Aoka isika hianatra ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra
“Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.” — 1 PETERA 2:21.
1. Inona no fikasan’Andriamanitra mikasika ‘ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
TSY ZAVA-MIAFINA intsony “ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra” (1 Timoty 3:16, MN ). Endrey izany tsy fitoviany amin’ireo zava-miafina ao amin’ny fivavahan-diso, toy ny zava-miafin’ny Trinite izay mijanona ho zava-miafina! Tsy misy olona afaka mahatakatra izany. Mifanohitra amin’izany, fa nataon’i Jehovah izay hahatonga ny zava-miafina masina haharihary tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy ho faran’izay fanta-bahoaka. Tonga ohatra niavaka ny tenan’i Jesosy mihitsy tamin’ny naha-mpitory be zotom-po ny Fanjakan’Andriamanitra azy. Afaka mianatra zavatra maro avy amin’ny hafatra nentiny sy ny fomba fitoriny isika, araka izay ho hitantsika izao.
2. Nahoana no napetraka alohan’ny avotra ny fanompoan’i Jesosy (Matio 20:28)?
2 Aoka isika izao handinika bebe kokoa ny amin’i Jesosy izay “naseho teo amin’ny nofo”. (1 Timoty 3:16.) Ao amin’ny Matio 20:28, dia vakintsika fa i Jesosy dia “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Izany dia mametraka ny fanompoany alohan’ny avotra mihitsy. Nahoana no toy izany no izy? Satria, taloha tany Edena, dia nolavin’ilay Menarana fetsy ny fahamarinan’ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’ny olombelona, ka nampangainy tamin’izany fa nisy tsininy ny zavaboarin’Andriamanitra ary tsy misy olona mitoetra tsy mivadika amin’ny Avo Indrindra rehefa mandalo fitsapana (Jereo Joba 1:6-12; 2:1-10.) Ny fanompoana tsy nisy tsininy nataon’i Jesosy tamin’ny naha-lehilahy tanteraka sy “Adama farany” azy, dia nampiseho fa mpandainga ratsy fanahy i Satana ilay mpihantsy (1 Korintiana 15:45). Ankoatra izany, dia noporofoin’i Jesosy tamin’ny fomba feno fa izy dia mendrika hanompo amin’ny maha-“Fiasana lehibe sy Mpamonjy” eo an-tanan’Andriamanitra ka ‘hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana’ mba hanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah. — Asan’ny apostoly 5:31, MN; 17:31.
3. Ahoana no nanoheran’i Jesosy tanteraka ny fihaikan’i Satana?
3 Notoherin’i Jesosy tanteraka ny fiampangana feno fitenenan-dratsy nataon’i Satana! Teo amin’ny tantara manontolo, dia tsy nisy lehilahy nanompo an’Andriamanitra tamim-pifikirana aminy toy izany teto an-tany, na dia teo aza ny fanarabiana, ny fikapohana ary fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina. Voatery niaritra fanalam-baraka sy fitenenan-dratsy i Kristy tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra azy. Tao anatin’izany rehetra izany, na dia teo anoloan’ny fahafatesana tsy nifaditrovana sy feno fanalam-baraka aza, dia tsy voahozongozona izy, tsy niova tamin’ny tsy fivadihany tamin’ny Rainy. Ao amin’ny Filipiana 2:8, 9, dia nanoratra i Paoly fa, satria Jesosy nankatò ‘hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana, dia izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy anarana izay ambony noho ny anarana rehetra’. Nasehon’i Jesosy fa mpandainga feno poizina i Satana!
4. Nahoana no afaka nilaza tamin’i Pilato i Jesosy fa tonga teto amin’izao tontolo izao izy mba hanambara ny marina?
4 Araka izany, taona vitsivitsy monja taorian’ny fitoriana mafy, dia afaka nilaza tamim-pahasahiana toy izao tamin’i Pontio Pilato i Jesosy: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (Jaona 18:37). Nampiseho fifikirana tamin’Andriamanitra tsy nanam-paharoa i Jesosy tamin’ny fanambarana ny fahamarinan’ny Fanjakan’Andriamanitra nanerana an’i Palestina. Nampiofaniny ny mpianany mba ho tonga mpitory be zotom-po koa. Mampirisika antsika hanaraka ny diany tokoa ankehitriny ny ohatra navelany!
