Ry vehivavy, manehoa fitiavana sy fanajana
“Tokony hanaja fatratra ny vadiny ny vehivavy.” — EFESIANA 5:33, MN.
1. Mitarika antsika hanontany hoe ahoana ny fironana ankehitriny momba ny fanambadiana?
AMIN’IZAO androntsika izao, voamariky ny fahaleovan-tena sy ny “fanafahana”, dia iharam-pamelezana mafy ny fiheverana ny fanambadiana mahazatra. Fianakaviana an-tapitrisany maro no velona tsy misy ray na reny, ary manjary fanao mahazatra ny tokantranomaso. Niteraka fitomboan’ny tsy fananana ahiahy anefa ve izany ho an’ireo vehivavy vady sady reny, ary tsy fihilangilanana ho an’ny zanaka? Nampitombo ny fanajana eo anivon’ireo fianakaviana ve izany firodanan’ny fahatsarana izany? Mifamadika amin’izany, inona no atoron’ny Tenin’Andriamanitra?
2. Nahoana moa no tsy tsara ho an’i Adama ny nitoetra irery?
2 Rehefa nilaza ny fikasany hamorona ny vehivavy voalohany Andriamanitra, dia izao no nambarany: “Tsy tsara raha irery ralehilahy.” Azo antoka fa nanaiky ireo teny ireo i Adama taorian’ny nandinihana ireo fianakaviam-biby, lahy sy vavy, miaraka amin’ireo zanany. Na dia tanteraka tokoa aza izy ka niaina tao amin’ny paradisa iray nahazoana izay nilainy, dia naniry ny hiaraka tamin’ny zavaboary olombelona hafa iray i Adama. Nahay nisaina sy niteny izy, nefa tsy nahita olona hiresahana. Tsy haharitra anefa izany tarehin-javatra izany, satria hoy Andriamanitra: “Hanaovako vady sahaza ho azy izy.” — Genesisy 2:18-20.
3. a) Nahoana moa Eva no iray “karazana” tamin’i Adama? b) Milaza inona ho an’ny lehilahy moa ny hoe ‘mikambana’ amin’ny vadiny?
3 Namorona an’i Eva, vehivavy voalohany, avy amin’ny anankiray tamin’ireo taolan-tehezan’i Adama i Jehovah. Iray “karazana” tamin’ny lehilahy àry izy io ‘taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony’, fa tsy biby ambany. Mifanaraka amin’izany toe-javatra izany, dia izao no ambaran’ny fitantarana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:23, 24). Ny teny hebreo nadika amin’ny matoanteny hoe ‘mikambana’ dia manana heviny ara-bakiteny hoe “miraikitra mafy dia mafy toy ny amin’ny lakaoly”. (Voambolana hebreo sy kaldeana amin’ny tenin’ny Testamenta Taloha [anglisy], nataon’i Gesenius.) Ampahafantarin’io teny io fa tokony ho mpinamana tsy azo sarahina ny mpivady. Araka ny filazan’ny mpandinika Baiboly hafa iray, “izany dia mahafaoka mihoatra noho ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ary mahakasika ny fitambaran’ny fifandraisan’izy ireo”. Araka izany, dia tsy haitraitra akory ny fanambadiana, fa fatorana maharitra. Ary na dia sedraina aza izany fanambadiana izany indraindray, amin’ny ankapobeny dia miharihary ho tsy azo ravana izy rehefa mifanaja ny mpivady. — Matio 19:3-9.
4. Amin’ny heviny ahoana moa no hoe tokony ho mpanampy sahaza ny lehilahy ny vehivavy?
4 Nambaran’Andriamanitra fa tokony ho mpanampy sahaza ny lehilahy ny vehivavy. Koa satria samy noforonina araka ny endriny izy ireo, dia nantenainy ny hanehoan’izy ireo ny toetrany, dia ny fahamarinana, ny fitiavana, ny fahendrena sy ny hery, eo amin’ny fifandraisan’izy ireo ara-panambadiana. Eny, tokony ho “vady [mpanampy, MN ] sahaza” ho an’i Adama i Eva fa tsy mpifaninana aminy. Tsy ho sahala amin’ny sambo entin’ny kapiteny roa mifaninana ny fianakaviana. Ny lehilahy no hitondra azy. — 1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:22-24; 1 Timoty 2:12, 13.
