‘Lavo Ireo Tantara Tsy Marina’
NY Baiboly dia feno filazana fanandraman-javatra sy fitantarana mikasika olona. Tsy vitan’ny hoe mankafy ny famakiana azy ireny isika, fa mandray soa avy amin’izany koa. Nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona kristiana tany Roma ny apostoly Paoly: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” — Romana 15:4.
Ny tenan’i Paoly dia nandray anjara tamin’ny fitantarana fanandraman-javatra. Izao no lazain’ny Baiboly mikasika an’i Paoly sy i Barnabasy tamin’ny fifaranan’ny diany misionera voalohany: “Rehefa tonga tao [Antiokia any Syria] izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy”. (Asan’ny Apostoly 14:27). Tsy isalasalana fa nahazo fampaherezana lehibe tamin’ny fihainoana ireny fanandraman-javatra ireny ireo rahalahy.
Tsy ny fanandraman-javatra rehetra anefa no mampahery. Nampitandrina an’i Timoty toy izao i Paoly, nahazo tsindrimandry: “Ny [tantara tsy marina, NW ] ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo”. (1 Timoty 4:7). Ary nanoratra ho an’i Titosy izy fa ny Kristiana tsy mivadika dia tsy tokony hihaino “ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana”. — Titosy 1:14.
Inona ireo tantara tsy marina, na anganongano ireo? Ireo teny roa ireo dia samy avy amin’ny teny grika hoe myʹthos (“angano”). Milaza ny The International Standard Bible Encyclopaedia fa io teny io dia milazalaza “tantara (ara-pivavahana) iray izay tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy”.
Feno tantara toy izany izao tontolo izao tamin’ny andron’i Paoly. Ohatra iray ny amin’izany ilay boky tsy ara-tsindrimandry hoe Tobit (malagasy: Tobia), azo inoana fa nosoratana maherin’ny roanjato taona talohan’ny andron’i Paoly. Io tantara io dia miresaka ny amin’i Tobit, Jiosy mpivavaka iray, izay nanjary jamba rehefa nisy taim-borona nilatsaka tao anaty masony. Tatỳ aoriana izy dia naniraka an’i Tobias, zanany lahy, mba hitaky trosa. Teny an-dalana, noho ny fitarihan’ny anjely iray, dia nahazo ny fo sy ny aty ary ny aferon’ny trondro iray, i Tobias. Nanaraka izany, izy dia nahita vehivavy mpitondratena iray izay, na dia efa nanambady impito aza, dia nitoetra ho virjiny satria novonoin’ny fanahy ratsy ny vadiny tsirairay, tamin’ny alin’ny fampakarana. Noho ny fanosehan’ilay anjely, dia nanambady ilay vehivavy i Tobias ary nandroaka ilay demonia tamin’ny fandoroana ny fo sy ny atin’ilay trondro. Tamin’ny aferon’ilay trondro no nampahiratan’i Tobias indray ny mason-drainy, tatỳ aoriana.
Mazava tsara fa tsy marina io tantara io. Ankoatra ny maha-namboamboarin’ny saina azy sy ny fampirisihany ho amin’ny finoanoam-poana, dia mirakitra fahadisoana koa izy io. Milaza, ohatra, ilay fitantarana fa i Tobit dia nanatri-maso ny fikomian’ireo foko tavaratry ny Isiraelita sy ny fanaovana sesitany azy ireo tany Ninive, dia fisehoan-javatra teo amin’ny tantaran’ny Isiraely izay nisy 257 taona nampisaraka azy. Kanefa dia lazain’ilay tantara fa i Tobit dia 112 taona tamin’ny fotoana nahafatesany. — Tobit 1:4, 11; 14:1, La Bible de Jérusalem.
Ny anganongano toy izany dia tsy anisan’ny “mariky ny teny mahasoa” marina izay ambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky. (2 Timoty 1:13, NW ). Izy ireny dia vokatry ny zavatra noforomporonin’ny saina, mifanohitra amin’ny zava-misy ara-tantara, dia ilay karazan-javatra tantarain’ny vavy antitra tsy tia an’Andriamanitra. Ireny no tantara tokony holavin’ny Kristiana.