Mianatra avy amin’ilay Môdelintsika
5. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny fibanjinana an’i Jesosy?
5 Amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra asehontsika eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, isika koa dia afaka manaporofo fa mpandainga ny Devoly. Na toy inona na toy inona fahoriana zakaintsika, dia tsy hisy hitovy amin’ny fangirifiriana sy ny fahafaham-baraka hitan’i Jesosy mihitsy. Aoka àry isika hianatra avy amin’ilay Môdelintsika. Araka ny ampirisihan’ny Hebreo 12:1, 2 antsika, dia afaka manao ny hazakazaka amim-piaretana isika raha “mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” Mifanohitra amin’i Adama izay tsy nahomby tamin’ny fitsapana ny fifikirany tamin’Andriamanitra, dia Jesosy no hany lehilahy teto an-tany naharesy tanteraka ny fitsapana rehetra. Noporofoiny hatramin’ny fahafatesana fa izy dia “masina [tsy nivadika, MN ], tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota.” (Hebreo 7:26.) Noho ny tsy fivadihana tanteraka nasehony no nahafahany niteny tamin’ireo fahavalony hoe: “Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota?” Novalian’i Jesosy ny fihaikan’i Satana tamin’ny fitenenana hoe: “Ny andrianan’izao tontolo izao (...) tsy manana na inona na inona ato amiko.” Ary, teo am-pamaranana ny lahateny farany nataony ho an’ny mpianany talohan’ny namadihana sy nisamborana azy, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — Jaona 8:46; 14:30; 16:33.
6. a) Nahoana no fantatr’i Jesosy ny karazana famelombelomana ilain’ny olombelona? b) Hatraiza no nanehoan’i Jesosy tahotra an’Andriamanitra?
6 Fony izy tao amin’ny nofo, teto an-tany, dia nandraman’i Jesosy izany atao hoe tonga olombelona, “natao ambany kely noho ny anjely” izany (Hebreo 2:7). Nanjary nahafantatra ny fahalemen’olombelona izy ka noho izany dia ampy fahaizana tsara mba hanompo amin’ny maha-Mpanjaka sy Mpitsara ny olombelona mandritra ny arivo taona. Io Zanak’Andriamanitra io izay niteny hoe: “Mankanesa atỳ amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”, dia mahafantatra ny karazana fitsaharana izay ilain’ny olombelona (Matio 11:28). Milaza amintsika ny Hebreo 5:7-9 hoe: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka [raha ny amin’ny fankatoavana] Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.” Tsy nihontsina mihitsy i Jesosy, na dia tsy maintsy niaritra hatramin’ny fanandramana ny fanindron’ny fahafatesan’olombelona aza izy, rehefa ‘nanorotoro ny ombelahin-tongony’ ilay Menarana feno fankahalana (Genesisy 3:15). Sahala amin’i Jesosy, dia enga anie isika haneho tahotra an’Andriamanitra mandrakariva hatramin’ny fahafatesana raha ilaina izany, ary hatoky fa hihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah Andriamanitra, ary hanome antsika ny famonjena.
‘Velona ho amin’ny fahamarinana’
7. Araka ny 1 Petera 2:21-24, ohatra inona no navelan’i Kristy ho antsika, ary amin’ny ahoana ny fitondrantenany no tokony hanan-kery eo amintsika?
7 Raha mbola naseho tamin’ny nofo i Jesosy, dia nanala sarona tamim-pahatokiana ny zava-miafina masina ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny 1 Petera 2:21-24: “Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany; ‘Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany’; raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina; ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana.” Raha misaintsaina ny amin’ny fitondrantenan’i Jesosy isika dia hahazo fampaherezana mba hamboly fifikirana amin’Andriamanitra hatrany sy tsy hivadika hatrany ary hiaina ho amin’ny fahamarinana toy ny nataony.
