Onesiforosy — Mpampionona Be Herim-po
“TSAROVY ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna”. (Hebreo 13:3, Dikanteny Iombonana eto Madagasikara). Fony nanoratra ireo teny ireo ny apostoly Paoly, tokony ho tamin’ny taona 61 am.f.i., dia efa nampidirina am-ponja maherin’ny indray mandeha izy ary hatao toy izany koa alohan’ny hahafatesany ho martiora. (Asan’ny Apostoly 16:23, 24; 22:24; 23:35; 24:27; 2 Korintiana 6:5; 2 Timoty 2:9; Filemona 1). Nilaina maika tamin’izany, toy ny amin’izao fotoana izao, ny nikarakaran’ny kongregasiona an’ireo mpino hafa, rehefa nandia fisedrana ny finoan’izy ireny.
Ny mpianatra iray tamin’ny taonjato voalohany, izay tena niahy ny amin’izany zavatra nilaina izany, dia i Onesiforosy. Nitsidika an’i Paoly izy nandritra ny nampidirana am-ponja an’i Paoly fanindroany, tany Roma. Toy izao no nosoratan’ilay apostoly momba azy: “Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita”. (2 Timoty 1:16, 17). Efa mba naka fotoana hisaintsainana izay tena dikan’ireo teny vitsivitsy ireo ve ianao? Azo inoana fa hampitombo ny fankasitrahanao an’i Onesiforosy ny fanaovana izany. Ho hitanao fa mpampionona be herim-po izy.
Ny fampidirana am-ponja an’i Paoly fanindroany
Rehefa avy nafahana tamin’ilay fampidirana am-ponja azy voalohany i Paoly, dia naiditra indray tao amin’ny fonja romana iray, saingy tao anatin’ny toe-javatra hafa. Teo aloha, ireo namany dia afaka nankao aminy tao amin’ilay trano nohofany, ary toa natoky izy fa antomotra ny fanafahana azy. Izao kosa izy dia nilaozan’ny maro, ary nanangasanga ny fahafatesany ho martiora. — Asan’ny Apostoly 28:30; 2 Timoty 4:6-8, 16; Filemona 22.
Tany am-ponja i Paoly tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny taona 65 am.f.i. Sahabo ho herintaona talohan’io — tamin’ny Jolay 64 am.f.i. — dia nisy afo nahenika an’i Roma, ka niteraka fahasimbana goavana tamin’ny 10 tamin’ireo faritra 14 tao amin’ilay tanàna. Araka ny filazan’i Tacite, mpahay tantara romana, ny Emperora Néron dia tsy afaka ‘nanaisotra ilay zavatra ninoana fambara loza hoe vokatry ny baiko iray [navoakany] ilay afo. Noho izany, mba hampisinda ilay resaka nandeha, dia nosoketain’i Néron sy nampiharany fampijaliana faran’izay mafy ny vondron’olona iray nankahalaina noho ny zava-naharikoriko nataon’izy ireo, izany hoe ireo nantsoin’ny sarambabem-bahoaka hoe Kristiana. (...) Nasiana an’izao karazam-panesoana rehetra izao ny famonoana azy ireo ho faty. Norakofana hodi-biby izy ireo, hany ka noviravirain’ny alika ka maty, na nofantsihana teo amin’ny lakroa, na nohelohina hodorana mba ho fanazavana tamin’ny alina, rehefa nisinda ny hazavan’ny andro’.
Tao anatin’ny rivo-piainana toy izany no namerenana an’i Paoly tao am-ponja. Ary zavatra nitovy tamin’izany no nampoiziny hitranga. Tsy mahagaga raha velom-pankasitrahana tokoa izy noho ireo fitsidihan’i Onesiforosy namany! Andeha anefa hojerentsika ilay tarehin-javatra, araka ny fomba fijerin’i Onesiforosy azy.
