dia “niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika [dia avy amin’Andriamanitsika, MN], izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny [avy amin’ny, MN] Zanak’ondry”. — Apokalypsy 7:9, 10.
Izay takin’ny fianarana ny fiteny madio amintsika
17. Nahoana no zava-dehibe ny hianarantsika tsara ny fiteny madio sy hanatsarantsika ny fahaizantsika mampiasa azy?
17 Na toy inona na toy inona halavan’ny fotoana nifandraisantsika tamin’ny fandaminan’i Jehovah, dia misy zavatra betsaka azontsika atao mba hanatsarana ny fahalalantsika ny fiteny madio sy ny fahaizantsika mampiasa azy tsara. Zava-dehibe ny ilofosana amin’ny ezaka hanao izany. Nahoana? Satria izany dia ho fampisehoana ny fitiavantsika ny fahamarinana.
18, 19. a) Vao hatrany am-piandohany mihitsy, nahoana no zava-dehibe ny hanolokoloana fitiavana mahery ho an’ny fahamarinana? b) Nahoana no zava-dehibe ny hanohizana manolokolo izany fitiavana izany?
18 Hatrany am-piandohany, ny fitiavana toy izany dia manampy hanokatra ny saina sy ny fon’ny olona iray mba hahafahany mahatakatra ireo andinin-teny izay mahakasika azy; izany dia hanosika azy hanakaiky an’i Jehovah sy hankasitraka ny fandaminany. Araka izany, dia ny fitiavana ny fahamarinana no fanalahidin’ny fanafahan-tena amin’ny gadran’ny fivavahan-diso. Misy olona sasany milaza fa liana amin’ny hafatry ny Baiboly, nefa tsy mamela tanteraka mihitsy ireo zavatra rehetra mifandray amin’ny fivavahan-diso sy ny fomba fiainany malalaka. Fa nahoana kosa? Araka ny hazavain’ny 2 Tesaloniana 2:10, dia “tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy”. Iankinan’ny aina tokoa ny hananantsika io fitiavana io.
19 Raha vao mandray ny fahamarinana isika, ny fanolokoloantsika io fitiavana io dia antony iray tena lehibe eo amin’ny fitomboantsika ara-panahy. Tadidio ao an-tsaina fa nanisy fitenenana ny amin’ny fahamarinana ho toy ny “fiteny” iray i Jehovah. Rehefa mianatra fiteny vaovao ny olona iray, dia tsy maintsy milofo manao ezaka mafy izy mba hanorenana ny voambolany, mba hanononany tsara ireo teny, sy hianarany ireo antsipiriany amin’ny fitsipi-pitenenana, sy ny sisa. Ny fitiavana ilay fiteny vaovao sy ny olona miteny izany dia hanampy azy handroso hatrany. Mety ho afaka hiresaka amin’ilay fiteny amin’ny fetrany sasany izy ao anatin’ny volana vitsivitsy, kanefa dia mila ezaka amim-pitandremana an-taonany maro mba hiresahana toy ny teratany iray. Ilaina io karazana ezaka io mba hahaizana tsara ny fiteny madio.
20. a) Inona no mahatonga ny fiteny madio hadio tokoa? b) Nahoana no ilaina ny fitandremana lehibe avy amin’ny tsirairay amintsika?
