Manontany ny Tanora Hoe. . .
Ny resadresaka — Nahoana izy io no manimba?
“Izy ireo [ireo zatovo] (...) dia mandany ny fotoanany irenirenena ary iresadresahana amin’izy samy izy.” — Socrates, tany amin’ny 400 al. fan. ir. tany ho any.
‘RENAO ve ny vaovao farany?’ ‘Inona àry raha fantatrao?’ ‘Henoy ange ity e!’ ‘Mahay mitana tsiambaratelo ve ianao?’ Ireo rehetra ireo dia samy fampidiran-dresaka ho amin’ny fampitana tsiambaratelo manintona na manaitra mihitsy aza momba ny hafa — fahazarana fantatra mazàna amin’ny anarana hoe resadresaka.
Toy ny tamin’ny andron’i Socrates, dia ireo tanora indrindra no mbola tia io fahazarana io, ary ireo mpanao fikarohana dia miantso ny resadresaka ho zava-mitranga maneran-tany izay mahafaoka ny firazanana, ny taona ary ny kolontsaina rehetra. Eny, araka ny Gazetin’ny fifampiresahana (anglisy), na dia ireo ankizy kely aza dia miresadresaka, “manomboka hatramin’ny fotoana ahaizany miteny sy mahafantatra ny hafa mihitsy.”
Ny resadresaka dia fahazarana voafetra ho eo amin’ny vehivavy ihany, sa tsy izany? Tsia! Ireo mpanao fikarohana atao hoe Levin sy Arluke dia nandinika ny resaka nifanaovan’antokona mpianatra lahy sy vavy tany amin’ny oniversite. Inona no vokany? Ny lehilahy koa dia manana fironana ho tia resadresaka tahaka ny vehivavy ihany!
Nahoana anefa no manintona antsika aoka izany ny resadresaka? Misy antony tsara tokony hitandremantsika ny amin’izy io ve?
Ny resadresaka — tsara sy ratsy ary maharikoriko
Ny resadresaka dia resaka atao handaniana andro. Tsy miova anefa izy io fa mifantoka hatrany, tsy amin-javatra, fa amin’ny fahalemen’olona, ny tsy fahombiazany, ny fandreseny sy ny fahavoazany. Tsy voatery hanimba na hanisy ratsy ny hafa foana akory ny resaka toy izany. Tsy anisan’ny maha-olombelona antsika tokoa ve ny fiheverana ny olon-kafa? Ny Baiboly aza dia mampirisika antsika ‘tsy samy hihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.’ — Filipiana 2:4.
Raha voafehy amim-pitandremana àry ny resadresaka dia mety ho fifanakalozana vaovao ilaina fotsiny. Amin’ny fomba ahoana no andrenesanao, ohatra, fa marary Rtoa Rasoa ka mila ny hampiana amin’ny fiantsenana, fa ketraka i Naivo namanao satria nafoiny ny asa nataony taorian’ny fianarana, na koa fa hifindra trano i Fara monina eo akaikinao? Amin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy ve? Tsia, fa matetika tokoa amin’ny alalan’ny resaka atao andavanandro — na resadresaka, raha tianao — no andrenesanao momba izany.
Ny teny grika tany am-boalohany ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana ny hoe “mpiresadresaka” dia avy tamin’ny matoanteny nidika hoe “manao teny tondraka”. (1 Timoty 5:13; Rakibolana grika sy anglisy [anglisy] nataon’i Liddell sy i Scott) Eto isika dia ampahatsiahivina ny teny ao amin’ny Ohabolana 10: 19 manao hoe: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” Ny fitsipika volamenan’ny resaka ifanaovana dia ny hoe mieritrereta alohan’ny hitenenanao!
