Aoka ny Rehetra Hankalaza An’i Jehovah!
“Mankalazà an’i Jehovah any amin’ny tany atsinanana”. — ISAIA 24:15.
1. Ahoana no niheveran’ireo mpaminaniny ny anaran’i Jehovah, ka mifanohitra amin’ny fihetsika manao ahoana hita eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao?
JEHOVAH — ilay anarana malazan’Andriamanitra! Faly toy inona moa ireo mpaminany nahatoky fahiny niteny tamin’izany anarana izany! Tamim-piravoravoana no nankalazany an’i Jehovah, ilay Tompony Manam-piandrianana, izay manana anarana mampahafantatra azy ho ilay Mpikasa Lehibe. (Isaia 40:5; Jeremia 10:6, 10; Ezekiela 36:23, NW ). Na dia ireo antsoina hoe mpaminany madinika aza dia nilaza zavatra be dia be raha ny amin’ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Iray tamin’ireny i Hagay. Ao amin’ny bokin’i Hagay izay voaforona andininy 38 monja, dia ampiasaina in-35 ny anaran’Andriamanitra. Toy ny tsy misy aina ny faminaniana toy izany rehefa nosoloana tamin’ny anaram-boninahitra hoe “Tompo” ilay anarana sarobidy hoe Jehovah, araka ny andikan’ny apostoly fatratra loatra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana azy io, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly nataony. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:5, fanamarihana ambany pejy.
2, 3. a) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana niavaka iray momba ny famerenana tany amin’ny taniny ny Isiraely? b) Inona no fifaliana niombonan’ny sisa jiosy sy ireo namany?
2 Ao amin’ny Isaia 12:2 (NW ), dia ampiasaina ny endriny roa amin’ilay anarana.a Manambara toy izao ilay mpaminany: “Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; fa [i Jah Jehovah, NW ] no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.” (Jereo koa ny Isaia 26:4, NW.) Araka izany, 200 taona teo ho eo talohan’ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny fahababoana tany Babylona, i Jah Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny, dia nanome toky fa izy no ilay Mpamonjy mahery azy ireo. Tokony haharitra nanomboka tamin’ny 607 ka hatramin’ny 537 al.f.i. izany fahababoana izany. Nanoratra toy izao koa i Isaia: “Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, (...) ary milaza amin’i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary izy hanao amin’i Jerosalema hoe: Hatsangana hianao, ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.” Iza moa io Kyrosy io? Voaporofo tamin’ny fomba niavaka, fa i Kyrosy, Mpanjakan’i Persia, izay nandresy an’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i., ilay izy. — Isaia 44:24, 28.
3 Ho fahatanterahan’ireo tenin’i Jehovah noraketin’i Isaia an-tsoratra, dia namoaka izao didy izao ho an’ny Isiraely babo, i Kyrosy: “Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, — Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.” Nisy sisa tamin’ny Jiosy faran’izay sambatra, niaraka tamin’ny Netinima tsy isiraelita sy ny taranaky ny mpanompon’i Solomona niverina tany Jerosalema. Tonga ara-potoana izy ireo mba hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo, tamin’ny 537 al.f.i., sady hanao fanatitra ho an’i Jehovah teo amin’ny alitarany. Ny taona nanaraka, tamin’ny volana faharoa, dia naorin’izy ireo ny fototr’ilay tempoly faharoa, tao anatin’ny hoby mafy naneho fifaliana sy fiderana an’i Jehovah. — Ezra 1:1-4; 2:1, 2, 43, 55; 3:1-6, 8, 10-13.
4. Ahoana no nahatonga ny Isaia toko faha-35 sy faha-55 ho zavatra tena izy?
4 Ho tanteraka tamim-boninahitra teo amin’ny Isiraely ny faminanian’i Jehovah ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny, manao hoe: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. (...) Dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.” “Amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo (...). Ary ho anarana ho an’i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.” — Isaia 35:1, 2; 55:12, 13.
5. Nahoana no tsy naharitra ny fifalian’ny Isiraely?
5 Kanefa, tsy naharitra izany fifaliana izany. Nitady izay hanaovana fanekena ho fampiraisam-pinoana ho amin’ny fanorenana ilay tempoly, ireo mponina teny amin’ny manodidina. Tsy nanaiky ny Jiosy tamin’ny voalohany, ka nanambara toy izao: “Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin’ny hanaovana trano ho an’Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian’itompokolahy Kyrosy, mpanjakan’i Persia, anay.” Nanjary mpanohitra feno fankahalana tamin’izay ireny mponina teny amin’ny manodidina ireny. “Nanao izay hampiraviravy tànana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano” izy ireo. Nasehony tamin’ny fomba diso tamin’i Artaksersesy, mpandimby an’i Kyrosy, koa ilay tarehin-javatra, ka namoaka didy ho fandrarana ny fanorenana ny tempoly izy io. (Ezra 4:1-24). Nitsahatra nandritra ny 17 taona ny asa. Nampalahelo fa latsaka tao amin’ny fomba fiaina tia fatratra zavatra ara-nofo ny Jiosy, nandritra izany fotoana izany.