20 Tsara homarihina manokana fa ilay fiteny nomen’Andriamanitra ny mpanompony dia lazaina fa madio. Marina izany, tsy hoe noho ny rafitra ara-pitsipi-pitenenana, fa noho izy manome porofon’ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ara-panahy. Ao amin’io fiteny io, dia tsy misy fanalana tsiny ny lainga, ny fanambakana, na ny lela mamitaka. Izay miteny io fiteny io dia tsy maintsy miteny marina mandrakariva. (Zefania 3:13; Efesiana 4:25). Ny fitenenany dia tsy maintsy ho toy izany koa, manome taratry ny fari-pitondrantena ambony omen’i Jehovah momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. (Efesiana 5:3, 4). Mampahafantatra antsika koa ny Soratra masina fa, ny zavatra rehetra mifandray amin’ny Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia maloto. (Apokalypsy 18:2-4). Ny sarin’ireo andriamaniny dia lazaina hoe “sampy maloto” (Jeremia 50:2, MN). Amin’ny fomba mety àry, ireo izay mianatra ny fiteny madio dia tsy maintsy manary ireo fitaovana fampiasa ao amin’ny fivavahan-diso, mandà ny fampianarany, manafa-tena amin’ireo fankalazany, ary manafoana amin’ny fiteniny ireo fitenenana manome taratry ny fiheveran-disony. Etsy an-danin’izany, ao amin’ny Apokalypsy 16:13-16, dia nampitandremana isika fa ny fampielezan-kevitra izay manangona ireo firenena hanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra dia maloto koa, avy amin’ny tolo-tsain’ny demonia. Koa mila ny ho mailo isika, tsy hamela na inona na inona amin’ireny zavatra maloto ireny handoto ny fitenintsika.
21. Inona no zavatra fanampin’ny teny lazaina ao amin’ny fiteny madio?
21 Izay ianarantsika dia antsoina hoe fiteny, ary mety izany, saingy izany akory tsy midika fa ireo izay miteny azy dia mianatra fotsiny ny fomba fampiasa ireo fitenenana mahazatra eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Ny toe-peo, ny fiovan’ny endrika, ary ny fihetsehana dia zava-dehibe koa. Mety hitondra hafatra izay tsy vitan’ny teny fotsiny ireo. Mazàna ireo dia manome taratr’izay tena ao anatintsika. Afaka manondro izy ireo raha toa isika ka nanongotra ny fialonana, ny fifandirana, ary ny fipoahan’ny fahatezerana, izay rehetra asan’ny nofo feno ota. Rehefa miasa malalaka eo amin’ny fiainantsika ny fanahin’Andriamanitra, dia manjary miharihary ny vokany eo amin’ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa. — Galatiana 5:19-23; Efesiana 4:31, 32.
22. Rehefa mianatra tsara ny fiteny madio isika, amin’ny ahoana izany no misy heriny eo amin’ny fanaovantsika fanapahan-kevitra?
22 Na iza na iza nianatra fiteny vaovao iray dia mahafantatra fa tanjona lehibe iray no tratra rehefa mahita ny tenany mieritreritra amin’ilay fiteny vaovao izy amin’ny farany, fa tsy mandika avy amin’ny fiteny nahabe azy. Toy izany koa, rehefa mianatra ny fahamarinana isika, milofo miezaka amim-pahatsorana mba hampihatra izany eo amin’ny fiainantsika, ary mizara izany tsy tapaka amin’ny hafa, dia hahita tsikelikely ny tenantsika mieritreritra amin’ny tenin’ny fahamarinana. Tsy ho eo am-pampitahana foana ny taloha amin’ny vaovao isika ka ho sahirana manao safidy. Na dia amin’ny zavatra madinika aza, dia tonga ao an-tsaina ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mba hanome ny fitarihana ilaina. — Ohabolana 4:1-12.
23. Na inona na inona mety ho fiteny nahabe azy, inona no mampiseho fa miteny ny fiteny madio ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra maneran-tany?
23 Marina fa misy fiteny an’arivony maro ampiasain’ny taranak’olombelona, kanefa dia azo tenenina amin’izy rehetra ireo ny fiteny madio. Amim-piraisan-kina, maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa tsara ny fiteny madio eo am-piarahany miantsoroka ny fanompoana amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso izay manome voninahitra an’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana.
Fanontaniana ho famerenana
◻ Inona no tafiditra amin’ny fahaizana miteny?
◻ Inona ilay fiteny madio?
◻ Tanteraka teo amin’iza ny Zefania 3:9?
◻ Ahoana no ahafahantsika manome porofo fa tia marina ny fiteny madio isika?
[Sary, pejy 23]
Ireo mahafantatra ny fiteny madio dia mizara izany amin’ny hafa
[Sary, pejy 25]
Na inona na inona fiteny nahabe azy, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia miteny ny fiteny madio