Toko 13
Ahoana no Hahazoako Naoty Tsara Kokoa?
ERITRERETO hoe tsy tafavoaka avy ao anaty ala mikitroka ianao. Zara raha misy hazavana tazanao, satria mifanetinety kely ny rantsankazo eo amboninao. Feno lobolobo koa manodidina anao, ka mila tsy ho afa-mikofoka ianao. Tsy maintsy tapatapahinao amin’ny antsibe àry ny zavamaniry eo alohanao, raha te ho tafavoaka ianao.
Mety hisy hilaza fa mitovitovy amin’izany ny fiainan’ny mpianatra. Tsy afa-miala mantsy izy, fa tsy maintsy mianatra mandritra ny andro. Mbola tsy afa-mikofoka koa izy amin’ny hariva, fa be devoara. Izany koa ve no mahazo anao? Soraty eto ambany izay taranja tena sarotra aminao.
․․․․․
Angamba efa nampirisika anao hianatra bebe kokoa an’io taranja io, ny ray aman-dreninao sy ny mpampianatra. Tsy hoe te hila vaniny ry zareo, fa mba tiany hiezaka araka izay vitanao ianao! Inona àry no azonao atao, raha mila tsy hahavita izay takiny ianao, ka mitady ho kivy? Ho tafavoaka avy ao anaty ala ianao raha fitaovana tena mety, toy ny antsibe, no anapatapahanao rantsankazo. Hahavita tsara ny fianaranao koa ianao, raha soso-kevitra tena mahomby no ampiharinao. Inona avy izany?
● Voalohany: Miezaha ho tia mianatra. Ilaina izany mba hahatonga anao hazoto hianatra tsara. Inona àry no hanampy anao? Eritrereto ny soa ho azonao. Hoy ny apostoly Paoly: “Izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana ny hahazo vokatra, ary izay miasa eny am-pamoloana dia tokony hanao izany amin’ny fanantenana ny hahazo ny anjarany.”—1 Korintianina 9:10.
Marina fa mety ho sarotra aminao ny mahita ny antony tokony hiezahana mafy amin’ny taranja sasany. Nahoana? Satria toa misy taranja tsy tena ilaina akory. Hahalala kokoa ny tontolo manodidina anao anefa ianao, raha mianatra zavatra isan-karazany. Ho ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra’ ianao, ka hahay hiresaka amin’ny olona samihafa. (1 Korintianina 9:22) Hahay hisaina kokoa ianao, ary tena hahasoa anao izany any aoriana any.
● Faharoa: Fantaro ireo talentanao. Manampy anao hahita ny talenta anananao ny fianarana any an-tsekoly. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: ‘Ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra, izay noraisinao.’ (2 Timoty 1:6) Efa nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana i Timoty. Mbola nila nanatsara ny ‘fanomezana’ na ny talenta nomen’Andriamanitra azy anefa izy, mba tsy ho very fotsiny izany. Marina fa raha mahay ianao any am-pianarana, dia tsy midika izany hoe Andriamanitra no mampahay anao. Manana talenta tsy ananan’olon-kafa anefa ianao, na dia tsy fantatrao aza. Manampy anao hahita sy hanatsara azy ireny ny fianarana any an-tsekoly.
Aza mieritreritra hoe tsy mahavita mihoatra noho izay efa vitanao hatramin’izay ianao. Vao mainka mantsy hiharatsy ny naotinao raha izany. Isaky ny kivy ianao, dia mieritrereta zavatra mampahery. Nokianin’ny olona, ohatra, i Paoly hoe tsy nahay nandaha-teny, na dia tsy marina aza izany. Izao no navaliny azy ireo: “Na tsy mahay aza aho eo amin’ny fitenenana, dia tsy mba toy izany eo amin’ny fahalalana.” (2 Korintianina 10:10; 11:6) Niaiky i Paoly fa nisy zavatra tsy hainy. Fantany koa anefa fa nisy zavatra tena hainy.
Ary ianao? Inona no zavatra tena hainao? Raha tsy hitanao izany, dia manontania olon-dehibe tia anao. Afaka manampy anao izy, mba hahitanao ny talentanao sy hampiasanao izany araka izay vitanao.
● Fahatelo: Ataovy izay hahatonga anao ho zatra mianatra. Tsy misy ankizy mahay ho azy. Tsy maintsy mianatra ianao, na tianao na tsy tianao. Mahasosotra anao angamba na ny mandre an’ilay teny hoe “mianatra” aza. Mahasoa anefa ny mianatra. Miezaha kely fotsiny, dia hanjary hahafinaritra anao izany.
Mila mandamina ny fotoananao anefa ianao, raha te ho zatra mianatra. Tadidio fa ny fianarana no tokony ho zava-dehibe aminao, raha mbola mpianatra ianao. Marina fa milaza ny Baiboly hoe “misy fotoana ihomehezana” ary “misy fotoana itsinjahana.” (Mpitoriteny 3:1, 4; 11:9) Mba te hiala voly toy ny ankizy hafa angamba ianao indraindray.a Hoy anefa ny Mpitoriteny 11:4: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” Inona no dikan’izany? Fianarana aloha vao fialam-boly. Aza matahotra fa hahita fotoana hialana voly foana ianao!