Miteny “i Jehovah, Tompon’ny maro”
6. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah nanoloana ilay tarehin-javatra teo amin’ny Isiraely? b) Inona no toa dikan’ny anaran’i Hagay?
6 Na dia izany aza, i Jehovah dia nampiseho ‘ny heriny’ ho tombontsoan’ny Isiraely, tamin’ny fanirahana mpaminany, indrindra fa i Hagay sy i Zakaria, mba hanaitra ny Jiosy ka hahatsapany ny andraikiny. Misy ifandraisany amin’ny andro firavoravoana ny anaran’i Hagay, satria izy io dia toa midika hoe “Teraka Tamin’ny Andro Firavoravoana”. Nanomboka naminany izy tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina, fotoana fohy talohan’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo, fotoana izay nitakiana ny ‘hifalian’ny Jiosy tokoa’. (Deoteronomia 16:15). Tamin’ny alalan’i Hagay, dia nanome hafatra efatra tao anatin’ny fe-potoana naharitra 112 andro, i Jehovah. — Hagay 1:1; 2:1, 10, 20.
7. Amin’ny ahoana no tokony hampahery antsika ireo teny fanokafana ny Hagay?
7 Ho fampidirana ny faminaniany, dia niteny toy izao i Hagay: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro”. (Hagay 1:2a). Nety ho iza moa ireny “maro” ireny? Ireo anjelin’i Jehovah maro be izy ireny, izay resahina ho hery ara-tafika indraindray ao amin’ny Baiboly. (Joba 1:6; 2:1; Salamo 103:20, 21; Matio 26:53). Moa ve tsy mampahery antsika amin’izao andro izao ny hoe mampiasa ireny hery any an-danitra tsy mety resy ireny ny tenan’i Jehovah Tompo Manam-piandrianana, mba hitarihana ny asantsika famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina eto an-tany? — Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 6:15-17.
8. Toe-tsaina inona no nisy heriny teo amin’ny Isiraely, ary inona no vokany?
8 Inona no foto-kevitry ny hafatr’i Hagay voalohany? Nilaza toy izao ilay firenena: “Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’i Jehovah.” Tsy ny fanorenana ny tempoly, izay nampiseho ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra, intsony no nahin’izy ireo voalohany. Nitodika tany amin’ny fanorenana trano toy ny lapa ho an’ny tenany, izy ireo. Nampihena ny hafanam-pony tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah ny toe-tsaina tia fatratra zavatra ara-nofo. Vokatr’izany, dia nesorin’i Jehovah ny fitahiany. Tsy nahavokatra intsony ny sahan’izy ireo, ary tsy ampy ny fitafiany tamin’ny ririnina namirifiry. Nanjary kely ny fidiram-bolany, ary toy ny hoe nametraka ny volany tao amin’ny kitapo feno loaka izy. — Hagay 1:2b-6.
9. Fananarana mahery sady manorina inona no nomen’i Jehovah?
9 Indroa i Jehovah no nanome izao fananarana mahery izao: “Hevero ny làlanareo.” Niharihary fa naneho fihetsika tsara i Zerobabela, governora tao Jerosalema, sy i Josoab, mpisoronabe, ka nampirisika tamin-kerim-po ny vahoaka rehetra mba ‘hihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan’i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’i Jehovah ny olona’. Ambonin’izany, dia “nambaran’i Hagay, irak’i Jehovah, ny teny nampitondrain’i Jehovah ho amin’ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah”. — Hagay 1:5, 7-14.
10. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny ho tombontsoan’ny Isiraely?
10 Nety ho nihevitra ny zokiolona sasany tao Jerosalema fa “tsinontsinona” ny voninahitr’ilay tempoly naorina indray, raha nampitahaina tamin’ny an’ilay tempoly teo aloha. Kanefa, tokony ho 51 andro tatỳ aoriana, i Jehovah dia nandrisika an’i Hagay mba hilaza hafatra faharoa. Hoy ny nambaran’i Hagay: ‘Mahereza, ry Zerobabela, hoy i Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy i Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy i Jehovah, Tompon’ny maro, koa aza matahotra ianareo.’ I Jehovah, izay nampiasa ny heriny tsy toha tamin’ny fotoana nanampoizana izany mba ‘hanozongozona ny lanitra sy ny tany’, dia nanao izay hahazoana antoka fa resy ny fanoherana rehetra, na dia ny fandraran’ny emperora aza. Tao anatin’ny dimy taona dia vita tamim-pahombiazana lehibe ny fanorenana ny tempoly. — Hagay 2:3-6, NW.