Fitsidihana an’i Paoly voafonja
Toa nipetraka tany Efesosy ny fianakavian’i Onesiforosy. (2 Timoty 1:18; 4:19). Tsy voambara raha tonga tao amin’ny renivohitr’ilay empira noho ny raharahany manokana i Onesiforosy na hitsidika manokana an’i Paoly. Na ahoana na ahoana anefa, dia toy izao no fanamarihan’ilay apostoly: ‘Raha tany Roma i Onesiforosy, dia namelombelona ny fanahiko matetika izy’. (2 Timoty 1:16, 17). Karazana famelombelomana inona izany? Na dia tena nety ho tafiditra tamin’ny fanampiana nentin’i Onesiforosy aza ny zavatra ara-nofo, dia niharihary fa famelombelomana nanatanjaka sy nankahery an’i Paoly koa ny naha-teo azy. Raha ny marina, dia toy izao no lazain’ny fandikan-teny sasany: “Nahavelom-bolo ny fanahiko matetika izy”, na “nampionona ahy matetika izy”.
Zava-tsarotra ny fanatanterahana ny faniriana hitsidika voafonja kristiana tany Roma tamin’izany fotoana izany. Niharihary fa tsy afaka nifandray tamin’i Paoly ireo Kristiana romana tamin’itỳ, tsy tahaka ny tamin’ireo andro nampidirana am-ponja azy voalohany. Tao amin’ny tanàna lehibe sahala amin’i Roma, dia tsy mora ny nitady voafonja iray tsy be mpahalala, teo anivon’ny olona maro be izay tsy maintsy nogadraina noho ny fandikan-dalàna samihafa. Tena nilaina, noho izany, ny fikarohana tamim-pahazotoana. Milazalaza izany amin’izao fomba izao ilay manam-pahaizana atao hoe i Giovanni Rostagno: “Mety ho nisy karazany samy hafa ireo zava-nanahirana, fa ny lehibe indrindra tamin’ireny dia ny hoe nilana fahamalinana fatratra ilay fikarohana. Ny fanangonana fanazavana tetsy sy teroa, sy ny fisehoana ho naniry fatratra ny hahita ny fonja nitanana olona antitra iray diso nafana fo, izay voarohirohy tamina heloka bevava maro, dia mety ho niteraka fiahiahiana izaitsizy.”
Hoy i P. N. Harrison, mpanoratra, raha nilazalaza an’ilay tarehin-javatra tamin’ny fomba toa hitan’ny maso: “Toa toy ny hoe mitopy ny masontsika ka mahita endrik’olona iray manan-java-kendrena, eo anivon’ny vahoaka mifamoivoy, ka taitra ny fahalianantsika eo am-panaraha-maso an’io vahiny avy any amin’ny moron-tsiraka lavitry ny Ranomasina Egée io, raha mbola mitsofotsofoka amin’ireto lalana tsy mahazatra sy mahavery izy, mandondòna varavarana maro sy mamotopototra izay fanazavana rehetra mety hanampy, ampitandremana ny amin’ireo loza mety ho hitany izy, kanefa dia tsy laitra ahodina fa nitady hatrany; mandra-pahatongany eo amin’ny fonja maizimaizina iray izay misy feo fantany miarahaba azy, ary dia hitany i Paoly, mifatotra amin’ny miaramila romana iray.” Raha toerana nitovy tamin’ny fonja romana hafa izy io, dia azo inoana fa toerana nangatsiaka sy maizina ary naloto, izay nahitana be dia be an’izao karazana gadra vy sy fampijaliana rehetra izao.
Nampidi-doza ny hoe fantatra ho naman’ny voafonja toa an’i Paoly. Vao mainka nampidi-doza aza ny tsy nitsahatra nitsidika azy. Ny fampahafantarana an-karihary ny tena ho Kristiana dia nisetrana loza, dia ny ho voasambotra sy hampijalijalina ho faty. Tsy nianina tamin’ny fitsidihana indray mandeha na indroa fotsiny anefa i Onesiforosy. Sady tsy menatra izy no tsy natahotra ny hanao izany “matetika”. Tena niaina nifanaraka tamin’ny hevitry ny anarany, dia ny hoe “Mpitondra Tombontsoa”, i Onesiforosy, ka nanome fanampiana feno herim-po sy fitiavana, na dia teo aza ny loza.
