Mitondra vokatra hiadanana ny fifehezana
“Fa ny famaizana [fifehezana, MN ] rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy io.”—HEBREO 12:11.
1. a) Inona no lazain’ny Tenin’i Jehovah ny amin’ny fahaizan’ny olombelona hitondra ny tenany, nefa inona no ihamboan’ny olona? b) Iza no niharihary fa marina, ary iza no niharihary fa mpandainga?
MANANTITRANTRITRA ny tenin’i Jehovah fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany”. (Jeremia 10:23.) Mihambo ho mahay mitondra ny tenany anefa ny olombelona, ary izany no ataony nanomboka tamin’ny fikomiana tany Edena. Mandraka ankehitriny dia be dia be no nanao tahaka ny Isiraelita tamin’ny andron’ireo mpitsara izay ny aminy no amakiantsika toy izao: “Samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.” (Mpitsara 21:25). Niharihary ho marina anefa ny tenin’i Jehovah voasoratra ao amin’ny Ohabolana 14:12, manao hoe: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” Nandritra ireo 6 000 taona nanarahan’ny olombelona ny lalana noheveriny ho mahitsy tokoa, dia nijaly noho ny ady, ny mosary, ny aretina, ny heloka bevava sy ny fahafatesana izy. Manaporofo ny fahamarinan’ny tenin’i Jehovah sy ny fahadisoan’ny lalan’ny olombelona ny Tantara.
2. Ahoana no hevitr’ireo mpandinika toe-tsain’ankizy ny amin’ny kapoka, nefa inona moa no nateraky ny fileferana loatra natorony?
2 Mila ny hofehezina ny olombelona tsy tanteraka, ary izany dia hatramin’ny fahazazany. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” (Ohabolana 13:24). Mpandinika toe-tsain’ankizy maro no manohitra ny maha-fahendrena an’io torohevitr’Andriamanitra io. Taona maro lasa izay, dia nametraka izao fanontaniana izao ny anankiray tamin’izy ireny: “Ry reny, tsapanareo ve fa isaky ny mikapoka ireo zanakareo ianareo, dia mampahafantatra azy fa mankahala azy ianareo?” Niteraka ditran’ny tanora aoka izany ny fileferana loatra, hany ka nanao izao fanamarihana manesoeso izao ny mpitsara iray tany Brooklyn: “Araka ny hevitro, ny tanora maniasia sasany dia mila ny hokapohina. Tsy lamaody intsony anefa izany amin’izao andro izao. Toroana hevitra isika ankehitriny mba tsy hikapoka ankizy iray, sao misakana halalinan-tsaina ao amin’ny fitomboany.” Tsy niteraka fijinjana halalinan-tsaina anefa ny fileferana loatra, fa firongatry ny tanora maditra.
3. Araka ny asehon’ny fanambaran’ny manam-pahaizana manokana maromaro, inona no mihatsapa hatrany?
3 Manomboka mitsoka ankehitriny ny rivo-piovana. Araka ny filazan’i Burton White, manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana, raha miseho ho hentitra amin’ny zanakao ianao, dia tsy tokony hatahotra “ny hihenan’ny fitiavany anao noho ny raha moramorainy aminy ianao (...). Na dia kapohanao tsy tapaka aza izy, dia ho tsikaritrao fa miverina aminao foana izy”. Nosoritany fa ambonin’ny zavatra rehetra, ny ankizy dia mila “fitiavana tsy azo porofoina” sy safononoka. Araka ny tantarain’ny dokotera Joyce Brothers, ny fandinihana natao vao haingana tamin’ny tanora an-jatony maro mianatra any amin’ny “lycée” nampiharana fifehezana hentitra dia nampiharihary fa eo imason’izy ireny, matoa mametra fitsipika ho an’ireo zanany ny ray aman-dreny, dia “satria tia azy ireny izy”. Nanao izao famoaboasan-kevitra izao ny Gazetin’ny fiainana isan’andro (anglisy): “Rehefa avy niady hevitra ny amin’ny maha-tsara na tsia ny fisakafoana amin’ny ora tsy miovaova, ny maha-mety na tsia ny kapoka, ireo mpandinika toe-tsain’ankizy, dia nahatsikaritra fa, raha mbola tiana koa ilay zanaka, dia tsy zava-dehibe ireo.” Ny dokotera Benjamin Spock, nanao ilay boky hoe Ny fanabeazana ny ankizy (anglisy) aza dia niaiky fa nisy anjara andraikiny tamin’ny tsy fisehoan’ny ray aman-dreny ho hentitra sy ny ditra naterak’izany. Ny tompon’andraikitra, hoy izy, dia “ireo mpitsabo aretin-tsaina sy ireo mpandinika toe-tsain’ankizy, ireo mpampianatra, ireo mpanampy ara-tsosialy ary ireo manam-pahaizana manokana momba ny aretin-jaza toa ahy”.