11. Ahoana no namenoan’Andriamanitra ‘voninahitra lehibe kokoa’ an’ilay tempoly faharoa?
11 Tanteraka tamin’izay ny fampanantenana miavaka iray manao hoe: “[Tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra, NW ]; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:7). Ireny “zavatra faniry” ireny dia voaporofo fa ireo tsy isiraelita izay tonga mba hanolotra fanompoam-pivavahana tao amin’izany tempoly izany, satria nanome taratry ny voninahitry ny fanatrehan’i Jehovah heni-kaja, izy io. Nanao ahoana io tempoly naorina indray io, raha nampitahaina tamin’ilay naorina tamin’ny andron’i Solomona? Nanambara toy izao ilay mpaminanin’Andriamanitra: “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. (Hagay 2:9). Tamin’ny fahatanterahana voalohan’ilay faminaniana, ilay tempoly naorina indray dia naharitra ela kokoa noho ilay trano voalohany. Mbola nijoro ihany izy io rehefa niseho ny Mesia tamin’ny 29 am.f.i. Ankoatra izany, talohan’ny nampamonoan’ireo fahavalony mpivadi-pinoana azy, tamin’ny 33 am.f.i., dia ny tenan’ny Mesia mihitsy no nitondra voninahitra ho azy io, rehefa nitory ny fahamarinana tao izy.
12. Niasa ho an’ny zava-kendrena inona ireo tempoly roa voalohany?
12 Ny tempoly voalohany sy faharoa tao Jerosalema dia niasa ho an’ny zava-kendrena tena lehibe, tamin’ny fampisehoana tandindon’ireo lafiny lehibe amin’ny fanompoan’ny mpisorona hataon’ny Mesia, ary tamin’ny fihazonana ho velona hatrany teto an-tany ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah, mandra-pahatongan’ny tena fisehoan’ny Mesia. — Hebreo 10:1.
Ilay tempoly ara-panahy be voninahitra
13. a) Fisehoan-javatra inona avy mahakasika ny tempoly ara-panahy no nitranga nanomboka tamin’ny 29 ka hatramin’ny 33 am.f.i.? b) Inona no anjara asa tena lehibe notanan’ny sorom-panavotan’i Jesosy tamin’ireny fisehoan-javatra ireny?
13 Manana heviny manokana ho an’ny andro atỳ aoriana ve ilay faminanian’i Hagay ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny? Azo antoka fa izany! Ilay tempoly naorina indray tao Jerosalema dia nanjary ny foiben’ilay hany fanompoam-pivavahana marina teto an-tany. Izy io anefa dia tandindon’ny tempoly ara-panahy iray be voninahitra lavitra. Nanomboka niasa io tempoly ara-panahy io tamin’ny 29 am.f.i., rehefa nanosotra an’i Jesosy ho Mpisoronabe i Jehovah, ka nidina teo ambonin’i Jesosy tahaka ny voromahailala ny fanahy masina, tamin’ny batisany tao amin’ny Onin’i Jordana. (Matio 3:16). Taorian’ny nahavitan’i Jesosy ny fanompoany teto an-tany tamin’ny fahafatesana ho sorona, dia natsangana ho any an-danitra izy, dia ny lanitra izay nasehon’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempoly, ary tany dia natolony an’i Jehovah ny vidin’ny sorony. Izany dia toy ny avotra, izay nanarona ny fahotan’ny mpianany, ary nanokatra ny lalana ho amin’ny fanosorana azy ireo ho mpisorona lefitra ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, tamin’ny andro Pentekosta 33 am.f.i. Ny fanompoan’izy ireo amim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesana, ao amin’ny kianjan’ny tempoly eto an-tany, dia hitarika ho amin’ny fitsanganana ho any an-danitra amin’ny ho avy, mba hanohizana ny fanompoan’ny mpisorona.
14. a) Inona no fifaliana niaraka tamin’ny asa feno zotom-po nataon’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany? b) Nahoana no nihelina io fifaliana io?