5. Ahoana moa no fomba fitondran’ny lehilahy maro be ny vadiny, ary ankasitrahan’Andriamanitra ve izany fanao izany?
5 Ny fahotana sy ny fikomian’ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany tamin’ny fahefana nampiharin’Andriamanitra teo amin’izy ireo tamim-pitiavana anefa dia nanova ny toerana niforonan’ny fianakaviany sy ny fianakaviana rehetra mbola ho avy. Noho ny fahafantarana mialoha ny ho vokatry ny fahotany eo amin’izy ireo sy eo amin’ny olombelona rehetra, dia hoy Jehovah tamin’i Eva: “Ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16). Mampalahelo anefa fa araka ny fandehan’ireo taonjato, dia lehilahy maro no tena nanapaka tamim-pahasiahana teo amin’ny vadiny tokoa. Maneran-tany, dia nisy ary mbola misy mandrakariva vehivavy aetry, ambanina amin’ny fomba maro. Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, dia tsy manamarina velively ny fitondrana tsy refesi-mandidy avy amin’ny lehilahy ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly fa mampisongadina ny hasarobidin’ny fanajana lalina.
Ny fanehoana fanajana lalina: mitaky fiezahana
6, 7. a) Ahoana no mety hahazoana lehilahy vady tsy mpino ho amin’ny fahamarinana? b) Ahoana no mety hahatonga ny vehivavy iray tsy haneho “fanajana lalina” ny vadiny tsy mpino?
6 Taorian’ny niresahana amin’ny andinindininy ny fitondrantena faka tahaka nananan’i Kristy sy anazavana fa Kristy dia ‘namela fianarana ho antsika mba hanarahantsika tsara ny diany’, dia nanampy teny toy izao ny apostoly Petera: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana [fanajana lalina, MN ].” (1 Petera 2:21 ka hatramin’ny 3:2). Ahoana moa no azon’ny vehivavy kristiana manambady anehoana “fanajana lalina”?
7 Vehivavy kristiana maro no manana vady tsy mpino, indraindray aza manohitra ny finoany. Tsinontsinona sy tsy misy vidiny ve ny torohevitr’i Petera raha ny amin’izy ireny? Tsia, satria takina aminy ny fanekena sy ny fanajana, na dia “misy tsy manaiky ny teny” aza. Moa ve ny vehivavy kristiana iray manana vady manohitra ny fahamarinana haneho fanajana lalina azy raha toa, any amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra, ka tantarainy amin’ny vehivavy kristiana maro hafa ny fitondrana ratsy rehetra ampiharin’ny lahy aminy? Inona no holazaina raha miresaka toy izany ny amin’ny anankiray amin’ireo anadahiny na rahavaviny ao amin’ny finoana izy? Holazaina fa basivava na mpanendrikendrika mihitsy aza izy. Tsy haneho fanajana lalina ny vadiny tsy mpino àry ny vehivavy kristiana iray raha manambany azy (1 Timoty 3:11; 5:13). Voatery miaiky anefa isika fa indraindray ireo vehivavy kristiana manana vady manohitra ny fahamarinana dia tojo fahasahiranana lehibe. Raha izany no izy, inona no azon’izy ireny atao amim-pieritreretana madio? Mitady fanampiana sy torohevitra avy amin’ireo loholona. — Hebreo 13:17.