Ny tsorakazon’ny fifehezana
4. Mampiseho inona moa ny tsorakazom-pifehezana, ary inona no aseho rehefa mampiasa izany amin’ny fomba tsara fa tsy moramorainy?
4 Ny ‘tsorakazo’ resahina ao amin’ny Ohabolana 13:24 dia tsy hoe tsy maintsy mifanitsy amin’ny kapoka; izany dia mampiseho ny fomba fanitsiana amin’ny endriny rehetra. Momba an’io andininy io, dia izao no lazain’ny Baiboly anglisy iray (ny New International Version): “Tsorakazo: Azo inoana fa fitenenana ara-panoharana manondro karazam-pifehezana na inona izany na inona.” Mariky ny fahefana ny tsorakazo iray — araka ny hita amin’ny fahefan’ny ray aman-dreny. Tsy hisaotra ny ray aman-dreniny ny zanaka iray noho izy ireo moramorainy sy nampihanta azy. “Ny mpanompo [na ny zanaka] izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely dia hihambo ho zanaka [hanjary tsy hahay hankasitraka, MN ] any am-parany.” (Ohabolana 29:21). Izay rehetra tsy mety mampihatra ny fahefan-dray aman-dreny amin’ny fileferana loatra dia mameno henatra ny tenany ary miseho ho tsy miraharaha, fa tsy hoe tia; izay mampiasa ny tsorakazon’ny fifehezana amim-pahalemem-panahy nefa amin’ny fomba hentitra kosa anefa dia mampiseho fiheverana amim-pitiavana ilay zanaka. “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.” — Ohabolana 29:15.
5. a) Inona no ambaran’ny famoaboasan-kevitra iray momba ny Ohabolana 13:24, ary andinin-teny hafa inona ao amin’ny Baiboly no manamarina io hevitra io? b) Iza moa no fehezin’i Jesosy sy Jehovah?
5 Momba ny Ohabolana 13:24, voatonona eo ambony, dia manome izao fanazavana izao ny Famoaboasana ny Testamenta Taloha (anglisy) nataon’i Keil sy Delitzsch: “Ny ray iray izay tena maniry tokoa ny hahasoa ny zanany dia mampihatra aloha be aminy, fifehezana hentitra, mba hanomezana azy fitarihana tsara raha mbola mety hanan-kery eo aminy ny tena ary mba hisakanana ny fahazaran-dratsy tsy hamaka ao aminy; izay miseho ho moramorainy amin’ny zanany kosa anefa rehefa tokony ho hentitra izy, dia manao zavatra toy ny hoe tena maniry ny fahaverezany izy.” Manamafy izany ny Ohabolana 19:18, andininy nadikan’ny Fandikana Vaovao ny Baiboly (anglisy) an’i Moffatt toy izao: “Faizo ny zanakao raha mbola misy fanantenana ho azy, ary aza avela handeha ho any amin’ny fahaverezany izy.” Porofon’ny fitiavan-dray aman-dreny ny fifehezana amim-pahalemem-panahy nefa hentitra ampiharina raha vao eo amin’ny fahazazana. Izao no nolazain’i Jesosy: “Izay rehetra tiako no anariko sy faizako.” Fa raha ny amin’i Jehovah, dia ‘izay tiany no faizany’. — Apokalypsy 3:19; Hebreo 12:6.
6. Amin’ny endriny inona moa matetika no isehoan’ny fifehezana? Manonòna ohatra mba hanamafisana ny valin-teninao.
6 Mety hilaina ny hikapohana ny ankizy iray mba hifehezana azy, nefa tsy izany no izy matetika. Ny Ohabolana 8:33, MN, dia tsy milaza hoe “aoka ho tsapanao” ny fifehezana, fa hoe “henoy ny fifehezana ka hendre”. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny alalan’ny teny, fa tsy ny kapoka, no ampiharana fifehezana: “Lalan’aina ny anatra famaizana.” “Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazòny izy, fa ainao.” (Ohabolana 4:13; 6:23). Rehefa nila ny hofehezina i Joba, mpanompon’i Jehovah, dia nananatra azy am-bava, Eliho aloha, avy eo dia ny tenan’i Jehovah mihitsy (Joba, toko faha-32 ka hatramin’ny faha-41). Nanaiky ny fananarana izy ka nilaza toy izao tamin’i Jehovah: “Miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” — Joba 42:6.