Mety hamitaka satria manify dia manify ny tsipika mampisaraka ny resadresaka tsy mitera-boka-dratsy sy ny resadresaka manimba. Mety ho kely dia kely ny elanelana misy eo amin’ny filazana fa ‘Tsy miasa any an-tsena intsony i Naivo’ sy ny fanampiana hoe ‘Toa tsy mahay mitana asa mihitsy i Naivo’ — izay mila ho lasa fanendrikendrehana! Na dia ny fanandramana hilaza zavatra tsara momba ny olona iray aza matetika dia manjary mivadika ho ratsy. Ny filazana hoe ‘I Zoly no mpianatra mahay indrindra ao an-dakilasy’, dia mety harahin’ny hoe ‘Hitanao ve anefa ny fomba fiakanjony?’ mora foana. Ary matetika dia matetika, ny resadresaka dia mety ho tonga maharikoriko tsotra izao, fitaovana fampitana lainga fanendrikendrehana sy tsaho momba ny olona iray.
Ny resadresaka ratsy — ny antony isiany
Nahoana àry no mirona ho any amin’ny lafy ratsin-javatra matetika aoka izany ny resadresaka? Ny antony iray dia satria ‘ny fo dia mamitaka’, ary ny resaka ratsy mazàna dia mahafa-po ny hetahetan’ny fihetseham-po feno fitiavan-tena sasany. — Jeremia 17:9.
“Mahatonga anao hihevi-tena ho zavatra ny mahafantatra zavatra izay tsy fantatry ny hafa”, hoy ny fieken’ny tanora iray atao hoe Connie. Ary matetika indrindra izany “zavatra” izany dia vaovao iray tsy dia mahafinaritra loatra momba ny olon-kafa iray. Ny hafa kosa dia toa mihevitra fa ny fampibaribariana ny kileman’ny hafa sy ny fahadisoany dia manakona ny tsinin’ny tenany manokana. Ho an’ny hafa indray kosa, ny resadresaka dia fitaovana mba hampitomboana ny lazany. Miezaka mafy izy ireo mba hahafanta-java-baovao mba hahatongavany ho ny voalohany hilaza izany amin’ny hafa. Mba hankamamiana io fotoana fohy mampahalaza azy io, dia hamadika ny tsiambaratelon’ny namany akaiky azy indrindra izy. Tadidio fa ny olona iray miresaka momba ny hafa mazàna dia hiresaka momba anao amin’ny hafa koa.
Azo ampiasaina ho toy ny fitaovana mety dia mety mba hamoahana hatezerana, fahatafintohinana ary fialonana ny resadresaka. Ny sasany aza dia hamorona zavatra tsy marina mihitsy mba hampalahelo olona iray izay tsy tiany. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 26:28.) Tahaka izany no nanaparitahan’ny ankizivavy iray tsaho fa hoe bevohoka ny zazavavy iray kilasy taminy iray — satria niaraka tamin’ny ankizilahy iray izay tiany koa izy io.
Matetika dia toa tsy avy amin’ny finiavana hanao ratsy loatra ny resadresaka ratsy fa avy amin’ny tsy fieritreretana. Izao no nieken’ny zatovo iray: “Indraindray aho dia mahatakatra fa izay holazaiko dia tsy marina daholo angamba, kanefa saiky tahaka ny tsy fahafahana miala amin’ny zava-mahadomelina ilay izy. Milaza zavatra alohan’ny hahafahako mifehy tena aho — ary imbetsaka dia mianjera amiko daholo ny vokany atỳ aoriana.”
Ny resadresaka ratsy — Sabatra roa lela
Na inona na inona antony manosika ao ambadiky ny resadresaka ratsy, izy io dia toy ny sabatra roa lela. Etsy an-daniny, izany dia mety handoto amin’ny fomba tsy azo sitranina ny anaran’ny olon-kafa iray sy ny lazany. Hoy ny nomarihin’ny gazety ’Teen: “Raha miresadresaka momba ny olon-kafa ianao, manakiana, tsy mitana tsiambaratelo, manao laza masaka na mandainga tsotra izao mihitsy aza, dia azo ampoizina fa hahatandindomin-doza na hanapaka fifandraisan’olona ianao — ary azo antoka fa hanakana ny fiforonan’ny fisakaizana vaovao koa.” Na koa, araka ny ilazan’ny Baiboly azy: “Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.” — Ohabolana 17:9; ampitahao amin’ny Ohabolana 16:28.