8. Ahoana no ahafahantsika mivelona amin’ny fahamarinana sahala amin’ny nataon’i Jesosy?
8 Velona tamin’ny fahamarinana marina tokoa i Jesosy. Naminany ny aminy toy izao ny Salamo 45:7: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” Niteny toy izao ao amin’ny Hebreo 1:9 ny apostoly Paoly rehefa nampihatra ireo teny ireo tamin’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” Mifanaraka amin’ny fahatakarantsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra, dia enga anie isika ho tia mandrakariva ny fahamarinana ary hankahala izay ratsy sahala amin’i Jesosy. Eo amin’ny lafiny ara-pitondrantena kristiana izay tafihin’izao tontolo izaon’i Satana amin-kalozana, ary eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo izay ao anatiny sy any ivelan’ny fandaminan’i Jehovah, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny ho velona amin’ny fahamarinana ka hanandratra avo ny fotopoto-pitsipik’i Jehovah marina. Ary aoka isika hankafỳ mandrakariva ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana ny fahiratan-tsaina avy amin’Andriamanitra izay ilaina aoka izany amin’ny fanoherana ny Devoly sy ny tetika ampiasainy.
9. Inona koa no nanosika an’i Jesosy ho be zotom-po tamin’ny fanompoana, ary nitaky fanaovana inona mikasika ny mpiandry sandoka ara-pivavahana izany?
9 Nisy zavatra fanampiny nanosika an’i Jesosy ho be zotom-po tamin’ny fanompoany. Inona izany? Izao no vakintsika ao amin’ny Matio 9:36: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Noho izany dia “nampianatra azy zavatra maro” i Jesosy. (Marka 6:34.) Noho ny antony tsy azo navela, izany dia nitarika tamin’ny fampiharihariana ny haratsiam-panahy sy ny tsy fankatoavan-dalàna nasehon’ireo mpiandry sandoka ara-pivavahana. Araka ny Matio 15:7-9, dia hoy i Jesosy tamin’ny sasany taminy: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy’ ”.
Zava-miafina mampahonena
10. Ankehitriny, manondro an’iza moa “ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna”, ary meloka ny amin’inona izy ireo?
10 Sahala amin’i Jesosy izay niteny nivantana nanohitra ireo mpitarika ao amin’ny fivavahan-diso, isika koa dia malahelo mafy ny amin’ny fisian’ny zava-miafina mifanohitra tanteraka amin’ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:7, izany dia antsoin’i Paoly hoe “zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna”. Zava-miafina izany tamin’ny taonjato voalohany, satria tsy naharihary izany raha tsy ela be taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly. Ankehitriny izany dia manondro ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izay liana kokoa amin’ny politika noho ny amin’ny fanambarana ny vaovao tsara momba ny Fanjakana marin’Andriamanitra. Manjaka eo amin’ny laharan’izy ireo ny fihatsarambelatsihy. Ohatra mahatafintohina ny amin’izany ireo mpitoriteny ao amin’ny fahitalavitra avy amin’ireo antokom-pivavahana protestanta: mpamitaka izay manambaka ny mpiangona ao aminy, manorina fanjakan’ny mpanefohefo, miara-miasa amina mpivaro-tena, manao ranomaso manentin-keloka rehefa tratra amin’ny ratsy ataony, ary manohy mangata-bola, vola bebe kokoa hatrany. Manana endrika maharikoriko toy izany koa ny Vatican amin’ireo fifandraisany ara-politika isehoany ho maty eritreritra, ireo fisehosehoany mirenty tafahoatra ary ireo fanaony tsy marina eo amin’ny raharahan’ny banky.
11. Inona no hanjo ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy Babylona Lehibe manontolo?
11 Tsy mahagaga raha tondroina ho “ilay lehilahin’ota” ny kilasin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. (2 Tesaloniana 2:3.) Haharihary sy horavana tanteraka io tapany mahery indrindra amin’ilay vehivavy janga, Babylona Lehibe io, mbamin’ny tapany sisa rehetra amin’ny fivavahan-diso. Araka izay vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 18:9-17, dia hitomany amin’izany ireo mpanao politika sy ireo mpivarotra (mbamin’ireo mpitana ny bankiny) ka hanao hoe: “Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe!” Ho nampitanjahina Babylona Lehibe sy ireo zava-miafiny, mifanohitra tanteraka amin’izay mampamirapiratra ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra.