7. Inona moa no dikan’ny teny grika nadika hoe “fifehezana”, ahoana no tokony hampiharana izany ary noho ny fikendrena inona?
7 Ny teny grika nadika hoe “fifehezana” dia pai·deiʹa. Ny mety ho dikany dia mampiofana, manabe, ‘mananatra [mampianatra, MN ] amin’ny fahamoram-panahy’. (2 Timoty 2:25) Ny famolavolana ny fitondrantena indrina no lazainy fa tsy ny fahazoana fahalalana. Ny fifehezana resahina dia tokony homena “amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra”. (2 Timoty 4:2.) Izany no miharihary amin’ity fananarana natao ho an’ireo ray ity: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy.” (Efesiana 6:4). Io fifehezana ampiharina amim-pahalemem-panahy nefa koa amin’ny fomba hentitra io dia natao hamolavolana ireo zanaka araka ny hevitr’i Jehovah.
Ny loharanon’ny fifehezana
8. Mifototra amin’inona ary amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ifehezan-tena?
8 Mihatra amin’ny olon-dehibe koa ireo fotopoto-pitsipika tokony harahina mba hifehezana ny ankizy. Lazain’ny Baiboly amintsika ny hoe tokony hanao ahoana isika ary tsy tokony hanao ahoana. Amin’ny famakiana izany, dia afaka mandini-tena isika ary manitsy tena raha ilaina izany (2 Korintiana 13:5). Rehefa misaintsaina ireo fitsipik’i Jehovah isika, dia mety hameno antsika ny fahatsapana ho meloka. Izany dia manampy antsika hamantatra hoe inona avy no fiovana tokony hataontsika. Izany no tsapan’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko [ny voako, MN ] [“ny fihetseham-poko lalina indrindra”].” (Salamo 16:7). Azontsika atao ny mifehy tena sahala amin’i Paoly izay nanambara hoe: “Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho; dia holavina kosa ny tenako.” — 1 Korintiana 9:27.
9. Amin’ny fomba hafa inona avy no azontsika andraisana fifehezana mahasoa?
9 Mety ho avy amin’ny olon-kafa iray ny fifehezana, amin’ny endriky ny topy maso, ny fiketronan-kandrina, ny teny iray, ny fihetsehana iray na ny fananarana am-bava. Ny topy mason’i Jesosy dia nampahatsiahy an’i Petera ny faminaniana ny amin’ny fahotana lehibe vao nataony, dia nivoaka izy ka nitomany mafy (Lioka 22:61, 62). Indray mandeha koa, dia vaka i Petera noho izao fanomezan-tsiny tamin’ny teny dimy izao: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana!” (Matio 16:23). Ny famakiana ireo bokin’ny Fikambanana, ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana, ny firesahana amin’ireo namantsika, ny fiaretana ao anatin’ny toe-javatra sarotra — izany asa rehetra izany dia mety hanampy antsika hanavaka hoe amin’ny lafiny inona avy isika no tokony hanao fiovana. Ny loharanom-pifehezana lehibe indrindra anefa dia ny Tenin’Andriamanitra mihitsy. — Salamo 119:105.
10. Ahoana no mety hifehezan’ireo ohabolan’i Solomona antsika, nefa lalana inona no tena tian’ny sasany harahina?
10 Ireo ohabolan’i Solomona dia natao ho an’ny olona samy hafa taona, “hahalalana fahendrena sy fananarana ary hahafantarana ny tenin’ny fahalalana; hahazoana fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava ho an’ny zatovo”. Indraindray anefa dia misy olona izay ‘raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana azy; fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny’. (Ohabolana 1:2-4; 29:19.) Ny tsy ampy fanandraman-javatra sasany dia mitady tanteraka ny hianatra “amin’ny fahitan-java-tsarotra”, tahaka ny nataon’ilay zanaka adala talohan’ny ‘nodian’ny sainy’. — Lioka 15:11-17.
11. a) Tamin’ny fomba ahoana no nifehezana ny kongregasionan’i Korinto sy Jona? b) Noho ny nanitsakitsahany vady sy niezahany hanafina ny fahadisoany, sazy famaizana inona avy no nampiharina tamin’i Davida? d) Tenin’i Davida inona voarakitra ao amin’ny Salamo 51 no mampiharihary ny halalin’ny fibebahany?