Nahoana i Onesiforosy no nanao izany rehetra izany? Hoy ny fanamarihan’i Brian Rapske: “Ny fonja dia tsy vitan’ny hoe toerana nijaliana ara-batana fotsiny, fa toerana nisian’ny fanahiana lalina koa noho ny fihenjanana naterany ho an’ilay voafonja. Tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, ny naha-teo an’ireo mpanampy sy ny fampaherezana am-bava avy amin’izy ireo dia nety ho fankaherezana lehibe ara-pihetseham-po ho an’ilay voafonja.” Niharihary fa nahatakatra izany i Onesiforosy ka nifikitra tamin-kerim-po tamin’ilay namany. Tsy maintsy ho nankasitraka izany fanampiana izany tokoa i Paoly!
Nanao ahoana i Onesiforosy?
Tao amin’ny taratasy faharoa ho an’i Timoty, dia nandefa fiarahabana ho an’ny ankohonan’i Onesiforosy i Paoly ka nilaza toy izao momba azy: ‘Ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’i Jehovah amin’izay andro izay’. (2 Timoty 1:18; 4:19). Maro no mihevitra fa ny teny hoe “amin’izay andro izay” dia manondro ny andro fitsaran’Andriamanitra, ka manatsoaka hevitra, araka izany, hoe efa maty Onesiforosy tamin’izay fotoana izay. Raha izany no izy, dia angamba ‘nanao vivery ny ainy tao amin’io toerana nampidi-doza io i Onesiforosy, ka tratra nony farany, ary ny ainy no nanefana ny saziny’, araka ny hevitra natsidik’i P. N. Harrison. Mazava ho azy fa nety ho tsy tao an-trano fotsiny i Onesiforosy, na nety ho nampiditra azy tao amin’ireo fiarahabana nalefany ho an’ny mpianakaviny manontolo, i Paoly.
Mino ny sasany fa misy heviny manokana ilay fanambarana hoe: ‘Ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’i Jehovah amin’izay andro izay’. Mihevitra izy ireo fa ireo teny ireo dia manamarina ny vavaka atao ho an’ny fanahin’ireo nody mandry, izany hoe ny fanahiny izay mbola velona ary angamba mijaly any amin’ny faritra ara-panahy. Izany hevitra izany anefa dia mifanohitra amin’ilay fampianaran’ny Soratra Masina manao hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty. (Mpitoriteny 9:5, 10). Na dia atao aza hoe maty i Onesiforosy, i Paoly dia naneho tsotra fotsiny ny firariany mba hahitan’ilay namany famindram-po avy amin’Andriamanitra. “Manan-jo haneho izany firarian-tsoa izany ho an’ny olona rehetra isika”, hoy i R. F. Horton. ‘Ny mivavaka ho an’ny maty kosa anefa, sy ny manao Lamesa ho azy ireny, dia hevitra tsy tao an-tsain’ilay apostoly mihitsy.’
Aoka isika ho mpampionona tsy mivadika
Na tena namoy ny ainy teo am-panampiana an’i Paoly i Onesiforosy na tsia, dia azo antoka fa nanao vivery ny ainy izy mba hahitana ilay apostoly sy hitsidihana azy tany am-ponja. Ary tsy isalasalana fa nankasitraka ilay fanohanana sy fampaherezana tena nilainy, izay azony avy tamin’i Onesiforosy, i Paoly.
Rehefa tojo fisedrana, fanenjehana, na fampidirana am-ponja ny Kristiana hafa, dia mety ho afaka hampionona sy hampahery azy ireny isika. Enga anie àry isika hivavaka ho azy ireny ary hanao amim-pitiavana izay rehetra azontsika atao mba hanampiana azy ireny. (Jaona 13:35; 1 Tesaloniana 5:25). Toa an’i Onesiforosy, dia aoka isika ho mpampionona be herim-po.
[Sary, pejy 31]
I Onesiforosy dia nampionona tamin-kerim-po ny apostoly Paoly voafonja