Nahoana Isika Rehetra no Tokony Hidera An’Andriamanitra?
HALELOIA! Fantatry ny ankamaroan’ny mpiangona ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tsara io teny io. Manonona azy io mafy amin’ny fotoam-pivavahany ny alahady ny sasany aminy. Firy anefa no mahalala ny tena hevitr’izy io? Raha ny marina, izy io dia teny hebreo nadika hoe “Miderà an’i Jah!” Fihobiana falifaly sady maneho fahatapahan-kevitra ho an’ilay Mpamorona, izay i Jehovah no anarany, izy io.a
Ny teny hoe “Haleloia” dia miseho matetika ao amin’ny Baiboly. Nahoana? Satria misy antony maro aoka izany hiderana an’Andriamanitra. Jah (Jehovah) no ilay Mpamorona sady Mpanohana izao rehetra izao midadasika. (Salamo 147:4, 5; 148:3-6). Izy no namorona ny ekosistema (fifandraisan’ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry amin’ny tontolo iainany) izay mahatonga ny fiainana eto an-tany hety. (Salamo 147:8, 9; 148:7-10). Ary mihevitra manokana ny olombelona izy. Raha manao ny sitrapony isika, dia mitahy sy manohana antsika eo amin’izao fiainana izao izy, ary manolotra antsika ilay fanantenana azo antoka ny amin’ny fiainana ho avy mbola tsara kokoa. (Salamo 148:11-14). I Jah (Jehovah) no nanome tsindrimandry izao teny izao: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Noho izany, dia atao amin’ny rehetra izao fampirisihana izao: “Haleloia [“Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!”, NW ].” (Salamo 104:35). Mampalahelo anefa fa tsy ny olona rehetra no maniry hamaly izany. Mijaly ny olona amin’izao andro izao. Maro no noana, marary, na ampahorina. Olona maro no mizaka fahoriana be dia be noho ny fidorohana zava-mahadomelina na alkaola na noho ny vokatry ny fahalotoam-pitondran-tenany na ny fikomiany. Misy antony tokony hideran’ny olona toy ireny an’Andriamanitra ve?
‘Tsy nisy afa-tsy i Jehovah no afaka nanome ahy fanantenana’
Eny, misy. Manasa ny olona rehetra tsy an-kanavaka i Jehovah mba hahalala azy, hianatra hanao ny sitrapony sy hahazo ireo fitahiana izay mahatonga ny olona haniry hidera azy. Ary maro no mamaly. Raiso, ohatra, i Adriana any Goatemala. Rehefa fito taona i Adriana, dia maty ny reniny. Afaka fotoana fohy taorian’izay, dia nandao ny tokantrano ny rainy. Rehefa folo taona izy, dia nanomboka niasa mba hivelomana. Koa satria ny reniny nilaza taminy mba hanompo an’Andriamanitra sy ny fiangonana, dia nikambana tamin’ny antoko katolika samihafa izy, nefa nandiso fanantenana azy izy ireo teo amin’ny faha-12 taonany, ka niaraka tamin’ny andian-jatovo maditra eny amin’ny arabe izy. Nanomboka nifoka sigara izy, nanendry zava-mahadomelina sy nangalatra. Nahoana no naniry hidera an’Andriamanitra ny tovovavy iray tahaka izany?
Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny rahavavin’i Adriana, nefa nihomehezan’i Adriana izy. Avy eo dia maty ny nenitoany. Tamin’ny fandevenana ny nenitoany dia sanganehana noho ny fanontaniana nanahiran-tsaina i Adriana. Nankaiza ny nenitoany? Tany an-danitra ve izy? Nankany amin’ny afobe mirehitra ve izy? Tena nahavery hevitra izany, ka nandeha tany amin’ny trano fivavahana kely tao amin’ilay tany fandevenana i Adriana mba hangataka fanampiana, ary nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, araka ny nampianarin’ny rahavaviny azy izy.
Tsy ela izy dia niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanatrika ny fivoriana kristiana nataon’izy ireo. Nanome azy fomba fijery vaovao tanteraka momba ny fiainana izany, ka nanapa-patorana tamin-kerim-po tamin’ireo andian-jatovo maditra eny amin’ny arabe izy. Milaza toy izao i Adriana, izay eo amin’ny tapatapaky ny faha-20 taonany ankehitriny: “Tsy misy afa-tsy ny fitiavana an’i Jehovah no nahatonga ahy hiala tamin’ny fomba fiaina ratsy toy izany. Tsy misy afa-tsy i Jehovah, tamin’ny famindram-pony lehibe, no afaka nanome ahy ny fanantenana fiainana mandrakizay.” Na dia teo aza ny fiandohana sarotra hitany teo amin’ny fiainana, dia manana antony tsara dia tsara hiderana an’Andriamanitra i Adriana.