11 Ny amin’ny vokatra nateraky ny taratasy iray izay azo inoana fa nataony ho an’ny kongregasiona tany Korinto, dia izao no nosoratan’i Paoly: “Noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampalahelovina araka an’Andriamanitra hianareo (...) [ka izany dia niteraka] famaliana [fanonerana, MN ] ny ratsy natao.” (2 Korintiana 7:9-11). Jona dia nofehezina tamin’ny alalan’ny tafiodrivotra iray, izay nahatonga ny ranomasina hisamboaravoara, sy tamin’ny alalan’ny hazandrano lehibe iray (Jona 1:2, 3, 12, 17; 2:10; 3:1-4). Noho izy nanitsakitsa-bady sy niezaka hanafina ny fahadisoany, dia nampiharana sazy famaizana i Davida, araka ny asehon’ny 2 Samoela 12:9-14. Naneho ny fibebahany tamin’izao teny mampihetsi-po voasoratra ao amin’ny Salamo faha-51 izao izy: ‘Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana, eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Vonoy ny heloko rehetra. Amoròny fo madio aho, ary havaozy hiorina marina ny fanahiko (esprit) ato anatiko. Aza manary aho hiala eo anatrehanao; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.’ — andininy faha-2, 3, 9-11, 17.
12. Amin’ny olona sasany, fandaharana hentitra kokoa inona avy no tsy maintsy atao, ary inona no hiafaran’izay mandà ny fananarana miverimberina?
12 Amin’ny sasany dia tsy maintsy ampiharina ny fandaharana hentitra kokoa, araka ny asehon’ny Ohabolana 26:3 amin’izao teny izao: “Ny karavasy ho amin’ny soavaly, ny lamboridy ho amin’ny boriky, ary ny tsorakazo kosa ho amin’ny lamosin’ny adala.” Indraindray dia navelan’i Jehovah ireo mpanompony, ny Isiraelita, hiharan’ny loza vokatry ny nataon’izy ireo ihany: “Satria nandà ny tenin’Andriamanitra sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; dia nampietreny tamin’ny fahoriana ny fony; ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy; dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka novonjeny tamin’ny fahatereny.” (Salamo 107:11-13). Nisy anefa adala nanamafy hatoka ka nanjary tsy nihontsina tamin’ny karazam-pifehezana rehetra: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.” — Ohabolana 29:1.
Ny fomba fanomezana sy fandraisana fananarana
13. Inona no tokony hohalavirina rehefa mananatra olona, ary ahoana no tokony hanaovana izany?
13 Na inona na inona karazany, ny fifehezana dia tsy tokony hampiharina mihitsy ao anatin’ny fipoahan’ny fahatezerana. Raha ny marina, dia tsy mahasoa ny ‘fahatezerana fa manetsika ady’. Izao no vakintsika: “Be saina izay mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.” Afa-tsy izany koa, “ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana”. (Ohabolana 29:22; 14:29; 19:11.) Rehefa miharihary fa ilaina ny famaizana, dia tsy tokony ho tafahoatra mihitsy izany. Ampiharo izany amin’ny fotoana sy ny fatra mety — tsy aloha loatra na diso aoriana loatra, tsy malemy loatra na mafy loatra.
14. Torohevitra hafa inona avy no raisin’ireo izay tsy maintsy manome fananarana?
14 Ireto misy torohevitra vitsivitsy natao ho an’ireo tsy maintsy manome fananarana: “Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro [iangavio, MN ] toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” (1 Timoty 5:1, 2). Moa ve isika miangavy ny olona anarintsika, misoroka ny tsy hitratrevatreva aminy ve isika? “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy [ireo toetra ara-panahy takina, MN ] amin’ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” (Galatiana 6:1). Manoro hevitra amim-pahalemem-panahy ve isika amin’ny fahatsapana hatrany ny fahalemen’ny tenantsika? “Ento tahaka ny ho tianao hitondrany anao foana ny hafa.” (Matio 7:12, Ny Baiboly vaovao amin’ny teny anglisy). Mipetraka eo amin’ny toeran’izay fehezinao ve ianao ka miseho ho mahatakatra ny fiheviny?
15. Toetra inona moa no tokony hananana mba hanekena ny fananarana, ary torohevitra amboniny inona no azo omena ireo anarina?