8. Ahoana no mety ho fiheveran’ny lehilahy vady manohitra iray?
8 Inona no azon’ireo loholona atao mba hanaovan-javatra amim-pahaiza-mandanjalanja ho an’ny lehilahy manohitra iray? Voalohany indrindra, dia hanandrana hipetraka eo amin’ny toerany izy. Angamba ny herisetra am-bava na ara-batana asehony dia vokatra faran’ny fitohitohizan-javatra izay ireto ny dingana telo aminy: miteraka tahotra ny tsy fahalalana, ary ny tahotra kosa indray miteraka vokany mahery vaika. Nahoana no toy izany no izy? Indraindray ny lehilahy tsy mpino iray vadin’ny vehivavy kristiana dia tsy mahafantatra firy na tsy mahafantatra mihitsy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, afa-tsy izay reny lazaina ny amin’izy ireny avy amin’ny mpiara-miasa feno fitompoan-teny fantatra. Ny fantany kosa dia hoe nanokan-tena tanteraka ho azy sy ny zanak’izy ireo ny vadiny talohan’ny nanombohana nianatra ny Baiboly. Na dia vady tsaratsara kokoa sy reny tsaratsara kokoa aza izy izao, dia hilaza anakampo ralehilahy hoe: ‘Manatrika fivoriana intelo isan-kerinandro izy. Tsy fantatro izay mitranga any fa misy lehilahy tomady, ary ...’ Eny, noho ny tsy fahalalany dia mety ho saro-piaro sy velom-panahiana izy, ka izany no mahatonga azy hiaro tena. Inona no fanampiana azon’ireo loholona entina ho an’ny lehilahy mihevitra toy izany? — Ohabolana 14:30, MN; 27:4.
9. Ahoana no azo anatonana ny lehilahy tsy mpino iray amim-pahaiza-mandanjalanja, ary inona no vokatr’izany indraindray?
9 Angamba ho azon’ny anankiray amin’ireo loholona atao ny hifankahalala manokana amin’io lehilahy tsy mpino io (1 Korintiana 9:19-23). Raha manam-pahaizana amin’ny aratra, ny rafitra na ny fandokoana io lehilahy io, moa ve izy hanaiky hanao fanamboarana ny Efitrano Fanjakana? Izany dia hanome azy fahafahana hahita ny ao anatin’ilay efitrano, nefa tsy ho voatery hanatrika fivoriana. Arakaraka ny hifankahalalany amin’ny Vavolombelona, dia mety hihamalefaka ny fihetsiny eo anoloan’ny vadiny sy ny fahamarinana. Rehefa mahita ny fitiavana sy ny fiaraha-miasa manjaka ao amin’ny kongregasiona izy, dia angamba izy hanomboka hanatitra ny vadiny any amin’ny fivoriana, avy eo, rehefa hitarika zavatra hafa ny zavatra iray, dia hiditra ao amin’ny efitrano izy mandritra ny fivoriana iray mba hihaino vetivety izay lazaina ao. Ary iza no mahita, tsy ho ela dia mety haneho faniriana ny hianatra Baiboly izy! Mety hitranga izany rehetra izany, ary efa nitranga. Lehilahy an’arivony maro ankehitriny no mpino satria nanehoana fitiavana sy fahaiza-mandanjalanja, ary nampiseho “fanajana lalina azy ny vadiny. — Efesiana 5:33.
Miahy ny ankohonany izy
10, 11. Inona no nolazain’i Lemoela mpanjaka ny amin’ny vehivavy mahay? (Jereo mitokana ny hevitra tsirairay avy.)
10 Nahazo fanazavana tsara avy amin-dreniny momba ny toetran’ny vehivavy filamatra i Lemoela mpanjaka (Ohabolana 31:1). Ahitana fianarana tokoa ny famakiana amim-pitandremana ny filazalazany ny amin’ny vehivavy vady sady reny tia miasa voasoratra ao amin’ny Ohabolana 31:10 ka hatramin’ny 31. Miharihary tokoa fa nampihatra ireo fotopoto-pitsipika marin’Andriamanitra ny tenany ary naneho fanajana lalina.