Nanaovana tatitra avy any Ukraine ny tarehin-javatra iray toa vao mainka tsy mampino hoe hisy vokany tsara. Niandry tao an-tranomaizina ny famonoana azy ho faty ny lehilahy iray. Nitsetra tena ve izy? Sa ketraka? Tsia, mifanohitra tanteraka amin’izany. Noho ny Vavolombelon’i Jehovah nifandray taminy vao haingana ary noho ny nahazoany fahalalana sasany momba an’i Jehovah, dia nangataka azy ireo izy mba hifandray tamin’ny reniny. Izao dia manoratra ho azy ireo izy satria reny fa nanatanteraka ny fangatahany ny Vavolombelona. Hoy izy: “Misaotra anareo nitsidika ny reniko. Izany no vaovao mahafaly indrindra azoko tao anatin’ny taona farany.”
Manoratra toy izao izy raha niresaka ny amin’ny tenany sy ireo miray efitra aminy ao an-tranomaizina izay nanaovany fanambarana: “Ankehitriny dia manana finoana an’Andriamanitra izahay ary miezaka manao zavatra araka ny finoanay.” Toy izao no amaranany ny taratasiny: “Misaotra anareo noho ny nanampianareo anay hahafantatra ny atao hoe fitiavana sy hanana finoana. Raha mbola velona aho, dia hanampy anareo koa. Misaotra an’Andriamanitra fa nisy ianareo ary fa manampy ny hafa ho tia an’Andriamanitra sy hino azy ianareo.” Nangataka fitsarana ambony noho ny fanamelohana azy ho faty io lehilahy io. Na hovonoina ho faty anefa izy na handany taona maro any an-tranomaizina, dia mazava fa nanana antony hiderana an’Andriamanitra.
‘Na dia jamba aza aho, dia afaka mahita’
Diniho ankehitriny ny amin’ny zatovovavy mavitrika iray, izay namoy tampoka ny fahitany. Izany no nitranga tamin’i Gloria izay mipetraka any Arzantina. Tonga jamba tampoka i Gloria fony izy 19 taona, ary tsy niverina mihitsy ny fahitany. Rehefa 29 taona izy dia nanao tokantranomaso tamin’ny lehilahy iray ary tsy ela dia bevohoka. Izao dia nihevitra izy fa nisy heviny ny fiainany. Rehefa namoy ny zanany anefa izy dia nanomboka nametraka fanontaniana. Nanontany tena izy hoe: ‘Nahoana izany no mitranga amiko? Inona no nataoko? Tena misy tokoa ve Andriamanitra?’
Tamin’izay no tonga teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy ary nianatra ny amin’ny fampanantenany fa ao amin’ny tontolo vaovao, dia hahita indray ny jamba. (Isaia 35:5). Fahatsinjovan-javatra kanto re izany ho an’i Gloria! Tena faly izy, indrindra rehefa nanaiky hanoratra ho ara-dalàna ny fanambadiany ny vadiny. Tsy ela taorian’izany, dia tra-doza tsy nampoizina ny vadiny ka tonga nalemy, voatana teo amin’ny seza mikorisa. Amin’izao fotoana izao dia tsy maintsy miasa mafy io vehivavy jamba io mba hivelomana. Ho fanampin’izany, dia manao ny raharaha rehetra ao an-trano izy, ary koa mikarakara izay ilain’ny vadiny manokana. Kanefa, midera an’i Jehovah i Gloria! Noho ny fanampian’ireo rahalahy sy anabavy kristiana, dia mianatra ny Baiboly Braille izy, ary ampaherezina be dia be noho ireo fivoriana kristiana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Sarotra hazavaina ilay izy, nefa na dia jamba aza aho, dia toy ny hoe afaka mahita.”
Indraindray dia enjehina ny olona rehefa midera an’Andriamanitra. Faly ny vehivavy iray tany Kroasia rehefa nianatra momba an’Andriamanitra, nefa nanohitra ny finoany vaovao ny vadiny ary nanary azy, sady nitondra ny zanak’izy ireo vavy kely herintaona. Teny an-dalam-be, nilaozan’ny vady sy ny fianakaviana, tsy nanan-kialofana, tsy nanana asa, tsy nanana na dia ny zanany aza, dia tototry ny alahelo izy tamin’ny voalohany. Nanohana azy anefa ny fitiavany an’Andriamanitra, na dia voafetra ihany aza ny fifandraisana nananany tamin’ny zanany vavy mandra-pahalehiben’ilay zazakely. Nahita ilay ‘perla sarobidy’ io vehivavy io ka nifikitra tamin’izany. (Matio 13:45, 46, fanamarihana ambany pejy). Ahoana no nihazonany ny fifaliany tao anatin’ireny fotoan-tsarotra ireny? Hoy izy: “Ny fifaliana dia vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Azo atao ny mamboly azy io tsy miankina amin’ny toe-javatra ivelany, tsy misy hafa amin’ny ahafahan’ny zavamaniry mitombo ao anatin’ny fono fitaratra iray na toy inona na toy inona toetran’ny andro etỳ ivelany.”