14 Jiosy nibebaka an’arivony maro — ary tatỳ aoriana dia Jentilisa — no nirohotra ho amin’izany kongregasiona kristiana izany, ary nandray anjara tamin’ny fanambarana ny vaovao tsara ny amin’ny fanapahana ny tany hampiharin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Telopolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, ny apostoly Paoly dia afaka nilaza fa notorina ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly anefa, dia tafaorina ny fivadiham-pinoana lehibe, ary nanomboka nitsilopilopy ny fahazavan’ny fahamarinana. Nohamaizinin’ny fitokotokoana niorina tamin’ny filozofia sy ny fampianaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ny Kristianisma marina. — Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
15, 16. a) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’ny 1914? b) Fanangonana inona no nanamarika ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-20?
15 Nandalo ireo taonjato. Avy eo, tamin’ireo taona 1870, dia nisy antokona Kristiana tso-po nanomboka nianatra tamin’ny fomba lalina ny Baiboly. Niainga avy tamin’ny Soratra Masina izy ireo ary afaka nanondro marina ny taona 1914 ho nanamarika ny fifaranan’ny “andron’ny jentilisa”. Tamin’izay no nifarana ireo “fetr’andro” fito ara-panoharana (2 520 taona izay nampiharan’ny olombelona fanapahana toy ny an’ny biby) tamin’ny fandraisan’i Kristy Jesosy — ilay manana “ny zo ara-dalàna” ho Mpanjaka mesianikan’ny tany — ny seza fiandrianana any an-danitra. (Lioka 21:24; Daniela 4:22; Ezekiela 21:26, 27, NW ). Nanomboka tamin’ny 1919 indrindra, ireny Mpianatra ny Baiboly ireny, fantatra amin’izao andro izao hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia nirotsaka tamin’ny fanelezana tamin-kerim-po manerana ny tany manontolo, ny vaovao tsara ny amin’ilay Fanjakana ho avy. Tamin’ny 1919, dia an’arivony vitsivitsy tamin’izy ireo no namaly ilay antso ho amin’ny asa, navoaka tany amin’ny fivoriambe tao Cedar Point, Ohio, any Etazonia. Nitombo ny isan’izy ireo hatramin’ny taona 1935, izay nisian’ny olona 56 153 nanao tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha. Tamin’io taona io, dia 52 465 no nandray ny marika, dia ny mofo sy ny divay, tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy fanao isan-taona, ka nanamarika tamin’izany ny fanantenany ho tonga mpisorona hiaraka amin’i Kristy Jesosy, any amin’ny faritr’ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah any an-danitra. Miara-manompo aminy koa izy ireo, amin’ny maha-mpiara-manjaka ao amin’ny Fanjakany Mesianika. — Lioka 22:29, 30; Romana 8:15-17.
16 Kanefa, ny Apokalypsy 7:4-8 sy ny 14:1-4 dia mampiseho fa voafetra ho 144 000 ny isa fenon’ireny Kristiana voahosotra ireny, ary maro aminy no nangonina nandritra ny taonjato voalohany, talohan’ny niorenan’ilay fivadiham-pinoana lehibe. Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 ary nitohy hatratỳ amin’ny taonjato faha-20, i Jehovah dia namita ny fanangonana an’io antokon’olona io, izay nodiovina tamin’ny ranon’ny Teniny, nambara fa marina noho ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary tamin’ny farany dia nasiana tombo-kase amin’ny maha-Kristiana voahosotra azy mba hahaforona ny isa fenon’ny 144 000.
17. a) Inona no fanangonana natao nanomboka tamin’ireo taona 1930? b) Nahoana no mahaliana ny Jaona 3:30 eto? (Jereo koa ny Lioka 7:28.)
17 Inona no miseho manaraka izany, rehefa voafidy ireo voahosotra rehetra? Tamin’ny 1935, tany amin’ny fivoriambe iray manan-tantara natao tany Washington, D.C., any Etazonia, dia nampahafantarina fa ny “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 dia antokon’olona ho fantatra ‘aorian’ny’ (NW ) 144 000, ary fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa no anjarany. Rehefa avy namantatra mazava an’ilay voahosotra, dia i Jesosy, i Jaona Mpanao Batisa, izay hatsangana eto an-tany amin’ny maha-anisan’ny “ondry hafa” azy, dia nilaza toy izao ny amin’ny Mesia: “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.” (Jaona 1:29; 3:30; 10:16; Matio 11:11). Nifarana ny asa nataon’i Jaona Mpanao Batisa dia ny fanomanana mpianatra ho an’ny Mesia, rehefa nandray an-tanana ny fifantenana an’ireo ho anisan’ny 144 000 nitombo isa hatrany, i Jesosy tamin’izay. Ny mifamadika tamin’izany no nitranga tamin’ireo taona 1930. Nihena ny isan’ireo “voantso sy voafidy” ho anisan’ny 144 000, fa nanomboka kosa ny fitomboana mahatalanjona teo amin’ny isan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. Manohy mitombo ny isan’io olona betsaka io, arakaraka ny anakekezan’ny fandehan-javatra ratsin’izao tontolo izao ny fiafarany ao Haramagedona. — Apokalypsy 17:14b.