11 Nanoratra i Lemoela fa ny “vehivavy mahay” dia mendrika itokiana sy mahatoky (Ohabolana 31 andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-12). Sahirana aoka izany izy manomana ny sakafon’ny vady aman-janany sy mikarakara azy ireo (Ohabolana 31 andininy faha-13 ka hatramin’ny 19, 21, 24). Mampiseho hatsaram-po sy fahalalan-tanana amin’ireo izay tena sahirana izy (Ohabolana 31 andininy faha-20). Amin’ny fihetsiny feno fanajana sy ny fitondrantenany tsara dia tsara, dia mampitombo ny laza tsaran’ny vadiny izy (Ohabolana 31 andininy faha-23). Tsy basivava na be fanakianana izy, fa mampandroso sy mampitony ny teniny (Ohabolana 31 andininy faha-26). Koa satria tsy mba kamo izy, dia madio sy milamina ny tranony (Ohabolana 31 andininy faha-27). (Raha ny marina, ny tokantrano kristiana dia tokony ho ny anankiray amin’ireo madio indrindra eo amin’ny manodidina.) Mankasitraka sy midera azy ny vady aman-janany. Fa raha ny amin’ireo olona any ivelan’ny fianakaviana, izy ireny koa dia mankamamy ireo toetra tsarany (Ohabolana 31 andininy faha-28, 29, 31). Tsy ivelany fotsiny mihitsy ny hasoany fa ny an’ny vehivavy iray matahotra an’Andriamanitra sy mamboly toetra mifanaraka amin’ny Sitrapony. — Ohabolana 31 Andininy faha-30.
Saina tony sy malefaka
12. Inona moa no “sarobidy eo imason’Andriamanitra”, ary hain-teny espaniola inona no manamafy izany hevitra izany?
12 Milaza hevitra sahala amin’izany i Petera rehefa manoro hevitra ny vehivavy kristiana mba tsy hihevitra loatra ny fisehoany ivelany. Anariny izy ireny hanao izay hahatonga ny firavahany ho “ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fitafiana tsy mety lo, dia ny saina tony sy malefaka, izay sarobidy tokoa eo imason’Andriamanitra” (1 Petera 3:3, 4, MN ). Aoka homarihintsika fa ‘sarobidy tokoa eo imason’Andriamanitra ny saina tony sy malefaka’. Noho izany, ny vehivavy vady sady reny kristiana izay maneho toe-tsaina toy izany dia mahazo sitraka, tsy amin’ny vadiny ihany, fa ny zava-dehibe kokoa, amin’Andriamanitra, sahala amin’ireo vehivavy nahatoky fahiny. Deraina koa izany hatsaran-tarehy anaty izany ao amin’ity hain-teny espaniola ity: “Mahafinaritra ny maso ny vehivavy tsara tarehy; maharavo ny fo ny vehivavy tsara fanahy. Raha perla ny voalohany, dia harena sarobidy ny faharoa.”
13. Inona no fitaomana tsara mety hoentin’ny vehivavy iray eo amin’ireo zanany?
13 Mety ho loharanom-pampaherezana ho an’ny ankohonany manontolo ny vehivavy kristiana iray (jereo Matio 11:28-30). Ny fanajany ny vadiny dia manosika ireo zanany hanahaka azy amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny sy ny olona tsy ao anatin’ny fianakaviana. Malemy fanahy sy tia mamalifaly àry izy ireny. Toy inona moa ny fampaherezana mahita azy ireny manao ny asa fikarakarana tokantrano avy hatrany fa tsy an-tery! Mitondra fahasambarana ho an’ny tokantrano ny fandavan-tenan’izy ireny, ka ny valisoany kanto indrindra dia ny tsikim-pankasitrahan-dreniny.
14. Inona avy no fanontaniana mitranga indraindray rehefa miharihary fa ilaina ny fifehezena?
14 Fa ahoana rehefa ilaina ny fifehezana? Manao fahadisoana sahala amin’ny anaovan’ny ray aman-dreniny izany koa ny zanaka. Inona no hataon’ny vehivavy kristiana iray rehefa tsy eo ny vadiny? Hanaja hatrany ny fahamendrehan’ireo zanany ve izy sa kosa hanomboka hikiakiaka mba hanaovana izay hankatoavan’izy ireny? Aoka isika hieritreritra: Mianatra tsaratsara kokoa ve ny ankizy iray rehefa mampiakatra ny feo ny tena? Sa tsara kokoa ny vokatra azo rehefa mifanazava amim-pahatoniana aminy? — Efesiana 4:31, 32.