Tany Failandy, dia voalaza fa voan’ny aretin-kozatra tsy azo sitranina i Markus enin-taona. Tsy ela dia voatana teo amin’ny seza mikorisa izy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nentin’ny reniny tany amin’ny Pentekotista iray, izay nalaza ho nanasitrana olona narary, izy. Tsy nisy anefa ny fahasitranana mahagaga. Koa nanary ny fahalianana tamin’Andriamanitra i Markus, ary nandranto fianarana teo amin’ny siansa sy saham-pahalalana hafa ivelan’ny fivavahana. Avy eo, tokony ho dimy taona lasa izay, dia tonga tao an-trano nipetrahan’i Markus ny vehivavy iray nandeha seza mikorisa, niaraka tamin’ny tovolahy iray. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Efa tonga mpandà ny fisian’Andriamanitra i Markus izao, nefa tsy nahita hanoherana ny hanaovana dinidinika momba ny fivavahana izy, ka nanasa azy ireo hiditra.
Tatỳ aoriana dia mpivady iray no nitsidika azy, ary natomboka ny fianarana Baiboly. Tamin’ny farany, dia nanova ny fijerin’i Markus zavatra ny herin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary takany fa na dia teo aza ny takaitrany, dia tena nanana antony hiderana an’Andriamanitra tokoa izy. Hoy izy: “Tena faly aho satria nahita ny fahamarinana sy ilay fandaminana ampiasain’i Jehovah. Misy zava-kendrena sady misy heviny ankehitriny ny fiainako. Ondry very hafa iray no hita ary tsy maniry hiala amin’ny andian’ondrin’i Jehovah izy io.” — Ampitahao amin’ny Matio 10:6.
Aoka ny rehetra ‘hidera an’i Jah’
Ireo dia vitsivitsy monja amin’ireo fanandraman-javatra tsy tambo isaina izay azo tantaraina mba hampisehoana fa afaka manana antony hiderana an’Andriamanitra ny olombelona amin’izao andro izao, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy azy. Nanazava izany toy izao ny apostoly Paoly: “[Ny fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy”. (1 Timoty 4:8). Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia hanatanteraka ny “teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny” izy. Mazava ho azy fa tsy hahatonga ny mahantra hanankarena na ny marary ho salama izy eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ. Manome ny fanahiny ho an’ireo izay manompo azy anefa izy mba hahitan’izy ireo fifaliana sy fahafaham-po na toy inona na toy inona toe-javatra ivelany misy azy ireo. Eny, na dia amin’ny “fiainana ankehitriny” aza, ny marary sy ny ampahorina ary ny mahantra dia afaka manana antony hiderana an’Andriamanitra.
Ahoana anefa ny amin’ny fiainana “ho avy”? Ny fiheverana izany fotsiny dia tokony hahatonga antsika hidera an’Andriamanitra amin-kafanam-po be indrindra! Mientam-po isika mieritreritra ny fotoana tsy hahalalana intsony ny fahantrana; rehefa “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”; ary rehefa ‘hofafan’i Jehovah Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. (Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4; Salamo 72:16). Ahoana no fahitanao ireo fampanantenana avy amin’Andriamanitra ireo?
Ny tovolahy iray tany Salvador dia nandray taratasy mivalona ara-baiboly iray, izay nanazava ny sasany amin’ireo zavatra ireo. Hoy izy tamin’ilay Vavolombelona izay nanome izany azy: “Tsara loatra ka tsy mety ho marina izay lazain’itỳ taratasy mivalona itỳ, ry Madama a!” Maro no manana fihetsika toy izany. Kanefa, ireo dia fampanantenan’Ilay namorona izao rehetra izao, izay nampandeha ireo tsingerina voajanahary eto amin’ny tanintsika, ary manampy ny mahantra sy ny marary mihitsy aza hahita fifaliana. Afaka mino izay lazainy isika. Ilay tovolahy voalaza tetsy ambony dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nahita fa marina izany. Raha tsy efa manao izany ianao, dia mampirisika anao izahay hanao mitovy amin’izany koa. Amin’izay, dia enga anie ianao ho eo rehefa hanjavona itỳ fandehan-javatra itỳ, ary rehefa hiara-miredona toy izao ny zavatra noforonina rehetra: “Haleloia!” “Midera an’i Jah ianareo, ry olona!” — Salamo 112:1; 135:1, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Baiboly dia hafohezina hoe “Jah” ny hoe “Jehovah” indraindray.
[Sary, pejy 5]
Enga anie ianao ho eo rehefa hiara-miredona toy izao ny zavatra noforonina rehetra: “Haleloia!”