Famantarana ireo tenin’ny fahamarinana
Misy betsaka ny tantara mitovy amin’izany amin’izao andro izao. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana [mahasoa, NW ]; fa (...) hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano [“tantara tsy marina”, NW ].” (2 Timoty 4:3, 4). Any amin’ny faritra sasany amin’ny tany, ireo tantara momba ny zava-mahagaga dia miely patrana sy be mpitia. Ny Kristiana àry dia “mamantatra [amim-pahendrena ireo] teny” momba ireo tantara ara-pivavahana, mba hahitana raha mifanaraka amin’ny Baiboly izy ireny. — Joba 12:11.
Mazava fa maro aminy no tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao, ohatra, dia fandre ireo tantara izay manohana ilay fiheverana hoe tsy mety maty ny fanahy (âme) olombelona. Ireny tantara ireny dia milazalaza ny nahafatesan’ny olona iray mba hipoirany indray, na ao amin’ny vatan-jazakely vao teraka iray izany, na ho fanahy iray, na ho biby iray, na ho olon-kafa iray any an-toeran-kafa.
Asehon’ny Tenin’Andriamanitra anefa fa tsy izany tsy mety maty izany ny fanahy olombelona; maty ny fanahy. (Ezekiela 18:4). Ambonin’izany dia lazain’ny Baiboly fa ny maty dia tsy misy aina ao am-pasana, tsy afaka misaina, na miteny, na manao na inona na inona. (Mpitoriteny 9:5, 10; Romana 6:23). Araka izany, ireo izay voafitaky ny tantara tsy marina izay mampandroso ilay fiheverana hoe tsy mety maty ny fanahy dia ‘mivily miala’ amin’ny “fampianarana mahasoa” ao amin’ny Baiboly, araka ny voalazan’i Paoly.
Tantara ny amin’ny zava-mahagaga
Misy tantara hafa mifantoka amin’ireo zava-bitan’ny mpamosavy sy ny mpanao sikidy. Any amin’ny faritra sasany atsy Afrika, ohatra, ireny mpanao ny asan’ny maizina ireny dia lazaina fa manana hery mahatahotra, afaka manova ny tenany na ny hafa ho biby mandady sy ho rajako ary ho vorona; afaka manidina eny amin’ny rivotra mba hamitana iraka; afaka miseho sy manjavona; afaka mandalo mamakivaky rindrina; ary afaka mahita zavatra milevina any ambanin’ny tany.
Ny habetsahan’ny tantara toy izany tsy toko tsy forohana, miaraka amin’ny finoana azy ireny miely patrana, dia mety hahatonga fitaomana koa eo amin’ny sasany ao amin’ny kongregasiona kristiana hino azy ireny ho marina. Mety hanjohy hevitra izy ireo hoe na dia tsy afaka manao zavatra toy izany aza ny olombelona tsotra, dia afaka manao izany ireo izay mahazo hery mihoatra noho ny an’ny olombelona avy amin’ireo zavaboary ara-panahy, ireo demonia. Toa fototra iorenan’izany fanatsoahan-kevitra izany ny 2 Tesaloniana 2:9, 10, izay milaza hoe: “Ny fihavin’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.”
Na dia marina aza fa asehon’io andinin-teny io hoe i Satana dia afaka manao asa amin-kery, dia lazainy fa i Satana koa dia mpanao ‘famantarana sy fahagagana mandainga’, ary koa “famitahana momba ny tsi-fahamarinana”. Amin’ny fomba tsy miovaova, dia asehon’ny Baiboly fa i Satana no ilay Lehiben’ny mpamitaka rehetra izay “mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Izy dia manam-pahaizana amin’ny fanaovana izay hinoan’ny olona zavatra tsy marina.
Noho izany, na dia ny fanambarana sy ny fiekena ataon’ireo izay tafiditra tamin’ny spiritisma sy ny famosaviana aza matetika dia tsy azo itokiana velively. Ny olona toy izany dia mety hino amim-pahatsorana fa nahita na nandre na nandalo zavatra sasany; kanefa, raha ny marina dia tsy nanao izany izy ireo. Eo, ohatra, ireo izay mihevitra fa nifampiresaka tamin’ireo fanahin’olona maty. Diso anefa izy ireo, voafitaka, voan’ny fisolokian’i Satana. Milaza ny Baiboly fa ny maty dia “midina any amin’ny mangingina”. — Salamo 115:17.