15. Inona moa no hitan’ny mpanao fikarohana momba ny fankatoavan’ny ankizy?
15 Momba ny fankatoavan’ny ankizy, dia izao no notantarain’ny gazetiboky iray (Psychology Today): “Araka ny fandinihana natao vao haingana, arakaraka ny ampiakarana ny feo mba handrarana ankizy tsy hanao zavatra, no azo inoana fa tsy hankatoavany.” Etsy an-daniny, dia nisy mpanao fikarohana nahita fa rehefa miteny malefaka ny olon-dehibe, dia mirona ho mora hankatò kokoa ny ankizy. Miharihary fa zava-dehibe indrindra ny hifanazavana amin’ilay ankizy, toy izay hampahasosotra azy amin’ny fanomezana azy baiko tsy ankijanona amin’ny fomba mandidindidy. — Efesiana 6:4; 1 Petera 4:8.
Ny fanajana eo amin’ny firaisana ara-batana
16. Ahoana moa no azon’ny vehivavy iheverana izay ilain’ny vadiny ara-piraiketam-po, ary soa inona avy no hateraky ny fihetsiny?
16 Sahala amin’ny tokony hampisehoan’ny lehilahy fiheverana ny vadiny noho ny toe-tenany marefo kokoa, dia toy izany koa fa tokony hihevitra izay ilain’ny lahy ara-piraiketam-po sy momba ny lahy sy ny vavy ny vehivavy iray. Lazain’ny Baiboly fa tokony hifaly sy hifanome fahafahampo ny lehilahy sy ny vadiny. Amin’izany ny mpivady dia tokony ho mora hahatsapa izay ilain’ny iray sy ny fihetseham-pony. Izany fifanomezana fahafahampo izany dia hisakana azy ireo tsy hampirenireny ny masony ka avy eo dia mety ho voatarika hirenireny raha ny amin’ny lahy sy ny vavy. — Ohabolana 5:15-20.
17. Ahoana moa no tokony hiheveran’ny mpivady ny adidiny ara-panambadiana?
17 Rehefa anjakan’ny fifanajana ny mpivady, dia tsy misy na dia iray aminy aza mampiasa ny filan’ny iray eo amin’ny lahy sy ny vavy ho toy ny fiadiana ara-toe-tsaina. Tokony hifanome izay mety hatao ny tsirairay avy, ka izay rehetra mety ho fifadiana vetivety ny firaisana dia tokony hotapahina amin’ny fifanarahana (1 Korintiana 7:1-5). Ohatra, raha tsy ao fotoana kelikely ny lehilahy mba handraisana anjara amin’ny asa any amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower na amin’ny volavolan-kevitra teokratika hafa iray, dia tokony ho azony antoka fa manaiky izany amin’ny fony rehetra ny vadiny. Mety hitondra soa ara-panahy ho an’ny mpianakavy rehetra koa ny fisarahana toy izany, satria rehefa miverina ilay lehilahy dia hanan-javatra mampahery hotantaraina amin’izy ireo.
Ny toerana lehibe tanan’ny vehivavy kristiana
18. Nahoana moa no manana andraikitra lehibe kokoa ny vadina loholona?
18 Manana andraikitra lehibe kokoa ny vehivavy kristiana manambady loholona. Voalohany indrindra, dia maro herehina ny lahy. Tsy maintsy ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah izy ny amin’ny toe-panahin’ny kongregasiona (Hebreo 13:17). Ambonin’izany, noho izy io vadina loholona ary mety ho efa zokinjokiny ihany, dia zava-dehibe koa ny hanomezany ohatra amin’ny fanehoana fanajana (jereo 1 Timoty 5:9, 10; Titosy 2:3-5). Toy inona moa ny ohatra tsara dia tsara omen’ny ankamaroan’ny vadina loholona amin’ny fanohanana ny lahy! Matetika ralehilahy no tsy ao mba hikarakara raharahan’ny kongregasiona, ary indraindray dia taitra ny fahalianan’ny vavy hahafanta-javatra. Maneho fahatokiana anefa ny vehivavy tia fivavahana amin’ny tsy fidirana amin’ny raharahan’ny kongregasiona. — 1 Petera 4:15.