12. Nitarika an’i Jesosy hanao inona ny fitiavany ny fahamarinana?
12 Ny fitiavan’i Jesosy ny fahamarinana sy ny fankahalany ny tsy fankatoavan-dalàna no nitarika azy hiady mafy ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. Tamin’ny fitsidihana voalohany nataony tany Jerosalema tamin’ny naha-Zanak’Andriamanitra voahosotra azy, dia noroahin’i Kristy tany ivelan’ny tempoly ireo mpivarotra sy ireo mpanakalo vola tamin’ny filazana hoe: “Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.” (Jaona 2:13-17). Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo Jiosy nanohitra azy, tamin’ny fitsidihany ny tempoly tatỳ aoriana kokoa: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Herim-po toy inona moa no nasehon’i Jesosy tamin’ny fitenenana teo imason’ireo mirehidrehi-poana amin’ny fivavahana ireo fa mpandainga izy ireo sady zanaky ny Devoly!
13. a) Aiza indrindra moa no isehoan’ny fankahalan’i Jesosy ny tsy fankatoavan-dalàna? b) Nahoana no mendrika fanamelohana mitovy amin’izay notononin’i Jesosy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ny klerjy tsy mpankatò lalàna?
13 Tsy nisy toeran-kafa nanehoan’i Jesosy tsara kokoa ny fankahalany ny tsy fankatoavan-dalàna toy ilay fiampangana nanindrona nataony tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nantsoiny hoe bibilava ao amin’ny Matio toko faha-23. Impito izy ao no nilaza hoe “lozanareo”, ary nampitaha azy ireo tamin’ny “fasana voalalotra fotsy” feno ‘fahalotoana rehetra, fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna’. Naniry mafy ny hanafaka ireo nijaly noho izany tsy fankatoavan-dalàna izany i Jesosy. “Ry Jerosalema, ry Jerosalema”, hoy ny fihiakany, “impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety hianareo! Indro avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Andininy faha-37, 38). Mendrika fanamelohana mitovy amin’izany ny klerjy tsy mankatò lalàna amin’izao androntsika izao, satria araka ny teny ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:12, dia “tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina” izy. Mifanohitra tanteraka amin’ny tsy fankatoavan’izy ireo lalàna ny fifikirana tamin’Andriamanitra nasehon’i Jesosy tamim-pahatokiana fony izy teto an-tany.
Aoka hambarantsika ny didim-pitsaran’Andriamanitra
14. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fankasitrahantsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
14 Tokony hitarika antsika hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy ny fankasitrahantsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra. Tokony ho be zotom-po sahala aminy isika amin’ny fanambarana izay nolazalazain’Isaia 61:2 ho “taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika”. Ary enga anie isika hanao amin-jotom-po ny anjarantsika mba “hampionona ny malahelo rehetra”. Sahala amin’ny fony Jesosy teto an-tany, dia mila herim-po isika amin’izao fotoana izao mba hanambarana ny didim-pitsaran’Andriamanitra, anisan’izany ny hafatra mafonja izay vantambantanin’ny lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay boky La Révélation: le grand dénouement est proche!. Tokony hitory amim-pahasahiana sy amim-pahaiza-mandanjalanja isika, hanana fitenenana “mamy sira” mba hisy tsirony ho an’ireo liana ny fahamarinana (Kolosiana 4:6). Rehefa avy nianatra avy amin’ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra isika, dia enga anie ho afaka hilaza ara-potoana fa vitantsika ny asa nampanaovin’i Jehovah antsika. — Matio 24:14; Jaona 17:4.
15. Toy ny amin’ny zava-miafina masin’Andriamanitra, inona no nitranga hatramin’ny 1914?
15 Ohatra mendrika hoderaina toy inona moa i Jesosy fony izy naseho teo amin’ny nofo! Tsy isalasalana fa tanteraka tao aminy ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra! Tamin’ny fahasahiana toy inona no nankalazany ny anaran’i Jehovah! Ary nahatalanjona tokoa ny fomba namalian’ny Rain’i Jesosy soa azy noho ny tsy fivadihany hatrany! Mbola misy zavatra hafa anefa ny amin’ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Hatramin’ny 1914 isika dia miaina ao amin’ny “Andron’ny Tompo”. (Apokalypsy 1:10.) Araka ny voalaza mazava ao amin’ny Apokalypsy 10:7, izany dia fotoana ‘hahatanteraka ny zava-miafina izay an’Andriamanitra araka ny teny soa mahafaly’. Hoy ny fanambaran’ny feo avy any an-danitra izao: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay, mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15). Napetrak’i Jehovah teo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra ny Mpanjaka mesianika, dia Jesosy Kristy, mba hiara-manjaka aminy!
