LESONA 52
Fananarana Mandaitra
TSY maintsy ‘mahay mananatra amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema’ ny anti-panahy kristianina. (Tit. 1:9) Tsy maintsy manao izany ao anatin’ny tarehin-javatra tena sarotra izy ireo, indraindray. Zava-dehibe ny hanomezana torohevitra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina. Koa tsy maintsy arahin’ny anti-panahy àry, ilay torohevitra hoe: “Tandremo . . . ny fananarana.” (1 Tim. 4:13) Ny anti-panahy sy ireo miezaka ho tonga anti-panahy no tena resahina eto; nefa misy koa fotoana tsy maintsy ananaran’ny ray aman-dreny ny zanany, na tsy maintsy ananaran’ny mpitory ireo ampianariny Baiboly. Mihatra amin’izany koa àry ireto toro lalana ireto.
Toe-javatra ilana fananarana. Ilaina ny mandinika ireo ohatra ao amin’ny Baiboly, mba hamantarana hoe rahoviana no ilaina ny manome fananarana. Nananatra ny anti-panahy mba hiantsoroka tsara ny andraikiny ho mpiandry ny ondrin’Andriamanitra, ny apostoly Petera. (1 Pet. 5:1, 2) Notoroan’i Paoly hevitra i Titosy mba hananatra ny tovolahy mba “hahonon-tena.” (Titosy 2:6) Nananatra ny Kristianina namany koa i Paoly mba “hiray teny” sy tsy hiaraka amin’ireo mitady hahatonga fisaratsarahana eo amin’ireo rahalahy. (1 Kor. 1:10; Rom. 16:17; Fil. 4:2) Noderain’i Paoly ny sasany tamin’ireo anisan’ny fiangonan’i Tesalonika noho ny zavatra tsara nataon’izy ireo, kanefa nanariny koa izy ireo mba hampihatra bebe kokoa ny fampianarana azony. (1 Tes. 4:1, 10) Niangavy mafy ny Kristianina namany mba ‘hifady ny filan’ny nofo’ i Petera. (1 Pet. 2:11) Nananatra ny namany i Joda mba ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’, noho ny fitaoman’ny ratsy fanahy izay nanaram-po tamin’ny fitondran-tena maloto. (Joda 3, 4) Nasaina nifananatra koa ny Kristianina tamin’ny ankapobeny mba tsy hisy ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota. (Heb. 3:13) Nanarin’i Petera toy izao ireo Jiosy mbola tsy nino an’i Kristy: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.”—Asa. 2:40.
Toetra tsara inona avy no ilaina, mba hanomezana fananarana amin’ny toe-javatra toy ireo? Inona no hanampy an’ilay mananatra, hiangavy ny olona hanao zavatra maika, nefa tsy hanery azy na ho masiaka aminy?
“Noho ny fitiavana.” Mety ho henjana ny fananarantsika raha tsy “noho ny fitiavana” no anomezantsika azy. (Filem. 9) Marina fa rehefa ilaina ny manao zavatra maika, dia tokony haneho izany ny fomba fitenin’ilay mpandahateny. Mety ho toa miala tsiny ny olona miteny malefaka. Etsy an-danin’izany anefa, dia tokony ho feno fahatsoram-po sy hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ilay mananatra. Azo inoana kokoa fa hanosika ny mpihaino hanao zavatra ny fiangaviana azy amim-pitiavana. Hoy i Paoly tamin’ny Tesalonianina, momba ny tenany sy ireo namany: “Fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka no ... nananaranay mafy anareo.” (1 Tes. 2:11) Niangavy ny rahalahiny tamim-pitiavana ireny mpiandraikitra kristianina ireny. Aoka koa ny teninao ho vokatry ny fiahianao amim-pahatsorana ny mpihaino anao.