18. a) Nahoana isika no afaka manantena amim-patokiana fa “olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”? b) Nahoana isika no tokony hanaraka amin-jotom-po ny Hagay 2:4?
18 Teo am-piandohan’ireo taona 1920, ny lahateny ampahibemaso iray nanintona manokana, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nitondra ny lohateny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”. Izany dia mety ho nanome taratry ny fanantenana tafahoatra tamin’izany fotoana izany. Amin’izao andro izao anefa, dia azo atao amim-patokiana feno izany fanambarana izany. Ny fitomboan’ny fahazavana mikasika ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sy ny fanjakan’i Baroa hita eto amin’itỳ tontolo miala aina itỳ, dia samy manambara amin-kery fa akaiky dia akaiky ny faran’ny fandehan-javatr’i Satana! Ny tatitra momba ny Fahatsiarovana tamin’ny 1996, dia mampiseho fa olona 12 921 933 no nanatrika, ary 8 757 monja tamin’izy ireo (0,068 isan-jato) no nampiseho ny fanantenany ho any an-danitra tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny marika. Madiva ho vita ny famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. Aoka anefa isika tsy hampiadana ny diantsika amin’izany asa izany na oviana na oviana. Eny, milaza toy izao ny Hagay 2:4: “Mahereza, hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. Enga anie isika ho tapa-kevitra fa tsy hisy mihitsy soritry ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, na soritry ny toetra araka an’izao tontolo izao hampihena ny zotom-pontsika ho an’ny asan’i Jehovah! — 1 Jaona 2:15-17.
19. Ahoana no mety handraisantsika anjara amin’ny fahatanterahan’ny Hagay 2:6, 7?
19 Mahafaly ny tombontsoa ananantsika mandray anjara amin’ny fahatanterahana maoderin’ny Hagay 2:6, 7, manao hoe: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia [hanozongozona ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina aho. Ary hanozongozona ny firenena rehetra aho, ka tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra, NW ]; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Miely patrana manerana itỳ tontolon’ny taonjato faha-20 itỳ, ny fierenana sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena ary ny fankahalana. Ao amin’ny andro farany ho azy marina tokoa izy itỳ, ary i Jehovah dia efa nanomboka ‘nanozongozona’ azy tamin’ny fanaovana izay ‘itorian’ny Vavolombelony ny andro famaliany’. (Isaia 61:2). Hahatratra ny fara tampony io fanozongozonana savaranonando io, amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao ao Haramagedona, kanefa alohan’io fotoana io, i Jehovah dia manangona “ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” — dia ireo mponina amin’ny tany toy ny ondry sy mandefitra — mba hanompo azy. (Jaona 6:44). Io “olona betsaka” io ankehitriny dia “manompo” eo amin’ny kianjan’ny tranon’i Jehovah fanaovana fanompoam-pivavahana eto an-tany. — Apokalypsy 7:9, 15.
20. Aiza no tokony hahitana ny harena sarobidy indrindra?
20 Mitondra tombony sarobidy noho izay mety ho harena ara-nofo na inona izany na inona, ny fanompoana ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. (Ohabolana 2:1-6; 3:13, 14; Matio 6:19-21). Ambonin’izany, dia milaza toy izao ny Hagay 2:9: “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako, fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Inona no dikan’ireo teny ireo ho antsika amin’izao andro izao? Hilaza izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay fitenenana hoe “Jah Jehovah” dia ampiasaina ho toy ny fanantitranterana manokana. Jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 746-747.
b Jesoa ao amin’ny Ezra sy ireo boky hafa ao amin’ny Baiboly.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Ohatra inona navelan’ny mpaminany no tokony harahintsika raha ny amin’ny anaran’i Jehovah?
◻ Fampaherezana inona no raisintsika avy amin’ny hafatra maherin’i Jehovah ho an’ny Isiraely tafaverina tao amin’ny taniny?
◻ Tempoly ara-panahy be voninahitra inona no miasa amin’izao andro izao?
◻ Fanangonana inona avy no natao araka ny filaharany, nandritra ny taonjato faha-19 sy faha-20, ary ho amin’ny fahatsinjovan-javatra lehibe inona?
[Sary, pejy 7]
Mitarika sady manohana ny Vavolombelony eto an-tany ireo tafik’i Jehovah any an-danitra