16. Ahoana no nanehoan’ilay Mpanjaka vao nandray fiandrianana, Jesosy Kristy, haingana fa mihevitra ny hisian’ny fifikirana amin’Andriamanitra any an-danitra izy?
16 Amin’ny maha-mpiara-manjaka amin’Andriamanitra azy ao amin’ilay Fanjakana vao teraka, i Jesosy dia antsoina koa hoe Mikaela (izay ny dikany dia hoe “Iza no sahala amin’Andriamanitra?”). Tsy hisy mihitsy mpikomy afaka ho tonga sahala amin’Andriamanitra, ary nampiharihary izany ilay Mpanjaka vao nahazo fiandrianana, tamin’ny fanjerana ho etỳ an-tany ilay Menarana tany am-boalohany, dia Satana sy ny anjeliny. (Apokalypsy 12:7-9). Eny, miahy ny hisian’ny fifikirana amin’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy, toy ny nanehoany izany fony izy teto an-tany. Tsy hanam-pitsaharana mihitsy i Jesosy Kristy nomem-boninahitra raha tsy avy nampanjavona ny fivavahan-diso sy nanafoana tanteraka ny fandaminan’i Satana hita maso sy tsy hita maso.
17. Hatramin’ny 1914, inona no nitranga ho fahatanterahan’ny Matio 25:31-33?
17 Hatramin’ny 1914, ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:31-33, dia nanazava tamin’ny fomba mamirapiratra ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Eo, i Jesosy dia manambara hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” Avy eo amin’ny toeram-pamaharany any an-danitra, io Mpanjaka be voninahitra sy Mpitsara ary Mpiaro ny fifikirana amin’Andriamanitra io no hitondra ny famaliana ilay lehilahin’ota sy ny tapany hafa amin’i Babylona Lehibe aloha, ary avy eo dia eo amin’ny tapany sisa amin’ny fandaminana ratsin’i Satana eto an-tany mbamin’ireo “osy” manohana azy. Amin’izay Satana dia hatsipy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa (Apokalypsy 20:1-3). Ireo “ondry” “marina” kosa, dia handova ny fiainana mandrakizay (Matio 25:46). Enga anie ny fikatsahantsika ny fifikirana amin’Andriamanitra hametraka antsika ao amin’io antokon’olo-marina io!
18. Tombontsoa mahafaly inona no ananantsika mifandray amin’ilay zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
18 Mampirisika antsika ‘hivavaka amin’Andriamanitra’ ny Apokalypsy 19:10. Nahoana àry? Manohy toy izao ny Soratra masina: “Fa ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny [nanomezana ara-tsindrimandry ny, MN ] faminaniana.” Noho izany dia maro amin’ireo faminaniana ara-tsindrimandry taloha no nanao fanambarana ny amin’i Jesosy! Koa satria tanteraka ireny faminaniana ireny, dia nanjary mazava tanteraka ny zava-miafina masin’Andriamanitra. Noho izany, dia faly isika mahafantatra fa ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra niseho tao amin’i Jesosy. Nahazo tombontsoa mahavariana tokoa isika hanaraka ny diany amin’ny maha-minisitry ny Fanjakan’Andriamanitra manetry tena antsika. Eny, omem-boninahitra isika amin’ny fanomezana antsika anjara amin’ny fahatakarana sy ny fanambarana ny zava-miafina masina rehetra an’Andriamanitra araka ny vaovao tsara!
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny oha-pifikirana amin’Andriamanitra nasehon’i Jesosy?
◻ Ahoana no ahafahantsika mivelona amin’ny fahamarinana toy ny nataon’i Jesosy?
◻ Zava-miafina mampahonena inona no mifanohitra tanteraka amin’ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
◻ Tokony hanosika antsika hanao inona ny fankasitrahantsika ny zava-miafina masin’ny fifikirana amin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 16]
Tamin’ny naha-mpiaro ny fifikirana amin’Andriamanitra sy mpitory ny Fanjakana be zotom-po azy, dia afaka nilaza izao tamin’i Pilato i Jesosy: “Izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.”
[Sary, pejy 18]
Niseho ny fifikiran’i Jesosy tamin’Andriamanitra rehefa nanameloka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo izy