15 Ilaina ny hananana fanetren-tena mba hanekena ny fananarana. Heverinao ho tafahoatra, mafy loatra na tsy ara-drariny ve izany? Aza manatsoaka hevitra haingana loatra. Makà fotoana hieritreretana. Aza manana fijery tsy manorina. Fakafakao amin’ny fomba manorina ireo fanomezan-tsiny atao aminao. Na dia tsy hitanao ho ara-drariny aza ny rehetra, moa ve toy izany ihany ny sasany? Manàna saina mivelatra; diniho amin’ny saina tsy miangatra izany. Miseho ho mora tohina ve ianao? Malaky tezitra loatra ve ianao? Hila fotoana angamba ianao mba hahazoana fiheverana marina ny amin’ny fananarana. Andraso hihamaty àry ny fanorisorenana. Fehezo ny lelanao. Fakafakao amim-pahatoniana izay lazaina aminao. Mety ho namelona fankahalana ilay olona manome torohevitra anao ve ianao ka noho izany antony izany no nandavanao azy? Na dia izany aza, dia eritrereto fa nomena anao noho ny fikasana mendri-piderana izany ka tsy tokony holavina avy hatrany.
16. a) Andinin-teny inona avy ao amin’ny Baiboly ary fanontaniana inona avy no tokony hoheverina rehefa mandray torohevitra? b) Fihetseham-pon’ny mpanao salamo inona no hahasoa ny hananana azy?
16 Ireto misy andininy vitsivitsy tsara hosaintsainina rehefa anarina ny tena: “Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina.” (Ohabolana 17:27). Mihaino amim-pahatoniana izay mananatra anao ve ianao? “Ny làlan’ny adala dia mahitsy eo imasony; fa izay mino anatra no hendry.” (Ohabolana 12:15). Mihevitra avy hatrany ve ianao fa ny anao no marina, sa henoinao tsara izay lazaina aminao? ‘Ilaina ny halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.’ (Jakoba 1:19). Ampiharinao ve ireo andininy ireo rehefa toroana hevitra ianao? “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9). Mora sosotra ve ianao? Hahasoa tokoa ny hitoviana fihetseham-po amin’ny mpanao salamo izay nilaza hoe: “Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemem-panahy ka hananatra ahy, fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako.” — Salamo 141:5.
Aoka isika hiaritra ny fifehezana ary hijinja vokatry ny fiadanana
17. Nahoana moa no tsy mora foana ny manaiky ny fifehezana, nefa teny inona avy voasoratra ao amin’ny Hebreo 12:7, 11 no hanampy antsika hiaritra izany?
17 Tsy mora foana akory ny manaiky ny fifehezana. Angamba izany arahin’ny fahatsiarovana ho sakodiavatra ary arahin’ny fameperana. Mampijaly aza izany indraindray. Iareto anefa izany fitsapana rehetra izany. Ho lasa izany ka hanome toerana ho an’ny fifaliana. Tadidio izao: “Famaizana no anton’ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy? Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — Hebreo 12:7, 11.
18, 19. Fihetseham-po mahery inona nambaran’i Jeremia sy ny mpanao salamo no mety raha raisintsika ho antsika rehefa fehezina isika?
18 Koa raha mampanaintaina sy sarotra iaretana ny fifehezana, dia andraso ny fijinjana ny vokatra hiadanana haterany. Miandrasa an’i Jehovah, sahala amin’i Jeremia izay nanambara hoe: “Eny, hahatsiaro ny fanahinao ka hiondrika amiko. Izany no hampahatsiahiviko ny foko. Noho izany no hiandrasako.” (Fitomaniana 3:20, 21, MN ). Tadidio fa tao anatin’ny fahoriany dia nihiaka toy izao ny mpanao salamo: “Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra hianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany.” — Salamo 42:5, 11; 43:5.
19 Araka izany, aoka ny tsirairay avy amintsika hiandry an’Andriamanitra rehefa mandray fifehezana. Rehefa avy nampiofanina tamin’izany isika, dia hijinja vokatra hiadanana, dia ny fahamarinana.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no ilàna ny tsorakazom-pifehezana?
◻ Inona moa no loharanom-pifehezana lehibe indrindra? Inona koa ny hafa?
◻ Ankoatra ny fananarana am-bava, fandaharana hentitra kokoa inona avy no miharihary fa ilaina hatao indraindray?
◻ Tonòny ny fotopoto-pitsipika sasany tokony harahina rehefa mananatra olona.
◻ Torohevitra inona avy no hanampy antsika hanaiky ny fananarana?
[Sary, pejy 17]
Manana fahendrena ‘mihaino ny fifehezana’ ve ianao?
[Sary, pejy 18]
Mihatra amin’ny olon-dehibe koa ireo fotopoto-pitsipika tokony harahina mba hifehezana ny ankizy.