Etsy an-kilany kosa, ny resadresaka dia mety hivadika ka hanimba ilay mpiresadresaka koa. Tsy hahazo olona hihaino azy ny fanaovana resadresaka fa miteraka tsy fitokiana kosa. “Tsy azo itokiana ka ilazana tsiambaratelo na iza na iza mifosa”, hoy ny Ohabolana 11:13. (Fandikan-teny amin’ny teny anglisy amin’izao andro izao). Ary ilay resahina dia azo antoka fa halahelo raha sy rehefa mahare fa nisy tsiambaratelo naharihary na fahadisoana naely. “Ny rivotra avy any avaratra mahatonga ranonorana, dia toy izany, ny lelan’ny mpifosa mampahavinitra endrika”, hoy ny Ohabolana 25:23.
Izay miresaka mba hanimbana ny lazan’ny hafa dia mety hanimba ny fifandraisan’ny tenany manokana amin’Andriamanitra koa. Matetika ny resaka tsy voafehy dia toy ny fanendrikendrehana mihitsy. Ary Jehovah anefa dia tsy mifanerasera afa-tsy amin’izay “tsy manendrikendrika amin’ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny namany.” (Salamo 15:1, 3). Kanefa, rehefa manaparitaka tsaho tsy marim-pototra isika, raha ny tena izy dia mety ho mpankasitraka lainga iray — zavatra izay halan’i Jehovah Andriamanitra. — Ohabolana 6:16, 17.
Ny fomba handosirana ny fandriky ny resadresaka
Mila tsy ho azo atao ny mijanona tsy miresaka momba ny hafa — fara faharatsiny ny mitsahatra tanteraka. Nefa zava-manahirana maro no azo sakanana tsy hiseho raha mampihatra ny fitsipika volamena ianao: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” — Matio 7:12.
Izany dia midika fa tokony handa ny hihaino resadresaka manimba ianao! “Aza manana fifandraisana amin’izay manaiky hofitahin’ny molony”, hoy ny fananaran’ny Baiboly. (Ohabolana 20:19, MN). Raha mihaino resaka natao hanaratsiana na manimba ianao, dia mankasitraka izany. Araka ny nolazain’ny tanora iray atao hoe Rosalyn: ‘Ireo izay mihaino resadresaka dia mampirisika ny mpiresadresaka tsotra izao.’ Ankoatra izany, dia ho eo foana ny mety hahitanao izany ‘vaovao fy’ izany ho manintona loatra ka tsy ho voahazonao ho an’ny tenanao manokana, ary hahatongavanao ho iray amin’ny fitohitohizana fanendrikendrehana mandratra.
Koa miezaha àry mba hampitsahatra ny resadresaka ratsy. Izany akory tsy voatery hidika fa tokony hanome sermona momba ny maha-ratsy ny resadresaka manimba ianao. Fa azonao atao ny miezaka manova ny lohahevitra resahina, mamily ny resaka ifanaovana hanaraka lalana hafa, na milaza teny fiderana momba ilay olona resahina. Raha mbola mitohy ihany ilay resaka manimba, dia raiso ho toy ny antony hialanao tsiny mba tsy handray anjara amin’ilay resaka ifanaovana intsony izany.
Eny, mety ho marina dia marina tokoa ny zavatra iray — ary hampangidihidy lela anao mihitsy aza ny hilaza azy, nefa tena ilaina holazaina ve izy io? Hanafintohina ve izany, sa hanendrikendrika, hanevateva sa hahasadaikatra ny hafa? Ho sahinao ve ny hilaza izany eo imason’ilay olona? Ahoana no ho fihetseham-ponao raha misy milaza izany momba anao? “Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara”, hoy ny Ohabolana 15:2, “fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.”
Koa fehezo tsara àry ny lelanao. Misy milaza fa ny saina lehibe dia miresaka momba ny hevitra, ny saina antonontonony momba ny zavatra, ary ny saina kely momba ny olona! Manaova fiovana eo amin’ny fomba firesakao. Misy zavatra maro be — anisan’izany ireo raharaha ara-panahy — izay afaka manome loharanon-javatra horesahina tsara lavitra noho ny resadresa-poana manimba.
[Sary, pejy 18]
Matetika ny mpiresadresaka no faly erỳ mahasarika ny sain’ny rehetra
[Sary, pejy 19]
Raha mihaino resaka natao hanaratsiana na manimba ianao, dia mankasitraka izany