Mahaiza mandanjalanja. Aza mampahatezitra ny olona tianao hampirisihina hanao zavatra. Aza misalasala koa anefa hilaza aminy “ny saina rehetra natolotr’Andriamanitra.” (Asa. 20:27) Tsy ho tafintohina, na hanjary tsy ho tia anao intsony ireo mahay mankasitraka, raha nampirisika azy tamin-katsaram-panahy hanao izay tsara ianao.—Sal. 141:5.
Tsara kokoa matetika ny manao teny fiderana amim-pahatsorana aloha, vao manome fananarana. Eritrereto ireo zavatra tsara tena mampifaly an’i Jehovah, izay ataon’ny rahalahinao: ny finoana hita eo amin’ny asany, ny fitiavana manosika azy hikely aina, ary ny fiaretany ao anatin’ny fotoan-tsarotra. (1 Tes. 1:2-8; 2 Tes. 1:3-5) Hanjary ho tsapan’ireo rahalahinao amin’izay fa ankasitrahanao izy, ary takatrao ny mahazo azy. Ho vonona kokoa ny sainy hanaiky ilay fiangaviana holazainao.
‘Amin’ny fahari-po rehetra.’ Tokony hatao ‘amin’ny fahari-po rehetra’ ny fananarana. (2 Tim. 4:2) Inona no dikan’izany? Mahari-po ny olona mahay miaritra sy mihafy rehefa asian-dratsy na ilana ady. Manantena foana ny olona mahari-po fa mbola hampihatra izay lazainy ny mpihaino azy. Raha toe-tsaina toy izany no entinao mananatra ny mpihaino, dia tsy hieritreritra izy ireo hoe mihevitra azy ho faran’izay ratsy ianao. Hanosika azy ireo hanao izay tsara ny fatokisanao fa maniry hanompo an’i Jehovah araka izay fara heriny ny rahalahinao sy anabavinao.—Heb. 6:9.
‘Amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema.’ Ahoana no hahaizan’ny anti-panahy ‘hananatra amin’ny alalan’ny fampianarana tsy misy kilema’? Afaka manao izany izy raha “mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina.” (Tit. 1:9) Aza milaza ny hevitrao manokana, fa aoka ny Tenin’Andriamanitra no hampanan-kery ny fiangavianao. Aoka ny Baiboly hampahafantatra anao izay tokony holazainao. Tanisao ireo soa entin’ny fampiharana izay lazain’ny Baiboly momba ilay zavatra resahinao. Tadidio tsara ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, na ankehitriny izany na amin’ny hoavy. Ampiasao izany mba hampiekena ny mpihaino fa ilaina ny manitsy ny fihetsiny.
Hazavao tsara amin’ny mpihaino izay tokony hataony sy ny fomba tokony hanaovany azy. Ataovy hitany tsara fa miorina mafy amin’ny Soratra Masina ny fanazavanao. Raha mamela anao hanao safidy ny Soratra Masina rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy atao, dia farito tsara hoe inona avy no tafiditra amin’izany safidy izany. Asio fiangaviana farany ao amin’ny famaranan-teninao, mba hanamafisana ny fahavononan’ny mpihaino hanao zavatra.
Amin’ny “fahasahiana be.” Ilana “fahasahiana be amin’ny finoana” ny fananarana mandaitra. (1 Tim. 3:13) Ahoana no ahafahan’ny olona iray ho sahy hiteny toy izany? Hahavita izany izy raha toa ny ohatra omeny eo amin’ny “asa tsara” ka mifanaraka amin’izay asainy hataon’ny rahalahiny. (Tit. 2:6, 7; 1 Pet. 5:3) Ho takatr’ireo omena fananarana amin’izay fa tsy asaina hanao zavatra izay tsy ataon’ilay mpananatra akory, izy ireo. Ho hitan’izy ireo fa ho azony tahafina ny finoan’ilay mpananatra, toy ny anahafan’izy io an’i Kristy.—1 Kor. 11:1; Fil. 3:17.
Tena manampy be ny fananarana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra sy omena amim-pitiavana. Tokony hiezaka mafy mba hanao izany tsara ireo manana andraikitra hanome fananarana.—Rom. 12:8.