Noho ny tantaran’ny famitahana nataon’ny Devoly, dia tokony hampisalasala ny fahamarinan’ireo tantara mahagaga. Ny ankamaroany dia zavatra noforomporonin’ny saina minomino foana, nitarin’ireo fitantarana miverimberina tsy an-kijanona.
Ny famerenana mitantara anganongano toy izany dia mampandroso ny tombontsoan’ilay rain’ny lainga, dia i Satana Devoly. (Jaona 8:44). Izy ireny dia manaitra ny fahalianana ho amin’ireo fanao amin’ny asan’ny maizina izay fahavetavetana eo imason’i Jehovah. (Deoteronomia 18:10-12). Mamandrika ny olona ao anatin’ny famatopatoran’ny tahotra sy ny finoanoam-poana izy ireny. Tsy mahagaga raha nanoro hevitra ny Kristiana i Paoly mba “tsy (...) hihaino tantara tsy marina”. — 1 Timoty 1:3, 4, NW.
Fandavana ny fanambaran’ny demonia
Ahoana anefa ny amin’ireo tantara izay toa marina? Indraindray ireo filazana fanandraman-javatra dia manao tatitra ny amin’ireo fanahy na ireo mpamoha angatra izay nanaiky ny fahambonian’i Jehovah sy ny fahamarinan’ireo Vavolombelony. Tokony hamerina hitantara zavatra toy izany ve ny Kristiana?
Tsia, tsy tokony hanao izany izy ireo. Milaza ny Baiboly fa rehefa nisy fanahy maloto niantsoantso hoe i Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, dia “nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy”. (Marka 3:12). Toy izany koa fa, rehefa nisy demonia mpanambara ny hoavy nanesika ankizivavy iray hampahafantatra an’i Paoly sy i Silasy ho “mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra” sy ho mpitory ny “làlam-pamonjena”, dia namoaka ilay fanahy tao aminy i Paoly. (Asan’ny Apostoly 16:16-18). Na i Jesosy, na i Paoly, na izay mety ho mpanoratra ny Baiboly, dia samy tsy namela ireo demonia hitsangana ho vavolombelona ny amin’ny fikasan’Andriamanitra na ny amin’ireo mpanompo voafidiny.
Tsara homarihina koa fa i Jesosy Kristy dia niaina tany amin’ny faritra ara-panahy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nahafantatra an’i Satana manokana izy. Kanefa dia tsy nampifalifaly ny mpianany tamina tantara mikasika ireo asan’i Satana izy, na nanome tsipiriany ny amin’izay azon’ny Devoly atao na ny tsy azony atao. Tsy sakaizan’i Jesosy i Satana sy ny demoniany. Izy ireo dia voaroaka, mpikomy, mpankahala izay masina, sy fahavalon’Andriamanitra.
Milaza amintsika izay ilaintsika hofantarina ny Baiboly. Hazavainy hoe iza ireo demonia sy ny fomba famitahany ny olona ary ny fomba azontsika analavirana azy ireo. Asehony fa mahery kokoa noho ireo demonia i Jehovah sy i Jesosy. Ary ampianarin’ny Baiboly antsika fa raha manompo an’i Jehovah tsy mivadika isika, dia tsy afaka manisy ratsy antsika amin’ny fomba maharitra ireo fanahy ratsy. — Jakoba 4:7.
Misy antony tsara àry tokony handavan’ny Kristiana ireo tantara tsy marina, dia tantara izay tsy manao afa-tsy ny mampandroso ny tombontsoan’ireo izay manohitra an’Andriamanitra. Sahala amin’i Jesosy ‘nanambara ny marina’, dia toy izany koa no ataon’ireo mpanara-dia azy amin’izao andro izao. (Jaona 18:37). Amim-pahendrena, dia arahin’izy ireo ilay fananaran’ny Baiboly hoe: “Na inona na inona marina (...) dia hevero izany.” — Filipiana 4:8.
[Sary, pejy 31]
Izay rehetra fisehoan’ny asan’ny maizina dia tsy maintsy halavirin’ny tena Kristiana amin’ny fomba hentitra