19. Mety ho voatarika hanao inona moa ny loholona iray mba ‘hanapahana tsara ny ankohonany’?
19 Mety ho voatery hanoro hevitra ny vadiny anefa ny loholona iray satria tsy manana fihetsika mampandroso izy na tsy manome ohatra tsara ho an’ny vehivavy kristiana hafa. Mba ‘hanapahana tsara ny ankohonany’ tokoa, dia tsy ireo zanany ihany no tokony hahiny fa ny vadiny koa. Mety hisedra ny fanetren-tenan’ny vehivavy kristiana sasany izany fepetra takin’ny Baiboly izany. — 1 Timoty 3:4, 5, 11; Hebreo 12:11.
20. Manonòna ohatra tsara dia tsara ny amin’ny vehivavy kristiana manambady na tsia fahizay sy amin’izao androntsika izao (Jereo ny Index des publications de la Société Watch Tower, eo ambanin’ny lohateny hoe “Récits de la vie de Témoins de Jéhovah”).
20 Etsy an-daniny koa, ireo vehivavy kristiana tsy manambady dia afaka misaintsaina ny fandraisan’ireo manambady anjara amim-panajana eo anivon’ny kongregasiona. Ahitana ohatra maro be ny amin’ny vehivavy kristiana mahatoky na ao amin’ny Soratra Masina na eo anivon’ireo kongregasiona amin’izao androntsika izao! Noderaina noho ny “asa soa” nataony Dorkasy, izay azo inoana fa tsy nanambady. (Asa. 9:36-42.) Nandany hery tamin-jotom-po ho an’ny fahamarinana koa Prisila sy Foiby (Romana 16:1-4). Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia maro amin’ireo anabavintsika, manambady na tsia, no misionera, mpitory maharitra ary mpitory tsotra faka tahaka. Amin’izany koa anefa, ireny vehivavy tia fivavahana ireny dia mikarakara tsara koa ny tokantranony ary tsy manao tsirambina mihitsy ny fianakaviany. Noho ny hamaroany sy ny toe-javatra, dia matetika no izy ireny no manao ny ankamaroan’ny asa fitoriana. — Salamo 68:11.
21. Amin’ny ahoana moa ireo vehivavy kristiana mahatoky no fampaherezana ho an’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana?
21 Mandray anjara tena lehibe amin’ny fampandrosoana ny kongregasiona ireo vehivavy kristiana mahatoky. Mampahery ireo anadahiny ao amin’ny finoana sy ny kongregasiona kristiana amin’ny ankapobeny ny zotom-pon’izy ireny sy ny ohatra omeny. Tena mpanampy ho an’ireo rahalahy tokoa izy ireny ary mendrika ny hanehoana fitiavana sy fanajana amim-pahatsorana (jereo Genesisy 2:18). Tsy azo lavina fa rariny ny hanarahan’ny mpivady kristiana izao torohevitr’i Paoly izao: “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.” — Efesiana 5:33.
Tadidinao ve?
◻ Inona avy moa no anjara asa nankinin’Andriamanitra tamin’ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany?
◻ Ahoana moa no mety hahazoana ho amin’ny fahamarinana ny lehilahy vady tsy mpino iray?
◻ Inona avy moa no toetra tsara miavaka asehon’ny vehivavy mahay?
◻ Ahoana moa no azon’ny vehivavy kristiana manambady anehoana “saina tony sy malefaka”?
◻ Fihetsika voalanjalanja inona moa no tokony hananan’ny mpivady eo amin’ny firaisan’izy ireo ara-batana?
[Sary, pejy 16]
Tsy tokony ho sahala amin’ny sambo tarihin’ny kapiteny roa mifaninana ny fianakaviana.
[Sary, pejy 18]
Mety hanjary ho saro-piaro ny lehilahy tsy mpino iray, na somary ho velom-panahiana mihitsy aza, satria manatrika ireo fivoriana ny vadiny na mandray anjara amin’ny asa kristiana hafa. Ahoana no azo anampiana azy?