Be devoara loatra ve ianao?
Ahoana raha be devoara loatra ianao? Hoy i Sandrine, 17 taona: “Adiny roa na adiny telo be izao aho no manao devoara isan-kariva. Tsy lazaina intsony ny faran’ny herinandro.” Inona no azonao atao, raha toy izany koa ny aminao? Andramo ireo soso-kevitra eo amin’ny pejy 119.
Miezaha mafy
Hoy i Paoly tamin’i Timoty, rehefa nanoro hevitra azy hanao fandrosoana eo amin’ny fianarana Baiboly: “Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15) Raha miezaka mafy mianatra koa ianao, dia ho hitan’ny olona ny fandrosoanao.
Eritrereto indray ilay fanoharana erỳ aloha. Raha te ho tafavoaka avy ao anaty ala mikitroka ianao, dia fitaovana tena mety, toy ny antsibe, no ilainao. Toy izany koa ny amin’ny fianarana. Aza kivy àry amin’ny zavatra takin’ny ray aman-dreninao sy ny mpampianatra anao. Ampiharo kosa ireo soso-kevitra telo ato amin’ity toko ity. Ho tsara kokoa ny naotinao, ka ho faly ianao!
JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 18, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY
Efa be dia be ny olana mahazo anao any am-pianarana, nefa mbola misy mampijaly koa ianao. Inona no azonao atao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Fizarana 8, raha mila fanazavana fanampiny momba ny fialam-boly.
ANDININ-TENY
“Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.”—Mpitoriteny 11:4.
SOSO-KEVITRA
Rehefa mianatra lesona ianao, dia jereo amin’ny ankapobeny aloha ilay izy. Faharoa, mamoròna fanontaniana mifandray amin’ny lohatenikely tsirairay. Fahatelo, vakio ilay lesona, ary tadiavo ny valin’ireo fanontaniana. Farany, jereo raha tadidinao izay nianaranao.
FANTATRAO VE... ?
Raha mifraody ianao, dia tsy hatokisan’olona intsony sady tsy hahay na inona na inona. Ho tezitra aminao koa Andriamanitra, ary izany no ratsy indrindra.—Ohabolana 11:1.
ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!
Amin’ny fanadinanay manaraka, dia hiezaka aho mba ho ․․․․․ ny naotiko, amin’ity taranja ity: ․․․․․
Izao no hataoko mba ho tsara kokoa ny naotiko amin’io taranja io: ․․․․․
Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․
AHOANA NY HEVITRAO?
● Nahoana ianao no tokony hazoto hianatra?
● Isaky ny inona no mety aminao ny mianatra lesona na manao devoara?
● Aiza no toerana ao an-tranonareo hitanao hoe mety indrindra, mba hanaovana devoara sy hianarana?
● Inona no azonao atao, mba tsy ho variana amin’ny fialam-boly ianao, ka hiharatsy ny naotinao?
[Teny notsongaina, pejy 117]
Izao no zavatra hitako amin’ny ankizy mitovy taona amiko: Izay fanaony tamin’izy mbola nianatra ihany no ataony eo amin’ny fianarana Baiboly. Tsy dia tia mianatra samirery, ohatra, izay tsy niezaka ho tia mianatra, tamin’izy mbola tany am-pianarana.’’—Hanitra
[Efajoro/Sary, pejy 119]
Mitadiava toerana ianarana. Tsy tokony hisy zavatra hanelingelina anao eo amin’ilay izy. Mampiasà latabatra raha misy. Aza mandefa tele.
Izay zava-dehibe aloha no ataovy. Ny fianarana no zava-dehibe. Aza alefa àry ny tele raha tsy vita ny devoara.
Aza mangataka andro. Aoka ianao hanana fotoana atokana hanaovana devoara, ary aza ovaovana izany.
Alamino ny fotoananao. Fantaro izay devoara tokony hataonao voalohany, inona no manaraka, ary toy izany hatrany. Ataovy lisitra ilay izy. Soraty ao koa ny fotoana tianao holanina amin’ny devoara tsirairay. Asio marika izay vita.
Mijanòna kely tsindraindray. Makà aina kely, raha tsy mahavita mifantoka intsony ianao. Aza atao lava loatra anefa izany.
Aza mieritreritra hoe tsy hahay mihitsy ianao. Tadidio fa tsy ny mpianatra kinga saina foana no mahazo naoty tsara, fa ny mpianatra mazoto koa. Afaka ny ho mpianatra mahay àry ianao. Miezaha mafy, dia hahazo vokatra tsara ianao!
[Sary, pejy 116]
Mila mampiasa fitaovana tena mety ianao, raha te ho tafavoaka avy ao anaty ala mikitroka. Mila mampihatra soso-kevitra tena mahomby koa ianao, raha te hamita tsara ny fianaranao